mar
26
jui
2011
Tsy nahay nisikotra, ka nahitan-doza! Izay no nahazo ity renim-pianakaviana iray, nitondra ny zanany nihotra teny Sabotsy namehana. Ontsa ny fon-dreniny nahita ny nafitsok’ity vehivavy izay nampiteraka azy, satria efa zaza faharoa naterany ity vao teraka tamin’ny herinandro ity. Saro-piterahana ramatoa, ary dia nisikotra mafy ilay rasazy hafakely, saingy ny sandrin’ilay zaza no voa vokatr’izay tsy fahaiza-nangarona ny fivavian’ilay reny niteraka izay. Manaraka fitsaboana sahady amin’ny alalan’ny hotra io zaza io amin’izao fotoana, ary be no nanome tsiny ity reny ity ny tsy nandehanany teny anivon’ny hopitaly rehefa hita fa ho sarotra ny fiterahany.
mar
26
jui
2011
Nandia fotoan-tsarotra ny mpiasan’ny orinasa afaka haba ny taona 2009. Nitohy tamin’ny fisintahan’ny AGOA izany, ka saika nikatona daholo ireo trano fiasana maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Nanomboka teo, dia nandia fotoan-tsarotra ireo mpiasa, indrindra fa ireo manofa trano. Tsy misy ny asa, nefa ny hofan-tranon’olona tsy maintsy aloa. Be no nandeha nivaro-tena, ary nisy ihany koa ny niverina nody tany ambanivolo.
mar
19
jui
2011
Mafy ady ny gasy, ary izay foana no mibahana ao antsain’ny hafa. Tsy mba misy saina hikarokaroka mba hialana amin’io fahantrana io intsony, fa dia ny hangataka no masaka an-doha na dia misy hery sy tanjaka aza ao amin’ny olona sasany. Dia voretra eny, ary ilay akanjo maloto sy rovidrovitra no entina mangataka etsy sy eroa. Ny haofotsy amin’io tsy lazaina intsony. Raha ny tombana natao tamin’ny mpangataka iray, dia mahazo mihoatra ny Ar 2000 ny olona iray raha kely indrindra. Ireo sembana hafa kosa dia mahazo hatrany amin’ny roa alina ariary isan’andro. Ianao no manao ny kajy tsotsotra amin’ny vola miditra aminy.
Mora ny akanjo...
sam
16
jui
2011
Tafaverina soa amantsara ny fandraisana ny onjampeo sy ny fahitalavitra RNM ary TVM any amin’ny faritra maro amin’izao fotoana izao. Isan’izany ny tany amin’ny Faritra Analanjirofo, Atsinanana, Diana, Sava, tsimo Andrefana sy Atsimo Atsinanana. Araka ny vaivao, dia noho ny tsy fahalavorarian’ny tanjaky ny herin’aratra Jirama no tsy nahafahan’ny mpampita Ortm nandefa na ny sary na ny feo, tamin’ny alatsinainy lasa teo. Io fitaovana io no mandefa, amin’ny alalan’ny satelita, izany rehetra izany mankany amin’ny onjam-paritra.
Volana
jeu
14
jui
2011
Ankasomparana, Izay no azo ilazana ity vehivavy monina any Antsapandrano, satria tao anatin’ny sivy taona, dia tsy tafavoaka tamn’ny fiainany ity vehivavy ity. Ny f ianarana tsy vita hatramin’ny farany, ny varotra izay mba natao, banky ropitra tanteraka, ary na ilay fofombadiny aza tsy hitany intsony hatramin’izao. Vato kiboribory araka ny fomba fiteny no nahazo azy. Ny tena olana, dia marary izy amin’izao fotoana, ary efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly. Fa ankoatr’izay, dia nitsabo tena nanamboatra ny vitany ihany koa izy, ka tapa-bolana teo ho eo izao no nivoaka zavatra toy ny atody tao amin’ny fitombenany.
mar
12
jui
2011
Tsy mampino, simba ny zaza malagasy ! Mbola zaza raha izay no hilazana ireto ankizy manao andiany eo amin’ny telo na efatra eo izay mitady lehilahy be vola, na vazaha, mba hanaovany rendrarendra. Raha ny heno, dia mpianatra amin’ny sekoly sy miankina goavana eto an-drenivohitra izy ireo, ary eo amin’ny fito vavy eo ho eo. Miaraka andiany telo, ny iray, ary efatra kosa ny faha-roa. Ny zokiny indrindra amin’ireo, dia eo amin’ny 15 taona, ary tombanana ho 13 taona kosa ny zandriny indrindra. Mbola «dôr» ny entana, ka tsy mandeha raha tsy vola be hoy ity lehibe indrindra amin’izy ireo, izay miaraka amin’ny bex sy masikita, ary zipo fohy kely hatreny ampoto-pe. Ny nono amin’izay aderadera kely ery amin’izato akanjo ambony foitra, ary tsy mahatsiaro ho mangatsiaka an. Ny finday amin’io, tsy mitsahatra ny tsy maneno, ary misy vehivavy efa tokony ho 18 taona kosa, no mitazona ny kitapo sy ny akanjon’izy ireo. Izay fiara milay mandalo, avy hatrany dia hidiran’izy ireo, ary manetroka tanteraka ny setron-tsigara. Tsy mijanona mandra-maraina kosa ireto nkizy ireto, fa amin’ny 11 ora alina dia efa samy mamonjy fodiana avokoa.
sam
09
jui
2011
Taitra ny maro nahita ireto mpanao hakingan-tanana tetsy anoloan’ny Gara Soarano ny talata atoandro teo, satria nitelina bibilava ity tovolahy iray, saingy tsy tafavoaka tao an-kibony. Nihiaka nandoa ny anao lahy, saingy niholakolaka teo, ka nifamonjen’ny mpitazana. Tsy nandaitra. Izay sisa farateniny, ary safotra teo izy. Ireo namany kosa niezaka nisokitra ny tao anaty tendany, ka afaka folo minitra vao nivoaka tao an-kibony ilay biby. Teratsemboka ny anao lahy avy eo, ary nangorona ny entankeliny, ka henatr’olona no nisarahana. Fa fitadiavam-bola fanaon’ireto mpanao hakingan-tanana ireto io asa io, ary ny afo sy ny filalaovana irony bibilava tsy dia lehibe loatra irony no tena ataony. Asa na misy hery miafina fanampiny io, na tsia fa dia io tsy tafavoaka io ny biby izay nateliny. Inona ihany koa no dikan’ilay teny hoe tsy nandaitra ? Asa fa ny azo ambara dia mazia namoan-tsampona ity tranga iray ity.
Raleva zokiny
jeu
07
jui
2011
Ampiasaina daholo izay mety hivadika ho vola. Mampalahelo ny mahita reny miteraka etsy sy eroa, nefa toa tsy misy zaza taizainy akory ireo naterany. Ny antony, dia ataony bizina ireny ankizy ireny. Ireto misy tranga vitsy izay ho tanisaina eto. Vehivavy iray monina eny Tsarafaritra, no niteraka telo. Samy hafa avokoa ny rainjanany, na tsy fantany akory hoe iza amin’ireo niaraka tamin’ny dadan’ireto ankizy. Ny tsikaritry ny fiarahamonina anefa, teraka telo andro izy, dia tsy hita ao aminy ny zanany. Ny taona 1994 no nahitana azy niteraka farany, ary ankehitriny ity vehivavy ity, dia manenina ny zavatra nataony. Tsy nanala zaza izy, fa namidiny tamin’ny vahiny ireto menaky ny ainy.
lun
04
jui
2011
Vao maraina dia nitangoronan’olona ny fanariampako iray tetsy Soarano ampitan’ny firaisana voalohany. Fa inona no tao ? Fatin-jaza lahy kely tokony ho eo amin’ny enim-bolana efa hary tongotra aman- tanana no hitan’ny olona tao. Honena avokoa izay rehetra nijery teo. Sendra izay Reny maty heritreritra, ni tondra vohoka amambolana maro nefa de esorina sady ariana any anty fako. Tato ato dia maro ihany ireo Reny manary ny zanany any antatatra, rano, fanariam-pako, ny sasany aza dia any anaty lavam-piringa mihintsy no anariany azy.
Inona no antony ?
Mety ho vohoka tsy niriana angamba sa noho ny fahasarotam-piainana na koa noho ny fahadiasoam-pitiavana. Na izany na tsy izany dia tokony handinika aloha vao manantanteraka zavatra iray ary tsy tokony hiafara amin’ny famonoan’olona toy ireny. Mangokita ny fon’ireo izay mitady zaza ny fa tsy mety mahazo, ny an’ny sasany anefa esorina dia hariana. Harena ny zanaka hoy ny Ntaolo ka asakasankareo izay manary harena.
Bebert
sam
02
jui
2011
Rija mpanefoefo. Izay indray no hiantsoan’ny maro ity lehilahy ity, fa tsy Rija maskita intsony. Nahavitàny trano misy rihana roa sy nahavidy fiara iray 405 ny fiketrehana maskita izay nataony nandritra ny 20 taona. Hena fahefany no niantombohany nivarotra tetsy 67 ha ar y niakat ra teny Ambohijatovo avy eo. Ariary folo sy roapolo no vidin’ny maskitany raha ariary zato kosa ny an’ny hafa.Nifandrombahana ny maskita nataony, satria tsara ny saosy sy ny sakay fangarony. Nihanitombo hatrany kosa ny hena namidiny, ka nahatratra hatrany amin’ny 10 kilao isan’andro.Tsy mba olona mafy ady no mihinana eo aminy, fa olona ambony avokoa. Nahazo fifanarahana hanao maskita tetsy amin’ny nosy Maorisy izy, ary dia tany no nahazoany volabe nahafahany nanao trano.Saika in-telo isan-taona izy no mankany, ary maharitra eo amin’ny iray volana ny diany indray mandeha. Nitombo ny fifanarahana hitany tato afara, ka niampita tany Frantsa indray izy, ary dia nifandrombahan’ny vahiny ny maskita nataony. Somary nampihomehy aza ny filazany, fa nahazaka sipa vahiny izy, noho ny fihinanan’io vehivavy io maskita isan-kariva teo aminy.Etsy Ivato no misy ny tranony amin’izao fotoana, ary nivadika asa hafa izy, fa tsy manao maskita intsony, na dia nahatafita azy aza izany. Ny antony, dia te-hiova asa hafa izy, fa leon’ny manatono hena, ary mahavelona tsara azy mianakavy ny asa ataony amin’izao, satria nanokatra trano fisakafoanana goavana eto an-drenivohitra i Rija mpanefoefo amin’isika miresaka izao.
Nanangona Raleva zokiny
jeu
30
jun
2011
Ravalomanana sy ny ekipany aloha hatreto no tena lasibatra ara-pitsarana momba ny raharaha 7 febroary. Vono olona feno habibiana, satria nandriaka ny ra tamin’iny sabotsy mangidy iny. Vono olona tsy tonga ho azy, fa efa nomanina, raha izay no azo andikàna azy, izay tsy ho faritana eto hoe iza no tena nampamono, fa ny tsy azo lavina, dia nisy olona mpanao politika goavana tao ambadik’ireny. Feno mistery hoy ny hafa, saingy vakiana fotsiny kosa hoy ny mpitazana. Ny antony, dia tsy misy tolona mahomby, raha tsy misy ra mandriaka, satria leom-boan’anana tamin’ny tranga momba ny raharaha 10 aogositra 1991 ny maro. Ny fitsarana no tompon’ny teny farany, ary ny voampanga tamin’iny vono moka iny, dia nanambara fa ny fitsarana iraisampirenena no angatahana hanao ny fanadihadiana momba io tifitra variraraka teny Ambohitsorohitra iny. Mipongatra indray ny tribonaly momba iny amin’izao. Inona no antony ? Satria ve akaiky indray ny fanaovantsonia tokony hatao eto hivoahana amin’izao krizy izao, ka mora ny manameloka izay tiana ho traingoana ? Minoa anefa isika fa izay tompon’ny ketrika tamin’ireny raharaha ireny, na iza io na iza, dia tsy ho afa-bela eo anatrehan’ny faty olona mikararàna ireny.
B.V
jeu
30
jun
2011
Tsaboina ao amin’ny HJRA Ampefiloha ity zazakely vao enim-bolana amin’izao fotoana, satria dia simba tanteraka izy io, vokatry ny fanolanana nahazo azy. Andro vi tsy no nisehoan’ity habibiana ity, ary voatery nalefa haingana etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha io zazavavy kely io amin’izao fotoana. Efa voazaitra ihany koa ny rovitra taminy vokatr’izay fanolanana izay, ary efa tsy misy atahorana ny ainy. Raha ny vaovao voaray teny an-toerana, dia efa fantatra ilay lehilahy nahavanon-doza amin’izao fotoana ary efa eo ampelantanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha.
mer
29
jun
2011
Tao amin’ny EPP Analakely no nifampitaona. Fifaninanana tsikonona andiany voalohany no nankalazan’ny Skoty Kiady faritany Antananarivo, sampana Maitso, ny Asaramanitra. Tontosa ny sabotsy 25 jona teo, tao amin’ny tokontanin’ny EPP Analakely ny fanehoana nataon’ireo ankizy 12 hatramin’ny 16 taona ny fikarakarana sakafo any an-dasy. Sokajy zazalahy sy zazavavy ampolony no nandray anjara, izay nahitana olona valo avy. Tao aorian’ny fifaninana dia nisy ny fizarana fanomezana avy amin’ny Komity Lehibe, Foibe, Mpiandraikitra, Ray aman-dreny, Kiady tranainy ary ireo malala-tanana samihafa, fanomezana natao ampiasaina amin’ny Lasy.
lun
27
jun
2011
Mampirehareha ny Malagasy hatramin’izay ny mbola tsy nisian’ny ady an-trano teto amin’ny tanàna. Na dia maro aza ny krontana sy ady lahy politika, mbola hendry ny Malagasy, hoy ny fitenenana. Ary atsy ho atsy? Ny zavanitranga tamin’ny zoma teo no mampiahiahy. Teo amin’iny lalana eo anoloan’ny ex-Gauloises hidina mankany Behoririka iny, no niseho ny tantara.
Tsy mankaiza e!!!
sam
25
jun
2011
Ny 76,5%-n’ny Malagasy no voalaza fa mahant ra tamin’ny taona 2010, raha 68,7% ny taona 2005. Ny ambara amin’ny hoe mahantra dia izay miaina ambanin’ny Ar 468 800 isan’olona isantaona. Anisan’ireo antontanisa navoakan’ny fianakaviamben’ny firenena mikambana miasa eto Madagasikara ireo, tao anatin’ny gazety boky “Lettre d’Information” natontany voalohany ary nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny 23 jona teo
sam
25
jun
2011
Tsy haiko aloha ny tena marina, fa tamin’ izahay (mpianatra) nandeha nanao “voyage d’études” indray mandeha, dia nisy renirano nilalaovanay, rehefa ndeha hody. Izaho tsy mahay milomano ka tsy sahy niditra lalina loatra. Ny namako rehetra avy hatrany dia nanala akanjo ka niroboka sy nilalao. Vetivety teo anefa, tsy hita ny namany anankiray. Sendra tafiditra tao ambanin’ilay riandrano izy dia tsy niverina intsony. Efa hariva be vao lasa nitady ny mponina teo an-toerana izahay, sady mitomany no matahotra ihany. Teo vao fantatray fa hay tsy azo itondrana kisoa ilay toerana. Izay anefa ny sakafonay ny antoandron’io ary tsy nisy nihevitra ny hanasa tanana. Somary nikenonkenona tany anaty trano tany ny ray aman-drenin’ilay tanàna, ary namefy anay tsy handehandeha intsony fa sao manao zavatra tsy mety any indray...
jeu
23
jun
2011
Hatairana ny an’ireto olona nitaingina baka niampita ny ranon’i Mangoro iny ny sabotsy alina lasa teo, satria nahita matoatoa izy ireo araka ny nambaran’ireto olona niampita izany rano izany. Raha ny vaovao voaray, dia efa nanambara ireo tompon-tany, fa tsy tokony ho taitra ireto mpandeha ireto, raha mahita toe-javatra mitranga eny ambony baka fiampitana. Rehefa tojo ampovoan-drano ireto olona ireto, dia indreny ny aloka maro be izay teny ambony lakana no hita. Saika hisy olona hikorapaka, saingy ireto tompon-tany no nanangan-tanana avy hatrany, ary indro nipoitra ihany koa ny tafio-drivotra, saingy nivily lalana izany rehefa nanangan-tanana ireo tangalamena ireto. Nisy afo nivoaka ihany koa teny ampovoan-drano, ary avy eo nanjavona avokoa ireo.
mar
21
jun
2011
Tena manimanitra fety tokoa ny tanàna fa tsy lainga ! saingy tsy takona afenina fa hita misoritra amin’ny endrika rehetra mifamezivezy eny an-dalambe eny ny fahasorenana sy ny holatra ambolen’ny krizy. Ny andro rahateo tsy hita atao hoe ririnina fa tsy mena mivadika lasa mahamay tampoka manempotra tanteraka. Tsy vitan’izay ihany fa lasa mifampila vaniny ny samy mpandeha eny an-dalam-be eny ,na io mpandeha an-tongotra na io mpandeha amin’ny fiara. Tsy ferana intsony ao anatin’izany rehetra izany ny gaboraraka tsy hifankahitana. Dia samy mametram-panontaniana ny tsirairay hoe inona tokoa izato rivotra mitsoka, dia betsaka ny mamaly tsy taitra hoe takonana fety aloha ny krizy è! tsy avela hieritreritra izay ho ampitson’ny firenena aloha isika mianakavy fa avily ho any amin’ny mahafinaritra ny saina dia adinoina tanteraka ny mahasoa.
mar
21
jun
2011
Miova mankaiza angaha ity firenena fa dia mampiteraka resa-be izany hoe tsy hisy afomanga izany amin’ny 26 jona? efa niovaova ny teny filamatra an ! niala tao ny FAHAMARINANA, niova FITIAVANA. Efa ny fiandrianam-pirenena no voakitika ka tsy mahagaga raha azo ovaovaina araka izay itiavana azy ny maha malagasy hatramin’izay. Ny afomanga aloha dia fomba vahiny, saingy nitaizana ny malagasy ka zary raikitra ho famalifaliana tokoa, sady fivoarana manaraka ny toetrandro rahateo. Tato anatin’ny roa taona izay fahasahiana nanovaova izay.
sam
18
jun
2011
Folo andro latsaka kely sisa dia higadona ny fetimpirenena malagasy ! Fanao isan-taona ny manangantsaina amin’ny vanin’andro toy izao, saingy raha ny hita dia vitsy no manao izany.Resaka politika indray io, satria tamin’ny herintaona toy izao,dia zara raha nisy ny 5% ny vahoaka malagasy no nanao izany. Dia mbola miverina indray izany amin’izao, na dia maro aza ny mpivarotra saina eny an-tsena, ary azo hioriranana ihany aza ny vidiny.Ny fokontany sasany, dia efa mametraka sazy ho an’ny tokan-trano tsy manangana izany saina izany, saingy tsy maha-rototra ny sasany na dia eo aza izany sazy izany. Ny tsara ho tsapan’ny maro, dia na eo aza ny resaka politika izay tsy mahafaly ny maro, dia ny fetim-pirenena kosa an’ny malagasy rehetra, fa tsy an’ny mpitondra na ny mpanohitra, ka tokony ho hajain’ny rehetra.
Raleva zokiny
jeu
19
mai
2011
Teo am-piandrasan’ny mpanara-baovao ny hetsiky ry Zafy Albert sy ny namany no nahita zavatra hafa nanaitra ny mponina teny Ampefiloha sy ny manodidina iny. Tokony tamin’ny 10 ora teo dia nisy fokonolona nilanja sora-baventy narantiranty ho hitan’ny mpandeha fiara teo Ampefiloha akaikin’ny tranoben’ny Fiaro teo. Nifanontany ny mpiandry taxi-be hoe inona ary ity ? toa fitakiana hamoahana ny zanany any am-ponja no ataon’ireo fokonolona. Maro no nihevitra fa niainga eny Ampefiloha angamba ny fitakiana ilay mpianatra nosamborina teny Ankatso. Nisy anefa ny ray aman-dreny vitsivitsy sahy nijoro avy hatrany nanambara tamin’ny mpanao gazety fa ny zanany efa-dahy dia nosamborina tamin’ny alahady, noho ny adin’ankizy...
mer
18
mai
2011
Tsy hoe ilay vehivavy akory no mivarotra ny tenany mivantana tahaka ny mpivaro-tena fahita isan’andro fa misy olona manera vehivavy ka mandray vola iray tapitrisa ariary isaky ny vehivavy iray, izany hoe mitovy amin’ny entana amidy hahazoam-bola ny vehivavy. Izay indray izao no bizina maizina ataon’ny mpitady vola maty eritreritra. Diso aho kah°! Tsy maty eritreritra manko e°! Fa tena mahay mampiasa zanaka atidoha mitady izay fomba rehetra hahazoam-bola…
jeu
12
mai
2011
Resahana hatrany, tato ho ato ny mahakasika ireny tera-tany malagasy mila ravinahitra any andafy ireny. Saika nifantoka tamin’ny resaka Liban ny resaka satria tany no nahitana tranga mahatsiravina sy nahonena, nihatra tamin’ireo vehivavy tera-tany Malagasy. Nanao izay ho afany ny fanjakana mba nanafoanana ireny fiondranana ireny aloha, saingy ankehitriny dia mbola mahazo vahana izany. Misy ny sarona eny am-panidinana, fa ny mahagaga dia misy ny tafita any ivelany any ihany. Efa maty, na tratry ny fahavoazana any vao fantatra fa hay nandeha koa ikala anona iny! Ny fandehanana miasa any, tsy olana fa ny zava-misy dia fanandevozana no hita. Tsy hitantara ny any Liban intsony aho fa ao amin’ny nosy Maurice koa ange ka misy karazan’asa handrantovana Malagasy hiasa any e! amin’ny internet no hiantsoany izay te hiasa. Misy ity orinasa iray misahana serasera ity izao dia niantso Malagasy manao “opérateur chat” any Maurice. Dia tena hoe tombontsoa raisim-potsiny raha ny ao amin’ny internet satria voalaza tao fa manodidina ny 375 000 ariary ny karama, ary misondrotra mihoatra ny 50%, afaka roa na telo volana.
mar
10
mai
2011
Vao maty vady dia nahita angatra ! Io no niandohan’ny aretin’i François, monina ao anatin’ny boriborin-tany faha-telo eto an-drenivohitra. Olona miakanjo mainty manaloka azy isan’alina no nambarany fa hitany, ary dia miantso vonjeo hatrany izy, satria toran-kovitra noho ny tahotra. Efa nahazo taona ihany izy, satria efa mananika ny 70 taona mahery. Niteraka tazo ho azy izany, ary niha-nahery vaika ny aretiny. Nihombo io, ka nanatona mpitsabo, saingy tsy hita soritra izany aretina izany. Ny volana aprily teo no naiditra hopitaly tsy miankina eto an-drenivohitra izy, ary nanomboka nibontsina ihany koa ny kibony. Natao avokoa ny ala-nenina rehetra, ary notarafina, saingy tsy nahitana soritr’aretina. Toy ny olona bevohoka ny fahitana azy, hoy Lalaina zanany vavy, ary natao avokoa ireo karazam-panafody toy ny seraoma, mba hanome hery sy hanafaka ny aretiny saingy ny omaly tsy miova ny toe-pahasalamany.
lun
09
mai
2011
Nanomboka tamin’ny zoma ny fametrahana ireo trano eva « chapiteaux » hivarotan’ireo mpivarotra amin’ny lalan’ny By Pass. Tranoheva mitovy avokoa vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny STAR. 50 aloha no napetraka tamin’io andro io. Hiova endrika tanteraka By Pass satria hiara-hiasa akaiky ny kaominina, ny mpivarotra, ny mpandraharaha, amin’ny fandaminana ny manodidina. Hanome tanana ihany koa ny faritra Analamanga ary manara-maso ara-teknika ny MATD. Efa voapetrapetraka avokoa ny toeran’ireo mpivarotra, ny toeram-piantsonan’ny fiarakodia. Na izany aza dia niaraha-nanapaka tamin’ireo mpivarotra avokoa ny fandaminana noraisina rehetra.
ven
06
mai
2011
Hafa ny fiainana any anaty rano, saingy misy hitovizana amin'ny ety an-tany ny fiainana any. Io no nambaran'i Noelah, rehefa avy nivoaka ny rano, tany akaikin'ny Nosy varika izy ny ny talata hariva lasateo. Naka hery, ary hitsabo olona no tanjona, ary hanampy betsaka ny mpiara-belona tratry ny ankasomparana no ataoko, hoy izy raha nitafa tamin'ireo olona maro niandry azy teo amoron-drano ny talata hariva teo. Olona mahatratra 99 no hotsaboiko ao anatin'ny iray volana, ary hitombo io ao anatin'ny volana manaraka, ka hahatratra an'arivony izany amin'ity taona ity. Tsy mifidy aretina, na olana ho vahana izy araka ny teny nolazainy. Hafatra nampitain'ny zazavavin-drano izay naka azy tany anaty rano nandritra ny telo andro io. Ny fifankatiavana eo amin'ny samy Malagasy, sy ny fahaizana mandefitra kosa no voalaza fa hahatafavoaka an'i Madagasikara amin'ny fahantrana sy hialàna amin'ny korontana politika.
ven
06
mai
2011
Zary fomba mahazo vahana eto Madagasikara ity fahasahiana mandà ny sonia natao ity, hany ka tsy azo itokisana intsony ny fifanekena na fifanarahana atao sonia. Fototra iray nampikorontana ny eo anivon’ny fanabeazam-pirenena io amin’izao fotoana izao. Efa nanaiky nanome asa ireo mpampianatra ny fitondrana tetezamita, tamin’ny andron’ny minisitra teo aloha. Maro ny olona nahazo asa tamin’io ka anisan’izany ireo voatendry mampianatra any amin’ny faritra. Nifanekena tamin’ny alalan’ny sonia ny fepetra rehetra tao. Nanaiky ireo mpampianatra nanao sonia fa tsy mahazo mangataka famindran-toerana mandritra ny 6 taona, amin’izay toerana nekeny sy nosoniaviny. Raha vao niova anefa ny minisitra dia ranolava ny fangatahana hiala any amin’ny toerana misy azy. Marihana fa nanaparitahana azy ireny hatrany Midongy atsimo, kandreho, sy izay toerana heverina ho lavi-dalana rehetra, ka indrindra fa tsy manana mpampianatra. Ny fandraisana ireny fangatahana hifindra toerana aty an-drenivohitra ireny no voalohan’asan’ny minisitra vaovao. Saika tsy fahasalamana no fialàna olana. Bobaka ny “certificat médicale”...
mar
03
mai
2011
Taorian’ny soso-kevitra avy any amin’ny Komity Olimpika iraisam-pirenena (CIO) noho ny fangatahana fanazavana mahakasika ny fomba fitantanana ara-bola nataon’ny komity mpitantana teo aloha ary nakantoavin’ireo filoha sy solontenana federasiona miisa 14 tamin’ireo 19 tonga nivory tsy ara-potoana tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny sabotsy lasa teo dia tapaka fa hohalavaina hatramin’ny taona 2016 izao ny fe-potoana hiasan’ny komity mpitantana ny komity olimpika Malagasy izay tarihin’ny filohany, Andrianasoloniaiko Siteny Thierry, filohan’ny federasiona Malagasy taranja Judo. Mpifidy efatra no nanda ka nanolotra soso-kevitra hafa ary ny filohan’ny federasiona Malagasy taranja volley-ball no tsy nifidy satria voatery tsy maintsy nandao ny fivoriana nialoha ny latsa-bato. Antony lehibe goavana nahatonga an’izany ny tsy filaminan’ny fitantanam-bola teo amin’ny komity olimpika Malagasy ny volana martsa 2010 lasa teo izay takian’ny CIO fanazavana ka ilana fanalavam-potoana ny fanazavana an’izany.
Zaka Fils
mar
03
mai
2011
Isan'ny olana goavana mianjady amin'ny fampianarana eny amin'ny Oniveriste, saika isan-taona lava izao, ny fitokonana sesilany. Saika resaka sosialy hatrany anefa no takiana amin'izany. Tsy fahita firy ny tranga tamin'ity indray mitoraka ity, mitokona mba hianatra ny mpianatra ho mpitsabo. Miantso ny tompon'andraikitra mahefa izy ireo hamaha haingana ny olana mahatonga ny tsy fanombohan'ny fampianarana. Hatreto aloha toa angady tsy mahatapaka ahitra manoloana ny fangatahan'ny sendikan'ny mpampianatra sy mpampianatra mpikaroka (Seces) tsy hampianatra izy ireo. Efa nanomboka ny 22 Aprily ny hetsika nataon-dRadoko, ary nitohy hatramin'ny omaly.
lun
02
mai
2011
Hisokatra ny talata 3 mey ho avy io ny fivoriana ara-potoana voalohany amin’ity taona ity ho an’ireo andrim-panjakana mpanao lalàna anankiroa notendren’ny FAT. Ny tapak’andro maraina no fotoam-panokafana ny fivoriana ho an’ny «kongresin’ny tetezamita» (CT) ary ny tolak’andro amin’ny 4 ora kosa ny an-dry zareo mpikambana ao amin’ny «filan-kevitra ambonin’ny tetezamita» (CST).
Miroso amin’ny lojika nitondrany ny tetezamitany mandeha irery hatrany, araka izany ny FAT, tahaka izany sori-dalana nitampikirany nandritra ny roa taona naha-krizy ny firenena izay, ary dia mbola tsy niala tamin’ny « fitan-droa » nahafantarana azy izay anisan’ny nampihitsoka ny toe-draharaham-pirenena hatramin’izao. Ireo mpifanandrina aminy rahateo tsy manaiky lembenana ihany koa ka zary toa « faty entin’alina » ny vahoaka malagasy.
ven
29
avr
2011
Raha malaza amin’ny fananana toerana tsara fitsangatsanganana i Toamasina, dia hita tokoa izany fa satria nahasarika olona maro be tokoa io faritra io tamin’izao fotoam-pialantsasatra izao. Porofon’izany dia tsy latsaka ny roapolo isan’andro ny fiara mpitatitr’olona no mandeha mihazo an’i Toamasina isan’andro.
Manana tora-pasika tsara
Raha eo amin’ny toeram-pitsangatsanganana indray dia anisan’ny raitra tokoa I Foulpointe raha resaka tora- pasika. Nandritra ny alatsinanin’ny paska teo iny izao dia hipoka olona tokoa ny tany. Tsy ambakan’izany anefa ny tora pasika ety amin’ny Bord de la Mer. Na dia nalaza fa misy antsatsa aza ny ranomasina teo dia hita sy tsapa fa voafehin’ny tompon’andraikitra tokoa io resaka io. Satria dia afaka nilomano sy nilalao rano ny vahoaka teo ary hita nihaodihaody teny kosa ny sambon’ny zandary. … Saingy maloto
jeu
28
avr
2011
Tsy afa-miala amin’ny resaka sarimihetsika Malagasy intsony isika ary maro no mahay mamisavisa sahady ny matihanina sy ny voka-tsoa ateraky ny firoboroboan’ny sarimihetsika Malagasy. Nampihetsi-po mihitsy ny nahita ny fankafizan’ny Malagasy ny sarimihetsika Malagasy niseho teny amin’ny trano fampisehoana azy ireny, tamin’ny fetin’ny paska teo. Volomborona! Telo taona lasa izay no efa nisiany. Tamin’ny fety teo vao nisy tamberina fa hay efa tamin’izany ity Rajao no efa matihanina. Efa be mpitily izany le zalahy iny ary voaporofo izany ankehitriny. Ao aminy tokoa ny talenta. Rariny loatra raha torahana voninkazo izy fa mamelona artista sy mpikarakara lanonana maro, eny hatramin’ny mpanao dokam-barotra aza. Ny trano mpamokatra Scoop digital moa dia manankina ny ho aviny amin-dry Rajao mianakavy ary azo ambara ho efa tafita. Tsy Rajao no manao bizina fa ireo mpanao bizina no tsara taranja miaraka aminy.
mer
20
avr
2011
Reny sy zaza 4 tapitrisa no kendrena ho karakaraina
Nanomboka omaly ary hatao manerana ny Nosy ny hetsika herinandro ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Manampy tosika mavesatra amin’ny fanatontosana izany ny UNICEF. Mifanindran-dalana amin’ny hetsika herinandro afrikana ho an’ny fanaovam-baksiny ihany koa ity andiany faha-folo ity, izay marihina anatin’ny lohahevitra hoe “fiaraha-monina vita vaksiny, mponina salama tsara”. Kendrena hahatratra efatra tapitrisa ireo reny sy zaza hahazo fikarakarana. Hiisa 7 000 ireo mpiasan’ny fahasalamana, 16 000 ny mpiasa eny ifotony, 35 000 ny mpanentana handray anjara hisahana ny asa mandritra ity herinandro ity. Maherin’ny 2 900 ihany koa ny toerana hanaovana izany, ankoatra ireo 5 100 mandehandeha. Naneho ny hafaliany amin’ny nahazoana nanatontosa ny herinandro ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ny solotena maharitry ny UNICEF miasa eto Madagasikara, Bruno Maes, na eo aza ny krizy izay mbola mihatra amin’ny firenena. Manamafy ny fanentanana efa natao hatrany izy, ny amin’ny tokony hifarimbonan’ny hery velona sy ny fikambanana rehetra hifanome tanana hanatontosa ny hetsika. Anisan’ireo firenena aty Afrika nahitana fahombiazana rahateo i Madagasikara teo amin’ny fandraisana an-tanana ireo zaza latsaky ny dimy taona, tato anatin’ny taona vitsy izay.
lun
18
avr
2011
Iray volana sy tapany tany ankoatra
Aretim-bavony, saika nitarika tany amin’ny fiainan-tsy hita no nahazo an’i Da-Rôla, na i Fanihy mpihira. Iray volana sy tapany izy no tsy nahatsiaro tena tany amin’ny hopitaly etsy Soavinandriana, saingy velona soa aman-tsara ihany. Be ny zavatra hitako, hoy Ifanihy nandritra izay iray volana sy tapany tsy nahatsiarovany tena izay. Fiainana hafa toy ny any ankoatra, nefa toa ety an-tany. Fiara toy ny fitondrana razana no nitondra ahy ho any an-tany lavitra, ary voafatotra ny vatako iray manontolo. Tsy afa-nihetsika aho, ary mpanankanto fantatro tsara no namily ny fiara nitondra ahy. Voageja nandritra ny fotoana ela, ary nahita fiainana hafahafa. Isan’io ny nahitako olona toy ny mpitsabo tao amin’ny hopitaly, nefa toa any ankoatra izany izahay, ary toa anjely. Mihinam-boalavo fotsy izy io, ary nilaza fa izy no mpanavotra izao tontolo izao..................
sam
16
avr
2011
Ny mpivarotra PPN foana no voahenjika, kanefa raha atao ny kajikajy dia ireo no tsy mahazo tombom-barotra indrindra fa mitsimpotsimpona araka ny fiteny mahazatra. Nalaza tato ho ato ny tokony hampiasana faktiora ho an’ny mpanjifa. Nifamotoana teny amin’ny tsena Anosibe ny mpivarotra entana ilaina amin’ny andavanandro, avy amin’ireo tsena lehibe rehetra eto Antananarivo. Nikatona avokoa ny tsena mivarotra PPN teo Anosibe izay mahatratra 120 no isany, iany hoe ny ampaha roapolon’ny mpivarotra anatin’ny tsena Anosibe rehetra. Nitsangana ny sora-baventy, ary nivondrona tokoa ireo avy amin’ny tsena hafa rehetra. Tsy mbola nisy ny fifampiresahana amin’ny tompon’andraikipanjakana fa ny teny midina hanery azy ireo hampiasa faktiora no nampivondrona azy. Tsy mitombina ny fampiasana faktiora amin’ny mpivarotra PPN hoy izy ireo fa ny « Bon de livraison » no efa nahazatra ary tsy hita izay naharatsy azy. Raha faktiora mantsy no ampiasaina dia nambaran’ireo mpivarotra fa mitombo ny masonkarena. Ny lalàna no miady amin’ireto mpivarotra ireto na dia eo aza ny finiavan’ny fanjakana hampanarapenitra azy. Tokony tsy hivarotra raha tsy mahalala ny lalàna mifehy azy toy ny fandoavana hetra sy fanaovana karatra NIF. Ireto eo amin’ny PPN ireto kosa dia mandoa hetra, manana karatra NIF fa manana hevitra kosa amin’ny tsy tokony hampiasana faktiora, ka ireto miseho mivantana ireto ny tompon-kevitra.
HERY A
mer
13
avr
2011
Aza mivarotra intsony mihitsy ianareo mpaninjara solika rehefa maty antoka e ! Ny an’ny mpanao fitaterana anie hadalana ny mbola iasany kanefa tsy mahita tombony sy tsy mahavelo-tena izy e ! Firifiry moa ny mpamily taxi eto Antananarivo eto no kivy sy ketraka eo ampiatrehana ny fitadiavany isan’andro ? Ary ny taxi-brousse sy ny kamiô any an-dalana any angaha mandry saina amin’ny ataon’ny mpanakan-dalana ? Angaha izany misy hivakian’ny mpitondra loha? Tsy maintsy alainy ny hetra na ho faly ianao na tsia. Hanamboarany lalana anie ireny e , amin’izay ianareo mpampiasa ny lalana mba misosa amin’ny godorao ! Tsy maintsy haroniny hatramin’ny any am-bilaninao any, satria olona adala mifikitra amin’ny asa tsy ahitàna tombony ts’inona k’ah ! Tsy hainareo ve fa efa mora daholo izao ny fiainana sy ny vidin-javatra ? Ny mofo dipaina izao, efa 300 Ar ny vidin’ny irain-jehy, ny vary efa dakan’ny alika fotsiny satria sady 900 Ar ilay « mora » no efa miakatra koa ny vary nambolena, efa mitsidika ny fararano, ny menaka mba 5000 Ar no vidin’ny iray litatra ivarotan’ilay mpanao ampihimamba azy. Taloha midehadehaka erý ny menaka « mendy » fony izy niseho ho mpanjaka teto. Koa ianareo mpaninjara solika dia hiady amin’ny vahioaka eo raha miana-kendry ho mahay mampiady tarehimarika isan-karazany eo.
mar
12
avr
2011
Mahatsiaro mba mahazo aina kely ny mpandraharaha mampiasa siramamy taorian’ny nanagiazan’ny fanjakana ny vokatra siramamy malagasy. Tsy azo naondrana intsony aloha ny siramamy fa tsy maintsy namatsiana ny tsena anatiny. Ny fanararaotana nataon’ireo mpandraharaha sasany moa no nahatonga ny fitondrana tetezamita nandray fepetra hentitra ka nividianany ny siramamy tamin’ny vidiny tena izy, ary izy ireo indray no nanara-maso ny fiparitahan’ny siramamy ato amin’ny tsena anatiny. Hatreto dia tratra ny tanjona ka nihena ny vidin’ny siramamy eny an-tsena. Ar 3000 ny 1kg, raha tafakatra hatrany amin’ny Ar 4000 teo aloha teo. Siramamy milanja 6550 taonina no naparitaka manerana ny nosy. Faritra vitsy sisa no mbola mitana ny vidin-tsiramamy lafo noho ny hasarotry ny lalana.
Somary mikaikaika ihany ny mpandraharaha sasany satria nihena ny tombom-barotra, kanefa moa nentina tamin’ny fitsinjovana ny tombontsoam-bahoaka ilay izy ka tsy maintsy nanaiky ihany. Tsy mafy noho ny tamin’ny andron-dRavalo izany e! hoy ny mpahay tantara manao sangisangy zary tenany.
sam
09
avr
2011
Sahirana ny vahoaka, saingy tsy afa-manoatra ! Izao no tokony hanaovan’ny mpitondra ankehitriny ireo fampanantenana nataony teny an-kianja, raha vao nandrombaka ny fahefana izy ireo, ny taona 2009. Io no nambaran’ny filohan’ny Pladicc, na ny fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa. Ny menaka mora sy ny vary izay nanaovana angoan-tenda, dia tokony ho tanterahin’ny FAT, satria tsy ny vahoaka no nitaky izany, fa dokam-barotra nataon’ny mpitondra ankehitriny, izay nambabo ny fon’ny maro, ka nampirodana ny mpitondra teo aloha. Tsy afaka hiaro ny mpanjifa intsony aloha hatreto ity Pladicc ity, satria ny fiainana mihitsy no efa manempotra ny mpivarotra sy ny mpanjifa, ka sao hifototra aty aminay indray ny hatezeram-bahoaka hoy ny Pladicc. Momba ny fampihenana ny karaman’ny mpikambana ao amin’ny Governemanta 25% dia tsara hoy i Tolotra ny fahatsapan-tena toy izany, saingy raha mitaha amin’ny karama be raisin’izy ireo izany, moa misy dikany inona ? Ny fanabeazana ny vahoaka no tanjon’ity fikambanana ity ato ho ato, ary hisy hetsika izay kasain’izy ireo ho atao.
Raleva zokiny
jeu
07
avr
2011
Raikitra indray ny savorovoro tao Analakely. Ireo mpivarotra indray no nilahatra nilanja sora-baventy omaly, ary nitaky ny hanomezana toerana malalaka azy ireo ahafahany mivarotra. Poa-toy izay, dia nikatona avokoa ny ankamaroan’ny teny amin’ny Pavillon, satria nahiana hihitatra amin’ny fifandonana izao fitakian’ny mpivarotra izao. Nitangorona ny mpandalo, ary velona nanampy ny mpivarotra ny vahoaka sendra nandalo, satria misy ny nanampy tosika ambadika fa vokatry ny krizy ara-politika teto no nahatonga ny olona hivarotra
mar
05
avr
2011
Miharatsy andro aman’alina ny lalana eto andrenivohitra. Feno lavaka be manerana izany lalana izany, ary miteraka fitohanana lavareny.Manomboka manamboatra ireny toerana feno lavaka ireny ny eo anivon’ny kaominina an-drenivohitra. Ny mampalahelo, dia ny fahitana ny fanaovana TIP TOP ny lalana, na bonbon voanjo hoy ny hafa. Tsy misy politika matotra hanamboarana sy hanomezana endrika ny lalana intsony, fa rehefa voatampina toy ny lamba bemiray, dia efa basy hoy ny fomba fiteny. Ny tsentsina natao hanarona ireo dalles fivarinan’ny rano ireny etsy akilany, dia lasibatry ny mpangalatra, ary ahiana hitera-doza ho an’ny mpampiasa lalana. Ny eny anivon’ny fokontany, dia tsy hita taratra firy ny fanentanana ny vahoaka hitandrina ny fahadiovana, mba tsy hanary fako any anatin’ireny tata-drano ireny. Samy manao izay saim-patany ny ankamaroan’ny mponina, koa tsy mahagaga, raha potika toy izany lalana eto andrenivohitra, satria tsy voakojakoja intsony ny arabe natao ho an’ny fiara.
sam
02
avr
2011
Rombo foana ny an’ny mpivarotra etsy Analakely sy ny kaominina eto andrenivohitra. Tsy misy filaminana mihitsy, fa raha vao mifankahita, dia mifandramatra. Ireto mpivarotra izay mitombo andro aman’alina, satria voaroaka tamin’ny asany ny ankamaroany, nandritra ireny krizy politika tamin’ny taona 2009 ireny, ary izao mitsakaraka eny amoron-dalana izao. Ny eo anivon’ny kaominina kosa, dia tsy manaiky ny hanaovana baranahiny ny tanàna, ka avy hatrany dia mandroaka izay hitany sy mivarotra eny amin’ny tsy tokony hanaovana izany. Mifanenjika ny saka sy ny voalavo hoy ny mpitazana, ary mifampiandry kendrintohina hatrany izy ireo. Ny mpivarotra tsy te-hahalala, fa manao izay saim-patany, ny polisin’ny tsena ihany koa manararao-pahefana, ka mandroaka izay entana tandrify azy. Tsara ny milaza fa misy amin’ireo mpivarotra ny mitrosa any amin’ny banky, mba hivarotany ho enti-manavotra ny fiainany, nefa dia ao anatin’ny indray mipi-maso, dia very avokoa ny entana, satria raofin’ny mpiasan’ny fivondronana. Manirikiry ny maro ihany koa ny mahita ireo mpivarotra eny ampovoan’ny arabe, ary misy ny mankasitraka ny fihetsika ho fandaminana ny tsena. Ny mpividy aloha no tena mahazo tombony amin’izao fitobahan’ny mpivarotra izao, satria sady mora no ahitana karazan’entana maro amidin’izy ireo. Ireo mpivarotra ambara fa eny amin’ny Pavillon kosa dia tsy dia faly, satria milaza izy ireo, fa mandoa hetra any amin’ny fanjakana, saingy matin’ny mpivarotra amorondalana ny tsenany noho izao fitobahan’ny mpivarotra izao. Raha ny fifandonana niseho ny alakamisy teo no jerena, dia azo ambara fa nitroatra ny mpivarotra noho ny herisetra mahazo azy ireo saika isan’andro ataon’ny polisin’ny tsena. Izany hoe nokaikerin’ny voalavo indray izany ny saka teto. Indro ny hevitry ny mpandalo tao Analakely avoakanay eto. Nanangona Raleva zokiny
jeu
31
mar
2011
Miha madio ny tananan’Antananarivo amin’ny ankapobeny saingy maizina am-pototry ny mazava ihany raha ireo olona mijorojoro manao bizina manodidina ny lapan’ny tanànana vaovao no jerena. Tsy isalasalana hoy ireo olona maro mitaraina fa tena ny fisian’ireo mpanao bizina ireo no miteraka tsy filaminana ao amin’ny tanàna ao. Manomboka ery akaikin’ny “palais de nouveauté” taloha, hatreny amin’ny boriborintany I, ao Analakely io, dia misy lehilahy sy vehivavy manontany izay olona rehetra mandalo : « Misy volamena amidy ve ? » na “hividy volamena ve?”…Amin’ny lafiny iray dia mahasorena satria ho an’ny efa mahalala dia fanambakàna miharo halatra no ambadik’ireo bizina ireo. Maro no voaendaka na dia tsy tena volamena aza ny firavaka eny aminy. Tsy mbola misy aloha ny antontan’isa marina amin’izay efa voaendaka teny Analakely fa ny azo antoka dia misy isan’andro. Saika fantatr’ireo mpanendaka ny olona somary vahiny amin’ny tanàna ka ireny no arahany mandrampahavoany azy. Dia tsy menatra koa ireo mpividy volamena an-tsokosoko, mandray ireny halatra ireny amin’ny vidiny moramora kokoa. Lafo anefa no hamarotany azy ho an’izay mividy eo aminy. Manao antso araka izany ireo vahoaka mpandalo eny Analakely amin’ny tkony hanomezana toerana voatokana ho an’ireo mpanao bizina, mba ho ara-dalàna kokoa ny asa ataony sady tsy hiteraka tsy filaminana isan’andro lava izao. HERY A
lun
28
mar
2011
Tena nahalasa fisainana ny mpanara-baovao ihany ny resaka manodidina ny fampodiana ireo « vehivavy » niasa tany Liban novoizina fatratra teto amintsika , telo andro lasa izay. Maro tamin’ireo tonga nanofana fiaramanidina manokana no nilaza fa « mbola te-hiverina any Liban satria tsara karakaran’ny mpampiasa azy ». Tsy iverenantsika ireo antony goavana tena nahamaika ny tokony hampodiana ireo vehivavy malagasy niasa tany noho ny fampijaliana niaretan’izy ireo tamin’ny asa nifanarahana noheverina fa « hahasoa » teny am-piaingana, fa milaza zavatra betsaka ny zava-niseho teny Ivato tamin’ny fahatongavan’ireo notsenaina ara-panjakana ny alarobia lasa teo...
mer
23
mar
2011
Miatrika ny fiakatry ny vidim-piainana toy ny rehetra ny mponina ao amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany. Mbola miaina amin’ny vidim-bary lafo koa izy ireo hatramin’izao ary izany indrindra no isan’ny mampimenomenona ny vahoaka. Efa nisy ihany ny fanomezan-toky nataon’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita Andry Rajoelina tamin’ireo mponina tany an-toerana amin’ny hahatongavan’ny vary mora 200 taonina, izay amidy 900 ariary ny kilao, saingy hatramin’izao mbola tsy tonga. Toy ny rano dikain’ny zinga izy ireo amin’izao fotoana izao. Ny ao Farafangana, faritra Atsimo atsinanana anefa, efa nahazo ny anjarany.
Efa tsy ny fahasahiranan’ny vahoaka intsony izao no mahavariana ny mpitondra fa ny fananganana ity governemanta iraisam-pirenena ity. Tsy fantatra aloha na variana amin’ny ady seza fotsiny ireo mpanao politika na tena mikatsaka ny tombontsoam-pirenena tokoa. Ny zavatra tsapa hatreto dia lasa itambesaran’ny alahelom-bahoaka ny fitondrana tetezamita amin’ny fizarana mitanila ilay vary mora.
lun
21
mar
2011
Isan-taona dia mikarakara hetsika antsoina hoe « university Show » ny lalam-piofanana Ecotourisme ao amin’ny sekoly ambony ESSVA Antsirabe. Ny zoma 18 martsa manomboka amin’ny valo ora alina no hanatanterahana izany ao amin’ny Hôtel Diamant Antsirabe ihany. Fifantenana izay tovovavy sy tovolahy tsara tarehy eo anivon’ireo sekoly fampianarana ambony ao Antsirabe no tena vontoatin’izany hetsika izany. Hiavaka ity andiany fahaefatra ity satria ny Centre de beauté et d’ésthetique Soavina no manohana ny hetsika. Ity farany moa dia anisan’ny sangany tokoa amin’ireo mpikarakara ny hatsaran-tarehy amam-bika sy ny fivarotana ireo lamaody sy ny kojakoja mifanaraka amin’izany. Hanokafana ny fotoana dia hisy filatroana hanehoana ny hiaka farany amin’ny lamaody izay avoakan’ny Centre de beauté Soavina. Izy ihany koa no hikarakara manokana ny tarehin’ireo mpilatro sy mpandray anjara amin’ny fifaninanana « Miss &mister interuniversitaire 2011 ». Ankoatra izany rehetra izany dia hisy sora-dihy maro haseho ary ny “discothèque” no hamaranana ny fety ka ny masoandro miposaka no fetrany
jeu
17
mar
2011
Tsy nanaiky hijanona fotsiny amin’izao ireo rahalahin’i Tsima, izay voatondro fa teknisiana nokaramain-dRakotoarivelo Mamy, hanamboatra ilay fitaovana hanapoahana ny baomba nifofoana ny ain’ny filohan’ny tetezamita avo terý amin’ny lalan’i Masay. « Notsindronina tamin’ny antsy ny vodin’ny rahalahinay, nodorana tamin’ny herin’aratra izy, ary noterena hanondro an-dRakotoarivelo Mamy ». Izany no teny naverimberin’izy telo mirahalahy rahalahin’i Tsima raha tafaresaka sy nitaraina mahakasika ny tsindry hazo lena nanjo ny havany. Efa ny Zoma i Tsima no notazonina tao Ambohitsorohitra araka ny fanazavan’izy ireo hatrany, rehefa avy nosamborina teny amin’ny trano fonenany teny Manakambahiny...
ven
11
mar
2011
Fitaintainana tanteraka no iainan’ireo mpivarotra amoron-dàlana ao Analakely isan’andro raha vao mivoaka ny trano. Tsy maintsy mitady anefa satria tsy afaka ny tsy hihinana. Vao manomboka antoandrontoandro eo dia efa tazana mandehandeha eny ny fiara mitondra ireo polisy monisipaly. Avy hatrany ihany koa dia mangorona ny entany ireo mpivarotra. Tsy te hahalala izany anefa ireo polisy ireo fa na dia efa mitsoaka miaraka amin’ny entana aza ny mpivarotra dia henjehina toy ireny mpangalatra mandositra ireny. Tsy mba misy akory ny fampitandremana azy ireo mialoha ny hidinan’ny polisy hanatanteraka ny asany........
ven
04
mar
2011
Tsy vaovao intsony ny vidim-piainana tsy mitsaha-mitombo. Ny fandalovan’ny rivo-doza no toa vao mainka nahatsapana fa tsy ho tanty intsony izy ity, raha mbola mitohy lavalava kely fotsiny. Mifampihinana ny vahoaka ! Izay no azo anambarana azy. Toa tsy fidiny anefa, satria « teren’ny zavamisy » hoy ny filazana azy. Saro-dalana ny sarety ka tsy tafakatra intsony harina. Ratsy ny lalana ka tsy tonga any an-tanàna intsony ny taksibrosy, miakatra noho izany ny vidin’ny anana sy ny legioma isan-karazany. Dia inona intsony no hanina, raha toa ka na ny vidin’ny vary tsy ho laitra ?
Jumbo sisa ! Lasa vazivazy ny fisehoan- javatra, na dia mihatra aman’aina aza. Satria tsy azo atao intsony ny mahandro ny anana amin’ny menaka, dia ny « jumbo » sisa no ifampitadiavana...........
mar
01
mar
2011
Io àry fa voakiana (mafy) ny mpanao Gazety Gasy, nandritra ilay fanehoana ampahibemaso ny tatitra mahakasika ny asa fanaovan-gazety eto amintsika, izay natao tao amin’ny efitra Bougainvilliers tao amin’ny Hotel avo lenta Colbert tamin’ny alakamisy 24 febroary 2011 teo. Tohan-kevitra roa no naseho tao mahakasika indrindra ny tondro-haavon’ny serasera Afrikana sy Malagasy. Ny voalohany dia momba ny “fototra sy fiavahan’ny serasera eto Madagasikara”, ary ny iray faharoa dia ny “toe-javatra iainan’ny mpanao gazety Gasy eo ampanatanterahany ny asany”. Ny FFE na ny fondation Friedrich Ebert no tompon’antoka tamin’ny fikarakarana ny “lanonana”, ary vory lanona nanome endrika ambony dia ambony ny hetsika ny tompon’antoka isan-tsokajiny amin’ity serasera ity. Anisan’ireny ny Ambasadaoro Frantsay monina sy miasa eto amintsika, ny Minisitry ny fitondrana Avo miadidy ny serasera, ny tompon’orin’asan-tserasera marobe, ary indrindra indrindra ny mpanao gazety Gasy araky ny taonany sy ny asany avy.........
lun
14
fév
2011
Trat ra ny tanjona f a nihena ny vidim-bary ! Afaka mividy folo kapoaka mihoatra amin’izay ny fianakaviana isan-tokan-trano satria nihena ho Ar 100 ny kapoakambary, saingy amin’ny kapoaka Madco no ahitana ity vidimbary ity. Etsy Anosibe sy Ivato, ary eny Tanjombato no nahitana izany, andro vitsy lasa izay. Ny fanazavana nambaran’ny mpivaro-bary misy ity kapoaka Madco ity dia saika mitovy. Ny tsy fahatakaran’ny olona ny kapoakam-bary Ar 500, dia maro hoy izy ireo no mividy fahefan’ny kapoaka. Mampalahelo ny toy izany, dia naleo nasiana itony kapoaka kely itony, mba ahafahan’ny tokan-trano hafa tsy manambola mividy izay takatry ny volany. Raha tamin’ny gony no nifaninanana taloha ny fividianam-bary, dia efa amin’ny kilao sy kapoaka izao no ataon’ny mponina. Dia io mbola midina amin’ny kapoaka madco io indray aza. Ny vary nafaran’ny fanjakana, dia mbola amin’ny faran’ny volana vao ho tonga, saingy tsy azo antoka hampihena ny vidim-bary. Tsy voafehy intsony ny fidangan’ny vidim-piainana, satria na ny menaka aza efa mananika ny 5000 ariar y ny litatra ilay amin’ny vraky. Mihena am-pitoerana toy ny sotrokelin-dronono amin’ny kafe sy ny kapoakam-boanjo koa izany izao ny kapoakambary. Izany tokoa ilay fiovana notadiavina e.
lun
07
fév
2011
“Toy ny vary aloha, mahafatra-po fa tsy mahavita taona” : Oha-pitenenana tena mitombina io amin’izao fiakaran’ny vary aloha izao. Ny eto amin’ny manodidina an’Antananarivo aloha no hita taratra fa tena nahafa-po ireo tantsaha ny vokatra niakatra amin’ny faritra sasany. Anisan’izany etsy amin’ny Betsimitatatra, Alasora, Fenoarivo, Sabotsy namehana, sns…Raha oharina amin’ny isan-taona dia niakatra kokoa ny vokatra. Manantena fidinan’ny vidim-bary eny an-tsena ny mponina saingy araka ny nambaran’i Ra-Maria mpamboly etsy Ambodimita dia tsy mivarotra vary amin’io vokatra voalohany io ny mpamboly. Hohanina hatramin’ny fambolena vary vaky ambiaty ny vary ary na mivarotra aza dia ampahany kely ihany. Nanomboka tamin’ny fiandohan’ny volana janoary ny fiakaran’io vary aloha io, ka mitohy hatramin’izao volana febroary izao, ho an’ireo taratara rano vokatry ny fihantonan’ny orana. Tsy mampihena ny vidim-bary amin’izao fotoana izao izany ity fiakaran’ny vary vao ity. Fotoana fiomanana amin’ny fambolem-bary tena izy kosa ny fialan’ireo vary aloha teny an-tanimbary, ka avy hatrany dia manomboka ny asa tany, misy aza no efa mamafy ketsa, ary eo koa ireo efa manetsa. Mifaly havanja ny tantsaha manodidina ny renivohitra fa na mividy vary eny an-tsena aza dia tsy voatery hihafy amin’ilay lafo be. Tsaratsara kosa ny fiomanana fa ho ampy ny enti-manana, raha tsy hoe angaha manao ny ataony indray ny rotsak’orana ka mety tsy hanarapenitra.
ven
04
fév
2011
Resy tanteraka ny vahoaka malagasy madinika. Tsy mitsahatra miakatra ny vidim-bary eny an-tsena. Betsaka amin’ireo mpivarotra vary atsinjarany no niala an-daharana sy nampiato ny asany. Mananika ny Ar 1600 ny vary 1kg. Rahampitso ihany io dia hiakatra Ar 1700, ary tsy ho ela dia ho Ar 2000. “Azo antoka ny hihoarany ny Ar 2000” hoy ny mpamongady iray etsy Andravoahangy. Ny vary gasy sy ny vary makalioka, izay tena ilain’ny mponina, no tsy mitsahamiakatra. Minainaina ny vahoaka satria tsy afaka hihinana vary stock tampon. Efa betsaka ihany mantsy ny aretina azo avy amin’izy ity. Izy izao no mora indrindra na dia mbola lafo ara-bola aza. Ar 1330 ny 1 kg, omaly. Betsaka ny fianakaviana tsy mahazaka io vary stock io. Mampangidihidy hoditra, ary voamarika fa mitombo be, saingy mihevotra fotsiny. Vetivety dia noana izay mihinana azy...........
ven
04
fév
2011
Fa dia inona loatra no nahazo an’i Gasikara ? « Tsy misy intsony ny omby eny an-kijana ary na ny ireo mitarika sarety aza lany tamingana, aty Menabe, » hoy ny ben’ny tanànan’i Bemarivo Ankirondro, Zahatsy Bienvenu. « Vonoin’ny malaso ihany koa ny tompon’omby. Efa maro amin’ny mponina no matory any an’ala. Inona moa no azonay atao manoloana ireo kalachnikov ? »
Miara-miasa amin’ny Alain Ramaroson Herinandro izao ny ben’ny tanàna no tonga eto an-drenivohitra. « Mitondra ny fitarainan’ny vahoaka aho, sady manantena ny fiaraha-miasa amin’ny lehiben’ny vaomiera misahana ny fandriampahalemana sy ny fiarovam-pirenena ao amin’ny Fitondra avon’ny tetezamita, Alain Ramaroson » hoy izy. Araka ny fanazavana nomen’i Zahatsy Bienvenu, dia izy no mpanolotsaina manok an’ny lehiben’ i o vaomiera io, any amin’ny Faritra Menabe. « Efa maro ny tatitra nalefanay any amin’ny lehiben’ny dist r ika, any amin’ny lehiben’ny Faritra, fa mbola tsy nahitam-bokany aloha hatramin’izao. Vao tonga teto Antananarivo aho, dia efa nangataka fihaonana amin’i Alain Ramaroson. Izaho rahateo tsy afaka ny hody any an-tanàna intsony, raha tsy mahazo valin-teny tsy hahafaty ahy. »..................
mar
01
fév
2011
Raha mora ny laok a kanefa mba tia hihinana sakafo ara-dalàna ny olona dia heverina ho sahirana ihany ny tsirairay. Manginy fotsiny ny tsy fisian’ny asa sy ny fialam-boly natokana ho an’ny tanora. Ao an- tampon- tanànan’Ampanihy dia midangana ny vidin’ny kapoakan’ny vary izay mahatratra hatrany amin’ny Ar 450 ny iray kanefa ny hena ampanarahana azy azo ihoriranana ihany satria Ar 3 000 ny kilaon’ny hena omby, Ar 10 ny voan-draketa iray, Ar 800 ny voatango izay, Ar 300 ny voazavo fa ny osy kosa dia Ar 17 000 vao mahazo. Mahakasika izay fiainan’ny mponina izay ihany dia sahirana koa ny mpianatra sy ny mpampianatra ao amin’ny CEG Ampanihy Atsimo..............
jeu
27
jan
2011
Vehivavy lany zara no nahatonga ny oha-pitenenana hoe “basin’ariary fito, sady tsy tian’ny mpanana no tsy takatry ny mahantra”. Mitombina io amin’ity vary nafarana mba hamonjena ny Malagasy ity. Tonga tokoa ilay vary nafarana ary miparitaka eny amin’ny tsena goavana eny. Manodidina ny Ar 1200 ny vidin’ny iray kilao ary eny amin’ny tsena sasany dia voafetra ho 10 kg ihany no azon’ny olona iray vidiana. Raha ny tazana teny amin’ny tsena Anosibe anefa dia malalaka ny fivarotana azy io, na hividy amin’ny gony aza ny mpanjifa. Ar 59000 ny iray gony (50kg). Rehefa nohadihadiana ny mpivarotra iray dia nilaza fa tsy misy mpividy ilay vary “noho ny kalitao tsy dia tsara loatra angamba”. Maro ny olona manan-katao mirona amin’ny stock tampon, saingy ilay nahazatra teo aloha, vary avy any Pakistan, no tsara kokoa, tsy dia misy fofona. Ity vary vao nafarana dia nambaran’ny mpanjifa fa tsy dia mitombo loatra, sady sarotra ahandroina. Mbola heno ihany koa ny fofon’ny fanafody nitahirizana azy................
jeu
27
jan
2011
Misy ny tetikasa mba hanomezana lanja ny fahadiovana eto amin’ny tananan’Antananarivo izay iarahan’ny Unicef sy ny FID ary ny CUA. Mponina 64 000 no hahazo tombony amin’ity tetikasa ity. Ny zavatra atao kosa dia fanadiovana lalan-drano, fanamboarana fotodrafitrasa vaovao. Koa amin’izany dia atakalo vola ho an’ny mponina ny asa vita rehetra. Lasa fitobian’ny fako ny lalan-drano maloto. Tsy hita soritra anefa ny tetik’asa manokana hanadiovana ny tanàna. Araka ny nambaran’Atoa Rasendra Ratsima, Tale jeneralin’ny FID dia Andohatapenaka I, II et III, Andavamamba Anjezika I, Antetezana afovoany I ary Ampefiloha Ambodirano no hanombohany ny tetik’asa hiarahana.
mar
25
jan
2011
Tsy misy safidy fa tsy maintsy miatrika ny fiakaran’ny vidin-tsolika ny firenena malagasy. Fisondrotana hatrany am-potony io ka tsy azo hialàna araka ny tenin’ny minisitra misahana ny angovo. Tao anatin’ny andro maromaro dia efa nifampidinihan’ny mpitondra tetezamita tamin’ireo mpandraharaha momba ny solika io satria ankitsirano no nilazan’ny minisitra fa tsy zakan’ny fahefa-mividin’ny malagasy io amin’izao fotoana izao. Efa misy anefa ny tobin-tsolika nampakatra ny vidin’ny vokatra ao aminy. Tombanana Ar 300 isaky ny solika 1 litatra ny fisondrotana, izany hoe mbola tsy nisy fisondrotana be tahaka izao hatramin’izay. Etsy andaniny anefa ny fanjakana dia mikaroka hevitra fatratra mba hampihena ny vidin’entana ilaina andavanandro..............
ven
21
jan
2011
Tsy hihemotra amin’ny fikarohana efa nataony Ramarovahiny Nicol, ilay mpanao fikarohana ka nilaza fa nahita ny fanefitry ny VIH/SIDA tamin’ny alalan’ilay fikarohana nahitana ny « JMAR ». Nisy mantsy ny taratasy nosokafan’ny Dr Catherine Gaud, tompon’andraikitra iray ao amin’ny nosy La Réunion izay nambaran’i Ramarovahiny fa fanosoram-potaka azy sy fanambaniana ny fikarohana hitan’ny malagasy. Efa voaporofo tao amin’ny nosy Maurice hoy ity mpikaroka ity ny fahafahan’ny « Jmar » voka-pikarohana hitany, mamotika ny viriosy. Voalazan’io dokotera vahiny io anefa fa tsy nisy fanadihadiana lalina iny fikarohana iny.
Fanalam-baraka sy fisomparana ny fikarohana malagasy ireny hoy izy. Hatreto aloha dia mbola tsy nandray fepetra amin’ny fampiasana ity « Jmar » ity.............
mer
19
jan
2011
Nanaitra ny mpanjifa ny fiakaran’ny vidin’ny mofo dipaina teny amin’ny boriborin- tany fahefatra sy ny manodidina iny, omaly alatsinainy maraim-be. Ny mofo dipaina Ar 200 toy ny mahazatra no lasa Ar 300, ary ilay Ar 200 nahazatra dia nihena antsasany be izao ny lanjany. Ny kalitao amin’izany dia tena poak’aty ara-bakiteny. Tampoka ity fampakarana ity na dia fantatra aza fa vokatry ny fiakaram-bidin’ny lafarinina no nahatonga izany. Raha tombanana dia nihena 50% ny lanjan’ny mofo iray, eny fa hatreny amin’ny orinasa goavana sy mihaja io tranga io. Mihoatra ny maitso ahitra noeritreretina ity miseho ity. Ny entana rehetra ilaina andavanandro dia samy voakasiky ny fisondrotam-bidy avokoa raha tsy hilaza afa-tsy ny siramamy, lafarinina, menaka, savony, vary, sy ireo maro tsy tambo isaina e! Miantraika amin’ny s a r ambabembahoaka ny fiakaran’ny mofo dipaina. Tokantrano maro no efa nirona amin’ny fihinanana mofo ho solon’ny sakafo maraina, satria fandaniana ny fandrahoana vary in-telo isan’andro. Etsy andaniny, lasa Ar 100 hatramin’ny Ar 150 ny dite iray kaopy raha Ar 50 no nahazatra. Ar 200 raha asiana ronono. Dia niakatrakatra toy izany koa ny kafe sy ny thécao. Ny ramanonaka sy mofo gasy dia Ar 100 ny iray, raha mbola Ar 50 ilay mofo manify toy ny lelan-tsaka, hoy ny fitenenana. Vokany, noana ny Malagasy. Asa raha hahatody ity fahavaratra ity ny ankamaroan’ireo mahantra. Ny tendan’ny mahantra anefa tsy afaka hiaritra ny fampiatoana ilay tsena mora fa dia eny amin’ny fanariam-pako sisa e! raha mbola hisy koa ny fako azo tsimponina…
mar
18
jan
2011
Loza mitatao ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny fako ariana anaty tatatra sy ny tsy fahampian’ny fivoahandrano maloto. Santionany amin’ireo olana sedrain’ny mp o n i n’An t a n a n a r i v o Renivohitra anefa ireo. Misy ny tetikasa fampivoarana ny fahadiovana eto amin’ny tanànan’Antananarivo iarahan’ny UNICEF sy ny FID ary ny BMH-n’ny kaomina Antananarivo, amin’ny alalan’ny asa takalo sakafo. Olona maherin’ny 64000 eo no kendrena hahazo tombontsoa amin’ity tetikasa ity. Tetikasa natao indrindra hamatsiana vola ireo asa fanadiovana tatatra, fakana fako eny anivona fokontany vitsivitsy eto Antananarivo sy fanatsarana ireo fotodrafitrasa mifandraika amin’izany..............
lun
17
jan
2011
Eo am-panomanana ny hisokafan’ny Radio Fahazavana ny tompon’andraikitra foibe FJKM amin’izao fotoana izao. Efa manatanteraka ny asany ny mpiasan’ny radio Fahazavana, hisokatra atsy ho atsy. “Heverina, hoy ny filohan’ny FJKM Rasendrahasina Lala, fa hihaino ny feon’ny Fiangonana mikasika an’io ny fitondram-panjakana”. Anisan’ny nisongadina io nandritra ny fanompoampivavahana lehibe notanterahan’ny fiangonana FJKM tetsy Antsahamanitra, omaly alahady. Fotoana nitondrana am-bavaka ny taom-piasan’ny FJKM manerana izao tontolo izao, sady fiarahabana manokana ny filohan’ny FJKM mivady, nahatratra ny taona 2011 ka nanoloran’ny birao foibe sy ireo solontenan’ny sampana rehetra ary ny fiangonana ny fankasitrahana ny mpitandrina Rasendrahasina Lala mivady. Maro hatrany ny asa miandry ireo tompon’andraikitra raha tsy hilaza afa-tsy ny fiandraiketany ny fitantanana ny FFKM, sy ny maha filohan’ny FFKM ny filohan’ny FJKM izay hotanterahina amin’ny 23 janoary ny famindram- pahefana, eny amin’ny FJKM Ambohipotsy............
ven
14
jan
2011
Mitohy hatrany ny fifanenjehana eo amin’ny tompon’andraikitry ny tanàna sy ireo mpivarotra eny amoron-dalana amin’iny faritra Analakely iny. Tsikaritra mantsy omaly fa dia nihaodihaody teny an-toerana ireo mpiasan’ny fivondronana nandroaka ny entan’ireo mpivarotra izay mbola minia mamelatra ny entany eny amin’ny faritra izay natokana ho an’ny mpandeha antongotra iny. Velon-taraina ireo mpivarotra izay sendra tafaresaka taminay amin’ny fakahana an-keriny ireo entana amidin’izy ireo izay marihana fa hatao antoka any amin’ny mpaninjara maromaro eto Andrenivohitra...............
jeu
13
jan
2011
Mitaintaina sahady ny vahoaka amin’ny mety hiakaran’ny saran-dàlana Ar 400. Taorian’ny fandrenesana fa nisy fiakarany indray ny vidin’ny gas’oil fampiasan’ny fiara mpitatitra olona, dia manomboka miketrika izay fiakaran’ny saran-dalana izay ny mpitatitra sasany. Ny faha-19 janoary izao no hanao ny fihaonambeny ireo kaoperativa samihafa mampiasa zotra an-tanan-dehibe. Io no hamaritra ny fampiakarana izany « frais » izany. Misy kosa anefa no manambara, fa hijanona amin’io sarany ankehitriny io ihany, saingy tsy hanao ilay tapa-dalana ho Ar 200 intsony izy ireo. Ekena fa kely ilay fisondrotana teo amin’ny gas’oil teo izay Ar 60 monja, saingy ny kojakoja fanolo amin’ny fiara kosa no tena midangana araka ny feo heno amin’ireto mpitatitra ireto. Raha sanatria ka mihevitra ny hampakatra io saran-dalana io ny kaoperativa eto amin’ny tanàna, hanao ahoana ny mety ho fiakatry ny vidim-piainana izay efa midangana be ankehitriny ? Vainafo zanany
mer
12
jan
2011
Misy fiantraikany betsaka amin’ny mpamboly ny tsy filatsahan’ny orana. Efa fotoan’ny fahavaratra tokoa isika amin’izao nefa iaraha-mahita ny toetr’andro fa dia maina dia maina tokoa. Na dia hatrany amin’ny faritra isan’ny be orana indrindra aza dia mbola hainandro mi g a i n g a i n a n o h i t a . Anisan’izany ohatra ny any amin’iny faritry Toamasina iny. Araka ny vaovao voaray dia miaina ao anatin’ny hafanana tanteraka ny mponina any antoerana. Tsy ny any Toamasina ihany anefa no ahitana izany fa manerana ny Nosy mihitsy. Mimenomenona avokoa ny tantsaha indrindra fa ny mpamboly vary. Ahiana ny fihenan’ny voka-bar y amin’ity taona 2011 ity. Hat rany amin’ny far i t r a Alaotra-Mangoro izay sompitr’i Madagasikara mantsy ankehitriny dia iharan’io hain’andro io. Vokany, maina ny voam-bary ka lasa akofa. Toy izany ny fambolena rehetra mihitsy.
mar
11
jan
2011
“ Ts y f ant a t r ay tompon’andraikitra mihitsy iny horonantsary iny raha tsy efa nivoaka nanala baraka ny fiangonana manontolo toy iny.” Namory mpanao gazety ny fiangonana FPVM omaly, notarihan’ny mpitandrina Andrianatoandro. “Misy ny atidoha nikotrika iny raharaha iny. Araka ny fahitanay azy, dia efa niomanana mihitsy. Mazava be fa teto Antaninanandrano no nandraisana ny sary.”
Rija demoniaka
Hatramin’izoa aloha, dia olon aefatra no notanana any am-ponja, pasitera iray, mpiandry iray ary mpivavaka tsotra roa. “Mahagaga fotsiny ny nahitana an’I Rija tao anatin’ilay horonan- tsary indray. Mpivavaka eto Antaninanandrano ary tena demoniaka I Rija. Efa nositranin’ny mpitandrina Andrianantoandro izy. Tena marary tokoa I Rija, efa ho roa volana izao.” Asa raha izay no noararaotin’ireto mpamosavy nisangy azy na zavatra hafa mihitsy no niseho ka nanjary horonan-tsary ho azy, naparitaka na dia mamohehatra aza......
lun
10
jan
2011
Afaka hitondra sy hitantana tanàna ve raha tsy mpanao politika? Mpanao politika àry ve no mitondra ny tanànan’Antananarivo? Sy ny tanàna rehetra eto Madagasikara? Moa tsy misy ireny vola antsoina hoe: FDL ireny, izay ilàna fahaizana sy politika matanjaka ny fitantanana azy? Nisy tamin’ny kaominina sy tanàna eto amintsika no tratran’ny henjika ara-politika fa “tsy mahay raha”. Voatorotoroka teny amin’ny BIANCO. Fa ny eto Antananarivo renivohitra no mahalasa ny saina tato ho ato. Delegasiona manokana no mpitantana eto ary tarihin’ny filohany. Olona mahay mitantana ireny saingy tsy voafidim-bahoaka. Ny 63% n’ny mponin’ity renivohitra ity dia nifidy olona natokisany hitantana azy, saingy zavatra hafa moa izao no nataony, ary lasa any ambony be any. Ka dia izao iaraha-mahita izao ny fivadibadiky ny tantara...........
sam
08
jan
2011
Tsy mampino, nefa tanteraka. Ireo endrika faminaniana ambaran’ny mpahita gasy no tiana ambara eto. Milaza alohan’ny fotoana izay tranga mety hiseho izy ireny, ary ny mpanakiana no betsaka, saingy rehefa miseho izay voalaza vao samy gaga ny rehetra. Ny Pasitera Mailhol sy Saberah, ary Aina eny Itaosy no tena manambara zavatra betsaka. Eo ihany koa ingahy Kohen Rivo Lala, ary tsy dia mifanohitra ny hevi-baventy ambaran’izy ireo, fa misy hitovizany avokoa. Raha ny Pasitera Mailhol, dia sady manala devoly no manasitrana amin’ny alalan’ny vavaka. Efa manana ny mpino mpanara-dia azy efa hatramin’ny taona ela. Ny faminaniana ara-politika no maro ambarany, ary betsaka no manambara fa fanadihadiana ara-politika no ataony, fa tsy faminaniana. Ny an-dRamatoa Saberah ihany koa dia manao izay fanambarana ny ho avy izay, ary mitsabo ihany koa..........
mer
05
jan
2011
Tsy takatry ny kely vola izao ny atody. Nitombina ilay hiran’ingahy Sareraka, satria dia tsy takatry ny olona intsony ny vidin’atody tamin’ny faran’ny taona teo sy ny taom-baovao. Nifampitadivana eran’ny tsena ity sakafo mivoaka ao avy amin’ny akoho ity. Raha nahita dia io niakatra be io ny vidiny. Ny alahadin’ny taom-baovao anefa, dia nidina hatrany amin’ny Ar 400 ny iray. Ny tsy fanomezan’ny mpambongady itony atody itony ny mpivarotra no voalaza fa nampiakatra be ny vidiny. Ny handikan’ny mpanjifa izao fidangan’ny atody izao, dia fanararaotana ataon’ny mpivarotra, izay azo adika fa halatra be vava hoy ny olona sorena tamin’izao vidiny lafo be izao. Izany tokoa no hoe samy manararaotra izay tandrify azy e ?
lun
03
jan
2011
Nanao firarian-tsoa hoan'ny vahoaka Malagasy ny filoha Ravalomanana, indro entinay aminao izany kabariny izany :
Ry Malagasy Mpiray Tanindrazana,
Nivalona tanteraka ny taona 2010, tapitra hatreo ny 365 andro. Handia ity taona vaovao 2011 ity isika, koa tonga miarahaba antsika rehetra tratry ny taona aho, eny fa na dia aty lavitra aty aza no misy anay dia tsy manadino fa mirary soa ary miarahaba tratry ny taona. Enga anie ity taona 2011 ity mba ho taonan’ny fihavanana, filaminana ary fampandrosoana. Andriamanitra tompon’ny hery rehetra, mahefa amin’ny zavatra rehetra anie ahatanteraka izany fikasana tsara rehetra ao anatintsika izany ary dia samy ho salama tsara isika rehetra ka hantanteraka ny adidy aman’andraikitra tandrify antsika tsirairay avy.
Ny taona 2010 no tapitra, fa ny krizy ara-politika izay niteraka izao fahasahiranana goavana tsy nisy toa izany izao mbola mitarazoka ihany. Miantso ny vahoaka Malagasy rehetra aho amin’izao vanim-potoana izao; henoy ary diniho lalina ny feon’ny fieritreretanao.
mar
28
déc
2010
Nitrangana loza sahady ny teo anoloan’ny lapan’ny t anana vaovao.oma l y tokony ho tamin’ny 1 ora folakandro Fiara 4l taxi iray namantana teo amin’ny fefy;.nifatratra teo amin’ireo mpivarotra sy ireo olona mitazana ny hakanton’ny tanana. Vokany, olona iray no maty telo hafa naratra mafy. Araka ny voalazan’ireo nanatrimaso dia efa nadonany tamin’ny sisin-dalana ilay fiara toa hoe tapaka frein. Amin’izao ankatoky ny andro fety izao dia tokony hitandrina ihany ny tsirairay ndrindra ireo mpamily izay misotrosotro tsy mahalala onona ka mety hitera-doza. Raha iverenana kely ny eo amin’ny lapan’ny tanana dia hita fa tsara ary mahasarika olona betsaka ny hitazana azy. Voafefy manodidina ny tanana mba ho fiarovana, indro kely anefa tsy misy ny sisin-dalala ho an’ny mpandeha fa fefy dia arabe, ny olona anefa mitazana ny hakanton’ny tanana, ny fiara mifanaretsaka. Mety hampidi-doza raha tsy misy ny fitandremana.
jeu
23
déc
2010
Asa raha dia inona loatra no mahazo an’ity kianjaben’ i Mahama s ina , i z ay kianja manara-penitra eto Antananarivo ka ireharehan’ny Malagasy tokoa ny fananana azy io taloha ka mandraka ankehitriny ity. Fanahy iniana mihitsy ny hanapotehina azy io amin’izao fotoana izao, amin’ny alalan’ny fanaovana fety aman-danonana tsy ankijanona. Nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena farany teo, dia nanaovana fampisehoana rindran-kira goavana teo, ka i Rossy no nihira teo. Vokany : potika sy simba ny bozaka, ary tsy nisy mihitsy ny vola natokan’ny fanjakana hanarenana ny simba.................
sam
18
déc
2010
Mitombo avo telo heny indray ny isan’ireo olona tsy manan-kialofana miaina amin’ny trano baoritra eny antsisin- dalana araka ny fanadihadiana natao. Isan’ny antony nampiakatra io ny krizy lavareny eto amintsika. Mitombo isan’andro ny olona tsy an’asa amin’izao fotoana izao vokatry ny fikatonan’ireo orinasa. Vokany, tsy mahaloa hofan-trano intsony ny olona ka voatery manorim-ponenana eny amoron-dalana. Ny sasany aza dia eny amin’ireny daba fanariana fako ireny mihitsy no matory sady miandry ny fako arian’ny olona mba hitsimponana sakafo.......
jeu
16
déc
2010
Miteraka savorovoro sy resa-be eto amin’ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao ny mahakasika ilay vatomamy misy poizina nahafatesana zaza efa-taona. Nanazava ny avy ao amin’ny ministeran’ny fahasalamana fa vatomamy niniana nopoizinina ilay izy fa tsy hoe vatomamy amidy eny an-tsena. Poizina mahery vaika “arsenic” mihitsy no natao tamin’ilay vatomamy. Nitondra fanampim- panazavana momba izany rahateo ny fianakavian’ilay zaza nody mandry. Miantso ny ray aman-dreny, araka izany, izy ireo ny ministera, mba ho mailo sy hananatra ny zanany, ho fiarovana ny ankizy amin’ny karazana ankasomparana toy izany. Efa ho andro maromaro izay no nisy ity resaka vatomamy misy poizina ity fa tsy vao izao tsy akory. Efa nisy ireo ankizy miisa 29 narary tetsy amin’ny EPP Anosibe noho ny fandraisana sy fihinanana izany. Betsaka ihany kosa anefa ny sekoly efa mandray fepetra manokana manoloana izany. Ao ireo manamafy ny fiambenana ny faritry ny sekoly, mandrara ny fivezivevezena sy ny fidirana tsy nahazoana alalana. Ao ireo mandrara ny ankizy tsy hividividy sakafo hafa ankoatra ny amidy ao an-tsekoly, hatao “goûter”. Tsy ny vatomamy irery ihany koa no mety hisy hanapoizina toy izany fa rehefa mety ho sakafo. Endrika fanakorontanana sy fanaovana ankasomparana tsotra izao ny fihetsika toy izany. Mbola mitohy ny fikarohana ataon’ny ministeran’ny fahasalamana izahana ny marina momba izany. Toy izao kosa ny hevitr’ireo olona sendra anay. Monica
jeu
09
déc
2010
Niakatra indray ny vidimbary tamin’iny herinandro iny. Nahitana fiakarany 200 ariary ny makalioka; izany hoe raha 1200 ariary izy teo aloha dia lasa 1400 ariary izy amin’izao fotoana. Ny vary gasy niakatra 150 ariary. 1150 ariary teo aloha dia lasa 1300 ariary. Tsy ny vary ihany anefa no nahitana io fiakarana io fa saika ny entana ilaina andavanandro mihitsy. Ny menaka raha 3700 ariary dia lasa 4250 ariary. Ny voamaina indray raha 700 ariary teo aloha dia lasa 800 ariary. Araka ny nambaran’ny mpivarotra dia efa hatrany amin’ny mpambongady io fiakarana io. Ary isan’ny antony mahatonga izany ny fisian’ny “grossite” tsy ara-dalàna ka tsy voafehy ny vidin’entana........
mar
07
déc
2010
Manoloana ny halatra omby any amin’ireo faritra mpamokatra izany dia « krizy » koa ny hena omby eto an-drenivohitra. Araka ny fitantaran’ny mpandraharaha iray manao irony “charcuterie” irony dia efa ho telo volana eo ho eo izay no tsy naharaka ny mpanjifa ny mpamatsy omby. Vokany dia nihena koa ny herin’ny tsena, satria voatery nampakatra vidin’entana, na nampihena ny lanjan’entana ny mpamokatra “charcuterie”. Rehefa natao ny fanadihadiana dia tsy hita taratra loatra izany krizy hena omby izany, ho an’ny sarambabembahoaka satria efa tsy anaty teti-bolan’ny fianakaviana tsotra intsony izany fihinanana hena matetika izany. Etsy andaniny dia maro ny hena mitovitovy vidy amin’ny hena omby, ka aleon’ny olona mirona amin’ireny. Matsiro kokoa angaha, toy ny taovan-kena, ny akoho fakana nofo, sns…....................
ven
03
déc
2010
fahampiantsakafo eto Madagasikara. Ny ankabetsahan’ny Malagasy dia tratran’io avokoa. Ny vary no foto-tsakafon’ny Malagasy nefa hatramin’izay dia tsy mahavita taona ny var y hambolena eto amintsika. Vokany, voatery tsy maintsy manafat ra vary avy any ivelany foana. Miezaka mitady fotodrafitrasa hatrany ny tomponandraikitra hiadiana amin’io tsy fahampian-tsakafo io. Nandramana araka izany ny voly vary safiotra. Masomboly nafarana avy any Chine izy ity ary voly vary an-tanety no mety aminy. Efa tamin’ny taona lasa no nanaovana io fanandramana io k a hita fa mety eto amintsika. Masomboly 56 taonina no nafarana tamin’izany ka nahazoana vokatra 6 taonina isaky ny hektara.........
jeu
02
déc
2010
Feno risoriso ny tsena mora nataon’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina. Hanjakan’ny kolikoly raha izay no hilazana azy, satria tsy ny mahantra no tena mahazo tombony, fa ireo manana andraikitra mizara izany. Manomboka vao mangiran- dratsy ny vahoaka no milahatra, saingy amin’ny valo vao misokatra ny tsena mora. Amin’ny folo ora maraina kosa, dia efa heno fa lany hono ny entana amidy mora amin’ity tsena ity. Misavoritaka ny vahoaka madinika, ary vao mainka mitombo ny fahantrana, satria fotoana tokony mba hanaovana asa kely hafa, nefa dia lany andro milahatra vary sy menaka amidy, nefa tsy mahazo. Mampahatsiahy ny andron’ny kaoperativa fony andron-dRadidy ity tranga ity, satria raha ny mahantra no avotana amin’ny varotra mora toy izao, nefa toa mivadika risoriso ilay izy............
mar
30
nov
2010
Nodimandry tamin’ny asabot sy 27 novambr a 2010, teo amin’ny faha-59 taonany i Elie Rajaonarison noho ny tsy fahasalamana tampoka. Rajaonarison Elie no anarana nasalotry ny ray aman-dreniny azy. Teraka tao Ambatondrazaka izy ny 15 novambra 1951. Anisan’ny antony iray nireharehany sy nametrahany ho hambo ny maha gaona azy izany, na avy eny Ambohidrano Atsinanana, Avaradrano aza no tena fiaviany. Olon’ny soratra feno i Elie Rajaonarison. Iray tamin’ireo angady nananana sy vy nahitana ny fijoroan’ny Faribolana Sandratra izy, roapolo taona mahery izay...........
sam
27
nov
2010
Azo hitsaboana ny aretina samihafa ny ravin-kazo sy ny tapa-kazo rehetra eto. Betsaka no azo ampiasaina eto an-drenivohitra, misy kosa anefa any amin’ny faritra vao misy mety haha-sitrana ny aretina. Io no nambaran’i Rolland, izay mitsabo amin’ny alalan’ny ravin-kazo sy tapakazo. Nandramany nampiasaina avokoa rehefa mety ho ravin-javatra rehetra. Ny 98 %-n’ireny, dia nahasitrana aretina avokoa. Isan’io ny lehilahy iray, izay namoaka tsiranoka efa ho an-taona maro, ary efa simba tanteraka ny taolana, nefa dia sitrana afaka roa volana nitsaboana azy. Ny aretina rehetra, dia azo tsaboina avokoa, saingy mila tandremana amin’ny fatrany, sao hitera-doza hoy Rolland, avy eny Andramasina, ka isan’io ny ngorongosy. Vodin-javatra etsy ambonin’Ampamarinana no alaina, ary hanasitranana ny io aretina io..........
jeu
25
nov
2010
Lakolosy hafa indray ity ! Fijaliana hatrany no heno tamin’ireo mpiasa niasa tany Liban ! Nisy ny maty, ary maro no nitondra takaitra. Mbola maro ireo olona iharan’ny tsindry hazo lena any amin’io firenena izay hitadiavan’ny malagasy sasany ravin’ahitra io. Izay no tena nibahana ao an-tsain’ny mpitazana, fa araka ny feo hafa re, dia misy fahadisoana betsaka avy aty amin’ny malagasy izay miasa any no antony mahatonga ny fampijaliana. Heno fa misy ireo vehivavy avy aty Madagasikara, no mangalatra ao amin’ilay trano hiasàny, ka mahatonga ilay fikasihan- tanana ? Toy izany ny fanaovana firaisana amin’ny mpampiasa lahy, ka fantatry ny vadiny, ary miteraka vono..........
lun
22
nov
2010
Satria niato ny fanampiana avy any ivelany sy ny fanomezan-tanana avy amin’ny fikambanana isankarazany, dia nanano-sarotra ihany ny fanatanterahan’ny Ofisim-pirenena momba ny Fanjarian-tsakafo (ONN) ny asany, tato anatin’ny 18 volana izao. “Tsy ara-dalàna ny fanomezana ny tambin-karaman’ireo vehivavy miisa 1571 manerana an’i Madagasikara, izay miandraikitra ny toby Seecaline” hoy ny mpandrindra nasionaly Jean François. Eo ihany koa ireo mpikarakara ny zaridainam-bokatra, fampianarana ny tantsaha sy ny fianakaviana hikajy ny sakafo voajanahary. E to ani von’ny Nos y manontolo, dia ireo zaza latsaka ny dimy taona, ny vehivavy mampinono sy bevohoka, ary ireo ankizy an-tsekoly no hiantefan’ny asan’ny ONN. “Sarotra anefa ny nanatontosa ny asa, noho ny tsy fahampian’ny eo an-tanana. Mafy mihitsy ny niandraikitra ny fisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo – asa voalohany sy tena ifotoranysatria indroa nandalo maitso ahitra i Madagasikara, hatramin’izay, afa-tsy ny rivo-doza ary ny haintany.” Amin’izao fotoana izao, manomboka miverina tsikelikely ireo fikambanana tsy miankina, ka ny vahoaka eny ifotony mihitsy ihany aloha no iasana. Raivobe
sam
20
nov
2010
« Canal des Pangalanes ». Lakan-drano novolena tamin’ny andro faha-vazaha.
Lakan-drano mamelona tanàna maro. Iray amin’ireo mpandraharaha mitrandraka
ny fizahantany izay miezaka mamoaka ny hakanton’izany lakan-drano izany sy
mitondra fampandrosoana amin’ireo tanàna lalovany ny « La Route des
épices ». *
Nanomboka ny taona 1999 nijoroany ka mandraka ankehitriny dia mampianoka
ireo mpanjifa nisafidy azy, hijery ifotony ny zava-misy iainan’ny mponina
manamorona ny lakan-dranon’i Pangalanes ny « La Route des épices ». Fiainana
hafa miala amin’ny fahita mahazatra mihitsy no iainana, mizaha ny
lakan-dranon’i Pangalanes miaraka aminy. Afaka nanandrana izany niaraka
tamin’ireo ekipa mahafatra-pon’ny « La Route des épices » tao anatin’ny
andro vitsivitsy izahay teto amin’ny gazety Basy Vava ary te hampita izany
amintsika mpamaky anio. Indro ny fanadihadiana.
sam
20
nov
2010
Toy ny fanaon’ny orinasa Savonnerie Tropicale, isaky ny faramparan’ny taona tahaka izao dia nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety ireo tompon’andraikitry ny orinasa, manao jery todika sy manombatomba ny ho avin’ny orinasa. Ny sehatra indostrialy no nasongadiny ka nambarany ny toeran’ny orinasa tantanany manoloana ny tontolon’ny indostria eto Madagasikara. 40 taona ny savonnerie tropicale, ary ady hatrany no natrehany hatramin’izay, ary an-dalana ho amin’ny fahafahan’ny indostria malagasy ny orinasa amin’izao fotoana izao. Nihena hatrany ny vokatr’ity orinasa ity, ka amin’izao fotoana dia nihena hatrany amin’ny 50% mihitsy. Tsy mihemotra ny orinasa hoy ny filoha tale jeneraly Ramaroson André, fa manantena ny fiasan’ny tetezamita sy ny repoblika fahefatra. Takiany hatramin’izao ny fahaleovantenan’ny indostria malagasy izay nanomezany ohatra amin’ny hosoka ataon’ny mpamokatra savony any Maurice. Betsaka ny savony avy any ivelany, tsy manarapenitra nefa tafiditra eto. Nahatratra 15 koa ny orinasa nanao savony teto saingy ity ihany aloha no nahay niatrika ny fifaninanana. Eo ihany ny hosoka hoy ity filoha tale jeneraly ity fa mampitotongana ny indostria ny fahasarotan’ny enti-manana sy ny fampisamboram-bola. Araka izany dia an-dalam-pitolomana ho an’ny indostria malagasy ny savonnerie tropicale. HERY A
mar
16
nov
2010
Amin’ny 10 desambra ho avy izao no hivoaka ny didimpitsarana mahakasika ny raharaha fifampivarotana fantsika, nandeha tetsy amin’ny fitsarana Anosy tamin’ny zoma lasa teo. Raha tsiahivina ny tantara dia nisy olona nividy fantsika iray kaontenera tamin’i RM tamin’ny volana oktobra 2008. Taratasim-bola tsy misy antoka no natolotry ny ramatoa iray, tamin’ny fotoana nandraisany ny entana. Arak’izany dia nametraka fitoriana ny tompon’ny entana izay nanambara fa voasoloky. Nanatanteraka ny asany ny polisy ekonomika ka nanatenteraka fanadihadiana. Tsy nipoitra kosa anefa ny tena tompon’ny vola nividianana entana. Teo dia nanjavozavo ny raharaha. Ny volana oktobra 2009 no niantso ny fitsarana saingy tsy nipoitra hatrany ilay nanolotra taratasim- bola tsy nisy antoka. Didy fampiatoana no nivoaka ka nahatonga ny mpisolo vava an’I RM nampakatra fitsarana ambony...........
dim
14
nov
2010
Efa tonga soa any Vietnam hatry ny ela i Alexandre Randrianarivelo, ilay nibata ny laharana voalohany tamin’ny RTA Miss&Mister voalohany tamin’ity taona ity mba hiatrika ilay fifaninanana iraisam-pirenena antsoina hoe : “Miss Earth 2010”, izay karakarain’ny televiziona Sony Style ary alefa amina fahitalavitra VTV, Star World sy ireo fahitalavitra iraisam-pirenena maro. Haharitra iray volana moa ity fifaninanana hatsaran- tarehy ity ka tsy hifarana izany raha tsy ny 4 desambra ho avy izao ary any amina tanana maro any Vietnam toy ny Hô Chi Minh-Ville, Phan Thiêt, Hôi An, Hanoi ary Nha Trang. Mpifaninana miisa 88 no miatrika izany izay ahitana ireo mpanjakan’ny hatsaran- tarehin’ireo firenena maro maneran-tany. “Ny rano”, io no lohahevitra noraisina tamin’ity andiany fahafolo ity, izay entina hanantenana ny olona amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, indrindra fa ny rano. Ankoatra ny filatroana ao anatin’ny fitafiana nentin-drazana sy fanao an-tanan-dehibe ary ireo fanamiana fitondra milomano izay efa mahazatra dia hitsarana azy ireo ihany koa mazava ho azy ny hetsika mahaolona, ara-tsosialy ary fahaizana. Marihina fa ilay brezilianina, Larissa Ramos no lany ho “miss earth 2009”. Ao amin’ny complexe Vinpearl any Nha Trang ny 4 desambra amin’ny 8 ora alina no hanatanterahana ny lalao famaranana izay entanin’ilay mpanentana malaza ao amin’ny Sony Style, Oliver Petttigrew izay hoafanain’ilay mpihira malaza Rona Keating.
mer
27
oct
2010
Efa akaiky izao ny fotoana hiavian’ny rotsak’orana izay mampalaky ny fahafoizan’ny atodim-balala ka mampirongantra ny zana-balala. Vao volana vitsy lasa izay no nandrenesana ireo andiam-balala tonga mananika ny faritry Vakinankaratra iny. Fanamafisana ny fanentanana no antoka iray hampahomby ny ady hoy ny ministra Jaonina Mamitiana. Izany no antony namoronana ny laharana maitso azo antsoina : 145. Tiana ny mampahafantatra fa ny rotsak’orana kelikely no tena mahafoy ny atody fa raha oram-be kosa dia lasa lamokany ireo”. Hisokatra izao ny fe-potoana iadiana amin’ny valala ho an’ny taona 2010-2011 ka angidim-by roa miampy fanafody manodidina ny 14 000 litatra no ampiasaina amin’ny famonoana ny zanabalala. Famongorana ireo tena zanany vao foy no himasoana hahafahana mifehy haingana ny fiparitahany. Mbola hisy ihany koa ny fiaramanidina iray ho avy amin’ny volana febroary na martsa. Fa r i t r a 8 0 0 0 0 km2 amin’ny far i t ra At s imo Andrefana, Androy, Ihorombe ary ampahany amin’ny faritra Menabe sy Anosy no iasana mandritra ny ady atao. Misy ihany anefa ny fahasarotana amin’ny fanatanterahana ny asa. Tsy misy atahorana kosa ny ranom-panafody aparitaka satria ireo karazana mitovy amin’ny valalan’amboa sy ny famakiloha no matin’ny fanafody. Harijaona Masinjanahary
jeu
21
oct
2010
« Ganga Mama », na « Le Gange ». Renirano iray manana ny tantarany any Inde. Iray amin’ireo renirano fito manan-kasina any an-toerana ny “Le Gange”, izay mbola mitahiry ny kolontsaina indiana manontolo. Voalaza mantsy fa manana ny fahefana manaisotra ny ota io rano io izay afaka manadio ireo miroboka ao aminy sy mampanantena fiainana mahafinaritra aorian’ny fahafatesana ho an’ny finoana indiana. Nofaritana ho harem-pirenena ity renirano ity nanomboka ny taona 1985. Saika mivalana amin’izany rano izany avokoa anefa ireo loto sy fako avy amin’ny ozinina sy ny orinasa manamorona ilay toerana. Manampy trotraka ireo loto ireo ny fatin’olona hita mitsingevana mandavantaona eo amboniny.......
sam
16
oct
2010
Nanomboka ny taona 2008 no nankalazaina ho andro eran-tany ho an’ny fanasana tanana amin’ny savony ny andron’ny 15 oktobra. Nanamarika izany ihany koa isika teto Madagasikara. Zava-dehibe eo amin’ny fiainan’ny mponina ny fahazoany midio, tsy amin’ny savony ihany fa amin’ny rano ihany koa. Ho antsika eto Madagasikara anefa dia mbola maro ny olana sedrain’ny mponina mahakasika izay filana amin’ny rano izay. Voalazan’ny antontan’isa fa olona iray amin’ny efatra, izany hoe ny 41%-n’ny mponina ihany no mbola mahazo tombony amin’ny rano fisotro madio, ka ny 71% amin’ireo no an-tanàn-dehibe ary ny 29% no any ambanivohitra. Ny ampahafolon’ny Malagasy kosa no manana fahafahana hampiditra sy hampiasa rano ao an-tokantranony, miaraka amin’ireo fotodrafitrasa mifandraika amin’izany.......
jeu
14
oct
2010
Namoaka fanambarana iombonana ny talata lasa teo ireo mpanakanto sy artista malagasy ary ireo trano mpamokatra mikasika ilay paikadin’ny « Office Malgache des Droits d’Auteurs » na ny OMDA hanangona ireo kapila rehetra miparitaka eny amin’ny tsena mba hametahana ilay marika hamantarana sy hanavahana ny tena « original » amin’ny piraty. Nangataka ny mba hanemorana ny daty hanaovana izany, izay kasain’ny OMDA ho amin’ny fiandohan’ny volana novambra ho avy izao izy ireo. Tsy mbola nisy valiny anefa hatramin’izao. Noho izany dia hivory izy ireo anio eny amin’ny E s p a c e M o n G o u t e r Andrefan’Ambohijanahary, ka handray fanapahan-kevitra ho fanehoana io soso-keviny io. Raha araka ny tsilian-tsofina re dia mety hanatanteraka fitokonana fanairana izy ireo ny sabotsy ho avy izao ary mangataka ny onjampeo sy ny fahitalavitra ary ireo gazety an-tsoratra mba tsy handefa hira mihitsy sy tsy hanoratra amin’ireo pejy natokana ho an’ny kolontsaina. Ho hita eo ihany ny tohiny. Zaka Fils
sam
09
oct
2010
N amp a h a f a n t a r i n a tamin’ny fomba ofisialy tany Toamasina ny alakamisy 07 oktobra lasa teo fa hatomboka amin’ity herinandro ho avy ity ny andrana teknika ao anivon’ny tetikasa Ambatovy, andrana teknika izay hatao ao amin’ny ozinina fanodinana sy fanadiovana ao Antanandava Toamasina ary haharitra amim-bolana vitsivitsy. Asa efa fanao amina tetikasam- pitrandrahana goavana eran-tany ny andrana teknika hataon’Ambatovy. Ny or inasa mpamokatra herinaratra no hisantarana izany. Notsindrian’ny tompon’andraikitry ny tetikasa fa tsy misy ahiana amin’ny fiainan’ny mponina manodidina sy ho an’ireo mpiasa ao antoerana ny fanatanterahana ny andrana teknika, toy ny efa voaporofo hatramin’izay........
lun
04
oct
2010
Ny 19 aogositra 1999 no nodidiana fony izy tao ambohoka, i Samuel Armas, tratry ny aretina “spina bifida”. Voalaza ho aretina vitsy mpanana, mahafaty izy ity raha tsy vitaina any am-bohoka ny fandidiana. Ny 2 desambra 1999 no teraka soa aman-tsara ity zaza ity. Hankalaza ny faha- 11 taonany izy atsy ho atsy ary salama tsara amin’izao fotoana izao. Mpitsabo mpanampy amina hopitaly iray ny renin’i Samuel. Efa reny ny lazan’i Joseph Bruner, mpitsabo mpandidy manam-pahaizana manokana amin’ny fandidiana ny zazakely any am-bohoka. Hafakely ny momba an’i Samuel izay niteraka resa-be tany am-pitan-dranomasina any. Nisy olona nahavita naka sary mantsy nandritra ny nisehoan’ilay tantara......
sam
02
oct
2010
Saika efa miverina tsikelikely an-tsekoly avokoa ankehitriny ny mpianatra madinika, handia ny taompianarana vaovao 2010- 2011. Mahakasika izay tontolon’ny fanabeazana izay indrindra dia hita amin’izao fotoana izao fa betsaka ireo trano fonenana tsotra nanjary navadika ho trano sekoly eto an-drenivohitra. Misy fitsipika ara-pahasalamana sy fenitra tokony harahana ihany anefa momba ny fanorenana sekoly fa tsy hoe ataotao foana amin’izao. Araka ny fanadihadiana natao dia hita fa mbola betsaka ireo sekoly manana lavapiringa tsy manara-penitra. Sekoly iray anatin’ny efatra no tsy manavaka ny trano fivoahana natao ho an’ny ankizilahy sy ny ankizivavy. Ny karazana fotodrafitrasa natokana ho an’ny olona manana fahasembanana tsy resahana intsony.......
mar
28
sep
2010
Nentin’ny fahamaizana angaha ireto mpifankatia nampiaraka teny akaikin’ny kaominina Isoavina Anosizato iny ka dia tsy nifidy toerana nanaovana firaisana ara-nofo intsony fa teny amin’ny alala teny amin’ny manodidina ihany no naka fahafinaretana. Toerana mangingina, tsy misy mpandeha mihitsy io toerana io, saingy tsy nahafantatra ireto mpifankatia fa tany fady no eo. Toa hoe misy fasana sy toerana fanasinanan’ny olona ilay toerana. Tamin’ny faran’ny her inandro teo no nisehoan’ny tantara izay tsy nisy nahafantatra raha tsy niantso vonjeo ilay vehivavy. Taitra ny fokonolona ka namonjy ireto niharan-doza.........
lun
27
sep
2010
« Madio lakan-drano lohataona, tsy difotra raha fahavaratra », fiteny mahazatra io fa ny fanatantarehana azy no misy manahirana indraindray noho ny resaka toe-tsaina. Misy ireo tena manadio ireny tatatra sy lakan-drano ireny kanefa ny mpandoto koa misasatra sy somokotra ery manipy ny fako eny rehetra eny. Manohy ny ezaka efa natombony ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny FID ny APIPA, ary ny kaominina Antananarivo renivohitra amin’ny fanadiovana sy fandalinana ny lakandranon’Andriantany mirefy 13 kilometra mba hanamorana ny fikorian’ny rano rehefa tonga ny fotoam-pahavaratra. Ny faritra iva izay dibo-drano matetika no tena tsinjovina amin’izao hetsika fanadiovana izao...........
sam
25
sep
2010
Anisan’ny tarehimarika atahoran’ny besinimaro izany 666 izany. Misy ny milaza azy ho tarehimariky ny maizina. Tsy dia ilana fanazavana betsaka ny amin’izany. Mety ho afaka ny hanome ny hevitrao ihany ianao momba ireto fanamarihana manaraka ireto, izay mirakitra ny tsiambaratelon’ny 666. Nosoniavina ny 24 aogositra 1939 ny fifanarahana teo amin’ny firenena alemana sy ny firenena sovietika, nosoloin’ny filohany avy Hitler sy Staline, nampiharina ny 26- n’io volana io ihany ary nifarana ny 22 jona 1941. Mitovy amin’ny fifanarahana amin’ny satana hono izy io ary naharitra 666 andro.........
ven
24
sep
2010
Tsy mandeha ve ny tsena raha tsy misy tovovavy tsara tarehy ? Mila ho lasa kolontsain’ny malagasy mpikarakara lanonana ny fampirantiana ankizy vavy. Aleo atao hoe raviravizan’ny vola izy ireny. Matetika dia mbola ao anatin’ny fianarana izy ireny ka mila vola hanampiana izany. Raha amin’ny maso tsy miangatra dia tsy rariny, kanefa toa hita soritra tokoa fa tsy rendrarendra no ilan’ireo tovovavy vola, fa fanampiana eo amin’ny fiainana mihitsy. Misy kosa anefa, dia ny fampirantiana ny vatany amin’izato akanjo manifinify sy manarabatana, na dia somary fohy kely aza no tena ankafiziny. Tsy ny “hotesse” ihany fa eo koa ny “manequin”........
mar
21
sep
2010
Iray amin’ireo tetikasa goavana aty Afrika sy aty amin’ny ranomasim-be indiana ny tetikasa Ambatovy. Mitentina 4,5 miliara dolara ny fampiasambola ao anatiny. Nikela 60 000 taonina sy kobalta 5 600 taonina ary zezika “sulfate d’ammonium” 190 000 taonina no tokony hovokarina isantaona mandritra ny 27 taona raha kely indrindra, miainga eto amintsika, haondrana eran’izao tontolo izao.
Teknolojia avo lenta Nitsidika ny ozinina fanodinana sy fitrandrahana ary fanadiovana ao Antanandava Toamasina izahay ny herinandro lasa teo. Goavana tokoa ny ozinina izay misandrahaka amina velarana 320ha. Sarotra ho an’ny saina ihany koa ny hamisavisa ny haavo lentan’ny teknolojia miasa ao. Dingana 16 izay mifampitohy tsy an-kiato no lalovana vao ho afaka hahazo vongana nikela sy kobalta manara-penitra.
mer
15
sep
2010
Toa mahazatra ny sofin’ny mponina eto an-drenivohitra ny mandre trano may, hany ka resa-be fotsiny no hiafarany rehefa misy ny tranga. Tokony hiteraka fahamailoana ho an’ny tsirairay anefa ny fisian’ireny loza ireny izay saika avy amin’ny tsy fitandremana hatrany no mahatonga ny loza. Ity tetsy Mandrangobato I I tamin’ny zoma hariva tokony ho tamin’ny 8 ora alina ity dia hain-trano vokatry ny finoanoam-poana. Met y avy niatrika fahoriana, na nisedra olana angamba ity raim-pianakaviana iray ka nanapa-kevitra fa “hiala loza”. Nodorany tao anaty efitranony ny kidoro, fa izay hono no fomba rehefa miala loza. Tsy voafehin-drangahy ny afo ka vetivety dia nandoro ny entana rehetra tao antrano. Nihitatra tamin’ny trano hazo teo akaiky teo ny afo ka tokantrano 3 no traboina amin’izao fotoana izao. Anjarantsika ny misaina fa napitik’afon-tsigara aza dia mety hahitan’ny fiarahamonina manontolo fahoriana anatin’ny fotoana fohy.
mar
14
sep
2010
Feno sekta ny tanana ! Manasitrana, manala devoly, manala ny olana amin’ny fiainana rehetra, ary tena fahagagana no hitao raha mivavaka ato aminay ianao. Io no heno mameno ny tanàna tao ho ao. Inona hoy ianao no antonym? satria te-hisintona ny olona hivavaka ao aminy ireny andiam-pivavahana ireny. Saingy tsy izy rehetra kosa an. D i a h a r a t s i a n a n y finoan’ny hafa, ary ambara fa io fivavahana ataon’ny fiangonana io no mahatonga ny malagasy tsy ho tafarina toy izao. Terena hanao batisa ao aminy ny mpino, ary terena tsy hihinana kisoa.......
sam
11
sep
2010
Zavatra roa no nambaran’ny manam-pahaizana mpikaroka vahiny iray ho marika, hahafahana milaza fa mihamahantra ny firenena iray dia ny fitomboan’ny mpitory teny isan-karazany na ny sekta, sy ny hamaroan’ireo mpivarotra na fivarotana amoron-dalana. Moa va tsy efa tanteraka eto amintsika izany ? Isao ireo olona na fianakaviana lasa mivarotra amorondalana. Tsy tambo isaina intsony izany ary tsy an-kifidy toerana fa raha vao misy malalaka kely manamorona ny arabe dia efa misy gony kely na tsihy kely mivelatra na talatalana kely mijoro. Raha atao indray mitopy maso anefa dia zara raha mahatratra iray alina ariary akory ny mason-karenan’ireo entana amidin’izy ireo.......
mer
08
sep
2010
Feno hipoka ny lapan’ny kolontsaina Mahamasina ny alin’ny talata ka hatramin’ny alarobia tolakandro. Tonga marobe ny olona nahitana sokajy maro toy ny solontenan’ny mpitondra fanjakana, mpanakanto marobe, mpikarakara lanonana, mpitendry, mpandihy ary olon-tsotra marobe izay mpankafy ny tarika Mahaleo, indrindra indrindra ny fianakavian’izy fito mirahalahy mpikambana. Nanome voninahitra farany an’ilay kintana iray eo anivon’ny tarika Mahaleo, dia Raoul na ny dokotera Raolosolosolofo Razafindranto izay nodimandry tany Toamasina ny alin’ny zoma lasa teo. Niara-dalana tamin’ny famangiana ny fianakaviana ny hira maro an’ity mpamorona eo anivon’ny Mahaleo ity toy ny « Raha tsy ho eo intsony », « Raha mila fanampiana », « Fihavanana », « Somambisamby »…Ny tarika Mahaleo no nitarika izany hira sy kalo izany. Na dia samy vonton’alahelo aza ry Dama, Fafah, Dadah, Nônô, Charles ary Bekoto dia vita hatramin’ny farany ihany ireo hira ireo.......
mer
08
sep
2010
Niteraka resa-be tany anaty « internet » ny tantaran’ilay zazalahikely Indoneziana mpifoka sigara. Fantatra tamin’ny vaovao farany fa efa sitrana soa aman-tsara, afaka sigara izy amin’izao fotoana izao. Ardi Rizal no anarany, roa taona izy ary mahalany sigara maherin’ny roa pake isan’andro. Niparitaka tanaty “internet” tany, efa ho volana maro izay ny momba azy. Enim-bolana lasa izay dia nomen’ny rainy sigara i Ardi kely, ho fanadalana azy fotsiny, hono. Nony nifoka tokoa anefa dia lasa zatra izy ary niankin-doha tanteraka tamin’ny sigara, nanjary nahafoka sigara 40 isan’andro. Roa volana teo no nitsaboana ity zaza ity vao sitrana, afaka amin’ny sigara izy. “Efa milalao miaraka amin’ny namany izy amin’izao fotoana izao”, raha ny filazan’ny reniny.
mer
01
sep
2010
Samy revo amin’ny fanadiovana ny fokontany tsirairay satria nisy ny resaka fifaninana teo aloha teo. Nirotsaka avokoa na lahy na vavy tamin’ny fanalana ny loto tetsy sy teroa ary nisahirana fatratra tamin’ny fanajariana zaridaina hamalifaliana ny maso sy hanehoana amin’ny vahiny izay sendra mandalo fa mahakolokolo ka manana ny soa.
Fako maro karazana Mbola mitohy ihany izany asa fanadiovana izany ankehitriny saingy misy kosa toerana adino tanteraka ka mitobaka andro aman’alina ny loto ary ny fofona dia ilay antsoin’ny maro hoe manimba ny rivotra sy ny tontolo iainana : “La Réunion” kely sy ny manodidina azy io toerana voatondro io.
mar
31
aoû
2010
Tato anatin’ny volana maromaro izay dia mitombo isa hatrany ireo mpatory an-dalana sy mpanao trano selôfanina ary baoritra. Na ireo olona efa monina eny amin’ireny toerana izay hivangongoan’izy ireo aza dia niloa-bava fa nitombo be izay tsy izy ny isan’izy ireo tato ho ato : ohatra akaiky ny etsy La Réunion kely, misy ireo 4mi vaovao izay tonga manampy isa eny. Ny ao aminn’y fitondrana FAT anefa toa variana amin’ny haingitraingitra hafa toy ny stade, toerana filomanosana, sns. Rahoviana ary vao mba hisy mpijery izy ireny ?........
mar
31
aoû
2010
Andro maromaro izay no nanintona ny sain’ny mpanara- baovao ny fizotran’ny raharaha eny Isoavina. Tapaka ny lalana. Mivory isan’andro ireo ben’ny tanàna manodidina, mikaro-bahaolana fa mbola tsy nahita aloha, hatreto. Nila vonjy amin’ny fitondrana tetezamita ny mponina miisa 60 000, mpampiasa ity lalana notapahan’ny tera-tany vahiny iray ity. Efa tonga teny ny iraky ny filohan’ny tetezamita, nahitana an’i Pierre Houlder sy ny minisitra Ramaroson Nadine ary ramatoa Ratsivalaka. Nampanantena ny vahoaka izy ireo fa hoentina eo amin’ny fiadidiana ny repoblika ny raharaha. Miandry aloha ! izay no vaovao farany nambaran’andriamatoa Alain Ramaroson mpikambana ao amin’ny tetezamita. Mbola misy didim-pitsarana andrasana, dia hivaha ny olana. Samy miandry am-pitoniana izany na ireo vahoaka an’alina na ireo mpanao fitaterana, na ireo mpitondra fanjakana nanlo- tena hamaha ny olana. Dia mahagaga tokoa e! olona iray, tera-tany vahiny no mahavita manapaka lalana amina km maro, miteraka fahasahiranan’ny olona an’alinkisa.
sam
28
aoû
2010
Nitondra anjara biriky ny governemanta amerikana
Iray amin’ireo firenena misedra olana amin’ny tsy fanjarian- tsakafo i Madagasikara. Ny 70%-n’ny tokantrano malagasy no miaina izany. Ny antsasa-manilan’ny zaza latsaky ny dimy taona no tsy mitombo ara-dalàna avokoa, vokatr’izay tsy fahampiantsakafo izay. Hatreto aloha dia ny any amin’ny faritra atsimo no tena mizaka ny tsy erany amin’ireo faritra rehetra eto Madagasikara, noho ny hain-tany. Manoloana izany indrindra dia nampitombo ny fanampiana fanaony mahazatra tato anatin’ny taona vitsy izay ny governemanta amerikana. Manolotra “sorgho” sy voamaina milanja 2170 t, mitentina 1,6 tap dôlara ho an’ny tsy fanjarian-tsakafo izy amin’ity taona 2010 ity. Nahitana fiakarany, araka izany, ny teti-bola mahakasika ny fandaharanasa fanohanana ny tsy fanjarian-tsakafo eto amintsika, avy amin’ny governemanta amerikana........
mar
24
aoû
2010
Tsy sasatry ny miharina mihitsy ny ao an-drenivohitr ’i Toamasina ao. Raha efa manao ezaka goavana amin’ny fanatsarana ny tanàna ny tompon’andraikitra isanisany eo amin’ny fanamboarana ny lalana, ny fanitarana ny seranan-tsambo dia may ny alin’ny alahady 22 aogositra hifoha alatsinainy teo indray ny tsenan’i Bazary be.......
sam
21
aoû
2010
ny Jirama, fa ny fanomezana fahafaham-po ny vahoaka, dia zerô. Io no hita nanomboka omaly amin’ilay filazana fa manomboka amin’ny 5 ora hariva no hisy ny delestazy eto amintsika noho ny fanamboarana ny toby mpamokatra herin’aratra ao Andekaleka. Miaina anaty krizy ny vahoaka malagasy, ary ny fanaovana asa izay hivelomana no atao, na orinasa goavana, na ihany koa ny isantokan- trano. Ny loza anefa, dia miaina ao anaty haizina ny rehetra, ka ny asa tokony hatao amin’ireo ora voatondro ireo, no indro fa hajanona......
ven
20
aoû
2010
Mi la f iomanana arapitaovana sy ara-moraly ny fidirana amin’ny rafitra LMD (Licence Masters Doctorat), ho an’ny sampam-piofanana rehetra misy eny amin’ny oniversite manerana ny nosy. Anisan’ny depar temanta iray eo anivon’ny ENS (Ecole Normal Supérieur) ny mpiofana amin’ny taranja EPS. Efa vonona ny antontan-taratasy rehetra hiatrehana io rafitra LMD io. Nambaran’ny profesora Randrianarimanana Jean Claude, talen’ny ENS fa hampakarana avo ny lentan’ny mpianatra mivoaka eto amin’ity sekoly ambony ity ny fidirana amin’io rafitra vaovao io. Ankatoavin’ny firenena maro eran-tany izy io, ka ahafahan’ny mpianatra sy ny mpampianatry ny Oniversite mivezivezy manao fikarohana hatrany ivelany.......
mer
18
aoû
2010
R aha mandini k a ny f i famoivoi zana eto andrenivohi t ra amin’ i zao fotoana izao dia hita fa betsaka loatra ny fandikandalàna ka ny tena manao azy io dia ny taxibe sy ny taxi. Tsy ho tantaraina intsony ny fifanenjehana eran’ny lalana, fa ny tena manirikiry amin’ny zavatra ataony dia ny fibahanan-dalana, ny fandraisana na fanalana olona eny afovoan-dalana ny fisisihana miditra an-daharana rehefa avy miala ny toerana fiantsonana sy ny fisongonana olona ka ry zareo samy taxibe dia mifanaraka amin’ny fifanomezan- dàlana rehefa misy iray tafiditra. Ny tena ahitana ity fihetsika farany ity dia eny amin’iny lalana manoloana ny « Ecole de Médecine » eny Antsakaviro ka hihazo ny « Tunnel » Ambanidia rehefa maraina amin’ny 8 ora sy sasany iny sy amin’ny 1 ora sy sasany tolakandro.......
mer
18
aoû
2010
Tsy ho anio na rahampitso no hitsahatra ny fanakanandalana. Ny 14 aogositra lasa teo dia nisy kamiao DAF semi ‑ remorque avy any Toamasina nizotra ho aty Iarivo, notafihan’ny jiolahy telo, manao fanamiana miaramila, misaron-tava ary mitondra basy Kalachnikov roa. Raha ny fijery azy ireto dia i tony manao PR na Police de la route itony, ary nisary mamo. Nosakanany ilay kamiao ka nijanona. Lasan’izy ireo tamin’izany ny vola mitentina Ar 2 000 000 sy firavaka volamena tombanana ho Ar 600 000.Tsy mbola tratra moa hatramin’izao ireto jiolahy ireto.
mar
17
aoû
2010
Manana ny hasiny sy ny hajany ny razana ho an’ny Malagasy. Misy fomba iray fampisehoana izany mivantana, fanaon’ny mponina afovoan- tany, manomboka ny volana jona ka hatramin’ny faran’ny volana septambra, dia ny Famadihana izany. Ao anatin’ny vanim-potoany tsara isika amin’izao volana aogositra izao. Isaky ny dimy taona farafahakeliny no hanaovana ny Famadihana. Sokafana ny fasana, amoahana ireo razana milevina ao. Fonosina tsihy vaovao ny razana mivoaka. Entin’ny fianakaviana ampandihizina ilay razana. Apetraka amin’ny tany indray rehefa avy eo didinin’ny fianakaviany akaiky......
ven
13
aoû
2010
Maro an’isa ny olo-malaza kavia eran-tany. Anisan’ireny ry Jules César sy ry Barack Obama, ry Charlie Chaplin … Na izany aza anefa dia mbola mahatsiaro ny tenany ho tsy manana lanja loatra izy ireo eo amin’ny fiainana raha ampitahaina amin’ny olona kavanana. Anisan’ny antony nametrahana ny andro erantany natokana ho an’ny olona kavia izay faritana hankalazaina isaky ny 13 aogositra ireo. “Mbola tsy manan-danja eo anivon’ny fiarahamonina loatra ny olona kavia. Tsy misy ny fitaovana natokana hampiasain’izy ireo toy ny antsy, ny hety …”, raha ny nohazavain’ny manam-pahaizana iray Aotrisiana, mpampianatra sy mpanofana olona kavia sahiran-tsaina......
jeu
12
aoû
2010
Vitsy ihany angamba no tsy mahalala ilay mpanao gazety antsoina hoe Latimer Rangers. Nidonam-pahoriana anefa izy ankehitriny satria ny zanany lahy, izay fantatra tsara amin’iny faritra Behoririka sy Tsaralalàna iny dia nody mandry. Tamin’ny 11 ora teo no tazan’ireo mpijery lalao kanetibe etsy anoloan’ny Orinasa Toyota Rasseta fa misy razana mitsingevana eo amin’ny farihin’i Behoririka. Rehefa tonga ny mpamonjy voina dia notarihina niakatra ny razana. Akory ny hatarain’ilay mpamonjy voina ? “zanak’i Latimer ity”, hoy izy. Nanao itony blouson misy “capuchon” itony itompokolahy ary maromaro sosona ihany ny akanjony, pataloha mainty ary mikararo. Rehefa nosavain’ilay mpamonjy voina ny paosiny dia tsy nahitana na inona na inona. Tazana ho misy maratra sy mivonto kely ny handriny. Asa raha nisy namono izy na tsia. Raha ny tombatombana anefa dia nisy namono itompokolahy. Izahay eto amin’ny gazety Basy Vava dia miara-miory amin’ny fianakaviana Latimer.
mer
04
aoû
2010
Ma h a t s i a r o l a v i t r a Andriana ny vahoaka any Ikongo nandritra ny 50 taona. Tsy mba nisy zanaky ny faritra mihitsy lasa ministra nefa dia manana olona manampahaizana ny any an-toerana. Ratsy ny lalana anelanelan’Ifanadiana sy Tolongoina fa eo Tolongoina mankany Ikongo na Fort Carnot no mba azoazo. Tsy tian’ny mpitondra hifanesy hivoatra ve ny faritra, izay be harena an-kibon’ny tany tokoa ? Any Ikongo any dia mbola Ar 60 000 hatramin’ny Ar 70 000 ny gramam- bolamena, izay tsara tokoa satria 24 carat be izao. Manampatrana, A m p a s i m a l e m y - A m b o l o m a d i n i k a Ambilanitrony, Ambatolampy- Voninkazo, ny ranon’ny Sandragnata dia ahitana volamena avokoa......
mar
03
aoû
2010
Tsy mbola nahitana mangirana hatramin’izao ny mikasika ny nahafaty ilay frantsay antsoina hoe Jean Noël, tany Antsahanitia, 30 km avaratry ny sisin-dranomasin’i Mahajanga, afak’omaly. Raha ny vaovao azo tany an-toerana dia jiolahy roa nitaingina vedette haingam-pandeha, manao fanamiana mpi - tandro filaminana, mitondra “mitraillette” no nanafika ity frantsay ity. Nafafin’izy ireo tany amin’ity frantsay ny bala ka dia maty tsy tra-drano ity farany. Rehefa vita ny asa ratsy dia lasa nilefa ireto jiolahy. Efa mahalala ny raharaha moa ankehitriny ny solontenan’ny masoivoho frantsay any antoerana ary efa eo an-dalana ny fikarohana ny marina amin’ity raharaha ity. Tsiry
sam
31
jui
2010
Zatra tolorana fotsiny ny ankizy sy ny tanora Malagasy amin’izao fotoana izao ka tsy mahavita maneho fikarohana fahalalàna ho azy manokana ka mba ahafahany mifehy ny fanjohin-kevitra hiatrehany ny fanadinana. Raha ny fanandinana BEPC vao nolalovan’ny zaza malagasy teo no iverenana kely, dia sahirana ny tanorantsika amin’ny famaliana sy famoronana fehezan-teny tena mahalaza ny valiny manakaiky kokoa ny tena marina. Tsikarika izany tamin’ny taranja Malagasy, Frantsay, ny Fahalalana ny zava-boahary sy ny toetany, ny tantara sy Jeografia......
ven
30
jui
2010
Mbola ao anatin’ny fanamarihana ny andro maneran- tany ho an’ny mponina ny hetsika karakarain’ny ministeran’ny mponina sy ny raharaha sosialy hatramin’ny faran’ny volana jolay ho avy izao. “Marary ny sosialy”. Navoitran’ny ministra Nadine Ramaroson izany, nandritra ny fikaonan-doha nokarakaraina tetsy amin’ny hotely Carlton ny talata teo. Fikaonan-doha izay niarahana tamin’ny mpikarakara sosialy rehetra ny maraina ary ny mpandraharaha ara-toe-karena ny tolakandro, nikarohana izay fomba rehetra hoentina manatsara ny fiainana aratsosialin’ny mponina.
Heloka bevava sosialy: Malagasy maro an’isa no miaina anaty fahantrana amin’izao fotoana izao. Tsy vitsy ihany koa anefa ireo migalabona amin’ny harembe. Nofaritan’ny ministry ny mponina ho heloka bevava sosialy ny fampahantrana ny Malagasy, vokatry ny fitiavantena sy ny fitiavana hanankarena avy amin’ny fitsetsefana. Lazaina fa mahantra ny Malagasy nefa tany manankarena i Madagasikara......
mar
27
jui
2010
Eny Andavamamba no ahitana ity tranga hafa kely ity. Mpivaro-tena niova taranja. Io no hiantsoan’ny olona eny amin’ny manodidina azy. Nivaro-tena teny amin’ny Indra etsy Tsaralalana i Syl…, saingy leo angaha na tsy dia nampidi-bola firy izany ka nanova famindra ny tenany. Ao an- tokan- t ranony ihany izy no manao asa. Asa fivarota-tena izy io, saingy tsy mivoaka alina intsony. Tovolahy kely ao an-tanana sy ny manodidina no tonga ao aminy isaky ny mahatsiaro, ary dia ampianariny ny fomba fanaovana firaisana ara-nofo izy ireo. Tsy misy fotoanany fa dia hilaharana mihitsy ao aminy. Ity vehivavy niova taranja ity kosa, dia ny filazana fa manotra manala havizanana no entiny hisarihana ny olona mankao aminy. Tsy misy mahafantatra azy fa mivaro-tena ny olona sendra mandalo, raha tsy avy manao firaisana aminy. Matoa roboka ny lahy, dia mahita tsirony, ary tsy dia hita firy izany hoe vehivavy mampiana-dratsy izany. Raleva zokiny
lun
26
jui
2010
Be no mahalala fa fihetsika iray anisan’ny ankafizin’ny lehilahy ny matory eo ambonin’ny fen’ny olon-tiany. Mitaraina, niangaran’ny vintana tsy afaka hahazo fahafinaretana avy amin’izany ny lehilahy mpitovo. Ho fandraisana an-tanana azy ireo indrindra dia nitsiry tao an-tsaina mpikaroka iray ny hevitra hamorona fem-behivavy fanao ondana. Tanteraka tokoa izany. Nipoitra ny “cuisses madame”, karazana ondana hafakely, namboarina manokana ho an’ny lehilahy tsy manana olon-tiana. Malemilemy toy ny fem-behivavy ihany ny ondana, saingy, indrisy fa tsy tena izy. Iondanana fotsiny ihany, fa tsy afaka hamaly fitia.
sam
24
jui
2010
May kila tsy nisy noraisina ny trano hazo fonenan’ny mpivarotra saribao iray etsy Mandrangobato II Anosibe. Ny alarobia tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro no nambaran’ny tompontrano fa misy maimbo raikina any ambadiky ny trano any. Narahana setroka nidonaka avy hatrany izany ka nanaitra ny mponina manodidina. Teo vao niantso vonjeo ka samy nandany ny rano tao an-tranony ireo teo amin’ny tokantrano manodidina. Tsy tana ny afo satria trano hazo, feno saribao amin’ny gony ity may ity. Nisy moto ihany koa tao ambany rihana, fa araka ny vaovao nomen’ireo nanatri- maso dia ny tany ambony rihana no nisian’ny fahamaizana voalohany. 10 minitra monja dia tong any pompier ka nahafehy ny afo tsy nihitatra tamin’ny trano mifanolobodirindrina aminy.........
sam
24
jui
2010
Mitohy ny fanadiovana sy fandaminana ny mpivarotra amoron-dalana, tontosain’ny CUA. Mbola eny anatin’ny firaisana faha 4 eny no maresaka amin’izao fotoana izao. Goavana amin’ireny ny fanadiovana ny lakandranon’Andriantany. Voatery esorina ireo mponina nanangana trano sachet amin’ny sisin’iny lakandrano iny. Trano 80 tafo eo ho eo, ahitana mponina miisa 800 mahery no noravana. Niteraka savorovoro izany ka saika niafara tamin’ny fandoroan’ireo olona ny fitaovan’ny minisiteran’ny asa vaventy. Manohy ny fitarainany sy ny fitakiany ny mponina teo, indrindra fa nandre ilay tenin’ny minisitry ny mponina hoe tokony noheverina aloha ny nametrahana ireo vahoaka mahantra ireo vao noravana ny fonenany........
jeu
22
jui
2010
Mahery Andriamanitra ! Io no nambaran’i Bonaventure, izay lehilahy, saika nifindran’ny herin’ny dadabeny tamin’ny sikidy. Tany amin’ny faritra Manelisoa Ambohimandry no nitrangan’io taona vitsy lasa izay. Narary teo am-pandriana ity lehilahy ity, ary nentin-javatra niala tamin’ny tany ny tongony. Soa anefa fa tsy nanitsaka ny tany ny faladiako, hoy izy, fa raha tsy izany, dia vitako tao anatin’ny indray mi-pi-maso ny lalana fito kilometra any ambadiky ny tendrombohitra any. Ny loza, dia niha-nalemy teo am-pandriana aho, ary tsy nahahinan-kanina. Nivavaka andro aman’alina aho, ary tsy naharesy ahy ny herin’ny fanahy ratsy. Ilay dadabeko, dia mpisikidy nikoizana, ary mahita ny ho avy. Maro ny olona naka fanafody gasy tao, ary talohan’ny nahafatesany, dia nitady olona namindrana ny fahaizany io sikidy io izy. Rehefa tsy nahavoa ahy ilay herin’ny maizina, dia ny zanako lahy kely 11 taona indray no saika nidirany. Any ampianarana io zanako io, dia tsy mahavita lesona, fa varimbariana izany hoy ny mpampianatra azy. Rehefa tonga any an-trano izy, dia nanambara fa lasa lavitra be ka tsy afaka nianatra. Ny tenany anefa, dia tao am-pianarana ihany. Rehefa matory izy, toa ingain-javatra izany, ary nifamonjena mihitsy. Afaka avokoa anefa ireny, satria ny fandehanako nivavaka no nahafoana izany rehetra izany. Mivavaka ao amin’ny fiangonana Apokalipsy aho hoy i Bonaventure, ary namindran’i Pasitera Mailhol hery, ka afaka manala devoly amin’izao fotoana izao. Izany no atao hoe herin’ny fanahy masina, ary tsy te-hiherika izany resaka sikidy izany aho mandrakizay. Nanangona Raleva zokiny
mar
20
jui
2010
Hanome tosika mavesatra ny fanabeazana. Iray amin’ireo tanjon’ny tetikasa Ambatovy izany, ka nitarika azy hiantsoroka ny fananganana ny trano sekoly vaovao Soamahatsinjo ao Tanandava, distrikan’i Toamasina II, notokanana ny zoma faran’ny herinandro teo. Fiaraha-miasan’ny tetikasa Ambatovy sy ny vondron’olona ifotony, ny kaominina ary ny fari-piadidiam- pampianarana any an-toerana no nahazoana ity sekoly vaovao ity. Natao indrindra hanalana fahasahiranana ireo ankizy monina manodidina ny trano fitahirizan’ny tetikasa Ambatovy ny sekoly Soamahatsinjo. Orinasa iray any an-toerana ihany no niandraikitra ny asa fananganana. Manana efitrano fianarana roa, trano fonenan’ny mpampianatra ary toeram-pidiovana ny sekoly Soamahatsinjo......
lun
19
jui
2010
100 % n’ny mpianatra 7ème nanala CEPE tao amin’ny sekoly St Michel, Ste Antoine ary Esca no afaka. Manodidina ny 16 sy 15 % eo ny salan’isan’izy ireo. Ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Julien Razafimanazato no nilaza izany omaly tetsy amin’ny Lycée moderne Ampef i loha, nanaovana ny délibération ho an’ny mpiadina teto Analamanga. Andriamparany Caroline, avy ao amin’ny Ecole l’Eveil II, Andrianirina Tiantsoa avy ao amin’ny Providance, ary Rakotomiandra Tiavina avy ao amin’ny Ste Thérèse Ilanivato no nahazo salan’ i sa be indrindra teto Analamanga: 19,50/20. Omaly moa dia efa nivoaka ny valim-panadianana CEPE. «Tanteraka izao noho ny fampiasana ny solosaina isaky ny Cisco 114 manerana an’i Madagasikara.....
sam
17
jui
2010
Raha vao mandre hoe zoma mahafinaritra, dia fahafinaretan’ny nofo no mby tonga an-tsaina. Isan’io ny fisotroana sy ny fanalana hamohamo amin’ny cabaret sy ny filalaovana fitiavana ara-nofo. Samy manana ny hitiavany azy momba ny zoma mahafinaritra ny rehetra. Raha tsorina anefa, dia io andro io no tena ahitana loza. Eo ny vokatry ny hamamoana be loatra, ka miteraka loza amin’ny fiarakodia. Io andro io ihany koa no mandany vola be indrindra. Ny fisehosehoana amin’ny namana, indrindra fa raha misy sipa kely eo ankilanao. Hadino hatramin’ny tokantrano, ary ny maraina dia ny mametsovenso ny alina sisa atao. Ny makafoky ny alikaola tsy tenenina intsony, ary zara raha mahavita asa ny sabotsy tontolo, ary dia mirona any amin’ny vazomboana indray, ka mamo tampona indray ny tena. Raha hanao adidy anefa, dia zara raha mahavita, na miala ilany hoy ny fomba fiteny izay. Dia mahafinaritra tokoa ny zoma, saingy ahitan-doza raha tsy mitandrina. Ny olona manan-katao no tena manala azy rehefa tonga io andro io, saingy efa mba mianatra izany avokoa izao ny rehetra, satria samy tsy te-ho gisitra amin’ny andro iray tahaka ny alina an. Vainafo zanany
ven
16
jui
2010
Ny alarobia faha-02 jona lasa teo no notafihana andian-jiolahy ny mpiasan’ny SIPEM Antanimena, saika hanatitra vola Ar 60 tapitrisa any amin’ny banky. Voaroban’ireto jiolahy mirongo fiadiana ireto avokoa io volabe io. Nitaingina moto ireto jiolahy tamin’io andro nanafihany io, ka rehefa lasany ny vola dia niriotra nandositra izy ireo. Araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana dia mpamily tao amin’ny orinasa SIPEM ihany no ati-doha nikotrika ny raharaha. Tsy vitany samirery anefa fa nila hevitra tamin’ny zaodahiny izy ary dia niaraka nikaroka olona hanatontosa ny “mission” izy mihaotra. Rehefa natao ny fikarohana olona dia niafara teny Ambohibary Antanimena ny dia. Izany Ra-Guy izany no nosafidiana hanao ny fanafihana, miaraka amin’ireo bandy namany. Iray volana taty aorian’ny fotoana nitrangan’ny fanafihana anefa, rehefa natao ny fitsongoana dia azy ireo dia sarona ihany ny jiolahy. Tratra ny herinandro fiandohan’ny volana jolay teo avokoa ny ankamaroany tamin’ireo jiolahy. Efa natolotra ny fitsarana ny raharaha ary efa voatazona any am-ponja ny efatra, anisan’ireo tena ati-doha nikotrika. Raha ny filazan’ireto jiolahy ireto dia lelavola Ar dimy hetsy avy isan-dahy no nozaraina. Tsy kely lalana tokoa ny ratsy ary tsy mamela izay azony ny jiolahy. Koa ny aza voany ihany no tena fanefitra.
jeu
15
jui
2010
Ny mpiasam-panjakana miara- dia amin’ny Vondron’ny mpiasam- panjakana sy tsy miankina ary afa-kaba dia nifamotoana tetsy Andrefan’Ambohijanahary, omaly. Mitaky mari-karama tokana ary manohana ny soso-kevitra izay natolotry ny CSFOP na filan-kevitra ambony ny mpiasam- panjakana, ny hahazoan’ny mpiasam-panjakana manohy ny asany hatrany amin’ny65 taona raha mazoto sy salama, ny fampiakarana ny volan-jaza Ar 10 000, ny tambin’ny hofantrano ho Ar 100 000, ny lalàna velona mamaritra ny karama farany ambany, ny vonjy rano vaky tahaka ny PPN, fanafody, vary. Miangavy ny FAT izy ireo amin’izany. Tao koa moa no nahafantarana fa mahatratra any amin’ny 50 000 any ho any ny mpiasa afaka haba very asa tamin’ity krizy ity eran’i Madagasikara ity.
jeu
15
jui
2010
Efa ho folo taona izao no miambina ny fasan’ny karana etsy Anosizato Atsinanana sy mandoro ireo faty tonga ao i Andrianirina Bonaventure. Raha somary natahotra izy taloha, nanao io asa io, dia efa zatra kosa izy ankehitriny ka tsy mila ody risika toy ny fahiny intsony, rehefa handoro razana. Toy izao ny fanadihadiana nataon’ny gazety Basy Vava tany an-toerana.
Fomba
Efa talohan’ny taona 1960 tany no niorina ny fasan’ny karana, toerana tokana fandorana faty eto Antananarivo, araka ny fomban-tanin-dry zareo. Izany Mithalal Mourdjee (1906-1994) izany no nanangana azy tamin’izany. Raha ny fitantaran’ i Bonaventure dia tsy fomban’ny karana ny miandry faty. Raha vao misy olona mody mandry dia entina avy hatrany dorana eny amin’ny fasan’ny karana, rehefa avy nifamotoana nifampilaza ny fianakaviana miampy ny tapaka sy namana. Ny lehilahy ihany no tonga mandoro ny razana eny. Tsy ny karana ihany anefa no mandoro faty ao amin’ny fasan’ny karana, fa manao izany ihany koa ny teratany Frantsay, ny Malagasy manambola ary ny Sinoa. Malagasy telo, ohatra no nodorana tao nandritra ny volana jona lasa teo.......
mar
13
jui
2010
Tonga amin’ny fotoana fisondrotan’ny saran-dalana ny zotra rezionaly, indrindra ny mampitohy ny renivohitra amin’ny lalam-pirenena fahafito iny. Na tsy teo aza ny fisondrotan’ny vidin-tsolika dia efa vonona amin’ity fomba fiasa ity ny mpanao fitaterana mihazo an’Antsirabe iny. Fotoanan’ny famadihana sy fialan-tsasatry ny mpianatra izao, ka toy ny isan-taona, efa mahazatra dia miakatra avo dia avo ny saran-dalana, mba tsy hilazana hoe tonga amin’ny 100% indraindray. Ar 6000 ny saran-dalana manketsy Ambatolampy amin’ izao, raha Ar 2000 amin’ny andavanandro. Saran-dalana tokana io fa tsy misy tapa-dalana. Tafakatra Ar 8000 hatramin’ny Ar 10000 ny mankany Antsirabe. Betsaka ny mpandeha, ary tsy arakarak’ilay fitenenana hoe tsy manam-bola ny olona.....
sam
10
jui
2010
Midangana ny hofan-trano. Sahiran-tsaina ny olona tsy mba nahavita trano, fa tsy
maintsy miaina amin’ny fanofana trano. Niakatra 35% ny hofan-trano eto an-drenivohitra tao anatin’ny telo volana izay. Voalaza fa miakatra ny hetra alain’ny fanjakana amin’ny trano. Io no
alaolana hampiakaran’ny tompon- trano ny hofa-tranony. Ny mampalahelo amin’ny mpanofa anefa, dia tsy misy fanamboarana mihitsy ireny trano hitoerany ireny, nefa dia saika miakatra hatrany ny vola
alain’ny tompon-trano amin’ireo mpanofa. Tao anatin’ny herintaona monja, dia efa in-telo hoy ity ramatoa iray nitaraina taty amin’ny gazety ny hofan-trano itoerany etsy Ankadifotsy. Raha enina
alina ariary no nanofàna izany, telo taona lasa izay, dia efa tafakatra iray tapitrisa mahery amin’izao fotoana. Tsy afa-manoatra anefa ny tena hoy izy, satria mbola sarotra ihany koa ny ahitana
trano akaiky fianaran’ny ankizy.
jeu
08
jui
2010
May volon-tratra ny fanjakana ka mijabaka amin’ny t sy tokony hi jabahana. Manoloana ny fiakatry ny vidin-tsolika teto amintsika, dia nandray fanapahankevitra ny fanjakana, ny tsy maintsy hampidinana izany solika izany. Lasa takalon’aina ny vahoaka 20 tapitrisa hoy izy ireo. Niakatra 12% ny vidin’ny solika eto Madagasikara. Voalaza fa maty antoka hatrany amin’ny Ar 15 miliara ny vondron’ny mpanafatra solika efatra eto tao anatin’ny 4 volana. Voalaza fa tsy tokony hiakatra io solika io, satria efa nidina 71 dolara ny barila eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tsy hiadian-kevitra intsony izay resabe ataon’ny fanjakana na ny Petrolier eto amin’ny tanàna, fa ny tsy azo lavina, dia nihena ny sandan’ny vola Malagasy vokatry ny krizy tao anatin’izay 16 volana izay. Tsy voahaja intsony ny sehatry ny fanalalahana ara-barotra, izay lalana efa napetraka taona maro lasa izay.....
mer
07
jui
2010
Nahitana fiakarany ny vidin-tsolika. Manomboka mandeha ny siosion-dresaka fa hiakatra ny saran-dalana. Tsy mbola voafaritra aloha ny momba izany. Ny zava-misy azo antoka dia manjaka ny gaboraraka eo amin’ny fitaterana an-drenivohitra, raha ny mahakasika ny taksibe fotsiny. Saika mimenomenona amin’ny afitsoky ny taksibe avokoa ny mponina an-drenivohitra amin’izao fotoana izao. Manararaotra ny krizy ve dia samy manao izay saim-pantany sy izay mahafinaritra ary izay mety aminy izy ireny ? Ho an’ny zotra 133 fotsiny ohatra dia anisan’ny mampitaraina ny mpandeha ireo mpamily sy resevera miavonavona. Misy ireo ora hanekeny mitondra amin’ny Ar200 ny tapa-dalana rehefa hanambitamby izay izy. Misy kosa anefa ny ora izay tsy hanekeny afa-tsy Ar300 rehefa maromaro izay ny olona entiny. Mbola fahita ihany koa ny resevera manda famerimbolan’olona, hany ka betsaka ireo mpandeha izay very vola tsy fidiny, malaina hiady.....
lun
05
jui
2010
Mby an-koditra ny fahantrana hoy ireo mponina eny ambany tanàna. Miakatra andro aman’alina ny vidim-piainana. Tsy ho voatanisa eto ireo entana nahitana fisondrotam-bidy fa ny tena tsy maintsy hiainan’ny vahoaka malagasy dia ny fihinanam-bary. Eo indrindra isika izao, hoy ny fitenenana. Tsy hisy vidim-bary hidina izany intsony mandrampahatapitry ny fahavaratra hoy ny mpambongady voamaina iray, izany hoe any amin’ny fiakaran’ny vary 2011 any. Tao anatin’ny herinandro izay dia niakatra, niakatra hatrany ity vidim-bary ity. Nisondrotra Ar 10 isaky ny kapoaka, ao anatin’ny roa andro. Manompboka eo amin’ny Ar 250 ny mora indrindra (vary gasy vao na tranainy) Ar 350 kosa no vidin’ny vary ambonimbony kalitao toy ny makalioka, ohatra. Ny stock tampon no be mpividy noho izy mitombo be. Ny sokajin’olona maro an-trano no mirona aminy. Tsy ho resahana ny laoka eto fa raha ny vidin-kena fotsiny dia tsy ho takatry ny kelikely vola satria nisondrotra ihany koa io talohan’ny fetim-pirenena teo. Ar 6800 ny henankisoa 1 kg, raha Ar 5600 izany, tsy ela akory izay.
lun
05
jui
2010
Nitombo isa ny mpiadina fanadinam-panjakana bakalorea tamin’ity taona ity, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo, ka niteraka fanovana fomba fiasa vaovao raha oharina amin’ny isan-taona. Manodidina ny 12% ny fitomboan’isan’ireo mpiadina eto an-drenivohitra. Miisa 47000 no nisoratra anarana. Nampitomboina koa ny isan’ny mpandraharaha sy mpikarakara ny fanadinana. 6000 mianadahy izy ireo ka ny 20% amin’ireo dia hitsara ny fanadinana. Niova hatramin’ny taranja hanombohana ny fanadinana. Raha ny taranja filozofia no nanokafana ny fanadinana nandritra ny taona maro dia niova ho ny taranja Malagasy no hiadinana voalohany amin’ity bakalorea ity. Midika izany hoy ny mpikarakara fa tomombana ny lafiny teknika amin’ny fiatrehana ity bakalorea ity. Ny lafiny fandriampahalemana ihany koa dia nohamafisina, ary toy ny mahazatra dia lmiara- miasa hatrany ny Bianco sy ny oniversiten’Antananarivo amin’ny fanaraha-maso ny fanadinana manontolo. HERY A
sam
03
jui
2010
Tato anatin’ny volana vitsivitsy izay dia misy tranganjavatra tahaka izao miseho eto an-drenivohitra. Tonga mandom-baravarana mitety tokantrano ny andian’olona vitsivitsy, izay tsy mpitsabo akory, nefa dia mitondra fanafody vahiny. Mety ho pilina atelina ilay fanafody entiny, mety ho ranony ihany koa. Dokafany ho manao fahagagana mihitsy ilay fanafody entiny amin’io. Lazainy fa manasitrana aretina maro, toy ny vavony, ny aty, ny voa sy ny maro hafa. Ataony izay handresena lahatra ny olona iantranoany hividy azy. Moa ve tsy dokotera Toy ireny dokotera ireny mihitsy izy rehefa mitondra fanazavana mikasika ny fanafody amidiny, nefa dia mpivarotra fotsiny ihany. Tsy vitan’izany fa arahana fanazavana amin’ny boky mihitsy ny fandokafana ataony. Toa fanerena an-kolaka mihitsy aza no ataon’ny sasany ka tsy vitsy ireo roboka mividy......
ven
02
jui
2010
Na dia tsy araka ny niandrasana azy aza, nahafaly ny maro ihany ny tapak’andro nomen’ny filohan’ny Fat tsy niasana, ny 25 jona lasa teo. Ny ampitso rahateo efa fety, mitohy ny alahady. Koa inona indray ?
Izahay tsy toy izany ! Nimenomenona ny mpiasan’ny orinasa PMU satria niasa ny 26 jona tontolo andro. Toy ny andavanandro ihany. Dia ahoana koa ny manaraka ? « Tsy vao izay izahay no tratran’izany, hoy ity mpitazona toeram-pivarotana iray any Antsirabe. Efa henonay sahady aza fa amin’ny Krismasy sy Taombaovao koa mbola izy. »......
jeu
01
jui
2010
Aleo ho an’i Kasaira izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay tokony ho anjarany! Misy anefa no te-hanambe, ka misavika ny anjaran’ny hafa. Ny mpitondra fivavahana eto amintsika no tiana asian-dresaka eto. Niteraka resabe teo amin’ny maro ny nahita ny fahatongavan’ny Arsevekan’Antananarivo teny Mahamasina nandritra ny matso ny sabotsy teo. Mbola nihivingivina ihany ny mpitazana nahita azy teny Iavoloha niara-nisakafo tamin’ny filohan’ny HAT. Zony tanteraka izany, nefa toa tsy nahafaly ny mpino katolika sasany. Raha hitodihana kely ny eo anivon’ny FJKM, dia ireny niarahana nahita ireny ny fitsabahany lalina tamin’ny politika. Mbola maro no miafina amin’izao, ary misy akony ratsy eo amin’ny fiangonana izany, indrindra fa ireo fiangonana misy mpitandrina migadra sy maty. Very saina ny mpino kristiana, ka lasa niova any amin’ireo fiangonana zandriny. Ireo ilay antsoina hoe sekta. Any izy mahazo aim-panahy vaovao, ary indrindra toa mivaly eo no eo ny vavaka izay ataony. Saika feno ireto fiangonana zandriny ireto avokoa ny elakelan-trano, ary mitombo andro aman’alina ny vahoaka manara-dia azy ireo. Mbola io resaka politika io ihany no mahatonga izany, ary tsy vitsy no manambara hoe, lasan’ny sekta ny kil.
Vainafo zanany
mer
30
jun
2010
Mila fehezina ihany ity fihetseham-po tafahoatra ity fa mety hitarika ny zanak’olombelona hanaotao foana, raha ity tranga niseho tany ivelany ity. Nentin’ny alahelony an-janany izay nody mandry, i Kim Mordue, renim-pianakaviana, 50 taona. Tsy tratra ny anaovavy fa nalainy ny lavenona avy amin’ny fatin-janany nodorana, nanaovany tombokavatsa, na irony “tatouage” fametraka amin’ny vatana irony...
mar
29
jun
2010
Tsy miafina endrika intsony sady manafika amin’ny antoandrobenanahary ny jiolahy mitam-basy amin’izao fotoana izao. Ny alarobia 23 jona lasa teo, tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro, raha avy naka “versement” teny amin’ny mpivarotra teny amin’iny faritra Itaosy iny ny lehilahy iray mpamatsy fahana telefaonina dia nifanehitra tamina jiolahy telo tao Ambaniala Itaosy.....
lun
28
jun
2010
Voaomana ny tetik’asa entina hanatanterahana ny fihaonambem-pirenena eto Madagasikara, araka ny nambaran’ireo vondron’olompirenena, miara-dia amin’ny raiamandreny mijoro.Ny tanjona dia ny hahatongavana amin’ny fihaonambem-pirenena ka mialoha izany dia ny dinika santatra no hanombohana azy. Olona iray isaky ny distrika, miisa 119 no efa amperinasa amin’ny fanangonana ny hevitr’ireo antoko na fikambanana eny anivon’ny faritra eny.
mer
23
jun
2010
Tsy mena-mitaha amin’ny faritra hafa ny Faritra Analanjirofo. Manan-karena tokoa izy saingy… tsy nomen-danja ny harena ananany. Tsena eo amin’ny Faritra manodidina ! Nandefa iraka ny amin’ny Faritra manodidina ny lehiben’ny Faritra, hijery ny fifanarahana azo hapetraka. Raikitra ny fampandrosoana Nandritra ny roa andro (16-17 jona), tonga tany an- toerana ny solontenan’ny
mpandraharaha avy any Bongolava, Itasy, Amoron’Imania, Analamanga, Atsinanana ary Vakinankaratra, namaly ny antso sy nanombanaihany koa ny zava-misy ao Analanjirofo. “Eo ampanatontosana ny fenitra ara-drafitra sy araka ny lalàna sy ara-barotra izahay, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny Faritra, Saina Michel. Eo am-piandrasana izany, dia efa samy mifampiresaka amin’ireo mpandraharaha isam-paritra ny tompon’andraikitra...
mar
22
jun
2010
Mafy izany mba te-hovadin’i Patron izany. Teny Soalandy no nitrangan’ny tantara, andro maro lasa izay. Asa izay tena mba tao andohan’ity mpanampy an-trano 18 taona, fa dia roboka nanao ny tsy fanao ny anao vavy. Mpamboly sady mpivarotra enta-madinika ny olona hiasany. Ramatoa vadin-drangahy kosa, dia manao varomandeha mitety tsena eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Varotra akanjo fripérie no ataony, ary miainga marainabe, ka tsy miverina rahatsy ny hariva. Rangahy kosa,dia matetika no mitondra nyvokatra etsy Anosizato, ary ny zanany roalahy kely no miara mitoetraamin’ity mpanampyvavy antsoina hoe Lal… ity........
sam
19
jun
2010
Mivolon’andro fety ny andro eto an-drenivohitra amin’izao fotoana izao. Efa nanomboka elaela ihany ny fanadiovana sy fampihaingoana ny tanàna. Nanomboka tamin’ny alakamisy hariva teo no niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana ity fanomanana ny fankalazana fetim-pirenena ity. Tsy azo nidirana teo Anosy, ny alakamisy hariva. Ny zoma maraina dia njitohy izany ka niainga teny Anosy, hatreny Anosizato ny fitohanan’ny fiara. Tsy tafavoaka mankany Andrefan’Ambohijanahary ny avy any 67 ha, raha tsy mihodidina mankany Anosibe, nihazo ny Paraky eny Soanierana. Niala zigla hoy ny fitenenana, saingy tratry ny fitohanana ihany rehefa nahazo ny lalam-pirenena. Be no nimenomenona hoe toa iniana volena ity fitohanana ity mba hanaporofoina fa vonona handray ny fety ny vahoaka. Toa tsy misy andraikitry ny vahoaka hatreto, ary mbola tsy anatin’ny fandraisana anjaran’ireo mponina akory, dia efa mitohana tsy misy ohatr’izany. Napetraka tamin’ny zoma ny podium isankarazany. Nyeo Anosy no tsara ampahafantarina anao fa tsy lalan’ny maika mandrampahavitan’ny fety.
HERY A
ven
18
jun
2010
Isan’taona dia mikaraka fifaninanana ny Unicef, fandaharan’asa iray miasa eto Madagasikara mikarakara momba ny Reny sy ny zaza. Tamin’ity indray mitoraka ity ary dia “ny fanomezam-pitenenana ny ankizy voahilika” no lohahevitra nifaninanana. Maro ireo gazety sy mpanao gazety nandray anjara namoaka matoan-dahatsoratra sy sary momba izany. Anisany ny nibahana tamin’ny voalaza ombieny ombieny ny “fiahiana sy fiarovana ny ankizy amin’ny herisetra samihafa manjo azy…” Maro ireo ankizy nanaiky ny hanomé ny heviny sy nitantara ny fiainany andavan’andro. Misy ihany koa ireo izay tsy mahafantara ny zony. Ny ankizy tokoa mantsy no lasa sorona amin’izao toe-javatra diavin’ny firenena izao, ary tsy vitsy ny ray amandreny lasa zary “mivaro-janaka” tsotra izao, noho ny tsy fahampiana...
jeu
17
jun
2010
Tsy ny fifanakalozana arabarotra ihany no mahavory ny olona eny an-tsena, raha ny any ambanivohitra no asian-teny, fa eny no fihaonamben’ny mpianakavy mifanalavitra fonenana. Efa misy ny toerana
fanaovana
fotoana isaky ny tsena toy ny hoe eny amin’ny tsenan-kisoa, na eo amin-dranona mpivarotra kafe, na eny amin’ny mpivaro-bary, sns…Na dia eny
an-tsena aza no miresaka ireo mpianakavy dia manankery ny hevitra tapahina eo. ...
mar
15
jun
2010
Ny 13 mey lasa teo no voafidin’ireo mponina matsaka rano amin’ny paompy ao Avaratanàna, Antehiroka, boriborintany fahenina, ny birao vaovaon’ny Fikambanana Rano Madio.Tsy ankatoavin’ny sefo fokontany anefa ireo birao voafidin’ny maro an’isa ireo fa ny taloha ihany no tiany tazonina. Efa ho 7 taona moa no nisian’ity fikambanana ity izay mitantana ny paompy ao Avaratanana. Tsy demokratika, hoy ny sefo fokontany nefa tena demokratika tokoa no nahavoafidy ireto birao vaovao. 450 eo ho eo novoalaza fa mpantsaka rano ao nefa ireto birao vaovao dia mahita fa any amin’ny700 any.....
sam
12
jun
2010
Hitety izao tontolo izao ny sarimihetsika malagasy Malok'ila. Fantatra izany taorian'ny nanaovan'ny orinasa “Scoop digital” fandraisana horonan-tsary tany Frantsa. Ampahany no natao tany Frantsa fa mbola mampisongadina ny tantara ny eto Madagasikara. Araka ny nambaran'ny talen'ity orinasa mpamokatra sarimihetsika Malagasy ity dia fehin'ny tantara Malok'ila niseho hatramin'izay ity nampitondraina ny lohateny hoe “Malok'ila 8 jours en France”. Amin'ny sabotsy izao no haseho voalohany eny amin'ny trano fandefasana sarimihetsika ity vokatra farany ity. Faritra 4 ivelan'Antananarivo no indray hamoaka ny fampisehoana voalohany, anisan'izany ny ao Toamasina, Bongolava, Alaotra Mangoro ary ny eto an-drenivohitra. Ny Malok'ila manaraka, izany hoe ny 9 - 10 sy izay mbola ho avy dia hitety firenen-tsamihafa avokoa.....
mar
08
jun
2010
Mahagaga mahavariana ! Tsy fantatra fotsiny tsotra izao fa dia naniry tandroka ho azy teo ny handrin’ity ramatoa.
Ruifang Zang no anarany, 101 taona izy ary avy ao amin’ny tanànan’i Inlou, any Henan, Chine no fihaviany. Efa ho herintaona izay no nisy zavatra anankiroa naniry, toy ireny tandroka ireny, teo amin’ny handriny. Mafimafy ilay izy rehefa tsapaina ary mahatratra 6sm eo ny halavany.
Niteraka resa-be teo amin’ny tanàna nonenany ny nisian’izao trangan-javatra izao satria ho an’ny mponina manodidina dia devoly nilatsaka eto an-tany no andraisana an-drtoa Zang. Soa fa tsy fahita amin’ny fiarahamonina ankehitriny intsony ny sazy fanamelohana ho faty. Raha tsy izay angamba dia ho mety niharan’ny sazy faran’izay mavesatra ity ramatoa ity.
Rehefa natao fizahana anefa izy dia voalaza fa “kératine”, izay akora fahita amin’ny hoho, ilay manamafy azy iny io maniry eo amin’ny handriny io. Vokatry ny fijanonana ela loatra amin’ny masoandro no antony mety mahatonga izany, na ny fikorontanan’ny tsiry mpanentana ao amin’ny vatana.
Efa nahitana tranga tahaka izao ihany koa tamina vehivavy iray 95 taona, mbola tany Chine ihany.
lun
07
jun
2010
Tsy an-tsaha tsy an-tananafa manao ny ataony ny jiolahy. Ny 01 jona lasa teo, tany Andranomadio, Toamasina dia novakian’ny jiolahy maromaro ny trano iray ao amin’ny cite Harah. Telo tamin’ireo jiolahy anefa no voasambotry ny mpitandro ny filaminana. Ireo sisa kosa dia afaka nandositra ka lasan’izy ireo tamin’izany ny volamena, ny vola Ar 7 000 000, ireo finday maromaro, ny solosaina,ny taratasim-bola vita sonia Ar 4 000 000. Mbola mitohy moa ny famotorana ireo jiolahy tratra mba ahafahana misambotra ireo namany sy ahazoana ireo entana very. Efa am-bolana maro izao no tsy mandry fahalemana mihitsy ny ao Toamasina ao
jeu
20
mai
2010
Ho fankalazana ny fahadimampolotaona niverenan’ny fahaleovantenan’ny Gasikara dia hikarakara hetsika goavana any Erôpa any ny fikambanana Madagascar pour tous. Mpanakanto malagasy am-polony avy amin’ireo faritra maro manerana ny nosy no hanafana izany, toa an’i Jaojoby, Melky, Bodo, Bagzana, Fenoamby, Njakatiana sy nymaro hafa.....
mar
04
mai
2010
Omaly 3 mey no voatondroho andro eran-tanyho an’ny fahalalahan’nya s a f a n a o v a n - g a z e t y.Anisan’ireo firenena nankalazaizany ihany koa isika tetoMadagasikara. Nisy ny fanamarihananatao teny amin’nyCITE Ambatonakanga sytamina toerana hafa maneranany Nosy. Voarakitra aoanatin’ireo zo fototra tokonyhananan’ny isam-batan’olonany zo hahalala sy hampitanavaovao, izay mifandray tendroamin’ny fahalalahana hiteny.Fototry ny demokrasia sy nyfampandrosoana rahateony fampiharana izany....
mar
04
mai
2010
Nankalazaina androany 03 mai ny andro iraisam-pirenena hoan’ny fanalalahanan’ny asa fanaovan-gazety.Nisy ny fizarana loka tamin’ny fifaninana nampanaovin’ny masoivoho Amerikana, 12 mianadahy ireo voafidy tamin’izany.
Raha ny teto Madagasikara dia voahitsakitsaka tanteraka izany fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izany, fanapenam-bava ny mpanao gazety amin’ny endriny rehetra no hita eto.Raha tsy hiteny afa-tsy fanagadrana mpanao gazety : Evariste Ramanantsoavina, Lolot Ratsimba, Didier Ravoahangiarison. Ny fampihorohoroana amin’ny endriny mivantana sy ankolaka sns...Ao ihany koa ny tsy famelana ny haino aman-jerim-panjakana hidiran’ny mpanohitra, ireo mitovy hevitra amin’ny mpitondra ihany no mahazo maneho hevitra ao. Santionany ihany izany fa fifanindrian-javatra ve sa iniana hatao ? fa dia nivazavaza sy naniratsira ny namana mpanao gazety iray, namita iraka tany Pretoria, ireo mpanao gazety namana tao amin’ny onjam-peo iray.Mipetraka ny ahiahy hoe : isika samy mpanao gazety ihany no tsy manaja ny hasina sy ny fahalalahana omena antsika koa aza miandrandra « mana » avy any an-danitra eo e !
jeu
22
avr
2010
Efa-taona izay no nahaf ates an’ i R a z a k a… t a o amin’ny fokontany iray ao amin’ny firaisana faha-efatra. Fahafatesana vokatry ny fisotroana toaka be loatra no nahafaty azy. Andro alarobia no nandao ny tany ity raim-pianakaviana ity, ary nalevina ny alahady manaraka an’iny. Ny zoma alina talohan’ny nandevenana azy, dia taitra ny iray trano nandritra ny fiandrasam-paty, satria nihiratra ny mason’ity lehilahy ity.....
ven
16
avr
2010
mer
14
avr
2010
lun
05
avr
2010
Samy mahay mitsikaraka amin’ny famelomantenany ny tsirairay, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny krizy sy tsy fisian’ny asa izao. Miantefa eny amin’ireny mpivarotra kapila mangirana ireny ny resaka eto. Betsaka ireo mpivarotra azy ireny mitondra mandehandeha. Ahitana izany avokoa eny Isotry, Analakely, 67ha, Andravoahangy sy amin’izay toerana rehetra be olona eto an-drenivohitra. Ahitana karazana filma amin’izy ireny, saingy afeniny any ambanin’ireny mody aseho ety ambony ireny, ny horonan- tsary mamoafady, na ny filma X. Maro amin’izany ny malagasy. Mody afenina any anatiny any ny santionany. Bitsihina mangina ny mpanjifa ampahafantarina ny fisiany, indrindra fa ireo lehilahy. Eo amin’ny arivo ariary ka hatramin’ny roa arivo ariary eo ny vidiny amin’ny ankapobeny. Tsy mandany fotoana betsaka iadiana varotra rahateo ny mpanjifa sy ny mpivarotra fa avy hatrany dia afenina any anaty akanjo, na atsofoka anaty kitapo ny kapila mangirana. Zara raha tsikaritra eo amin’ny fonony ivelany ny sari-na lehilahy sy vehivavy mampiseho fihetsika mamoafady. Ao ny tonga dia hita ho malagasy tsotra izao, ao ihany koa ireo miendrika malagasy nefa toa vahiny ihany ny totalin’endriny. Ny t e n a vo ama r i k a amin’ireo horonan-tsar y mamoafady malagasy dia saika tovovavy malagasy avokoa ny mpilalao ao anatiny. Ny lehilahy indray dia ahitana vahiny sy malagasy ihany koa. Amin’ny mahapiraty azy anefa dia betsaka ny tsy fahatomombanana eo amin’ny nandrafetana azy, na momba ny kalitaon’ny sary izany, na momba ny fahatezany amin’ny ankapobeny mihitsy. Efa nisy fotoana nanenjehana sy nandrarana ny fivarotana ireny horonan-tsary mamoafady ireny, indrindra fa ireo malagasy. Na ao anatin’ny vanim-potoanan’ny krizy aza ny firenena, tsy tokony hatao sorona noho izany ny fanabeazana ny taranaka. Toy izao manaraka izao ny fomba fahitan’ny olona ny zava-misy mikasika izany. Harimbola M.
jeu
01
avr
2010
Nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo izy. Na dia ao anatin’ny vanimpotoana ahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy sy ny nitsanganany tamin’ny maty aza ny mpino kristianina, dia tsy ny tantarany velively no zaraina amintsika anio, fa ny an’i Alain Germain. Raha ny fitantarany dia efa nodimandry izy indray zoma, volana aprily 1997 ary velona indray ny alatsinainy nanaraka iny. Toy izao ny fitantarany ny zavatra niainany tany an-koatra. Notarihin’ny anjely mpiambina Niasa tamina hotely fisakafoanana iray ao Toamasina i Alain Germain tamin’izany. Tratry ny aretina “neuropalu” izy ary voatery naiditra tao amin’ny hopitalibe any antoerana ihany. Mampijanona ny fo sy mahatonga ny marary tsy hahatsiaro saina, ho tratry ny “coma” ity karazana tazo mahery ity. Torana tsy nahatsiaro saina tokoa i Alain Germain tamin’io zoma io. Notarihin’olona tsy fantapihaviana no fahatsapany ny tenany, tany ankoatra. Manao kaompile manga sy misatroka bonetra volontsokola ity mitarika azy, izay ambarany ho anjely mpiambina. Tazany any amin’ny tontolo hafa ny fianakaviany mitomany azy. Te hifampiresaka amin’izy ireo izy, saingy tsy afaka. Hitany ihany koa ny mpitsabo mpanampy manindrona ny vatany, saingy tsy mandre na inona na inona intsony izy. Fantany avokoa ny eritreritry ny olona rehetra niatrika ny vatany teo ambony fandrian’ny hopitaly. Niteny tamin’ny teny tsy fantatra ilay anjely mpiambina, ka i Alain Germain ihany no mahafantatra izay tiany ambara. Voatahirin’ny vadiny mandraka androany ny teny jiosy, tsy afaka teo am-bavan’i Alain Germain, tamin’io raha ni-delira izy, izay raha adika dia hoe “izaho no hiaraka aminao”, nolazain’ilay anjely mpiambina nitarika azy. Naseho ny fiainana Rehefa izany dia nentina tamina toerana iray izay nahitana karazana fitaovana manara-penitra ara-teknolojia ny tenany, araka ny fitantarany ihany. Misy ny marika XJ 2000 sy ny hoe “capacité mémorielle infinie” avokoa ireto fitaovana. Toy ny nakana zavatra kely tao amin’ny ati-dohany, nalefa tamin’ilay fitaovana famakiana horonan-tsary ary dia niseho teo avokoa ny tantaram-piainany rehetra, nanomboka hatramin’ny faha-valo taonany. Voafaritra teo ihany koa ny daty rehetra ary fantatra ihany koa ny tao an’eritreritra rehetra, izay voamarika amin’ny teboka mainty sy mena. Nivadika tamina toerana toy ny lozoka mainty tsy fantatra indray no nitondrana an’i Alain Germain. Nilaza taminy ny anjely ny amin’ny tsy tokony hivilianany mihitsy. Niara-dalana tamin’ny olona maro izy teny an-dalana, ka rehefa tonga teny amin’ny fivoahana, izay misy zavatra manjelanjelatra be, dia tsy hita intsony ny nalehan’ireo olona hafa. Mitondra hafatra Nisy anjely nilaza taminy ireto zavatra manaraka ireto, dia ny amin’ny bokin’ny fiainana, ny fiantsoana hampianatra ary ny fiainany manokana. Momba ny bokin’ny fiainana dia nilaza i Alain Germain fa hamaivanin’ny olona izy io, nefa amantarana ny fiainan’ny olona sy ahazoana mamonjy azy. Momba ny fiantsoana azy hampianatra indray dia nolazainy fa efa ela no tokony hanao izany izy, saingy nanda hatrany. Nandalo fisedrana maro ny tenany raha nanao karazana asa hafa vao tapakevitra nampianatra. Mikasika ny fiainany manokana kosa dia tokony handeha hamita iraka any Afrika Atsimo izy, araka ny voalazany. Momba an’i Madagasikara sy izao tontolo izao no voalaza fa faminaniana handehanany any, saingy tsy mbola tontosany hatramin’izao. Hitany nandritra izao diany tany ankoatra izao ihany koa ny anabaviny izay efa maty tamin’ny taona 1973 ary nilaza taminy fa tokony hiverina ety an-tany izy, satria mila azy ny ety. Faminaniana zavatra ratsy Toy ireny jiro pihina ireny, hoy i Alain Germain, dia niverina tety an-tany izy. Teo ambony fandrianan’ny hopitaly. Efa nitomany azy avokoa ny fianakaviany, satria hoe efa tsy izy intsony, nefa dia velona soa aman-tsara indray. Very tadidy izy taorian’io diany tany ankoatra io, ka herinandro taty aoriana vao niverina ny sainy, rehefa avy nihinana fanafody. Mahafantatra ny ho avin’ny olona eo amin’ny manodidina azy i Alain Germain, saingy karazana faminaniana zavatra ratsy avokoa ny ankamaroany, ka tsy sahiny lazaina amin’ny olona. Fantatra ihany koa fa mankafy mamaky ireny boky sy tahirin-kevitra momba ny fanaovana mazia sy ny misiteriny ireny izy, hatry ny fony kely. Ny hafany ho antsika dia hoe mifandray hatrany ny eritreritra sy ny fihetsika sy ny teny aloaky ny vava. Misy akony amin’ny fiainana any aoriana avokoa ny zavatra atao rehetra ary fototry ny fahotana ny eritreritra ka tsy tokony hofenoina zavatra ratsy.
Nanangona : Harimbola M.
jeu
01
avr
2010
Nahemotra ny fitsarana ambony
Tsy nionona amin’ny didy nivoaka teo anivon’ny fitsarana ny mpiaro ny Magro eny Ankorondrano fa nampiakatra ny raharaha. Tsy natao omaly anefa araka ny tokony ho izy izany fa nahemotra amin’ny 7 aprily. Nasehon’ireo mpisolovava telo mianadahy an’ny Magro eny Ankorondrano moa fa tsy ara-dalana ny fampiharana ny didy satria tsy nahazo izany izy ireo raha tsy efa voakatona ny toerana, ary raha ny tokony ho izy teny amin’ny foibe teny amin’ny “route circulaire” no nanaterana izany. Ilay olona noroahina tao dia nolazaina hoe lehilahy nefa vehivavy. Raha tsiahivina dia nangataka fanafoanana ny fifanarahana amin’ny Top oil-n’ny Tiko S.A ny antenimieran’ny varotra, indostria sy taozavatra. Ny antony moa di a tsy nandoa ny hofan-tany mitentina Ar24 000 000 ny TIKO S.A ary tsy nampitondra ny anaran’Itompokolahy Razanatseheno ny ivo fivarotana fa natao hoe Magro. Nokianin’ny mpisolovava ny fanondrotana tampoka ny hofan-tany. Raha misy koa ny olana dia tsy maintsy mitady fifandaminana hatrany fa tsy tonga dia eny amin’ny fitsarana. Tsiry
mar
23
mar
2010
Tato ho ato izay dia mirongatra ny asan-jiolahy. Hita anefa izao fa tsy mitaraintana- miempaka ny mpitandro filaminana raha ny nahazo ireto jiolahy raindahiny roa, lavon’ny balan’ny GIR “Groupe d’Intervention Rapide”, tetsy anoloan’ny Lab’art etsy Antaninarenina, omaly, nanodidina ny tamin’ny 11 ora teo ho eo. Raha ny vaovao azon’ny GIR dia miomankomana hanafika eny Antaninarenina eny ry Lovakely sy ny namany. Rehefa nojokoina tokoa dia indreo fa tazana avy any amin’iny BFV SG iny hitodidoha ho any amin’ny BOA. Rehefa notairin’ny GIR dia nikoropaka namoaka ity PM “Pistolet mitrailleur” nafenina tany anaty “sac” ilay jiolahy. Ny balan’ny GIR anefa no tonga aloha ka niantefa teny amin’izy ireo. Nandriaka ny rà ary mbola tazan’ny mpandalo teny ny potika ati-dohan’izy ireo. Raha ny nambaran’ny mpitandro filaminana dia jiolahy rain-dahiny izy ireto ary efa maro ny fanafihana mitam-piadiana vitany. Tsy fantatra kosa aloha na efa nisy namany hafa nisaodisaody teny amin’ny manodidina teny tamin’ny fotoana nisian’ny poa-basy. Ny omaly io ihany dia nentina tany amin’ny tranom-paty Hjra izy ireo. Nandeha ny resaka teny amin’ny manodidina fa ny FIS no nahavita ny “acte”. Rehefa nalaina anefa ny vaovao dia ny GIR no nahavita izany. Tsy mampiova na inona na inona izany fa samy mpitandro filaminana vonona hamongotra ny asan-jiolahy ireo. Ny vokatra tahaka izao no zava-dehibe izay marihana fa nahavita ezaka goavana tahaka izao ihany koa ny FIS. Tsiry
Tsindrio ny sary raha hitady ny laharana rehetra efa nivoaka ianao