mer.

22

mai

2013

Hamory ireo kandidà telo, anio eny amin’ny Carlton

Eny amin’ny Hotel Carlton anio amin’ny 3 ora hariva no fotoana omen’ny toko 5 maha-masa-nahandro ny Ceni-T sy ireo kandidà telo izay mahabe resaka. Ahitana ny FFM, ny CSC, ny atitany, ny filaminam-bahoaka ary ny tafika Malagasy, ity tokobe 5 ity. Raha ny tatitra nataon’izy ireo nandritra ny fihaonan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly teny amin’ny Carlton ihany dia “ handray fanapahan-kevitra hentitra sy fepetra henjana entina hamahana ny krizy” izy ireo. Ankoatra izay moa dia miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ity fivondronana ity tsy “ handray fanapahan-kevitra na koa hanao fanambarana mety hanohintohina ny fiandrianam- pirenena sy ny fihavanana Malagasy”. Mitaky ny hisian’ny fifidianana eto amin’ny firenena mantsy ity fivondronana ity ary tsy manaiky ny hevitra mety tsy hahatanteraka izany. Raha ny fantatra ihany koa anefa dia tsy mitsipaka ny fehin-kevitra nivoaka nandritra ny fivoriana nokarakarain’ny FFKM teny amin’ny CCI Ivato ireto vondrona ireo. “ Tany tan-dàlana Madagasikara ary tany misy fanjakana. Izahay ireto no fanjakana ka tsy hanaiky ny tsy hanajana izany. Hampihatra ny maha-fanjakana anay izay”, hoy izy ireo. Mampanontany tena ny rehetra ity fihetsika tampoka avy amin’ny FFMCSC- ny Atitany-ny filaminam- bahoaka-Tafika ity. Indrindra moa fa taorian’ny nanomezan’ny filohan’ny Ceni-T ny “ultimatum” 48 ora ho an’ireo kandidà telo, hametrahan’izy ireo fialana. Ny tsikaritra aloha dia saika olona eo ambany fiahin’ny filohan’ny tetezamita avokoa izy ireo. Azo heverina ve fa avy any ny tetika hanerena ny kandidà Ravalomanana Lalao tsy hirotsaka? Raha momba ny tafika manokana mantsy dia efa ela no niandrasana ny fandraisan’andraikitra, andraikitra izay tsy misy idiran’ny fiandaniana velively. Tsy izay anefa raha ny tsikaritra no zava-nisy. Tsiahivina fa nisy ireo manam-boninahitra lefitra sy manam-boninahitra jeneraly izay nitady hevitra hamahana ny olana haingana tamin’ny 17 Novambra 2010 teny amin’ny Bani Ivato, saingy niarahana nahita ny niafaran’ireo manam-boninahitra ireo. Inona indray no ao ambadik’ity fivoriana ity? Mety hisy ifandraisany amin’ny fametraham-pialan- dRajoelina tsy ho kandidà ve, izay feo niely be tato ho ato? Raha ny fantatra dia tsy mihevitra ny hiala ho filohan’ny tetezamita velively ny tenany. Nanao izay hevitra rehetra anefa izy tsy hialana na koa hitazomana fahefana ela saingy voatsipaka hatrany. Io antony io no mety hanapahany hevitra tsy hirotsahana, ary heveriny ho sintomina miaraka aminy ireo kandidà roa hafa.

Lire la suite 0 commentaires

sam.

18

mai

2013

Ao Antsahamanitra no fotoana anio

Tsy nangina ny hetsiky ny mpitondra fivavahana fa tsy mitsahatra mitolona am-bavaka ho an’ity firenena ity. Rehefa izany dia manao antso ho an’ny vahoaka malagasy indray ity Hetsiky ny mpitondra fivavahana ity. “Izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia tahaka ny Kintana mandrakizay doria”( Daniela 12:3b) Ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana dia manasa antsika am-pitiavana hiara-hiombom-bavaka ny sabotsy 18 Mai amin’ny 10 ora sasany ao ANTSAHAMANITRA. Mahatsapa izahay fa tsy mbola fotoana hiheverana fitsaharana amin’ny fitolomana am-bavaka ho an’ny Tanindrazana izao koa zava-dehibe ny fiombonam-pontsika hanatanteraka izany. NY FAHAMARINANA MANANDRATRA NY FIRENENA

Lire la suite 3 commentaires

ven.

17

mai

2013

Aoka ho esorin’ny CES tsy ho kandidà izay tsy mety hametra-pialana

Mihisatra sy mitady ny fomba rehetra tsy hialana eo amin’ny fitondrana amin’izao fotoana izao, ny mpikambana samihafa ao amin’ny governemanta sy ny andrim-panjakana ary ireo kandidà mitana toerana ambony eto amin’ny firenena. Eo ny fandrebirebena ny saim-bahoaka amin’ny karazana rijan-tenin-dalana samihafa mba hifikirana eo amin’ny fitondrana. Eo koa anefa ireo tsy te hiala amin’ny fitondrana noho ny tombontsoa samihafa izay very manaraka an’izany fametraham-pialana izany. Misy koa anefa ny kandidà toa tsy mahazo antoka loatra fa hisy ny fifidianana amin’ny 24 jolay izao ka miandry sy mihainohaino aloha sao hiala amin’ny « seza » kanefa avy eo tsy ho raikitra na hihemotra tampoka ny fifidianana. Paolo Emilio Raholinarivo Solonavalona, manam-pahaizana momba ny lafin-tany sy ny lalana nivoaka avy teny amin’ny sekoly ambony Enam dia manana ny heviny mahakasika izany tsy fametrahan’ny kandidà eo amin’ny fitondrana fialana izany. «Tokony ho foanan’ny CES ny filatsahan-kofidian’ireo kandidà izay tsy manaiky hiala amin’ny toerany ireo satria efa tamin’ny famoahana ny lisitry ny kandidà avy ao amin’ny CES no efa tokony ho nametrapialana ireo », hoy izy. Nampiany fa mandray volam-panjakana, mampiasa ny fahefam-panjakana ireo kandidà mbola mitampikitra eo amin’ny fitondrana ireo ary tena tsy manaja ny etika politika mihitsy. « Fifidianana malalaka sy mampitovy zo ny tsirairay « équitable » no hatao eto kanefa misy olona mampiasa ny fahefany ho amin’ny fifidianana. Mba olombelona koa anie ny kandidà hafa na tsy miteny aza », hoy Paolo Emilio Raholinarivo Solonavalona. Notsindriany manokana ihany koa fa azon’ny CES atao tsara ny manala ny fametraham-pialan’ireo kandidà tsy manara-dalana ireo, raha hampiharina ny lalana fehizoro andininy faha 32. Ny kandidà eo amin’ny fitondrana kosa samy miray feo fa hiala izy ireo rehefa miala ny filohan’ny tetezamita, satria miainga avy any ambony ny ohatra !

Lire la suite 0 commentaires

jeu.

16

mai

2013

Manohitra ny «fitakiana politika no nataon’ny Sadc »

Tsy manaiky ny vetinkevitry ny Troika-Sadc momba ny resaka Ravalomanana Lalao ny antoko Manajary Vahoaka sy ny vondrombavaka Magro . Tsy resy lahatra izy ireo ny amin’ny tokony hanatsoahan’ny kandidà tohanany ny dosie-ny, na misy aza izay fahadisoam- panantenan’ny Sadc izay. «Tena fanambarana miendrika politika iny navoakan’ny Sadc iny, na miendrika faniriana ihany aza. Tsy misy resaka « base juridique » ilay fanambarana » hoy ny fanazavana. « Nahafeno fepetra ara-dàlana tsara ny kandidà Ravalomanana Lalao satria dia feno ny anton-taratasy notakiana taminy ary tafapetraka tamin’ny fe-potoana ara-dàlana tsara izany ». Nitondra fanamarihana momba ilay tsy fipetrahana teto enim-bolana kosa anefa izy ireo. « Mazava tsara ny didim-pitsarana, ny fanjakana no nanakana azy tsy hipetraka teto fa tsy sitrapony manokana akory. Naniry ny hody an-tanindrazana matetika izy fa ny fitondrana foana no nanakana azy tsy hiditra eto ».Ny antoko Manajary Vahoaka moa dia nilaza ampahibemaso fa tsy mankasitraka ny “Ni…,Ni…” satria « ireo vahoaka nifidy tamin’ny 2006 izay noverezin- jo tamin’ny 2009 no mitaky ny hamerenena ny zony hifidy. Ny “Ni … Ni…” dia tsy manome safidy ireo vahoaka hifidy ». Ny antoko Manajary Vahoaka tamin’ny alalan’ny filohany Rakotoson Harotsilavo moa dia manohitra ny fanambarana ataon’ny Sadc ary manantitra fa manohana ny kandidà ho filoha Ravalomanana Lalao.

Lire la suite 0 commentaires

mer.

15

mai

2013

60% ny vahoaka no mandry tsy lavo loha

Tafiditra anatin’ireo firenena 10 tena tsy misy fandriam-pahalemana Madagasikara. Ny antony dia 60% ny vahoaka no mandry an-driran’antsy eto amin’ny tànana. Vokapikarohana nataon’ny “sondage Gallup” io. Firenena 134 no nanaovana ny fanadihadiana ka nisongadina eo amin’ny laharana faha-6 i Madagasikara. Venezuela no voalohany satria ny 74% ny mponina ao aminy no mandry tsy lavo loha. Manaraka azy Afrika Atsimo miaraka amin’ny 73%, Tchad 67%, Botsowana 6 5%, G a b o n 6 2%, République Dominicaine sy Madagasikara 60%, Afghanistan sy Ouganda 59% ary Bolivie 58%. Tsiahivina hatrany io isanjato io dia ireo mahatsapa fa tsy mandry fahalemana ao amin’ny firenena misy azy. Ho an’ny firenena Malagasy manokana moa nanamarika ny fanadihadiana fa tena niakatra be izaitsy izy io antontan’isa io hatramin’ny fanonganam- panjakana nataondRajoelina tamin’ny Martsa 2009. Madagasikara moa tao anatin’izay 4 taona izay dia faha-6 amin’ireo firenena be kolikoly eran’izao tontolo izao ary ifirenena faha 9 mahantra indrindra erantany satria 955 $ isan-taona, isan’olona ny harin-karena faobeny. Ny taona 2012 no notontosaina ity fanadihadiana ity.

Lire la suite 0 commentaires

mar.

14

mai

2013

Hiditra amin’ny dingana famaranana

Lasa izao fa tsy resin’ny vavan’ny mpananty rankena ny FFKM! Hiditra tsy ho ela amin’ny dingan’ny famaranana ny mpitondra fivavahana, ka hampihatra izay notapahan’ny mpizaika teny amin’ny CCI Ivato farany teo. Ny fampiharana ireo fehin-kevitra izay lany teny no hidirana amin’izao tohiny izao, ka tsy maintsy hampodiana eto ny filoha Ravalomanana izay hampihavanany miaraka amin’ireo telo lahy efa eto an-toerana, dia ny amiraly Ratsiraka sy Zafy Albert, ary Rajoelina. Vita io, vao azo antoka fa tena hiravona ny olana eto, ary hitsanga-menatra eo anatrehan’izao tontolo izao ny SADC sy ny Frantsay, satria vitan’ny Malagasy ny nampihavana ny mpiray tanindrazana aminy. Isan’ny fitakiana napetraky ny mpizaika mananika ny 1500 ny hanemorana fotoana fohy ny datim-pifidianana, ary ravana avy hatrany ny governemanta ka hisy tetezamita faran’izay fohy handamina sy hikarakara ny fifidianana. Apetraka ihany koa ny lalam-panorenana hisafidianan’ny vahoaka, ary tsy azo kitihan’izay filoha lany eo io lalam-panorenana io. Ireo raha fehezina fohy ny tsy maintsy hatrehana raha ho toavina ihany ity hevitra tapaky ny FFKM ity. Sa misy olona tsy te hihavana amin’ingahy Ravalo, satria mahina ny ratsy natao, ka fefena mafy izy io tsy hiditra eto? Dia mbola hitohy ny krizy raha izay no tanjon’ny sasany, satria tsy hilamina ny tany raha tsy eto ity filoha nahongana ity.

Lire la suite 1 commentaires

lun.

13

mai

2013

Manome 15 andro ny ministera hanokafany ny haino aman-jery nakatony

Ampy izay! Raha mbola miziriziry amin’izao heviny tsy te-halala ny fanokafana ireo haino aman-jery rehetra ireo ny ministry ny serasera, dia handray fepetra henjana ny sendikan’ny mpanao gazety eto Madagasikara izay tarihin’I Roco Rasoanaivo. Io fepetra io ho raisin’ny sendika io, dia ny hanokafana miaraka ireo haino aman-jery rehetra eto amintsika, satria tsy misy antony mazava tokony tsy hanokafana ireo radio sy tele ireo. Raha ny fanazavana heno dia ahiliky ny ministry ny serasera any amin’ny fitsarana ny antony nanakatonana ireo radio sy tele ireo, kanefa rehefa anontaniana any amin’ny fitsarana, dia manambara fa tsy andraikitry izy ireo ny manakatona radio na tele toy izany fa ny minisetra mpiahy no manana andraikitra amin’io. Iza no mandainga raha izany no fandehany? Manoloana ireo, dia io fe-potoana 15 andro hambaran’ny sendikan’ny mpanao gazety io no fotoana farany omen any ministera, fa raha dila io, dia hisokatra daholo ireo radio sy tele izay nakatona tamin’ny fomba mamohehitra. Inona tokoa moa no atahorana manokatra ireo radio ireo, sa misy olona tsy mahazaka ny fanehoan-kevitra samy hafa eto, fa ny heviny ihany no tiany hasesika ao an-dohan’ny mpanara-baovao?

Lire la suite 0 commentaires

sam.

11

mai

2013

Ho sokafana daholo ny radio sy tele nakaton’ingahy minisitra

Ampy izay ny fanampenam- bava ny haino amanjery samy hafa eto amintsika! Tonga ny fotoana hisokafan’izy ireo, mba ahafahan’ny vahoaka Malagasy mahazo loharanom-baovao samihafa, fa tsy sanatria ka lakolosy tokana foana no heno eto. Raha ny akom-baovao heno omaly tetsy Besarety nandritra ny fihaonana nataon’ny sendikan’ny mpanao gazety sy ireto tompona haino aman-jery nakatona teto amin’ny firenena, dia vanim-potoana ilan’ny vahoaka ireo haino aman-jery ireo izao, ka rariny raha omena alalana hisokatra amin’izay. Tsapa mantsy fa misy haino aman-jery nomena alalana hisokatra vao tsy ela izay, nefa ny teo aloha aza nakatona. Aoka tsy asiana mizana mitanila eto, ka raha ny feo heno, dia tsy ho ela no hanokafana azy ireo. Isan’ireo tsy zakan’ny fitondrana ankehitriny ny nandre ny famoaham-baovao toy ny tao amin’ny radio Mada, Fahazavana, Free Fm, ary raha mbola hisokatra eo ihany koa ny MBS sy ny hafa, moa ve tsy hilatsaka izay tsy ho latsak’ireo tomponkevitra tamin’izany fanakatonana haino aman-jery izany. Na hidrikina mafy aza ingahy minisitra hanakana ny tsy hisokafan’ireo, moa ve tsy efa ampy kosa izay mizana mitanila izay, ary efa hiala an-daharana ihany koa ny mpanome baiko, ka avelao ny olona hisafidy izay haino aman-jery tiany e.

Lire la suite 0 commentaires

ven.

10

mai

2013

Tsy mbola fantatra ny rafitra hampihatra azy

Mizara roa mazava tsara ny fironan-kevitra politika eto Madagasikara ankehitriny. Eo ny mpomba ny fanatanterahana ny fifidianana amin’ny fomba rehetra. Misy koa anefa ireo mirona amin’ny hananganana tetezamita amin’ny endriny vaovao. Mirona indrindra tamin’izany tetezamita vaovao izany koa ny fehin-kevitry ny dinika nokarakarain’ny raiamandrenim- piangonana ao amin’ny FFKM teny Ivato. Niezaka nandamina ny sain’ny maro ihany ny filohan’ny FFKM, ny Monsenera Odon Marie Arsène Razanakolona ka nilaza fa : “na eo aza ny fehin-kevitra dia izay tolokevitra mampisy fihavanana no ho raisina.“ Midika ve izany fa hisy amin’ireo fehin-kevitra no mijanona ho fanangonan-kevitra tahaka ny dingana teo aloha izay efa nataon’ny Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara fa tsy ho tanterahana akory? Mbola mampametra-panontaniana ihany koa ny amin’ny rafitra tena hampihatra izay rehetra tapaka. Ny komity mpanaramaso sy mpanao tombana mantsy no napetraka fa ny tena fampiharana azy tsy fanta-pototra. Iza no hampihatra ireo fehin-kevitra rehetra teny amin’ny CCI Ivato? Ny foloalindahy mantsy efa tapaka fa tsy tokony hiditra amin’ny raharaha politika. Mbola fanontaniana mipetraka koa anefa ny hoe: “manana ”valeur juridique”na lanja eo amin’ny lalana tahaka ny inona, ireo fehin-kevitra notapahan’ny mpizaika niaraka tamin’ny FFKM natao teny Ivato?” Eo koa ny hoe: “Mahasolo tena ny sokajy rehetra sy ny vahoaka Malagasy ve ny mpivory nandritra ny telo andro teny Ivato?”

Lire la suite 0 commentaires

mer.

08

mai

2013

« Tsy nisy maty izany fa ambadika politika no nisy », hoy ny ministry ny filaminana anatiny

Tena hentitra ny ministry ny filaminana anatiny, Arsène Rakotondrazaka niresaka tamin’ny mpanao gazety. “ Tsy olona maty vokatry ny “ déléstage” izany no nitarika ny korontana tany Mananara Avaratra rehefa natao ny fanadihadiana fa tena fitadiavana korontana ataona mpanao politika”. Raha aravona ity filazana ity dia “ ambadika politika” no anton’iny rombo tany Mananara Avaratra iny. Karazana manenji-dresy ary mandatsà ireo fianakaviana nidonam-pahoriana ity fanambarana nataon’ny contrôleur général Arsène Rakotondrazaka ity, hoy ireo mpanara-baovao. Ahiana ny hiitaran’ny hetsika vokatr’izay fanambarana izay. Amin’izao fotoana dia napetraka ny fepetra tsy azo hivezivezena amin’ny alina na “couvre –feu” ary naato mandritra ny fotoana tsy voafetra aloha ny asan’ireo mpitandro ny filaminana. Ny antony dia tsy manaiky ireo mponina taorian’ny nahafatesana tovolahy kely iray taorian’ny bala very avy amin’ny mpitandro ny filaminana. Ny Alatsinainy teo moa dia nobahanan’ny mponina ny seranam-piaramanidina. Efa nisy ny delegasiona mafonja avy aty Antananarivo nidina any an-toerana hijery izay fomba handravonana ny olana. Fantatra ihany koa fa olona 5 izao no efa voasambotra ary atao fanadihadiana.

Lire la suite 0 commentaires

mar.

07

mai

2013

Kaonferansa eveka eto Madagasikara

«Tokony hampanaovana dina hanaja etika politika ireo kandidà rehetra » Velom-panahiana momba ny mety hiafaran’ilay dinika ho fampihavanana izay nataon’ny FFKM ny konferasan’ireo eveka. Raha ny fihevtri’izy ireo dia tokony tsy hirona amin’ny resaka fampihavanana ara-politika ny FFKM izay tarihin’ireo Ray aman-dreny am-panahy 4 mirahalahy. “Tsorinay fa matahotra sy velona ahiahy izahay sao mivaona ho fampihavanana politika fotsiny no imasoana, satria io dia tsy anjaran’ny fiangonana velively”. Amin’ireto eveka ireto dia tokony mijanona amin’ny tolokevitra napetraka voalohany dia ny 4F “ Fieken-keloka, Fibebahana, Fahamarinana ary Fihavanana” no imasoan’ny FFKM. Nanome soso-kevitra ny amin’ny tokony hametrahana etika politika ho an’ireo kandidà ihany koa ireto eveka ireto. Heverin’ireto eveka ireto fa adidin’ny FFKM avy eo ny mamory ireo kandidà ho filoham-pirenena rehetra hanaovana tan-tsoroka izany etika politika izany.

Lire la suite 0 commentaires

lun.

06

mai

2013

Tonga omaly Ravalo…

Henonareo ve ny vaovao ? Fa misy inona hono… Tonga androany maraina tamin’ny 5 ora anie hono Ravalo e. Omaly io androany io. Dia vetivety foana dia niparitaka ny feo, fa tonga hono i dada, ary nisy avy hatrany no namono gisa hatao laoka fa fety be hono izany io andro omaly io. Nisy mihitsy aza no nikasa hamono omby, saingy mbola naka toky tsara. Rehefa nozohiana tamin’ny olona akaiky andRavalo io resaka omaly io, dia tsy nitombina, satria na izy ireo aza hono tsy mahalala ny fisian’izay resaka hoe ho avy izay i Dada. Rehefa nohalalinina, dia ny mety hanatrehan’ingahy Ravalo ilay dinika ho fampihavanam- pirenena eny amin’ny CCI Ivato izay nifarana omaly no anton’io resaka nandeha sy niely tetsy sy teroa io. Azo heverina fa efa tsindrian-daona tokoa ny rehetra amin’izay fahatongavan- dRavalo eto an-tanindrazana izay, satria leon’ity fitondrana tetezamita ity ny rehetra. Be no latsa-dranomaso rehefa nandre fa tsy mitombina indray io resaka io ny hariva, ary ireo efa namono gisa aza, dia nanao hoe maty aho gisako, satria hanaovako fety amin’ny fahatongavany io hena matavy io, nefa hay izy tsy mbola tonga akory. Ny valala misy, ny mpilaza koa mahay, ary io resaka omaly io, dia tonga amin’ilay fiteny hoe ny hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha. Efa mandindona tokoa ilay andro malaza, fa tena ho fety be tokoa angamba amin’izay e. Ny sabotsy teo, dia tonga teny amin’ny Magro ramatoa Lalao Ravalomanana, ary hafaliana tokoa ny an’ireo zanaky dada tonga maro be teny tamin’izao fidinany an-kianja izao. Tsy maintsy mandresy isika hoy Lalao Ravalomanana tamin’io fotoana io.

Lire la suite 0 commentaires

sam.

04

mai

2013

Fitsarana politika

Tsy mahalala izay hitondrana azy, fa manaraka fotsiny izay fa tondroin’ny mpitarika azy ny Gasy. Mizarazara ho sokajy marobe ny olompirenena amin’izao fotoana mampirongatra ny fitakiana etsy sy eroa izao. Tsy mety ho tojo amin’ny fanamelohana izay fototry ny fikatsoana ireny fitakiana ireny fa misamaritaka sy samy manao izay sendran’ny lohany fotsiny, samy mikatsaka ny tombony ho azy avy. Nanjary nanome vahana ny fisalasalana indray ny toe-draharaha satria tsy afaka mba nionona tamin’ny fanajana ny lalàna velona izay efa nampanjakainy sy noforoniny teto ny mptondra tetezamita fa vao mainka nangady ny hantsana manasaraka azy amin’ny fironan-kevitrry ny vahoaka tsy mandady harona.. Moa hahagaga ny mpanaraka ny fivoarana ara-politika eto ve raha midrikina sy manao fitakiana politika ny andiana mpitsara, ny mpitolona sendikaly, ny mpiasa madinika tsotra, ny mpanao asa soa isan-karazany? Tsy maintsy lamina politika ihany no ahafahana miala amin’ny olan’ny firenena, ka na iza na iza miantso ny hanatanterahana izany dia hevitra tokony hotohanan’ny te-hilamina izany. Ny mifanohitra amin’ireo dia mbola fanamafisana ny fizorana hatrany hiroso amin’ny hantsana ihany. Dia hanova inona amin’ny tontolo iainan’ny firenena moa izao ny antony namoahan’ny fitsarana momba ny fifidianana izay “manameloka” sy « manamarina » ny kandida ho filoham-pirenena. Hifidifidy fahatany indray ny Malagasy raha izao fizotry ny raharaha izao no dinihina akaiky. Tsy hahafantatra akory izay tena fototra fa hihinana ambolony fotsiny. Tsy maintsy hisy nenina sy zavatra ifandrotehana indray ao aoriana kely. Efa naverimberina teto hatrany fa tsy maintsy mila fahatoniana ny fanatanterahana ny fifidianana satria tsy lisitry ny mpifidy fotsiny no tokony ho vonona, tsy resaka daty sy fotoam-pahavaratra ihany koa, fa manao ahoana ny fanantanterahana rehetra ny “zava-boalazan’ny lalàna” sy izay mba “metimety” kokoa amin’ny olompirenena izay entanina hifidy. Mirotoroto amin’ny tsy antony isika mianakavy, ary tsy mahalala izay hahafaty. Fa tsy misy dikany amin’iny olona iny ireo rehetra notanisaina ireo fa ny ao an-dohany ihany no nataony. Tena fitsarana miendrika vaha-olana politika ve no nataon’iny olona iny sa dia finiavana te-hampisaringotra izay efa nanahirana hatramin’izay?

Lire la suite 0 commentaires

ven.

03

mai

2013

Hangataka fihaonana amin’ ny kandidà Ratrema William

Tapi-dalan-kaleha ny havan’ireo mbola tavela any amponja vokatry ny olana ara-politika teto Madagasikara, ary eo ihany koa ireo mbola tavela any ivelany. Ny ora sy ny fotoana anefa mandeha ihany, ary maro ireo kamboty tsy fidiny noho ny havany mbola tavela anya m-ponja na tsy afaka hiditra eto an-tanindrazany. Taorian’ny fanambarana nataon’ny kandida Ratrema William teny Ambohidahy farany teo izay nilaza fa ny fampiharana ny fifanajana no antoka iray hisian’ny fifamelana sy ny finkatiavana eto, dia heno izao, fa hangataka fihaonana amin’ity Kandida natolotry ny Patram sy ny Gam ity ny sasany amin’ireo olona ireo. Io ray aman-dreny avy ao amin’ny vondrom-panabeazana Aceem io hoy ireto fianankaviana ireto no hany afaka hanala haingana ny gadran’ny havanay raha tonga eo amin’ny familiana ny fiainam-pirenena izy, ary ray aman-dreny tsy hanejika ny hafa fa tena vonona ny hampihavana ny malagasy. Nilaza ihany koa ireto fianankavian’ny voafonja sasany ireto, fa hanantona ny FFKM izy ireo hila fanampiana, sao mba hisy ihany ny fanavotana amin’ny hivoahan’ny havany anya m-ponja. Raha dinihina, dia ireo heverin’ireto olona ireto fa tena ray aman-dreny izany no hangatahany fihaonana, eny fa na dia teny fampaherezana fotsiny ihany aza.

Lire la suite 0 commentaires

jeu.

02

mai

2013

Tsy azo hiodivirana ny fodian’i dada

Hiroso amin’ny dingan’ny fampihavanana manaraka ny FFKM manomboka eto. Ho voaray eo am-pelan-tanana avokoa mantsy ny fehin-kevitra noraisina eran’ny faritra misy ny foiben’ny FFKM manerana an’I Madagasikara. Hiroso amin’ny fanohizana ny asa izy ireo, ary tsy hihemotra amin’ny fanatsatsoana ataon’ny sasany azy ireto ray aman-dreny am-panahy ireto. Fampihavanana no tanjona, ary ilaina ny hampivondronana ny hery rehetra mba tsy hisy hitanila ny tena fifankatiavana eto amintsika. Mahatratra 1500 ireo mpandray anjara manomboka anio, ary hifarana ny 3 mey ho avy izao. Efa fantatra ny tanjon’ny mpizaika rehetra, dia ny hametrahana filaminana mato-paika mialoha ny fifidianana. Manahy tokoa mantsy ny maro, ny mety hisian’ny korontana indray aorian’ny fifidianana izay hitranga eto amin’ny tany sy ny firenena. Isan’ny lalana tsy azo hiodivirana hanjakan’ny fandriampahalemana sy ho lavitry ny valifaty ny fodian-dRavalomanana eto an-tanindrazana. Isan’ny fototry ny savorovoro hatramin’izao ny tsy fahatongavan’io ray aman-dreny io eto an-toerana, saingy toa tsy hita eo amin’ny mpitondra ankehitriny izay finiavana izay. Azo antoka raha izao fandehan-javatra hataon’ny FFKM izao, fa be no haniry ny hisian’ny tetezamita vaovao, ary isan’ny tsy maintsy hevitra hivoaka eo ny fodian’i dada. Ndao anie fa ho hitantsika eo izay ho tapahan’ny mpivory e.

Lire la suite 0 commentaires

mar.

30

avril

2013

Tsy ariam-potsiny fa vola ampiasaina

Asa izay adala na ireo vahoaka izay efa velompanontaniana lava izao hoe nahoana koa no naneken’ny Malagasy handoavana volabe tahaka izany? Tena misy tambiny ao, ary fantatry ny gasy fa ireo harenan’I Madagasikara no ho takalon’izany, hamelomana ireo firenena any ivelany, na ireo Malagasy mpamadika tanindrazana, tsy menatra mangata-bola any amin’ny firenena efa fantatra fa mpanjanaka. Samy tsy dondrona ireo ary samy mahalala ny antsipiriany, saingy ny vahoaka madinika efa main’ny fahantrana ka raha samy ho faty ihany, aleo maty rahampitso, ary raha samy ho lasan’ny vazaha ihany ny entana, aleo mionona amin’izay herim-po kely, mba mipitika e! Fa ho an’ireo mihazakazaka mirotsaka mandany vola ireo anie, tsy fitiavan-tanindrazana fa fampiasam-bola e! Toy ny manao loka ihany io, raha mipoaka dia volabe far aha tsy ambinina dia afoy ny vola. Ka adala ary ve ireo no handany ny vola antapitrisa? Tsy maintsy atao izay hiverenan’io haingana rehefa tonga eo amin’ny toerana, ary dia izay no ho voalohan’asany eo, raha SANATRIA ka lany an!

Lire la suite 0 commentaires

lun.

29

avril

2013

Hisokatra alohan’ny Propagandy

Tsy misy lalàna mandrara ny radio sy télé MBS tsy hisokatra! Tsy nanana olana ara-pitsarana ihany koa ireo haino aman-jery ireo, fa noho ny fandrobana nataon’ny foza tamin’ireo orinasan-tserasera ireo no nahatonga ny tompony nampiato azy kely. Manana ny fahazoan-dalana ara-dalàna hanokatra ny radio sy télé ireto haino aman-jery ireto tamin’izany, ary tonga ny vanim-potoana hampiasain’ny tompony azy, satria efa vonona avokoa ny fitaovana hampandehanana io haino aman-jery io. Mety ny eo anivon’ny minisetran’ny serasera no kanosa tsy hanokatra io, fa ny fepetra rehetra, dia manana zo hanokatra ny orinasany ny tompony. Eo andalam-piketrehana ny fanokafana ireo MBS eran’ny faritra ny tompony amin’izao, ary raha vita tokoa izay, dia hanjaka tsara ny fifaninana amin’ny fanehoan- kevitra, satria manjaka tokana anie ny famosahankevitra amin’izao e. Iza tsy lanin’ny vavonin-dry zalahy mantsy dia ireny nakatona ireny daholo. Ny azo antoka dia tsy maintsy hiverina isan-tokantrano ity MBS ity, ka na ho sakananao anio aza izany, tsy maintsy hisokatra rahampitso. Efa ho dila anie ny fahefanareo e.

Lire la suite 0 commentaires

sam.

27

avril

2013

Nibebaka any amin’ny Papa ray masina

Be fahotana ny mpitondra antsika tao anatin’izay efa-taona nisian’ny fanonganam- panjakana izay. Very hasina ny tanindrazana, ary tsy mahay mifanaja intsony ny mpiara-belona. Ireo dia mbola vokatry ny loto navelan’ny mpikomy avokoa nandritra ny taona 2009 ireny. Hadiva ho rendrika ny tetezamita, ary efa samy manavotra aina avokoa ny mpitondra niara-dalana tamin’ingahy Rajoelina. Tsy menatra ny nandao azy izy mianankavy, ary dia nihanjahanja irery teo ity mpitarika ny fanonganam-panjakana ity. Io filetehan’ny tetezamita any anaty hantsana mangitsokitsoka io no naha-taitra tampoka an’ingahy Rajoelina, ka lasa any amin’I Papa ray masina any Vatican, nibebaka faramparany, satria izany olona tsy voavela heloka izany ho ratsy eo anatrehan’ny tantara. Mety hisy ihany koa ny baiko avy any ny tsy maintsy hanarahin’ity Rajoelina ity ny hetsika izay nataon’ny FFKM ny hananganana tetezamita vaovao, ary hanemorana ny fifidianana sy ny hampodiana ihany koa an’ingahy Ravalomanana eto, mba tena hisy fihavanana marin-toerana eto amin’ny firenena. Ny tantara tsy mba fanadino, fa ny tsy azo kosehina, dia izay mpitondra avy nihaona tamin’I Papa moa inona no niafarany raha I Madagasikara manokana no asian-teny? Samia mandinika, fa tsy misy fanasoketana na iza na iza izany.

Lire la suite 0 commentaires

ven.

26

avril

2013

Fampiraisan-kina FFKM no lalan-kivoahana…

« Tsy mety ny fomba fiteny toy ireny ary manao tsinontsinona ny vahoaka Malagasy, manomboka any amin’ny valalabemandry hatrany amin’ny mpitondra. Raha izy no te-hitondra dia saivo raisiny ny fahefana. Ny tena mampahalahelo dia manaiky lembenana ny mpitondra, ary heverina ho manome rariny azy matoa manamafy sy toa maneho fiankinan-doha loatra aminy”. Fanehoan-kevitr’Atoa Tintin Ravonison taorian’ny teny feno esoeso sy fanebahana ny dinika savaranonando nataon’ny FFKM farany teo ka nivoahan’ny soso-kevitry ny mpandray anjara amin’ny tokony hiroso amin’ny fampihavanana mialoha ny fifidianana izy tiana hatao. Manamarika ity mpanara-baovao ity fa ny itambarantsika dia “ny tsy fahalalam-pomba sy ny tsy fahalalana ny fomba amintsika samy Malagasy, ary izay no tokony hidirana sy hanohanana ary hanamafisana io dinika fampihavanan’ny FFKM io.” Tsy manakana na mampihemotra na manamafy ny fifidianana izay himokamokan’ny rehetra kanefa hita fa hiteraka zavadoza ho an’ny firenena raha tsy misy fampiraisan-kina ny rehetra. “Hamafisiko, hoy ihany izy, ilay nambaran’I “Neny” hoe “mandehana misoratra anarana amin’ny lisitry ny mpifidy, hamarino ny anarana ao anatin’ny lisitra” fa tsy maintsy hisy ny fifidianana na dia tsy amin’ny 24 jolay aza no hanatanterahana azy fa ny 23 jolay. Ny zava-dehibe tokony ho takiana dia ny fampodiana an-dRavalo tsy misy fepetra satria voalazan’ny tondrozotra nololohavina teto io. Koa nahoana rehefa fampodiana dia lasa heloka bevava, fa rehefa nampiana “ni…ni” (andininy faha-69 ?) dia azo atao, ary rehefa hanakisaka ny datimpifidianana ny SADC sy PNUD dia mendrika sy rariny izany, fa rehefa ny FFKM no miantso fampihavanana ho amin’ny firaisan-kina dia anaovana adim-borontsiloza, kanefa voalazan’io tondrozotra (and.1) io izany. Io fampihavana io dia tokony arahina VDV (Velirano sy Dina ary Voady) ka izay no mety harafitra ho tondrozotra ary isika malagasy no nanao azy.

Lire la suite 0 commentaires

jeu.

25

avril

2013

Fa nikarama ohatrinona ry zalahy tao anatin’ity tetezamita ity ?

Tsy latsaka ny 5 miliara ariary ny vola entina hiatrehana ny fifidianana, raha te haka ny fon’ny vahoaka ny kandida iray. Misy zara raha nahaloa ilay latsak’emboka notakian’ny lalam-pifidianana izay ho ataon’ny olona hilatsaka ho kandida rehetra. Misy kosa anefa dia tena manana ny ho enti-manana rehetra ary mananika hatrany amin’ny 10 miliara ariary na mihoatra ny vola ho laniany amin’ity indray mitoraka ity. Vola anie izany rey olona, saingy toa tsy misy dikany amin’ny kandida iray mihevitra ny ho lany io vola io, satria rehefa tonga ao anaty fitondrana izy ireo, dia miverina io vola io ao anatin’ny volana vitsy monja. Eo no mahalasa saina ny mpitazana, satria iza no tsy mahalala ny fiainan’ireto kandida ireto raha vao niainga nanongam-panjakana izy ireo teny Ambohijatovo, fa mbola nangataka sigara tamin’ny namany teny antoerana aza ny sasany. Efataona aty aoriana, dia efa mikirakira miliara aparitaka ao anatin’ny fampielezankevitra izy ireny. Fa mba nikarama ohatrinona isambolana re ireo olona ireo tao anatin’izao tetezamita izao, sa nisy bizina hafa natao, ka tonga ny fotoana hampiderana azy e? Dia samia isika vahoaka mieritreritra, fa tsy misy olona hilalao vola fotsiny eo, fa ny tambiny no zakao. Raha toa ka tsy lany ireny kandida ireny, dia efa miomana ihany koa izay ho tafakatra eo, fa tsy maintsy miketrika ny fanonganampanjakana ireny olona ireny, ary dia ho korontana mandavan- taona no ho hita eto. Tsy izay ve no ilana ilay dinika haingana hiarahana amin’ny FFKM satria raha tsy voajery ifotony anie ity olana ity, ho zava-doza no ho hita eto e.

Lire la suite 0 commentaires

mer.

24

avril

2013

Sinoa sy Maorisiana ary Malagasy no manondrana andramena

Nandritra ny tatitry ny fihaonan’ny mpanao politika niaraka tamin’ny Ffkm notontosain’ny ankolafy Zafy tetsy amin’ny Tana Motel omaly maraina, no mbola namoahan’ny Filoha teo aloha Zafy Albert ny ampamoaka mikasika ny fanondranana ny « bois de rose » eto Madagasikara. Rehefa avy samy nanao ny tatitry ny kaomisiona nisy azy avy ireo mpikambana ao amin’ny ankolafy Zafy no nandray fitenenana sy nanatontosa ity ampamoaka ity ny Profesora. Antontan-taratasy maro mikasika ny fanondranana an-tsokosoko ny andramena no naseho ireo tonga nanatrika ity fotoana ity. Voatanisa ao anatin’ity antontan-taratasy ity ireo teratany sinoa sy maorisiana ary Malagasy miray petsapetsa ao anatin’izao fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena izao. Tsy manaiky mihitsy ny filoha teo aloha Zafy Albert fa tsy maintsy hampahafantarina ny Malagasy rehetra, hoy izy ny halatra be vava ataon’ireo olona vitsy amin’ny harem-pirenena. Manoloana ny fizirizirin’ny mpitondra ankehitriny sy ny fitsarana tsy mandray ny andraikitra mifanandrify aminy, dia nanambara ity filoha teo aloha ity, fa tsy maintsy hamaly sy tompon’andraikitra feno amin’izao fandrobana ny harem-pirenena izao ireo olona miray petsapetsa rehetra amin’ny fanaovana gaboraraka ny harem-pirenena. Tsy hijanona hatreo ny ampamoaka mikasika ireo raharaha maizina sy maloto eto amin’ny firenena, hoy ny filoha Zafy Albert, fa mbola hitohy ary hitohy matetika mihitsy tsy hahatompon-trano mihono ny vahoaka Malagasy izay tena tompon’ny harena eto amin’ity Nosy ity.

Lire la suite 0 commentaires

mar.

23

avril

2013

Manazava ny FFKM

“Tena nahazo fanasana tahaka ireo filohampirenena mirahalahy sy ny filohan’ny tetezamita, Atoa Ravalomanana Marc . An-dalana hanatitra ny fanasany ho eny Faravohitra izahay no nahazo toromarika hanatitra indray ilay fanasana eny amin’ny birao-pifandraisan’ny Sadc eny Ankorondrano. Tamin’io fotoana io ihany dia tonga teny amin’ny “ bureau de liaison” Sadc teny Ankorondrano ilay fanasana ny filoha Ravalomanana Marc hiatrika ilay dinika savaranon’ando tarihin’ny Ffkm ny 18 Arpily teo. Misy ny “ taratasy manamarina na “accusé de réception” hanaporofoana izany”. Fanazavana azo avy amin’ny mpikarakara ny fampihavanana nataon’ny Ffkm io. “ Tsy tara izany fa roa andro mialoha ny 18 Aprily no voarain’ny Sadc teto an-toerana io fanasana io. Raha ny fantatra dia izy ireo no tokony nandefa izany tany amin’ny biraon’ny Troika ary mandray ny fepetra rehetra ahafahan- dRavalomanana Marc niatrika ilay dinika”. Raha ity fanazavana ity dia tsy avy amin’ny Ffkm velively no antony tsy nanatrehan-dRavalomanana Marc ny fampihavanana nokarakarain’ny Ffkm. “ Raha ny vaovao azonay dia ny 19 Aprily vao tonga tany amin’ny birao foiben’ny Troika ny fanasana” hoy ity tompon’andraikitra eo anivon’ny Ffkm ity. “ Raha ny fahalalany azy dia somary nohamaivanin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ilay hetsika ary tsy noeritretin’ny mpikambana avy amin’ny Sadc teto antoerana fa hahasarika olona toy ireny. Izay no heverinay fa tsy naharototra azy ireo handefa ny fanasana any ivelany ahafahan’ny filoha Ravalomanana hiatrika ny dinika”. Toy izany ihany koa ireo tompon’andraikitra hafa eto amin’ny firenena. “ Ny filohan’ny tetezamita ohatra dia efa antomotra vao nanapa- kevitra ny ho avy satria nisalasala hatrany. Nihevitra mantsy izy fa tsy hisy dikany ary tsy hisy vokany loatra ny zavatra hatao. Efa hadiva hanomboka ny fanompoampivavahana vao niangaviana ireo mpitondra fivavahana hampihemotra kely ny fotoana satria efa eny an-dàlana ny filohan’ny tetezamita” hoy ihany ity tompon’andraikitra eo anivon’ny Ffkm ity.

Lire la suite 0 commentaires

lun.

22

avril

2013

Be no diso fa ilaina ny fanamarinana ny anarana

Ny 28 aprily izao no hifarana ny andro ahafahan’ny isam-pokontany manamarina ny anarany sy ny momba azy ao anatin’ny lisi-pifidianana. Mbola manana eo amin’ny herinandro noho izany ny olom-pirenena rehetra ahafahana manamarina ny anarany ao anaty lisi-pifidianana. Raha tsiahivina dia 20 andro no fotoana noferan’ny lalana fa ahafahana manao io fanamarinana io. Raha dila io fotoana io dia tsy misy na inona na inona azo hatao intsony. Raha ny teto Antananarivo manokana fotsiny, maro ireo anarana niverimberina , maro koa no diso na tsy tafiditra tao anaty lisitra. Nameno ilay karne izay nitetezan’ny olon’ny Ceni-T tokantrano anefa ireny olona samihafa ireny. Manalasala ihany ny hampahadio ny lisi-pifidianana raha ny eto Antananarivo renivohitr’i Madagasikara aza be no diso sy ny anarana miverimberina. Ny any amin’ny tany saro-dalana sy tsy mahay taratasy sady matahotra ny hiditra birao, inona no zava mitranga any? Fifidianana madio sy mangarahara ary handraisan’ny rehetra anjara sy hankatoavin’ny Malagasy sy ny sehatra iraisam-pirenena anefa no tanjona. Ilaina noho izany ny manamarina ny lisitra tonga eny amin’ny fokontany rehetra eny mba ahafahana manitsy ny diso sy mandrafitra ny lisitra tena izy farany, mialohan’ny fifidianana hatao ny 24 jolay izao. Ankoatra ny fandehanana mifidy mantsy dia zon’ny olom-pirenena rehetra ampy taona sy tsy very zo ny manamarina ny lisi-pifidianana mba tsy ho very zo rehefa tena tonga ny fotoana hanehoana ny safidy. Raha ny zavamisy eto amin’ny firenena ankehitriny ihany koa mantsy dia tsy misy aloha ny ankolafin’olona na vondrona politika nilaza fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana ary samy maniry ny hivahan’ny krizy haingana avokoa ny olom-pirenena rehetra.

Lire la suite 0 commentaires

sam.

20

avril

2013

Manosika ny malagasy ho any amin’ny ady an-trano

Tsy azo ahemotra intsony ny fifidianana! Izay no baiko ataon’ireo vahiny namatsy vola antsika, ka isan’io ny SADC raha nandao an’I Madagasikara farany teo izy ireo. Io fifidianana io izay heverin’ireto vahiny ireto, fa lalan-tokana hivoahana amin’izao krizy izao. Azo ekana izany, saingy mety hanosika antsika ho any amin’ny ady an-trano kosa. Fomba ahoana tokoa moa no afahan’ny Malagasy hiatrika fifidianana, nefa mbola misy Malagasy tsy mihavana akory, ka ny sasany mbola any ivelany fa tsy avela hiditra na handingana ny tanindrazany. Iza no tsy mahalala, fa maro ny pitsopitson-draharaha tsy mbola tomombana manoloana ny fifidianana izay hatrehantsika eto Madagasikara raha ho atao amin’ny volana Jolay ho avy izao ihany izany? Ilay tena fototra aretina eo amin’ny Malagasy anie no mila vahana, sy fongorina mba hisoroana ny fiverimberenan’ny krizy lavareny izao, saingy moa va efa nisy izay fisorohana ny korontana matetipitranga izay? Toa mitombina anie ny hafatra nampitain’I dadabe Ratsiraka raha nitanisa ireo firenena maro any ivelany izy, izay niatrika fifidianana, saingy toa korontana ihany no farany e. Sa izay no katsahin’ireo firenena vahiny ireo, mba afahany mitsabaka amin’ny raharaha eto, ka hitavanany ny harena eto. Mila mitandrina, ary ilana fandinihina ny fiainam-pirenena, fa tsy izay lazain’ireo vahiny ireo, dia ho arahina daholo, fa manana olona Hendry sy matsilo noho ireo anie isika e. Tsy aleo ve raisin’ny samy Malagasy amin’izay ny fandaminana ny raharaha eto, dia hitsanga-menatra ny vahiny e.

Lire la suite 0 commentaires

ven.

19

avril

2013

Tsy hanakorontana fa hiara- hamaha krizy

“Fitadiavana vahaolana eo amin’ny samy Malagasy amin’ny fo tony no antony hodiako an-tanindrazana, hoy ny Amiraly Ratsiraka, fa tsy mihevitra velively ny hanakorontana ny fireneko”. Efa ela aho, hoy ihany ny Amiraly no nilaza fa ny fihaonan’ny samy Malagasy no vahaolana tokana hamahana ity krizy lavareny ity. Ka mino aho fa izao ny fotoana hanaovantsika mpiray tanindrazana tsy anavahana miara mitady vahaolana maharitra. Mikasika kosa ny fihaonana karakarain’ny Ffkm dia nanambara ny Filoha teo aloha, Didier Ratsiraka fa efa ela no niandrasana ireto filoham-piangonana hanao izany. Tonga eo amin’ny fotoana ilàn’ny firenena azy tanteraka izany ankehitriny, ka tokony samy hifanome tanana amin’ny fanatanterahana izany an-tsakany sy andavany ny Malagasy rehetra. Ankoatra izay, dia tsy nilaza mazava ny heviny mikasika ny fifidianana kasaina atao eto amin’ny firenena amin’ny faha-24 jolay ho avy izao ny Amiraly. Ny mahamaika aloha sy tena andrasan’ny rehetra dia ny hisian’ny fifampiresahana tsy misorona mitondra ho amin’ny fampihavanana tena izy no tsara katsahina. Tamin’ity fahatongavany faharoa eto amin’ny Nosy ity dia mbola ao amin’ny Carlton Anosy ny Amiraly no mivantana, mandrapahatomombana, araka ny nambarany, ny trano honenany izay zony tanteraka amin’ny maha-filoha teo aloha ny tenany. Hatreto aloha dia mbola tsy nilaza ilay nambarany hatrizay ho vahaolana mahomby avy any amin’ny tenany manokana amin’izao krizy efa ho dimy taona izao ny Filoha teo aloha Didier Ratsiraka, ka mbola miandry ny rehetra.

Lire la suite 0 commentaires

mer.

17

avril

2013

Manome lesona ratsy ho an’ny taranaka

Havanana amin’ny famadihana ny olona miaraka aminy ny antoko AVI. Tsy mahamenatra azy ny manilika ny olona miara-dalana aminy omaly, fa ny anio ihany no fantany. Nilaza indray mantsy ny ekipan-dry Norbert Lala Ratsirahonana, fa ingahy Hajo indray no ho tohanany amin’ny fifidianana ho avy izao. Tsy mahagaga io, satria tsy levon’ny vavonin’izy i reo ingahy Edga rd Razafindravahy izay natolotry ny TGV. Etsy ankilany, dia mpikambana ao amin’ny kabinetran’ingahy Hajo tao amin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany ny birao politika sasany tao amin’ity antoko ity. Voafitra tanteraka izany ingahy Rajoelina raha nanolotra an’ity PDS eto amin’ny tanana ity, fa nikopaka elatra any amin’ity kandida iray ity ireto AVI ireto. Tsy niseho sehatra kosa omaly ingahy Norbert Lala Ratsirahonana, satria mbola hanao kongresy tsy ho ela hono ry zareo ireto e. Tsy misy mahataitra ny maro izao fivadibadihan-kevitra ataon’ny antoko AVI izao, satria ny olona niarahany tao an-dapa foana no hivadihany rehefa hitany fa hiongana toa an-dRavalomanana, ary mahazo an-dRajoelina io indray. Tsaroan’ny maro tsara ny nivadihany tampoka tamin’ingahy Johnny Raharindranto tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna teto Iarivo ka efa tao anatin’ny latsa-bato ny olona vao nilaza izy ireo fa tsy handray anjara, kay izy ity nanohana ny antoko Tiako Iarivo. Dia io misabaka tsy mijapy soavaly maty io foana no ataony e. Isan’ny henatra ary manome toetra ratsy ho an’ny taranaka ny tsy fananana foto-kevitra mazava toy izao, satria toa ny mamadika ny olona niarahany hatrany no talentan’ity antoko ity, koa ho gaga ve isika raha izao no hiafaran’ny fiainampirenena? Iza no tsy hino, fa ingahy Hajo io koa anie ka hivadihany ihany koa atsy ho atsy rehefa hitany fa ho rendrika ny sambo e.

Lire la suite 1 commentaires

mar.

16

avril

2013

Taratasy misokatra ho an'ny Tale Jeneralin'ny Fadin-tserànana

PV sady  tsy misy Sonia no sy tsy misy fitomboka ofisialy , didy jadona, fifanipaha-kevitry ny Douane samy Douane, tsy fahafahana manafatra sy manondrana entana: Hatraiza ny hetraketraky ny fadin-tserànana manoloana izao zava-mihatra amin'ny ankohonana aman-jatony izao?

Andriamatoa Tale Jeneraly hajaina,

Gaga sy talanjona ny tenanay naheno ny fanambaranao amin'ny haino aman-jery  milaza fa " efa eo anivon'ny Tribonaly io trangan-javatra io ". Izahay anefa milaza mazava fa hatramin'ny androany faha 15/04/2013 amin'ny 3 ora tolakandro, daty sy ora nanolorana ity ho an'ny Mpanao Gazety,  dia mbola tsy naharay na fampiantsoana (convocation) na fampandrenesana (signification) fa misy fitoriana mikasika anay napetraky ny Douane eny anivon'ny Fitsarana.

Ny raharaha misy dia izahay no nametraka fitoriana ny mpiasa sasany tao amin'ny Service Lutte contre la Fraude (SLF)noho izy ireo tsy teo imason'ny tompony, "nanova " (modifier) sy " nanimba " (supprimer) ny bases de données informatiques tao anatin'ny Disque Dur  nandritra ny fotoana nigiazana (réquisition) ireo fitaovana ireo. Izany dia voamarin'ny "  Expert informatique assermenté " voatondron'ny Tribonaly hanao constat ireo fitaovana ireo.

Na dia teo aza ny conférence de presse nataonay indrindra indrindra mba hampahafantarina ny manam-pahefàna ny zava-nisy, ny harivan'iny ihany dia nandefasanao taratasy sahady izahay nilaza ny tsy fahafahanay manondrana sy manafatra entana intsony. Noho izany, manao ity taratasy ity izahay mba ho hita fa tsy mitombona ny nataon'ireo mpiasa sasany ao amin'ny SLF :

1. Raisinao ho référence foana ny PV n° 045/SLF du 03/07/2012. Izy io anefa dia sady tsy misy cachet officiel no tsy voasonian'ny tompon'andraiktra nanao azy, ka mampanahy.

2. Io PV io ihany dia milaza fa tsy marina ny 60 déclarations natao tao amin'ny Douane, Izany hoe araky ny filazan'ny SLF izay ao main'ny Douane Antaninarenina. Gaga ihany izahay satria ny Service Douane Antanimena fanaovanay ny opération en douane rehetra dia manamafy sy manamarina fa ny 56 izay voalaza dia vita voamarina ara-dalàna fa efa vita fanambaràna ao amin'ny Douane. Ny 4 ambiny kosa dia mbola tsy voapetraka akory dia efa voalazan'ilay PV sahady hoe tsy marina ! Ny fanontaniana mipetraka dia Azo itokisana ve izany ny Mpiasa sasany ao amin'ny SLF izay namoaka fanapahan-kevitra mialoha  na dia mbola tsy nahita ireo dossier ireo akory aza ?

3. Ny volana Desambra 2012 dia ianareo ihany no nampiantso anay hanao " renouvellement ny AGLOMEP" ary tsy nisy filazàna na kely akory aza ny fisian'ny disadisa ara-doany teo amintsika roa tonta. Ny volana avrily 2013 kanefa ianao vao nampilaza fa tsy afaka manondrana sy manafatra entana intsony ny Orinasa FELINE.

4. Hantitranterina anefa fa ny FELINE DUTY FREE SHOP no misy disadisa eo anivon'ny Douane ao anatin'ity toe-javatra mitranga ity. Ny zavatra mbola mahagaga ihany koa anefa dia  ny taratasy n° 214/MFB/SG/DGD/D4/S41 tamin'ny 11/04/13 avy any aminao,  dia manasazy any orinasa FELINE iray manontolo (Duty Free Shop + Feline Parfums Beauté).  Izy roa ireo anefa dia  samihafa  mihitsy satria samy manana ny "Statut" tsirairay avy 

Andriamatoa Tale Jeneraly, manao antso avo aminao izahay satria ny fanapaha-kevitrao dia hisy fiantrakany ratsy eo anivon'ny fianakaviana 117.

Lire la suite 0 commentaires

mar.

16

avril

2013

« Zava-dehibe ny fisian’ny kandida maro »

Sarah Georget Rabeharisoa avy amin’ny antoko Maitso Hasin’I Madagasikara no kandida fahafito nametraka ny antontaratasy firotsahan-kofidiana teny amin’ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana, Ces, eny Ambohidahy. Vonona tanteraka amin’ny fifidianana ny antoko Maitso. Ny kandidà Sarah Georget Rabeharisoa no kandidà filoham-pirenena vehivavy voalohany nanatitra ny antontan-taratasiny teny Ambohidahy. Nambaranay nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety fa zava- dehibe ho an’ny firenena ny fisian’ny kandida maro, indrindra ny fisian’ny mpisolo tena ireo mpifanandrina fototra amin’ny krizy. “Azon’ny Malagasy dinihina sy iaraha- manaiky izany mba hisian’ny fitoniana sy hirosoana amin’ny fifidianana izay dingana amin’ny famerenana ny firenena tan- dalàna, hisorohana izay mety ho ady sy fifandonana ary hivoahana amin’izao krizy mamono n,y Malagasy izao” hoy izy. Momba ny fanelanelanana hataon’ny Ffkm dia nilaza ny filohan’ny antoko Maitso fa : tokony ho lanjalanjain’ny Ffkm tsara ny zavatra hataony mba tsy hivaona satria tsy mitovy amin’ny raharaha 1991, ny raharaha miseho eto amin’ny firenena ankehitriny . « Efa hatramin’ny 2010 izahay no nitaky ny hanaovana fifidianana fa tsy maha rototra loatra ny fanovana ny lalam-panorenana , aleo manana olona tsara sy zavatra ratsy, toy izay manana olona ratsy sy zavatra tsara », hoy ny Maitso. Tsy mbola te hikitika ny lalam-panorenana noho izany ity kandidà ity fa ny fampiharana an-tsakany sy andavany ny rijan-teny rehetra voasoratra no zava-dehibe aminy. Namafisiny fa na inona na inona soso-kevitra sy adihevitra eto amin’ny firenena dia tokony hitondra ho any amin’ny fanatanterahana ny fifidianana avokoa izany rehetra izany, raha tsy izay dia tsipahan’ny Maitso.

Lire la suite 0 commentaires

lun.

15

avril

2013

Manohana izay kandidà atolotry ny filoha Ravalomanana

“Tsy mbola voaroaka tao amin’ny antoko Tiako i Madagasikara aho ary tsy mihevitra ihany koa ny hiala ao anatin’io antoko io » , hoy Riana Andriamandavy VII izay napetraky ny kongresy nasionalin’ny antoko, ny 2008 ho mpandrindra ny tanora TIM. Nandritra ny fandaharana « Tsikaritra »tao amin’ny onjam-peo Aceem no nanambarany izany. Nama f i s i n ’ i t y tanora mpanao politika ity fa tsy mpamadika ny tenany ary mbola matoky 100% ny filoha Ravalomanana na nisy aza ny fidirany tao amin’ny governemanta Vital tamin’ny martsa 2011. “Maro no nanome tsiny anay tamin’ireny fotoana ireny fa mpamadika kanefa fitiavan-tanindrazana madio no natao mba hametrahana ny fiaraha-mitantana sy hizorana any amin’ny ara-dalana”, hoy Riana Andriamandavy VII. “Tsy mandiso ny eritreritro sy ny fanapahan-kevitra noraisina, ny fanarahan’ny ankolafy Ravalomanana ny dianay ankehitriny, ka nidirany ao amin’ny fiaraha-mitantana ny tetezamita, azo lazaina fa nitarika sy nialoha lalana ny namana aza izahay”, hoy izy. Nampiany fa izay kandidà atolotry ny ankolafy Ravalomanana sy tohanan’ny filoha Ravalomanana ihany no ho tohanany amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eo. Momba ny resaka demokrasia eto amin’ny firenena indray dia hentitra ny fanambaran’i Riana Andriamandavy VII. “Nomena tsiny sy nenjehana hatrany ny filoha Ravalomanana fa tsy nanaja ny demokrasia kanefa lazaiko am-pahibemaso eto fa nanaja ny fahalalahana miteny sy ny fahafahana maneho hevitra izy matoa nisy ireny tamin’ny 2009 ireny”, hoy ity ministry ny fizahan-tany sy ny asa-tanana teo aloha ity raha nampahatsiahy ny hetsika teo Ambohijatovo sy teo amin’ny kianjan’ny 13 mai izay nivadika ho fanonganam-panjakana avy eo. “Tsy hita ho afenina intsony fa izao fitondrana izao no tena tsy manaja ny demokrasia sy ny fahalalahana sy fahafahan’ ny olom-pirenena rehetra maneho hevitra ka miseho amin’ny endriny maro izany famoretana ny Malagasy izany “, hoy ihany Riana Andriamandavy VII. Ankoatra izany dia nanamafy ny tokony hamerenana ireo mpitsoa-ponenana politika any ivelany koa ity tanora Tiako i Madagasikara ity. Tsiahivina fa ankoatra ny maha-mpikambana azy ao amin’ny birao politikan’ny antokon-dRavalomanana dia efa sekretera jeneralin’ny antenimieran-doholona nandritra ny fotoana nitondran’ny filohany, Yvan Randriasandratriniony izy. Nisahana andraikitra ambony teo anivon ‘ny ministeran’ny fitsinjaram-pahefana nandritra ny taona maro ihany koa ity mpahay lalana nivoaka avy tamin’ny Oniversite fanta- daza tany amin’ny kaontinanta Amerikana ity.

Lire la suite 0 commentaires

sam.

13

avril

2013

Ny vahoaka hatrany no hizaka ny vokany

Tsy maintsy tratrarina ny 500 Ariary fatiantoka amin’ny fivarotana solika eto Madagasikara, hoy ny minisitry ny solika omaly. Efa ela izany no tokony ho nakarina, saingy ny fitsin- jovana ny vahoaka no tsy nampiakarana izany, toy ny fandalovan’ny rivo-doza Haruna izay nanimba zava- tra betsaka tany amin’ny Faritra Atsimo sy Atsimo andrefan’ny Nosy. Tsy atao indray man- deha avy hatrany ny fam- piakarana ny vidin-tsolika araka ny tokony ho vidiny, hoy ny minisitry ny solika atao miandalana mandra- pahatratra ilay banga 500 Ariary. Nolazain’ity minisitra ity ihany koa fa efa nanomboka tamin’ny volana janoary ny fiakaran’ny vidin-tsolika teo amin’ny tsena iraisam-pire- nena, fa ny teto amintsika no mbola tsy nampiakarina noho ny politika fanalefaha- na ampiharin’ny fitondrana Tetezamita. Fahasahiana politika no andrasana amin’ny mpi- tondra ankehitriny amin’ny fampiakarana ny vidin-tso- lika mialohan’ny fifidianana, raha mitombona tokoa ny filazan’ny minisitry ny solika amin’ny tsy maintsy ham- piakarana ny vidiny, satria amin’izao fotoana izao,izay tsy misy ady mitranga dia mihena aza ny vidiny solika eo amin’ny sehatra iraisam- pirenena. Tamin’ny volana janoary 2013 no nisy fiakarany eo amin’ny 3,4% ny vidiny soli- ka,tamin’ny faran’ny volana martsa kosa dia tsy nihoa- tra ny 110 dolara amerika- nina ny vidin’ny iray barika (baril). Nahoana no tsy mba misy fidianany mihitsy ny vidin’ny solika eto amintsika na midina hatrany amin’ny 14% aza ny vidiny solika eo amin’ny tsena iraisam-pire- nena mandritra ny volana maro, fa ny fatiantoka sy ny fampiakarana ny vidin- tsolika hatrany no ataon’ny mpitondra goan-tenda. M a h a g a g a s y mahavariana

Lire la suite 0 commentaires

ven.

12

avril

2013

Nitakoritsika teny amin’ny SADC

Ny alarobia hariva teo no nihaona tamin’ny tompon’andraikitry ny SADC miasa eto Madagasikara ny mpitarika ny sendikan’ny mpanao gazety eto Madagasikara. Fiantsoana nataon’ity vondrona SADC ity no nahatonga ireto mpitarika telo mianadahy ho eny, dia Rocco Rasoanaivo sy Gérard Rakotonirina, ary Lalatiana Rakotondrazafy. Isan’ny nodinihina tamin’izany ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara, izay nambaran’ireto mpanao gazety ireto, fa tsy misy fahalalahana izany asa fanaovan-gazety izany, raha jerena amin’ny antsipiriany, satria mbola maro ireo haino aman-jery mikatona eto Madagasikara. Tsy misy ny tena demokrasia, satria toa izay miaradalana amin’ny mpitondra no tena afaka misehatra maneho hevitra, raha raisina amin’ny nanjo ireo mpanao gazety tao amin’ny Free FM sy ireo tao amin’ny Radio Mada sy Fahazavana izay niharan’ny sazy henjana tokoa. Voadinika tao ihany koa ny resaka politika sy ny tontolon’ny fifidianana eto Madagasikara. Natsikafon’ireto mpanao gaety ao amin’ny sendikan’ny asa fanaovan-gazety ireo ihany koa ny tsy fahombiazan’izao fitondrana izao, ary indrindra ny fanitsakitsahana ny tondrozotra raha tsy hiteny afa-tsy ny andininy ao amin’ny faha- 16 sy faha-17. Mbola hitohy matetika izao fihaonana izao hoy ny teo anivon’ny SADC ary isan’ny singa ahafahany mahalala bebe kokoa ny ativilany amin’ny tsy fahombiazana ao anatin’izao tetezamita izao ny fihaonana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany.

Lire la suite 0 commentaires

jeu.

11

avril

2013

Fifidianana : mila Ar. 7 600 tapitrisa ny mpitandro ny filaminana

7 600 tapitrisa Ariary. Io no filàna angatahan’ny mpitandro ny filaminana Malagasy hampandriana fahalemana ny fifidianana izay hotanterahana eto amin’ny firenena. Nandritra ny resadresaka nifanaovan’ny tomponandraikitry ny seha- piarovana (Emmo- Nat) izay ahitana ny zandarimariam- pirenena, ny tafika ary ny polisim-pirenena omaly no nahafantarana izany. Ny vanim-potoana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana no hampiasana io lelavola io araka ny fanazavan’ny Jly Richard Ravalomanana, kaomandin’ny zandarimariam-pirenena. Manana ny anjara andraikiny amin’ny fampandehanana an-tsakany sy andavany ny fifidianana ny mpitandro ny filaminana. Nohamafisin’ireo tomponandraikitra ambony eo amin’ny foloalindahy omaly fa tsy mahazo manao politika ny mpitandro ny filaminana ary tsy tokony hanohana kandida.

Lire la suite 0 commentaires

mer.

10

avril

2013

Lasan’ ny Jeneraly Rabotoarison ny fandresena

Tamin’ireo rehetra nijoro nanoloana ny mpifidy, ary niaro ny firotsahany ho filohan’ity FFM na filan-kevitry ny fampihavanana Malagasy ity dia nahavita ny dingana voalohany ho amin’izany fifidianana izany ireo rehetra nandray anjara tamin’ilay fifidianana miafina nanomboka hatramin’ny omaly. Nitarika sy tsara toerana ny Jeneraly Rabotoarison Sylvain hatramin’izao. Izy dia anisan’ireo nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena hatramin’izay, ary anisan’ny nahazoany tombony ny fahaizany nandaminna ny fitantanan-draharaham-panjakana isaky ny ny misy ny fiovàna eto amin’ny firenena. Raha vato hatramin’ny 28 (izay roa ampahatelon’ny mpifidy) no no notadiavina mba hahalany eo amin’ny dingana voaloha dia nahazo vato 24 ny Jeneraly Rabotoarison Sylvain... Roapolo ny kandidà nifaninana tamin’ity toeran’ny Filohan’ny Ffm ity, izay Andriambavilanitra ny efatra, ary fihodinana faharoa vao nahatafavoaka izay ho Filohan’ny ireo mpikambanana miisa 44 ao anatin’ny Ffm. Miandry ity Andrim-panjakan’ny Tondrozotra ity ny rehetra ankehitriny amin’ny hamitany araka ny hetahetan’ny Malagasy marina izany fampihavanana izany manoloana izao krizy politika tsy ahitana vahaolana eto amin’ny firenena izao. Eo ankilan’izany koa ny finiavana avy amin’ny Ffkm hanohy indray ny asa fampihavanana eo amin’ny samy Malagasy dia maniry ihany koa ny maro raha afaka mifameno sy miara mitantsoroka amin’izany asa fampihavanana izany ny Ffm izay tarihin’Andriamatoa Charles Rabotoarison sy ireto Raiamandreny eo anivon’ny Fiangonana Krisitiana eto Madagasikara ireto. Tamin’ny 6 aprily 1944 no teraka ity manamboninahitry ny zandarimariam-pirenena ity ary efa minisitra nandritra ny fotoana maharitra nandritra ireo fitondrana nifandimby, efa nitoetra ihany koa ho senatera. Avy any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany ny tenany.

Lire la suite 0 commentaires

mar.

09

avril

2013

Efa resy ve ny fako sy ny lalana simban’Antananarivo ?

Hampandresy ny tolona sy handresy ny fahantrana no isan’ny tarigetra napetrak’i Edgard Razafindravahy voafidy ho kandidan’ny antoko Tgv amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Zon’ny olom-pirenena tsirairay mahafeno fepetra ny mirotsaka kandida filoham-pirenena kanefa ny asa vitany amin’ny sehatra misy azy dia efa itarafan’ny olona sahady ny mety ho vitany raha omena andraikitra ambonimbony kokoa izy. Be sahady anefa no velon’ahiahy sy mametra- panotaniana satria taratry ny fandrosoan’ny firenena ny fandrosoan’ny renivohitra. Iaraha- mahalala ny zavamisy eto an-drenivohitra ankehitriny. Mivangongo ny fako ary potika zara raha misy mpijery ireo lalàna nandritra ny nitantanan’i Edgar Razafindravahy ny tanànan’Antananarivo Renivohitra rehefa notendren’i Andry Rajoelina ho Pds izy taorian’ilay fanonganam- panjakana nitranga teto ny volana martsa 2009. «Ny an-tratra tsy lavo koa alaivo koa Rainilahy be » hoy ireo mpanara- baovao. Dika vilana Lamaody ankehitriny ity hoe mpitantanana an’Antananarivo renivohitra misondrotra grady ho filoham-pirenena ity. Izay lalana izay no arahina na ampanarahina an’I Edgard Razafindravahy ankehitriny. Ben’ny tanàn’Antananarivo renivohitra I Marc Ravalomanana vao voafidy ho filoham-pirenena ny taona 2002. Ben’ny tanàn’Antananarivo Renivohitra i Andry Rajoelina vao… nanongampanjakana sy nisora-tena ho « Raiamandrenin’ny Malagasy rehetra » tsy nandalo fifidianana akory ny taona 2009. Tsy ny vahoakan’Antananarivo ihany koa no nifidy an’i Edgar Razafindravahy hitantana ny tanàna nefa dia izy izao narotsaka ho kandidà ho filoham-pirenena hisolo an-dRajoelina izao. Fanaovana dika vilana an’i Marc Ravalomanana ny an’i Andry Rajoelina sy Edgard Razafindravahy hoy ny maro. Fifidianana filohampirenena no niakaran’i Marc Ravalomanana teo amin’ny fitondrana ny Repoblikan’i Madagasikara rehefa nitondra fandrosoana teto an-drenivohitra fony izy Ben’ny Tanàna voafidim-bahoaka.

Lire la suite 0 commentaires

sam.

06

avril

2013

Ny fisisihan’i Camille Vital no nampisintaka an’i Hajo Andrianainarivelo

Fomba hafa kely no nit- senana teny amin’ny sera- nam-piaramanidin’Ivato ity Praiminisitra teo aloha ity ny alin’ny 4 aprily tokony ho tamin’ny 11 ora alina,satria dia niantsoana mpanao gazety manokana mihitsy tamin’ity andro misasakali- na,izay nahitana ihany koa olona tompon’andraikitra ambony eo anivon’izao rafi- tra tetezamita izao sy olobe ao amin’ny antoko Tgv. Ora vitsy monja mia- loha indrindra ny fisoka- fan’ny zaikabem-pirenen’ity antoko naorin’ny Filohan’ny Tetezamita,Andry Rajoelina ity fahatongavana teny amin’ny seranan’Ivato ity, izay misy dikany lehibe eo amin’ny sehatra poli-tika. Ity zaikabe ity no tsy maintsy hanambaran’ny antoko Tgv izay ho kandi- dàny amin’ny fifidianana Filohampirenana ho avy izao, rehefa voatery tsy maintsy niala an-daharana ny Filoha mpanorina azy. Andro vitsy monja mia- loha ity zaikabe ity ihany koa no nanambaran’ny Visy Praiminisitra Hajo Andianainarivelo teny an- tanindrazany fa hirotsaka ho kandidà ny tenany. Ny Visy Praiminisitra izay fan- tatry ny rehetra fa mpia- ra-mitolona navitrika sy tanana an-kavanana akaiky indrindra ny Filohan’ny tetezamita nanomboka tamin’ny fanonganam- panjakana tamin’ny taona 2009 ka hatramin’io andro nanaovany fanamba- rana ho kandidà io. Izy no isan’ireo olona tsy niala teo amin’ny seza sy ny andrai- kitra nakinina tamininy nandritra ny rivotra nit- soaka nanozongozona ilay Tetezamiitatra! Voaporofo fa misy ny ady an-trano eo amin’ireo lohan’ny mpisorona ao amin’ity antoko milaza ho haingam-pandeha ity,satria taorian’nilay fanambaran’ny faha-15 janoary nataon’ny Filohan’ny Tetezamita fa tsy hirotsaka ny tenany dia efa maro ireo mpikam- bana ao amin’ity antoko ity no nitsipaka ny maha kandidà tokan’ny antoko Tgv ny Visy Praiminisitra Hajo Andrianainarivelo ny ampitson’io daty io raha tsy maintsy nanao fihaonana tetsy Ambodivona izy ireo. Nanendri-tena ho kandidà ihany koa ny Praiminisitra teo aloha Camille Vital, izay mbo- la tsy nahazo fankasi- trahana avy amin’ny antoko Tgv, saingy tsy nahoraka loatra toy ny fanambarana nataon’ny Visy Praiminisitra Hajo Andianainarivelo izany satria maro tamin’ireo mpikambana no nihevitra fa tsapatsapa fotsiny ihany no nataon’ny Praiminisitra teo aloha satria tsy mba isan’ireo nitolona teny an- kianja izy.Nijapy masinina hoy izy ireo izay!

Lire la suite 0 commentaires

ven.

05

avril

2013

Tsy hain’ny FFM akory ny atao hoe fampihavanana !

Nitana ny teniny hatramin’ny farany ny profesora Zafy Albert. Tsy nanaiky ny tambitamby hidirany ho filohan’ny Filan-kevitra ny Fampihavanam-Pirenena ny tenany. Tsotra ny antony. “ Efa rafitra niaraka tamin’ny Ct sy Cst ny Cnr fa tsy ny Ct sy Cst ary ny governemanta mihitsy akory no manangana azy. Tsy izy io Ffm io, ary izahay dia tsy handray anjara ao izany”. Raha ny nambaran’ny Profesora Zafy Albert dia “ efa izy no notendrena hitarika ny Cnr hatramin’ny Maputo sy Addis-Abeba”. Fanampiny izay dia tsy “ azo ekena ihany koa”, hoy ny filoha Zafy Albert” ny fanaovana tolotr’asa ireo mpikambana sy ny filohan’ity Ffm ity. Raha hita fa jiolahy ve sanatria anefa lany amin’ny tolotr’asa dia raisina ho mpikambana ihany? ” Aminy dia tsy tokony ataotao fahatany ny resaka fampihavanam-pirenena. Tsy ny olon-drehetra no tokony hanao izany. “ Mila fahendrena Malagasy io. Mila raiamandreny tena mahalala ny momba izany soatoavina izany. Tsy voatery olona fotsy volo akory fa rehefa mahalala ny lanjany sy mahafeno fepetra dia mety”. Ireo mpikambana ao amin’ny Ffm ireo dia tsy mahalala akory ny tena fototry ny krizy eto Madagasikara. Amin’ity profesora ity, izay niady ny hametrahana fampihavanampirenena hatramin’ny 2002 dia “ mila lazaina ny marina izay vao tadiavina ny vahaolana”. Ohatra mivantana noraisiny ny mahakasika ny raharaha hazo sarobidy. “ Manana dosie maromaro aho momba ny fanondranana ity hazo sarobidy ity. Dosie izay manaporofo fa misy olona ambony eto amin’ny firenena no voarohirohy ao. Rehefa tenenina momba izany anefa ny fitsarana, ny Bianco, na ny Samifin, dia milaza fa tsy azo tenenina ny anaran’ireo olona ireo satria “ gros bonnet”, olona ambony, lava-tanana ka tsy azo kitihina. Mila tenenina anefa izay tsy mety izay, dia avy eo miaraka mitady vahaolana. Izay no nampahomby ny fampihavanam-pirenena tany Afrika Atsimo”. Momba ny fampihavanana ataon’ny Ffkm kosa anefa dia nanambara am-pahibemaso ny profesora fa “mankasitraka ny ezaka ataon’ireo Raiamandreny am-panahy ireo ary nanome toky fa handray anjara ami’ny dinika ataony”. Tamin’ny 1991 dia ny Ffkm no angady nananana sy vy nahitana ny famahana ny olana hoy ny tenany. Ho marika ny maha rain’ny fampihavanana ny filoha Zafy Albert dia tonga nanatitra solombodiakoho sy fanomezana teny amin’ny trano fonenany ny ekipan’ny Fair Play, nahitana ireo movansy efatra. Izany no natao dia ho fankasitrahana ny fanatrehan’ny profesora ny lalao tamin’io fotoana io. Efa porofo izany fa tena mitady fampihavanana tokoa ny profesora.

Lire la suite 0 commentaires

jeu.

04

avril

2013

Tapa-tady ny soavaly vao

Nitsipa-doha lak anitàna! Tsy nasiany haja amam-boninahitra akory ny filohan’ny FAT izay nametraka tanteraka ny fitokisany tamin’ity namany akaiky ity. Isan’ireo tsy nokitikitihana teo amin’ny toerana nametrahana azy hatreny an-kianja ny VPM Hajo Andrianainarivelo, saingy izao nanipy ny palitao nampisalorana azy izao, ka nisafidy ny hianjaika amin’ny jaky nofolesiny samirery. Efa ela no nandrenesana fa tsy manaiky lembenana tsy hilatsaka ity ekipa solidan’ny TGV ity teo aloha kely teo, ary dia izao iaraha-mahita sy iaraha-mandre izao fa tsy niandry akory ny fahatanterahan’ilay kongresin’ny antoko nahafantarana azy ny tenany dia efa nanambara ho ren-tany ho rendanitra fa hirotsaka hofidiana tsy amin’ny anaran’ity antoko nisy azy ity. Vonona tanteraka ny hifaninana amin’izay atolotr’ireo ekipa nomeny ny tsipaka ambava- fo mihitsy ny tenany, ary manana fahatokisan-tena feno tokoa. Betsaka kosa anefa no velom-panontaniana hoe manao vazaha mody miady ve rizareo ireto? Satria toa tsy manana olona hatolotra hofidiana akory vao nanambara ny tsy hilatsaka ny filohan’ny FAT.

Lire la suite 0 commentaires

mer.

03

avril

2013

Manohana tanteraka ny antson’ny Ffkm amin’ny fampihavanana

Niverina tamin’ny fanapahan- keviny ny hanao tanàna maty ny 5 aprily izao ao anatin’ilay hetsika « Mitrakà, Mitsangana ! » n y V o n d r o n ’ n y Firaisamonim-pirenena sy ny olom-pirenena. Noraisin’ity farany izany fanapahan- kevitra izany taorian’ny antso nataon’ny Ffkm ho fanombohana ny dinika fampihavanana ny 18 aprily izao. Manohana tanteraka io antson’ny F f k m i o n y Vondron’ny Firaisamonimpirenena sy ny olom-pirenena ary efa mifampidinika isaky ny sehatra misy ny tsirairay avy mba hahatomombana izany. Mihevitra ny Vondron’ny Firaisamonimpirenena sy ny olom-pirenena fa manatanteraka ny adidiny amin’ny maha- Raiamandreny azy ny Ffkm raha niantso ireo hery politika sy firaisamonim-pirenena mba hifampidinika an-databatra boribory ny 18 aprily izao hikatsahana vahaolana maharitra amin’izao krizy politika tsy misy fiafarana izao. Ho an’ny Vondron’ny Firaisamonim-pirenena sy ny olom-pirenena dia mahavelom-panantenana ny fanohanan’ny praiministra ny antson’ny Ffkm. Mitory fandraisan’andraikitra izany mba hisorohana ny savorovoro goavana izay miandry ny firenena.

Lire la suite 0 commentaires

mar.

02

avril

2013

Ho vita, fa atao anatin’ny kitoatoa

Tsy mety fay, fa atao handrakandrana daholo ny fiainam-pirenena! Toa tsy misy dikany amin’ny olona izay nomena fahefana foana ireo fanakianana ataon’ny vondron’olona maro samy hafa, amin’izay lesoka hitan’ny mpiara-belona amin’izy ireo. Ekena fa tsy maintsy misy foana ny mpanakiana, ary ny lafatra mety tsy hisy fa ny manaiky ny tsara no ezahina, saingy aoka kosa tsy atao amin’ilay fomba fiteny mahazo vahana ankehitriny hoe misy mihaino ve izy ireny? Miditra amin’ny volana Aprily isika izao, ary efa antomotra ihany ilay daty hanaovana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena, saingy ny moa mba mahafantatra fa hisy fifidianana ho tanterahina ve ireo Malagasy mahatratra 22 tapitrisa? Vao mivoaka kely ny renivohitra dia efa maro no tsy mahalala izay resaka fifidianana izay, eny fa ny eto an-drenivohitra aza. Efabolana mialoha io fifidianana io ve dia afaka hiteny ny eo anivon’ny CENIT fa ho fantatry ny vahoaka rehetra ny pitsopitson’io fifidianana io? Sa izay hahavitan’ny latsa- bato no maika, ka na kitoatoa any aza io tsy olana? Isika zatra mpaka tahaka ny any ivelany, ary iza no tsy mahafantatra fa roa na telo taona mialoha ny fifidianana izay hatao ao aminy, dia efa mampahafantatra ny vahoaka ao aminy izy, nefa mbola misy aza tsy maharaka izany. Ny eto amintsika kosa, dia izao hiarahana mahita izao ny fomba fiasa, ary na dia efa maro aza ny manakiana momba ny fanomanana azy izao, dia toa tsy mampiraika ny olona hiantefan’ny fanakianana izany, fa toa ny ataony ihany no heveriny fa mety. Mba hanao ahoana re ny fiarovan-tena ataon’izy ireo aorian’ny latsa-bato, raha sanatria ka tsy mizotra any amin’ny tokony ho izy ity fifidianana ity e?

Lire la suite 0 commentaires

sam.

30

mars

2013

Hanomboka amin’ny 18 Aprily ny an’ny Ffkm

Raha mbola variana mitady izay izay filoha hita- rika ny Filan-kevitry ny Fampihavanana Malagasy, Ffm ireo mpikambana, ny Ffkm kosa dia efa nandro- so ny daty hanombohana ny dinika savaranonando. N y 18 Aprily ho avy izao dia miantso ireo antoko politi- ka sy ireo hery velona rehetra eto amin’ny firenena ireo ray aman-dreny am-panahy ao anatin’ny Ffkm. Tsy mbola fantatra aloha izay toerana hamoriana ny rehetra fa raha ny fanazavana dia “handeha isan’ambaratongany ity fam- pihavanana ity”. Miantso ny fandrai- san’anjara ny rehetra ny Ffkm satria “ heverina fa zava-dehibe ny firotsahana an-tsehatra ataon’ny filoham- piangonana 4 mirahalahy. Tsy nahomby mantsy”, hoy ny fanamarihana “ ny dinika nataon’ireo mpanao politika. Samy mihenahena avokoa ny rehetra anefa ny krizy miha- lalina ary dia very tanteraka ny soatoavina eo amin’ny samy Malagasy”. Ankoatra izay dia nampahafantatra ihany koa ny Ffkm fa mitohy ny hetsika fanampiana ireo havana traboina any Atsimo. Ny 14 Aprily ho avy izao dia hisy ny fanompoam-pi- vavahana lehibe karakaraina ho azy ireo. Fanompoam- pivavahana iraisam-pinoana no nentin’ny Ffkm nahat- siarovana ny andron’ny 29 Martsa tetsy amin’ny Fjkm Analakely. Fanompoam- pivavahana izay nanomboha- na sahady ny fampihavanam- pirenena satria dia hita teny an-toerana avokoa ireo hery politika rehetra eto amin’ny firenena, ary natambatry ny Ffkm tamim-bavaka

Lire la suite 0 commentaires

jeu.

28

mars

2013

Tsy misy fanadianan mihemotra amin’ity taona ity

Rehefa nijoro sy nandahatra ny resany eo anatrehan’ny mpampahalala vaovao ny minisitra miadidy ny fanabeazam-pirenena Manoro Régis dia anisan’ny nanaitra ny fitanisany ny tarehi-marika maro samihafa ho amin’ny fampandehanana ny minisitera izay sahaniny. Tsy sarotra noho ny CEPE blanc tokoa angamba ny fitanatanana ny ministera iray satria indraindray dia tsy fantatra hoe inona moa no tokony hitanisana tarehimarika kanefa tsy fantatra mazava ny tanjona tiana ho lazaina ? Ny fomba fiatrehana ny fitokonana ny SEMPAMA dia efa mazava ny vava nataon’ny minisitra tamin’ny fotoan’andro fa tsy misy antony hitanisana izany intsony akory, fa ny somary naha hafahafa ny raharaha dia misy fitakiana toa manaraka ny lôjika indray ankehitriny dia ny mikasika ny datim-panadianana ho an’ireo kilonga tokony hiatrika izany. Efa vonona daholo ve ny hoenti-manana sy ny fiatrehana izany fanadinam-panjakana izany ? Ahemotra sa atao ahoana raha tena nisy sy nanova ny fandaharampianarana tokoa ny ranobe sy ny fahavoazana amin’ireo foto-drafitrasa any atsimon’ny nosy ? Raha ny fanazavan’ny ministra Manoro Régis dia mbola tsy azo ny maro anisan’ireo mpampianatra miverina mampianatra fa mbola eo amin’ny 75% n’ny mpampianatra (ihany) no nanomjy ny asany indray any atsimo andrefana any. Tsy afaka manapaka ho amin’ny ho fanemorana na tsia ny datim-panadianan any ministera, hoy ny fanazavany raha tsy efa an-tenda ny aina (?). Fa inona izao no dikan’ilay 75% notononina ? Rehefa ahemotra dia ahemory, rehefa tsy ho vita ny fandaharam-paianarana dia tsory, ary rehefa te-hanamafy ny « teny maharary » fanao dia lazao fa tsy misy datim-panadiana mihemotra izany eto na any anaty rano aza no mianatra ny mpianatra.

Lire la suite 0 commentaires

mer.

27

mars

2013

Hihinan’ny tadiny ny tsy mahay manoratra

Efa-bolana eo ho eo sisa dia higadona ny fotoana hanaovana ny fifidianana, raha hisy. Efa-bolana hiatrehana zavatra maro, nefa toa tsy mampiraika ny mpitondra, indrindra fa ireo mikarakara fifidianana izay hatrehantsika tsy ho ela. Inona no politika napetraky ny CENIT mba hanafainganana ny fahafantaran’ny olona ity latsa-bato ity, satria mbola maro be no tsy mahalala na hisy izany fifidianana izany na tsia? Raha vao miala kely ny renivohitra fotsiny ianao, dia efa manjavona amin’ny tantsaha izany fikasana hametraka filoham-pirenena lanimbahoaka izany. Ny lisitry ny mpifidy aza tsy fantatra mazava hoe firy no afaka handatsa-bato. Ahoana ihany koa ity resaka bileta tokana ity, satria maro be amin’ny Malagasy anie no tsy mahay mamaky teny sy manoratra e. Ny mitazona penina aza tsy hainy, koa fomba ahoana no hahafantarany izay olona tiany hitondra ny tany sy ny firenena. Firy taona izay niezahan’ny fanjakana hampianatra ny Malagasy rehetra izay, saingy mba voavinavinan’ireo olona mampiditra any amin’ity bileta tokana ity ve fa hatramin’izao dia mbola mananika ny 75% ny gasy no tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Ahiana ny hisian’ny hala-bato manarapenitra raha izao fandehany izao no jerena, satria tsy mba nisy fampiharana akory izay fiovana izay, fa avy hatrany dia any am-bovonana no ataon’ny sasany. Tsy aleo ve nampiharina tany amin’ny fifidianana sefom-pokontany aloha, ary notohizana any amin’ny ben’ny tanàna izay vao depiote ity bileta tokana ity vao nalefa any amin’ny fifidianana izay ho filohampirenena, mba hita tsara ny fizotrany, fa ity andrakandrana ity ihany anie no ahitandoza e. Ny azo antoka aloha, dia ho be ny Malagasy hihinan’ny tadiny amin’ny safidiny amin’ity fifidianana ity, satria any amin’ny firenenkafa efa ny daty hanaovana ny latsa-bato sisa andrasana dia mizotra ny resaka rehetra, fa ny antsika kosa mba ahoana?

Lire la suite 0 commentaires

lun.

25

mars

2013

Oksizena fitazomana aina no natolotra

“Niteraka totozy ny tendrombohitra be”, hoy ny fitenenana. Tsy araka ny niheverana azy ny fihaonana teo amin’ny filohan’ny tetezamita sy ny fikambanan’ny mpianatra mandray vatsim-pianarana mandrato fianarana any Chine. Vatsim-pianarana 2 volana amin’ny 11 volana tsy mbola voaloa no fantatra fa ho azon’ireo mpianatra. Maro anefa no nihevitra fa vahaolana maharitra fa tsy ho vahaolana vonjy tavan’andro no hivoitra avy amin’ny fihaonana. Araka ny nahafantarana azy hatramin’izay, matetika no voavaha manontolo ny olana rehefa entina eo anatrehan’ny filohan’ny tetezamita. Tsy izany anefa aloha nitranga tamin’ny fihaonana nataony tamin’ny mpianatra malagasy tany Chine. “Araka ny resaka nifanaovana, manantena ireo mpianatra fa ho tanterahina ny fampanantenana nataon’ny filohan’ny tetezamita ny amin’ny hanasoniavana amin’ny alatsinainy 25 marsa (Ndlr : Anio) ny anton-taratasy mahakasika ny fandoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra roa volana mba hamahana ny olana, amin’ny ampahany, izay atrehin’ny mpianatra eto Chine”, hoy ny taratasy fisaorana nalefan’ny fikambanan’ny mpianatra any Chine ho an’ny filohan’ny tetezamita taorian’ny fihaonan’ny roa tonta tany Macao, Chine.

Lire la suite 0 commentaires

sam.

23

mars

2013

Manomboka ny fitakiana trosa amin’ny endriny samihafa

Fisaka ny marina ka saro-tadiavina kanefa tsy misy takona izay tsy haseho hoy ny fitenenana. Mbola mifono mistery mandrak’ ankehitriny ny alatsinainy mainty 26 janoary 2009 saingy tsinjo fa efa manom- boka kosa ny fitakiana trosa amin’ny endriny samihafa mikasika iny raharaha iny. . N ibaribary tamin’ny raharaha mampi- fanolana ny trano fiantohana Ny Havana sy ny orinasa Polo Garments Madagascar “Pgm” fa manomboka ny fitakiana trosa tamin’ireny fandrobana sy fandorana fananan’olona niseho ny 26 janoary 2009, alatsinainy mainty. Ny fitondrana Malagasy, izany hoe ny vahoaka Malagasy, no zary lasa miba- by ny hadalan’ny sasany. Tsy afa- nanoatra ankoatra ny fanaovana tora- po sy ny fit- serana ireo orinasa Malagasy nitondra faisana tamin’iny fandrobana iny ary tsy mbola nisy nahazo fanonerana hatra- min’izao. Ity orinasa Belza, Pgm izay anisan’ireo voaroba ity kosa anefa dia nitaky ny zony tany amin’ny tranom- piantohana Ny Havana ary nampiakatra fitsarana ny raharaha. Nivoaka ny didim- pitsarana ny volana oktobra 2010 izay milaza fa tokony handoa onitra 14 000 000 000 Ar mahery amin’ny orin’asa Pgm ny tranom-piantohana Ny Havana. Mbola noha- mafisin’ny fitsarana ambony io didy izay navoakan’ny fitsarana ambaratonga voa- lohany io, satria tsy afa-po tamin’ny didy izay nivoaka ny tranom-piantohana Ny Havana tamin’ny taona 2011. Vokatr’izany dia mety hogia- zana ny kaontin’ny fanjakana Malagasy any ivelany raha tsy voaloa io onitra io. Mihevitra ny mpanara- baovao fa fanombohana fot- siny ihany io an’ny Pgm. Tsy maintsy hitaky onitra ireo orinasa hafa niharan’ny fan- drobana tamin’io alatsinainy mainty io, na ho ela na ho haingana sy amin’ny fotoa- na mahamety azy. Mitentina amina miliara maromaro mantsy ny fatiantoka ary toa vitavita ho azy izany ankehi- triny. Tsy izay lafiny ara- bola izay ihany anefa no mety hisian’izay fitakiana ny tro- san’ny 26 janoary 2009 izay fa mety hiseho amin’ny lafiny hafa. Am-polony maro ireo olona maty sy may kilan’ny afo ary mampanahy be ihany ny tena tao ambadik’ireny. Misy ireo milaza fa “fomba nampanginana” izay mety ho “vavolombelona manelingeli- na” tamin’ny fandrafetana ny tetika fanomanana sy fanatan- terahana ny alatsinainy main- ty ireny fatiolona natao kitoza ireny. Ireo olona an’hetsiny maro very asa vokatry ny alatsinainy mainty ihany koa dia hitaky ny marina

Lire la suite 0 commentaires

ven.

22

mars

2013

Mitaky ny hifidianana ny filoham-pokontany

“ Takianay mba ho amin’ny alalan’ny fifidianana, andraisan’ny olompirenena feno taona anjara, no iakaran’izay olona ho eo amin’ny toeran’ny filohan’ny fokontany”, hoy ny Fikambanana fokontany Antananarivo-Renivohitra, Fifar 192. Nisy ny feo mandeha fa mety ho tendrena ny olona tiana hatao ho filoham-pokontany fa tsy fidiana. “Ny mpanao politika sy ny mpitondra politika no manao ny fanendrena ny filoham-pokontany, ka tsy azo antoka ny tsy hiandaniany amin’ny mpanendry azy, rehefa tong any fotoam-pifidianana. Ho anay Fifar 192, mifono hevitra politika politisiana izany. Tsy tongatonga ho azy ny fitakian’ity fikambana ity satria niaraha-nahita fa nongotana teo amin’ny toerany avokoa ny ankamaroan’ireo sefo Fokontany taoriana kelin’ny fanonganam- panjakana tamin’ny 2009 ireny. Notsindriany manokana koa fa very ny kolontsaina nanome hasina ny fokonolona hisafidy izay heveriny hitantana ny fokon-tany onenany ka ny hamerina izany soatoavina izany no anisan’ny tanjona amin’izao fitakiana izao. Notsiahiviny, araka izany fa tamin’ny andro fahampanjaka dia nofidiana ireo mpitondra teny”, hoy ny filohan’ny fikambanana, Bernard Joseph. Tsy zavabaovao akory ny fifidianana ny filoham-pokontany fa efa nianantsika. “Raha mitaky io fifidianana io izahay dia tsy ny hanongana velively ireo filohan’ny fokontany ankehitriny no antony fa famerenana ny efa fomba fiasa teo aloha Ny fokontany na ireo mpitondra eo anivon’ny fokontany dia antoka amin’ny hisian’ny fifidianana mangarahara hatao eto amin’ny firenentsika, na io fifidianana ho filoham-pirenena, na solombavambahoaka, na ben’ny tanàna. Izy ireo no anisan’ny tompon’andraikitra amin’ny fandrafetana ny lisitry ny mpifidy eo amin’ny fokontany sy manamarina ny lisitra mba hisorohana ny anarana voasoratra indroa mahatonga ny hosoka. Miteraka ahiahy be ihany ny ho fomba fiasany raha toa ka tendrena ny olona hitantana izany fokontany izany. Mametra-panontaniana izy ny hoe nahoana no ny fokontany eto an-denivohitra ihany no tendrena kanefa ny tany amin’ny faritra hafa aza ireny niaraha-nahita ireny fa na dia naverina in-droa aza ny fifidianana mbola ilay teo aloha ihany no lanim-bahoaka

Lire la suite 0 commentaires

jeu.

21

mars

2013

Hanao filaharam-be ny 29 martsa izao

Ho fanoherana ny vonomoka nataon’ny Frantsay sy ny namotehany ny kolontsaina Malagasy ny taona 1947, dia hampiseho hery eo anoloan’ity firenena ity ny vahoaka Malagasy amin’ny datin’ny 29 martsa izao. Hisy f i l a h a ram-be izay ataon’ny ankolafy Ravalomanana hiainga etsy amin’ny Magro Behoririka, ka hipaka eny Ambohijatovo amin’io daty io. Diabe ampilaminana no hatao, ary hanatitra voninkazo eo amin’io tsangambaton’ny Tia tanindrazana io ireto zanaky dada ireto. Raha ny tsialian-tsofina re dia ny tolakandro no hanaovan’izy ireo ity hetsika ity, ary heno fa hiditra mivantana amin’ireo olona izay hanoina ny antso amin’io fotoana io ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Be tamin’ireo nandre ity hetsika ity no nilaza fa hasehontsika amin’io fotoana io ny tsy fankasitrahana ny politikan’ny Frantsay izay ampiharina eto Madagasikara, satria io firenena iray io no tena atidoha tamin’ny fampiasana vola ho an’ny mpanongam-panjakana teto ny taona 2009 ireny, nefa mbola mitohy hatramin’izao. Asa na mba ho tonga saina amin’ny fampiadiana ny vahoaka ao amin’ny firenena iray ireto Frantsay ireto aorian’io, na tsia, fa ny olona aloha, dia hampiseho hery amin’io daty io, ho fahatsiarovana ireo Malagasy tia tanindrazana naripak’ireto Frantsay nampahory ny mpiray tanindrazana ireto.

Lire la suite 0 commentaires

mer.

20

mars

2013

Mipaka eny ambony lovian’ny Malagasy

Mipàka eny ambony lovian’ny Malagasy ny fahantrana lalina ankehitriny. Tsy afa-manoatra intsony ny valalabemandry noho ny fitontonganan’ny fahefa-mividiny. Hita taratra eny an-tsena rehetra eny ny fahambanian’ny vola eo am-pelatanany. Mampivarahontsana ny mahita ireo famarana, ohatra mazava, eny amin’ny mpivaro-boanjo izay efa atao amin’ny boaty kely vy fotsy na amin’ny saro-tavoahangy mihitsy aza. Ireny fanatsarana tsiron-tsakafo amin’ny endrika kioba kely ireny izay efa tena kely dia mbola vakiana mizara efatra indray satria tsy voavidin’ny vahoaka intsony izy iray manontolo, fa ny ampahaefany ihany. Ny tanjona sisa dia izay mba hampisy tsirony kely izay zara fa sakafo mba hita hohaniny eo. Mihamisy tsikelikely ihany koa ireo olona izay tsy mahavidy afa-tsy vary tapa-kapoaka sisa na amin’ny famarana mbola kely nohon’ny kapoaka aza. Efa mihamahazo laka ihany koa ny fampiasana fantsika ho solon’ny vato mizana, fa tsy voavidy intsony ny zavatra mifandanja amin’ireo vatomizana ara-dalàna sy marina. Ny fanjifana menaka dia zara ny sarababem-bahoaka mividy ariary zato na roanjato eo amin’ny fiainany andavan’andro. Mampibaribary ny fahasahiranana lalina atrehin’ny vahoaka isan’andro ireny famarana bitika ireny izay zary fahazarana ankehitriny. Raha mbola mitohy izao zavamisy eto amin’ny firenena izao, asa hanao ahoana ny endrik’izay famarana ampiasaina izay any aoriana kely ?

Lire la suite 0 commentaires

mar.

19

mars

2013

Ny fomba teo aloha ihany no miverina

Vaky vava amin’ny gaborakaka misy eto amin’ny firenena i Jean Michel Rasolonjatovo, mpitsara ao amin’ny “ cour des comptes”. Raha ny fahitany ny toe-draharaha amin’izao dia “ ny fomba teo aloha ihany no miverina fa ny olona fotsiny no miova. Mivangongo amin’ny filoha avokoa ny fahefana rehetra” hoy ity mpitsara ity. “ Ny famoaham- bola, ny fanirahana olona hanao fanadihadiana na police judiciaire. Mbola ny filoha ihany koa no manana ny teny farany amin’ny famoahana didim-panjakana. Ny olana anefa dia sady tsy azo henjehina no tsy azo tsaraina ny filoha indrindra fa eny amin’ny Bianco”. Raha ny soso-kevitra avy amin’i Jean Michel Rasolonjatovo, dia “ mila manova rafitra isika eto Madagasikara vao afaka mahazo fandrosoana. Ny fitsarana atao tena mahaleon-tena ka apetraka tanteraka ny “justice indépendante” ka tsy afaka mitsabaka amin’izany ny filoha . Omena any toerana sahaza azy ny parlemanta izay tena nofidian’ny vahoaka ka masimandidy ihany koa amin’ny fanaovana ny làlana eto amin’ny firenena”. Ohatra mivantana noraisiny moa ny zava-misy any Etazonia. “ Na filoham-pirenena aza Barack Obama, ka misy fanovàna heveriny fa mahatsara ny firenena dia tsy maintsy ampandalovina eo anatrehan’ireo parlemantera izany. Raha mitsipaka io làlana io ny parlementera dia mijanona hatreo ilay soso-kevitra. “ Ny fifandanjan-pahefana, fitsarana mahaleo- tena ary fanaraha-maso ny fiainam-pirenena sy ny fitondrana firenena” no mila apetraka raha te hanana fitantanana mahomby sy firenena tan-dàlana.

Lire la suite 0 commentaires

lun.

18

mars

2013

Nodoran’ny olona ny fiaran’ny mpaminany Mailhol

Tezi t ra ny olona nanatri-maso, hoy ny vavolombelona iray nahita ny niatombohan’ny sahotaka niteraka ny fahamaizan’ny fiara 4X4, voalaza fa an’ny Fikambanana Apokalipsy, tarihan’ny Pasitera Mailhol. Tamin’ny sabotsy alina, tokony tamin’ny 7 ora sy sasany no nisehoan’ny tantara, teny Ambohipo. Nandalo ny cortège notarihan’ity pasitera mpaminany ity, araka ny nambaran’ ireo nanatri-maso, ka efa dila ny fiara nitondra an’I Pasitera no nisy olona niampita tampoka nanapaka ilay cortège tao aoriana. Tezitra ny mpiambina ny Pasitera Mailhol, hoy ihany ny mpitantara ka voalaza fa nikasitanana, naomono io olona niampita io. Vetivety dia vory ny olona, ary tsy nifandrenesana ny taim-bava toy ny hoe izany ve no hitondra firenena, sns…Nisy ny fifamaliana hoy ity mpitantara ka nampirongatra ny hatezeran’ireo vahoaka, ary ny niafaràny dia nisy nandoro ilay fiara 4X4. Nisy moa ny resaka hoe nandritra ny fandalovan’ity cortège ity dia nosakanana ireo fiara hafa ka ireo mpamily taxi-be no nanapaka ilay cortège. Mitondra fanazavana kosa ny eo anivon’ny Fikambanana Apokalipsy, araka ny valan-dresaka nataony tamin’ny mpanao gazety omaly alahady maraina. Tamin’ny fandalovan’ity fiara 4X4 an’ny mpiambina an’ I Pasitera ity dia nisy tovolahy roa nanompa azy ireo. Tezitra ireo ka nivoaka ary nisambotra azy roalahy dia nanatitra azy tany amin’ny biraon’ny polisy noriborintany faharoa. Nanomboka teo dia nisy ny tora-bato hoy ireto avy ao amin’ny FAM ka nahasimbàna ilay 4X4. Niverina ny pasitera Mailhol niezaka nandamina saingy niafara tamin’ny fahamaizan’ilay fiara. Nanambara ireo vahoaka teny an-toerana hoy ny pasitera Mailhol fa tsy I pasitera no olana amin’izy ireo fa ilay mpiambina azy. Navoakan’I pasaitera ireo tovolahy roa ary niaiky fa nohararaotin’ny sasany ny fahadisoana kely nataony. Omaly alahady dia namory ireo olona eny Ambohipo ny pasitera Mailhol, namitram-pihavanana ary nanambara fa handraisany fepetra io mpiambina io ka ho soloina mpiambina tsara ofana. Tsy nitory ireo nandro ny fiara koa izy ary misaotra ny vaomieran’ny filaminana eny an-toerana.

Lire la suite 3 commentaires

sam.

16

mars

2013

Fandrodanana ny fanjakana « dia »

Ireo rehetra tonga teny amin’ny La Rotonde dia samy niaraka niaiky “ fa fan- jakana gaboraraka,tena tsy mandeha amin’ny laoniny, fanjakana dia”no misy eto amin’izao fotoana.Raha ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo nandaha-teny izay nahitana mpandraha- raha, mpitsara, mpitondra fivavahana, olon-tsitra fa indrindra indrindra mpa- nao politika dia nanama- rika avokoa ny fandoli- han’ny firenena Malagasy amin’izao fotoana. Rehefa samy resy lahatra ny rehetra ary dia samy nanao velirano fa “ dia hanambatra ny hery ary dia hiaraka handrodana izao fanjakana misy eto izao ka hametraka amin’ny fomba rehetra ny fanjakana tan-dàlana”.Ho an’ny rehe- tra dia tena ilaina ny fame- renana ny fanjakana tan- dàlana eto satria” potika vokatry fanonganam-pan- jakana ny teo-karena sy ny fihariana eto”.“ Nanomboka tamin’iny fanonganam- panjakana iny”hoy ny pro- fesora Raymond Ranjeva izay mpitarika fotsiny ihany ny lahadinika“ dia tsy misy mpandraharaha ara-dàlana “ hommes d’affaire”eto,fa “ bandits d’affaire”no misy satria lasa gaboraraka ny fidirana sy ny fandrahara- hana eto.Vokatr’izay gabo- raraka izay,dia manao izay danin’ny kibony ireo mpan- draharaha ireo ary mame- traka ny fepetrany amin’ny fampiasany vola eto”.

Lire la suite 0 commentaires

ven.

15

mars

2013

Nanefa izay ho vitany ny Japoney

Teo anatrehan’ny ministry ny fitantanam-bola Rajaonarimampianina Hery, ny ministry ny ati-tany Rakotoarisoa Florent, ny filohan’ny Ceni-T Atallah Béatrice no nanaovan’ny ambasadaoron’i Japoney miasa sy monina eto amintsika sy ilay solon-tena maharitry ny Pnud ny fanaovan-tsonia ny tonom-bola ho amin’ny fanatanterahana ny fifidianana eto amintsika. Tafiditra indrindra ao amin’ny fanampian’ny sehatra iraisam-pirenena ny fanatanterahana ny fifidianana izao ezaka izao. Ny fanjakana Japoney dia anisan’ireo firenena tsy nisaraka tamin’i Madagasikara hatramin’ny taona 1969 no mankaty raha ny fanazavan’ny ministry ny fitantanam-bola satria nahatratra hatramin’ny 88.000 tapitrisa Yens ny vola fanampiana nataon’ny Japoney teo amin’ny sehatry ny fambolena, ny tontolo iainana, ny fanamboaran-dalana ary indrindra ny fanampiana amin’ireo tetikasa amin’ny fitsinjovana ny mahaolona amin’izao vahaolana ialàna amin’ny krizy politika eto amintsika izao. Mitentina 1,1 tapitrisa dolara Amerikana kosa no natonton’ny Japoney ho fanampiana amin’ny fifidianana izay vao vita sonia omaly. Ny filohan’ny Ceni-T Atallah Béatrice kosa dia nanamarika fa efa mahatoky ny ho fahatanterahan’ny fifidianana sy ny rehetra fanomanana izany ny sehatra iraisam-pirenena raha tarafina amin’izao fihetsika nasehon’ny Japoney izao.

Lire la suite 0 commentaires

jeu.

14

mars

2013

Tsy manana fahefana handroaka azy hiverina any Afrika Atsimo ny fanjakana

Maro ireo fianakaviana sy namana manao fangatahana hihaona amin-dRtoa Lalao Ravalomanana. Maniry ny hihaona aminy mialoha ny fotoana hiverenany any Afrika Atsimo izy ireo. Ireo mpitondra fivavahana ao amin’ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana (HMF) izao dia efa nampahafantatra fa “maniry ny hitondra am-bavaka ny fianakaviana indrindra fa Neny, amin’izao fitsapana mahazo azy izao”. Somary tery ihany mantsy ny fotoana satria raha ny fantatra dia voafetra ny fotoana handalovan’I Lalao Ravalomanana eto. Ny fahasalaman’I bébé Razay no tena zava-dehibe ka io no hamaritra ny fotoana hodiany hamonjy ny filoha Ravalomanana indray. Raha ny hetatehan’ny maro dia afaka mivezivezy eto an-tanindrazana amin’izay ny tenany satria olom-pirenena manana ny zony izy sy ny fianakaviany. Izy rahateo tsy misy raharaha mahakasika azy eny amin’ny fitsarana. Raha ny nambaran’ny mpahay làlana iray dia tsy manana fahefana ny handroaka an’i Lalao Ravalomanana sy ny vinantolahiny ho any Afrika Atsimo ny fanjakana, indrindra moa fa raha tsy misy ny fanohintohinana heverina fa hitondra korontana. Noporofoin’ny ankolafy Ravalomanana farany teo tamin’ny fahatongavan-dRtoa Lalao Ravalomanana sy Thierry Radavidra fa tsy avy aminy ny hisian’ny korontana. Ny azo antoka aloha ary efa nohamarinin’I Lalao Ravalomanana dia hijery ny fomba hanodinana indray ny Tiko ny tenany. Tsy afaka mandà ny hanatontosana izany ny fanjakana satria tsy misy idirana resaka politika izany. Fitodihana amin’ny fihariana eto amin’ny firenena izany fa indrindra tena hifantoka amin’ny sosialin’ny mponina satria ny vondron’orinasa Tiko dia isan’ireo orinasa malagasy nampiasa Malagasy be indrindra teto amin’ny firenena. Heverina fa tsy hanana olana amin’ny fiverenan’ny Tiko miodina ny fitondrana tetezamita, satria hanampy azy amin’ny resaka fidiram-bola ao amin’ny kitapom-bola-panjakana izany. Na dia ny ankamaroan’ireo mpitondra ao amin’io fitondrana io ihany no naniraka hanapotika ity orinasa vita Malagasy ity.

Lire la suite 0 commentaires

mer.

13

mars

2013

Arovana toy ny “Première Dame” hoy ny Kolonely Florens Rakotomahanina

Tao anatin’ny firahalahiana tanteraka no nizoran’ny fihaonana teo amin’ny CIRGN sy Rtoa Lalao Ravalomanana ary ny fianakiavana ny tolakandron’ny omaly teny amin’ny trano fonenany teny Faravohitra. Raha ny nambar a n ’ n y k o l o - n e l y F l o r e n s Rakotomahanina dia, “ Ny CIRGN (fari-piadidiam-paritry ny zandarimariam-pirenena) izay iandraikiteny no hiantsoroka ny fiambenana an-dRtoa Lalao Ravalomanana mandritra ity diany eto Madagasikara ity. Izany dia ho fanajana ny andininy faha 20 amin’ny tondrozotra fa noho izy vadina filoham-pirenena indrindra indrindra ihany koa”.Mahazo mandry ivohon’ny vato araka izany ireo fianakaviana na eto antoerana na any ivelany fa ho tsara ambina i “Neny”. Nanantitrantitra moa ity lehiben’ny CIRGN ity fa “ na misy aza ireo mpiambina manokana manaraka an-dRtoa Lalao Ravalomanana dia tsy maintsy hahazo tombondahiny amin’ny CIRGN izy satria “ première dame”.

Lire la suite 0 commentaires

mar.

12

mars

2013

Feno efa-taona ny fanonganam-panjakana

Tsy misy olona iray izay tsy mahalala, fa niainga tao amin’ny CAPSAT etsy Soanierana ny fikomiana nataon’ny tafika, ka nanome hery lehibe an’ingahy Rajoelina hiakatra eo amin’ny fitondrana ny fihetsika nataon’ireo miaramila ireo.Ny resaka filazana fa hanafika eny amin’io kazerina io ny mpiambina ny filoha Ravalomanana no niatombohany, ary nitohy tamin’ny fivoahan’ny fitaovana mahery vaika taty ivelan’ny toby miaramila izany. Nisy ny andian’ olona namono polisy iray nirava avy niasa ny volana Martsa toy izao taona 2009. Nanomboka naneho ny heviny ihany koa ny zandary sy ny polisy, ary ireny niafara tamin’ny fandosiran’ny filoha am-perinasa ireny ny raharaha. Efa-taona aty aoriana, nitondra inona ho an’ny firenena ny fikomiana nataon’ny tafika tamin’izany? Rehefa inona no azo lazaina ho fanonganam- panjakana ny hetsika ara-miaramila, ary ny toy inona kosa no lazaina fa tolom-bahoaka? Isika no mandinika izany, fa moa ve hanao hetsi-pankalazana no nisian’ny fikomiana nidirana tamin’ny fahombiazan’ny fanonganana ny fitondram-panjakana amin’ity taona ity, sa ho sarotsaromana ireny raharaha ireny, sao hitera-doza indray?

Lire la suite 0 commentaires

lun.

11

mars

2013

Fanontana vola vaovao sy fanendrena mpiasa ambony

Raha tanteraka ihany ny fifidianana amin’ny 24 jolay izao, dia efa-bolana na dimy volana eo sisa dia ho rava ny fitondrana FAT nampahantra vahoaka nandritra izay efa-taona izay. Kely finona ny amin’ny hahavitan’io fifidianana io anefa ny mpanara-baovao, satria tsy tsapa mihitsy ary tsy mbola iainana hatreto ny fitoniana takian’ny tondrozotra ampiharin’ny mpitondra tetezamita miara-mitantana ahazoana miroso amin’izany. Mba misy ihany filan-kevitry ny ministra tamin’iny herinandro iny fa dia ny « fanovana ny vola malagasy ho soniavin’ny governora mpisolo toerana » indray no novonjivonjena toa tsinain- kena ny fankatoavana azy. Tsy resahina intsony ny fanesorana sy fanendrena mpiasam-panjakana ambony marobe isaky ny filan-kevitry ny ministra. F’angaha moa izany no raharaha andavan’andro ataon’ny mpiara-mitatatra ao amin’ity tetezamiitatra ity ? Ny filohan’ny Fat variana amin’ny « fita-bitro sy ny fampahantrana manarapenitra » ny gasy nahazatra azy, ka tsy manan-draharaha afa-tsy ny mijabaka amin’ny tsy andrikiny rehefa hanabe tarehy imasom-bahoaka. Ny praiministra indray dia angady mondro tsy mahatapak’ahitra ka tsy nahavita ny iraka nampanaovin’ny » lehibeny » (tondrozotra) azy no variana mikonetaka rehefa tratry ny safeli-drambon’ny FAT fa manelingelina ny fihinanany. Dia mifanilika andraikitra sy mifampiampanga rehefa misy raharaha mafampana ilana fanapahan-kevitra hentitra sy maika, ankoatry ny mifampipaingotra imasombahoaka. « Izy samy lohany aza tsy milamina ka fitoniana inona no andrasana ho tafapetrak’ireo eto, hoy ny mpanara-baovao. Ankoatry ny loza voajanahary namely ny tany Atsimo mantsy, dia mbola mamely, na antsaha na an-tanàna, ny tsy fandriam-pahalemana. Tsy misy andro tsy andrenesana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana amoizana ain’olona sy asan-dahalo mandripaka tanàna. Raharaha andavan’andro itakiana fandraisan’andraikitra maika sady laharampahamehana avy amin’ireo manam-pahefana napetraky ny tondrozotra anefa ireo sy ny fanatsarana ny fiainambahoaka.

Lire la suite 0 commentaires

ven.

08

mars

2013

Vakiana fotsiny Rajoelina

Nandritra ny diany tany Toliara dia mbola nanamafy ny filohan’ny tetezamita fa “ mahazo mody Rtoa Lalao Ravalomanana raha toa ka tena hamangy sy hitsabo ny reniny marary”. Nanambara anefa ny tenany fa “ ireo mpomba azy dia mitady fanakorontanana satria mampiditra ny andininy faha 20 amin’ny resaka. “H e n o k o , h o y Rajoelina, fa misy fivorivoriana any ambadika any ary efa misy fanentanana any amin’ny Magro. Olona tena mikatsaka fampihavanam-pirenena ve izany ? Aiza ilay fametrahana fitoniana eto?” Ity fanambaran’ny filohan’ny tetezamita ity dia toa manamarina ny resabe mandeha amin’izao fotoana. Ny antony dia sahala amin’ny manome rariny ny talen’ny Acm, Jean Robert Razafy nanakana ny dian- dRtoa Lalao Ravalomanana ny filohan’ny tetezamita. Mbola tsy mazava mihitsy tokoa amin’izao fotoana izao izay olona naniraka ny talen’ny Acm nanao iny fanakanana iny. Tsy afa-miala amin’iny fanapahan-kevitra iny mantsy na ny filohan’ny tetezamita na ny praiministra satria izy ireo no manana fahefana ary ambonin’ity tale ity. Raha ny fantatra dia tsy iadian-kevitra ny fodian’ny vadin’ny filoha Ravalomanana, ka andrasana ny fandraisana andraikitry ny filohan’ny tetezamita sy ny praiministra manoloana ny tompon’andraikitra izay mitsivalana ny didin’ny lehibe.

Lire la suite 0 commentaires

jeu.

07

mars

2013

Nametraka barazy teo amin’ny seranam-piaramanidina

Sokajian’ny mpanarabaovao ho tsy fatokisana ny fahefam-panjakana ny zav-nisy tany Mandritsara taorian’ny namonoan’ireo jiolahy telo ilay masera iray. Tsiahivina fa nitaky ny amoahana ireo nahavanon-doza mba hisedra ny fitsaram-bahoaka ny mponina kanefa dia tifitra sy poa-basy no nasetrin’ny mpitandro filaminana izany, ka nahafatesana olona roa izay mpianatra ny iray tamin’ireo maty. Mazava ho azy fa sakoroka no vokatr’izany fihetsiky ny mpitandro filaminana izany, ary nandefa iraka, notarihin’ny minisitry ny Atitany, tany Mandritsara ny governemanta “handamina ny raharaha”. Loharanom-baovao avy any an-toerana no nandrenesana fa tsy nampitony ny hatezeran’ny mponina ny fahatongavan’ny iraka nalefan’ny governemanta satria mbola sahin’izy ireo ny nametraka sakana ny làlana mankany amin’ny seranam-piara-manidina ho fanehoany ny tsy fankasitrahany. Niala ilany fotsiny moa ny ministry ny Atitany teo anatrehan’ny tsy fahombiazan-dry zareo hitondra vahaolana, ary nilaza fa “andian’olona no tsy nankasitraka ary efa nanolotra omby efatra handevenana ny maty sy ho voninahitry ny velona, ary nanome vola fanampiana sy famangiana ho an’ireo naratra mbola tsaboina ny katolika”. Ankoatra ny nilazany fa hisy famotorana hatao hikarohana hoe iza no mpitandro filaminana nitifitra, ary araka ny lalàna marina ve no nitifirana ireo vahoaka nanao fihetsiketsehana. Dia mbola miandry famotorana indray izany e! Ny hita aloha hatreto dia ny fahasahian’ny mponina any amin’ny faritra lavitra ny renivohitra toy ireny manohitra ny tsy rariny sy ny fanaparam- pahefana ka tokony hitandreman’i

Lire la suite 0 commentaires

mer.

06

mars

2013

Raikitra ny fitifirana, mihosin-dra ny tetezamita

Taorian’ny fandevenana ny nofo mangatsikan’ilay masera relijiozy izay nisy namono ny faran’ny herinandro teo, dia nitaky ny hanaovana ny fitsaram-bahoaka amin’ireo telo lahy naha-vanon-doza, izay efa naiditra am-ponja. Nihetsika ny mponina, ary niditra an-tsehatra ny tanora izay mpianatra ny ankamaroany ny alatsinainy teo, ary nikasa hamaky ny fonja ao Mandritsara. Nihatrana am-bava basy ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ireo mpiandry fonja, saingy tsy nisy natahotra izany basy izany ireo olona maro be ka tokony ho tamin’ny 6 ora hariva no raikitra ny tifitra, ka mpianatra iray no maty, ary valo hafa naratra mafy. Nitohy omaly izany, ary lasa tanàna maty ny tao an-tampon-tananan’i Mandritsara vokatr’izany, satria nikatona avokoa ny tsena rehetra. Rotaka mahatsiaravina no nitranga io omaly io, satria mpianatra tao amin’ny lycée Victor Miadana no voatifitra teo amin’ny tongony, ka notapahana omaly ihany izany tongony izany. Ny iray hafa voa teo amin’ny kibony, ary mbola nesorina omaly ihany izany bala izany. Ny hafa dia maratra mafy ao amin’ny hopitaly be any an-toerana. Miantso fitoniana sy filaminana faran’izay haingana ireo tompon’andraikitra arapanjakana any amin’izany faritry Mandritsara izany. Ankoatra izay, dia heno ihany koa fa mety ho hafindra fonja ireo telolahy nahavanon- doza tany Mandritsara ireto, satria ny feo niparitaka tany an-toerana omaly, dia tsy manaiky mihitsy ny mponina raha tsy atao fitsaram-bahoaka izy ireo. Hatreto, dia mihoson-dra indray ny tetezamita, satria nisy ny olona voatifitra, ary namoy ny ainy, ary mbola manjaka ihany koa ny tsy fandriampahalemana eran’ny Madagasikara. Inona no mba fepetra apetraky ny mpitondra, mba hiarovana ny vahoaka sy ny fananany toy izao, satria masera nahavita be teo amin’ny asa fanompoana na ny vahoaka io na ny asan’ny Tompo no nisy namono, ary misy fiantraikany eo amin’ny fiainam- bahoaka ny toy izao. Aiza ilay asa manara-penitra hiarovana ny vahoakla sy ny fananany e? Sa avela hiroso amin’ny fitsaram-bahoaka toy izao foana ny mponina, ary misy maty ao anatin’ny rotaka, vao tonga mandamin- javatra ny sasany?

Lire la suite 0 commentaires

mar.

05

mars

2013

Hifanome fotoana ny zanak’i Dada amin’ny Alarobia

Ny alarobia izao no fantatra fa hifanome fotoana ireo zanak’i Dada hitondra ny anjara birikiny ho fanampiana ireo havana traboina any Atsimo. Eny amin’ny tranom-bokim-pirenena no toerana nangatahana hanatanterahana izany saingy miandry fanamafisana izany raha ny vaovao. Nosafidiana manokana moa ny eny Anosy satria ampovoan-tànana no malalaka ihany koa. Efa nanao ny fanentanana rehetra momba ity ezaka ity moa ny Ct Rodin avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. “Tokony hiezaka hanao izay tratry ny herintsika isika hanaporofoana fa mahadona antsika ihany koa ny zava- manjo ireo havana any atsimo”, hoy ity Ct ity. Fotoana iray ihany koa ity anefa hampisehoana eran’izao tontolo izao fa maro tokoa ireo mpanohana ny aradàlana na ny zanak’i Dada eto Madagasikara sy avy any dilambato. Raha tsiahivina dia efa samy nanao ity tolotànana ity avokoa nanomboka tamin’ny fitondram-panjakana, hatramin’ireo fikambanana marolafy. Fandaminana teo anivon’ny zanak’i Dada no antony nisafidianana io fotoana io. Manantena anefa ireo mpikarakara fa ho maro ireo hamaly ny antso ary tsy hitsanga-menatra ny zanak’i Dada.

Lire la suite 0 commentaires

lun.

04

mars

2013

Tsy tafa raha tsy Zafy Albert no eo

Miady an-trano, ary mifandefona ivoho. Izany no hita foana ao amin’ilay fampihavanana Malagasy, vao nijoro tsy ela izay. Ahoana tokoa moa no tsy hiady an-trano, satria olona tsy mety hitovy fisainana no indro fa hampiharahina ao am-bala, koa tsy hifanipaka toy ny valala an-karona ve? Be no malahelo ny filoha teo aloha Zafy Albert, satria io no nifofotra mafy hatramin’izay mba hisian’izany fampihavanampirenena izany, saingy indrisy fa natao anjorom-bala ny tenany amin’izao fotoana izao. Inona no tena mahamaika ireo olona nilatsaka ho kandida ao amin’ity seza ity, sa rehefa misalotra andraikitra ao anatin’ity tetezamita ity, dia izay no zava-dehibe? Sao tara isika amin’ity resaka fihavanana ity, ka ny tsara indrindra, dia omeo ny Profesora Zafy Albert ny lakilen’ny fihavanana, fa hiravona tsy ho ela ny diosadisa, ary raha ny zava-misy ankehitriny, dia toa fampihavanana marisarisa no mety hiseho eo, satria misy manana loko politika mahatsiravina anie ao, nefa izany ve no antenaina hitondra fitoniana eo amin’ny samy Malagasy? Efa an-taonany no nikirizan’ny ray aman-dreny Zafy an’io, nefa ny mahagaga toa tsy misy manome voninahitra azy an’izany eto. Sa andrasana hiongana indray ianareo, vao hahatsiaro sy hiantso ny Profesora Zafy mba hametraka izay fihavanana izay?

Lire la suite 0 commentaires

sam.

02

mars

2013

Hay ve nobaikoan-dRajoelina ny Governemanta vao nihetsika e ?

Pinga ery ny sasany mila- za fa nanome baiko faran’izay haingana ny Governemanta ny filohan’ny tetezamita mba hanafainganana ny asa famonjena ny olona any atsi- mon’ny nosy tamin’ilay voina lehibe nahazo azy ireo e. De gaga elah, hoy ny fiteny, satria, hay ve misy mihevitra ireto mpikambana ao amin’ny Governemanta ireto ho zazakely, ka raha tsy baikoana sanatriavina toy ny omby tsy mihetsika e. Mampalahelo ny toy izany, satria tokoa ve ny sasany no nahazo mikrô voalohany,ka afaka miteny izay tiany ho lazaina izay toa miampanga ny mpiara-mitantana aminy ho tsy mandray andraiki- tra raha tsy avy aminy e? Inona moa izany no ilàna ny Govrnemanta intsony, raha ny loza tahaka izao aza tsy hain’izy ireo no mihetsika faran’izay haingana koa tsy aleo ve omena ny filohan’ny tetezamita daholo ny fahe- fana rehetra,dia izy avokoa sisa no mandidy sy manome baiko ny sehatra ara-panja- kana rehetra e. Mba hain- gom-bato sisa ry Beriziky sy ny namany e.Ny mpitazana, dia mihevitra fa fisehosehoa- na ivelany no hilazana fa ire- ny teny ireny,mba hilazana amin’ny vahoaka, fa mbola izy no tompon’ny hery sy ny fahefana,ary tena olona akaiky ny vahoaka, satria mbola izy no maniraka ireo tsy mahalala ny tokony atao. Mba loza ity fizahozahoana ity e?

Lire la suite 0 commentaires

jeu.

28

févr.

2013

Nitondra am-bavaka ny vahoaka any atsimo

Ny tenako no lavitra, fa ny fo sy ny saiko, dia eo anilan’ny vahoaka Malagasy. Hontsa ny fo, ary malahelo tokoa ny filoha Ravalomanana raha nahita ny zava-doza nahazo ny mponina any an-tsimon’ny nosy farany teo iny. Tsy lavitra ny vahoaka any atsimo ity filoha ity, fa eo anilan’ny foana, ary nitondra am-bavaka ireo niharam-pahavoazana izy, indrindra fa ireo namoy havana vokatry ny rivo-doza iny, sy ireo tsy manan-kialafoana sy rava fananana. Ity filoha teo aloha ity, dia tsy manadino velively ireo havana any atsimo, ary mankahery ireo tra-pahavoazana foana ny tenany, izay nohamafisiny fa tsy maintsy tafitantsika I Madagasikara hoy izy, isaky ny mandefa hafatra ho an’ny Malagasy, ary hifanome tanana isika, hoy izy, hanarina faran’izay haingana ity firenena ity, mba tsy ho viravirain’ny mpanao ratsy. Hitan’Andriamanitra ny zava-misy iainan’ny Malagasy ankehitriny, ary mino ity filoha teo aloha, dia fa tsy maintsy hisy farany ny asan’ny maizina, ka hiditra amin’ny firenena eo ambany fahasoavan’ilay mpamonjy isika.

Lire la suite 0 commentaires

mer.

27

févr.

2013

Tsy fitserana, fa zon’ny olom-pirenena, hoy Me Hanitra Razafimanantsoa

Tao aorian’ny fanambaran’ny filohan’ny tetezamita tany Toliary, fa mahazo mody eto Madagasikara hitsabo ny reniny tsy salama Ramatoa Lalao Ravalomanana, dia naneho ny heviny mahakasika izany ny filoha lefitry ny Cst, Me Hanitra Razafimanantsoa. Na m b a r a n y tamin’izany ary fa efa roa herinandro lasa izay no nilazan’ny ankolafy Ravalomanana f a t o k o n y h o d y e t o Madagasikara Ramatoa Lalao Ravalomanana satria marary mafy ny reniny. « Ny fanatanterahina io filazana am-pahibemaso nataondRajoelina io no andrasan’ny ankolafy Ravalomanana, ka na tara aza vao noraisiny ny fanapahan-kevitra dia takianay kosa ny hampodiana azy eto Madagasikara faran’izay haingana satria ny aina tsy mifametra ». Nampahatsiahivany ihany koa fa tsy zava-baovao ho azy ny fanapahan-kevitry ny filohan’ny tetezamita satria efa mazava, hoy izy ny voalazan’ny tondrozotra ao amin’ny andininy faha 20 izay mitaky ny fampodiana ireo sesi-tany politika rehetra, indrindra ny filoha Ravalomanana Marc. Noho izany dia nilaza ity filoha lefitry ny Cst ity fa « tsy fitserana, fa adidy sy zon’ny olom-pirenena rehetra no mahazo mody eto amin’ny tanindrazany”. Mbola nampiany ihany koa fa « tsy misy olona hanao sangisangy na koa hivazivazy mikasika ny fahasalaman’ny reniny izany ka hanao izany ho fitaovana politika, noho izany matoa nivoaka tamin’ny haino aman-jery ireny fanambarana nataon-dRajoelina ireny dia inoana fa ho tanterahina ». Ny tsara ho fantatry ny rehetra amin’izao fotoana izao hoy izy, dia miharatsy miharatsy hatrany ny fahasalaman’i Bebe Razay, ka ny fanirian’ny ankolafy Ravalomanana dia tokony androany dia ny androany izy no ho tonga eto Madagasikara satria samy tsy misy tompon’ny ampitso isika rehetra.

Lire la suite 0 commentaires

mar.

26

févr.

2013

Hanao tambabe amin-dRajoelina ny ministra rehetra

Ny Alarobia lasa teo no efa tokony ho nivoaka tamin’ny filan-kevitry ny ministra ny mahakasika ny fodian-dRamatoa Lalao Ravalomanana. Saingy tamin’ny fotoana farany dia tsy nisy izany filan-kevitry ny ministra izany. Rahampitso, Alarobia indray no tokony hiresahana ny momba izany eo anivon’ny filan-kevitry ny ministra, saingy azo heverina fa mety tsy ho asianteny akory izany, vokatry ny voina any Atsimo. Zara aza misy izany hialana bala! Ny Talata 19 Febroary lasa teo mantsy dia nibahan-toerana nandritra ny filan-kevitry ny governemanta ny resaka fampodiana an-dRamatoa Lalao Ravalomanana. Raha ny fantatra dia nisy ireo ministra no nanao tora-po ny amin’ny zavatra nanaovana an’i Tantely Andrianarivo izay navela nody nandevina ny reniny, nandritra ny fitondrana Ravalomanana. Toy izany ihany koa Rtoa Céline Ratsiraka. Samy namosaka ny heviny sy ny alahelony avokoa ny rehetra. Rehefa tapitra ny tora-po sy ny famosahana alahelo dia samy nahatsapa ireo ministra rehetra, na momba na tsia ireo fitondrana izao fa tsy mety izany fanakanana olona tsy hody an-tanindrazana izany, indrindra moa fa hamangy sy hijery olona marofy. Teo dia nanapa-kevitra ny rehetra fa hiaraka hitondra ny tenin’ny fianakaviana Ravalomanana eo amin’ny filohan’ny tetezamita, ka hiady ny hamelana an-dRtoa Lalao Ravalomanana hody, hijery ny reniny. Ny praiministry ny governemantan’ ny fampiraisana no hitarika izany fisoloana vava izany. Ny praiministra Jean Omer Beriziky izay nilaza am-pahibemaso fa:“tsy manana olana ny amin’ny fampodiana ity renim-pianakavian’ny Malagasy rehetra ity, noho izy vadin’ny filoha teo aloha”.

Lire la suite 1 commentaires

lun.

25

févr.

2013

Tsy mety miravona ny disadisa eo amin’ny Zanaka Antanala

Nandritra ny fotoana nanatanterahan’ny fikambanana ny fifampiarahabana tratry ny taona tetsy amin’ny Ans Ampefiloha ny 02 Marsa 2013 lasa teo no nanambaran’ny filoha mpitantana , Zama Joanesa fa iray tsy mivaky ny fikambanana “Zanta” . Valo taona izay no nitsanganany ary misy ny taratasy ara-panjakana ny amin’ny fijoroany, hatramin’izao dia tsy mbola misy ny filoha vaovao natao hitantana izany fikambanana izany hoy ihany Zama Johanesa satria ny fifidianana izay natao hitantana ny birao vaovao notanterahina tamin’ny 21 Oktobra 2012 lasa teo dia foana ary tsy manankery hoy ihany ity filohan’ny fikambanana ity, koa izay mitonona na manatanteraka hetsika amin’ny anaran’ny fikambanana “Zanta” dia tsy tompon’andraikitra amin’izay mitranga ny fikambanana izay mbola manohy ny asany hatramin’izao . Tonga nanome voninahitra izany fotoana fifampiarahabana tratry ny taona 2013 izany ny Ndrenogny, ny Mpanjaka, ny Ampanjaka ary ny manankasina avy any amin’ny faritra Antanala.

Lire la suite 0 commentaires

ven.

22

févr.

2013

Tsy matahotra ny ho faty aho hoy Ravalo

An’Andriamanitra ny aina! Teny famerimberin’ny filoha Ravalomanana isaky ny miteny izy, indrindra ny resaka mandeha tao ho ao, fa misy mersenera mitady handripaka azy sy ny fianakaviany any Afrika atsimo, ary hita misy vazaha mihaodihaody ihany koa etsy amin’ny trano fonenany etsy Faravohitra nandritra ny andro vitsy lasa izay. Io resaka nandeha io anefa, dia tsy nisy nanamarina, na nandiso azy ny tompon’andraikitra maro samihafa teto amintsika. Mbola mijanona ho resabe ihany aloha izany hatreto, saingy ny hitsikitsika tsy mandihy foana, fa ao raha, hoy ny fomba fiteny izay. Na eo aza ireny resaka ramatahora ireny, dia tsy matahotra izany ny filoha Ravalomanana, satria aminy, dia an’ilay Mpahary ny aina araka ny voalaza etsy ambony. Tsy mba isan’ny olona kanosa ihany koa ny tenany, satria tsy nanao ratsy teo amin’ny mpiara-belona, ary ny tanjony, dia ny tsy maintsy hiverenany eto an-tanindrazana. Efa fandre matetika tokoa mantsy ny endrika fampitahorana toy izao isaky ny misy resaka fodiany eto, mba hampihemotra ity filoha ity, saingy moa tsy efa diska loaka ve ny resaka fampitahorana olona ho faty izany? Ny mamono akoho aza anie mbola sarotra e.

Lire la suite 0 commentaires

jeu.

21

févr.

2013

Hangataka hanaovana « référendum constitutionnel » mialoha

Raha tsy nisy ny fiovana dia nandritra ny filan-kevitry ny governemanta farany teo no nitondran’ny ministra Tabera Randriamanantsoa, ny soso-kevitra avy amin’ny ankolafy Zafy Albert izay misy azy. Manolo-kevitra ity ankolafy ity ny « hanaovana référendum constitutionnel » mialoha ireo fifidianana rehetra. Hiavaka ity lalam-panorenana ity satria dia hifantoka be dia be amin’ny fampivondronana ny firenena. « Constitution pour la création de la nation Malagasy » moa no iantsoan’ny ministra Tabera Randriamanantsoa azy. « Amin’io dia tsy mpila ravin’ahitra intsony ny Malagasy fa tena tompony. Amin’izao mantsy dia toa ny vahiny indray no tompon’ny Madagasikara”, hoy Tabera Randriamanantsoa. Raha ny fanazavany ihany dia efa nisy ny fivoriam-ben’ny ankolafy Zafy Albert nentina indrindra namolavolana izany lalam-panorenana ho an’ny firenena izany. “ Tsy mila andininy lava izany fa eny an-dàlana no atao ny fanitsiana na ny fanampiana, ny jurisprudence”, hoy ihany Tabera Randriamanantsoa. Efa manao ity “ constitution pour la création de la nation” ity ny tany Afrika Atsimo niaraka tamin’i Nelson Mandela, nanaovany ny fampihavanam-pirenena sy ny fanavaozana ny Repoblika. Raha ny fanirian’ny ankolafy Zafy Albert dia “ amin’ny 8 Mey no ho tontosaina io fifidianana io”. Ny Ceni-t moa dia efa nahazo ity soso-kevitra ity ka “andrasana ny fanapahankeviny”.

Lire la suite 0 commentaires

mer.

20

févr.

2013

Tsangan’olona tsy masi-mandidy

Malemy anatin’ny malemy ! Io no tsinjon’ny olona amin’ny fomba fiasan’ny Praiministra Beriziky, manoloana ny fiainam-pirenena ankehitriny. Maro no niandrandra fandraisana andraikitra goavana taminy, saingy hita fa mbola ny ao Ambohitsorohitra no mitondra ny baolina. Tsy tanteraka ilay teny mamy hoe ny tondrozotra no lehibeko, ary io no mibaiko ahy. Manoloana ny andininy faha-20 dia aiza izay fandraisana andraikitra ataon’ity Praiministra Beriziky ity amin’ny fampiharana azy? Iza no tsy mahalala, fa ny tsy fampiharana an’io anie no mahatonga ny fikatsoan-draharaha maro eo amin’ny sehatra iraisampirenena e. Isan’ny fanazavan’ny vondrona Afrikana, fa tsy mbola afaka ny sazy ho an’i Madagasikara, raha tsy mihatra io andininy faha-20 io. Fanampin’izay, dia olona tsy misy sazy, ary tera-tany Malagasy manana zo feno hiditra ny firenena ramatoa Lalao Ravalomanana, nefa tsy avela hijery an-dreniny marary eto an-tanindrazany. Aiza ny fepetra henjana raisin’ny PM amin’izany, sa manaraka ambokony izay ataon’Ambohitsorohitra ny tenany? Ministra eo ambany fahefany aza manao zinona azy, dia tsy fantany avokoa izay ataon’ireo eo ambany fahefany ireo toy ny nametrahana ny NOTAM sy ny famoahana vola nambara fa nanaovana asa manara-penitra. Toa mampitombina ny resaky ny olona izany amin’ny filazana fa tsangan’olona tsy masi-madidy ity praiministra ity, nefa tena hitondra ny familiana ny tetezamita no niandrandran’ny maro azy. Mbola hanaiky ny ho saribakolin’ny sasany amin’izao fitondrana izao ihany ve ity olon’ny marimaritra iraisana ity?

Lire la suite 0 commentaires

mar.

19

févr.

2013

Manamafy fo Rajoelina–Miantso Fifampihavanana sy Fifamelana ny fianakaviana Ravalomanana

Malahelo tanteraka ny fianakaviana Ravalomanana amin’izao fotoana izao. Manontany tena ihany koa, “ sanatria ve efa very ny fanahy maha –olona? Dia natakalo tsikalakalam-bola sy voninahitra ve ny tsikalakalam- pihavanana”? Na teo aza ny fiangaviana mafy natao an-dRajoelina ny mba hamelany an’i Lalao Ravalomanana hody an-tanindrazana hitsidika ny reniny, Razaiarivelo Helmine na Bebe Razay, dia “ fo vato” no setriny. Amin’ny maro dia tsy tokony angatahina akory ny fodian’ny teratany Malagasy eto an-tanindrazany, saingy efa izay moa no làlana napetraky ny fitondrana tetezamita dia nanaraka ny fianakaviana sy ny ankolafy Ravalomanana. Marary mafy Bebe Razay ankehitriny, saingy tsy misy fanafany afa-tsy ny ahita ny zanany. Tsy mitsahatra miala nenina amin-dRajoelina ny fianakaviana Ravalomanana ary miantso ny fianakaviam- be iraisam-pirenena hanara-maso ny fanajana ny zon’olombelona eto Madagasikara. « Mitodika amin’ireo Malagasy izay nahafantatra an’i Neny, manana izany hoe Reny, ary indrindra fa izany Bebe izany ny fianakaviany tamin’ny fanambarana navoakany. Tiavo izy ary kolokoloy tahaka ny anakandriamaso ary arovy araka izay azonareo atao, fa tsy misy tahaka ny Reny, ary tsy voavidimbola izany fitiavana izany. Marary mafy i Bebe Razay. Namerina ny fangatahany i Bebe Razay mba hifankahita amin’ny zanany vavy, Lalao Ravalomanana, mialoha ny nidirany ao amin’ny “Réanimation” ny alahady maraina teo. Mafy, tena mafy amin’ny zanaka lahy Malagasy izany tsy mahazo manatanteraka valim-babena izany, ary dia ny fitondram-panjakana malagasy ihany no vato misakana, kanefa ny adidy tsy an’olon-dratsy. M a n a o a n t s o a v o amin’ny Fianakaviam-be Iraisam-Pirenena ny Firenena Malagasy mba hijery haingana ny vahaolana hoan’i Madagasikara, ary miarahaba azy amin’ny ezaka izay efa ataony. Hisoratra ny tantara ary tsy mbola tara loatra ny fifampihavanana, tsy mbola tara loatra ny fifamelàna ary ho vokatr’izany dia hiverina indray ny Fahafahana sy ny Fahamasinana eto amin’ny Firenena. Homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra ». Tsara no manamarika fa nandeha be ny resaka hatry ny omaly fa efa tonga eto antanindrazana Ravalomanana Lalao. Araka ny fanamarinam- baovao kosa dia manizingizina ny fianakaviana fa tsaho niniana naely fotsiny izany hatramin’izao.

Lire la suite 0 commentaires

lun.

18

févr.

2013

Nihombo ny aretiny, malemy ny ilany havia

Ny marainan’ny omaly Alahady dia voatery tsy maintsy nampidirina eo anivon’ny sampana fameloman’aina na “ réanimation” Rtoa Helmine Razaiarivelo, renin’I Madama Lalao Ravalomanana. Tokony tamin’ny 3 ora maraina araka ny vaovao voaray teo anivon’ny fianakaviany eto an-toerana dia “ niharatsy ny toe-pahasalamany. Tratry ny Accident Vasculaire Célébral-AVC ny tenany ary nalemy vokatr’izay ny ilany havia”. Ny mba ahita ny zanany vavy, Ramatoa Lalao Ravalomanana, no tena zava-dehibe sy ahatsara azy, hoy ireo akaiky azy. Efa nisy ny delegasiona notarihin’ny ministra Olga Ramalason nangataka ny hihaona tamin’ny filohan’ny tetezamita saingy tsy nety noraisin’ Andry Rajoelina io delegasiona io hatramin’ny fotoana farany. Efa nampanantena moa ny filohan’ny tetezamita fa hijery fotoana handraisana ny ankolafy Ravalomanana izay mangataka amin’ny tokony hampodiana an’I Lalao Ravalomanana hitsidika ny reniny. Ny eo anivon’ny governemanta iray manontolo izay tarihin’ny praiministra Omer Beiriziky dia tsy manana olana amin’ny hampodiana an’I Lalao Ravalomanana. Dia andrasana izany izay “fandinihana lalina” handraisan-dRajoelina fanapahan-kevitra momba ity raharaha mety hanohintohina ny zo sy ny fahamendrehana maha-olombelona araka ny soa toavina Malagasy sy iraisam-pirenena ity.

Lire la suite 0 commentaires

sam.

16

févr.

2013

Aiza ho aiza ny CUA?

Ambanidia,Betongolo, 6 7 h a , A n o s i k e l y , Anosibe (boulevard de l’Europe), Ampasika, A n d o h a t a p e n a k a , A n d r a v o a h a n g y , A m p a s a m p i t o , Andrefan’Ambohijanahary, Route circulaire… Tena mitombina ilay hoe “mampiteny ny moana”, raha ny faharendrehan’ny tananan’Antananarivo no asian-teny.Ny mpampiasa lalana, na an-tongotra na amin’ny fiara dia samy sahi- rana vokatry ny loto ater- aky ny mpivarotra amoron- dalana, sy ny fitobian’ny fako etsy sy eroa, indrin- dra ny fahapotehan’ny lalana izay maha lohala- harana ity renivohitra ity. Antso an’efitra ihany anefa no valin’ireo efa niantsoantso amin’ny haino aman-jery, satria arakaraka ny anaovana antso,no tsy hihainoan’ny tompon’andraikitra azy. Misy fanamboaran-dalana ihany fa toa “tip-top” no bobaka ka vetivety dia rava indray.Mahazo vahana ny tsy filaminan amin’io satria mikatso ny fifamoivoizana ary manararaotra eo ny mpanendaka ankitsirano. Raha akapoka izany dia ny renivohitra manontolo mihitsy no anaty lavaka sy loto amin’izao fotoana izao.

Lire la suite 0 commentaires

ven.

15

févr.

2013

Cst hafa koa no lasibatry ny BIANCO

Tsy manaiky ny Bianco fa tsy maintsy miatrika ny fanadihadiana azy ny praiministra lefitra misahana ny fahasalamana, ny profesora Alain Tehindrazanarivelo. Na dia tsy namoaka mazava ny sora-bola nahodinkodina aza ny talen’ny Bianco, ny jeneraly Faly Rabetrano, dia fantatra fa tsy maintsy hitondra ny fanazavana momba ny fanjavonan’ny 700 tapitrisa Ar teo anivon’ny kitapom- bolan’ny ministera ity profesora ity.Tsiahivina fa nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety dia efa nanipika tsara ny Bianco tamin’ny alalan’ny tale jeneraliny fa “tsy voaaron’ny immunité parlementaire” ity tompon’andraikitra voalohan’ny fahasalamana teo aloha ity. “ Efa nandeha mialohan’ny naha-Cst azy mantsy ny fanadihadiana rehetra mikasika ilay fanodikondinam- bola”. Fa ankoatra ny profesora Tehindrazanarivelo dia fantatra ihany koa izao fa hisy ministra teo aloha, ary efa lasa Cst amin’izao, no ho antsoina ho hadihadiana eny anivon’ny Bianco. Raharaha fanodikondinambolam- panjakana ihany no iantsoana azy ireto. Voalaza teo fa olona efa nitana andriaikitra ambony izy ireo ary olona saika niara-dàlana tamin’ny filoha teo aloha Ravalomanana, saingy nisafidy ny hisintaka. Andrasana ny hiafaran’ity raharaha ity, fa raha ny Bianco manokana dia efa nanambara fa tsy hihemotra velively amin’izay mety endrika fampitahorana atao aminy. “Tsy ny firesahana amin’ny haino aman-jery ny vontoatin’ny raharaha na ny fiampangana ny Bianco ho manao ramatahora na koa mamoaka antontan-taratasim- panadihadiana noho ny mety ho firehana politikan’ny tsirairay voakasiky ny raharaha toy izao akory no hampiova ny vokatry ny fanadihadiana natao, fa misy ny rafitra mahefa natao handray ny vokatry ny asan’ny mpikaroka fandikan-dalàna toy ny Bianco, dia ny fitsarana izany, koa aoka hajaina ny fahaleovantenany” hoy ryzareo avy amin’ny Bianco.
Lire la suite 0 commentaires

jeu.

14

févr.

2013

Hitory ny ministera

Fantatra fa hitory CT iray ny ministeran’ny fiompiana. Tsotra ny antony. Nivarotra tany tamina olontsotra maro any amin’ny faritra Analanjirofo ity Ct iray ary dia nilaza fa nirahin’ny ministra Ihanta Randriamandranto. Nisy mihitsy aza moa taratasy voasonia izay nasehon’ity CT ity ireto olona nivarotany ity tany ity. Mitentina 240.000 ar ny tany 15m x15m raha ny vaovao azo. Saika niteraka korontana teo amin’ireo mponina any Fenoarivo Atsinanana ity tranga ity, ny 7 Febroary lasa teo, raha tsy voafehy haingana. Nisy moa ny fitsidihana natao tany an-toerana nahafahana nanamarina ny fisian’ireto olona izay mibodo tanin’olona tsy aradàlana ireto. Fantatra izao fa ho torian’ny ministeran’ny fiompiana ity Ct ity noho ny fisolokiana. Nanamarika ireo tompon’andraikitra ao amin’ny ministera fa tsy mbola nanome alalana olona hivarotra tany na aiza na aiza. Tsy kely làlana marina ny ratsy ary manana fahasahiana diso toerana ity CT ity. Manaporofo izao ny mahatany tsy tan-dàlana ny eto Madagasikaraka satria na mpitondra fanjakana aza dia mahavita misoloky tsotra izao ny vahoaka. Amin’izay tsy mamely lavitra fa ny ao an-trano ihany no naripaka satria dia samy ao amin’ny fitondrana ao ihany.

Lire la suite 0 commentaires

mer.

13

févr.

2013

Oniversite enina manerana ny Nosy

Tsy mbola nivoaka avy ao amin’ny filan-kevitry ny ministra, na filan-kevitry ny governemanta, ny didim-panjakana manendry an’ireo filohan’ny Oniversite enina manerana ny Nosy. Efa saika nahavita ny fifidianana ny filohany avokoa anefa ny Oniversite rehetra. Ny filohan’ny Oniversite izay voafidy hatramin’ny 2009 rahateo, tsy manao afatsy ny fampandehanandraharaha sisa, eo am-piandrasana ny famindram-pahefana eo amin’izy ireo sy ny ny filohan’ny Oniversite vao voafidy. Na efa voafidy aza mantsy ny filohan’ny Oniversite dia miandry ny fivoahan’ny didim-panjakana izy ireo vao afaka mandray ny andraikiny. Tsy mbola misy anefa izany didim-panjakana mampanankery ny toeran’ny filohan’ny Oniversite enina izany. Mitarazoka tahaka izany koa ny asan’ny Oniversite rehetra eo am-piandrasana ny fandraisan’andraikitry ny ministra. Ny raharaha eny amin’ny anjerimanontolo anefa miankina betsaka amin’ny mpitantana. Anisan’izany ny vatsim-pianaran’ ny mpianatra, ny karaman’ny mpandraharaha , ny karaman’ny mpampianatra mpikaroka sy ny fampandehanan-draharaha amin’ny ankapobeny. Hatramin’ny tetiandro sy ny taom-pianarana eny amin’ny Oniversite aza dia ny filan-kevitry ny filohan’ny Oniversite enina no manapaka izany. Hatahoran’ny fitondrana hanelingelina azy angaha ny mpitantana vaovao eny amin’ny anjerimanontolo ka hatao izay hitarazoan’ny didim-panjakana manendry ny filohan’ny Oniversite? Ho an’ny Oniversite eny Ambohitsaina mantsy dia ministry ny fambolena sy ny fiompina teo aloha tamin’ny andron’ny filoha Ravalomanana no lanin’ny be sy ny maro ho filohan’ny Oniversite. Mety hisy hifandraisany amin’izao fahatarana izao ve anefa izany? Sa ny tompon’andraikitry ny ministeran’ ny fampianarana ambony mihisy no efa mitetika ny handrehitr’afo sy manao izay hisian’ny korontana eny amin’ny anjerimanontolo? Tsy io raharaha io ihany anefa no miandry ny ministry fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Razafindehibe Etienne Hilaire fa eo koa ny famahana ny olana goavana mahakasika ny vatsim-pianaran’ny mpianatra any amin’ny Oniversite any ivelany, toy ny any Chine, Algérie, Maroc sy Frantsa. Lazaina fa misy ny tsikombakomba tamin’ny fandefasana an’ireo mpianatra ireo tany ivelany. Tsy tokony adinoina anefa fa matoa lasa any ivelany ireo mpianatra ireo dia nahafeno ny fepetra rehetra notakian’ny sampan-draharaha mpikarakaraka ny vatsim-pianarana izay sampan-draharaha mifampiankina amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony. Tsy mampino noho izany ny hisian’ny tandrevaka amin’ny fandefasana mpianatra tany ivelany. Efa herintaona mahery no tsy nandray vatsim-pianarana ireo mpianatra ireo ary misedra olana goavana, any an-tany lavitra any. Na alefa mody aza izy ireo dia matiantoka, satria efa an-taonany maro no nianarana tany ivelany ka ho very maina ny ron-doha lany tany. Ripaka nanaovana kianja manara-penitra angaha ny vola ka asaina mihafy ny avara-pianarana?

Lire la suite 0 commentaires

mar.

12

févr.

2013

Nampitandrina ny filohan’ny tetezamita

Tsy nisorona ny filohan’ny vondrona Les As, Voninahitsy Jean Eugène namaly ny tenin’ny filohan’ny tetezamita Rajoelina nandritra ireny fivahinianany tao amin’ny fahitalavitra TV Plus ny zomà lasa teo ireny. Nambarany fa lainga tokoa ny filazana fa tsy naka ny hevitr’ireo mpanao politika ny CENIT satria dia ireo lehiben’ny vondrona isanisany nanao sonia ny tondrozotra mihitsy no nampanantsoiny ary tsy nisy tsy tao na iray aza, ary ny TGV dia nosoloin-dRtoa Lanto Rakotomavo tena. Tamin’io fotoana io, hoy ny CT Voninahitsy Jean Eugène, dia nijery ny olana mikasika ny mety tsy hahatratrarana ny 8 mey no adihevitra. Ny tokony hisian’ny fitoniana no niraisan’ny rehetra hevitra tamin’izany satria io no hany fepetra izay tena ilaina raha hanatanteraka fifidianana. Tsy misy tokony hidiran’ny mpanao politika intsony izay fanapahan-kevitra raisin’ny CENITaraka izany, hoy ihany Voninahitsy Jean Eugène, satria izay no maha- mahaleo tena azy. Miahiahy ihany koa ny Les As raha nahare tamin’ny vavan’ny filohan’ny filohan’ny tetezamita ny hoe mety hisian’ny korontana. Efa milamina ny zavatra rehetra, hoy izy satria efa samy tsy milatsaka ny roa tonta ka tsy hita izay korontana eo. Saingy ahiana hisy izany raha toa ka alaim-panahy manaraka ny hevitr’ireo tandapa izay mpitaty ran-kena sy mpanolo bato mafana azy Rajoelina, ka hanapa- kevitra ny hanala tokoa ny praiminisitra Beriziky. Nanamafy ny tsy fahamarinan’ny filazana fa tsy misy mpanao politika tia tanindrazana koa i Voninahitsy Jean Eugène, ary nanipika fa ireo mpitaty ran-kena ao Ambohitsorohitra no tena ratsy mamporisika an-dRajooelina hanaotao fahatany.

Lire la suite 0 commentaires

lun.

11

févr.

2013

Tsy rariny no hatao amin’ny mpandeha

Mizaka ny tsy rariny ny mpandeha amin’ny fiara fitateram-bahoaka eto Antananarivo efa hatramin’ny 1 novambra 2012 teo. Pingapinga ny vondron’ny kopetrativa UCTU nampiakatra ny saran-dalana ho 400 ariary, kanefa fiara godraka sy maloto, miampy resevera voretra sy mpanao « vodihazo » sy ira-botry ny pandeha no betsaka. Tsy nisy niaro ary tsy nanana safidy ny vahoaka ka nihafy sy niharitra an’io fiakaran’ny saran-dalana io. Tsy hita izay hetsiky ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa fa mody manao fanambarana izy ireo, eo imason’ny mpanjifa kanefa mifampiraharaha amin’ny mpitatitra aty ambadika. Tsy nisy nahavaha olana ihany koa na ny kaominina Antananarivo renivohitra , na ny ministeran’ny fitaterana na ny filohan’ny tetezamita. Mbola difotra ao anaty fahasahiranana tanteraka ny firenena sy ny vahoaka ao aminy, saingy tsy nisalasala nampiakatra saran-dalana ny mpitatitra. Nampanantena izy ireo fa hisy ny fanatsarana ny kalitaon’ny asa fitaterana sy ny fanavaozana ny fiara miasa ao anatin’ny roa volana. Efa telo volana ity no lasa, ireo taxibe mpanao ny sarandalana 400 ariary mihitsy no tsy manaja mpandeha, tsy manaja ny asany kanefa ny fiara ampiasaina mampidi-doza . Tsy tanteraka ny nampanantenain’ny filohan’ny UCTU, Andrianambinintsolomora Bernardin izay nangataka roa volana ahafahan’ny mpitatitra manatsara ny asany.

Lire la suite 0 commentaires

sam.

09

févr.

2013

Teny koa ny MONIMA

Tsy niaraka tamin’ny AV7 ny MONIMA fa nandeha irery, ka tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro no tonga teny Ambohitsorohitra. Ingahy Rabearimanana G a b r i e l , S e k r e t e r a Jeneralin’ny antoko MONIMA no nitarika ny delegasiona teny.Nisy poko- ny marobe avy any Ambany tanàna tonga nanotrona an- dRamose Rabearimanana sy ny foibe MONIMA notarihiny teny. Nametraka fehezam- boninkazo dia iny no lasa fa tsy nisy kabary be.Nanaiky niresaka tamin’ny mpanao gazety ihany anefa ny profe- sora teo am-pialàna.Nilaza izy fa tsy niaraka tamin’ny nanao lanonana teo ny maraina satria tsy mitovy ny tanjona kendrena sy ny fomba fiasa ary ny foto- pisainana. Nanandra-peo ingahy Rabearimanana Gabriel raha nilaza fa manohitra tantera- ka ny fitondran-dRajoelina satria tsy misy mandeha amin’izay laonina intsony ny fiainam-pirenena.

Lire la suite 0 commentaires

ven.

08

févr.

2013

Notsarovana am-bavaka ireo natao tohatra fiakarana

Heloka ny fanonganampanjakana, indrindra ny fidirana an-keriny lapam-panjakana sy ny faritra mena. Samy nahatsapa izany ny olona maro, indrindra fa ireo mpikomy ny taona 2009 teo, saingy natao ihany izany, satria mila sorona ny hetsika. Nisy ny lavo, ary ao ny mbola mitondra takaitra tamin’ireny raharaha niseho teto, efa-taona lasa ireny tetsy amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra. Nomelohin’ny mpanongam- panjakana avy hatrany ny filoha tamin’izany, na dia maro aza no nanambara fa tsy tao anaty lapa no nihavian’ny tifitra fa tamin’ireo hotely lehibe sy ny tranompanjakana manodidina teo. Ny komandà Charles ihany koa tetsy an-kilany, dia efa nijoro vavolombelona foana fa tetika efa nomanina iny, mba handotoana ny filoha am-perin’asa tamin’izany, mba ahafahana manongana azy faran’izay haingana. Omaly dia notsarovana ambavaka tetsy anoloan’ny Lapa izay toerana nisian’ny ra nandriaka tamin’ireny fotoana ireny, ireo olona natao sorona mba ho tohatra fiakarana tamin’ny seza sy voninahitra. Olona saika vahoaka sahirana notambazana vola sy vary avokoa ny ankamaroan’ireo nanatrika ity fotoana ity. Fotoana izay notarihan’ilay olona nanome tso-drano foana nandritra ny korontana teto amin’ny tany sy ny firenena tamin’izany fotoana izany ity hetsika ity. Ho afa-maina amin’ireny ra latsaka ireny ve ny olona nitarika vahoaka nanani-dapa sy nanao sorona olona tamin’izany fotoana izany? Ny tantara dia mbola mitohy, fa izay nanao ratsy anie tsy misy afa-bela eto amin’ity tany ity e.

Lire la suite 0 commentaires

jeu.

07

févr.

2013

Fantatro ny olona nitifitra sy nampitifitra

4 taona lasa izay ny raharaha 7 febroary 2009, hatreto dia mbola manjavozavo ny raharaha ary fanontaniana maro no re miverimberina matetika : iza no nitarika ny olona hiakatra teny Ambohitsorohitra tamin’iny andro iny, izay fantatra fa lapampanjakana ? Iza no nitifitra ? Iza no nampitifitra ? Inona no tanjona tamin’izany ? sy ny sisa. Amin’ny maha zava-dehibe iny raharaha iny anefa dia vonona ny hijoro vavolombelona I Kolonely Charles Andrianasoavina nandritry ny antso an-tarobia izay nataony omaly. Ny fakana fahefana hoy izy dia zavatra sarotra ary mila sorona sy rà latsaka, ka izay no fomba nampiasaina tamin’iny fotoana iny, ny tanjona dia ny hampalemy ny fitondrana Ravalomanana. Tiako anefa hoy izy ny manamarina fa vokatr’io rà latsaka tamin’ny 7 Febroary io no tena nampijoro ahy tamin’ireny fotoana ireny. “Ny paika tamin’ny 7 Febroary dia tahak’izao : nanomana antokon’olona roa samihafa ilay tompon’antoka tamin’ireny fotoana ireny (tsy ho tononina ny anarany), ka ny andiany voalohany dia hiakatra eny Ambohitsorohitra, ary ny andiany faharoa kosa dia hitifitra ireo olona izay hiakatra eny”. Hitan-tsika ny tohiny hoy izy, satria ny alin’ny 7 Febroary 2009 ihany dia nivory teny Andohalo ireo manam-boninahitry ny tafika maromaro, ary niombon-kevitra fa tsy azo ekena ny rà latsaka, ka andao isika hivondrona handrodana ity fitondrana Ravalomanana ity. Ireo manam-boninahitra rehetra izay nivory tao tamin’io fotona io dia samy nanameloka avokoa ny filoha Ravalomanana satria samy mbola tsy nisy nahalala ilay tetika maloto. “Betsaka ny zavatra fantatro saingy ho fintiniko : ny tenako dia tao anatin’ilay kaomisiona izay natsangana hanao fanadihadiana “Commission National d’Enquête”, ka ny “mission” tamin’izany dia sady nampandry tany no nisambotra ireo olona izay noheritreretina fa tafiditra tao anatin’ny raharaha 7 Febroary. Nanana andraikitra aho tamin’izany ka teo vao nazava tamiko avokoa ny zava-drehetra. Misambotra olona izay noahiahiana ho nitifitra tamin’ireny fotoana ireny mantsy ny tenako, ka rehefa natao ny fanadihadiana ireo olona voasambotra ireo dia fantatra tamin’izany ny olona izay nitifitra (nezahina tsy notononina ilay anarana). Teo aho no nanapa-kevitra fa hanao tatitra tany amin’ny lehibeko kanefa … ireny hitan-tsika ireny no vokatr’izany”. Nandritra ity antso an-tarobia nataon’ny Kolonely Charles Andrianasoavina omaly ity ihany koa no nilazany fa efa maro ireo tompon’andraikitra sy vondrona iraisam-pirenena efa nampahafantariny ny tena zava-nisy marina teto Madagasikara nandritra ireny fotoana namaivay teto amin’ny firenena ireny.

Efa tsy atokisan’ny olona sahady

Hamoaka ny fehinkeviny momba ny dinika mangina ny CENIT rahampitso. Fehin-kevitra na hitazona ny heviny momba ny fifidianana filohampirenena no atao mialoha, na ihany koa hanaraka ilay fangatahan’ingahy Andry Rajoelina ny hanaovana ny latsa-bato ho fifidianana depiote. Ho tonga ihany koa etsy ankilany ny fanambarana amin’ny fomba ofisialy ny hanaingana ny mpifidy handatsa-bato ny 8 mey ho avy izao, ary ho hita eo izay fifidianana hatao. Etsy andaniny dia efa mandeha sahady ny feo momba ity fivoriana ataon’ny vaomiera manokana momba ny fifidianana ity, satria toa tsy misy fitokisana sahady mety hipetraka amin’ity vaomiera ity. Ny antony, dia toa mitady hirona any amin’izay fanirian’ny filohan’ny tetezamita izy ireo, fa nahoana raha tonga dia nolavina avy hatrany izany fikasana hanao fifidianana solombavam-bahoaka izany? Raha misy olona mikasa hanao fifidianana filoham-pokontany ve hoy ihany ny mpitazana, dia hisavorovoro saina toy izao ireto CENIT ireto, ka hanao konklavy toy izao? Aiza no tena fahaleovantenan’ity mpikarakara fifidianana ity e? Dia ho hitantsika eo izay fanambarana hataony, fa tsy kilalao anie rey olona ity fiainam-pirenena ity e?

Lire la suite 0 commentaires

ven.

01

févr.

2013

Hitaky ny hodiany ny vahoaka

Ny 2 febroary izao no handao an’i Madagasikara i Leonardo Simao, iraky ny Troika-Sadc. Handinika ny momba ny fampodiana an’Atoa Marc Ravalomanana moa no tena votoatin’ny diany eto amin’ny firenena. Nisy ny fihaonany amin’ireo hery politika sy ankolafy nandraisana ny hevitra avy amin’izy ireo. Na manaja ity iraky ny Sadc ity aza ireo mpanao politika dia tsapa fa tsy manana fahatokisana loatra aminy ny ankamaroan’ny Malagasy. Samy nahatsapa ny rehetra fa « korontana hatrany no ao aorian’ny fandalovan’i Leonardo Simao eto an-tanindrazana ». Mby ao antsain’ny maro mantsy ny dika vilana nataony tamin’ny fanambaran’ny Sadc, ka nahatonga fikorontanan-tsaina. Re izao fa dia miainga any ny « hetsika » entina hanoherana ny fandraisan’andraikitr’ity tompon’andraikitra vahiny ity amin’ny krizy Malagasy. Mihevitra ny hanao fihetsehana eo anoloan’ny biraom-pifandraisan’ny Sadc eny Ivandry ireo manohitra an’i Leonardo Simao. Fotoana entina hanehoana amin’ireo solontenan’ny Sadc eto an-tanindrazana fa « tsy mila Simao intsony ny Malagasy » hoy ny fanampim-baovao.

Lire la suite 0 commentaires

jeu.

31

janv.

2013

Akaiky tokoa ny farany ?

Resy lahatra ny farany! Tonga nanao fanambarampananana teny anivon’ny Bianco omaly atoandro ireo zandary maro be galona notar ihan’ny lehibeny ny Jeneraly de division Ravalomanana Richard. Efa ela no nanao antso ny hanaovana izany fanambaram- pananana izany ny teo anivon’ny Bianco, saingy omaly izany vao nilatsahan’ny fanahy masina ireto mpampihatra lalàna ireto. Fa nisy inona hoy ny mpi tazana no dia at y amin’ny fiafaran’ny tetezamita toy izao, vao mihazakazaka toy izao izy ireo? Hivadika tokoa ve ny glôby hoy ny olona no dia nihazakazaka haingana ireto manam-boninahitra ireto nilaza izay fananany, sao tonga ny ampamoaka any aoriana any, ka hisy hilaza fa nitombo harena tampoka izy ireo? Ny vavan’ny mpitazana moa tsy azo ferana, satria nahoana tokoa tany aloha tany no tsy mba nisy niraika tamin’izay antso avo nataon’ireto Bianco ireto izy ireo. Nilaza ny manamboninahitra Ravalomanana, fa tsy handeferana izay tratra amin’ity kolikoly ity, ary tsy hananan-kavana io, satria efa nisy ny traingo tamin’izany, eny na dia arivo ariary aza. Ny tena mampalahelo ny vahoaka, dia maro ireo nitombo harena tampoka tao anatin’izao tetezamita izao, ary tsy azo afenina ny fieboeboan’ny olona notolorana fahefana tao anatin’izay efa-taona izay. Toa nahakivy ny maro ihany koa ny asan’ity bianco ity, satria efa betsaka ihany izay mpitondra niala tao anaty fitondrana izay, saingy mba hatraiza ny fanaraha-maso ny fananany taorian’ny naha-voaongotra azy ireo tao anaty f i tondrana? Sa mba style fotsiny ity bianco ity? Ho hita eo ny tena andraikiny, satria efa mitombo izao ny olona sahy mametraka ny momba ny fananany eny anivon’ity sehatra iray izay miady amin’ny kolikoly ity.

Lire la suite 0 commentaires

mer.

30

janv.

2013

Misy karamaina hanaparitaka vato

Io fifidianana izay heverina ho tontosaina ny 8 Mey io angamba no fifidianana hisy kandida ho filoham-pirenena be indrindra teo amin’ny tantaran’i Madagasikara. 10 farafahakeliny aloha izao ireo efa nanolo-tena, na natolotry ny antoko ho kandida. Efa saika nanao valan-dresaka ho an’ny manao gazety izy ireo namelabelatra ny programan’asany. Hita tokoa fa misy ireo maneho ny fahavononany hitondra ny firenena ary efa tsikaritra ety am-boalohany fa manana lalam-bola iatrehana ny fifidianana amin’ny ankapobeny, raha tsy ny fandoavana ny antoka na “caution” mitentina 50 tapitrisa Ar fotsiny no asian-teny. Vitsy ihany anefa izy ireo. Satria misy kandida dia natao hanaparitaka vato fotsiny ihany ary na ny fandaharan’asany aza toa kitoatoa. Ary na izy tenany aza moa tsikaritra fa tsy resy lahatra amin’ny zavatra teneniny. Raha ny fantatra dia misy manakarama ireo olona ireo hirotsaka ho kandida ka ny tanjona dia tsy ho lany mihitsy fa ny hanaparitaka vato fotsiny tsy hisian’ny “premier tour dia vita”. Mba hiitatra lavalava kokoa ny tetezamita. Manaitra ny sain’ny maro ny hoe “ aiza no ahitana vola amina tapitrisany maro hanaramana kandida maro hanaparitaka vato? Raha misy fitiavana tanindrazana tokoa ve tsy aleo hanasoavana ny firenena ireo vola mihodina ireo. Farafahakeliny mantsy manana 100 tapitrisa Ar isaky ny kandida eo ho eo no eo am-pelatanana iatrehana fifidianana iray satria tsy maintsy karamaina koa ilay kandida mersenera. Asa rahateo tsinona ny azy. Efa mivonona ny ho very vola ihany koa ireto manarama kandida ireto satria azo an-tsaina fa ho vitsy ireo kandida hahazo ny 10%. Ny 8 Martsa izao no tena ho fantatra ireo kandida ofisialy amin’ny fifidianana raha tena hisy tokoa izany, ary raha ho tanterahina amin’ny 8 Mey tokoa, araka ny tetiandro nomen’ny Ceni-t sy eken’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena ny fifidianana filoham-pirenena.

Lire la suite 0 commentaires

mar.

29

janv.

2013

Mitaky ny hanokafana ny Radio Fahazavana ary namela hafatra ho an’ireo “terroriste

Tontosa ny sabotsy teo tetsy amin’ny FJKM Isotry Fitiavana ny fiaraha-miombom- bavaka ho fanehoana ny fiaraha-mitondra ny mavesatra amin’ny filohan’ny FJKM mivady sy ny firenena ary ny mpino FJKM. Mialoha izay araka ny fandaharam-potoana nofaritan’ireo mpikarakara, dia nisy ny lakolosy fanairana nataon’ny fiangonana FJKM in-3 miantoana. Naneho ny heviny tamim-pahanginana ireo mpitandrina FJKM avy eo ka nilahatra nihazo an’Isotry Fitiavana rehefa avy niaraka nanomam- panahy tao amin’ny Foibe FJKM. Ankoatry ny vatsim-panahy nentina nankaherezana ny kristiana, dia nandrasan’ny maro ny fanambarana niraisan’ireo mpitandrina rehetra. Nizara telo mazava tsara ny fanambarana. Nisy aloha ny fampahatsiahivana ny antsojay nahazo ny FJKM “nanomboka tamin’ny 17 Marsa teny amin’ny Episcopat, nitohy tamin’ny fakana trano fiangonana, ny fananan’ny Fiangonana tany amin’ny toerana maro samihafa, ny fanaovana zinona, fampihorohoroana, fanenjehana sy fanagadrana ary fandatsahan’aina Mpitandrina sy ny ankohonany, ny fanakatonana tsy ara-dalàna sy tsy ara-drariny ny RADIO FAHAZAVANA sy fanagiazana ny fitaovana”. Eo anatrehan’izany toe-javatra izay heverin’ireto mpitandrina ireto fa “mampahory, mampahantra, sy mampikaikaika ny mpiara-belona dia: Mitaky ny hanaovana ho vaindohan-draharaha ny fampanjakàna ny Fandriampahalemana, fanajàna ny fahafahana, ary ny famerenana ny hasina sy ny zo maha olona. Mitaky ny fampitsaharana ny fampihorohoroana amin’ny endriny rehetra. Mitaky ny hampitsaharana ny antsojay sy ny herisetra atao amin’ny Fiangonana sy ny olom-piangonana, Mitaky ny hanokafana tsy misy hatak’andro, tsy misy fepetra ny RADIO FAHAZAVANA” ireto mpitandrina ireto.

Lire la suite 0 commentaires

lun.

28

janv.

2013

Tsy mbola fantatra ny daty hampihaonany ireo hery velona

N o h a m a f i s i n ’ n y Arsevekan’Antananarivo, Mgr Odon Marie Arsène Ra z a n a k o l o n a , f i l o h a v a o v a o n ’ n y F F K M ( F i o m b o n a m b e n ’ n y Fiangonana Kristiana eto Madagasikara) fa anisan’ny asa iandraiketan’ny FFKM amin’ity taona ity ny fikarakarana fampihaonana ireo mpanao politika sy mpikambana ao amin’ny firaisamonim- pirenena ho famahana ny krizy. Tsy mbola nambarany kosa anefa ny daty sy ny mety ho endrikendrik’izany fampihaonana izany. Ny Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona indray izao no filohan’ny FFKM amin’ity taona 2013 ity ary anisan’ny andrandrain’ny maro hitondra ny anjara birikiny amin’ny famahana ny olana sy amin’ny fanelanelanana ny FFKM amin’ny maha- Raiamandreny am-panahy azy. Ny FFKM rahateo dia nanamafy ny fanapahankevitra izay noraisina nandritra ny komity lehibe farany notontosaina tamin’ny taondasa ka nametraka ny tokony hisian’ny fampihavanana ny olombelona amin’Andriamanitra sy ny olombelona samy olombelona. Asa mandavantaona ny fampihavanana ka tsy irotorotoana.

Lire la suite 0 commentaires

lun.

21

janv.

2013

Vavitokan’ny fifidianana ho filoham-pirenena

Lasa izao! Tsy hibolisatra intsony ny fanapahan-kevitra ny mpizaika maro tonga niatrika ny kongresy lehibe notarihan’ny filohan’ity antoko ity, Sarah Georget ny sabotsy tontolo andro teo tetsy amin’ny Carlton Anosy. Nafana fo ny mpizaika ka tsy namela mahazo tamin’ireo tarigetran’ity antoko ity, dia ny hisian’ny fiovana maharitra hizorana any amin’ny fampandrosoana mipaka isam-batan’olona, ary ho firenena vanona. Mila olona sahy mandray andraikitra izy ireo, ary izay no nanosika ny mpizaika rehetra hanolotra an-dramatoa filohany ho kandida filoham-pirenena amin’ny faha-8 mey ho avy izao. Handray anjara amin’ny fifidianana izay ho tanterahina manerana ny nosy rehetra eto ity antoko ity, ary hatramin’izao aloha, dia mbola izy irery no hany vavy tokana sahy nilaza ampahibe-maso fa hirotsaka ho filoham-pirenena raha ny amin’ity taona ity no asian-teny. Isan’ny nitaky ny tsy ahafahan’ny filoha teo aloha Ravalomanana sy ingahy Andry Rajoelina tsy hilatsaka koa ny Maitso, ary azo heverina fa fahombiazana ho azy ireo ny naha-tanteraka ilay Ni… Ni…. Tonga nanatrika izao fivoriana izao ny mpikambana ao amin’ny maitso avy any ivelany, izay isan’ny nanome hery ihany koa ny mpikambana teto an-toerana. Voalaza fa isan’ny antoko manara-penitra amin’ny fanarahan-dalana momba fitsipika mifehy ny antoko izy ireo. Any amin’ny fifidianana izany no ahitan’ny herin’ny antoko e, maro ihany ireo hifaninana amin’ity toerana masina ity koh.

Lire la suite 0 commentaires

jeu.

17

janv.

2013

Samy hidina an-dalambe avokoa anio

Hisedra voalohany an’ireo mpanohitra hidina an-dalambe izay tarihan’ny “Mandatehezan’ny Mpanohitra ho an’ny Fanafahana an’i Madagasikara”, anio, ny lehiben’ny CIRGN, ny kolonely Rakotomahanina Florens. Io no fanentanana sy fitarihana olona hidina an-dalambe voalohany hataon’ny mpanohitra ny fitondran-dRajoelina, amin’ity taona 2013 ity. Hiainga eo amin’ny Esplanade Analakely izy ireo, anio 17 janoary ary hihazo ny kianjan’ny demokrasia eny Ambohijatovo. Ho fanamarihana ny faha efa-taona nitokanana izany “Kianjan’ny demokrasia” izany ; hisy ny fametrahana ny fehezam-boninkazo eo amin’io kianja io fa tsy hisy kosa ny kabary. Andrasana izay hiseho satria tsy nihevitra ny hangataka alalana mihitsy ireto avy amin’ny mandatehezan’ny mpanohatra ireto. Nanao antso ho an’ny mpitandro filaminana kosa anefa ny mpanohitra mba hiaro ity hetsika am-pilaminana ity. Mety hisy ve noho izany ny fanakanana mety hataon’ny Emmo-Reg sa hisy tokoa ny fiandrasana an’ireo mikasa ny hihoam-pefy sy hanararaotra an’ity hetsika ity ? Ho hita eo ! Raha ny eo amin’ny Espanade Analakely sy ny kianjan’Ambohijatovo dia tsy misy afa-tsy 300 metatra eo no elanelany. Toerana ahitana olona maro mifamezivezy izany lalana izany, eo koa ny birao sy toeram-pivarotana ary banky. Mety ho tolo-tanana amin’ny fiarovana ve sa tifitra entona mandatsa-dranomaso no ho valin’izany antso miantefa amin’ny mpitandro filaminana izany ? Ny hetsika rahateo tsy nahazo alalana avy amin’ny prefektioran’ny polisy eto Antananarivo Renivohitra. Tsiahivina anefa fa efa hatrany am-boalohany, nandritra ny fitokanana io Kianjan’ny demokrasia io no efa nilaza ny ben’ny tanàna teo aloha, Andry Rajoelina fa : ” Tsy ilàna fahazoan-dalana mihitsy ny fanehoan-kevitra ao Ambohijatovo nanomboka ny 17 janoray 2009.” Ny mpanolon-tsainan’ny tanànan’Antananarivo koa anefa, nampihantona ny maha Kianjan’ny demokrasia ny eo Ambohijatovo, hatramin’ny herintaona. « Ny kianjan’ny demokrasia dia hitambaran’ny Malagasy rehetra ka iza, indrindra ny olona nitokana azy tamin’ny 2009 no ahasahy hilaza ankehitriny fa tsy mendrika izany kianjan’ny demokrasia manara-penitra izany ny Malagasy liam-pivoarana, liam-pandrosoana, liam-pahafahana, liam-palalahana ? Rehareha sy tabian’ny Malagasy rehetra manerana ny Nosy ny manana io kianjan’ny demokrasia io », hoy i Lalatiana Ravalolomanana. Ho hita eo izay hitranga satria miankina amin’ny fifehezan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ihany no mampisy korontana na tsia. Mety tsy ho mpitandro filaminana koa anefa no hifanehatra amin’ny tarik’i Lalatiana Ravololomanana fa mety ho olona voakarama hanakorontana tahaka izay niseho tamin’ny hetsika nataon’ny MDM tany Toliara.

Lire la suite 0 commentaires

mer.

16

janv.

2013

Manambana ny hiala eto

Loharanom-baovao tena azo antoka no nanamarina fa “ fanerena tsotra izao an-dRajoelina tsy hirotsaka no anton’ilay fihaonana tany Tanzania farany teo “. Nisy tokoa ny fifanarahana vita izay manodidina izay didy izay. Raha toa ka miziriziry tsy maintsy hirotsaka Rajoelina, dia efa nisy fepetra hentitra nifanomezan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. “ Hiala eto Madagasikara ireo mpamatsy vola sy ireo fianakaviambe iraisam-pirenena raha ho kandida Andry Nirina Rajoelina”. Ny vahoaka rehetra mahatsapa fa tena ho voka-dratsy ho an’ny firenena izany satria dia hitoka-monina I Gasikara, ary ho tapaka avokoa ny lalan’ny famatsiam-bola ara-dalàna rehetra. Ny mpomba ny filohan’ny tetezamita irery ihany angamba no mahita fa tombontsoa be no azo amin’ny fialan’ny mpamatsy vola sy ny fianakavimabe iraiam-pirenena eto. Tahaka ny tsy nahitany ny voka-dratsin’ny fahatapahan’ny AGOA. Ny filohan’ny tetezamita rahateo toa efa nanomana ny sain’ny vahoaka tsy mandady harona fa “ mahavita tena tsara i Madagasikara tsy misy mpamatsy vola, satria tsy mibaby trosa ary manana ny amby ampy”. Porofon’izany ny fahavitan’ireo zava-bita manara-penitra izay tsy misy trosa na ny Ariary aza fa fanomezana, na koa volan’ny filohan’ny tetezamita manokana. Ny kianja, ny coliseum, ny hopitaly, ny totohabato, ny lalan-kely ,ny TGV. Ireny rehetra ireny dia vokatry ny “ fahaiza-mitantana” avokoa, hoy Rajoelina. Ho an’ny mpanara-baovao dia tsy hanaiky ny tsy hirotsaka izany Rajoelina. Ireo tetik’asa rehetra vinavinainy dia aorian’ny fifidianan avokoa vao ho vita, ary raha ny fahitana ny toe-draharaha dia Rajoelina no mihevitra ny hitokana azy amin’ny maha filohan’ny repoblika faha 4 azy, na koa amin’ny maha filohan’ny tetezamita azy ihany. Sarotra aloha ny hanombana ny ao an-tsain’ny olona, saingy ity tranga ity dia efa hita soritra ny mety hiafarany. Amin’ny fotoana hanoratana izao lahatsoratra izao dia efa manao ny fanambarany hovakiany ka hilazany ny hirotsahany na tsia i Andry Rajoelina. Miandry ny tohiny ny rehetra sisa.

Lire la suite 0 commentaires

mar.

15

janv.

2013

Ny valin-kafatry ny CT Zafilahy Stanislas ho an’ny ministry ny serasera

Manohy manazava ny sain’ny mpomba an-dRavalomanana ireo mpitari-tolona isak’izay mandray fitenena eo amin’ny Kianjan’ny finoana. “ Raha nanambara ny tsy hilatsahany ho fidiana ny filoha Ravalomanana dia maro ireo sahiran-tsaina. Aza miraharaha an’izany isika mpitolona, fa ireo nitaky ny NI… NI ireo ihany no hitaky atsy ho atsy ny hirotsahan’ny filoha Ravalomanana. Efa mizotra mankany manko izao ny toe-draharaha”. Amin’I Zafilahy Stanislas dia “tsy azo hodivirana ny filatsahan-dRavalomanana ho fidiana raha midrikina hirotsaka Rajoelina araka ny efa nanamarihan’ny mpiandraiki- draharaha alemana azy. “Hamafiso ny finoana fa tsy maintsy ny filoha Ravalomanana ihany no afaka hanavotra ny firenena”, hoy ity filoha lefitry ny kongresin’ny tetezamita ity. “Tsy miantehitra amin’ny hazo boboka mihitsy ny mpanohana an-dRavalomanana”. Afa-baraka Manohy ny fanehoankeviny I Zafilahy Stanislas. “ Lany fanahy Rajoelina ka nirediredy sy nanangana ady amin’ny vondrona iraisam- pirenena. Tsy zakany ny fahatapahan’ny fifanampiana sy ny tsy fahazaona ny fankatoavana iraisam-pirenena nandritra izay 4 taona latsaka izay. Ny olana anefa dia sintomin-dRajoelina ho afa-baraka miaraka aminy ny Malagasy”. Amin’ity Ct ity dia mila ny fahatongavantsaina ny rehetra iny teniteny foana nataon’ny filohan’ny tetezamita teny Iavoloha iny, toy izany koa ireo miaramila izay milaza fa tandroka aron’ny vozona. Namafisin’I Zafilahy Stanislas fa “ latsabato sisa no atao fa efa vita ny fifidianana”. Mahay làlana Nasian’ny Ct Zafilahy Stanislas fanamarihana koa ny “ fanalam-baraka” nataon’ny ministry ny serasera ny filohan’ny kongresin’ny tetezamita. “ Tsy ianao mihitsy ingahy ministra no hilaza ho mahay làlana mihoatra an’I Mamy Rakotoarivelo. Efa nahavita “ mandat” maro teo anivonin’ity andrim-panjakana ity ny tenany vao lasa filohan’ny kongresin’ny tetezamita. Tsy teniteny foana iny voalazan’ny filohan’ny Kongresy iny fa ny voasaoratra anatin’ny tondrozotra izay efa lasa làlana manan-danja eo amin’ny sehatra iraisampirenena no nambarany. Tsy ny lalam-panorenana izay nataonareo akory no ambony mihoatra io tondrozotra io.

Lire la suite 0 commentaires

sam.

12

janv.

2013

Andry Rajoelina : Any Tanzania mandresy lahatra ny SADC

Nanainga ho any Dar es Salaam (Tanzania) omaly maraina ny filohan’ny tetezamita.“Hanamafy ny heviny sy hampita,ao anatin’ny managarahara tanteraka,ireo hetahetan’nyVahoaka Malagasy manoloanan’ny fivoa- ran’ny rahaham – pifidianana eto Madagasikara,ary koa haka antoka fa ny fanatanterahana ny fifidianana eto Madagasikara,voatondro hatao amin’ny volana Mey ho avy izao,dia ho voahaja”no foto-diany araka ny fampitam-baovaoa avy amin’ny fiadidiana ny tete- zamita.Amin’izany diany izany no hihaonany amin’ireo Filoham-panjakana telo eo anivon’ny Troïka (Jakaya KIKWETE,filohan’ny Repoblika Mitambatra Tanzania, Hifikepunye POHAMBA,filohan’ny Repoblika Namibie ary Jacob ZUMA,Filohan’ny Repoblika Afrika Atsimo) sy ny filohan’ny SADC (Armanda GEUBUZA, Filohan’ny Repoblika Mozambika). Hisy ny tafa hifanaovan’ny filohan’ny teteza- mita amin’ny mpa- nao gazety anio eny amin’ny seranam-pia- ramanidina BANI Ivato amin’ny fiverenany eto an- tanindrazana.

Lire la suite 0 commentaires

jeu.

10

janv.

2013

F’angaha mitetika ny mbola hitondra fanjakana ?

Hatao ny lalana mihazo makeny amin’ny seranampiaraminidina eny Ivato e… manomboka ny volana ambony no hanaovana izany, ary volantsika madio no hanaovana izany, fa tsy misy famatsiam-bola any ivelany. De gaga marina elah, mandre izany, satria vita ny 8 martsa izao anie ny fotoana ahafahana mijanona amin’io seza maha-filohan’ny tetezamita io, raha toa ka hilatsaka ianao e. Toa mandidy manapaka ery ingahirainy omaly nilaza fa ny asa tsy maintsy atao, ary aleo hanenjika izay hanenjika fa ny olona tsy manao asa ihany no be vava. Ny manaitra dia ny lalana eto an-drenivohitra aza tsy vitanao ireo goaka be sy feno lavadavaka koa lalana inona indray no tadiavina hampandriana adrisa ny vahoaka ? Amboary aloha ny mankany Ambatondrazaka, izay nambara fa ho vita ao anatin’ny fotoana fohy, saingy hatramin’izao toa lasanko vavany fotsiny ihany izany. Raha tena ho vita io, fa nahoana no dia ny eto andrenivohitra ihany no totofana foto-drafitr’asa fa ny any amin’ny faritra angaha tsy mba manana olana? Ny nanaitra, dia nanilihana ny fampiakarana karama any amin’ny Praiministra sy ny ministra tompon’andraikitra. Fa rehefa inona no hieràna amin’izy ireo, ary rehefa toy inona ihany koa ny handraisana fepetra manokana ataonao samirery? Nahoana raha tenenina avy hatrany hoe tsy misy vola hampiakarana ny karaman’ny mpiasam-panjakana dia vita e. Ny mandidy dia homana anie izao no tena malaza, ka ataovy amin’izay hitiavanao azy e. Kabary izay miendrika fihantsiana amin’ny malagasy iny omaly iny, ary mbola fihantsiana amin’ny sehatra iraisam-pirenena, satria rehefa tsy nahita rirany tany ingahy filoha, dia manao ranomason-jorery ao andapa. Na dia nampiaka-peo mafy aza ny tandapan’ity zandry kely ity, fa tsy hisy kabary politika, dia niteny politika izy. Fa maninona raha notsorina hoe tsy hiteny hoe hilatsaka izy na tsia dia vita, fa nofitahina fotsiny ny vahoaka e. Ka ahoana, mbola ilaina ve ny sehatra iraisam-pirenena sa tsia? Handà izay havoakan’ny SADC atsy Dares Salaam rahampitso ve izany ity Rajoelina ity sa ahoana? Tsory ny resaka fa tsy mila fanampiana any ivelany intsony dia vita e. Efa mba be ihany anie izay vava izay, saingy aiza isika hatramin’izao. Tsy hisy mpitondra nanongam-panjakana ho tafakatra eo amin’ny fitondrana intsony, fa efa leo ny vahoaka, ka na hisy lalana eran’ny tanàna ho vitaina ao anatin’ny fotoana fohy aza tsy adala ny olona ka mbola hanaiky ny hidirany any anaty kizo indray. Sa ahoana, hoy ianareo?

Lire la suite 0 commentaires

mar.

08

janv.

2013

Efa vonona ny tondrozotrany

Amin’ireo kandida maro izay maneho am-bava fotsiny aloha ny fahavononany hirotsaka ho kandida amin’ny fifidianana ho filohan’ny repoblikan’i Madagasikara dia pasitera Maihol no tombanan’ny maro amin’izao ho tsara toerana indrindra. Ny antony dia tsotra. Izy aloha amin’izao no azo lazaina fa nahavita ny fitetezam-paritra eran’ny Madagasikara nahafahany nihaona mivantana amin’ireo vahoaka mipetraka amin’ireo tany lavitra andriana. Tsara toerana ihany koa izay satria dia izy izao no isan’ny kandida manana mpanohana maro indrindra raha ny antontan’isan’ ireo mpino Apokalipsy eran’ny Madagasikara no ifotorana. Raha ny fantatra dia efa maro amin’ireo olona ambony sy tompon’andraikipanjakana amin’izao no efa niditra ho mpino ao amin’ny Apokalipsy. Raha mbola variana miady an-trano ny antoko sasany, ny hafa mandroso mihemotra tsy manana fotokevitra tsara, dia hita ho misoko mangina ity kandidan’ny GFFM (Gideona Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara) ity. Raha manaraka tsara ny vaovao taterina dia efa tsara homana ny pasteur Maihol. Ireo mpomba azy kosa dia efa tsara hofana amin’ny andraikitra tokony ho raisina rehetra. Nandritra ny fihaonana faobe nataon’ireo mpino Apokalipsy dia tsikaritra fa efa namelarana karpetra mena « tapis rouge » mihitsy izy mivady. Dia manofahofa tànana ireo mpihoby mitandahatra amin’ny ankilan’ny làlana roa izay lalovana. Rehefa akaiky ny toerana dia raikitra mihitsy ny « bain de foule » hoy ny filazan’ny rehetra azy. Tsy hadino moa izany ireo mpiambina na « garde du corps » mandeha fiara tsy mahataho-dàlana sady mandefa kiririoka, manaraka azy rehefa mivoaka izy. Moa va tsy efa filoham-pirenena mihitsy ? Amin’izao dia fantatra fa efa manana ny tondrozotrany sy ny drafipiaraha- monina entiny hampandrosoana ny firenena ity kandida ity. Ankoatra ny asa mafy ataony handresen-dahatra ny vahoaka hifidy azy dia manana fahatokisana be amin’ny faminaniany pasitera Maihol. Tombon-dahiny amin’ireo kandida hafa izany raha ny tombana ihany.

Lire la suite 0 commentaires

lun.

07

janv.

2013

Tsy nahavita kongresy, tsy manana foiben-toerana sy vinam-piarahamonina

Raha tsy misy ny fanemorana ny daty ahafahan’ny antoko politika manoratra ny momba azy ao amin’ny rejisi-pirenena ao amin’ny ministeran’ny atitany dia ho vitsy ny kandidà ho afaka hirotsaka hofidiana. Amin’ny alarobia 9 janoary izao no daty noferan’ny ministeran ‘ny atitany fa tsy maintsy hanaovana io fanoratana ny anaran’ny antoko ao amin’ny rejisi-pirenena io saingy mbola 25 monja hatramin’izao no nahafeno ny fepetra. Ireo 25 ireo ihany noho izany no afaka hanolotra kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena hatreto. Tsy fantatra kosa na ahatratra ny fe-potoana efa nofaritana ireo antoko hafa amin’ireo 343 voasoratra ao amin’ny ministeran’ny atitany? Ny antoko AVI manokana tamin’ny alalan’ny sekretera jeneraliny dia nanasongadina fa tsy tokony ho maro loatra ny antoko eto Madagasikara fa tokony hitambatra ireo izay mitovy firehana. Heverin’ity antokon’i Norbert Lala Ratsirahonana ity fa telo ihany no firehana tokony hisy. Notanisainy tamin’izany ny antoko ankavanana, ny antoko ankavia ary ny antoko afovoany. Mbola olana ho an’ireo antoko samihafa hatramin’izao ny tsy fahavitan’ny kongresiny isanisany. Ny kongresy mantsy no ahafahana mamaritra ny tena mpitantana ny antoko politika tsirairay satria ilaina amin’ny antontan-taratasy ity lisitry ny mpitarika ny antoko ity. Raha ny fanazavan’ny ao amin’ny ministeran’ny atitany dia olana hafa koa ny foibe toerana misy ny antoko tsirairay. « Fanaon’ny antoko politika hatramin’izay ny mamaritra ny foiben-toerany ao an-tranon’ny filohan’ny antoko kanefa takian’ny lalana vaovao mifehy ny antoko politika fa tokony hanana tany sy trano hatao foibeny ny antoko politika tsirairay», hoy ny talen’ny kabinetran’ny ministeran’ny Atitany, Rakotoarinivo Thierry. Olana hafa koa anefa ny tsy fananan’ny antoko politika ny vinam-piaraha-monina. Ho an’ireo antoko niady na nisaraka indray kosa dia nambaran’ny ministeran’ny atitany fa izay nahazo « récepissé » voalohany ihany no fantatry ny ministeran’ny Atitany.

Lire la suite 0 commentaires

sam.

05

janv.

2013

Mangataka ny hisokafan’ny kianjan’ny demokrasia

Atambaro ny hery, dia andao hidinika faran’izay haingana,fa ho potehin’ny vahiny eto isika Malagasy rehetra. Tsy asiana resaka fana- vahana izy ity,fa izay mahat- siaro tena fa olom-pirenena hanarina ny tanindrazana, dia tokony hiray saina avo- koa.Mila sokafana faran’izay haingana ihany koa ny kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo hoy Tintin Ravonison mpitarika ny Pro tanindrazana, mba ahafa- han’ny olona maneho hevi- tra, raha toa ka tsy vonona ny hifampidinika an-data- batra boribory ny mpanao politika. Ilaina ihany koa ny hanokafana ireo haino aman-jery nosokafana, satria ny hevitra mifamoi- voy amin’ireny no afahana manitsy ny lalana diso izay vita teo aloha. Tsy midika izany hoy ingahy Tintin fa hanongana ny mpitondra, na hanohana ny fitondra- na ny fanaovana izany, fa kosa ho hitan’ny vahiny fa tsy misy ilantsika izay ton- drozotrany any fa manana ny fihavanana ahafahana miroso amin’ny tena tany demokratika isika Malagasy. Tsy hadino ny fananganan- tsaina, ary ato ho ato, dia hikarakara ity hetsika lehibe ity ingahyTintin,satria miha- potika ihany ny fiainam- pirenena.Sao mba hilatsaka ho fidiana filoham-pirenena kosa ary ingahy ity

Lire la suite 0 commentaires

ven.

04

janv.

2013

Mampiandry ny Malagasy fa tsy sahy mijoro

Hi roso mat y raibe, hihemotra maty renibe. Io no mahalaza ny fisalasalan- dRajoelina ka tsy ahasahiany mandray fanapahan- kevitra na hirotsaka ho fidiana na tsia amin’ny fifidianana filoham-pirenena afaka efa-bolana. Tongany avokoa ny tany Tanzania, Frantsa, Israely fa mbola lany andro mieritreritra hatrany ny filohan’ny tetezamita mandrak’ity ny androany. Mazava izany izao fa tsy ny firotsahan-dRavalomanana mihitsy no mibaiko ny fanapahan- kevitry ny filohan’ny tetezamita hirotsaka na tsia. Nambarany tany Maputo mantsy fa raha mirotsaka Ravalomanana dia hirotsaka hofidiana koa izy. Izao anefa tsy nirotsaka Ravalomanana, tsy hita izay hevitry ny ben’ny tananan’Antananarivo teo aloha. Vao maika ho lalan-tsarotra tsy manam-pahataperana anefa ity kasainy hizorana sy hitondrana ny Malagasy ity, raha mirotsaka hofidiana izy. Vao maika hihato avokoa ny fanampiana avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Tsy ho azo ny fankatoavana ka ho foana avokoa ny famatsiam-bola iraisampirenena na ny avy amin’ny banky iraisam-pirenena na ny tohana ara-toekarena avy amin’ny tahirim-bola iraisam-pirenena ,FMI sy ny firenen-dehibe. Ho difotry ny fahantrana lalina hatrany ny vahoaka rehetra. Na hirotsaka koa aza Rajoelina, sarotra ho azy ny handresy, raha tena fifidianana madio no hatao sy tanterahana eto. Na ny mpomba ny revolisiona volom-boasary tamin’ny 2009 aza mantsy, miady an-trano. Mifanolana sy tsy mifanaran-tsaina amin’i Andry Rajoelina avokoa ireo niara-dia taminy rehetra teo aloha ireo. Raha hanapa-kevitra ny tsy hirotsaka kosa anefa ny filohan’ny tetezamita dia mitory fahamatorana ara-politika sy ara-poto-kevitra izany satria ny ahasoa ny firenena sy ny vahoaka ka hametrahana filaminana maharitra no jerena. Varavarana hivoahana io ho an’ny filohan’ny tetezamita manoloana ny faneriterena mety hataon’ny mpanohana azy sy ny miaramila vitsivitsy izay manosika azy mafy. Na hirotsaka izy na tsia, hisy hatrany ny faly sy tsy faly amin’ireo mpiara-dia aminy hatrizay. Raha fanapahan-kevitra tsotra tahaka izany aza tsy hay ny mandray azy, inona no handrasana amin’ny mpitondra tahaka izany?

Lire la suite 0 commentaires

ven.

21

déc.

2012

Tsy misy matahotra an’i Zandry kely

Kandidà maivana raha Rajoelina no hifaninana ho filoham-pirenena aminy. Io avokoa no saika avoakan’ny vavan’ireo olona efa nilaza fa hirotsaka ho kandidà filoham-pirenena amin’ny 8 Mey ho avy izao. Raha Ravalo, dia hihemotra izahay, satria henjana be io filoha teo aloha io noho ny fitiavana’ny vahoaka azy hoy ihany ireo olona nilaza ho kandidà ireo. 1er tour de vita ny hanaovanay an’io zandry kely io, satria azonay antoka raha tsy misy hala-bato, fa tsy hahazo mihoatra ny 9% io lehilahy io, raha sahy hilatsaka eo. Sao mihevitra fa ho azony avokoa ny vaton’ireny olona nijery fety tamin’ny fitokanan-javatra nataony ireny, fa dia ho tapaka lalandra eo izy raha mihevitra izany. Maro no antony nahatonga ireo kandidà ireo niteny izany, satria ny vahoaka Malagasy dia tsy tia olona nanongam-panjakana, ary efa hita ihany koa ny fomba fiasany tao anatin’izay efataona latsaka kely izay, fa tsy fahombiazana hatrany no hita. Te-hahita ny mangarahara tamin’ny nampiasàna ny volam-panjakana momba ireo kianja manara-penitra sy ny kianja ary ny trano mora ny olona, ka raha mbola ireo no eo, dia tsy ho hita ny fahamarinana. Izao no hitakian’ny olona fiovana. Toy izany koa ny harem-pirenena izay nisy nanondrana an-tsokosoko, izay tsy maintsy hipoitra ny marina momba ireny, ka tsy hifidianan’ny vahoaka ireo mpitondra ireo intsony. Vonona ireto kandidà ireto hanara-maso hatramin’ny farany ny vokatry ny latsabato, raha sahy handray anjara amin’izany ingahy Rajoelina hoy izy ireo, fa raha mahay manaja tena tahaka ilay filoha teo aloha Ravalomanana kosa izy dia hafa indray ny fandehany. Ny hamaranana azy, dia samy nilaza avokoa ireo kandidà ireo, fa raha tafakatra ao anatin’ny fitondrana, dia tsy maintsy henjehina arapitsarana ireo izay meloka tamin’ity fitondrana tetezamita ity. Iza avy ireo?

Lire la suite 0 commentaires

mar.

18

déc.

2012

Ny ara-baiboly no marina…

Mbola betsaka ny malagasy miroaroa saina amin’ity resaka fara andro izay zary hifantohan’izao tontolo izao ity. Miteraka fiovan-tsaina eo amin’ny tsirairay, izay minomino foana io, ary azo lazaina ho mampitapy ireny mitonona ho mpahita ny ho avy, fa manamafy ny fandalinana ataon’ny mpitondra fivavahana kosa, na dia samy manana ny ambarany ho faminaniana azony avy aza. Misy ny fanazavana efa nentin’ny tera-tany Malagasy, manam-pahaizana manokana momba ny any ambony tsy taka-maso any, izay aratsiantifika angaha, nilaza fa raha misy izany zavatra hianjera ety ambonin’ny tany izany dia 20 andro alohan’ny hilatsahany dia efa hita maso mitatao eo ambony eo izany, izany hoe efa tokony nandondona teo ambonin’ny glaoby, raha alaina an-tsaina fotsiny an! Misy indray ny fanazavana somary lalindalina satria toa hoe any amin’izany Maya izany no hilatsahan’io ? io Maya io anefa dia anarana foko iray any Amerika, ilay nantsoina hoe « peau rouge” taloha. Dia asa aloha izay fombafomba any amin’io foko io na mino izany na tsia fa misy mpaminany malagasy iray nanambara fa tsy hisy io akora goavana hianjera ety ambonin’ny tany io. Raha ny eto an-toerana aloha dia be finoana an’Andriamanitra ny ankamaroany hany ka toa tsy dia mahataitra loatra, sady toa tsy hisy fiantraikany aty koa izany raha misy, fa toy ny loza voajanahary rehetra ka mety fara andro ho an’izay tandrify azy. Efa akaiky ihany anefa izy izany fa aleo mibebaka e ! Tongava eny amin’ny FLM 67 ha amin’ny fara andro…oadray amin’ny 21 desambra mantsy e ! Hahazo fanazavana bebe kokoa ianao mikasika ny 21 desambra 2012.

Lire la suite 0 commentaires

lun.

17

déc.

2012

Norangotin’ny saka mainty sahady

Mifangaro ao anatin’ny raharahan’ny antoko PSD avokoa ny olana ara-pianakaviana sy ny olana pol i t ika. Ni foha tampoka tamin’ny torimasony ity antokon’i Philibert Tsiranana ity, taorian’ny f i f ana rahan’ i Ruf f ine Tsiranana sy Fetison Rakoto Andrianirina fa ity farany no hatao filohan’ny antoko. Nitroatra ny zanaky ny Repobika voalohany izay mihevitra fa fananam-pianakaviana ny antoko PSD ary misy soatoavina arovana mafy anatin’ny antoko. Nanda ny maha filohan’ny antoko an’i Fetison Rakoto Andrianirina izy ireo. Vao voatendry teo amin’ny toerana i Fetison Rakoto Andrianirina dia nilaza tamin’izany fotoana fa toerana vonjimaika ity toeran’ny filohan’ny antoko PSD tazoniny ity, araka ny fanendren’i Ruffine Tsiranana sekeretera jeneraly azy. « Rehefa tonga ny kongresy ka tazon’ny mpikambana aho dia mitarika ny antoko, fa raha tsy ilain’ny mpikambana kosa dia miala, kanefa mbola vonona hatrany hanohy ny fiaraha-miasa », hoy izy. Nangiana nanomboka teo ity mpitarika ny “paix des braves “ ity ary tapa-kevitra mihitsy fa hiala rehefa tsy nahita mangirana fa tsy niandry ny kongresy. Tahaka ireo antoko politika samihafa eto amin’ny firenena dia miezaka mifoha koa ny antoko “Pisodia” mba hiatrika ny fifidianana sy ny raharaha politika samihafa. Nampiantso kongresy nasionaly avy hatrany ny zanaky ny filohan’ny repoblika voalohany izay sekretera jenaraly lefitra ao amin’ny PSD, Philippe Tsiranana. “Ny hampivondrona ny mpikambana rehetra hatramin’izay sy ny fameloma-maso indray ny tarigetran’ny antoko no anton’ny fivoriana”, araka ny fanazavan’ity kandida filoham-pirenena teo aloha ity. Raha izao no zohiana dia na hiray hina sy hitambatra avokoa ireo ao amin’ny antoko PSD ka tsy hanilika ny hafa sady hivelatra amin’ny mpikambana vaovao sy tanora. Na koa samy hitana ny heviny ka hanangana antoko hafa ny tarika voalohany tarihan’i Philippe Tsiranana sy ny tarika iray hafa faharoa tarihan’i Ruffine Tsiranana. Tsy vao izao rahateo no nisy ny fisintahana tao anatin’ny antoko tahaka izao fa efa nisy izany. Ny iray tampo amin’izy ireo, Pierre Tsiranana aza efa manana ny antokony manokana PFDM. Mbola hisy ve ho “pisodioa” mandra-pahafatiny ,araka ny hira faneva, raha izao no mitohy?                                         Manitra Andrianjakarivony

Tsindrio ny sary raha hitady ny laharana rehetra efa nivoaka ianao

Radio Longo Madagasikara

Vaovao Tselatra

Vidio , vakio, ny Vaovaontsika

09:46(20feb2013) Toetry ny andro

Vinavinaina ny hiditra an-tanety

ao amin'ny faritra atsimo

andrefan'ny nosy rahampitso

alakamisy ilay rivo'doza HARUNA

09:25(14jan2013)Toetry ny andro

Misy andro ratsy niforina ao

amin'ny océan indien 6000km

miala ny morontsiraka, nomena

anarana EMANG, mizotra atsimo-

andrefana ny diany.

08h20(03 jan 2013): mpivarotra

Nanao bemidina teny behoririka

indray ireo mpiasan'ny fivondronana

nanala ny fivarotan'ireo mpivaroytra

amoron-dalana.

11:00(23-11-2012) Seimampafi..Noraisin'ny filohan'ny tetezamita Rajoelina izao maraina izao

Ireo mpanao fitaterana ao anatin'ilay Sendikan'ny mpanao fitaterana eto Madagasikara no hilaza ny olan'ny fitaterana eto Madagasikara eny Ambohitsorohitra. Tsy ny fitaterana an-tanàn-dehibe ihany no manana ny olana fa ny sehatra nasionaly mihitsy araka ny fanazavana azo avy amin'ireto SEIMAMPAFI ireto.

11:10(22-11-2012):Maty i Haja RAKOTONIMANGA

Very Mpanakanto isika malagasy, satria dia nodimandry i Haja Rakotonimanga noho ny aretina nahazo azy.Anisan'ireo mpanakanto nisongadina teo amin'ny tontolon'ny jazz izy, ary efa nitendry ihany koa niaraka tamin'ireo mpanakanto maro eto Madagasikara.Vao omaly no notontosaina ny tolo-tànana ho azy mialoha ny fandidiana, nefa dia izao tsy tana izao ny ainy.
Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany sy Elsie vadiny ny mpiara-miasa rehetra eto

11:32(21-11-2012) Taxiphone: Lasa manararaotra loatra

Ankoatra ny mpitatitra izay niaina ao anatin'ny gaboraraka tanteraka dia sahirana tokoa tato ho ato ny mpanjifa noho ny afitsoky ny Taxiphone. Mifamaly fotsiny no hany ataon'ny mpanjifa sy ny mpikirakira ity asa ity satria nisondrotra tampoka teo ny saran'ny fanjifana ka tonga hatrany amin'ny 300 ariary ny sandan'ny iray minitra

11:12(21-11-2012) Kaomina mitoka-monina

Tapaka ny lalana mampifandray an'i Bezaha sy Benenitra vokatry ny fahasimban'ny Radier ao Besely, tanimbary 4.000 ha no simba, 1.000 ha hafa tsy mahazo rano. Ireo no vokatry ny fahavakisan'ny barazy ao Ambarinakoho Bezaha. Ny alin'ny sabotsy hifoha ny alahady teo no nisy izany tarehin-javatra izany.

11:00(20-11-2012) Raikitra ny fitokonan'ny Mpitatitra an-drenivohitra

Misavoritaka tanteraka ny raharaham-pitaterana eto an-drenivohitra. Andrasana ny ho tohin'ny raharaha satria efa miatraika mivantana amin'ny amin'ny fandaham-potoan'ny sarambaben'ny olompirenena ny fitokonan'ny mpanao fitaterena an-tanàn-dehibe. Misy an-kavitsiana ihany no manao ny asany an-davanandro. toy ny 133...139

11:30(16-11-2012Mpandraharahan’ny fitaterana

“Fampihorohoroana izao ataon’ny fanjakana izao”

Tsy ekena ary lavina marindrano ny fanomezan-dalana ny zotra ivelan’ny renivohitra hiditra an-tanan-dehibe, satria mety hitarika korontana eo amin’ny samy mpitatitra izany. Mety hanosika ireo mpitatitra rejionaly sy nasionaly hiditra eny Analakely hitady mpanjifa izany » hoy Richad, filohan’ny jeunes transporteurs. Ho an’ny filohan’ny FIMPA (Fitaterana mpanjifa) kosa dia fanontaniana no napetrany: “ndrao mba vava fotsiny hampihortohoroana ny mpandraharaha miantsehatra amin’ny “urbaine” izany fa tsy hahatanteraka hatramin’ny farany akory ka handiso fanantenana ny mpanjifa?” Nanampy izany tamin’ny fahitàny ny zava-misy ankehitriny ny filohan’ny SEIMAMPAFI, Rakotoarisoa Hery, fa fanapotehana ny UCTU io ary fampihorohoroana ataon’ny fanjakana mihitsy. Na izany aza dia nanamafy ity farany fa tsy hiady velively ny samy mpitatitra na inona tetika hampizarazarana azy ireo fa kosa hitsangana hiaro ny fandraharahan’izy ireo.

15:12(15-11-2012)Adala hilomano anaty lapa: Nahaliana azy ilay tifi-drano

Mafana tokoa ny andro ka mihetsika ny hadalàna isan-karazany. Tahaka ity tranga tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely ioatoandro io. Tsy fantatra na ahoana na ahoana ny fomba nidiran’ity ranamana ity tao amin’ny tokotanin’ny lapan’ny tanàna tao, satria mihidy ny vavahady; fa izy efa nanomboka nanala akanjo handeha hilomano no tazan’ny tompon’andraikitra.

Migaingaina tokoa moa ny andro ka asa na noho ny hafanana be loatra no nampihetsika ny areti-tsainy. Avy hatrany dia nanao be fiavy tamin’ny fiaran’ny fivondronana ireo polisy monisipaly handeha hisambotra azy, ka vaky nandositra, ary nifanenjehana erak’iny tokotanin’ny lapan’ny tanàna izy.

16:23(14-11-2012) Foana ny fotoana nomen-dRaharimanana Patrick

Nofohanan'ny Commune Urbaine d'Antananarivo ny lanonam-panokafana ho famoronan'asa ho an'ny rehetra izay atao ao Mahamasina ny alahady 18 novambra 2012. Lanonan saika handraisan'ny artista maro samihafa anjara no sady hijoroan'ilay kandida ho filoham-pirenena Raharimanana Patrick

12:45(14-11-2012):Frais lasa 400 Ar

Aiza izay fanovàna eo ?

Ny 90% n’ireo koperativa eto an drenivohitra dia mampihatra avokoa ny saran-dàlana 400 Ar. Tsy azo ihodivirana intsony hoy ireo mpitatitra satria dia efa nihoapampana ny vidin-tsolika. Na ireo koperativa izay tsy nampihatra io 400Ar io tamin’ny 1 Novambra aza, dia efa manaraka izany. Amin’izao dia misy sarany 3 ny taxi-be. 200 hatramin’ny 400 Ar izay tena mampiteraka sahotaka mihitsy. Ny vahoaka moa dia tsy afa-manoatra fa dia manaraka ny onjany eny fotsiny. Ny zavatra tsapa anefa amin’izao fotoana dia tsy dia hita firy ilay fanovana nampanantenaina ny vahoaka, taorian’io fiakarana io. Aiza izay kalitaon’ny fandraisana mpandeha ? Aiza izay fiara mihatsara eo ? Toa mbola « strapotin » mankarary fitombenana sy mandrovitra akanjo no hita anaty fiara sasany ? Toa mbola maloto sy masiso ihany ny « receveur » sasany ? Toa mbola manao « poteau » efa ho 20 mn ihany ireo zotra sasany ? Raha nandefitra kosa aloha ny mpandeha nanaiky 100 Ar be izao, tokony tsy atao ambanin-javatra velively ny momba azy. Ekena fa misy tokoa ireo zotra sy koperativa tena manao ezaka fa vitsy ihany izy ireny. Anjaran’ny koperativa tsirairay no mijery izany ho fitsinjovana ny vahoaka. Tena aleo ny samy madinika no mifampitsinjo fa raha fanjakana dia volan’ny Cnaps hoy ny fiteny izay.

11:40(11-11-2012) Ho avy tsy ho ela intsony "ny Vaovaontsika"

Newsletter