mer

06

jui

2011

Miverimberina sy miodikodina ny tantara...

Lire la suite 0 commentaires

ven

24

jun

2011

Tsiky kely fa reraka e!

Lire la suite 0 commentaires

mer

18

mai

2011

Hetsika teny Anosy: No comment!

Lire la suite 1 commentaires

lun

02

mai

2011

Faran'ny herinandro teo!

Lire la suite 0 commentaires

jeu

21

avr

2011

Miteny ihany koa hay ny rindrina?

Lire la suite 0 commentaires

mer

06

avr

2011

Tantaran-tseza... Indray andro hono...

Lire la suite 0 commentaires

lun

21

mar

2011

Topimaso ho an'ny vehivavy miasa

Lire la suite 6 commentaires

lun

16

aoû

2010

Ny Malagasy sy ny “recyclage” ny Pneu !


Mitsiriritra ery mahita ireto “otomobilina amin’ny faran’ny herinandro! Manaloka ny tambanivohitra” hoy Lolo sy ny tariny zay. Ary dia marika avo lenta avokoa! Marina ry Bebert tsy lafo be ireny? Sady mba rahoviana no hitaingina an’ireny? Fa ny trangantsika androany tsy ho lafo be toy ireny ka. Malaza mahay asa tanana ny Malagasy, ary tsy very mihitsy ny zavatra rehetra tonga eo am-pelatanany. Anisan’izany ny asa tanana vita amin’ny kodiarana fiara (Pneu). Ka na fiara tsara be manjelanjelatra, na efa kadroaka, refa azon’ny Malagasy ny pneu ny dia samy mitaingina azy daholo e! Vokatra roa no ho hitantsika ato dia ny silent bloc sy ny kapa pneu. Ny pneu –na engin hono zany no mety ahodina ho silent bloc, maharitra tokoa io pièce io ary tsy mena mitaha amin’ny vita “norme” vazaha. Be dia be ny olona mivelona amin’io asa io. Raha mahatsikaritra isika dia eny amin’ny route digue na eny Andavamamba no tena misy azy. Ary efa misy ny milina manokana ampiasain-dry zareo. Raha ny kapa pneu indray dia efa ela no nahitana azy eny an-tsena, fa ny tsy fantatsika angamba dia hoe ny pneu nylon ihany (izany hoe pneu na super hatramin’ny camion) no mety hanaovana kapa. Mafy ary tsy mataho-dalana toy ny fiara 4X4 ireny kapa ireny. Hany ka na vazaha mandalo mitsidika eto Madagasikara aza dia misy ny mividy. Sady tsy dia lafo izy ity satria eo anelanelan’ny 1500 Ariary sy 3000 Ariary. Hitanareo amin’izao fa tsy misy very mihitsy ny akora ampiasaina fa misy azo atao aminy foana. Tsy ratsy ny vita gasy e.

Mamazily- Bebert

Lire la suite 4 commentaires

dim

01

aoû

2010

Mpanao SÔSISY

Toy ny mahazatra dia niaraka ary i Mamazily sy Bebert mpaka sary, nitrandraka indray ny vaovao mety hahaliana anao. Anisan’ny sakafo tiako ny sôsisy, asiana anandrano,tsaramaso, voajobory… Io vokatra io moa dia vita amin’ny tsinay kena, sy sesika voatoto, ny anarany fotsiny no mody miova fa mitovy ihany ny fanamboarana azy: ao ny chipolata, pur porc, à l’ail, volaille, boudin, …. Sy ny sisa e! Samy manana ny tiany. Ka indro ary atolotray anareo ny fikarakarana rehetra alohan’ny hahavitan’ny sôsisy lava bé. Nifametraka fanontaniana ihany anefa izahay hoe: “dia ahoana ity?” Izay saro-drikoriko aloha dia aza mijery e!

Lire la suite 20 commentaires

jeu

15

jui

2010

Parisy: Matso 14 jolay

Lire la suite 15 commentaires

mer

07

jui

2010

Ra-Gilbert ao Ambatolampy: Dimampolo taona nanamboarana vilany

Ambatolampy. Distrika iray amin’iny lalam-pirenena fahafito iny. Ambatolampy, tompon’ny vilany. Ny 50%- n’ny mponina ao aminy no voalaza fa mamelon-tena amin’ny fanamboarana vilany avokoa. Fanadihadiana natao tamina toerana iray fanamboarana vilany any an-toerana indrindra no hoentina aminao anio.

Akora

Iray amin’ireo toerampanamboarana vilany anisan’ny tranainy indrindra ao Ambatolampy ity notsidihan’ny gazety Basy Vava, an’ny fianakaviana iray iasan-dRa- Gilbert ity. Dimampolo taona nanaovana izany asa izany izy ireo, raha ny filazany. Araka izay maha-toerana fanamboarana vilany azy izay dia ny viraty na ny “aluminium” no akora tena miasa. Efa misy mamatsy avy any am-pitandranomasina ry RaGilbert sy ny ekipany ary manafatra avy any amin’ny faritany ihany koa izy ireo hamenoana ny akora tsy ampy avy eto an-toerana. Azo ampiasaina avokoa rehefa mety ho fitaovana vita amin’ny viraty toy ny tafo, ny “carrosserie”-na fiarakodia Land Rover, ny vilany efa simba …

Lire la suite 2 commentaires

Gazety BasyVava

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra