mar
26
jui
2011
Misy antenaina amin’izay sonia hataon’ny mpanao politika ve? Toa tsia avy hatrany no valiny, satria toa tsy matotra amin’izay rango-pohy na rango-dava nataony ireto mpanao politikanareo ireto. Akaiky ny hidirantsika amin’ny volana Aogositra izay hamaranana ilay tondrozotra avy amin’ny SADC, ary hamaranana ny krizy eto amintsika. Alohan’izany anefa, dia efa tsinjo, fa hiverina indray ny fandavana izay ho vita eo, toy ny tany Maputo sy Addis Abeba tamin’ny taona 2009 iny. Raha ireo fanehoankevitra ataon’ireo milomano ao anatin’ny fahafinaretana amin’izao tetezamita izao, toy ny filazana fa tsy mahazo mody Ravalomanana, sy ny fikasana hanao fifidianana samirery, dia mbola lavitry ny afo ny kitay!
mar
26
jui
2011
Ny tsaho no matanjaka sa ny marina mihitsy no tsy tiana holazaina? Ny niaingan’ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita teto an-tanindrazana ho any ivelany any aloha dia efa nampametra-panontaniana. Niainga an-tsokosoko. Na dia anton-dia manokana aza manko tokony mba ho fantatry ny sarabambembahoaka ihany, indrindra fa ny mpandoa hetra. Fa inona no antony no tsy nambarambara taman-kavana? Nisy ny nilaza fa ho fitsimbinna ny fiainany manokana no antony. Saingy, misy ihany koa ny feo mandeha sy resaka an-tsoratra, any anaty gazety samihafa any, milaza antony hafa ihany.
Tsy salama ?
Anton’ny fahasalamana. Izay no voalaza. Fa dia naninona loatra? Noho ny tsy fahavitan’ny sonian’ilay tondrozotra (efa nasiam-panitsiana) angaha ! Mety koa noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana ara-politika angamba… Maro dia maro mantsy ny henjika isan-karazany, toy ny nahafaty ilay lehilahy mbola tanora voalaza fa saika hitifitra ny «cortège-ny» tamin’ny «flesy fingotra» angaha…
jeu
21
jui
2011
Tsy tafavoaka mihitsy ny fomba fiasa amin’izao tetezamita izao. Miverimberina foana ny krizy na ara-politika io na ara-tsosialy. Raha raisina ohatra amin’izany ity tranga eny anivon’ny anjerimanontolo ity, dia ahiana hihitatra amin-javatra hafa io, raha tsy voavaly haingana ny fitakian’ireto mpianatra ireto dia ny fandoavana ny vatsim-pianarany telo volana. Na dia efa misy aza ireo lisitra tazana hahazo vatsim-pianarana ireo eny Ankatso, dia mitoetra hatrany eo amin’ireo mpianatra ny ahiahy...
mar
19
jui
2011
Tezitra ny mpino katolika maro, noho ny fihetsika nataon’i Mompera Pedro milaza ny tsy tokony hodiandRavalo eto an-tanindrazana, andro maro lasa izao. Ny vondron’ny kristiana katolika mijoro amin’ny fahamarinana «V2kmf», dia nandefa taratasy ho an’ny Papa Ray masina Benoit XVI sy ny arsevakan’Antananarivo izay nilazany ny tsy tokony hitsabahan’i Pedro amin’ny raharaha toy izao. Voalaza ao anatin’io taratasy io fa tsy anjarany ny mitsara na tokony hody an-tanindrazana, na tsia ny Malagasy iray. Aza hadinoina, hoy ity taratasy ity, fa relijiozy izy, ary vahiny, ka tsy tokony hanao politika. Voalaza fa Malagasy 8 amin’ny 10 no miaina tanteraka amin’ny fahantrana amin’izao, ary mba sahia mitsikera ireo namotika ny firenena sy nampahantra ireo zanakao. Voalaza ao fa manohana be ny FAT ity mompera ity, satria angaha hoy izy ireo noho ilay tany 14 hektara nomena azy ? Hatreto izany, dia nampikorontana ny mpino katolika sasany iny fihetsiky ny relijiozy mpanao asa soa iny,satria toa mitongilana any amin’ny FAT ny fihetsiny ?
Pilo kely
mar
19
jui
2011
Tsy maty tsy velona ! Io no azo hilazana ny tolona ataon’ny mpanohitra ny FAT eto amintsika satria toa misy fotoana vory vahoaka be, nefa indraindray, zara raha misy olona. Efa samy reraky ny asa andavan’andro hoy ny hafa, ary ao koa anefa no manambara fa miandry izay havoakan’ny eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena. Be anefa ny feo mandeha fa mandefa volabe Ravalo, hanaovana ny hetsika eto, mba handrindràna ny tolona, saingy be ireo nikepoka ny volany, ary namadika palitao avy eo ? Izay no maha-tezitra ny hafa, satria ireo tena lohany nikirakiraireny vola ireny no tsy tazana intsony amin’ny tolona izay atao.
sam
16
jui
2011
Fanjakana miady an-trano, ho rava tsy ho ela ! Isan’ny voalaza ao amin’ny tenin’ny soratra masina io. Toa mipoitra tsikelikely tokoa ireo fambara alohan’ny hirodanan’ny fitondrana teto hatramin’izay. Isan’io ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ireo samy mpitondra, ary eo ihany koa ny fanagadrana ireo mpiaradalana amin’ny tena toy ilay CT Ezekiela nambara fa nanodikodina hazo sarobidy. Manampy trotraka izao fitondrana izao ny tsy fahitany ny lalan-kivoahana amin’ny krizy, ka ny fandrangarangana fifidianana isaky ny mihetsika ny atao. Ny fanoherana ataon’ny mpanohitra toy ny ankolafy telo sy ny namany, ary indrindra ny hafitsoky ny sehatra iraisam-pirenena. Ny alok’i Ravalomanana hody eto an-tanindrazana efa tsy laizana intsony, satria dia toran-kovitra andro aman’alina ireto FAT ireto. Toa tsy misy andro mihiratra mihitsy izany filaminana izany, fa savorovo hatrany no hita, ka tsy hita intsony ny fifanarahan-kevitra eo amin’ny mpomba ity fitondrana ity. Izany tokoa ve no vokatry ny fanonganam-panjakana, ka izay atao maneno sahona avokoa?
Balita
jeu
14
jui
2011
Namoaka ny fehi-kevitra, na koa tatitry ny fivoriana farany natao tao Addis-Abeba ny filan-kevi-pilaminan’ny Vondrona Afrikana, ary tamin’izany no nanambarany fa tsy manao ambany maso tsy hita ny raharahan’I Madagasikara ny Vondrona Afrikana, ary dia mamporisika indrindra ny sehatra iraisampirenena iray manontolo ity CPS ity mba hijery ampitoniana ny raharahantsika, ary handinika akaiky kokoa ny ilay tondrozotra nasiampanitsiana tany Sandon ny 11 jona 2011 teo. Nanamarika ny filankevi-pilaminan’ny Vondrona Afrikana fa efa nisy ny fivoriana momba ny raharahan’I Madagasikara ny 30 jona 2011, tany an-drenivohitr’I Guinée, ka tamin’izany no nanoritsoritana fa samy hafa ny tolo-kevitra sy ny hoe fanampahan-kevitra. Samy manana ny dingana, na koa ny tanjona tamin’izao famahanay krizin’ny Malagasy izao ny fanelanelanan’ny SADC, ny an’ny Troïka, ny fivoriana an-tampony, ary ny an’ny filan-kevi-pilaminana. Samy hafa, kanefa ny tanjona dia ny hahazoana miaina ao anatin’ny fitoniana ara-politika, hirosoana any amin’ny fiifdianana sy ny lamina araky ny lalampanorenana
mar
12
jui
2011
Namory sy nandrahatra ny fijeriny ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny, teo anolohan’ny mpanao gazety, teny amin’ny foiben-toeran’ny Tiako i Madagasikara teny Ampandrana ny ankolafy Ravalomanana omaly alatsinainy 11 Jolay 2011. Nambara tamin’izany fa mbola mafy sy vita fato-maty ny tolona iaraha-manana eo amin’ny ankolafy telo, izay hifandrombonana amin’ireo roa hafa dia ny mpanaradia ny Amiraly Ratsiraka sy ny Profesora Zafy. Tetika sy fitsarana miendrika politika tanteraka ny eto amintsika, ka tsy misy antony mazava akory namerenana indray ity fitsarana ny fifamonoana teny Ambohitsorohitra tamin’ny 7 febroary 2009 ity. Noho izany indrindra dia kianin’ny ankolafy Ravalomanana ny tsy famelàna ny fandinihina ny fijoroan’ireo vavolombelona tamin’iny raharaha iny, ary indrindra ny maha-tsy azo antoka intsony ny fitsarana eto amintsika noho ny fitongilanana. Ny fitsarana toy ireny dia natao hanapempoana fotsiny ireo mpomba an-dRavalomamana, sy hisakanana amin’ny fomba rehetra tsy hodiany eto an-tanindrazana.
mar
12
jui
2011
Tsy azo hiodivirana ny hisian’ny referandaoma eto, hoy i Pasitera Mailhol. Ny antony, dia ny tondrozotra izay ho atao sonia eo, dia tsy maintsy hampidirina ao anaty lalampanorenana, ary io no mamoaka didy hitsivolana mba hampanan-kery izay tondrozotra izany. Tafahitsoka lalina ny mpitondra ankehitriny, satria na ny daty hanaovana ny fifidianana aza tsy sahy faritany intsony. Eo ampelan-tanan’ny sehatra iraisam-pirenena tanteraka ny ho avin’i Madagasikara, ary izy ireo no mametraka izay lalankizorantsika. Na manambara aza i Andry Rajoelina fa tsy mitamby fankatoavana, dia sahy mandray andraikitra amin’izay tanjona heveriny hatao, satria roa taona mahery ato afara, mbola mitady lalan-kivoahana amin’ny krizy hatrany.
sam
09
jui
2011
Mifantoka tsy fidiny any Addis-Abeba indray ny sain’ny Gasy mbola tsy kivy amin’ity sehatra iraisam-pirenena ity. Manantena ny hahita izay fehin-kevitra ho fampiharana ilay tondrozotra, ny mpanao politika be finoana. Raha ny fandehan’ny antontantaratasin’i Madagasikara dia tsy Gasy tsy akory no hiaro ny heviny eo anatrehan’ilay filan-kevi-pilaminan’ny fivondronam-be Afrikana fa ireo Mozambikana roalahy nanao ny fanelanelanana teto hatrizay. Ny filoha Mozambikana taloha Chissano sy ilay solotenany teto amintsika Simao no nanazava teo anatreha’ity vondrona Afrikana ity hatry ny omaly ny vokatry ny fanelanelanana nataon-dry zareo teto Madagasikara. Mifangarongaro sy mbola ao anatin’ny misitery tanteraka ny raharahan’i Madagasikara satria raha ny tokony ho izy dia hamoaka fanam-pahankevitra ity fivoriana ity ho amin’ny hampiharana izay dina nifanarahan’ny mpifanandrina ara-politika.
jeu
07
jui
2011
Aza mijabaka! Ataovy anatra ny nanaovana ny fitsapan-kevibahoaka farany teo, nefa toa voahitsakitsaka ankehitriny. Ireo dia vokatry ny fahamaikàna avokoa. Fanatsarana no tadiavina, ary izay no nanonganana ny mpitondra teo aloha, nefa toa mikoropadropaka sy mitorona toy ny foza orana isika eo amin’ny fanomanana izany fifidianana izany, ka mety hiteraka olana indray. Be izay resaka natsipy tetsy sy teroa izay, fa atao hono ny fifidianana. Nivoaka avokoa ny daty sy ny volana, ary nambara fa misy ny vola hoentimihetsika amin’izany. Inona akory anefa no vita teo, fa ny pli-vava fotsiny no betsaka
mer
06
jui
2011
Nialoha ny nandaozany an’i Madagasikara dia nihaona sy niresaka nandritra ny adimpamantaran’andro roa tamin’ny Praiminisitry ny fahafena avo Vital, ilay dokotera iraky ny sekretera mpanatanteraky ny Sadc, Simao. Resaka momba ny fodian-dRavalomanana eto an-tanindrazana no fototry ny dinika tao satria nanterahn’ireo lohandohan’ny mpitarika sy mpibaiko ny foloalindahy. Rehefa nanao fanambarana ny Dr Simao mikasika indrindra izay dinika nifanaovana dia nilaza ny tenany fa tsy mivonona ny hiantoka miaramila hiaro an-dRavalomanana izany ny SADC, ary tsy misy antony hitsabahany (Sadc) amin’ny didy sy ny fampiharana ny voalazan’ny fitsarana malagasy ny amin’izay mahameloka andRavalomanana.
mar
05
jui
2011
Handeha tsy ho ela ny fitsarana ireo zava-nitranga tamin’ny taona 2009 teto Madagasikara. Tantara izay be no tsy azo adika vilana, satria ny marina tsy maintsy hipoitra. Isan’ny filazana fa marobe ireo maty teny Ambohitsorohitra, ka very faty hatramin’izao ny havany. Feo niparitaka tetsy sy teroa izany, ary mbola heno hatramin’izao. Ny tsy azo lavina kosa anefa, dia be ireo faty lasa masikita tamin’ny trano fivarotana maro teto amintsika, ka isan’io ilay tetsy Analakely. Faty maro be ireo tsy hay fantarina tamin’izany, ka nalevina faobe teny Anjanahary satria tsy nisy nahafantarana azy intsony izy ireo. Niainga tamin’izany ny resaka tato afara, ka ireo very havana na nifangaro tamin’ireo olona nandromba tranombarotra ka maty kila forehitra tao no hambaran’ny sasany fa tsy hita faty tetsy Ambohitsirohitra. Be no nahatsikaritra an’izany, satria tetehin’ny sasany ho lasa martiora ny mpandroba tamin’izany. Nefa aoka tsy hiady amam-paty e.
Tangena
mar
05
jui
2011
Io indray ilay habobo! Fahasorenana ny an’ny olona izay nahita ireto trakta vitsy niely tamin’ny faritra vitsy teto an-drenivohitra ny faran’ny herinandro teo nilaza fa marary Ravalomanana. Andalan-teny vitsy no voalaza tamin’izany, izay milaza fa tsy afaka hitodi-doha eto hono ity Filoha teo aloha ity, raha misy fanaovan-tsonia hatao ihany eto, satria ao anatin’ny tsy fahasalamany izy, ka atahorana tsy afaka hanohy izany any ivelany raha sanatria ka tody eto. Izay namaky ity trakta ity, dia sorena avy hatrany, ka nisy ny nandrovitra, ary tao kosa no nanambara fa fomba fiady hanakorontanana saim-bahoaka indray ny toy izao. Ny vaovao heno anefa dia salama tsara ity filoha teo aloha ity, ary vonona hitodi-doha eto antanindrazana. Porofon’izany ny nanaovany antso tamin’ny vahoaka tao Antsirabe raha niditra mivantana tamin’ny antso an-tarobia tany izy. Efa fandre matetika ny vaovao tsy marim-pototra inian’ny sasany aely toy izao, satria na ny amiraly Ratsiraka aza efa nisy nanambara sy nanaparitaka trakta mihitsy fa namoy ny ainy. Fomba fiady hoy ny hafa ny toy izao, satria na ny rindrina eto amintsika aza, dia saika ahitana soratsoratra fanaratsiana ny andaniny sy ny ankilany avokoa. Efa tsy maha-taitra ny maro intsony ny toy izao.
Tangena
lun
04
jui
2011
Be izay sonia vita teto izay, fa tsy mbola nivaha ny krizy! Mitohy etsy an-kilany ny dinika samy hafa, nefa ny lalan-kivoahana amin’ny kizo mbola ny omaly tsy miova. Tsy kilalao na an-kandasitra no atao, fa fandraisana fepetra. Efa manameloka antsika izao tontolo izao, toy ny tsy fanajana ny zon’olombelona, raha tsy hiteny afa-tsy ny Amerikana. Ny vondrona Eropeanina efa saika miteny foana, ary tsy mankasitraka izao fitondrana mijoro izao. Ny SADC efa namaritra ny lalankizoran’ity firenena ity, ka ny fanaovan-tsonia atsy ho atsy, izay hiafara amin’ny sazy henjana ho an’izay minia mandika izany.
ven
01
jui
2011
“Andrim-panjakana tsy mbola vita sonia sy tsy mifanaja akory isika eto, koa aleo ravàna sy arodana avy hatrany”. Io no fanamarihin-dRamasy Adolphe raha niatrika ny CT tetsy Anosy ny praiminisitry ny fahefana avo sy ny minisiny. Natao an-tsoratra mialoha ny fanontaniana, dia niezaka nanao ny “enti-mody” ny minisitra tsirairay vao niatrika ireto parlemantera ireto, ary nony nilentika indray ny masoandro dia nilaza ny praiminisitra fa noho ny “fandriampahalemana” dia hirava ny “lanonana”, ka hovaliana an-taratasy tsirairay (indray) ireo fanontaniana.
jeu
30
jun
2011
Sao mihevitra isika fa raha «mino» ny voalazan’ny Dr Simao ny amin’ny tsy fitsabahan’ny hery vahiny amin’ny raharahan-tokatranontsika, dia ho afaka handry ivohon’ny vato sy tsy hanana ahiahy. Mitratrevatreva ny fanambaràna sy ny fanamelohana ny fihetsiky ny governemanta mpifehy ny fahefana, avy amin’ny sehatra vahiny, toy ny parlemantera Eropeana, ny tatitry ny sekreteram-panjakana Amerikana, ny don-tandroky ny filoham-pirenen’ny Sadc. Mihamanakaiky ny resaka filan-kevi-pilaminana eo amin’ny vondrona Afrikana. Hiverina hiresaka indray ny GIC. Tsy manana ny antonantony amin’ny fiarovany ireo fanapahan-keviny ny governemantan’ny tetezamita sy ny mpitarika azy hatrizay, fa variana ny manakiana ny fanambarana ataon’ny sehatra iraisam-pirenena fotsiny hatrany.
jeu
30
jun
2011
Handamina sa hanakorontana? Io hat rany ny fanontaniana ataon’ny maro, momba ity fampiantsoana mpanao politika gasy ity, na eto an-toerana izany na any ivelany, izay ataon’ny SADC. Hatramin’izao anefa, dia mbola resaka mandany jiro hatrany ny vokatr’izay dinika izay. Be izay fepetra efa napetraky ny vondron’ny mpanelanelana raha ny momba ny famahana ny krizy eto Madagasikara no asian-dresaka. Napetraka ny sazy ho an’ireo olona 109 izay mpitondra tao anatin’ity tetezamita ity, saingy...
mer
29
jun
2011
Avadiho im-pito ny lela mialoha ny hitenenana. Aza manao tora-po sy resaka “fankahalana” fotsiny raha te-hisora-tena ho filohan’i Madagasikara. Tsy filoham- pirenena Rajoelina Andry fa filoham-panjakana, araka ny norangotin’ny olona 402 teny Ivato, ny 9 martsa 2011. Mbola iadian-kevitra ihany koa ny filazana fa efa miaina ny Repoblika vaovao fahefatra isika. Noho izany dia manahirana ny mamaritra ny famotsoran-keloka faobe ho andraikitry ny filohampanjakana, na koa ho adidin’ny parlemantera notendrena.. Ny heloka ara-politika dia mifarana sy miravona amin’ny fomba politika. Mety hitarika hadisoana sy ratra eo amin’ny fitsarana sy/na hitarika tsy fahatokisana ny fitsarana ny famadihana ny raharaha politika ho ady heloka tsotra, na ady heloka bevava. Ny ady (nifanaovana), izay mitarika “vono olona” dia mila fitsarana amin’ny fomba tony, tsy tokony hisy baiko avy amin’ny mpandresy na avy amin’ny resy. Tsy ilaina akory anefa ny fitsarana raha misy ny dinika sy fifanarahana ara-politika mamafa ny heloky ny andaniny sy ny ankilany (?). Toy ny tao Afrika Atsimo raha noravana ny fanavakavaham-bolonkoditra.
mar
28
jun
2011
Fito minitra teo ho eo no faharetan’ny antso mivantana avy any Afrika atsimo nataon’i Ravalomanana Marc tetsy amin’ny Magro ny alahady lasa teo. Antso izay nankaherezany ny malagasy rehetra tsy ho kivy na ho ketraka, fa hanamafisana ny tolona kosa, satria tsy maintsy mandresy no tanjona, ary tsy maintsy ho azo tsy ho ela izany fandresena izany. Hiverina an-tanindrazana aho hoy izy, ary tsy maintsy ho kandida. Ireo mpitolona teny an-toerana notarihan’ny filoha Zafy Albert tetsy ankilany, dia vonona hatramin’ny farany, hametraka ny ara-dalàna eto amin’ity firenena ity, satria dia efa mijaly loatra ny vahoaka ao aminy. Samy nanamafy ny solontenan’ny ankolafy telo, toy ny avy ao amin’ny ankolafy Ratsiraka, Zafy Albert, ary Ravalomanana, fa tokana ny tanjona, dia ny fanilihana ny mpanongampanjakana, ary firenena hiaraha-manangana no atao eto, mba hirosoana any amin’ny fifidianana eken’ny rehetra. Omaly dia mbola nitohy ny tolona nataon’ireto mpanohitra ny tetezamita ireto, izay natao tesy amin’ny Magro Behoririka, izay nahavory vahoaka maro be hatrany.
Imasomahita
lun
27
jun
2011
Tsy tokony ianteherana amin-drahalahy ny fampodiana an-dRavalomanana eto an-tanindrazana, hoy ny mpitarika ny MFM ALDR Manandafy Rakotonirina, raha nitondra ny hafatra fohy ho an’ireo mpitaky ny fampodiana tsy misy fepetra ny filoha Ravalomanana, tamin’ny sabotsy lasa teo teny amin’ny kianjan’ny MAGRO Behoririka, izy. «Tsy ny Sadc no Antenaina hampody an’ity filoha taloha ity, fa ny vahoaka malagasy mihitsy no mila mamerina ny hetsika nataony tamin’ny 19 febroary 2011, izay nahavory olona tsy latsaky ny 2 hetsy teny Ivato raha nikasa hody teto Ravalomanana. Isika dia mila maka fanjakana, hahafahantsika mibaiko ny miaramila mba tsy hisy hahasakana ny fiverenany eto». Io no fototry ny fampodiana an-tanindrazana andRavalomanana raha ny hevitr’ity anisan’n mpitarika ny ankolafy Ravalomanana ity.
sam
25
jun
2011
Tsy tora-po no hilazako izany, fa mamisavisa ireo teny voalaza tao ho ao no mahatonga ny penina niainga. Raha vao nivoaka ny fanambarana nataon’ny SADC avy atsy Afrika atsimo milaza fa mody tsy misy fepetra eto Ravalomanana, dia niteny ireo mpanao politika kanosa nilaza fa «aleony hono mamono tena, toy izay Ravalo no tafiditra eto». Fantatrareo tsara io olona io, ary tsy zoviana amin’ny maro ny toetrany, satria mpanao politika avy nigadra izy io...
ven
24
jun
2011
Raha misy ireo teny iarahan’ny rehetra na eto anivon’ny firenena na iraisampirenena manana sy miombon-kevitra ankehitrio dia loha-laharana amin’ireny ny tamba-teny hoe: «tsy fiandaniana». Raha ny fihainoana ny kabarin’ireo mpanao politika malagasy dia toa vokatra mahagaga nilatsaka avy any an-danitra hamoaka an’i Madagasikara amin’izao kizo nidirany efa roa taona sy tapany izao io hevitra io. Amim-panet ren- tena no hanambaranay ato amin’ny Hetsika Vonjy Aina fa io tokoa no hany teny ahafaoka be mitondra amin’ny Fifampihavanana sy Fitoniana manoloana izao savorovoro politika tsy ahita-mitsinjo amin’izao fotoana izao. Ny filan’ny tsy fiandaniana manko dia mitaky fahitsiana sy fahamarinana ary finiavana politika amin’ireo ankolafin-kery rehetra mihevitra ho manana andraikitra amin’ny famahana izao krizy mianjady izao, indrindra ny amin’ny fananganana ny tetezamita tena izy.
ven
24
jun
2011
Tonga soa aman-tsara eto an-tanànan’ny Gasy ny Dokotera Simao, ka solontenan’ny Sadc ve izy iny? Sa iraky ny inona? Isika Gasy mihitsy ve no te-hametraka an’Ingahy iny ho «mpandamina» sy tompon’ny «hevitra» rehetra? Tsy mazava intsony ny raharaha. Rehefa handeha sy niala teto izy dia nasainy natsangana tamin’ny alalan’ilay taratasy norangotina teny Ivato ny governemanta. Rehefa injay ka tonga izy dia nanitrikitrika fa tsy azo ovàna intsony ny governemanta efa nijoro, ary efa tara loatra raha izao vao hisy mihevitra ny hanao minisitra.
jeu
23
jun
2011
Miaraka mamaly angamba isika hoe efa dimampolo taona mahery izay! Marina izany!Fetin’ny fahaleovantena taona 2011, tsy maintsy ho ankalazaina, amin’ny fomba manetriketrika hatrany io é! Inona ilay ankalazaina? Ny fahaleovantena!... «fa angaha moa isika mahaleontena ry neny?» Taitra ilay reny nanontaniana. Dia ampahatsiahivina hatrany eto fa ny fananana izay mampiavaka antsika eto amin’ity izao tontolo izao ity no fototra iray hampamaka izay fahaleovantena izay. Ny fifandraisana amin’ny any ivelany tsy midika mihintsy akory hoe avelao ry zareo no hitsabaka amin’ny fanapahan-kevitra hitondrantsika ity Gasikarantsika ity!
jeu
23
jun
2011
Avadibadiho im-pito ny lela vao miteny, fa izay ihany no mahatonga ny sazy iraisam-pirenena hilatsaka ! Raha nandre ilay tenin’ingahy Andry Rajoelina farany teo teny amin’ny RTS milaza fa tsy mitady fankatoavana iraisampirenena izy, fa fankatoavana avy amin’ny vahoaka no zavadehibe. Tsara rehefa manana hambom-po, fa ireto no tsarovy : Fony vao vita ny fanonganam-panjakana, dia nilaza ny tenany tany Antsirabe, fa hiala ao amin’ny SADC satria tsy nahitantsika voka-tsoa hatramin’izay. Niova indray izany tato afara, fa izay rehetra ahitana fanafody hanasitranana an’i Madagasikara, dia tonga aho. Nikaro-dalana tany ivelany, ka tonga tamin’ny sonian’i Maputo sy Addis Abeba ny resaka, saingy nolaviny ndray ilay sonia rehefa tonga teto an-tanindrazana izy. Ho dinganina ny resaka, fa mialohan’ny dinika tany Gaborone, dia tsy tafatombina izy, fa nandeha nitety firenena maro. Voalaza fa ny fitadiavana fankatoavana iraisam-Pirenena no anton’io dia naleha io. Iza no tsy nahatsiaro ilay teny voalaza avy any hoe « izay vao mazava amin’ny any ivelany ny tena zava-misy eto » ary dia izy mpitarika ny tetezana mihitsy no nandeha tetsy sy teroa. Nampiana hoe sonia sisa atao any Gaborone fa tsy misy dinika intsony.
mar
21
jun
2011
Hilofo tanteraka ao anatin’ny fikarakarana ny lisi-pifidianana ny fitondrana amin’ny fampitaovana ny CENI amin’ny fomba rehetra. Tsy hikaroka ny fankatoavana iraisam-pirenena ihany koa fa hanasa azy kosa hijery ny fahavononana sy ny fahatomombanana rehetra rehefa vonona amin’ny fiatrehana ny fifidianana.
Amin’ny 2012 indray ve?
Tsy misy fe - potoana voatondro fa hilamina sy hiadana
tsara ny famolavolana izany rehetra izany raha ny fanazavana avy tamin’ny filohan’ny tetezamita avo Rajoelina Andry, nandritra ny fotoana nanolorany fitaovana ny foloalindahy Malagasy, omaly.Andrasana ho voasoratra ao anatin’ny lisi-pifidianana daholo ny olom-pirenena rehetra, ary ho eny ampelatanany ny kara-pifidianana vao hiroso amin’ny fanatanterahana fifidianana ny firenena.Dia aleo tokoa izany miadan-ko reniny toy izay mitsatsaingo-ko vantony ?
mar
21
jun
2011
Tsy maintsy tafody i dada. Io no fanambarana matetika ao amin’ny Magro, ary voalaza fa tsy azo ampiandrasana ela intsony izany, satria maika ny fivoahana amin’ny krizy Politika. Toy ny antso an’efitra ny fandraisan’ny sehatra iraisam-pirenena ireo kiakiaka ataon’ny mpomba ny FAT eto amintsika, satria heno fa miketrika mafy sy faran’izay haingana ny hodian’i Ravalo eto ny SADC. Ity olona
ampodiana ity ihany koa,dia tsy mitsahatra ny mihetsika amin’ny ambaratongampahefana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, amin’izay fodiany izay. Fantatra io isaky ny miditra amin’ny antso antarobia ao amin’ny hetsiky ny mpanohitra mpomba azy izy.Olona akaiky ity filoha teo aloha ity no andrenesana, fa efa voampirina daholo ny entany any Afrika atsimo any, satria miandry TOP ny tenany sy ny vady aman-janany, dia miainga hitodi-doha aty an-tanindrazany.
sam
18
jun
2011
Dravalomanana re izao ! Tena mahay mandagolango resaka mihitsy ireto FAT ireto rehefa i dada no ho avy an. Tena hainy mihitsy no mametraka an’io olona io ho olon-doza eran-tany. Nagadra olona tsy mitovy fomba fijery aminy hono, ary izay no nahatonga ny vahoaka hanongana azy tamin’ireny taona 2009 ireny. Tsaroan’ny rehetra tsara, fa ingahy Pierrot Rajaonarivelo,dia isan’ny nitaky ny hanaovana ny fampihavanam-pirenena tamin’ny taona 2002 ireny, satria dia isan’ny mpikambana tao amin’ny CRN izy.
ven
17
jun
2011
Tsy laitra nahifika mihitsy ity solombavam-bahoaka voafidy tany amin’ny faritra Anosy ity, raha hiainga ho any Gaborone, ka te-ho katolika alohan’ny Papa. Antoko TIM izy, ary ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana, araka ny fanazavany. Ny nahagaga anefa dia nirayTsy olana ny amin’iny satria minisi-panjakan’izao fahefana mitondra izao ny tenany ka mety kokoa aminy ny «manompo » ny mpanendry azy. Toy ny vao omaly no nilazan’ity mpanao politika ity fa noho ny fahitany ilay andininy faha-20 ao amin’ilay tondrozotra natao rangopohy teny Ivato tamin’ny 9 martsa 2011, izay manoritsoritra ny fomba hodiandRavalomanana rehefa misy ny filaminana sy ny fitoniana ara-politika eto, no tena antony goavana nahatonga azy nanao rango-pohy iny taratasin’i Dr Simao iny. fiaramanidina tamin’ny mpitarika ny TGV ny tenany.
ven
17
jun
2011
Somary nahavalalanina ny maro ihany ny nandre an’ilay fanambarana nataon’ireo mpitarika eny anivon’ny miaramila ny amin’ny fandavana ny toromariky ny SADC farany teo. Mahagaga ihany mantsy raha toa ka nihazakazahana ny fankanesana tany Gaborone ny amin’ny hamahana ny olana sy ny krizy eto amin’ny firenentsika. Nony injay anefa fa nivoaka ny hevitra hamahana ny olana dia toa nampiaka-pofona indray ireo miaramila. Ny zavatra niseho mantsy dia nisy ny tsirin-kevitra fa tokony hamonjy ilay fihaonana tany Gaborone ny tafika malagasy nefa noho ny filazan’izy ireo fa tsy manao politika ny tafika dia aleo ihany rizareo samy mpanao politika no handeha any.
jeu
19
mai
2011
Tsy hitsahatra intsony ny hetsiky ny rodoben’ny malagasy ho an’ny tanindrazana hoy Rakotoamboa Jean Louis, anisan’ny mpitarika ireo mpanao rodobe omaly teny Anosy. Tokony ho tamin’ny 12ora sy 30mn teo no nanomboka nitangorongorona ny vahoaka notarihan’izy ireo, ary minitra vitsy taorian’izay dia vory marobe ny olona ary niainga teo koa ny baomba lakrimozena. Tsy nihemotra ny mpitolona izay saika ny ekipa mpiaraka amin’i Zafy Albert no tena betsaka. Ny profesora Zafy rahateo no nidina teny an-toerana nitarika ireo vahoaka. Nipetraka ny fanontaniana hoe nahoana no teny Anosy no nanaovana ny hetsika ? Novalian’ireo mpitari-tolona fa hanatitra taratasy ao amin’ny fitsarana izy ireo mangataka ny hamoahana ireo gadra politika, sady mikasa ho ao amin’ny RNM sy TVM ahafahan’ny rehetra mandray fitenenana ao...
jeu
19
mai
2011
Nodimandry omaly talata teo amin'ny faha-83 taonany Atoa Razanamasy Guy Willy. Mpandraharaha teo amin'ny sehatry ny fivarotam-panafody no asa fameloman-tenany, ary anisan’ireo niharan’ny herisetra sy noravana fananana tany Toamasina izy tamin’ny raharaha 1972. Tratran’izany herisetra izany koa izy teto an-drenivohitra tamin’ny 2002. Ireo sehatra nandalovany.Namela dindo tsy hay kosehina eo amin’ny tantara politikan’i Madagasikara izy na dia fotoana fohy fotsiny ihany aza no nandalovany tamin’io sehatra io tamin’irenyy vanim-potoana nahamay noho ny krizy politika niseho teto tamin’ny taona 1991 ka nirosoana tamin’ny fametrahana ny Repoblika fahatelo ireny...
mer
18
mai
2011
Izay fikambanana rehetra (na eto an-toerana, na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena) mitaky ny fampanjariana fihaonana vaovao mba hamahana izao krizy izao dia tokony hahafantatra tsara ny mety ho antonantony handavan’ny mpifanandrina izany dinika izany. Ary ny mpitazana, na koa ireo mpanaraka ny vaovao sy ny fizotry ny fivoarana ara-politika rehetra, dia tsy tokony ho lany andro hifandresy lahatra amin’ny tsy antony, fa hifototra amin’ny antony mbola ilàna izany dinika izany indray na tsia.
mar
17
mai
2011
Tsy nahomby ny dian’i Andry Rajoelina tany andafy. Raha nahita rirany tamin’ireo diany tany Tiorkia sy tao Frantsa izy, efa nataony nanakoako ho ren-tany aman-danitra ny fahombiazany tany ivelany. Diso hevitra izay milaza fa raha natao teo ampovoan’ny SG-n’ny firenena mikambana sy ny filoha tiorka izy nandritra ilay fiaraha-misakafo, dia efa manaiky antsika ireo firenena eran-tany.
Lany andro nitady fankatoavana eran-tany ny filohan’ny FAT nandritra izay roa taona izay, ka ny ain’ny vahoaka malagasy no lasa sorona. Tsy nisy zava-bita fa variana mitady tetika ahafahana mandresy lahatra ny any ivelany isika. Mahaontsa ny mahita an’ingahy Andry Rajoelina tonga any Frantsa, ka ministra no mandray azy, fa tsy filoham-pirenena. Midika izany, fa toy ny olon-tsotra fa tsy olom-panjakana ny filohan’ny tetezamita eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mbola any amin’ny SADC ny baolina, ka izay fepetra apetraky ny vahiny no tsy maintsy toavina.
sam
14
mai
2011
Diso hevitra, satria mbola natsipin’i Frantsa any amin’ny SADC ny baolina momba an’i Madagasikara, mba ahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena. Be mantsy ireo nihevitra fa raha mandingana ny tokonam-baravaram-panjakana any Frantsa, dia hahazo fankatoavana avy hatrany. Ny loharananom-baovao samihafa no nahafantarana, fa sehatra goavana tsy azo lalovam-potsiny ny SADC. Nenina iray lavaka ho an’ny fitondrana tetezamita ny nanao vava ratsy tamin’izy ireo, raha vao nandray ity fitondrana ity.
sam
14
mai
2011
« Hamarana azy isika Malagasy. » Tsy misy intsony izany resaka ankolafy telo izany, fa ny Malagasy manontolo no indray mihetsika. Tao ny antoko samihafa, fikambanana, olon-tsotra, ray aman-dreny, tanora, lehilahy sy vehivavy miray hoan’ny fireneny… Hita tao amin’ny tokotaniben’ny Villa Elisabeth ny solontena avy Fianarantsoa, Toamasina ary Toliary. “Nanao lava alina izahay, hoy izy ireo, hamonjy ny hetsiky ny Malagasy.” Hita ho vonombonona ny rehetra, omaly, tao amin’ny sehatra nomen’ny filoha teo aloha, Zafy Albert, hampivondronana ny tia tanindrazana rehetra, akamban’ny tanjona tokana: hametraka ny tetezamita tena izy.
“Izay mivadika aloha…”
jeu
12
mai
2011
Tamin'ny tafa fohy nataonay tamin'ny solombavambahoaka teo aloha, voafidy tany Faratsiho no nahafantarana fa fanaterana taratasy ho fisaorana ny Masoivoho Amerikana no anton'ny "rodobe" hataon'izy ireo anio etsy Andranomena, ny anton'izany hoy izy dia noho ny tatitra nataon'ny masoivoho ity momba ny tsy fanajana ny demokrasia, ny tsy fitsimbinana ny zon'olombelona izay mampikaikaika ny vahoaka malagasy, "tsy hisy olon'i Ben Laden" akory eo ka atahorana hametraka baomba fa am-pilaminana toy ny fanaonay hatramin'izay no hitranga anio hoy Henri Randrianjatovo. Rodoben'ny demokrasia io hoy izy, koa dia hampiseho ny heriny ny "Rodobe hoan'ny tanindrazana" androany. Mahakasika ny fanelanelanana ny krizy kosa indray dia nambarany fa ny hevitra tapaky ny SADC ihany no eken'izao tontolo izao, ary io no ara-dalàna koa dia mahatoky izay havoakan'ny fivoriana tsy ara-potoana hataon'ireo filoham-pirenena mpikambana ao amin'ny SADC amin'ny 20 na 23 may izao izahay hoy izy.
Livabe/HERY A
jeu
12
mai
2011
Mahery hoaho ny filohantsika. Tsy nataony nahasakana azy izay sazy kely napetraky ny SADC, fa dia nitety firenena arak’izay saim-pantany izy.
Avy any Torkia ny lehilahy, dia ao Frantsa indray anio. Ny minisitra Frantsay Alain Juppé no handray azy, ary izay hetsika ataon’ny GTT manameloka izay fihetsiky ny reny malala izay, tsy ahoany, satria efa ny ngeza ve no miantso fihaonana tsy ho avy ny maherifontsika. Be no milaza fa hivavaka amin’i Alain juppé, mba hanery ny SADC hankato izao FAT no anton’ity dingana ao La Frantsa izao, saingy manana ny tetika hiarahany manao ingahy Andry Rajoelina sy Frantsa. Na dia nanambara aza ny masoivoho Frantsay eto Madagasikara Jean Marc Chataigner, fa tsy fitsidihana ofisialy io, dia misy dikany eo amin’ny mpanara-baovao maro izao fihetsik’i Frantsa izao.
mar
10
mai
2011
Tsy maintsy hirosoana ny fifidianana filohan’ny repoblika sy ny ho solom-bavambahoaka amin’ity taona ity, raha ny hevitra mivoaka avy eny amin’ny fitondrana ny tetezamita ankehitriny. Efa dinihina eny amin’ny andri-pitondrana mpanao lalàna ny lalàna fehizoro miisa telo nivoaka tao amin’ny filan-kevitry ny minisitra Ankilan’zany kosa dia hametraka ny tetezamita heveriny fa tena mamaly ny hevitry ny rehetra ny rodoben’ny malagasy ho an’ny tanindrazana izay tarihan’ny Profesora Zafy. Mihenjan-droa ny tady raha tombanana amin’ireo fanambarana roa mifanipaka ireo. Ary raha tena tomorina tsara dia hita taratra fa tsy manantena na inona na inona ny amin’izay ho fanapahan-kevitra hivoaka mandritra ilay fihaonan’ny Sadc ny mpanao politika amin’ny ankapobeny.
Tsy manana hevitra afa-tsy ny bontolo sisa ny mpanao politika eto amintsika. Tsy misy vonona amin’izany fifampidinihina izany intsony, na dia manezaka mafy aza ny sasantsasany amin’ireo firaisa-monina sivily sy ny « fifamatorana vaovao », na koa ny « vovonana » itambaran’ny mpanao politika, izay mbola tsy kivy ho amin’ny fampifanatrehehana ny mpifanandrina rehetra ho eo an-databatra indray. Tsy misy miandry izay hiseho any ambadiky ny 20 mey 2010 intsony izany ?
sam
07
mai
2011
Tsy nisy tanteraka izay nihogahoga teny an-kianja nandritra ny hetsika ho fanonganana ny mpitondra teo aloha. Mbola ny famonoana afo eto an-toerana sy any ivelany no mafotaka hatramin’izao. Raha niainga tamin’ny 21 ny volana Martsa
2009 ingahy Andry Rajoelina nitondra ny tetezamita, dia nofaritan’ny HCC tamin’izany,fa mandritra ny 15 volana ny faharetan’io tetezamita io. Nanomboka nipoitra ihany koa ny datim-pifidianana maro samihafa, ary nisy ny karazam-pivoriana toy ny fihaonambem-paritra, sy ny fihaonambem-pirenena natao nandritra izay roa taona izay. Tsy nisy tanteraka anefa ireny,na dia nandaniam-bola betsaka aza.
ven
06
mai
2011
Azo hiteleman-kozatra ny fanazavana nataon’ny Jeneraly Ravalomanana teo anatrehan’ny mpampahalala vaovao : Nampiesona fotsiny ireo mpanamory, fa tsy nisy ny « fiketrehana » hamono ny filoham-panjakana. Ry zalahy ireto anefa dia teo am-piaingana dia efa nilaza fa misy zavatra tsy matiny lolo tao anaty rôpilanina… Dia nisy mihitsy ny fanambarana niainga avy eny Ambohitsorohitra fa nisy « nigafy » sy nitetika ny hanisy ratsy ny « filoha mamim-bahoaka ». Nigogogogo sy latsa-dranomaso ny mpankafy, fa nahoana kosa ny maherinay no atao izany ? Niraraka toy ny havandra ny firarian-tsoa isan-karazany avy eo fa arahabaina tsy maty fo aman’aina e !...
ven
06
mai
2011
Manomboka averimberin’ny fitondrana avon’ny tetezamita eo amin’ny sehatra hiadiany hevitra indray ny mikasika ny dingana vitany nandritra ny fanatontosana ny fitsapan-kevi-bahoaka tamin’ny 17 novambra 2010. Mety efa azon’ny mpitarika any an-tsainy any ve fa ho raharaha sarotra ny hanjo ilay « ravin-taratasy » vao nananganany ny fitondrana farany teo ? Mitsapatsapa sy misabaka amin-javatra tsy hita fototra ny mpitondra : bolokilahy homam-boatseva, ka mamy sy ankafizina ny « rangotr’akoho » teny Ivato, ary sarotra ihany koa ny mamoy ny « aferan-daomy ».
mar
03
mai
2011
An-taona maro izay no efa nifamalian’ny hafatra ho an’ireo mpifanandrina politika malagasy dia ny ankolafin’ny mpitondra ankehitriny ankilany sy ny ankolafin’ny mpanohitra andaniny. Vao mainka nihamafy izany, ary eny anivon’ny haino aman-jery hatrany sy any an-tokotaniny avy no hivoahan’ireo fifamalian-kafatra ireo.Porofo iray. Nanambara ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita nialoha ny fiaingan’ny delegasiona notarihiny ho atsy Zambia fa misy miketrika fampihaonana azy sy ny filoha teo aloha, kanefa tsy vonona ary tsy misaina izany akory izy raha tsy amin-kitsim-po no hihaonana sy hikatsaham-bahaolana ho an’ny Malagasy.
lun
02
mai
2011
Maromaro ny filoha ao anatin’ny SADC no nambara fa handray ny ny filohan’ny tetezamita avo, ary mihevitra izy, araka ny firesany, fa filohan’i Madagasikara ny tenany ary ny filoha toa azy no tsy maintsy mandray azy sy ny delegasiona notarihiny any amin’ireo dia nataony ireo. Tsy zakan’ny hafa velively ny mandray izany fihetsika izany ka maro no mamporisika ireo filoham-pirenena eo anivon’ny SADC mba tsy handray ity filohan’ny tetezamita avo ity, araka ny resany tany am-piaingana. 24 ora taorian’io fanambarana io dia inty indray fa niverina ny tenany rehefa avy nihaona sy nanao dinika narahin’asa tamin’ny filoha lefitra Zambiana, sy ny sekretera mpanatanteraky ny COMESA.
Efa miova ankehitriny ny fijerin’ireo firenena rehetra ao anatin’ny SADC ka fantatra ihany ny fironan-kevitr’izy ireo, araka ny fanazavany ihany, teny am-pahatongavana tamin’ny tolakandron’ny sabotsy teo, koa tsy azo eritreretina ny hitsipahin’izy ireo ny tondro zotra izay novolavolainy, ho famahana ny olan’i Madagasikara. Efa any an-tampon’ny fandresena farany izany ny filohan’ny tetezamita avo, raha araka ny fomba fijeriny ny toe-draharaha politika eto amintsika, ka tsy hahasakana velively ny ho firosoana amin’ny fifidianana ny fiandrasana izay hateraky ny any ambadiky ny 20 mey 2011.
sam
30
avr
2011
Nisy nanao sabôtazy indray hono ny fiaramanidina manokana saika hitondra andRajoelina ny alakamisy lasa teo. Io no nivoaka tamin’ny haino aman-jery samy hafa omaly, izay nampitain’ny teo anivon’ny fiadidiana ny FAT. Zava-doza izany hoy ny mpitazana, satria ain’olombelona no alaovina. Tsy dia rototra tamin’izany kosa, ny hafa, satria fiaramanidina manana ny tompony manokana io, ka midika avy hatrany, fa ao no tokony hiainga ny fanadihadiana tamin’izany sabotazy izany. Ny antony,dia fiaramanidina hitondra ny filohan’ny tetezamita izao ve dia tsy hisy olona na miaramila hiambina ? Iza no afaka hiditra ao anatiny, raha voalaza fa nisy nampiasa ny ampahany tamin’ny zavatra tao?
ven
29
avr
2011
Tsy mila midinika intsony, tsy mila ny fanelanelanan’ny FFKM na hery fanelanelanana hafa fa ny Dr Simao ihany, tsy mila miresaka amin’ny Gasy mpanao politika tsy manohana ny heviny. Ireo raha fintinina ny hevitry ny filohan’ny tetezamita avo Rajoelina Andry, raha lasa any Afrika Atsimo any ny tenany. Hanao inona any anefa ? Hidinika amin’ny filoha Zuma, handresy lahatra azy mba hanaiky ny tondro zotra, izay indraindray haderadera fa fototry ny fahefany ary matetika koa dia ny lalàmpanorenan’ny Repobika IV no ambara fa antony maha-eo azy. Tsy mazava intsony ny tena antony mampikatso ny politikan’ny Gasy. I Zuma sy ny SADC ve izany no vaha-olana e ?
jeu
28
avr
2011
Hitady toerana hanaovana hetsika ho fampihavanam-pirenena ny HMF. Kasaina atao alohan’ny 20 mey ho avy izao ity endrika ho fampiraisana ny samy malagasy ity. Raha somary nangingina ity HMF ity tao ho ao, dia manomboka maka sehatra amin’ny lafiny ara-politika indray izy ireo amin’izao fotoana. Tsy hanakorontana kosa anefa, fa hikaro-baha-olana hialana amin’izao fahavoazana mianjady amin’ny tanindrazana izao. Ireo niafina tany ambany lakavy aza hoy ny hafa, dia efa tazana mandray anjara amin’ny fihaonana amin’ireo kristiana samy hafa, mba hialana amin’ny korontana eto. Kianja malalaka no heno fa ho hangatahana raha ho azo, ary antenaina fa hamaly ny antson’ireto mpitondra fivavahana ireto avokoa ny hery samihafa satria vanim-potoana tokony hahaizana mifamela izao, fa tsy fifandirana intsony.
mer
27
avr
2011
Tsy mazava intsony izay tena politika hitondrana ny tany sy ny firenena. Tsy misy sahy milaza (mivantana) ho vonona hiatrika ny fifidianana ireo antoko politika rehetra maneho hevitra. Voatondro ho tsy manana ny fahaleovantenany hatrany ilay komity mpanomana sy mpikarakara fifidianana (CENI). Mifanosona any Afrika Atsimo any indray ny fijerin’ny mpitarika politika eto : Hifanatri-tava any indray ve ny mpitarika ny tetezamita avo sy ilay filoha nahongany ary ilay praiminisiny teny an-dalambe ? Ny eto an-tanàna dia ny hirohotra ho ao anaty lapam-panjakana no mahadodona « ireo kely endaka » amin’ny fifidianana. Tsy misy hevitra iraisana fa dia ny « hihinana » no baikom-pitolomana. Tsy fantatra na noho ny inona na noho ny inona no antony hifanosehana any ( ?)
ven
22
avr
2011
Vao miposaka ny masoandro, dia efa krizy no miandry. Krizy azo vahana, fa tsy sanatria krizy voajanahary toy ny hita any amin’ny firenena tratry ny horohoron-tany sy tsunami. Misakoroka ny mpivarotra eny Anosibe noho ny resaka hetra. Tsy mbola fantatra ny ho avin’ny mpianatra eny anivon’ny Oniversite ny fidirany. Mitaky ny hametrahana ny ara-dalàna sy ny tetezamita hiaraha-mitondra ny mpanohitra. Miady an-trano ireo mpanao politika miara-dàlana amin’izao FAT izao. Tsy mahazo misidina ny habakabaky Eropa intsony ny fiaramanidin’ny Air Madagascar. Mitaky ny hamoahana ny voafonja noho ny resaka politika ny maro, ary be ireo mihevitra ny hidirana any amin’ny fampihavanam-pirenena. Tsy mbola hita veroka ny hamerenana ireo mpiasa voaroaka noho ny fanonganam-panjakana ka voasazy noho ny resaka AGOA. Ireo dia krizy iainan’ny vahoaka eto amintsika, ary manginy fotsiny ny filazan’ny Amerikana ny tsy fanajana ny zon’olombelona eto. Aoka izay ny resa-be etsy sy eroa, fa tsy aleo ve vahana amin’izay ireo voatanisa manempotra ny ambanilanitra ireo ? Sa misy mahita tombontsoa manokana amin’izao fahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka izao ?
Imasomahita
jeu
21
avr
2011
Nitodi-doha an-tanindrazana omaly ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina, rehefa avy nihaona tamin’Atoa Hifikepunye Pohamba, filohan’i Namibie sady filoha amperinasan’ny vondrona SADC ary nihaona ihany koa tamin’Atoa Armondo Emilio GUEBUZA filohan’i Mozambika, ny alatsinainy 18 sy talata 19 aprily lasa teo. Ny fanambarana navoakan’ny fiadidiana ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita dia nitatitra fa naharitra ora iray ity fihaonany tamin’ny filohan’i Mozambika ny talata lasa teo ity, raha ora iray sy sasany kosa ny faharetan’ny dinika nataony tamin’ny filohan’i Namibie ny alatsinainy. Niara-dia amin’ny filohan’ny FAT tamin’ity fitetezana firenena afrikana vitsivitsy ity ingahy Raharinaivo Andrianantoandro, filohan’ny kongresin’ny tetezamita.
sam
16
avr
2011
Be fitaovana avo lenta fotsiny, fa tsy maharaka ny tena zava-misy aty Madagasikara ireto Amerikana ireto. Ny fijerena ny zon’olombelona marina eto sy any aminy avy, dia tsy hain’izy ireo ny manavaka azy. Soa fa manana olona matsilo saina sy avo lenta amin’ny fari-pahalalàna isika, mba hanitsy ny lalan’ireo milaza azy ho be kintana. Tsy manaja nyzon’olombelona hono isika, ary firenena isan’ny nokianin’ity firenena milaza azy ho matanjaka indrindra eran-tany ity. Diso be izany, satria tena manaja ny zon’olombelona tokoa isika, tsy nanampim-bava ny mpanao gazety ny teto, fa nanagadra fotsiny. Tsy nanongam-panjakana, fa nandroba fahefana, ka nanitsakitsaka ny zon’ny vahoaka mpifidy no natao teto.
mer
13
avr
2011
Nanomboka tamin’ny fanamarihana ny datin’ny 29 martsa lasa teo izay fahatsiarovana ny tolona nataon’ireo mahery fo tamin’ny 1947 no nahitana an’andriamatoa Monja Roindefo, praiminitra teo aloha sy filoha mpitarika ny antoko Monima amin’izao niaraka tamin’ny ankolafy telo (ankolafy Ravalomanana sy Ratsiraka ary Zafy Albert) nanatitra fehezam-boninkazo. Taorin’io dia maro ireo mpikambana tao amin’ny ankolafy telo no tsy nankasitraka ny fiarahana amin’andriamatoa Monja Roindefo. Anisan’izany andriamatoa Manandafy Rakotonirina avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. Ny antony moa dia ny fanagadrana ireo mpikambana teo amin’ity ankolafy ity ihany fony andriamatoa Monja Roindefo praiministra niaraka tamin’ingahy Andry Rajoelina. Na dia nisy aza anefa izany rehetra izany dia mbola mitohy hatrany ny fifampidihana ataon’ny filohan’ny antoko Monima amin’ny ankolafy. Araka ny vaovao azo dia efa manomboka mitovy fomba fijery ingahy Monja Roindefo sy ny ankolafy Zafy Albert. Efa nanaiky ny hiara-hiasa amin’ny antoko Monina ihany koa andriamatoa Zafy Albert. Ho an’ny ankolafy Ravalomanana sy Ratsiraka kosa dia mbola eo am-pandinihana. Mitohy hatrany araka izany ny ady hevitra eo amin’ireo antoko mpanohitra ireo.
mar
12
avr
2011
Tsy maintsy hanao amboletra ho amin’ny fifidianana izay hotanterahina eto amin’ny tany sy ny firenena ny governemantan’ny Praiminisitry ny fahefana avo tarihin’i Vital Camille. Hanampy azy amin’izany ny vaomiera-pifidianana mahaleotena (Ceni). Anjaran’ireo rehetra antoko na vondron’olona mandrafitra izao fahefana mitondra an’i Madagasikara izao no mieritreritra raha mitondra any amin’ny famahana olana izany tetika izany, na tsia. Nanome antoka mantsy ny COI fa hanara-maso io fifidianana io. Niseho niharihary ihany koa fa « ny fonony fontsiny no kanto sy meva » ny an’ireo avy ao amin’ny vondro-paritry ny ranomasim-be Indiana (COI) ireto satria ilay mpitarika ny delegasiona mihitsy, ny Dokotera Boolell Arvin, no nampirisika mafy ny Ceni sy ny Praiminisitra raha nihaona teny Mahazoarivo ry zareo ireo, fa mizotra amin’ny tokony ho izy sy mandeha any amin’ny fandresena lahatra ny iraisam-pirenena ny COI mba hampanjary izany fifidianana izany. Izy tennany ihany anefa eo an-danin’izay dia mananmbara fa ny SADC sy ny fivoriana an-tampony hifanaovan’izy ireo no manapaka ho amin’izay lalan-kivoahan’ny Gasy eo amin’ity kizo misy azy ity. Dia inona izany no tanjak’ity Dokotera ity ? Inona no anjara birikin’ny firenena Maorisiana ? Inona no mba halahatry ny vondrom-paritra COI ?
lun
11
avr
2011
Tsy rehefa tsara resaka aminao akory ny solontenam-panjakana vahiny iray, na maromaro, dia midika izany fa manaiky sy manamarina ny fanapahan-kevitrao izy sy ilay fireneny. Tsy azo hamaritan-javatra velively izany. Izay ilay fomba firesaka sy tetika diplaomatika. Mety ho azo adika ho fihatsaram-belatsihy ve ? Arakaraka ny fomba handraisana azy ! Nanotrona ny fanaovana ny rango-pohy ho amin’ny fampiharana ilay ravin-taratasin’i Dr Simao ny masoivoho vahiny rehetra miasa sy monina eto amintsika, fa fampirisihana hiroso bebe kokoa amin’ny fampiharana ilay voasoratra sy ny dinika no tena dikan’ny fanatrehany ny lanonana. Manameloka ny tsy fanajana ny zon’olombelona indray ny hafa, fa tsy mahasakana azy tsy haka ny toerany eo amin’izay tiany hombàna akory izany. Ny olana ho an’ny fitondrana avon’ny tetezamita ankehitriny dia ny tsy fananany io diplaomasia matanjaka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena io. Resahina matetika fa hetsi-bahoaka no niseho teto ka mendrika ho tohanan’ny sehatra iraisam-pirenena, kanefa niharihary loatra ny fihetsiky ny miaramila teo ambany mason’io sehatra iraisam-pirenena io. Nolazaina fa nametra-pialàna ny filoha taloha, kanefa nahoana no any amin’ilay mpitarika ny tolona izay nifanandrina mivantana aminy no niafaràn’ilay fahefana nomeny ? Tsy sahy mitoky amin’ny fifidianana handraisan’ny mpanao politika mpifanandrina aminy ny fahefana mitondra an’i Madagasikara, ka noho izany indrindra no tsy hatokisan’ny sehatra iraisam-pirenena azy.
sam
09
avr
2011
Nahavàka ny sain’ny mpanara-baovao ny namoahan’ny governemanta maorisiana ilay fanambarana milaza ny fanohanan’ity Nosy kely mpikambana ao amin’ny vondrona SADC ity fa manohana ny fampiharana ilay sori-dàlana novolavolain’ny Dr Leonardo Simao ny Nosy Maorisy, ary naneho ampahibemaso fa manohana ny fitondrana FAT taorian’ny nijoroan’iny governemanta lazaina ho governemantan’ny « firaisam-pirenena » iny. Fantatra anefa fa mbola tsy nankatoavin’ny troïka-n’ny SADC io sori-dàlana io, fa mbola hisy fihaonana an-tampony manokana ataon’ireo filoham-pirenena mpikambana ao amin’ny Vondrona SADC handinika manokana momba ny famahana ny krizy politika malagasy. Dia inona loatra ary no nampitetateta ny fitondrana maorisiana hisaraka sy tsy niray hina amin’ireo mpiray vondrom-paritra aminy, fa niseho nandeha irery toy izany, hoy ny fanontanian’ny mpanara-baovao ? Raha ny fijerin’ny ankolafy telo izany toe-javatra izany, araka ny nambaran’Atoa Randrianarisoa Guy Rivo, mpitondra tenin’izy ireo, dia« Fihetsika mampalahelo sady tsy mifanaraka tamin’izay notapahin’ny troïka tamin’ny 31 martsa 2011 iny fanambarana nataon’ny governemanta maorisiana samirery iny...
jeu
07
avr
2011
Lany « fika » ny mpitondra tetezamita avo ankehitriny amin’ity resaka solika ity. Tsy manam-pahasahiana ihany koa anefa mba hilaza izay tena « vidiny marina » tokony hividianan’ny mpanjifa io solika io. Miverina indray ny politikan’ny « mangorera » sy ny vonjy tavan’andro. Tsy mbola ho fantatra na ho tonga hatrany amin’ny fivarotana « solika mora » ity raharaha ity. Aoka tsy hohadinoina fa matoa misy sokajim-bidy roa tsy mitovy eo amin’ny entana iray eo amin’ny tsena, dia azo antoka fa hidanadana ny « afera » sy ny fitiavan-kely. Te-hanasokajy ny tenany ho « mahantra » ireo mahitahita rehefa tiany ny hahazo entana teny amin’ny tsena mora. Nifanjevoana tanteraka ny fanavahana sy fanasokajiana ny olona tokony hahazo sy tsy hahazo. Tsy dia mbola milamina sy nahitam-bokany hatramin’izao ny resaka « vary mora ». Zavon-tany aman’erika ny fitarainana etsy sy eroa, ny Gasy rahateo tsy lany tetika raha vao misy tombony hirotsaka any ambilaniny. Ny eo tsy afaka sy tsy milamina akory dia tonga indray ny faminavinana ny hanaovana vidiny mizara roa samihafa eo amin’ny solika. Izany no politikan’ny mangorera : sady te-handraharaha ny fanjakana, no te-hametra ny vidin’entana !
mer
06
avr
2011
Inona no nahatonga an-dRajoelina Andry hitarika ny tolony ? Satria ve « voagidragidra » izy tamin’ny fitantanany ny kaomina Antananarivo Renivohitra ? Satria ve nakaton’ny « be sandry » ny fahitalavitra efa mba nikelezany aina hatry ny ela ? Satria ve ratsy loha sy nanao kely tsy mba mamindro ny fanjakana foibe tamin’izany ? Ary farany, sady tsy ny kely indrindra, dia satria ve Rajoelina Andry nanana « vahoaka » efa nihoatra ny antsasaky ny mpifidy teto Antananarivo renivohitra ho mpanohana sy mpankafy azy ? Nitangoronan’ny mpanao politika resy lava tamin’ny fifidianana sy ireo te-hanifika andRavalomanana nanomboka teo Rajoelina Andry, ka niseho daholo ny « hevitra goavana » rehetra. Tsy misy ny demokrasia sy ny fahafahana, mandanindany foana volam-panjakana ny mpitondra ka nataony ho haitraitra ny fividianana fiaramanidina, namidiny sy nomeny hanjakan’ny vahiny ny tany. Mpangoron-karena amin’ny fanaovana ampihimamba sy fitantanam-pianakaviana. Ireo no tolon-dRajoelina sy ny fan’s club-ny. Tsy nisy resaka ho fitantanana na fanomezana hasina ny fanaovana politika sy ny maha-Repoblika tamin’izany. Tsy nisy fikatsahana ny tombony mety ho azon’ny mpiray tanindrazana rehetra......................
mer
06
avr
2011
Governemantan’ny fisokafana, hono, ilay governemanta vao natsangana herinandro lasa izay. Saingy samy manana ny fandraisany izany fisokafana izany, indrindra raha toa ka ilay nanondro sy nanendry ireo minisitra mandrafitra azy tsy mahalala afa-tsy ny momba azy na ny momba ireo mpomba azy. Praiminisitra lefitra ilay olona teo aloha, fony teo ambanin’ny fitondrandRatsiraka Didier. Minisitra izy ankehitriny, ary mbola ilay departemanta notazoniny fahizay ihany no azony tamin’ity indray mitoraka ity, izany hoe ny Vola, sy ny fitantanana azy, nampiana ny lafin’ny Orinasa. Ny mahasamihafa azy ? Nirotsaka ho praiminisitry ny fiarahamitantana i Rajaonarivelo Pierrot.
Izy no izy… Filohan’ny antok o politika MDM (hetsika hametrahana ny demokrasia eto Madagasikara) Rajaonarivelo, ary tsy hay intsony raha ohatra ka nandà ny maha Arema azy izy na tsia. Nilaza mazava koa anefa izy fa azo eritreretina mihitsy ny mety hilatsahany ho filoham-pirenena, rehefa hatsangana soa aman-tsara ny Repoblika Fahefatra. Naveriny tsara ihany koa izay faniriany izay, fony namory ireo filohan’antoko teny Ivato ny filohan’ny tetezamita Rajoelina Andry, ny 2 martsa lasa teo. Rehefa « voadaka » tsy ho praiminisitra izany izy, dia nanaiky ihany, na dia ho minisitra fotsiny ihany aza.
mar
05
avr
2011
« Mbola ataon’ny mpanao politika (politika politisiana) takalon’aina ny olom-pirenena sy ny firenena iray manontolo . Nambara fa ho vetivety ihany ny tetezamita kanefa hatramin’izao mbola ao anatin’izany endri-pitondrana izany I Madagasikara”. Toy izany amin’ny ankapobeny ny fahitan’ny SEFAFI (Sehatra fanaraha-maso ny fiainam-pirenena) ny zava-nitranga sy ny toe-draharaham-pirenena amin’ny ankapobeny, nandritra ny fanehoany tamin’ny mpanao gazety ny tahirin-kevitra faha-9 mirakitra ireo fanambarana miisa 10 navoakany nandritra iny taona 2010 iny. Nomarihin’Atoa Randriamandranto Ralison, mpandrindra ny SEFAFI nandritra izany koa fa “nihemotra fa tsy niroso ny famahana ny krizy politika taorian’iny fanambarana navoakan’ny troika-n’ny SADC tamin’ny 31 martsa 2011 iny, raha mitaha amin’ireo dingana efa vita tamin’ireo fifampidinihana samihafa efa natao, na niarahana tamin’ireo vahiny mpanelanelana (SADC, GIC) izany, n any diniky ny samy malagasy mpanao politika. Na ny dingana vita nakana ny hevitry ny vahoaka, toy ilay fitsapan-kevi-bahoaka nandaniana ny lalam-panorenan’ny Repoblika faha-4 aza, dia mbola tsy nisy nilaza hoe tsy mety iny na dia maro aza ny azo kihanina tamin’ny fanomanana sy ny fizotrany”.
lun
04
avr
2011
Miverina indray ny fahaizan’ny mpanao politika Gasy ny teny vahiny isan-karazany. Samy mifampidera fahaizana daholo. Izao no dikan’io, ary ity no tian’ny lahatsoratra ho lazaina. Misy heviny toy izao sy toy izao ity fehezan-teny ity. Tsaroana indray ny taloha : samy nilaza ny fomba nanazavany ny dinan’i Maputo ny mpanao politika Gasy, ary dia niala maina daholo avy eo satria nifandrohitana teo ny resaka, ary rava ho azy no niafaràny. Ny teny nampiasaina nandrafetana ny fehinkevitra toy itony dia tsy ho mora mihitsy ny haka ny toeran’ny mpanoratra sy ny hevitra fonosiny. Isika Gasy koa moa miseho ho mahay sy haingana erý mandalina izay zavatra raiketiny. Misy andininy maro ity fehin-kevitra ity ka eo amin’ny andininy faha-6 hatramin’ny faha-12 no miresaka ny mahakasika ny olana momba an’i Madagasikara........
sam
02
avr
2011
Rendrika teo anatrehan’ny Troika SADC indray ny tetezamita sy ny soridalan’ingahy Simao. Tampina indray ny daomy, ka nitelina double enina ireo mpitondra rehetra ao anatin’ity tetezamita ity. Tsy nampihetsi-bolomaso ireo mpivory tany Livingstone, renivohitry Zambie, akory ny filazana fa governemantan’ny marimaritra iraisana no najoro teto, ary efa nampidirina ao anatin’io mihitsy aza ireo TIM sy ankolafy Ravalomanana nivadika. Hisy fepetra horaisin’ny firenena eo anivon’ny SADC maika eto, mba hametrahana ny ara-dalàna haingana, satria efa tena tafahitsoka any anaty kizo ny vahoaka Malagasy. Ny filohan’ny FAT ihany koa etsy ankilany, dia manambara hatrany, tamin’ireo kabary efa fanaony, fa tsy hihemotra intsony, fa hiroso amin’ireo asa takian’ny firenena aminy. Marina ny azy, satria firenena eran-tany efa tsy mety mankato izao fitondrana izao ve no tsy hirosoany amin’ny tarigetra izay efa napetrany. Isan’io ny fifidianana sy ireo asa goavana toy ny kianja sy hopitaly ary dobo filomanosana manara-penitra. Goavana ireo asa ireo, ary toa tsy dia olana angamba ny vola, satria toa mahita drala hatrany ity fitondrana ity, ary tsy mitarain- tana-miepaka mihitsy amin’ny fandoavana ireo karama sy tambin-karama samy hafa omena ireo mpanao politika maro be mandrafitra ity tetezamita ity............
ven
01
avr
2011
Marina fa izay vaha-olana hifaneken’ny Malagasy samy Malagasy no tena nokarohin’ny sehatra iraisam-pirenena fatratra hatramin’izay nisian’ny fanelanelanana izay. Tonga anefa ankehitriny ny fotoana tsy maintsy hakan-dry zareo izay (mety) ho fanampahan-keviny satria toa tsy mety hifanaraka sy hifandefitra amin’izay tombony efa ananany avy ny mpifanandrina ara-politika eto Madagasikara.
Ny tantara dia miverimberina hatrany eo amin’izay fomba fitantanan’ny sehatra iraisam-pirenena ny olana ara-politika ao anatin’ny firenena iray. Rehefa tsy mety hifanaraka ny mpifanandrina rehetra dia tsy maintsy hapetrany amin’ny fomba (rehetra) itiavany azy ny olony sy ny teti-panorona tiany hitantanana ny paik’adiny. Ho tonga amin’izany ny aty amintsika atsy ho atsy ?
jeu
31
mar
2011
Tapitra ny 15 andro nitanana ity mpanao politika mpitarika ny mpanohana an-dRavalomanana i t y. Narantiranty hohitan’ny rehetra anefa tao anatin’izay 15 andro izay, fa tsy misy hirika handavan-dRakotoarivelo Mamy fa tsy izy no ati-doha nifofo ny ain’ny filoham-panjakan’ny tetezamita avo Rajoelina Andry. Nijoro nanameloka azy, ary nalefa any Ambatolampy ireo roalahy nanondro ny anarany. Noporofoina sy naseho angazety sy tamin’ny haino aman-jery fa voamarina tsara ny fifandraisana tamin’ny alalan’ny finday nifanaovan’izy ireo. Mbola tsy nandalo ny fitsarana mpanao famotorana akor y dia efa « meloka » sy tsy afa-nikofoka ity Sekretera jeneralin’ny Tiko i Madagasikara ity noho ireo anton-javatra i reo. Nahavar iana anef a fa ny takariva madiva ho alin’iny 29 martsa 2011 iny dia nohafahana izy. Inona no antony ? Tsotra ny fanambaran’ny fitsarana, tamin’ny alalan’ny mpitsara zokiolona: Nomena fahafahana vonjimaika Rakotoarivelo Mamy tamin’ilay raharaha fipoahana vanja teny amin’ny farihin’ni Masay, izay nikendrena ny fiara nitondra ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita tamin’ny 03 martsa 2011, ka nitazonan’ny sampana nisahana ny fiarovana ny lafin-tany na DST azy. Politika ve izany sa azo antoka tokoa ny fitsarana sy ny mahatany tan-dalana ny et o Madagasikara ?.............
jeu
31
mar
2011
Tafaray ny tia sy ny manina ! Hanamafy ny ankolafy telo ny PM voalohan’ny FAT Monja Roindefo, rehefa nitsipahin’ny FAT am-bava fo. Tsy tonga namana vao mavomavo kosa ireto, farany satria mitovy tadin-dokanga amin’izy ireo ny fitakian’ny MONIMA ankehitriny amin’ny fametrahana ny ara-dalana sy ny tetezamita iraisana. Lasa izany i Mémé miditra i Monja. Olona samy avy any atsimon’ny nosy ny fiavian’izy roalahy ireto, saingy raha ny politika, dia manana ny politika tsara petraka lavitra i Monja, satria olona voataiza tsara ara-poto-kevitra tao amin’ny antoko Monima. Lehilahy sahy mandray andraikitra ihany koa raha i Monja Roindefo, satria zanaka mpitolona tia tanindrazana izy, dia i Dada Monja Jaona izany. Raha ny fivadihan’i Mémé tao amin’ny ankolafy Ravalomanana indray, dia tsy naha-taitra ny maro izany, satria heverin’izy ireo, fa efa tsinjo efa ela ny mety ho fivadihany tahaka izao. Tsy nisy latsa-dranomaso tamin’ny fandaozany ny ankolafy telo ny rehetra, raha hoby sy tehaka kosa no nitsenan’ny vahoaka an’alinkisa an’i Monja Roindefo ny talata lasa teo. Tsy lany mpitari-tolona tokoa ny mpanohitra ary na ny fitiavan’ny vahoaka azy roalahy ireo anie ka samy hafa e. Sa tsy marina izany ? Pilo kely
mer
30
mar
2011
Tsy mbola nandrenesam-peo ny sehatra iraisam-pirenena raha ny mikasika ny fanedrena ny Praiminiritra « iraisana » Vital Camille. Toy izany koa ny fandrafetana ny governemanta hatramin’niny Asabotsy lasa teo iny. Tsy misy resaka! Mangina tanteraka! Mbola andrasana izay hateraky ny fivorian’ny mpanapa-kevitra eo anivon’ny « troika ». Inona no hitranga ao ambadiky ny 31 martsa 2011 ?
Inona loatra no nahateritery ny mpitondra tetezamita hanangana sy handrafitra avy hatrany ny governemanta ? Noho ilay fe-potoana 10 andro nomena ny Praiminisitry ny Fitondrana Avo ? Sa noho ny antony hafa mihitsy ? Nambaran’ny mpitarika ny tetezamita avo fa noho ny sonian’ny mpanao politika teny Ivato, izay voatondron’ny andininy faha-6 ao anatin’io ravin- taratasy io no fotofotoptry ny fananganana ny governemanta. Izany fihetsika izany dia midika fa miandrandra fatratra ny haneken’ny sehatra iraisam-pirenena azy ny fitondrana « vaovao ». Mifanindran-dalana hodinihin’ny mpanampa-kevitra ve ny « sori-dalana hafa » vao narafitra tany Afrika Atsimo farany teo, sy ny endrik’ity governemanta nampifanarahana amin’ny sori-dalan’Ivato ity ?
lun
28
mar
2011
Manahirana ny manoratra na koa mitantara ny tena zava-misy nanakaiky kokoa ny tena marina raha ny raharaha tamin’ny taona 1947 no hiverenanana sy hotsiahivina. Samy manana ny fitantarany. Samy milaza ho mahafantatra ny marina ho azy. Samy tsy manaiky ho tompon’antoka tamin’ny famonoan’olona mahatsiravina niseho teto. Fan a inona na inoana familivilian-dresaka dia mbola tsy levona ary tsy maty ao am-pon’ny Gasy ny fitiavany ny taniny, ny fankamamiany ny tanin’ny razany. Tsy azo dinganina fotsiny ny tantara fa aleo iverimberenana mba ahitana ny meloka tokony ahitsy, na koa hanarenana ny tsy nety. Nofantenana àry ny lahatsoratra roa samy hafa ary tena mifanohitra, izay marihina fa efa nivoaka tao amin’ny Gazety feon’Imerina Laharana faha-157, tamin'ny 30 Mey 1997, mahakasika indrindra ny fitantaran’i Tsiranana Philibert, ary navoakany tao amin’ny Gazety Voromahery laharana faha-53 tamin’ny 5 aogositra 1947, sy izay nosoratan-dRAKOTONIRAINY Joseph, tonian'ny M.D.R.M tao anatin'ilay boky nampitondrainy ny lohateny hoe: «NY MARINA MOMBA NY MDRM sy ny ZAVA-MIAFIN'NYFIKOMIANA MALAGASY TAMIN'NY TAONA 1946/1947» .
ven
25
mar
2011
N y f i t s a n g a n a n’ n y governemanta vaovaon’ny praiminisitry ny fahefana tetezamita dia tsy midika velively fa hisosa sy hivaha amin’izay ny olana politika eto Madagasikara. Mbola hijery taratra ny endrik’io governemanta io ny mpitazana rehetra, na ny eto an-toerana na ny any amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Matoa nangina sy ninia nangina ary tsy nanakasitraka na koa nanakiana mivantana ny fanendrena ny praiminisitra nataon-dRajoelina Andry ny sehatra iraisam-pirenena dia misy antony goavana ao. Ny mpiandraiki-draharahan’ny Firaisam-be Eraopeana eto amintsika, raha nandray ny solontenan’ireo ankolafy telo teny amin’ny toerampiasany teny Ankorondrano, dia nanamarika fa tsy midika ho fankatoavana ny fahefampitondrana mijoro eto ny fanatrehan’izy ireo ny fanaovana ny rango-pohy nifanarahan’ny mpanao politika Gasy teny amin’ny CCI Ivato, fa dingana ihany iny fihetsiny iny ho famporisihana ny Gasy handroso bebe kokoa amin’ny vaha-olana maharitra.........
jeu
24
mar
2011
Ho raikitra indray ny sakoroka ! Efa tsy misy mpitondra intsony eto, ka afaka manangana ny governemantany ihany koa ny ankolafy telo miara-dalana amin’ny mpanohitra. Heno izany nandritra ny famoriam-bahoaka nataon’izy ireo ny talata lasa teo tetsy amin’ny Magro Behoririka. Mbola vava nivoak a tamin’ i reto mpanohi t r a ireto ihany no nandrenesana, fa ho avy eto alohan’ny 31 martsa izao i Ratsiraka s y Ravalomanana, i zay hanao ny fifampidinihana amin’ireo ankolafy hafa eto Madagasikara ? Io datin’ny faran’ny volana io ihany koa anefa no hanaovana ny fandinihana ny raharaha Madagasikara any Pretoria. Ny governemanta Camille Vital, dia hijoro tsy ho ela, ary hametraka ireo fifanarahana vita sonia nokarakarain’i Simao andro maro lasa izay. Midika ireo, fa hafana indray ny resaka politika eto amintsika. Ny antony, dia efa vonona hametraka fanjakana hafa ivelan’ny FAT ny ankolafy telo. Tsy hihemotra intsony izy ireo, raha ny feo nanidina teny ho eny, satria efa tany tsy misy mpitondra intsony angaha eto ? Raha izay no mitranga, dia mifantoka avy hatrany amin’ilay fomba fiteny manao hoe ny tody tsy misy fa ny atao no miverina. Ny antony, dia tsaroan’ny maro tsara ny nanangana ilay governemantam- pikomiana tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey ny datin’ny 7 febroary 2009, ka nametrahana an’i Monja Roindefo ho PM tamin’izany. Taorian’io, dia notarihana niakatra teny Ambohitsorohitra ny vahoaka, ary ireny faty olona maro be ireny ny niafarany. Dia sanatria ve ka ho toy izany koa no hitranga amin’ity fikasana hanangana Governemanta kasain’ny ankolafy telo hatao ity ? Ny tsy azo lavina, dia ny tsy maintsy hampihetsehana ireo tafika indray amin’ny fisamborana olona. Efa mahazatra io, ary lasa fanaovana ramatahora eto amintsika ny fibaikoana ny be baoty. Dia ho hita eto, fa ny azo antoka, dia mbola tsy hilamina vetivety ny tanàna, satria ny sonia natao hampilamina ity, no toa nampisavorovo indray. Vainafo zanany
jeu
24
mar
2011
Takalom-patsa vidim-pihinanana ! Tsy misy miala maina eo, fa matoa notaomina hanao sonia dia tokony hahazo seza. Nilaharana ny nanatitra CV teny Mahazoarivo, ary efa mandinika izay mendrika hono ny ao Ambohitsorohitra sy Mahazoarivo ao amin’izao fotoana. Mahamanetra ny fihazakazahana manatitra ireny CV ireny, satria tsapa fa noana seza ny mpanao politika gasy. Ny mbola manaitra ihany, dia ny hoe mbola hisafidy izay mahamety azy ny eo anivon’ireo andrim-panjakana roa ireo ny amin’izay ho ministra ho tendreny eo ? Midika izany, fa mety ho voahilika indray izany ireo olona natolotry ny antoko nanao ilay rango-pohy, raha tsy mifanentana amin’ny eritreritry ny avy ao Ambohitsirohitra sy Mahazoarivo. Izany tokoa ve no atao hoe Governemantan’ny marimaritra iraisana ? Sa hisafidianana ilay olona mety hanome endrika marimaritra iraisana eo anoloan’ny sehatra iraisam-pirenena no atao, fa tsy izay olona heverina fa hahavita ny asa nankinina taminy ? Ny tsapa, dia hifandrombahana ny ho lasa ministra, satria be ireo seza miraviravy. Aiza intsony tokoa no hisy toy izao, fa izay hihinanana aloha izao no maika e ? Pilo kely
mer
23
mar
2011
ny governemanta vaovao. Tsy hay izay ho firafitry ny eo, fa ny azo antoka, dia tsy hihoatra ny 30 ny seza hozaraina ao. Nahatratra 400 anefa ny mpanao rango-pohy teny Ivato, izay mba miady ny anjara masoandrony ihany koa amin’izao ambara fa fitondrana misokatra ataon’ny mpitondra tetezamita izao. Ny eo anivon’ny CT sy ny CST, dia tsy hay izay olona mbola hasosoka ao, na dia hita aza fa havesatra ho an’ny kitapombolam- panjakana ny tambiny omena ireo olona hiditra ao amin’ireto andrim-panjakana samy hafa ireto. Ny herinandro lasa teo, dia efa nandeha ny feo, fa tsy izay olona nanao sonia teny Ivato akory, dia hahazo seza avokoa ? Asa tokoa angaha fa vita ny nilàna azy ireo, dia ahilika haka sisintosy ireto tohatra fiakarana ireto ? Midika izany, fa tsy tafiditra ao anaty fitondrana, dia hanampy tosika ny mpanohitra, izay fomba efa fahita hatramin’izay. Ny fankatoavana ihany koa etsy ankilany, dia tsy mbola hita taratra, na dia efa nanao sorona ny tolona aza ry Yves Aimé sy ny tariny. Ny eo anivon’ny ankolafy telo, dia nanamafy tsy hiditra amin’izay Governemanta hijoro eo, na dia efa niangavy mafy azy ireo aza ny PM Vital, mba handray anjara amin’io fitondrana io. Ny filoha Zafy Albert, dia nanamafy, fa ny avy ao amin’ny FAT no tokony handefa listra any aminy, raha te-hiditra ao amin’ny ara-dalàna ? Dia mifampiandry kendrintohina hatrany izany ireo hery samihafa eto, fa ho hita eo anie ireo olona hivadika nanao sonia teny Ivato, raha tsy ho avo vava indray e. Pilo kely
mer
23
mar
2011
I n o n a m a r i n a n o lazain’ilay lalàm-panorenana nananganana ny Repoblika fahaefatra? Andininy faha- 164 : Izao lalàmpanorenana izao dia holaniana amin’ny alalan’ny f i tsapan-kevi - bahoaka. Ampiharina izany raha vantany vao havoakan’ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita hanankery, ao anatin’ny folo andro manaraka ny fanambarana farany ny vokatry ny fitsapan- kevi-bahoaka ataon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Andininy 165 tapany farany : Ny rijantenin- dalàna mikasika ireo andrim-pitondrana sy ireo rantsa-mangaika ary koa ny lalàna hafa fampiharana voalazan’ity lalàmpanorenana ity dia ho raisina amin’ny alalan’ny hitsivolana. Andininy faha-166 : Mandrapaha-tongan’ny fotoana andraisan’ny Filohan’ny Repoblika vaovao ny fahefany dia manohy misahana ny asan’ny filoham-panjakana ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. Raha misy fahabangan- toeran’ny filoha, na noho ny antony inona na noho ny antony inona, ny asan’ny filoham-panjakana dia iarahan’ny praiminisitra, filohan’ny filan-kevitra ambonin’ny tetezamita ary ny filohan’ny kongresy misahana..........
mar
22
mar
2011
Mihemo-dava ny fotoana tena hahitàna ny vaha-olana ho an’ity Madagasikara ity. Hitsangana amin’ity herinandro mitsidika ity ny governemanta vaovao tarihin’ny « praiminisitra nohavaozina ». Efa manodidina ny arivo mahery ny « mpihazakazaka » manatitra ny mombamomba azy eny Mahazoarivo eny. Amin’ny faran’ity volana ity anefa vao hodinihin’ireo mpanapa-kevitra ao anatin’ilay vondrona SADC ny raharahantsika amin’ny alalan’ilay ravin-taratasy norangotina teny Ivato. Tsy manaiky lembenana ihany koa, ankilan’izany, ny mpanao politika mivondrona ao anatin’ny « tsy fankatoavana izao fitondrana izao » fa mitady hatrany ny hirika hanaporofoana eo imason’izao tontolo izao fa mbola tsy ma i nt s y h i f a n a r a h a n a (indray) ny momba ny tetezamita iraisana. Voatonona sy voatsikera hatramin’izay ho mpitarika ny tetezamita mihitsy. Hihozongozona hanaraka an’izany ve ny fitondrana avon’i Madagasikara ? Sa fanamafisana izay nosoritany no vaha-olana azo saintsainina ?..........
mar
22
mar
2011
Ho teraka rahampitso hono ny governemanta vaovao. Tsy hay izay ho firafitry ny eo, fa ny azo antoka, dia tsy hihoatra ny 30 ny seza hozaraina ao. Nahatratra 400 anefa ny mpanao rango-pohy teny Ivato, izay mba miady ny anjara masoandrony ihany koa amin’izao ambara fa fitondrana misokatra ataon’ny mpitondra tetezamita izao. Ny eo anivon’ny CT sy ny CST, dia tsy hay izay olona mbola hasosoka ao, na dia hita aza fa havesatra ho an’ny kitapombolam- panjakana ny tambiny omena ireo olona hiditra ao amin’ireto andrim-panjakana samy hafa ireto. Ny herinandro lasa teo, dia efa nandeha ny feo, fa tsy izay olona nanao sonia teny Ivato akory, dia hahazo seza avokoa ? Asa tokoa angaha fa vita ny nilàna azy ireo, dia ahilika haka sisintosy ireto tohatra fiakarana ireto ? Midika izany, fa tsy tafiditra ao anaty fitondrana, dia hanampy tosika ny mpanohitra, izay fomba efa fahita hatramin’izay. Ny fankatoavana ihany koa etsy ankilany, dia tsy mbola hita taratra, na dia efa nanao sorona ny tolona aza ry Yves Aimé sy ny tariny. Ny eo anivon’ny ankolafy telo, dia nanamafy tsy hiditra amin’izay Governemanta hijoro eo, na dia efa niangavy mafy azy ireo aza ny PM Vital, mba handray anjara amin’io fitondrana io. Ny filoha Zafy Albert, dia nanamafy, fa ny avy ao amin’ny FAT no tokony handefa listra any aminy, raha te-hiditra ao amin’ny ara-dalàna ? Dia mifampiandry kendrintohina hatrany izany ireo hery samihafa eto, fa ho hita eo anie ireo olona hivadika nanao sonia teny Ivato, raha tsy ho avo vava indray e. Pilo kely
sam
19
mar
2011
Tsy misy dikany manao ahoana amin’ilay mpanelanelana notendren’ny SADC namita iraka teto amintsika ve ny falazàny ny heviny mialoha indrindra ny fanapahankevitra noraisin’ny « troika » sy ny vondrona SADC ? Sa izany mihitsy ny politikan’ilay fanelanelanana nanomezana fahatokisana azy ? Tafiditra ao anatin’ny diplaomasia sy ny fandaminan-draharaha ve ny fihetsiny? Nanontanian’ny filoha avon’ny tetezamita mahakasika ny fanendreny ny praiminisitra « vaovao » ve ity mpanelanelana ity ? Izy ve ilay voaresaka fa efa nantsoina an-tariby mialoha ny fanampahan- kevitra ? Dia inona no antony mbola nitondrana indray ilay ravi-taratasiny ho eo anatrehan’ireo mpanampan- kevitra sy mpaniraka azy ? Tsotra loatra angamba ny Gasy ka mampifangaro zavatra maro eo amin’ny fiainany sy ny fitantanana ny fireneny. Fa miteny amin’ny alalan’ny SADC ve sa amin’ny anaran’ny tenany manokana ity mpanelanelana ity raha tomorina akaiky ny fihetsiny hatramin’izao?...........
lun
14
mar
2011
Tafita ny tolona ! Ho azo ny valin-kasasaran’ny mpanao politika, satria ora sisa isaina, dia ho tafapetraka amin’ny seza fiandrianany ireo nitomany seza hatramin’izay. Hiova ny governemanta satria efa nametra-pialàna ny Praiminisitry ny FAT Camille Vital. Praiministra isan’ny ela indrindra nandritra ny tetezamita, ary Governemanta nahitana fiovana matetika mbola tao anatin’ny roa taona ity misy ankehitriny ity. Zarazarao hanjakana hoy ny fomba fiteny, saingy ilay tolodalana nataon’ingahy Simao nosoniavin’ny mpanao politika samihafa teny Ivato ny alarobia teo no antony hiovan’ny Governemanta izao. Mikoropadropaka ny Fo… hoy ny maro, satria hilaharana ny manatitra CV eny Ambohitsorohitra sao mba isan’ireo lasa minisitra tampoka teo..........
lun
14
mar
2011
Ela ny ela ny ela ka resaka fihaviana sy toetra mahaakaiky na tsia ny olona iray, no anisan’ny singa sy fototra hanendrena olom-pitondrana ambony eto amin’ny tany sy ny firenena. Tsy ny hoe : mety sa tsy mety ny fomba toy izany no olan’ny fanendrena « maimaika » tsy maintsy hatao, fa saingy inona moa no antony nahatonga an’izany ho tafiditra amin’ny resaka politika eto amintsika ? Satria efa niainantsika hatrizay izany teo amin’ny sehatra maro samy hafa, ary natao ho fomba teto ilay tarazo navelan’ny mpanajanaka antsika. Dia mety ho azo an-tsaina avy hatrany ve hoe : Avy aiza no nipoiran’ny « taratasy » tsy maintsy heken’ny mpanao poitika Gasy ankehitriny ? Tao anatin’ny fotoana mahadodona azy dia nandrava tena na noravàna ny governemanta am-perin’asa. Fa efa vonona amin’izay tokoa ny mpanao politika ? Sa efa misy olona vonona ve any ambadimbadika any ka zary ho fombafomba fotsiny ilay ho fanendrena amin’ny herinandro ?.............
ven
11
mar
2011
Vita hatreo ve izany ny nilàna sy ny asan-dry zareo eny Ambohidahy? Tsy misy mantsy na andininy iray aza voasoratra ao anaty lalàmpanorenana, izay nolazainy fa manankery hatramin’ny taona lasa, mbola arovany. Tsy hamoak a ny vokatry ny fifidianana izay hatao ihany koa ny mpikambana ao amin’ity fitsarana avo momba ny lalampanorenana ity. Hijoro sy hajoro ny CES (cour électorale spéciale), araka ny zotran-dalana natao rango-pohy ka io indray no hitsara sy hamoaka ny vokatry ny fifidianana ho filoham-pirenena sy ny ho solombavam-bahoaka. Moa mety mbola misy ilàna ny lalàmpanorenana sy ireto olon’ny lalàna eny Ambohidahy ireto ?..........
ven
11
mar
2011
Raha hiverenana ny kabarin’ny filohan’ny fahefana avo tamin’ny alahady 06 martsa 2011 dia miharihary loatra fa mety hanova ny zotra sy ny lalan’ny mpitondra avo indray ny fampiharana ilay sori-dalana natolotry ny mpanelanelan’ny SADC. Tsy hifarana alohan’ny faran’ny taona 2011 ny tetezamita eto Madagasikara. Tsy maintsy mbola ho amin’ny taona vaovao indray vao hirosoana ny fifidianana. Tsy maintsy mametra-pialana tsy ho mpitarika ny tetezamita Rajoelina Andry mialoha ny fifidianana ho Filohampirenena satria mbola mifantoka amin’izany hatrany ny programany. Ho very an-javony ny fampi joroan-dRajoel ina Andry ny Repoblika IV nimatimatesany. Tsy nisy vokany ny « tolom-bahoaka » nifandrebireben’ireo mpanao politika. Dia lasa toy ny vorona eny an-danitra ilay resaka hambom-pom-pirenena sy fitiavan-tanindrazana. Mbola hitohy hatrany ny krizim-piaraha-monina sy ny lafiny ara-tsosialy, ary indrindra indrindra dia tsy hisy fitondrana miorina ho tena manaraka ny lalàna sy ho tan-dalàna eto............
mar
08
mar
2011
Ny antoko politika eto Madagasikara dia samy manao angoatenda fa vonona ny hiatrika ny fifidianana daholo. Fa ny hany azo antoka kosa dia azo isaina amin’ny rantsa-tanana an’ila ny antoko tena mahahenika ny fari-pifidianana manerana ny nosy. Io fari-pifidianana io dia i Madagasikara iray manontolo raha hanao fifidianana ho filohan’ny Repoblika, ary ny distrika kosa raha hanao fifidianam-paritra, toy ny solombavambahoaka sy loholona, na kaominina raha ny ben’ny tanàna sy mpanolon-tsaina no horesahana. Azo hamaritana ny mahakely, na koa maha-goavana ny antoko iray izany ny fananany kandidà amin’ny faritany, na faritra na distrika, na kaominina maro, indrindra manerana an’i Madagasikara. Raha antoko mitetika ny hifaninana amin’ny fifidianana ny ho filohan’ny Repoblika dia tokony ho antoko mieli-patrana any amin’ny kaominina faran’izay ambanivohitra indrindra ary manerana an’i Madagasikara. Tsy ho lany hitondra ny firenena mihitsy ny kandidà atolotry ny fitambatambarana antoko « kely » satria tsy maintsy hisy ny olana eo amin’izay fitambarana izay, na dia ny resaka ara-bola sy arapitaovana fotsiny ihany aza.............
mar
08
mar
2011
lun
07
mar
2011
Famonoan-tena ve ny fananganana fitondrana tsy mifototra afa-tsy amin’ny fandrombahana fahefana ? Inona marina ny ho lanjan’ny fifidianana ho amin’ny fampijoroana fanjakana ombam-pahefana tena tsara tso-dranon’ny vahoaka izay mpampindrana azy ? Mitondra mankaiza sy mankaiza marina ny fihetsiky ny mpanao politika Gasy eto ? Hamaha olana sa vao mainka hampitombo ny efa miolana ? Inona marina no dikan’ny hoe: afa-nenina eo amin’ireo mpifanandrina ? Mbola azo tohizana lavareny ireo fanontaniana ireo, ary azo antoka koa fa tsy hanana valiny tena iombonana sy tena ifanajana. Tsy hisy dikany ny fifidianana raha azo atao ny manitsakitsaka ny didy aman-dalàna velona. Tsy hisy fotony ny fahefam-bahoaka raha ampiasain’ny mpanararaotra amin’izay itiavany azy. Ary mamono tena ara-politika izay mpandositra ny adidiny ho amin’ny fanalana ny fahasahiranam-bahoaka...........
lun
07
mar
2011
Nisy zavatra nirefotra be tetsy amin’ny làlana mandalo ny «marais Masay » ny alakamisy madiva ho alina teo. Tamin’ny fotoana nandalovan’ny fiara mitondra ny filohan’ny FAT teny amin’iny làlana iny indrindra no nirefotra ilay « zavatra », saingy tsy nampihontsona ilay fiara « blindée » nitondra azy fa ny fofom-banja naterany no ren’ny orona. Teti-dratsy hikasana hamonoana an’i Andry Rajoelina ve no nampirisika izay nahavanon-doza hanao vela-pandrika toy ireny ? Sangy mihoatry ny loha, raha izay tokoa no izy, ka mampieritreritra lalina satria tsy hamaha ny krizy politika efa niainana tao anatin’izay roa taona izay ny trangan-javatra toy ireny. Vao mainka aza hampitarazoka ny fikatsaham-bahaolana !...............
ven
04
mar
2011
Tsy maty voalavo ankibo. Izay no tsapan’ny kristiana maro, momba ny fanalam- baraka natao tamin’ny filohan’ny FJKM ary filohan’ny FFKM Pasitera Lala Rasendrahasina, momba ilay fanambarana nataon’ny olona ao anaty tetezamita ankehitriny ity Mpitandrina ity. Ilay resaka radion’ny gasy no vontoatin-dresaka, ary voalaza fa niray petsapetsa tamin’io radio tsy tonga lavitra io ny tenany. Efa nanao fanambarana lava momba iny ny avy eo anivon’ny fitondrana, ary nitondra ny heviny ihany koa ny Pasitera Lala Rasendrahasina, izay nanambara fa fanalam-baraka azy ireny, ary toa mitanila ny fahazoana manome vaovao marina ho an’ny vahoaka. Mbola notsindriany mazava fa vonona amin’izay rehetra hiseho ny tenany na ho samborina aza. Ny vahoaka mpino krisitiana na avy eo anivon’ny FJKM na ireo mivondrona ao amin’ny FFKM dia naneho ny heviny mazava tsara, fa tetika entina handotoana ity olona ity ny fanelezana ireo ankety efa vita natao fanta-bahoaka. Nisy mihitsy no nanipy teny, fa ny olona akaiky ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina ihany no toa mamingana azy amin’izay fihantsiana ady amin’ny mpino kristianina izao? Mety hampakatra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana momba izao fanalam-baraka ny filohany izao ireo mpino ka ho hita eo ny tohiny. Imasomahita
ven
04
mar
2011
Eo anelanelan’ny volana mey sy ny novambra 2011 (mety ho ny volana septambra) no hanaovana ny fifidianana ny filohan’ny Repoblika sy ny solombavam-bahoakan’ny Repoblika IV, izay natsangan’ny fahefana avon’ny tetezamita. Andro iray no hanatanterahana izany ary hisy solontenan’ny kandida isanisany hanara-maso akaiky ny fomba fiasan’ilay vaomiera hikarakara ny fifidianana. Izay ny ankilany, ary ny andaniny dia mikenonkenona ny « hanohitra » izany hevitra izany, amin’ny alalan’ny fananganana “ »governemanta tetezamita » hafa. Aiza ho aiza amin’ireo tetika ireo no azo ho tanterahina sy ahitana izay tena vaha-olana ? Fa mpanao politika hafa mihitsy àry ve ireto vonona ny hiroso amin’ny fifidianana ireto, fa tsy ireo namporisika ny hirosoana amin’ny fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fifidianana filoha ? Tsy ny mpitarika ny tetezamita avo ve ilay nanao bontolo tamin’ny heviny taorian’izay, fa ny fifidianana ben’ny tanàna no tsy maintsy hirosoana ? Ravarava indray àry ve izany ny resaka « fisokafana » vao notantaraina tamin’ny taom-baovao ? Ary inona indray no antony nanaterana ny fanapahankevitra vaovaon’ireto mpanao politika ireto tany amin’ilay mpanelanelana avy amin’ny SADC ?................
jeu
03
mar
2011
Voafefy anaty tamboho avo dia avo, (satria nihidy aman-trano tao) ka tsy mety mahita ny ety ivelany mihitsy ny mpitondra avo eto Madagasikara eto. Nanambara indray ny mpitarika Rajoelina Andry fa tsy fanampahan-kevitry ny mpitondra tetezamita no nivoaka iny omaly teny Ivato iny fa avy amin’ireo mpitarika sy antoko politika miisa eo amin’ny 40 eo ho eo, izay namaly ny antsony. Tsy maintsy hiroso amin’ny fifidianana isika hoy ny tenany, teo ampanokafana ny fivoriana. Dia samy mamaly ao anatin’ny nofiny sy ny eritreriny ao ny mpanao politika nanatrika fa “marina ‘zany Prézidà”………
mer
02
mar
2011
Voatonona ny anaran’ny Pasitera Rasendrahasina Lala, filohan’ny FJKM, sady filoha amperin’asa ho an’ny FFKM ihany koa, fa namone baiko ny hampiatranoana ny fitaovan’ny Radion’ny Gasy tao amin’ny toby fitaizanana zaza teny Ambohipotsy. Notazonina kosa ramatoa Rakotoarivony Tantely izay tompon’andraikitr’ity toby ity. Nanokafana fanadihadiana ny mpisolovava Ranarivony Stephanson, izay nokaramain’ny FJKM fa tokony hiaro ny voarohirohy amin’ity raharaha ity, noho ny fikasany hanao kolikoly sy fanararaotana maro samihafa tamin’ny voarohirohy.
Ireo tranga ireo no miverimberina tamin’ny resaka mahakasika ilay radion’ny gasy, izay voatondro ho radio piraty sy nandrangitra ady teo amin’ny samy Malagasy, ary indrindra koa manentana ho amin’ny fifankahalana sy fanakorotanana ny filaminam-bahoaka. Nisy ny fijoroana vavolombelona sy faneriterena samihafa, ary dia samy naneho ny fomba fanazavany ny toe-draharaha ny voakasikasik’izany……………
mar
01
mar
2011
Tsy mbola fantatra izay hiseho amin’ity alatsinainy ity, satria rehefa avy naka « récréation » kely tao amin’ny Nosy Maorisy ny « mpitsara » ny olan’ny Gasy dia hampanao sonia ny « feuille de match ». Tsy maintsy hisy ankolafy mpifanandrina « vaovao » indray satria match (lalao, na fifandonana, na fifaninanana) no hatao. Tsy safidin’ny Gasy loatra ny hanao izany fa teren’ny sehatra iraisam-pirenena ireo mpanao politika mba hifanao ankolafy roa ho mpifanandrina. Tsy maintsy mizara roa ny tobin’ireo mpanao politika Gasy manomboka anio. Ny iray dia ny mpanohana ny tetezamitan-dRajoelina, izay hovorian’ny kapiteniny rahampitso talata, na ny alarobia izao. Ireo ilay andiany vonon-kanao sonia ny taratasin’ny mpanelanelana vahiny. Ny iray faharoa dia ireo « zaza kamboty » efa hatry ny ela ka « midongy » tsy hiray hevitra amin’ireo andiany voalohany ireo. Tsy fantatra mazava hatramin’izao izay tena hatao fa efa samy maka ny « tobiny » avy aloha............
mar
01
mar
2011
Banky vaovao te-hametraka ny maha-izy azy eto Madagasikara ny BGFI-Bank. Ts y i rony bank y miel i - patrana manerana an’izao tontolo izao irony izy ity, fa f irenena telo ihany ao Afrika ao aloha no misy azy amin’izao fotoana izao: dia i Gabon, Congo-Brazzaville, ary i Guinée-Equatoriale. Ireo firenena notanisaina ireo dia any amin’ny manodidina ny golf-n’i Guinéee daholo. Mikenokenona ny hiorina eto Madagasikara ankehitriny ity banky hafakely ity, ary tany voalohany hisy azy aty amin’ny faritry ny ranomasim- be Indiana izany ny eto amintsika. Ha f a k el y t s y toy ny mahazatra hatrizay ny fomba fiasan’ity banky ity satria mifototra kokoa amin’ny resaka solika ny tena asany. Misy ny fitrandrahana solika izay hahazo vahana àry ve aty amintsika dia tonga izy? Fa inona loatra moa ny fampandrosoana ara-toekarena mahamaika ny banky toa itony hihazakazaka aty amin’ny firenena “mahantra”, kanefa hanaovany fampiasam- bola goavana toy izao?.................
lun
28
fév
2011
Tsy mazava ny asa fanelanelanana hataon’ny dokotera Simao eto amintsika. Lasa manao ny asan’ny “mpitsara” ny olana no ataony tato ho ato, fa tsy manelanelana eo amin’ny mpifanandrina, na koa mitady ny vaha-olana marina mba tsy hampisy ny fimonomononana. Satria nahoana?
Adidiny ve no manondro mivantana ny iray na roa amin’ireo mpifanandrina ara-politika ka hilazàny fa ny ankolafy Ratsiraka sy zafy dia tsy vononaintsony handray anjara amin’ny tetezamita iraisana? Mety ve ny filazàny fa Ravalomanana tenany mihitsy no mpivadidibadi-dela tsy hahaitàna ny vaha-olana? Ary nahoana no tsy sahiny lazaina akory ny mety ho fifandraisan’ny “fanelanelanana” ataony sy ny famoriana ireo mpitarika politika izay kasain-dRajoelina Andry ho tanterahina?..............................
ven
25
fév
2011
(Ndrl : Mankasitraka ny masoivohon’ny Repoblika frantsay eto Madagasikara, SEM. Jean-Marc Chataigner, ny gazety Madagascar Tribune sy Basy Vava. Mankasitraka azy feno noho ny famakiany tsy tapaka ny gazety. Midika izany fa manana ny lanjany ihany ny asa fanaovan-gazety eto amintsika.
Asa raha ny famakiana ny lahatsoratra nivoaka teto amin’ny pejy 4, édition 6569 no somary nanaitra azy ? Tsorina nefa fa tsy niresaka momba an’I Frantsa mihitsy ny lahatsoratra fa nampahatsiahy ny tantara niseho teto amintsika fotsiny, ary nametraka fanontaniana ho saintsainin’ny mpamaky, ary dia nahazoana setriny avy any aminy ho an’ny tonian’ny lahatsoratra ny masoivoho, izay alefanay manontolo eto...
ven
25
fév
2011
Efa eo ampelatanan’ireo mpanohitra ny Kolonely Kadhafi tanteraka ny faritra atsinanana iray manontolo ankehitriny. Ary tsapa ho mahazo vahana any amin’ny faritra maro hafa ity fihetsiketsehana ity. Manameloka tanteraka ny fandripahana sy ny vono olona atao an’ireto mpanohitra ireto ny sehatra iraisam-pirenena , ary miray feo mihitsy ry zareo amin’izany, ary mivonona ny hanafay ara-toe-karena ny Kolonely Kadhafi sy ny jamahyria tarihiny raha mbola mikiry hatrany ny hifikitra eo amin’ny fitondrana.
Efa manomboka miala any an-toerana daholo amin’izao fotoana ireo tera-tany vahiny niasa sy nonina tany an-toerana. 10.000 ny an’ireo teratany Eraopeana, ary manodidina ny 100.000 kosa ny Aziatika. Efa mananontanona an’ity mpitondra nandritra ny 42 taona tany aminy ity izany izao ny firodanana tanteraka sy ny mety handaozany ny fitantanana an’i Libye………
jeu
24
fév
2011
“Tena nisy marina ve ny fankatoavan’ny mpanao gazety, na koa ny mpitsara, na ny mpisolo vava ohatra, ny fanendrena ireo nolazaina fa mahasolo-tena azy ireo ao anatin’ilay vaomieran’ny fikarakarana ny fifidianana eto amintsika?” Ireo no teny niverimberina teo amin’ny resaka namorian’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara ny mpanao gazety tetsy amin’ny “La Rotonde” Besarety omaly talata 22 febroary 2011. Fotoana izay notarihin’ny filoha nasiolalin’ity antoko ity RABEARISOA Saraha Georget. Tokony ho hita taratra amin’izao fotoana izao ireo antoko vonona hiatrika ny fifidianana izay tsy maintsy hiseho amin’ity taona ity, hoy ihany ny fanazavana nentiny, ary aoka hitambatra ho andro iray ny fanatanterahana ny fifidianana depioté sy ny ho filoham-pirenena...........
mer
23
fév
2011
Nihazakazahan’ny fitondrana FAT ny nandefa taratasy niarahaba ny « vahoaka Toniziana » tamin’ny fahombiazan’ny hetsika an-dalambe nataon’izy ireo ka nahavoatery nampitsoaka nandositra an’ingahy Ben Ali, filoham-pirenenan’i Tonizia, niala teo amin’ny toerany tamin’iny volana janoary efa nivalona iny. Noraisin’ny filohan’ny Fat ho ohatra mihitsy aza ny zava-nisy tany Tonizia sy Egypta raha namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety momba ny filazan-dRavalomanana Marc fa hody eto an-tanindrazany izy ny sabotsy lasa teo. « Azo heverina ve hoy izy ny hiverenan’i Ben Ali any Tonizia taorian’ny nitsoahany nandositra any ivelany ? ». Tsy tanteraka moa izany fiverenan’ity filoha teo aloha ity an-tanindrazany izany noho ny sakana tamin’ny fomba samihafa nataon’ny mpitondra FAT, na dia nilaza aza izy ireo fa « avelao izy hiverina eto raha lehilahy, amin’izay mora ny mampiditra azy am-ponja ».
Hanohana azy ve ny FAT ?
lun
21
fév
2011
« Ravalomanana te-hody an-tanindrazana ». Izay no azo hamintinana ny zava-niseho teny amin’ny seranam-piaramanidin’i Johannesburg, tao Afrika Atsimo, tamin’iny sabotsy iny. Nikonendina tetsy sy teroa, nitady lalana sy tetika hahazoana fiaramanidina hiverenana eto amin’ny taniny izy. Nivoa-dinitra, niady saina, kanefa tsapa tamin’ny fihetsiny fa lehilahy tsy mora kivy ny tenany. Aleo tsy ho topazamaso akory izay fihetsiky ny tafi-mpitondran’ny mpitondra avo, na koa ny nataon’ireo « vahoaka » nanemitra ny arabe nihazo ny seranana tao Ivato tao, fa aleo ho zahana ny antonanton’ny tsy nahatongavan’ilay filohan’i Gasikara taloha.
Resaka taratasy Resaka taratasy karazany roa samihafa no tena fototry ny tsy nahatongavan-dRavalomanana. Naoty ho an’ny seranana, na koa ny kaompaniam- pitaterana sy ny mpanamory ny voalohany. Efa voasoratra ho isan’ny mpandeha hihazo an’Antananarivo ny filoha taloha, Ravalomanana, sy ny delegasiona mpanaradia azy. Ireo olona ireo dia ny ankohonany sy mpiara-miasa aminy akaiky, izay marihina fa Malagasy daholo ireo. Io fiaramanidina io dia an’ny kaompania Afrikana Tatsimo AirLinks...............
lun
14
fév
2011
Mila tairina ve vao… ?Raivobe Soa fa teo ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita. Soa fa nahatsiaro tena izy ka nahay nanaitra ny tompon’andraikitra sy manan-pahefana tsy nahalala ny tokony nataony. Fa toy ny inona moa ny olona tokony hapetraka eo amin’ny sezan’ny minisitra e ? Raha havadika ny fanontaniana, tokony ho inona no ao an-tsain’izay manam-pahefana hapetraka na hipetraka eo amin’ny sezana minisitra ?
Mpanatanteraka izy Natetezamita na Repoblika mijoro ara-dalàna, mpanatanteraka ny tetikasam- panjakana no anjara asan’ny mini s i t ra. N’ iza n’iza, ary na departemanta inona na inona no iandraiketany. Eny tokoa, manana andraikitra izy. Dia andraikitra mpanatanteraka ny … hetahetam-bahoaka. Ary satria tetezamita no resahana, dia tsy misy afa-tsy ny fanohizana ny tetikasa farany teo izany no tokony ataony, afa-tsy ny ny fanatanterahana ny fifidianana izay fepetra « tsy maintsy » karakarainy. Mazava, araka izany, fa tsy miditra amin’ny famoronana tetikasa vaovao ny manam-pahefana, indrindra raha tetikasa lavareny (longue durée, long terme).............
jeu
10
fév
2011
Nampiesonin’ny Dr SIMAO ny « troïka » Ony RAMBELO Vao niainga teto ny Dr Simao dia efa nisy taratasy roa samy hafa (samihafa) teny aminy, ary naderaderany ny mpanao politika Gasy. Ny iray ilay « vaha-olana » narosony ny talata 01 febroary 2011, izay nambarany fa lalan-kivoahan’ny Malagasy ary tokony ho soniavina avy hatrany. Ny iray faharoa dia izay novakiany teo imason’ny mpanao politika sy ny mpanao gazety ny alakamisy 3 febroary, izay efa nisy fanovàna, tsy toy ilay teo aloha, ary mbola nohamafisiny fa volavolan-kevitra mbola azo ovaina arakaraky ny zava-misy sy fanitsiana tian’ny mpanao politika hatao. Dia niaro ny « vahaolany » ho an’ny Malagasy teo anoloan’ny Sadc ny Dr Simao ny alatsinainy 7 febroary 2011, ary teo anoloan’ny « troïka » (*) ny talata teo. Fa ny olana dia tsy fantatra hoe: taratasy manao ahoana no natolony an’ireto “mpaniraka” azy ? Ny azo antoka dia tsy maintsy ho hafa noho iretsy efa notanisaina teo aloha no « narovany » tao. Inona no anton’izany? Hila « 19 » indray ny Dr Simao ka namboariny hifanentana amin’izay naniraka azy ny taratasy sy ny voarakitra ao. Dia mbola milaza ny hitampody aty indray izy amin’ity herinandro ity, araky ny filazany tao amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahinin’ny Fitondrana Avo...........
jeu
10
fév
2011
Nivoaka omaly maraina ny didy mahakasika ireo mpitarika telo avy eo anivon’ny ankolafy telo dia i Fetison Rakoto Andrianirina, Zafilahy Stanislas ary ny Pasitera Tsarahame Edouard. Sazy mihatona avokoa no azon’izy telolahy ireo. Tsiahivina ihany fa nampidirina am-ponja vonjimaika izy telolahy rehefa avy nanaovana fanadihadiana mikasika ny famoriambahoaka saika nivadika sakoroka niafara tamin’ny famotehana sy fanimban-javatra tetsy amin’ny kianjan’ny Malacam ny 10 novambra 2010 lasa teo. Vesatra telo no niampangana azy ireo tamin’izany dia ny firaisana tsikombakomba, tsy niparitaka rehefa nilazan’ireo mpitandro filaminan’ny EMMO Reg, sy ny fanimbana fananan’olona ary famoriam-bahoaka tsy nahazoana alalana. Sazy mihatona 13 volana no azon’ny filohan’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana mikasika ilay vesatra voalohany raha 10 volana sazy mihatona kosa ho an’izy roalahy. Samy nahazo sazy mihatona am-bolana avy kosa izy telo mirahalahy ireo mikasika ireo vesatra roa hafa. Tsiahivina ihany fa intelo nahemotra ity raharaham- pitsarana ity dia ny 23 novambra 2010, ny 25 janoary ary ny 8 febroary lasa teo. In-enina nangataka fahafahana vonjimaika ny mpisolo vava azy ireo, ny Me Hanitra Razafimanantsoa fa nolavina hatrany izany.
mar
08
fév
2011
Hangoron’entana sa mbola hijanona maharitra ? Na hiala na ho tafajanona dia tokana ihany ny fihetsik’ireo mpikambana ao amin’ny governemantan’ny fitondrana avo : Tsy miasa tsara, tsy miasa mafy fa mitaintain-dava. Tsy misy fandaharan’asa vaovao, na tonta ho tanterahina fa mampihodina tsy sazoka izay asa mandalo ny masony. Tsy sahy mivolana koa fa te-hifikitra eo amin’ny toerana, kanefa mampiasa « saribakoly » etsy sy eroa mba hanasohaso. Tsy mbola hiova ato ho ato velively io governemantan’ny paiminisitry ny fahefana avo io. Na dia efa tany amin’ny tapatapaky ny volana desambra sy tao aorian’ny fivoahan’ny vokatry ny fitsapan-kevi-bahoaka aza no efa novinaniana fa tokony hovana ny mpikambana sy ny praiminisitra. Amin’izao fotoana dia tsy noho ny antony fifandanjan-kery ara-politika no antony hanovana na tsia ny governemanta, fa noho ny resaka « taratasy » soniavina etsy sy eroa............
mar
08
fév
2011
Nandritra ny fifampiarabana ny taona vovao notanterahin’ny antoko AVI na ny asa vita no ifampitsarana ny asabotsy lasa teo dia naneho ny heviny mikasika ilay soridalan’i Simao na feuille de route ihany koa izy ireo. Nanambara ary ny filoha Norbert Lala Ratsirahonana, filoha mpitarika ity antoko ity fa “manaraka sy manaiky tanteraka ny sori-dalan`i Simao ny antoko AVI”. Mbola nanamafy ihany koa ny antoko AVI fa tsy midika ho fanomezana vahana an`Ingahy Andry Rajoelina velively ny faneken`izy ireo io sori-dalana io fa fitadiavana vahaolana hamahana ny krizy eto Madagasikara. Raha ny ankamaroan`ny olona no tafiditra ao anatin’io sori-dalana io, tsy misy antony tsy tokony haneken’ny fikambanana iraisam- pirenena izany mihitsy, hoy ihany izy. Matoa anefa tsy tafatsangana ny fanjakana Malagasy dia ny mpanao pol i t ika isan’antokony no tomponandraikitra ka tokony atao izay hanatanterahana haingana ny fifidianana satria io no vahaolana mety hahavaha haingana ny krizy.
lun
07
fév
2011
fampangirifiriana ataon’izao tetezamita izao ny ray aman-dreny Zafy Albert, ka miantso ny vahoaka hidina an-dalambe. Ho fongorana hatramin’ny farany ity tetezamita nandroba fahefana ity hoy izy, ary tsy avela ho raraka an-tany ireo ran’ny mpiray tanindrazana latsaka tamin’ny 7 febroary. Ampamoaka goavana no nataon’ny filoha Zafy Albert, ary nataony ho ren-tany ren-danitra ny halatra toy ny bois de rose ataon’i Andry Rajoelina izay haondrany any ivelany, ka tera-tany sinoa any Shangai no manao kopaka hiaraha-mihinana amin’izany. Horonan-tsary navoakany tao amin’ny Carlton io. Tsy hiara-hidika amin’izao tetezamita izao intsony ihany koa izy satria efa nolaviny teo imason’izao tontolo izao ny fametrahana azy ho filohan’ny tetezamita tamin’ny fifanarahana natao tany Maputo sy Addis Abeba ireny...............
sam
05
fév
2011
Feno hipoka ny efitra Ravinala tetsy amin’ny Carlton Anosy, omaly alakamisy 03 febroary 2011. Nanomboka ny maraina dia efa nivorivory nanao andiany teo ny olona vitsivitsy, ary nitombo miandalana izany, na dia nisy aza ny feo niely fa nofoanana ity famorian’i Profesora ny vahoaka mpanara-dia azy ity, ary fotoana ihany koa hanaovany fanambarana mikasika ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny. Nihainohaino tety amin’ny manoloana ny tranom-bokim-pirenena kosa ireo mpitandro ny filaminana, nanefa iraka nampanaovina azy mba hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Ampamoaka goavana no niseho tao, ary dia nandefasana horonantsary ny mpanotrona mba hanamporofoana amin’izy ireo fa misy dia misy ny fanondranan’ny mpitondra avo Rajoelina Andry ny harem-pirenena toy ny andramena (bois de rose); izay hifampiraharahany mivantana amin’ny teratany Sinoa mpanefoefo iray any Shangaï any. Noventesiny ihany koa ny fijoroana vavolombelona nataon’ny olona iray (na maromaro?) tamin’ny vonoan’olona nitranga teny Ambohi t sorohi t ra, ny 7 febroary 2009, ary nisintonany ny sain’ny rehetra fa tetika voalamina sy tsy avy tao anaty lapa velively no niavian’ny tifitra tamin’iny andro nanjombona ho an’ny Malagasy iny..............
ven
04
fév
2011
Tsy hisy ny hahazo fahafaham- po mihitsy akory ny ankolafin-kery rehetra, fa tsy maintsy hisongadina ny fifampandeferana eo amin’ny tsirairay, ary izany no mety ho tena herin’ity « soritra vaovao » homenay ity. Io no fototry ny resaky ny mpanelanelana avy amin’ny SADC notarihin’ny Dr Simao. Tsy maintsy hisy izany ny hihevi-tena ho mahazo tombony sy nitombo hery kokoa. Dia hisy koa ny hangorera eo ankilan’izay. Rajoelina Andry no ho tompo-marika amin’izay fomba hitantanana ny tetezamita hohavaozina, tsy ho azo hantenaina ny fodian’Ingahy Ravalomanana raha tsy tafajoro sy hitoetra ny governemanta iraisana sy fahefana miantoka ny filaminan’ny tany sy ny firenena. Tsy maintsy dinihina sy hampiharina ihany koa anefa ny famotsoran-keloky ny gadra politika nandritra ny savorovoron’ny taona 2002 sy 2009. Dia mbola voasoritra koa fa tsy maintsy ho vitaina hatramin’ny 30 novambra ny fifidianana ho filoham-pirenena sy ny ho solombavam-bahoaka. Misy ny endrika mirana raha mbola tsy nisy sonia notanterahina akory tamin’io « tetika SADC » io. Nisy ny kivikivy sy mototra avy hatrany rehefa mba nakàna ny heviny. Fa ny tena azo antoka dia saika miandry «tataka» daholo ny zatra mijapy hatrizay. Hitombo indray ny fe-potoana «hilalaovana». Nomen’ny mpanelanelana «additional time» tsinona...........
ven
04
fév
2011
Feno hipoka ny efitra Ravinala tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly alakamisy 03 febroary 2011. Nanomboka ny maraina dia efa nivorivory nanao andiany teo ny olona vitsivitsy, ary nitombo miandalana izany na dia nisy aza ny feo niely fa nofoanana ity famorian’i Profesora ny vahoaka mpanara-dia azy ity, ary fotoana ihany koa hanaovany fanambarana mahakasika ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny. Nihainohaino tety amin’ny manoloana ny tranom-bokim-pirenena kosa ireo mpitandro ny filaminana, nanefa iraka nampanaovina azy mba hiaro ny vahoaka sy ny fananany.
Ampamoaka goavana no niseho tao, ary dia nandefasana horonantsary ny mpanotrona mba hanamporofoana amin’izy ireo fa misy dia misy ny fanondranan’ny Mpitondra avo Rajoelina Andry ny harem-pirenena toy ny Andramena (bois de roses); izay hifampiraharahany mivantana amin’ny teratany Sinoa mpanefoefo iray any Shangaî any. Noventesiny ihany koa ny fijoroana vavaolombelona nataon’ny olona iray (na maromaro?) tamin’ny vonoan’olona nitranga teny Ambohitsorohitra ny 7 febroary 2009, ary nisintonany ny sain’ny rehetra fa tetika voalamina sy tsy avy tao anaty lapa velively no niavian’ny tifitra tamin’iny andro nanjombona ho an’ny Malagasy iny..........
lun
31
jan
2011
Tsy misy azo hantenaina intsony ny amin’izay ho famahana ny kr iz y politikan’i Madagasikara raha Rajoelina Andry. Izy mihitsy ankehitriny no olan’ny firenena Malagasy. Manaraka ambokony izay hevitra haroson’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny ankolafy telo fotsiny no ataony ankehitriny, ary lany tetika tanteraka amin’ny fitarihana ny ”fanjakana” Malagasy. Nandritra izay dimampolo taona mba niverenan’ny fahaleovantena izay dia mpiara-miasa tamin’ny mpanajanaka hatrany no nitondra an’i Madagasikara. Difotry ny fiarovana ny tombotsoa vahiny ny mpitondra nifandimby, ary tsy mba nikatsaka izay tetika sy politika ho amin’ny fampandrosoana ny tera-tany Malagasy. Tsy nisy fandrosoana tena nampandroso ny mponina teto, fa ny tombotsoan’ny vahiny no narovana mafy..............
lun
31
jan
2011
Toy ny ririnin-dasa tsy tsaroana tokoa ve no niafaran’ilay alin’ny 26 janoary 2009, ka zara raha notsiahivina na dia nananganana tsangambato manan-tantara aza ? Betsaka no tsy takona nafenina, mbola tsaroana hatramin’izao. Fangirifiriana no nianjady tamin’ny fianakaviana maro teto an-drenivohitra, raha nifaly havanja kosa ireo niangaran’ny vintana ka nahazo harena maimaimpoana. Nalaim-potsiny ny vary sy ny lafarinina. Nikodiadia eran’ny araben’Antananarivo ny barika feno menaka. Tao ambadik’ireny anefa dia nisy ireo niala aina tamimpijaliana. Iray amin’ireny monja no tsarovana dia efa mihorona ny hoditra. Ilay tetsy Tsiazotafo io! Fatin’olona notaomina tamin’ny kamiao no nosok i r ina t ao, ef a kilan’ny afo tanteraka. Sarotra ny namantatra ireo olona namoy ny ainy ireo, fa dia ala-nenina no nataon’izay very havana. Niranty tao amin’ny tranom-paty HJRA, HOMI ary Befelatanana ireo razana ka samy maminany izay mety hahafantarana azy ny mpikaroka.............
sam
29
jan
2011
Mety hisy hilaza indray hoe : resaka mandany jiro fotsiny izany fanontaniana izany. Rehefa Filoha dia filoha fa aza asiana ady hevitra, aza kianina fa mandrera-tsaina. Fa tsy mety hankarary sofina antsika kosa ve raha PDS no antsoina hoe: “Be-n’ny tanàna” ? Tsy “M’sé le Depuité” ve no iantsoantsika ny olom-boafidy raha solom-bavam-bahoaka izy? Sa antsointsika amin’ny teny hafa? Tsy sahirana ve isika raha misy fifangaroan’andraikitra hita miharihary kanefa odiana tsy fantatra?
Mampanongo tena mihitsy ny fisehoan-javatra ataontsika mianakavy eto ka izany indrindra angamba no tsy mampitovy ny eritreritr’izay rehetra miteny sy miresaka? Mpanao politika sy olon’ny serasera marobe mihitsy ankehitriny no mampisavoritaka endrin-javatra tsy tokony hampisy ady hevitra akory. Matetika moa ny vahoaka amin’ny ankapobeny dia mihinana am-bolony fotsiny izay hatolotra azy..........
jeu
27
jan
2011
Na isika no tsy hivakian’ny olona loha intsony, na maivana sy tsy misy “lohany” ka tsinontsinoavin’ny olona. Na koa heverin’ny mpivory sy mpidinika any amin’ity Fivoriamben’ny vondrona Afrikana ity, fa tsy misy hatahorana intsony ny momba antsika ka avelany hifamaky loha ato isika. Mety anisan’ny anton’izany fanamaivanana izany koa ny maha-nosy an’i Madagasikara ka tsy hatahorana hitsoa-ponenana ny mponina ao aminy, ka hianaka any amin’ny faritra manodidina ny krizin’ny Gasy. Tsy tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana sy ny fitadiavana vaha-olana tsy maintsy ho dinihina ny olan’ny Gasy, na dia voasokajy ho laharana faharoa amin’ny krizy aty Afrika aza. Tsy misy antenaina intsony amin’ny famahana olana ve ny vondrona Afrikana ? Efa mizotra ny fivoriana fanomanana ary hiantomboka ny 31 janoary, ka tsy hifarana raha tsy ny 2 Febroary 2011, any Addis-Abeba renivohitr’i Etiopia ity fivoriana antampon’ny Vondrona Afrikana ity, ary ireo mpanelanelana avy amin’ny vondrona SADC, izay eto amintsika ankehitriny, dia tsy hanatrika akory io fivoriana an-tampony io, fa taratasy manoritsoritra ny zavamisy sy ny dingana vitany no alefany any. Misy antony goavana sa teti-pandaminana vaovao ?.......
jeu
27
jan
2011
rakotry ny haizina i Madagasikara . Haizina niniana natao, fa tsy sanatria kapoka avy any an-danitra, satria nirahina handroba sy handoro fananam-pirenena toy ny RNM sy TVM ny mpikarama an’ady be sandry ary nopotehina ihany koa ny fananan’olona tsotra. Fantatra ny mpanao ratsy, ary efa hita miharihary ny ati-doha nikotrika, saingy toa afa-maina ny mpanao ratsy amin’izao vanim-potoana izao. Tsy nisy voatsangana ireo tranom-barotra may. Tsy tafaverina amin’ny laoniny intsony ny haino amanjerim- panjakana. Ireo olona nandroba may kila forehitra tao amin’ireo tranom-barotra isan-karazany, dia very faty. Nipoitra ny ampamoaka nataon’ireo manam-boninahitra roalahy migadra any Tsiafahy momba ity Lundi noir ity, ary voatonona ao avokoa ireo lohan’ny fahapotehan’ny firenena ankehitriny, saingy toa nokilasiana ho adala indray ireny olona nanambara ny marina ireny. Sa raha tsy nisy ireny, tsy tonga amin’izao harena sy voninahitra izao ?
mar
25
jan
2011
Tsapa fa tena miafy sy manao izay ho afany mihitsy ireo ray aman-drenim-pianatra amin’izao fotoana raha amin’izao krizy izao no asianteny. Tena mandany vola be tokoa ireo mpianatra izay mianatra eny amin’ny sekoly tsy miankina raha oharina ny eny amin’ny sehatra tantanin’ny fanjakana, toy ny eny Ankatso. Vi tan’ny fanadinana Bakaloreà, dia samy mihazakazaka misoratra anarana eny amin’ny Anjerimanontolo ny ankamaroan’ireo mpianatra. “Eny tsy mba misy vola aloa firy afa-tsy izay tsy maintsy aloa isaky ny voalohan’ny taom-pianarana ihany, ohatra ny saran’ny fisoratan’anarana” hoy Manohisoa, mpianatra iray izay mikasa hanohy ny fianarany eny. Maro amin’ireo ankizy tokoa arak’izany no mandeha mandray anjara amin’ny fitsapaham-pahaizana eny Ankat so, mba hialana amin’ny vola be aloa aty amin’ireo sekoly izay tsy miankina................
mar
25
jan
2011
Amin’ny herinandro fiandohan’ny volana febroary izao vao handao an’i Madagasikara ireo mpanelanelana avy amin’ny SADC, izay efa herinandro mahery izao no eto amintsika. Efa misy ve ny vokatra amin’ny fanelanelanana hataon’izy ireo ? Mihetsiketsika toy ny “kankana mivoaka itany” ny rehetra. Mihiboka any Ananonanona any ny FFKM, nihanitombo hery ny CNOSC, mametraka fepetra ireo voatonontonona ho praiminisitra, mangovi-pataloha ireo minisitra tsy maintsy hangorondamba, mieboebo tsy misy toy izany ireo efa nafantsika any an-dapa any. Aoka tsy ho adinoina fa zava-dehibe loatra, tsy azo tsinontsinoavina, ny resaka “fandoloana” nataon’ireto iraky ny SADC ireto, fa ho avy ny Firenena Mikambana hikarakara sy hanatontosa fifidianana mangarahara eto amintsika. Mody fanina amin’io resaka io daholo ny mpanao politika Gasy, kanefa azo antoka fa ho very tanteraka « izy mianakavy » raha vao tsy mifanaraka sy mifandamina ka ny « fitondram- panjakana » hifanarahana ihany no hanatontosa sy tompon’antoka amin’io fifidianana io..............
lun
24
jan
2011
Mampiova zavatra tokoa ny fonja. Iza no nanam-po fa roa taona ato aorian’ny tsiambaratelon’ny fanonganam- panjakana niseho ny taona 2011 ireny no nanao ampamoaka ireo atidoha nahazoan-dRajoelina ny fitondrana ankehitriny. Vola tsy toko tsy forohana no nanonganana andRavalomanana. Teran-tany karana izay manana tsena malaza eto an-drenivohitra, miampy mpanao politika sy mpandraharaha goavana maro no voalaza ao anatin’ity taratasy ity. Niampy ireo be sandry eny ambany tanàna, izay manao andiany 20 sy 30 avy, ka nandeha nandoro ny Magro sy ny RNM, TVM ary ny MBS . Teny Ambatomainty no niketrehana ny « Lundi noir », izay tranona mpanao politika mpikambana ao amin’ny cst ankehitriny.............
lun
24
jan
2011
Fitondrana manao ahoana loat ra ny eto amintsika eto ? Tokony ho noroahina tsy hijanona ao Tsiafahy ao ireo gadra tsy mitsahatra ny maneho hevitra sy mamoaka fanambaràna isaky ny mihetsika ireo. Andao halefa any ivelan’i Madagasikara any, mba hampitombo isa ireo efa lasa any, fa mankalilo sofina loatra ny mihaino ny «revin-gadrany». Taiza teto ambonin’ny tany no hisy gadra hanao fanambarana fa tribonaly toy izao sy toy izao no tokony hitsara ny “afera” izay nataony ? Ianao mihevitra fa mpitondra fanjakana mampihiboka azy ireo any Tsiafahy any anie no lany henatra, niara-nisalahy sy niara-niasa tamin’izy ireo e ! Izao havoakany daholo ny “hagaigena” niarahanareo rehetra nifarimbona teto amin’ny tany sy ny firenena. Maninona no tsy tampenana ny vavan’ireo?
Maninona no tsy handraisana fepetra ? Ampidiro ao anaty governemanta vaovao indray dia amin’izay izy rehetra mangina e ! Na alefaso any an-dafy any araka ny fomba fanao tsy hita izay maharatsy azy......................
ven
21
jan
2011
Efa nampoizina ny ho faharavana sy ny fihetsiky ny “mpandevina alika” eo amin’ireto mpanao politika Gasy ireto. Mivory sy mandany rora kanefa tsy manana hevitra matotra “farafahakeliny” mba hifanarahana. Miverimberina hatrany ny fifanilihana ny andraikitra ho nahatonga ny fahamontsanan’ny dinika natao. Rava ny tsena! Niala maina izy rehetra ary mahamenatra ny naheno teo imolotry ny mpanelanelana vahiny, fa ny ONU (Firenena Mikambana) no ho avy mivantana aty amintsika, amin’ny faramparan’ity volana janoar y ity, handinika sy hijery ny hanatanterahana fifidianana madio sy mangarahara.
Inona no mahatonga izany? Izay rehetra midinika sy miresadresaka mba hamaha ny olana eto amintsika eto dia variana fotsiny amin’ny fiarovana “olona”. Na iza na iza mpitondra fanjakana hifandimby eto, ka mbola ho toy izao hatrany no fomba fanaovana io politika io dia hiaina anaty krizy aman-taonany maro isika. Ho avy hanatanteraka ny sitra-pony sy ny metimety aminy ny sehatra iraisam-pirenena. Dia veloma ry Gasy fa hiverina hanompo hevitr’olona ianao, ary ho lasa zary tanimanga novolavolaina ny vatanao...............
jeu
20
jan
2011
Eo am-pelan-tanan’ny fitsarana ny ho avin’ i Madagasikara. Omaly 19 janoary 2011, dia nametraka fitoriana eo anoloan’ny Doyen des Juges d’Instruction eto Antananarivo ny filoha Ravalomanana Marc, noho ny toe-javatra niseho teto amn’ny firenena ny taona 2009. Ar a k a ny f amos ana nataon’ny lieutenant-colonel Andrianasoavina Charles, izay namboraka sy nanaiky fa fanonganam-panjakana marina no niseho tamin’ny 17 martsa 2009, dia mazava fa tsy navela namita ny fe-potoana hitondrany ny fanjakana hatramin’ny taona 2012 ny filoha Ravalomanana, kanefa izy dia voafidy ara-pomba demokratika..........
jeu
20
jan
2011
Tonga hampi a s a ny volany eto Madagasikara hono i Bernard Tapie ! Natao makotroka ny fandraisana ity tera-tany Frantsay, ary nihaona tamin’ny sehatra maro samihafa teo, ka isan’io ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina. Mpandraharaha efa nanana olana teo amin’ny fitsarana tany ivelany ingahy io, ary nisy tantara hafahafa, na dia nomen’ny fitsarana Frantsay fahafahana aza ny tenany. Tsy hidirantsika lalina izay fiarahana miasa, fa zava-dehibe ny hihazakazahan’ny vahiny eto, satria hampiakatra ny toekarena raha mitombina tsara ilay fiarahana miombon’antoka. Isika etsy ankilany, mitady fifanampiana amin’ireo firenena izay afaka hanao izany..........
mer
19
jan
2011
Raha nanontaniana ny mpanolon-tsaina manokan’ingahy Rajoelina sady filohan’ny antoko AVI mikasika ny fampiakarana ny karaman’ny mpiasam-panjakana dia tsy nisalasala izy namaly fa ilaina tokoa iny fampiakarana iny, « manala ny elanelan-karama eo amin’ny samy mpiasam-bahoaka io fampikarana io, raha jerena mantsy dia misy amin’ireo mpiasam-panjakana no mandray vola aman-tapitrisa maromaro misy koa ny mifanohitra amin’izany koa rariny kosa raha mba tsinjovina manokana ireo mikarama farany ambany »
Tsy midika ho fanomezana vahana ireo vahiny ve ilay hoe : « résidences des résidants » ?
« koa maninona moa ? tsy misy afa tsy trano iray anie no hataony amin’izany, aiza ary izy no hipetraka ? nefa izy mba maniry ny hampiasa vola eto amintsika. Dia hafatiantoka ho antsika ve izany fa anjarantsika fotsiny ny manara-maso azy ireny mba tsy hiteraka olana. Tsy ho tafavoaka mantsy isika raha ny vola anatiny ihany no hoentina manatanteraka ireo vinavinan’asa rehetra ireo fa ilaina ny mpamatsy vola. Noho izany hatao izay hahatamana azy eto amintsika. »
mer
19
jan
2011
Niara-nahita sy niaranandre ny kabarin’Ingahy Andry Rajoelina filohan’ny Fat tamin’ny lanonana teny Iavoloha daholo ny vahoaka Malagasy rehetra tamin’ny zoma lasa teo. Taorian’iny dia tsy samy naneho ny heviny ny antoko politika. Anisan’izany ny avy ao amin’ny ankolafy Zafy Albert. Raha nilaza ny filohan’ny Fat fa miandry ireo izay mbola te hiditra ao amin’ny sambo izy, dia nanizingizina kosa andriamatoa Tabera Randr iamanant soa av y amin’ny ankolafy Zafy Albert fa “tsy hiditra amin’ny sambo tsy manana kapiteny sy tsy nahavita visity teknika izahay ao amin’ny ankolafy Zafy fa ingahy Andry Rajoelina voasazin’izao tontolo izao no tokony hiverina”. H a t r ami n ’ i z a o d i a mbola tsy manaiky ny fitsapan- kevi-bahoaka natao tamin’ny 17 novambra ny avy amin’ity ankolafy ity. Nanamafy andr iamatoa Tabera Randrimanantsoa fa “tsy manan-kery velively ny lalam-panorenana lany tamin’io fotoana io satria tsy an’i Andry Rajoelina irery ny tetezamita ary tsy nisy afa-tsy vahoaka latsaky ny valo tapitrisa no nifidy tamin’izany”. Ho an’ny ankolafy Zafy Albert dia tsy misy afa-tsy ny fiverenana midinika ambony latabatra ihany no vahaolana. Matoa mantsy mikorontana toy izao ny firenena dia mbola misy zavatra tsy voavaha. “Atao ny dinika ambony latabatra dia miroso amin’ny fampihavanam-pirenena ary mandeha ho azy ny fananganana governemanta iraisampirenena avy eo”, io no vahaolana nentin’andriamatoa Tabera Randriamanantsoa.
mar
18
jan
2011
Aleloia a ! Tsy misy tahaka ity hatrizay niainana, fa izay vao ho tojo ny tany kanana i Madagasikara. Voninahitra anie ho an’ireto mpitondra antsika ireto, ary fiadanana ho an’ny vahoaka malagasy, fa nomen’Andriamanitra mpitondra mahay sy manao fahagagana isika. Fahagagana satria ny sambo norohizan’ny sasany rojo vy tsy hihazo ny tanjona alehany aza, nisosa tsy nisy olana, na dia nanelingelina avokoa aza ny sehatra iraisam- pirenena sy ny vahoaka mpanohitra tao aminy. Ireo Piraty miseho milay, aiza no hiafaràny fa tsy any am-ponja ? Ny mpandeha ilay sambo tao anatiny, moa tsy voky vary daholo amin’izao fotoana, ary miadana ery, satria raha hazandrano roa sy mofo dimy no nahavoky ny vahoaka tamin’ny andron’i Jesosy, roa arivo taona lasa izay, fa asa sesehena sy vahoaka ho voky kosa no hita amin’ity taona 2011 ity...........
lun
17
jan
2011
Kabary nanehoan’ny filohan’ny tetezamita, Rajoelina Andry, ny maha mpitantana ny firenena azy ny kabary teny Iavoloha, omaly. Tsy tetezamita velively no iheverany ny fanjakana tantaniny, fa « Repoblika » mihitsy. Fa tena filoham-pirenena angaha moa izy ity, na tsy nofidiam-bahoaka aza ? Inona moa no andraikitry ny fanjakana tetezamita ? Fandaharan’asa ranofotsiny. Niketrika mihitsy ny filohan’ny Fat amin’ireto tetikasa maro. Nohazavain’ny praiminisitra moa fa ny vadiny, Mialy Rajoelina, no mpanolo-tsainy voalohany, ka tsy mahagaga, satria « fitiavana » no manosika azy.
Ho avy ny vahiny Ny aina no matezà, hoy ny filazan’ny Ntaolo azy. « Hamorona asa isika » ka na ny very fanahy mbola velona teo aloha teo aza, mety ho velom-bolo indray. Ireo very asa, nanao ny tsy nety ka nivarina an-kady izany izao, mety ho latsa-panenenana tanteraka................
lun
17
jan
2011
Kasain’ny mpitondra ao amin’ny fahefana avon’ny tetezamita (FAT) atao varoboba ambongadiny amin’ny sinoa ve i Madagasikara ? May ve ny endim-boanjon’ny ao amin’ny FAT, ka tadiaviny atao tantely afa-drakotra sy hoentiny mitsambiki-mikimpy any anaty longoa mitoto-bozaka miaraka aminy i Madagasikara sy ny harenany ? Fanontaniana manitikitika ny mpanara-baovao maro, indrindra ireo mpandraharaha ara-toe-karena eto amintsika izany, noho ny hiheveran’ingahy Rajaonarimampianina Hery, ministry ny fitantanam- bola, hanao fifanarahana amin’ny orinasa sinoa iray antsoina hoe « China International Fund Limited » (CIF) hanangana orinasa hampiasa ny volany eto amintsika eo amin’ny seha-pihariana toy ny fambolena, indostria, fizahan-tany sy harena ankibon’ny tany. Orinasa iray antsoina hoe « Madagascar Developement Corporation » iarahan’ny fitondram-panjakana sy io orinasa sinoa io no hajoro hanatanteraka izany « fiaraha-miasa » hafahafa izany, ka 15% amin’ny renivola ampiasaina amin’izany no anjaran’ny fitondrana Malagasy fa ny 85% an’ny CIF, ilay orinasa sinoa...............
ven
14
jan
2011
Fomba fanao isan-taona moa, ka dia tsy azo ihodivirana, ny fifampiarahabana nahatratra ny taona, hotanterahina etsy amin’ny lapan’i Mavoloha anio tolakandro. Hifampiarahaba amin-dRajoelina Andry, filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita (FAT), ireo olona an’arivony nasaina ho amin’izany, ary hiarahaba ny vahoaka malagasy noho ny « asara » ihany koa izy amin’ny kabariny. Ankoatr’izay zavabaovao mety hambaran’ny filohan’ny FAT momba ny fahitany ny toe-draharahampirenena sy izay fanapahankevitra ho raisiny manomboka mason’andro androany, dia hirary soa, hifampizara « teny mahafinaritra » ireo hifandimby handaha-teny. Vitan’izany ve anefa izy ity ?
Mbola hisy hihaino ? « Ny k ibo noana t s y manan-tsofina handre », hoy ny ohabolam-bazaha nadika malalaka. Efa nisinisy ihany, hoy ilay tsy mahay manisa izay, ny kabary re nandritra izay roa taona niainana tanaty krizy politika izay, fa izao mbola iaraha-miaina izao ny vokatr’ireny kabary ireny, na eo amin’ny lafiny politika izany, na ny sosialy sy toe-karena.
jeu
13
jan
2011
Efa mazava izany ankehitriny fa hatao ny zoma misandratra andron’ny 14 janoary 2011 izao ny fifampiarahaban’ny “ankizy” sy ny “raiamandrenin’ny firenena”. Fomba efa fanao nahazatra tao anatin’ny taona maro io, saingy ny fisehony no miovaova sy arakaraky ny fihetsiky ny mpitantana ny fitondrana nifandimby. Amin’ity indray mitoraka ity dia ho voasivana, tsy noho ny isany, ireo nasaina; fa noho ny hevitra ara-politikany sy ny fironan-kevitra arahiny. Tsy ny olon-drehetra akory no afaka hanatrika ny lanonana toy itony. Ny hery velona mampihodina ny raharaham-pirenena no omem-boninahitra. Mety ho miaramila, mpitondra fivavahana, mpanao afera, mpanao politika, olomboafidy… Mety ho tera-tany Malagasy ihany koa, na tera-tany vahiny. Marobe tsy hay ho tanisaina. Fa vitsy sy azo isaina amin’ny rantsan-tanana an’ila, raha hisy olona “tsinontsinona” na tantsaha, na mpihary madinika, na mpivarotra amorondalana, na mpivaro-tena. Hery velona no hifampiarahaba eny fa tsy hery ho velombelomina e!............
mer
12
jan
2011
Azo hamaritana ny loko mainty ho lasa fotsy ve ny lalàna velona eto amintsika eto? Aleo kosa mba hifanarahana fa ny fotsy dia fotsy, ary eo ambonin’izay
fahafotsiana izay no hanoratana amin’ny ranomainty mazava tsara izay lalàna tokony harahina sy hampanjakaina. Tompon’antoka amin’ny fiarovana ny lalàna fototra mampijoro ny fitondrana eto
amintsika eto, ny etsy Ambohidahy etsy. Koa rehefa ireo no mangina dia “marina” izany ny fihetsiky ny mpitondra. Izany tokoa ve? Tamin’ny taona 2002, rehefa nifanadala tamin’ny fanampahana lalana
isan-karazany teto isika, dia nisy ny mpahay lalàna nitory ny tsy fihetezan-javatra, nateraky ny fifidianana, tao amin’ny fitsarana ny ady hifanaovana amin’ny fanjakana. Dia niharihary teo fa tsy
maintsy horavàna ilay “fitsarana avo” nanofàna trano tany Mantasoa. Dia nambaran’ny fitsarana avo vaovao hafa, fa vita tamin’ny dingana voalohany ny fifidianana filohan’ny Repoblika ary hatao ny
fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fotoana. Dia haintsika ny tohiny avy eo. ........
mar
11
jan
2011
Tsy hay intsony, izay hiafaran’ity tetezamita ity. Raha ny fanirian’ny maro, dia hifarana anio, satria tsy hisy olona haniry hiasa ambony tetezana izany. Ny fepetra hametrahana ireo andrimpanjakana ho amin’ny repoblika faha-efatra anefa no mampitarazoka izao tetezana mita izao. Raha nanao fianianana teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny filoha Andry Rajoelina ny 21 janoary 2009, dia nanambara ny HCC tamin’izany, fa 15 volana no faharetan’ity tetezamita ity........
mar
11
jan
2011
Tandindonin’ny krizimbaryny vahoaka madinikataorian’ny namoahan’nyfitondrana tetezamita nydidy fampidinana ny vidimbaryho latsaky ny Ar 1200ny 1kg. Nanomboka tamin’nysabotsy dia tsy nisy nampiditraentana vaovao intsonyireo mpamongady ao amin’nytsena Anosibe. Miandry izaytena fizotran’ity fampidinanavidim-bary ity ny ankamaroanyka ny fandaniana ireotahiry efa novidiana lafoaloha no natao......................
sam
08
jan
2011
Tsy ela, dia ho tonga eto indray ny SADC ! Ny herinandro ho avy io no mety hahatongavany eto, ary hiroso amin’ny fanohizana fikatsaham- baha-olana ho an’ny malagasy. Tao ho ao anefa, dia toa miantso vonjy any amin’ny ONU indray ny FAT, satria angaha tsy mahatoky ny SADC izy ireo ? Raha it y fiandrandràna ny firenena mikambana ity, dia tsapa, fa mila ny sehatra iraisampirenena ireto mpitondra ireto, saingy ny haneken’ireo mivantana ho ENY no tsy misy. Ny mampieritreritra ny rehetra, dia ny vava tsy ambina ataontsika amin’ny sehatra iraisam-pirenena, saingy hay mandohalika mila ny fanampiany sy ny fitserany ihany izao fitondrana izao. Mora ny miverina amin’ny ara-dalàna, nefa sarotra ny hiala amin’ny fomba mahazatra, dia ireo fihetsika mifono avona ataon’ny sasany amin’izao fitondrana izao. Raha nanaiky ny fifanarahana hatramin’izay, moa tojo izao fitangiriana amin’ny vahiny izao ve ity FAT ity ? Imasomahita
sam
08
jan
2011
Nampiantso mpampahalala vaovao teny amin'ny trano fonenany, Ramatoa Lalatiana Ravololomanana ary nanambara fa tafajoro ny Komitin'ny Firaisankina hoan'Atoa Fetison sy ireo gadra politika rehetra.(Comité de Solidarité à Fetison Rakoto Andrianirina et les victimes de non droit) "Mangataka ny famoahana tsy misy fepetra an'i Fetison, Zafilahy, Pasitera Edouard" izy ireo.Amin'izao fikatsaham-bahaolana ny krizy izao dia hitondra ny anjara borikiny izy ireo amin'ny maha tompon'andraikitra politika azy ireo "tsy tokony any Ambatolampy no toerana misy azy ireo fa tokony ambony latabatra boriry" hoy hatrany izy.
Nanamafy ihany koa izy fa tsy tokony hatao fitaovana politika ny Fitsarana.
Tamin'izany valandresaka izany koa no nanamafisan'i Lalatiana Ravololomanana fa fitonjana jadona tanteraka no misy eto ka izay tsy mitovy firehana amin'ny mpitondra dia gadraina.Tsy misy afa-tsy ny fampihavanam-pirenena ihany no vahaolana hoy hatrany izy.
Naseho ampahibemaso teto ihany koa ny fijoroan'ny tambanjotram-pifandraisana momba izany.
mer
05
jan
2011
Nisantatra fety makotoka ireo mpiasa marobe eo anivon’ny ORTM tamin’izao fihandohan’ny taona 2011 izao. Vory lanona ireo « ngetroka » ato amin’ity orinasa seraseara tantanin’ny fanjakana ity sy ireo “mpiasa tsotra” marobe eo amin’ny fampihodinana ny asa aman-draharaha iandraiketany avy. Dia nipololotra ny firariantsoa marobe sy ny fampanantenana tsy hita ho tanisaina.
Ity radio sy televizionam-pirenena ity dia mahatonga resabe hatrany amin’ny fomba fitantanana sy ny fironan-kevitra voiziny. Tsy maintsy nifanomezan-tsiny hatrany izay rehetra ataony sy hambarany. Tsy nahagaga raha “teny tsy ambina” kely akory dia may sy rotika izay natsangana nandritra ny fotoana maro satria tsy nifanitsy amin’ny fitakiana ataon’ny mpitarika politika ny hevitra mipololotra mivoaka avy ao.
ven
31
déc
2010
Ny finiavana betsaka, fa ny seza no olana ! Miketrika mafy ny hivoahana amin’izao krizy izao ny hery samihafa. Matoa miketrika, mbola manta ny nahandro, ary ahiana ho manta mohaka. Mihetsika ny ESCOPOL mba hifanatona amin’i TIM, ary manomboka mitsiry ny fanantenana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Finiavana hivoahana amin’izao krizy mandentika ny firenena izao no atao, saingy misy olona lehibeny avy ireo ankolafin-kery miray latabatra ireo. Dinika tsy misy toy ny natao tany Maputo sy Addis Abeba ireny, saingy nivadika tamin’ny ora farany ny lehiben’ny ankolafy iray, ary izao hiarahana mahita izao ny fiafaran’i Madagasikara. Izao tontolo izao efa nidera iny finiavan’ny samy malagasy iny, saingy nisy ny nanao volo manohariana, ary dia navalona ho any an-jaoridira ny ron-doha lany rehetra. Raha niainga tamin’iny anefa, efa vita toy izay ny fifidianana isan-karazany, ary efa nahazo filoham-pirenena vaovao isika. Ny sehatra iraisam-pirenena tsy nitodi-damosina, ary ny mpanao politika sy ny maramila ary ny vahoaka tsotra tsy nisy naiditra am-ponja.............
mar
28
déc
2010
Tsy mety kivy ! Mbola tsy milamina ny tany, ary mifandrafy ny vahoaka malagasy vokatry ny lonilony politika niniana novolena teto. Be ireo nihevitra sy nandray an-tanana ny hisian’ny fampihavanana, saingy mbola miaina ao anaty savorovo ny fiainan’ny isan-tokan-trano. Heno izao, fa isan’ny hamerina ny fifanatonana mba hisian’ny fihavanana sy fifamelana ireo ray aman-dreny eo anivon’ny FFKM. S e h a t r a v o a l o h a n y nitady ny marimaritra iraisana teo amin’ny fitondrana Ravalomanana sy ny ben’ny tanàna Andry Rajoel ina teny amin’ny Le Hint s y Ambohimanambola ny taona 2009 ny FFKM raha vao niandoha ireny krizy ireny. Ny Pasitera Rasendrahasina no mitarika ny FFKM amin’izao fotoana izao, ary heno fa efa miketrika ny hiroso amin’ny fiantsoana ny hery velona rehetra ireto ray aman-drenim- piangonana ireto atsy ho atsy ? Azo antoka fa mety hahazo ny fankatoavan’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny eto an-toerana izy ireo, raha miroso amin’izany, satria mitandrina ondry maro ireto ray aman-drenim-piangonana ireto, raha tsy hoe angaha hisy haningana indray amin’izy ireo. Vainafo zanany
lun
27
déc
2010
Fahatoniana ve ny fihazonana hatrany mpanao politika izay nanana taratasin’ny dokotera manambara fa marary? Fahatoniana ihany koa ve ny hataon’ny mpikambana ao amin’ny fahefana avo (CST) mamory vahoaka any amin’ny faritany any ary tsy mihevitra akory fa misy didy aman-dalàna mandrara izany? Fahatoniana ve ny fanaovana fanadihadiana eny amin’ny mpitsara mpanao famotorana (mpanao politika na ny fianakaviany) mandritra ny fotoana fialan-tsasatry ny fotoampitsarana? Fahatoniana ve ny handikana ny fihetsiky ny filoha avo sy ny ankohonany nandeha nanao fety any ivelan’i Madagasikara?Tsy fantatra mazava hoe: lasa aiza? Na koa ny fihetsiky ny filohan’ny CT lasa any Frantsa midinika moramora sy mangingina any? Midika fahatoniana koa ve izany?.......
jeu
23
déc
2010
Mety tsara sy mifanaraka amin’ny lalàna velona ny hanatanterahana ny fifidianana solombavam-bahoaka amin’ny 16 martsa ho avy izao, araka ny fanambaràna nivoaka teny Alarobia teny. Azo hiteleman-kozatra avy hatrany ny resaka natao, ary tsy misy volo manoha-randrana. Amin’ny maha- mpikarakara ara-teknika izay fifidianana miseho ny CENI dia tsy manao ady hevitra politika loatra ry zareo. Azo antoka ny fizotran’ny asa rehefa tonga ara-potoana ny fitaovana rehetra ilaina sy mifanaraka amin’izany. Ny daty, izay mbola ao anatin’ny fotoan’ny orana sy tsy mifanaraka amin’ny lalàmpifidianana, dia tsy andraikitry ny CENI velively fa rehefa soridalana vita io, ka mpanantatreraka fotsiny ry zareo. Mety ho hainy angamba hatramin’ny fanohanana ny orana tsy hilatsaka, mandritra ny fotoan’ny fampielezan-kevitra sy ny fotoam-pifidianana (?)..............
mar
21
déc
2010
Mirotoroto sy mitrifana hatrany ny fomba hivoahana amin’ity krizin’ny Gasy ity saingy ny olana dia ny momba ny hevi t r ’ i reto maher y fihetsika izay manenjana amin’ny heviny. Mahagaga fa mitady vahaolona daholo ny hery velona rehetra fa misy amin’ny mpanao politikantsika no tsy mba mivonona akory hampandefitra ny hambom-pony. Ireny fihetsika mahery ireny no tokony hitadiavana vahaolana alohan’ny dinika rehetra hatao. Raha tsorina dia tsy tokony hiseho ho mpitarika ny vondrona toy izao sy izao raha tsy mahafehy tsara ny ady hevitra ao anatin’ireny vondrombondrona isan-karazany ireny. Nanomboka tamin’ny aprily 2009 ny mpihazona ny fahefana eto amintsika sy ny mpifanandrina aminy mivantana (ireo nahongany) dia efa samy nahatsapa fa misy andian’olona mpitrifana any amin’izy ireo tsirairay avy. Tsy mety hiova hevitra velively fa samy miseho azy ho dadany. Lasa zary angady mondro tsy mahatapaka ahitra ny mpitarika ka miverina amin’ny tsy misy hatrany ny ady hevitra..........
jeu
16
déc
2010
Manahirana ny fotoana lalovan’ny firenena malagasy ankehitriny ary tena vao mainka misavoritaka sy tsy ahitana izay mety ho fitoniana. Nambara ampahibemaso fa efa anatin’ny fotoan’ny Repoblika vaovao isika mianakavy. Tsy marina na azo iainana avy hatrany anefa io resaka sy faniriana io noho ny tsy fahatomombanana amin’ny firosoana amin’izany. Tsy afaka hijanona maharitra amin’izao fitondrana tsy manana fototra iorenana izao koa anefa ny firenena fa mety hampiady ary tsy hitondra fitoniana velively izany. Tokony hahatsapa ny mpanao politika rehetra tsy ankanavaka fa tetezamitan’ny fahefana avo no nisy, nandritra izay 20 volana izay. Noho izany dia Repoblika vaovaon’ny fahefana avo ihany koa no natsangany sy najoron’ny “vahoaka mpomba azy” tamin’ny 11 desambra lasa teo. Raha manaiky aminkitsi- po io toe-javatra io ny ambiny amin’ny vahoaka sy ny mpanao politika hafa (izay ambara matetika fa vitsy an’isa), dia lalana tena mahaafaka ny krizy tokoa izao lalan’ny fahefana avo izao, ka tokony ho tapitra izany ny Fahefana Avon’ny tetezamita fa tena any anaty Repoblika IV ny firenena malagasy............
mer
15
déc
2010
Talohan’ny niaingan’ny pr amini s t r a t eo a loha handeha ho any Thailande, tamin’ny alatsinainy lasa teo, dia nisy ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety. Tamin’ i z any indr indr a no nanambarany fa nisy anjara biriky notanterahiny tamin’ny fanamboarana io lapan’ny tanànan’Antananarivo vaovao io. “600 tapitrisa ariary no anjarako tamin’ny fanamboarana ny lapa na dia tsy nambara ampahibemaso aza izany”. A n k o a t r a i z a y, d i a nanambara izy fa mankasitraka ny fahatongavan’ny solontenan’ny SADC. “Rariny ny fanelanelanana iraisampi renena sat r ia i lain’ny Malagasy ny fampihavanana”. Nambarany ihany koa ny fototra mahatonga izao krizy lava reny eto amin’ny firenena izao. Tsy inona izany hoy izy fa “ny tsy fisian’ny fifidianana madio sy mangarahara eto amin’ny tany sy ny firenena..................
mar
14
déc
2010
y h a s i n ’ n y R o v a n ’ i Manjakamiadana. Nanaitra ny maro ny nahita mpitondra ankehitriny niakatra tao an-dRova ny sabotsy teo, ary toa naka ny endrik’ireo mpanjaka tao taloha. Ny tsy nahalala nihevitra hoe nitsangana tamin’ny maty ny Mpanjakantsika, saingy rehefa nozohiana akaiky, dia hay ny mpitondra tetezamita ankehitriny sy ny vadiny. Sarotiny amin’ny fikitihina sy ny fampiasana amin’ny endrika politika ny Rova ny vahoaka malagasy. Isan’ny nanandrana nanao izany ny filoha Ravalomanana ny volana Jolay 2008. Nafindra ho eny Ambohimanga tamin’izany ny razana tao amin’ny Fitomiandalana, ary nanaovana joro. Niarahan’ny rehetra nahita ny tranga niseho tamin’izay, fa niridana tsy azo nosakanana hatraty Ambohijatovo ny omby izay saika ho vonoina tao. Isika rehetra no nahita ny niafaran’ity filoha ity ankehitriny, ary ny feo nandeha tamin’izany aza, dia saika hanorimponenana tao mihitsy izy............
ven
10
déc
2010
Mahita Volana alohan’ny Habib. Izay no azo hanambaràna ny fomba f ias a ankehitriny, raha tsy hilaza afa-tsy ny lanonam-be karakarain’ny FAT amin’ny fitokanana ny lapan’ny tanàna etsy Analakely. Hisy olona an-jatony hono nokaramain’ny mpanohitra hanakorontana etsy Analakely, ary mpanao politika am-polony mbola ao amin’ny mpanohitra no haraha-maso ? Mahatalanjona tokoa izany, fa isaky ny hanao zavatra ny fitondrana tetezamita ankehitriny, dia tsy maintsy mahita ambara hatrany. Tsy vao izao no nandrenesana toy izao fa efa hatry ny ela, toy ny tamin’ny resaka baomba, ary raha tsy mbola nandeha akory ny fanadihadiana, dia ministra iray ao anaty governemanta no efa nanonona anaran’olona ambony niaranisa tamin’ny mpitondra teo aloha ho ati-doha mikotrika tamin’izany.................
ven
10
déc
2010
Araka ny soratanana mitondra ny sonian’ny Kolonely Charles, dia nanambara ny heviny izy ka mitsipaka marindrano ny tsaho niely fa nandray anjara tamin’ny hetsika teny amin’ny BANI Ivato ny tenany mba hanamorana ny fisamborana ny Jeneraly Raoelina. Voasoratra amin’ny fiteny malagasy moa ny taratasy ka tsy ilaina fandikana na famintinana intsony. Raha asiana resaka kosa ny fanambaran-kevitra toy itony, dia matetika mizara roa ny fijerin’ny mpamaky hiantefany. Fomba fijery samy hafa, arakaraka ny fiandaniana atsy na aroa. Ny mpanohana ny fitondrana tetezamita, dia tsy omena tsiny raha hilaza avy hatrany fa fandiovan-tena fanaon’ny voampanga ihany ny toy ireny. Ao koa no mety hilaza fa fanamarinan-tena efa mahazatra fanaon’izay voampanga izany. Raha ny mpanohitra kosa indray ny hanontaniana ny heviny dia mety hilaza ry zareo fa tsy tokony ho tampenam- bava hilaza ny heviny na teratany iza na teratany iza satria izany no manamarika ny fisian’ny demokrasia. Ary izao nosoratan’ny Kolonely Charles izao dia mitombina tokoa satria raha eken’ny rehetra tokoa fa kitro ifaharan’ny fampihavanana ny Foloalindahy, dia hilamina ny fiarahamonina. Ny fitsarana ihany moa no tompon’ny teny farany amin’ny alalan’ny didy havoakany, koa asa na hitombina na tsia, fa tsaho ihany tokoa ny feo niely fa fandrika nataon’ny Kolonely Charles hahazoana ny Jeneraly Raoelina iny hetsika teny amin’ny BANI Ivato iny.
jeu
09
déc
2010
Aoka izay ny ramatahora sy ny jadona. Avoahy ireo gadra politika, ary ampodiana ireo filoha mbola manao sesin-tany ny tenany any ivelany, atao ny fampihavanam- pirenena, mba hirosoana any amin’ny repoblika faha-efatra. Lasa tsianjery ireo ampahan- teny ireo isaky ny manao famoriam-bahoaka ny ankolafy telo. Rariny izany, satria ny fandevenana ny jadona ny nandrodanana ny mpitondra teo aloha, ary hampiharina izany tany mandala ny tena demokrasia izany. Ny mifanohitra amin’ireo anefa no hita nandritra izay roa taona nisian’ity tetezamita ity izay, satria mitombo avo folo heny amin’ny gadra politika noho ny teo aloha no hita ankehitriny. Voatampim-bava ireo tsy mitovy fijery amin’ny FAT, ary mandeha ila ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Fitondrana eken’ny vahoaka tsy ankanavaka, ary hankatoavin’ny sehatra iraisam-pirenena no ilaina hijoro eto, ka tsy maintsy avoaka faran’izay haingana ireo gadra politika. Henjana ny fitakiana tao Alarobia omaly, ary tsy nisy nitsitsy fitenenana ireo mpitari- tolona nanoloana ireo vahoaka marobe nanoina ny antso teo amin’io kianjan’Alarobia io.............
mar
07
déc
2010
Las’izao ary tsy tokony hibolisatra. Nivaly omaly tamin’ny fomba ofisialy ny fitsapan-kevi-bahoaka natao teto ny 17 novambra teo. Niezinezina ny fandresen’ny ENY, ary nazoto nifidy hono ny vahoaka. Io no dingana nokasain’ny FAT ankehitriny, mba ahafahany miroso amin’ny teti-panorona ho amin’ny fankatoavana iraisam-pirenena sy ny asa kasainy hatao eto. Tsy hisy sakana intsony, satria, ny vahoaka aza efa tonga maro nanoina ny antson’ny mpitondra. Tsy novidiam-bola fa nanefa ny adidiny tamin’ny nahim-pony. Ny mpanohitra mety hanipy hoditr’akondro amin’izao mpitondra izao, efa tsara ambin’ny be baoty, ary maro no voahidy any ampigadrana sy lasa nandositra. Ny haino aman-jery mba nahafahan’ny mpanohitra niteny efa nakatona, ary manjaka tokana ny fanehoan-kevitra eto...........
lun
06
déc
2010
Omaly 03 desambra 2010 no lasa niverina any Frantsa ny praiminisitra teo aloha, Tantely Andrainarivo, araka ny resadresaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety. Nanamafy izy fa niresaka naharitra tamin’ny Rajoelina Andry, tamin’alalan’ny antso an-tariby. Momba ny toedraharaham- pirenena no niresahan’izy mirahalahy mianaka nandritra izany fotoana. Ka izany indrindra no nanamarihany fa tsy misy olana amin’ny mpitondra fanjakana na amin’ ireo hery hafa izy. Fantatra fa anisan’ny antondiany teto Madagasikara ny fikarakarana rehetra momba ny fiverenan’ny Filoha Ratsiraka, “izay ho tonga amin’ny fotoana tsy ho ela intsony”. Raha amin’ny lafiny famotsoran- keloka kosa dia nilaza izy fa tsara tokoa ny handinihana ny momba izany. “Tsy mitovy amin’ny raharahan’olona izay voaheloka, nangalatra akoho, ohat ra, ny raharahan’ i reo mpanao politika”.....
lun
06
déc
2010
Hitodika eny amin-dry zareo eny Ambohidahy ny saina aman’eritreritry ny olom-pirenena manomboka anio, hono Ary tsy hitsahatra izany, na inona na inona hambaran’izy ireo, mikasika indrindra ny famoahana ny vokatra ofisialin’iny fitsapankevi- bahoakan’ny mpitondra avo iny. Any Ambohidahy ny fanalahidy hamahana ny krizy na koa hampisavoritaka sy hampifanolana indray. S at r ia f i t sarana avo momba ny lalàm-panorenana no anaran’ity andrimpanjakana eny Ambohidahy ity, dia izy izany ny tompomarika amin’ny fanajana ny tena dikan’izany “fanjakana tan-dalàna” izany. Aleo ifanarahana fa iny 21 martsa 2009 nanandratan’ny HCC ny mpi tondra Avo teny Mahamasina iny dia noho ny didy hitsivolana 2009- 002 avy teny Soanierana. Dia nasandratra ho avo dia avo ny mpitolona ka tsy hita mazava na manao ny asan’ny filohampirenena izy, na efa “filohampirenena mihitsy” (?).............
ven
03
déc
2010
Vonona hidinika ny ankolafy maro, izay tafaresaka tamin’ny iraky ny SADC. Tsy mbola fantatra kosa anefa ny andro sy ny volana hanaovana izany, saingy maika io, raha ny fahitan’ny mpanarabaovao azy. Raha ny feo niely teny amin’ny famoriam-bahoaka nataon’ny ankolafy telo teny Ivandry, dia mety ho eto Madagasikara no hanaovana izany. Raha eto no hisian’ny dinika hamahana ny krizy ho an’ny malagasy, dia ho avy ry Deba sy Dada hoy ireto mpitolona ireto, ary ny miaramilan’ny SADC no hiaro azy ireo ? Mbola hanao ny tatitra any amin’ny lehibe naniraka azy ry Dr Simao, ary aorian’io vao hisy vaovao ho re momba izay dinika izay. Mandrampiandry izany kosa anefa, dia mitohy ny tolon’ny ankolafy telo amin’ny famerenana ny ara-dalàna eto an-tanindrazana............
ven
03
déc
2010
Tami n’ ny t a l a t a n o nivoaka ny vokam-pifidianana vonjimaika tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka farany teo. Andrasana arak’izany ny fanovana ny mpikambana ao amin’ny governemanta, aor ian’ny famoahan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana ny valiny ofisialy. Raha ny fantatra dia maromaro ny mpikambana mety handao ny toerana misy azy. Misy koa ireo izay mbola ho tafajanona amin’ny toerany. Fa ny andrasan’ny maro dia izay hitazona ny toeran’ny praiminisitra, na dia nilaza aza ny filohan’ny Fat fa tsy hiova ny mpitarika ny governemanta . Raha tsiahivina dia notendrena ho praiminisitra ny jeneraly Albert Camille Vital taorian’ny tsy fanarahan’ny fitondrana ny satan’i Maputo..........
jeu
02
déc
2010
Naverina any amin’ny fonjan’Ambatolampy ireo mpitaritolona ao amin’ny ankolafy telo migadra. Vao maraina no heno, fa nandalo teny anivon’ny fitsarana indray ireo mpitarika ny ankolafy telo Fetison Rakoto Andrianiriana, Pasitera Edouard ary Zafilahy Stanisilas. Taorian’ny fakana ambavany azy ireo nandritra ny fotoana fohy, dia nalefa naka saina any am-ponja indray izy ireo. Nangataka ny fahafahana vonjy maika ho an’ireto mpitolona ireto ny mpisolo vava azy telo ireto, saingy nolavina. Tsy dia nisy nahalala izao fiakarana tampoka eny amin’ny fitsarana izao ny ankamaroan’ny mpitolona, satria natao mangingina ihany ity fitondrana azy ireo teny amin’ny fitsarana izao..........
mar
30
nov
2010
Mi tombo an-da l ana ihany ireo olona hilatsaka ho ben’ny tanana eto andrenivohitra. Isan’io ramatoa Rinah Rakotomanga izay tsy zoviana tamin’ny maro, teo amin’ny sehatra politika, nandritra ny fitondrana Ratsiraka sy ny Praiministra Tantely Andrianarivo. Na dia mbola nahemotra amin’ny fotoana tsy fantatra aza no hanaovana ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna manerana an’i Madagasikara, dia heno, fa isan’ny hisedra ny safidim-bahoaka eto andrenivohitra ny tenany, na dia tsy mbola ofisialy aza ny fanambarany. Tsy dia manavao amin’ny sofin’ny maro ihany koa io anarana io, ary vehivavy tokana heno fa hifandona amin’ireo lehilahy efa nitondra teto amin’ity tanàna ity i Rinah Rakotomanga. Kandida tsy ho amin’ny antoko AREMA kosa anefa raha ny heno, fa mety amin’ny anarany manokana. Tsapa tato ho aho, fa miha-mihazakazaka eto andrenivohitra avokoa ireo anarana efa fanta-bahoaka tany aloha, izay hihazakazaka etsy amin’ny lapan’ny tanàna vaovao. Asa, iza re no hitoetra ao amin’io trano vaovao io mandritra ny efa-taona e ?
sam
27
nov
2010
Nilaza ny toerana misy azy telo mirahalahy mianaka ireto ihany ny Tale Jeneralin’ny fonja tamin’ny fotoana farany. Araka ny nambarany dia ho fitandroana ny ain’izy ireo no tsy nilazàna ny toerana nametrahana azy ireo hatramin’izay. Nisy ny fanazavana nomen’ity Tale Jeneralin’ny fonja ity mikasika ny namindrafindrana azy ireo. Rehefa napetraka tao Ambatolampy izy ireo dia nandeha ny resaka fa hisy hanafika ny fonja ka nafindra tany Fianarantsoa indray. Tsy nangina anefa fa nandeha foana ny resaka ka izay no nahatonga ny fandraisana fepetra ny tsy nitenenana ny toerana misy azy ireo. Amin’izao fotoana izao dia efa naverina any amin’ny fonjan’Ambatolampy Atoa Fetison sy Zafilahy ary pasitera Edouard. Salama tsara avokoa moa izy ireo amin’izao fotoana izao. Araka ny nambaran’ity tompon’andraikitry ny fonja ity dia tsy afindrafindra toerana intsony fa apetraka amin’ny toerana iray amin’izay izy ireo. Raha tsahivina dia tokony ho niakatra fitsarana ry zareo amin’iny herinandro iny nefa tsy nisy tonga teny ary iny nahemotra amin’ny 25 janoary 2011 indray ny fitsarana. Efa nampanahy ny be sy maro ihany iny toe-draharaha iny satria na ny mpisolovava aza tsy nahafantatra ny toerana nametrahana azy ireo. Nilaza koa izy fa efa afaka mamangy azy ireo amin’izay ny fianakaviany. Ravo
jeu
25
nov
2010
Velon-taraina ny mpisolo vava an-dry Fetison Rakoto Andrianirina sy Pasitera Edouard, ary Zafilahy, fa tsy hita ny fonja nametrahana azy ireo hatramin’izao. Atahorana hitsoaka ve, no anton’izao fanafenana ireto mpanohitra migadra ireto izao, sa misy zavatra kotrehin’ny mpitondra ao ambadiky ity famindrafindrana fonja azy ireo izao ? Tsy misasa ary tsy misolo akanjo ireto voafonja ireto, hoy ny mpisolo vava azy ireo ny talata teo, ary sahirana ny havany noho ny tsy fahafantarana izay toerana misy azy. Ho an’ny mpitazana kosa, dia misy tahotry ny mpitondra ao, matoa tsy atao fanta-bahoaka toy izao ny toerana misy ireto olona ireto. Manana zo toy ny olona rehetra izy ireo, satria mbola tsy meloka. Rariny loatra, raha afaka hiaina toy olona rehetra izy ireo, na dia any am-ponja aza. Raha ny tomban’ny mpanara-baovao, dia entina handemena ny sain’ny mpanohitra, ny fampijaliana ara-tsaina ireto mpitolona ireto, mba ho anatry ny hafa. Tsy hidirana lalina eto ny feo heno momba ny famonoana an-dry Kotity sy ireo manamboninahitra namany nitolobatana teny Ivato, saingy misy lalàna mifehy azy avokoa ny zava-drehetra. Dia ho sanatria ve ka izao no hiafaran’ny olona tsy mitovy firehana eo amin’ny lafiny politika ? Basy vava
lun
22
nov
2010
Hilamina amin’izay ny mpitondra FAT ! Tsy hisy intsony ny olona hanelingelina azy ireo, satria efa voafehiny tanteraka ny raharaham-pirenena. Ny miaramila nikasa hanongana azy, efa voasambotra, ary ireo ben’ny tanàna mba nampiaka-peo, efa voasambotra iny ny mpitarika azy, ary ny vahoaka efa tsara ambina amin’ny hetsiky ny be baoty. Ringana tanteraka hatreto ny mpanohitra, satria na ny fanehoan-kevitra ataon’izy ireo an-dalambe aza efa tsy misy intsony. Ireo nankao amin’ny Magro, efa tsy hita tabilao, satria efa tsara ambina ihany koa io toerana io. Ny haino aman-jery nahafahan’ny mpanohitra niresaka teo aloha, efa nangina sy nakatona avokoa. Ny fahazoana alalana hanao famoriam- bahoaka ankalamanjana, dia tsy mbola azo atao, satria mety hampitarika korontana ho an’ny fiaraha-monina........
sam
20
nov
2010
Samy maminavina izay mety ho tohin’ny toe-draharaha mitranga eto amin’ny firenena tao anatin’ny telo andro ny mpanara-baovao samihafa. Samy mikopaka ny afo velomina ny mpifanandrina ara-politika : ny fahefana avon’ny tetezamita (FAT) somokitra amin’ny fitsapankevibahoaka nandrandrainy hivoahana amin’ny krizy, ary nampivory ny kongoresy sy ny CST, etsy andaniny. Ny miaramila mamahatra ao amin’ny tobin’ny BANI sy RFI koa efa naneho ny fahavononany tanteraka ary tsy mihemotra amin’ny fitakiany amin’ny hialan’ny mpitondra ao amin’ny FAT… Ny vahoaka very fanahy mbola velona satria tsy tongotra hitsipaka, ary tsy tànana handrangotra, miady amin’ny fiainana mihasarotra isan’andro.....
mer
17
nov
2010
Toy ny olom-pirenena rehetra, dia nandeha nanefa ny adidiny ireo mpitondra ny tetezamita ankehitriny. Ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, dia teny amin’ny Lycée Agricole Ambatobe no nanaovany ny latsabatony omaly tokony ho tamin’ny 9 ora maraina. Raha ny hita teny an-toerana, dia mbola vitsy olona nandeha nadatsa-bato tamin’io fotoana io, ary nangadihady ihany ny sehatra novantanin’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina. Tetsy amin’ny EPP Soavimasoandro kosa ny PM Camille vital, no nandatsa-bato. Tamin’ny 9 latsaka fahatelony no nahatongavany tao amin’io sekoly io. Mbola vitsy olona ihany koa ny nanefa ny adidy tamin’izay, satria zara raha nisy hatrany amin’ny 2% n’ny mpifidy voasoratra anarana no nanefa ny adidiny. Ny filohan’ny CST Rasoloarison Dolin, indray dia tamin’ny 3 ora no heno fa nanaovany ny latsa-bato teny Ambohipo. Imasomahita
mer
17
nov
2010
Tsy rototra tamin’ny fifidianana ny olona. Raha ny teto an-drenivohitra manokana, dia zara raha nisy olona nandeha nandatsa-bato io omaly io, ary endrika iray hanaporofoan’ny vahoaka amin’izao fitondrana izao, fa tsy ankasitrahany ny nanaovana iny fifidianana iny. Ny tapak’andro maraina, dia azo isaina amin’ny ratsan- tanana no nandeha tamin’ireo birao fandatsaham- bato. Porofon’ny tsy fahombiazan’ny fifidianana omaly io ny tsy fahazoan’ny olona kara-pi f idianana. Nalaina ny vahoaka, ary mbola nanampy trotraka izany, ny fahitana miaramila milanja basy eran’ny tanàna. Ekena fa nalefa hitandro ny filaminana ireny, saingy vao mainka nampihemotra ny olona.....
mar
16
nov
2010
Tsy niteny fa nihaino ! Tsy midika fahanginana izany hoy ny profesora Raymond Ranjeva. Nambarany io manoloana ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Naha be resaka tokoa mantsy ny tsy naha teto an-tanindrazana ity profesora ity, ka nitondrany fanazavana fohy. Resaka fampianarana no nalehany tany Bordeau Frantsa nandritra ny herinandro. Indroa nihaona tamin’ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka ny tenany ka nifampiresaka ny raharaham- pirenena. Firosoana sahady amin’ny famahana ny olana eto izany, saingy ny azo ambara hoy ny profesora Ranjeva, dia tsy maintsy ho avy ny filoha Ratsiraka Didier..........
jeu
11
nov
2010
Efa nampoizina ihany ny mety hisian’ny sakoroka eto an-drenivohitra, araka ny teny efa natsidiky ny mpanohitra izao fitondrana tetezamita izao. Raikitra izany, omaly tetsy Antanimena, rehefa nifampihantsy ela teo ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana. Nikasa hiditra tao amin’ny kianjan’i Malacam, araka ny fahazoan-dalana efa nambara azy fa indroa isankerinandro ihany no azony ampiasaina, ireo vahoakan’ny ankolafy Madagasikara. Efa nivova anefa io araka ny fanazavan’ny prefet de police eto Antananarivo satria raha ny CUA no nanome alalana hampiasana io dia ny prefet de police ihany no afaka manome alalana. Foana izany io fahazoan-dalana io ka ny tale kabinetran’ny kaominina no nanazava fa ho an’ny fanatanjahantena io kianja io manomboka Alakamisy hatramin’ny alahady......
sam
06
nov
2010
Miditra an-tsehatra ny mpikambana ao anaty tetezamita mampandresy ny ENY any anivon’ny kaominina sy ny distrika rehetra. Ny mpanankanto no entina hanangonana vahoaka, mba hihaino ny fanazavan-kevitra ataon’izy ireo. Porofon’izany ny nataon’ny ministra Virapin tany Ilakaka. Hentitra ny baiko, ny tsy maintsy handresen’ny ENY. Na dia mandeha aza ny ora sy ny fotoana, dia zara raha misy mahafantatra ny vontoatin’io lalampanorenana asaina ho lanian’ny vahoaka amin’ny 17 novambra io. Eny fa na dia ireo mpikambana ao anatin’izao fitondrana izao aza, dia vitsy no tena mahafantatra ny ambangovangon’izay voarakitra ao.....
ven
05
nov
2010
Tsy nahita rirany tamin’izay rehetra natao ny ministry ny Polisy Organès tamin’ilay raharaha nambara fa nahatafiditra ilay mersenera teto Madagasikara ny herinandro iny. Teo ihany koa ny fanalàna amin’ny toerany ny Kaomisera Brunel Razafindrahofa izay lehiben’ny fiarovana ny sisintany eny Ivato. Nolavin’ny teo anivon’ny fiadidiana ny repoblika ny fikasan’ingahy ministra hanova io kaomisera io, na dia efa tonga handray ny fahefana aza ny olona notendren’ingahy ministra hisolo ilay kaomisera nesoriny tamin’ny toerany. Resy tanteraka ny ministry ny polisy, raha io fandehany io no asian-dresaka, satria tsy nahita rirany tamin’izay nataony izy. Ity kaomisera saika voadaka tamin’ny toerany ity koa etsy ankilany, dia nilaza ny marina hatramin’ny farany, ary sambany vao nisy olona eo ambany fifehezan’ingahy ministra sahy namaky bantsilana ny zavatra nampanaovina azy. Ny fanontanian’ny mpanara-baovao, dia ny hoe sahy hametrapialana ve ingahy ministra sa miandry ny fandroahana azy amin’ny toerany ? Raha ny feo mandeha mantsy, dia isan’ireo tsy ho ao anaty lisitra intsony ny tenany, raha vao misy fanovana Governemanta aorian’ny fifidianana izao ? Raha ireo tranga niseho momba ilay fampidirana ilay mersenara iny no jerena, dia mety tsy hipetraka aminy intsony ny fitokisan’Ambohitsorohitra, matoa tsy nahita rirany tamin’ny fanalana ny kaomisera Brunel ny tenany. Imasomahita
jeu
04
nov
2010
Ampy izay ny ramatahora, avondrony ny hery, hanoherana ny tsy rariny eto Madagasikara ! Io no nanakoako tao amin’ny kianjan’i Malacam omaly. Vahoaka maro be no nanoina ny antson’ny ankolafy telo teo amin’io kianjan’ny baolina lavalava io, ary mpanao politika mpitari-tolona maro no nitarika ny fotoana. Tsy azo ekena ny fanaovana referandaoma amboletra. Tsy maintsy miverina i Dada Ravalomanana sy Dadabe Ratsiraka. Apetraka ny tetezamita hiarahana mitondra, ary hirosoana ny fampihavanam- pirenena sy ny amnistie faobe. Hevitra efa notakiana hatramin’izay io, ary ny fametrahana ny fanjakana ara-dalàna no vaha-olana amin’izao krizy izao. Midika amin’ny mpomba ny ankolafy telo izany, fa tsy maintsy mipoaka ny sarom-bilany. Hitohy ary tsy hitsahatra ny tolona. Ny firenena eran-tany no efa tsy manaiky ity fitondrana ity, nefa mbola ataon’ny mpitondra ankehitriny amboletra ihany ireo fanapahan-kevitra izay heveriny fa mety amin’ny fanamafisana ny toerany ankehitriny. Raha ny hiakiaka momba ny fandresen’ny ekipa iray no heno tao amin’io kianja io hatramin’izay, dia hiakam-pitolomana ho amin’ny fiovàna kosa no heno tao omaly. Tsara ny milaza, fa nifandimbiasan’ny teo anivon’ny ankolafy telo ny fandraisam-pitenenana, ary tsapa fa ao anatin’ny heriny tanteraka ny mpanohitra ny fitondrana tetezamita. Imasomahita
lun
01
nov
2010
Mitodika any amin’ny PDS eto an-drenivohitra indray ny fantsin’ny mpitondra FAT ankehitriny. Taorian’ny nanomezan’ity mpitondra ny tanàna eto an-drenivohitra ity ny kianjan’i Malacam Antanimena, dia maro no nanome tsiny azy amin’izany. Omena vahana indray ve ny mpanohitra izay efa hita fa manomboka miala aina ankehitriny hoy ny feo niely ny faran’ny herinandro lasa teo. Na ireo gazety mpitondra tenin’ny FAT aza, dia nanome tsiny mafy ity PDS ity mihitsy noho iny fihetsika nataony nihaona tamin’ny mpanohitra iny. Nitsikafona tao anatin’izany ny fomba fitantanan’ity olom-boatendry ity ny tanàna, ary voakilasy ihany koa ny mpanohitra ho mpanakorontana sy mpandrava efa isaky ny manao fihetsiketsehana.......
sam
30
oct
2010
Mi savor i tak a andr o aman’alina ny fiainampirenena. Milentika andro aman’alina toy izany ny fiainam-bahoaka, ary krizy noheverina fa ho foana ao anatin’ny fotoana fohy no mbola mitarazoka roa taona latsaka aty aorian’ny fandraisana fahefana nataon’izao fitondrana izao. Na dia ezahiny arindra araka ny tokony ho izy aza ny eo anivon’ny foloalindahy, dia tsapa fa misy raha tsy milamina ao. Ny gazety mpiseho isan’andro omaly no nanambara ny lahateny nataon’ny Jeneraly Noel Rakotonandrasana fa tokony hiala amin’izay i Andry Rajoelina, fa tsy zakany intsony ny mitantana ny tetezamita........
mer
27
oct
2010
Manam-pahaizana roa no andrandrain’ny malagasy sy ny vahiny any ivelany hitondra ny tetezamita atsy ho atsy. Manam-pahaizana roa izay samy manana ny lazany ireo, satria ny iray mahay momba ny lalàna iraisam-pirenena, ary ny ankilany mahay momba ny toe-karena. Ny Profesora Raymond Ranjeva, dia tsy mitsahamiketrika ny hampiharana ilay vonjy aina ho an’ny malagasy rehetra. Maro no nankasitraka ilay tetik’asa nataony, mba hialana amin’izao krizy izao. Nitaky ny hanoloran’i Andry Rajoelina ny fahefana eo aminy ity manam-pahaizana momba ny lalàna ity raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy farany teo......
sam
23
oct
2010
Rava teo anoloan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana, ilay didim-pitsarana fanamelohana ny ben’ny tanànan’Ivato Firaisana Yves Rasoloarisata, higadra 18 taona an-tranomaizina. Andro maro lasa izay no nisian’io didim-pitsarana fandravana io, ary vonona handray ny toerany amin’ny maha-ben’ny tananan’Ivato Firaisana azy ingahy Maire. Olana teo amin’ny fizaram- bola tsy mitovy no nahatonga ny fifampitoriana. Vola avy amin’ny ilay IFPB, tambin- ketra miditra ao amin’ny kaominina ary, tokony ho anjaran’ny mpiasa sy ny ben’ny tanàna izay mahatratra 10% io niteraka olana io...........
ven
22
oct
2010
Hafaliana tsy roa aman-tany no nandraisanao ilay filazana miendrika dokam-barotra amin’ny haino aman-jery. Ilay radio hihainoanao azy koa moa zara raha heno fa efa lany ny pile. Tonga tokoa ity ilay “mana” avy any an-danitra, hoy ianao any an-tsaina any. Aiza indray no hahita toy ity? Diman-jato ariary ny vidin’ny kilaon’ny vary? Arivo ariary ny vidin’ny tapa-litatra amin’ny menaka fihinanana? Dia ho tanteraka tokoa anie izany, hoy i mompera. Rafitra nandihy ianao. Mba hisy ambim-bola kely indray izany ahafahana hisotro “dirômelina”(*) raha izany no tanteraka, hoy ihany ianao an’eritreritra. Ho ela velona “ny tsena mora” sy ny fanampiana ny vahoaka madinika. Tanterak’I Zandrikely ihany izany ny “fampanantenana” teny an-kianja? Tsy kaonty ianao..........
jeu
21
oct
2010
Tsy mahagaga ny fisian’ny h e v i t r a t s y mi t o v y, amin’izao fotoanan’ny krizy izao, indrindra moa taorian’ny fijoroan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sy ny Kongresin’ny tetezamita izay. Isan’ny manana ny heviny ny dokotera Randriamiarisoa Joseph, avy ao amin’ny ankolafy Zafy Albert. “Vao mainka miroso any anaty kizo tsy misy fara isika.” Tsy mankasitraka velively ny fijoroan’ireo andry ireo izy, izay nateraky ny Fifanarahana politika teny Ivato sy ny fanapahankevitry ny “fihaonabempirenena” (hono).
Tsy milamina ny tany Tsy natao hampilamina ny toe-draharaha politika mihitsy ireo rafitra roa ireo sy ny firosoana amin’ny fifidianana isan-karazany. “Na ny antony, na ny fomba, na ny fepetra tamin’ny fanendrena ireo mpikambana, dia samy hampipoitra fisavoritahana eto Madagasikara.” Momba ireo fifidianana moa, izay mifanakaiky loatra raha ny fandaharampotoana nomen’ny Fat azy, dia manamafy ny toeran’ny mpanohitra hatrany. “Tsy horesahana intsony ny mikasika ny fotoan’ny orana, fa ny fisaratsarahan’ny samy Malagasy – hanao “eny”, na hanao “tsia”, na ihany koa “sady tsy “eny” no tsy “tsia” – dia samy hanamarinana fa tsy tafiditra ao anatin’ny resaka “ifanarahana sy iarahana” isika.
mer
20
oct
2010
Marson Evariste (UDR-C), Finances et économie
Alain Andriamiseza ( ESCOPOL), Juridique
Reboza Julien (UDR-C), Infrastructure, décentralisation, aménagement du territoire, propriété foncière et intérieur
Alain Ramaroson (UDR-C), Sécurité
Razafimahefa Herimanana ( UDR-C), Développement rural
Rasolofo René (UDR-C), Enseignement, recherche scientifique, jeunesse et sport
Fernand Jeannot (TIM), Santé et population
Ramaherijaona Hajanirina Lanto (UDR-C), Communication et culture
Ramanantsoa Benjamina Ramarcel (ESCOPOL), Relations internationales
Betiana Bruno (ESCOPOL), Industrie, commerce, énergies et richesse minière
Rabenirina Jean Jacques (ESCOPOL), Tourisme et artisanat
Sarah Georget Rabearisoa (ESCOPOL), Environnement et lutte contre les catastrophes naturelles
Ranjivason Jean Theodore (UDR-C), Travail, loi sociale et fonction publique
Andrianaivo Andrianomenjanahary Jaona (TIM), Réconciliation nationale
Rabetsaroana Sylvain (UDR-C), Instauration de la quatrième République et des partenariats avec l’extérieur.
mar
19
oct
2010
Raikitra ny goidragidra ! Vahoaka marobe no teny amin’ny lapan’ny fitsarana omaly. Nanotrona ireo mpitari- tolona niakatra fitsarana momba ny raharaha baomba plastika izy ireo. Feno mpitandro ny filaminana ihany koa teny Anosy io omaly io, ary voalaza fa nisy mpitandro filaminana voakasi-tanana ? Nisy olana nitranga, ka tsy afaka niditra tao amin’ny lapan’ny fitsarana ingahy Fetison Rakoto Andrianiriana, ka sorena ireo vahoaka efa tomefy teny an-toerana. Nisy ny savorovoro vokatr’izany, ary nihitatra tamin’ny fitaomana vahoaka teny Ambohijatovo ny raharaha.........
sam
16
oct
2010
Tsy maintsy ho ben’ny tanàna lanim-bahoaka ! Io no tanjon’ingahy Hery Rafalimanana, izay PDS teto an-drenivohitra teo aloha, ary nilatsaka ho ben’ny tanàna, saingy resin’ingahy Andry Rajoelina tamin’izay fotoana izay. Rehefa nahazo lamosina tamin’ny vahoaka teto Iarivo ny tenany tamin’io fotoana io, dia nisafidy ny hangina. Akaiky ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna, ary heno fa mety hilatsaka ho ben’ny tanàna eny Ambohimalaza Miray ny tenany. Vava latsaka teny aminy no nandrenesana, fa hikarakara io kaominina io izy, ary mitetika hanangana fotodrafitr’asa maro. Ny ONG Aéroportage no mpiray ombon’antoka amin’izany. Tetikasa sosialy no heno fa maro no atao eny, ary averina amin’ny lazany tena nahafantaran’ny maro azysy hanana endrika hahasarika ny mpandalo izany kaominina izany........
jeu
14
oct
2010
Ny hevitra tsy arahin’asa, zava-poana ! Mora am-pitenenana ny filazana fa mila atolotry ny filohan’ny tetezamita ankehitriny Andry Rajoelina ny fahefana, fa sarotra tanterahana. Ny antony, dia tsy hanaiky izay olona hangataka fahefana aminy rehetra izao ingahy Andry Rajoelina, satria izy no namono ny voay araka ny fomba fiteny, ka tsy hanaiky ny hiravahan’ny sasany ny vanginy. Mbola mety ho fani - riana ihany ny an’i Profesora Raymond Ranjeva hatreto, nefa mety ho tanteraka. Ho tanteraka raha manaiky hiala an-kitsim-po ny filohan’ny tetezamita ankehitriny, izay mametraka sy manamafy ny fitondrany. Porofon’io ny fampijoroany ny filan-kevitra ambonin’ny tetezamita sy ny kongresin’ny tetezamita. Raha ilay fanambarana nataon’i Profesora Raymond Ranjeva anefa, dia maika ny fanavotana ny firenena, izay no mahatonga ilay vonjy aina nofaritany hitondrana ny tetezamita tena izy. Efa nihaona tamin’ny filoha Ratsiraka sy ny filoha Ravalomanana ihany koa ny tenany, saingy tsy nisy io tamin’ingahy Andry Rajoelina......
mar
12
oct
2010
Mpikambana TIM telo, izay nitondra teto Iarivo no hifantohan’ny sain’ny maro, na hilatsaka ho fidiana, ho ben’ny tanana, na tsia. Tsy iza izany, fa ingahy Patrick Ramiaramanana, izay PDS teo aloha, ary nirotsaka ho fidiana, ka nahazo ny fankatoavan’ny vahoaka. Eo ihany koa ny PDS Hery Rafalimanana, izay kandida mbola natolotry ny TIM, saingy tsy lany, ka nahatafakatra ny ben’ny tanàna tamin’izany Andry Rajoelina. Ny farany izay mpikambana eo anivon’ny TIM dia ingahy Guy Rivo Randrianarisoa, izay PDS natolotry ny fitondran-dRavalomanana farany teo, izay tao anatin’ireny vanim-potoana navaivay ireny no niakarany teo amin’io sehatra io. Raha ny asa vitan’ireto mpikambana teo anivon’i TIM ireto, dia maro, ary nitondra aina vao ho an’ity renivohitra ity. Ankehitriny anefa, dia zary potika avokoa ireny asa ireny, ary tsy nisy fanohizana intsony ny fikarakarana azy. Raha ny eto an-drenivohitra manokana no asian-teny, dia azo antoka, fa ho maro ny kandida hisedra ny safidim-bahoaka eto. Isan’io ny PDS ankehitriny Edgard Razafindravaha, izay mety hilatsaka amin’ny anarany manokana. Ny eo anivon’ny TGV dia hanana ny kandidany ihany koa, ary ireo antoko sy fikambanana hafa, dia tsy mbola fantatra izay hataony. Iretsy TIM nivadika, dia mbola mety hanana ny kandidany ihany koa, ary izay no hilazàna, fa hafotaka ny fifidianana eto an-drenivohitra. Ny fanontanian’ny maro, dia ny hoe iza amin’ireo efa nitondra ny tanàna tao amin’i TIM voalaza etsy ambony no hirotsaka fidiana ho ben’ny tanàna amin’ny 20 desambra ho avy izao ? Vainafo zanany
sam
09
oct
2010
Tsy rototra amin’izay fifidianana ny olona. Sasa-poana ny eo anivon’ny mpanohana ny ENY manazava ny vontoatin’ilay lalam-panorenana heverin’izy ireo, fa hanamafy orina ny sezan’izao fitondrana izao. Na i reo takela-k azo, mitoetra eny anivon’ny kaominina sy ny biraom-pokontany samihafa ireny aza, dia tsy mbola ahitana afisy mipetaka na iray aza. Na ry zareo mpanohana ny ENY aza, dia toa tsy rototra amin’ny fametahana izany, asa tsy resy lahatra amin’ny hevitra tohanany angaha ? Fa ankoatra izay, dia voahogahoga hatrany ireo mba sahy miseho masoandro manao fampielezan-kevitra ho amin’ny ENY.........
jeu
07
oct
2010
Tena vonona ny hody an-tanindrazana Ratsiraka. Heno avy any Paris io, ny fiandohan’ity herinandro ity. Izy sy ny vady aman-janany, ary mpanao politika vitsy niaradalana taminy nandritra ny fitondrany no heno fa mikasa hody aty an-tanindrazana io. Ny mpitondra ankehitriny koa etsy ankilany, dia tsy nisakana ny fodiany, ary efa naneho ny heviny mikasika izany, ny Praiministra Camille Vital, fa mahazo mody izy, ary afaka miresaka fa tsy any lavitra any no mitabataba. Olona mifankahalala tsara ihany koa izy mianaka ireo tany aloha, indrindra fa tamin’ny resaka faritany mizaka tena ireny.......
mar
05
oct
2010
Ny tany tsy milamina, ny fifidianana aroso ! Dia nanomboka araka ny fanirian’ny FAT tokoa ny fampielezan-kevitra momba ny fitsapan-kevibahoaka tamin’ny sabotsy 2 oktobra. Ankoatry ny tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina namorian’ny « mpanohana ny ENY » ny olony, dia nisy vitsivitsy nitsitokotoko ihany koa toy ny teny Antaninandro, izay marihina, araka ny tati-baovao voaray, fa nahitana mpitandro filaminana maromaro teny. Midika ve izany fa mbola tsy milamina azo hanaovana fampielezan-kevitra anaty fitoniana ny tanàna ? Koa nahoana no hatao kiribiby ny hanatanterahana azy ?......
mar
05
oct
2010
Afa ihany ny tanindrazana, saingy ilaina ny maka rivotra any ivelany. Ny tany koa etsy ankilany mbola tsy milamina, ary rariny raha tsy atao mahoraka loatra eto amintsika izany, sao haningotra ny ain’ireo ray aman-dreny ireo. Miara-miaiky ny rehetra, fa mitaky ny hodian’ireo filoha roa ireo sy ny vady amanjanany eto. Mety azo ekena izany, saingy iza amin’ireo olona mitaky ny hiverenany eto no hiantoka ny ainy ? Ny ratsy tsy kely lalana, ary azo antoka fa misy ny mifofo ny ain’izy ireo, satria isan’ny olona atahorana ho tafaverina eo amin’ny fitondrana izy mianaka ireo. Tsy hiteny ny lahatsoratra hoe ny mpitondra ankehitriny no hanao izany, fa ireo izay tsy maty voalavo ankibo dia azo antoka hanana sain-dratsy amin’io. Ka hody amin’ny ahoana ary i Dada sy Dadabe e ? Raha izao tranga eto izao no atao indray mipimaso, dia mety hivantana any Tsiafahy na Antanimora izy ireo, raha higadona eto, satria misy raharaham-pitsarana navoakan’izao fitondrana izao mahakasika ireo olona ireo. Tsy nisy ihany koa etsy ankilany ny filazana momba ny amnistie faobe ka ho sehatra ratsy no hivantanan’izy ireo eto. Raha tsy hoe angaha hisy fanelanelanana ataon’ny sehatra iraisam-pirenena. Pilo kely
lun
04
oct
2010
Hanombok a anio ny propagandy ! Samy hanao izay heveriny fa hahatafita ny heviny ny rehetra, na ny mpomba ny ENY, na ny TSIA. Mety hanohintohina ny mpitondra anefa ny hiparitahan’ny mpanohitra miara-dia amin’ny ankolafy telo, sy izay tsy mankasitraka izao fitondrana izao, hilaza ny heviny malalaka amin’izay. Ny antony, dia afaka hametaka afisy an-kalalahana izy ireo, ary hitaona vahoaka hanao TSIA andalam-be. Tsy ho azo samborina amin’izay hevitra avoakany eo izy ireo, satria malalaka ny fanehoankevitra na amin’ny haino aman-jery, na amin’ny sehatra izay ahafahany manao izany, rehefa tsy mitarika olona hikorontana. Hipoitra eo avokoa ny lamba maloton’ity tetezamita ity, ka mety hisy ho voatampim-bava ihany na dia tetezamita aza. Ho hitantsika eo izay tsy mahatanty tsikera, fa ny fampielezan-kevitra ity efa manomboka anio. Pilo kely
lun
04
oct
2010
Lasa izao raha tsy mibolisatra ! Hifampitadiavana indray manomboka anio ny vahoaka, mba handatsa-bato hanamafy orina ny sezan’ny mpitondra. Ho tsaroana sy ho voatambitambin’ny fanomezana tsy mahavita taona indray ny olona manomboka anio. Sitrany ahay vaza-mihetsika hoy ny tsy manan-katokona e. Na dia tsy fantatry ny vahoaka aza ny vontoatin’ny lalampanorenana izay ho fidiany amin’ny 17 novambra izao, dia tapa-kevitra ny FAT fa tsy maintsy aroso ihany io volavolan-dalampanorenana hidirana any amin’ny repoblika faha-efatra io. Vahoaka 20 tapitrisa no tokony hahafantatra ity lalampanorenana ity, fa tsy olom-bitsy. Raha izao anefa no fandehany, dia andian’olona ao anaty fitondrana sy eo anivon’ny mpanohitra no hahalala misimisy kokoa ity lalampanorenana ity. Tapa-bola handemena ny sain’ny vahoaka hanao ENY na TSIA. Ao anatin’ny 15 andro hianaran’ny vahoaka tsianjery ity lalampanorenana ity, ary dia taomina izy handatsa-bato aorian’izay. Ho voatsidika sy voavangivangy indray ny vahoaka manomboka anio, ary ho voky fampisehoana maimaimpoana sy kabary tsara lahatra. Vita io, dia higoka ny mangidy indray ny vahoaka malagasy rehefa vita ny ilàna azy. Ndao anie fa hiarahana mahita eo ny tohiny e. Basy vava
sam
02
oct
2010
Hanomboka izany ny fampielezan-kevitra ho an’ny referandaoma ataon’ny tetezamita. Na mbola tsy fantatry ny vahoaka aza izay vontoatiny, dia terena handatsa-bato ny vahoaka, satria izay angaha no haha-mari-toerana izao tetezamita izao. Kajikajy politika mamono vahoaka no ataon’ny FAT. Tsy misy mankato azy ny firenena eran-tany, ka dia io narosony ho fidiana io ny lalam-panorenana hitondrana ny tany sy ny fanjakana. 20 tapitrisa ny malagasy, saingy firy amin’izy ireo no mahafantatra izay ampahan-dalàna voarakitra ao anatin’io ? Eny fa na dia ireo feno 18 taona no miakatra fotsiny aza. Izao no tetika maizina kotrehina amin’ity fifidianana ity : napetraka ao anaty lalam-panorenana andininy faha-168 ny anaran’ingahy Andry Rajoelina, mba ho afaka hitondra ny firenena mandram-pahavitan’ny fianianana izay ataon’ny filoham-pirenena lanim-bahoaka eo......
ven
01
oct
2010
Ts y a s i a n a f i j e r e n a tavan’olona, fa rehefa tsy mahay ny asany, dia mipitika. Io no tsapa ao amin’ny kaominina eto andrenivohitra amin’ny f ana l ana i r e o mpikambana tsy mahomby ao amin’ny kaominina, izay misalotra ny anaran’antoko TGV. Velon-taraina mantsy ny mpikambana sasany izay mbola nifikitra tamin’ny toerany tao amin’io CUA io, fa manomboka ny fanalana ny olona TGV tsy ahitana fahombiazana ao. Miendrika ho fankahalana olona no andikan’ny sasany very seza izany, fa fahamatorana kosa ho an’ny mpitazana ivelany, satria ny PDS no hitan’ny olona voalohany, fa tsy ny TGV......
jeu
30
sep
2010
Feno fitaka. Teren-komasaka toa voalobo-jaza indray ny lalampanorenana. Efa natolotry ny komity mpamolavola ny Lalampanorenana (CCC) an’i Andry Rajoelina, ary efa niadian-kevitra niaraka tamin’ny priminitra Vital Camille, ny volavolandalampanorenana kasain’ny fahefana avon’ny tetezamita (FAT) aroso hitsapana ny hevibahoaka amin’ny 17 novambra 2010 ho avy io. Marihina aloha fa na dia io daty voatondron’ny FAT hanatanterahana ny fitsapan-kevi-bahoaka io aza dia mbola tsy eken’ny mpanao politika, indrindra ireo avy amin’ny ankolafinkery politika telo, satria tsy niaraha-nanapaka izany......
jeu
30
sep
2010
Maty indray ny afo saika nidodaka teny ankatso. Navoakan’ny fitondrana FAT haingana ny vola tao amin’ny banky foibe namonoana ny afon’ny mpandraharaha sy ny mpianatra, izay saika nihitatra an-dalambe. Loza izany tahotry ny fitondrana izany, satria tsy ny famaliana ny hetahetam- bahoaka mihitsy no nataon’izy ireo, fa tahotry ny hetsiky ny mpianatra sy ny mpandraharaha, ka mety hihitatra hatrany amin’ny fialàna amin’ny sezan’ny mpitondra. Nivoaka tsy fidiny ity ny vola avy any anaty kôfran’ny banky foibe mba entina handoavana ny karaman’ny mpiasa sy ny vatsim-pianaran’ny mpianatra. Nisy vola nahafahana nandoa ny karaman’ny mpiasa sy ny mpianatra ihany, koa nahoana no niandrasana hetsika toy ireny izy ireo, vao nikoropaka ? Sa izay ilay fomba fiasa sy mahomby ankehitriny, mba hilazana fa mahay mamaha ny olan’ny malagasy ity fitondrana ity ? Raha izany, inona no maha-samihafa ny mpitondra FAT sy ny Pompier ? Anao no mandinika, fa mino aho fa hahay hamaha ny olan’ny SMM ihany koa ireto mpitondra mpanao mirakla ireto, fa raha mihitatra ihany koa io fitokonan’ny mpitsara io, zava-doza indray no hiandry ny mpitondra eo. Vainafo zanany
mer
29
sep
2010
Lasa lalana tsy maintsy hizorana ny “ miakatra ” eny Tsimbazaza, mialoha ny hidirana eny Ambohitsorohitra. Izay izany izao ny fanamby ifametrahan’ny mpanao politika, te hidingina eny ambony rehetra eny. Ts y d i a n y h o e n y Mahazoarivo loatra akory! Io koa mantsy somary sarotsarotra ihany, fa miankina amin’ilay efa eny Ambohitsorohitra ny teny farany. Izy no mandany ny fipetrahana eny na tsia. Ry zareo nanao sonia ny fifanarahana politika fantatra amin’ny hoe Escopol, sy ry zareo mpizaikan’Ivato rahateo efa nilaza fa tsy maintsy olona tsy avy eto an-drenivohotra indray no tokony ho eny. Ho voatazona ve ny seza ?......
mar
28
sep
2010
Sarotra aloha hatreto ny hino fa tsy hilatsaka ho fidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena Ing Andry Rajoelina, na dia efa nilaza tamin’ny fomba ofisialy aza ny tenany fa tsy hilatsaka ho fidiana. Miharihary toy ny vay an-kandrina anefa amin’izao ny fanaovany fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana, manerana ny faritra indrindra tato anatin’ny roa volana teo ho eo izay. Tsy izany ihany fa eo koa ny fanomezana fampanantenana ireo vahoaka isaky ny toerana izay alehany, fa hanaovana an’izao sy izao ny faritra......
mar
28
sep
2010
Nivadika ny rasa ! Izay no handikan’ny vahoaka ny fomba fiasan’ny ray aman-dreny mijoro, na najoro. Hatrany amin’ny fanombohana, ka hatramin’ny famolavolana ny fehin-kevitra nivoaka, dia nahitana lesoka hatrany ny fivoriana natao teny Ivato farany teo. Tsy gaga isika, raha mikasa hanao dinika nasionaly ny sehatra hafa toy ny CNOSC, mba ahafahan’ny vahoaka mandinika izay hevitra mety hivoahana marina amin’izao krizy izao. Natao f i taovana fot - siny ireo mpizaika nahatratra 4700 tonga teny Ivato. Porofon’izany ny fivadihan’ny fehin-kevitra nivoaka, ka nahatonga ny mpizaika sasany nitaraina tetsy amin’ny Motel Anosy......
dim
26
sep
2010
Nipoitra nikabary teo amin’ny Magro Behoririka indray i Raveloson Constant, taorian’ny fikasana hisambotra azy, i Kolonely Ravalomanana no nasolo ny FIS rehefa tsy neken’ny Frantsay intsony ity farany, hoy izy. « Tolona ity » ka tsy maintsy hatao hatramin’ny farany. Tsy mety mahazo fankatoavana sy tsodranon’ny Malagasy mihitsy ary indrindra indrindra ny fankatoavana iraisam-pirenena ingahy Rajoelina. Misy « tsodrano forcé » angalarina nokarakarain’ireo raiamandreny nijoro tamin’ny herinandro teo fa tsy nety, hoy izy. Nanazava ny momba ny tantara nahazoan’i Rajoelina ny tanàna ihany koa Raveloson Constant. Ny 40 % ny mpifidy no nifidy an’i Rajoelina ho ben’ny tanàna ary 60% no nandatsabato ho azy, izany hoe 24%n’ ny mponin’Antananarivo no nandany azy tamin’ny mbola tsy nisy hadalana nataony, izay fahavitsian’ny mpifidy azy izay no antony hambenana anareo amin’ny basy eto amin’ny Magro sao mirongatra eo ianareo, hoy izy.........
sam
25
sep
2010
Hampiteraka korontana eo amin’ny samy malagasy ny fanaovana dinika faharoa eto amintsika. Nanambara io ny filohan’ny FAT sy ny Pasitera Ramino Paul, raha ny hita tamin’ny haino aman-jery teto an-toerana. Fisakanana avy hatrany ny CNOSC amin’ny fikasany hanao fihaonambem-pirenena eto no dikan’io. Dinika izay heverin’ity farany, fa hanasàna ny ankolafin’olona samihafa, ary ny mpamatsy vola ivelany no hiantoka ny fandaniana rehetra. Hampiray sy hamaha olana no tanjona amin’izany, fa tsy sanatria hanakorontana. Gaga anefa ny mpitazana, raha kilasiana fa hanakorontana sahady ireto sehatra tsy miankina ireto.......
sam
25
sep
2010
Mifangaro sy miha-manjavona ny fanarahan-dalàna eto amin’ny tany sy ny firenena. Tsy misy “ lasitra ” tena arahina mazava fa antematemaka no betsaka. Tsy hita fototra ny didy aman-dalàna tiana hampiharina fa ampifanarahana fotsiny eo ampivorivoriana ny eritreritra savoan-danitra.Tsy mety ho tafaverina amin’ilay lasitry ny lalàmpanorenana mihitsy. Sady tsy tetezamita no tsy Repoblika fahatelo, ary tsy Repoblika vaovao Mampanontany tena ny fisehoan-javatra ary mandiso ny ady hevitra mihitsy ny fomba fitantanana ny raharaham- pirenena. Ilay didy hitsivolana 2009/012 tamin’ny 18 desambra 2009 marina ve no mitondra ny fahefana avo ankehitriny ? Aiza ao no manambara ny fisian’ny fanantanterahana fifidianana mialoha ny fotoana mahakasika ny ben’ny tanàna? Dia lalàmpanorenana inona no ifotoran’io fifidianana io? Izay vao ho laniana amin’ny 17 novambra 2010 izao?.........
ven
24
sep
2010
Tsy mbola mijanona hatramin’izao ny fanehoan-kevitra mikasika iny fihaonambem-pirenena izay natao tamin’ny herin’andro lasa iny. Samy nanakiana avokoa na ny andaniny izay nahitana ny mpikambana sasany ao amin’ny FAT na ireo mpizaika. Etsy ankilany kosa izay ahitana ireo ankolafy telo, toa azo lazaina anefa fa dokotera ao aorian’ny fahafatesana ihany izany fanakianana izany satria efa miaha miroso amin’ny dingana izay fanamafisana hatrany ny sezany ireo mpitondra isan’isany ao amin’ny FAT. Amin’izao dia mody lambolamboan’ny mpitondra ao amin’ny FAT ny vahoaka fa efa hanaparitaka ny vokatry ny fehi-kevitra nivoaka nandritra ny fihaonam-be any amin’ny firenena mikambana sy ireo mpamatsy vola..........
mer
22
sep
2010
Hanao letrezana ihany « ny mpandrombaka fahefana », tsy hanaiky izay resaka tokony hifanarahana, tsy hanaiky ny firosoana mankany amin’ny fampandehanan-draharaham- panjakana miankina amin’ny fanarahan-dalàna, hanentsi-tadiny amin’ny sehatra iraisam-pirenena, tsy hitady fitoniana ara-politika fa hampiasa hatrany ny hery ara-tafika eo an-tanany ? Veloma ry fahafahana sy demokrasia, mampamangy ry fampandrosoana isamparitra. Ho ela fanapahana sy ho tsy refesi-mandidy ny « tetezamita Avo ». Mizotra mankany amin’ny fanatanterahana izay tapaky ny fikaonandoham-pirenena isika izao. Handray ny andraikiny mifanaraka amin’izany ny mpi tondr a ant s i k a . Nampanantena izy fa tsy hisy intsony ny fihemorana sy ny andraso andraso. Hirosoana ny fitsapan-kevi-bahoaka araka izay efa niantsoana ny mpifidy hanatanteraka ny adidiny ny 17 Novambra 2010 ho avy izao.......
mar
21
sep
2010
hialokalofana no hanimba ny fihinanana. Nipararetra avokoa ireo ben’ny tanàna mbola tafajanona amin’ny toerany, raha vao nandre hiakan’ny mpizaika eny amin’ilay hambara ho fikaonandohampirenena, fa hosoloina PDS ireo olom-boafidy ireo. Toy izany ny lehiben’ny faritra, izay ho soloina adiministratera sivily. Tsy nasiana fanavahana ireo, fa izay lany tamin’ny safidim-bahoaka, dia mety hiongotra amin’ny toerany avokoa. Azo antoka, fa izay mahitahita sy olona akaiky ny fitondrana ankehitriny, dia hisalotra ny anarana PDS avokoa atsy ho atsy......
lun
20
sep
2010
Hifarana anio ny fihaonambem- pirenena ! Izay tapaky ny mpivory ao no ho tanterahan’ny mpitondra ao anatin’ny FAT ankehitriny. Isan’io ny fifidianana izay hataontsika atsy ho atsy, ary mety ho ny fitsapan- kevi-bahoaka no handeha aloha amin’izany, izay hamaritra ny repoblika faha-efatra. Ny filan-kevitry ny ministra, dia efa nanainga ny vahoaka mpifidy hiomana amin’ny fifidianana ny 17 aogositra lasa, izany hoe ny 17 novambra no hanaovana ny referandaoma. Hatramin’izao, mbola tsy voafaritra ny lalampanorenana ho fidiana, ary tsy hay na hisy hevitra roa na telo hivoaka ao amin’ity fivoriana eny Ivato ity na ahoana, fa efa miketrika ao avokoa aloha hatreto ireo mpiray donak’afo amin’ny mpitondra, mba hirosoana haingana amin’ny repoblika faha-efatra............
mer
15
sep
2010
“Tsy maintsy miteny fa tsy hangina eo anatrehan’ny fahamarinan’ny Filazantsara”, “ misedra lalan-tsarotra ny asam-panompoana ka tsy maintsy mijoro ny mpanompon’Andriamanitra.” Izay no tenin’ny Mpitandrina Rafanonerantsoa Valisoa, nosamborina tamin’ny raharaha FIGN teny Mausolée, ka naiditra am-ponja nandritra ny telo volana. Nanokanana fanompoampivavahana teny amin’ny FJKM Tranovato Faravohitra ny fahafahana vonjimaika azon’ity Mpitandrina ity, ary nanambarany fa hiverina hanohy ny asa fanompoana eo anivon’ny Fiangonana izy. Hanohy ny andraikitra maha filohan’ny STK FJKM eto Madagasikara azy izy, ary hitana hatrany ny andraikiny amin’ny maha talen’ny famoahana ny gazety Tanora Fianarana, gazety vokarin’ny STK foibe FJKM ny tenany......
mer
15
sep
2010
Raha nodradradradraina etsy sy eroa fa hain’ny samy Malagasy ny famahana ny krizy eto amintsika dia toa tsy mampino ny rehetra izany. Somebi seby fat rat r a ny fitondrana tetezamita amin’ i zao fotoana i zao amin’ny fanaovana ny fihaonambem- pirenena, ho famahana ny olana eto amintsika araka ny hevitr’izy ireo, dia mampametra-panontaniana ny vahoaka ihany. Hitondra vahaolana marina ho antsika ve izy ity ? Sa dia natao fotsiny ho fandaniana andro sy vola ary indrindra ho fanalavam- potoana hijanonana eo amin’ny fitondrana fotsiny. Ny zavatra hita sy tsapa eto manko dia toa tsy namaly ny antso rizareo avy amin’ny ankolafin-kery sasany, izay midika fa tsy ho ankatoavin’ny firaisam-ben’ny firenena avy any ivelany ny tsoa-kevitra tapaka eo satria tsy hevitra niarahana nanapaka........
mar
14
sep
2010
Ity ny fanararaotana ! Na dia ireo mpandray anjara amin’ilay fihaonambempirenena avy any amin’ny faritra tonga eto an-drenivohitra aza, dia efa tsy manaiky lembenana ihany koa fa mitaky izay anjarany amin’ny volabe natobaky ny fahefana avon’ny tetezamita (FAT) amin’ny fikarakarana azy io. Nahoana tokoa moa izy ireo no ho diso amin’izay hever iny ho anjarany, satria tsinjony fa misy tsy mikaonty ny lany mihitsy amin’ny fandaniam-bola mahakasika ity raharaha ity. Tsy ferana koa ny tari-drano an-kilahila, amin’ny fitantanana ny 2 miliara Ariary, ka ny mihilika sy very andàlana no betsaka, araka ny ahiahin’ny mpanara-baovao azy avy ety ivelany.........
mer
08
sep
2010
Tsy olona hitarika korontana aho, fa hiantso an’Andriamanitra. Io no fikasan’i maître Avoko atao rahampitso manomboka amin’ny 12 atoandro, ka hiantsoany ny olona rehetra tsy ankanavaka hitsoka anjomara na kiririoka na klaxon fiara mandritra ny 5 minitra. Miely ny feo, fa hitarika olona be sandry hanakorontana eny an-dalambe ny tenany amin’io rahampitso zoma io, ary mikasa hampisy ra mandriaka eto amin’ny tanàna. Izay toe-tsaina zatra mampiely tsaho izay no esorina, fa raha tsy izany tsy ho tanteraka eto ny sitrapon’Andriamanitra. Hibebaka isika, ary ilay hazavana ao anatintsika no haseho, fa tsy avela ho ao am-piangonana foana......
mer
08
sep
2010
Hifototra amin’ny mpitondra tetezamita ny andraikitra mampihitsoka ny firenena raha mbola ilaozany milalao manalava ny fotoana hipetrahany eo. Io no nambaran’i Pasitera Mailhol manoloana ny fiainam-pirenena amin’izao fotoana izao. Tsy tokony hankinina amin’ireo mpanao politika sy ny karazany ireo intsony ny raharaha fa tokony ho afa-nenina. Aleo averina any amin’ny miaramila ny fitondrana, hoy izy, ka ireo no mikaroka ny olona tsy momba ny atsy na ny aroa, hikarakara fifidianana......
mar
07
sep
2010
« Raha toa ka mbola misy manana eritreritra ny hitondra volavolan-kevitra vaovao mikasika ny lalam-panorenana hitantanana ny repoblika faha efatra amin’ny fotoana izay hanaovana ny fihaonambem-pirenena dia manasa tanana amin’izany ny ato amin’ny CCC satria dia tokony ireo volavolan-kevitra nandalo teo amin’izy ireo tamin’ny volana jiona sy ireo izay natolotra nandritra ny karazana « atelier politique » izay natao teto amin’ny firenena irery ihany no tokony ho dinihina hitantanana ny tetezamita».Izay no vontoatin’ny fampihaonana mpanao gazety izay notanterahin’ireo mpikambana miisa 9 mianadahy avy ao amin’ny CCC io maraina io tetsy Tsimbazaza. Tsy afaka tonga dia hapetraka ny lalam-panorenana izay hitantanana ny tetezamita fa tsy maintsy hoentina eny amin’ny fihaonambem-pirenena, noho izany dia tsy misy afaka tonga dia hanery fa ity no mety na ity, eny fa na dia ny filohan’ny HAT aza no manana volavolan-kevitra.........
sam
04
sep
2010
Nitsefotra araka ny efa nanampoizan’ny maro azy ilay fivoriana lava reny izay natao teny Vontovorona. Efa hatrany am-piandohana mantsy dia efa fantatra fa tsy maintsy hiseho ny olona atsy ho atsy, dia izao tokoa fa tonga. Maro ireo antoko politika izay tsy nanao sonia ilay fifanarahana vaovao, na ny marimarina kokoa tsy vaovao fa ilay teny Ivato ihany no notovanana, ka na ny mpanao sonia za dia ireny ihany ny sasany, nisy kosa ireo nisafidy ny tsy hanao raha tsy mandray anjara ny HPM sy ny ankolafy telo. Eo ihany koa ny fanaovana ny fihaonambem-pirenena. Roso ny dia hoy ny Raiamandreny mijoro, fa io sisa vahaolana amin’izao krizy izao. Nisavoritaka tao anatin’ny andro vitsivitsy ireto antoko politika izay nohandrahandran’ny filohan’ny FAT fa ondry manaraka azy, ary mankato hatrany ny baikony. Anisany niala ka tsy nanao ilay sonia vaovao mikasika ny fifanarahana teny Vontovorona Ing Alain Andriamiseza, ity farany moa dia efa tsy vao amin’ny mpanara-baovao intsony, satria dia anisan’ny lohandohan’ny mpitarika ao amin’ny ESCOPOL, malaza ihany koa izy amin’ny famadihana palitao, indrindra tao anatin’ity krizy ity (ilay tetsy amin’ny Magro Ankorondrano e!)...........
sam
04
sep
2010
Mbola miharitra ny mafy any am-ponja ireo mpanao gazety sy mpiasan’ny radio Fahazavana hatramin’izao. Mananika ny efa-bolana no nampidirana azy 10 mianadahy eny Antanimora. Na eo aza ny fitakiana eo amin’ny sehatra maro eto an-toerana sy any ivelany, dia mbola ny ngidin’ny fonja no zakain’izy ireo hatramin’izao. Na dia salama vatana azy ireto mpanao gazety ireto, dia rera-tsaina kosa hoy ny fianakaviany. Ny fanampiana arabola nataon’ny FJKM toy ny teo aloha, dia mahalana, ary na ny fitondrana am-bavaka azy ireo aza, dia tsy re firy intsony.........
ven
03
sep
2010
Veloma ry fitokisana. Tsy isan’ny mpitondra tenin’ny antoko TIM intsony ingahy Raharinaivo Andrianatoandro taor ian’ireny famadiana palitao nataony teny Ivato ireny. Mamy Rakotoarivelo sy Fetison Rakoto Andrianiriana no hitondra ny feon’ny TIM araky ny fanampahan-kevitry ny filoha mpanorina azy Ravalomanana Marc. Notsarain’ny karatra izany i Harinaivo Andrianatoandro,........
ven
03
sep
2010
5 andro nifandrirariràna teny Vontovorona ireto karazana antoko politika izay miseho ho mahavita azy kanefa dia samy niala maina. Raha ny fahazotoana hanao sonia sy hanao ny fizarana seza aloha dia izy rehetra ireo no voalohany. Tsy misy manaiky ho gisitra e ! samy mba te hitantanana firenena avokoa, na ny antoko efa gaigy lahy amin’ny famitaham- bahoaka, na ny antoko vao miana-mandeha. Ny tsy nampoizin’izy ireo dia ny nandavan’ny filohan’ny tetezamita ilay fizarazarana seza be loatra. Antoko maherin’ny 200 amin’izao no nanao sonia ilay fifanarahana teny Ivato. Raha ny fanamarihan’ireo mpanao politika sasany izay aty ivelan’ny fifampidinihana dia nilaza mazava izy fa ny 20%n’ny mpanao politika izay nanao sonia ihany no antoko efa nisy hatramin’izay ary efa nandray anjara tamina fifidianana maro teto amin’ny firenena toy ny AREMA, AVI, Leader Fanilo, MTS, sns......
jeu
02
sep
2010
Tapitra hatreo ny dinika. Teny e f a namba r an’ny filohan’ny Fat Andry Rajoelina io rehefa tsy nahomby ny dinika nifanaovany tamin’ny ankolafy telo, na teto antoerana, na ihany koa tany ivelany. Mbola fandre ihany koa anefa, ny hoe na aiza na aiza no misy fanafody ahitana fanasitranana an’ity Madagasikara ity, dia tonga aho. Indrisy anefa, fa nisy tarazo aty amin’ny mpanao pol i t ik a i reo teny i reo. Taorian’ny tsy fahombiazan’ny dinika natao tetsy sy teroa, dia nanapa-kevitra ihany koa izao ny ankolafy telo, fa tapitra ihany koa ny dinika. Tsy hisy intsony ny fifanan-kalozankevitra ho ataony amin’ny mpanao politikan’ny FAT, fa dia samy mandeha samy mitady. Antony nahatonga izany, dia ireny taim-bava mahamenatra olona niseho teny Ivontovorona ireny. Etsy ankilany ihany koa ny mbola nandefasana ilay raharahampitsarana momba ny vono olona tamin’ny 7 febroary, ka nanamelohana an-dRavalomanana filoha teo aloha mandra-pahafaty....
jeu
02
sep
2010
T s y ami n - k e r y n a amin’ny tanjaka, fa amin’ny fanahin’Andriamanitra no hamoahana ny firenena, satria ny rà latsaka, dia manome vahana ny herin’ny maizina. Tenin’Andriamanitra tsy azo dinganina io, ar y hitarihan’i Maitre Avoko ny vahoaka malagasy hitodika amin’Andriamanitra. Vonona hitarika ny malagasy ho any amin’ny lalan’ny fahamarinana aho mba hialàna amin’izao krizy izao. Tapitra ny kajikajy politika rehetra hoy ihany ny maitre Avoko, ka aleo antsoina Andriamanitra hanafaka ity taniny nomeny antsika ity. Fepetra tsy arahan’ny vahoaka rehetra, dia ny fanekena fa tsy lainga ny voalazan’ny Baiboly. Mila mahatoky ihany koa fa afaka manavotra ny tanany, ary hampakatra antsika ao anatin’izao krizy izao......
mer
01
sep
2010
« Ataovy izay tianareo rehetra atao , na hiodin-kavia , na hiodin-kavanana fa ny datim-pifidianana dia tsy azo hovaina intsony ». Izany no azo hamintinana ny tenin’ny Filohan’ny FAT tamin’ny faran’ny herinandro teo. Na ho inona na ho inona no havoakan’ny dinika sy ny fihaonambem- pirenena dia tsy misy hevitra intsony ny fanemorana ny daty hanaovana ny fitsapan-kevi-bahoaka. Na inona koa na inona karazana lalam-panorenana voavolain’io fihaonambempirenena io dia veloma fa tsy hisy izany lalampanorenana federalista izany, satria tsy mbola zakantsika izany, hoy hatrany ny mpitondra tetezamita. Ary izy tenany manokana dia efa namolavola lalampanorenana ho lovain’ny taranaka maro mifandimby, ary azony antoka fa tsara sy tsy azo hovaina ihany koa mandritra ny taona maro....
mer
01
sep
2010
V a o m a n o m b o k a milentika ny masoandro, dia efa ahitana andian’olona maromaro mivorivory isantokan- trano. Saika olona manan-katoraka avokoa no mamory ireto andian’olona ireto, ary asiana zava-pisotro mafana kely, dia raikitra ny resabe. Hay miketrika ny ho ben’ny tanana ry zalahy ireto. Any amin’ny f a r i t r a ivelan’Antananarivo no saika ahitana ireo. Izay olona te-ho ben’ny tanana no miantoka ny lany. Dia mandeha ny fanasana ati-doha ny vahoaka, fa i ranona sy ranona no tsara mitondra antsika eto. Ny fifidianana amin’io, tsy mbola fantatra na ho raikitra ihany na tsia, fa ny kianja hilalaovana aloha no homanina mialoha.....
mar
31
aoû
2010
Akoho tsy naneno toy izay, lanin’ny kary. Krizy tsy voavahan’ny mpanao politika toy izay, fitiavan-tena no ao ambadika. Io no tsapa nandritra ny dinika izay natao tao ho ao. H e n a t r a n o h i t a nataon’ireo mpanao politikantsika be voninahitra sy tia tanindrazana. Hogahoga toy ny eny an-tsena, ary fifanasana vangy. Ireny no lalana herin’ny sasany, fa lalana ahafahana mivoaka amin’izao krizy izao. Na ny vahiny izay solontena avy amin’ny vondrona SADC aza nanongo tena noho ny firefarefan’ny adihevitra. Famahana krizy faran’izay haingana no tanjona, nefa toa ady toerana no hiafarany......
mar
31
aoû
2010
N o m e l o h i n a Ravalomanana ! Mandrampahafatiny ny sazy navoakan’ny fitsarana ho azy ny sabotsy vao maraina teo. Tsy dia nahagaga izany, fa efa tsinjon’ny maro. Tsy naharototra ny teo anivon’ny mpomba ny filoha teo aloha Ravalomanana izany, satria ambaran’izy ireo, fa sazy politika no natao tamin’ny olona izay tohanany. Ny mahalasa ny saina, dia ny fahitana vahoaka maro be notarihana mpanao politika, izay haka lapa ankeriny. Olona lanim-bahoaka io filoha teo aloha io, ary resaka politika no nitarihana olona niakatra ny lapa. Nisy ireny fifampitifirana tamin’ny 7 febroary 2009 ireny, ary namoizana malagasy maro. Miaiky ny rehetra fa tsy ekena ny fisian’ny ra mandriaka tahaka ireny, saingy ny loza, dia ireo miaramila niaro ny lapa no meloka, fa ny atidoha niketrika ny fananihan-dapa kosa toa mitsotsotra faly mihaino ny didim-pitsarana........
lun
30
aoû
2010
Ho fanajany ny tsy fiandaniany amin’ny herisetra sy hitondrany fanazavan-kevitra misy kokoa amin’ny besinimaro, dia nanao famelabelaran-kevitra tao amin’ny efitrano malalaky ny “Conseil de l’Université tao Toamasina ny profesora Ranjeva Raymond, ny 27 aogositra lasa teo. Adihevitra nanaja ny fahalalahana maneho hevitra eny amin’ny tontolon’ny oniversité no niompanan’ny resaka nandritra izany, ary niarahany tamin’ny talen’ny Oniversite, Atoa Horace Gatien, sy ny tompon’andraikitry ny vaomieran’ny diosezy Justice et Paix, Atoa Boto Placide rahateo. Afaka naneho an-kalalahana rahateo ireo olona nasaina, izay tsy voatery nitovy hevitra taminy, toy ny mpitarika fivavahana na fikambanana eny amin’ny fampianarana ambony, nisy aza tamin’izy ireo rahateo no efa tafiditra anatin’ny tontolon’ny varotra na politika.......
lun
30
aoû
2010
Misalasala ny mpandinika ny fandehan’ny raharaham-pirenena. Sanatria mbola ho Ambatobevohoka indray va re ity lahasa ngezalahy atao eny Vontovorona ity ? S a t r i a , r ehe f a ni a l a tamin’ny resaka ifanaovan’ny ankolafin-kery politika efatra ny dinidinika ambany tafontrano hivoahana amin’ity krizy, dia nivelatra amin’ny hery maro isan-karazany, samy manana ny heviny na dia nitambatra anatin’ilay ant soina hoe E s copol , andaniny, ny UDR ankilany, ar y t s y hadinoina i reo ankolafy telo antsoina hoe Madagasikara, ny fandinihana izay ho lalan-kizorana. …Mbola ho ela ny faran’ny ala ! Satria nomena ny CNOSC ny fanelanelanana, noho ny fandraisana ilay resaka ho eo amin’ny samy Malagasy « ihany », dia mafimafy ihany ny ady atrehany. Ny asa sahaniny, amin’ny maha mpanelanelana azy, dia ny mitady ny rohin-kevitra iraisan’ny feo maro samihafa, ka ho eken’ny tsirairay indray avy eo........
sam
28
aoû
2010
Firenena tsy tafavoakanareo hatramin’izay, tsy fahaiza-mitondra no antony. Dia mahamenatra mihitsy ny mahita ireto mpanao politika avo vava miseho tele sy radio ary gazety isan’andro ireto. Tsy mahay manaja tena mihitsy ny sasany, fa ny toetra tsy fampiseho masoandro no indro fa aderadera imasom-bahoaka. Dia miseho manan-kevitra ery izy amin’ny lalan-kombàna hivoahana amin’izao fahantrana sy krizy eto amin’ny tanindrazana izao. Tsy maty am-bavany e. Raha ny volo fotsiny sy ny taonan’izy ireo, dia tokony efa mba hipetraka hisotro ronono sy izay hosotroiny any, fa tsy ny hafetsifetsena hitadiavana toerana mba ahafahana mitsetsitra izay azo tsetsafiny no atao........
ven
27
aoû
2010
Tsy manaraka ny tokony ho izy intsony. Very hevitra izay mbola manantena fa hanaraka ny vina sy ny lôjika tokony handehanany ny firenena. Maty momoka daholo ny tena marina sy ny tokony ho marina. Tsy misy rariny sy ny hitsiny izany intsony. Mihemo-dava ny raharaham- « pitsarana politika ». Tsy manaraka ny fepetra rehetra tokony arahina ny ady ifanaovan’ny voatory sy ny mpitory. Tsy rariny intsony ny fihetsika natao amin’ny fiarovana ireo voatàna sy ahiahiana ho nahavita heloka. Hafahafa ny fihetsiky ny mpifanandrina marobe mivezivezy eny amin’ny fitsarana eny. Tsy ilay fitsarana mahazatra no resaka eto, fa ny fitsarana ireo mpanao politika......
jeu
26
aoû
2010
Toerana an-jatony maro tokoa no tsy maintsy hifampizarana sy hasiana olona taorian’ny fifanarahana vita sonia natao teny Ivato farany teo. Koa raha te ho isan’ireo hahazo toerana dia t s y maintsy mikofokofoka e!
Samy manana ny fomba fiadiny amin’izany Ao ny mody tsy miteny, kanefa maniraka an-kolaka olona na andian’olona mba hanolotra ny anaran’izy ireo hisafidianana. Misy koa ireo miseho ho mahavita azy ka hamoahan’ny antoko politika filazana fa aleo ihany io no tanana eo amin’io toerana io. Ireo izay tsy ao anatin’izany paikady izany moa dia miseho lany mihitsy. Ao ny manoratra an-gazety ka sahy miteny mihitsy hoe : « ny tenako ihany koa mba nitolona niady tamin’ny jadona, dia mba te ho praiminisitra koa ! ». Misy moa ny manarama mpanao gazety mba hanaovana lahatsoratra manokana fa izy no tena tokony ho eo amin’io toerana io, sady mahafeno ny fepetra ho mpampihavana sy mpampivondrona.
jeu
26
aoû
2010
Nanambara ireo mpisolo vava ny olona voarohirohy amin’ny raharaha laharana 284/09/CR, Ralitera Andrianandraina sy ireo namany, ny 7 febroary 2009, taorian’ny nivoahan’izy ireo ny trano fitsarana, tetsy Anosy, tamin’ny alatsinainy lasa teo, fa natao ireny mba ho fanajana ny maha-masina ny zon’ny fiarovana sy ny fanajana pitsopitson’ny amin’ny lalàna velona, rehefa nandà ny fangatahana fanemorana ny raharaha ny fitsarana......
mer
25
aoû
2010
Feno ny kapoaka ! Nipoitra avokoa ny vava tsy ambina rehetra, nataon’ny ankolafy telo. Tsy maintsy miongotra eo amin’ny toerany Rajoelina hoy Lalatiana Ravololomanana tany Ant s i rabe. Ho any Antanimora Rajoelina raha izao no mitohy, hoy ingahy Manandafy Rakotonirina ny sabotsy teo, ary tsy hamelàko io fitondrana tetezamita mampahory vahoaka io hoy ny amiraly Ratsiraka, araka ny tatitra nataon’ny solontenany, mbola ny faran’ny herinandro teo ihany. Henjana ireo fanehoankevitra ireo, ary saika ny avy amin’ny ankolafy telo no nanambara izany......
mer
25
aoû
2010
Tsy misy manaiky ho gisitra, fa samy te hahazo ny anjara sezany avokoa izy rehetra izay nanao sonia ilay fifanarahana teny Ivato. Noho izay antony izay indrindra no tsy mbola nivoahan’ireo anarana izay tokony handrafitra ny sezan’ny fitantanana ny tetezamita. Raha ny vaovao fantatra dia seza maherin’ny 400 eo ho eo no iadiana mafy hatramin’izao, ary ny sezan’ny Praiminisitra kosa dia mbola ny UDR-Fanovana ihany aloha no nanolotra anarana ka miisa telo izy ireo. Arak’izany ary dia resa-be fotsiny ny filazana fa fijerena ny tombotsoam-bahoaka sy hamoaka ny firenena amin’ny krizy no antom-pijoroan’ireo antoko mivondro ao amin’ny ESCOPOL ireo. Malilo ny sofina mandre ireo karazana anarana miovaova isan’andro mahakasika ny fizarana seza ao amin’ny fitantanana ny tetezamita. Hatreto aloha dia mbola maizina tanteraka ny mahakasika ireo olona izay hapetraka eo amin’ireo seza ireo, tsirin-tsofina ary no nandrenesana fa seza manodididna ny 400 eo ho eo no iadian’ireo antoko miisa 80 izay nanao sonia ilay fifanarahana vaovao teny Ivato......
mar
24
aoû
2010
Mialà rehefa tsy mahay ! Tsy nisy zava-bita nandritra izay fotoana lava be nitondran’ny mpitondra ankehitriny izay. Ny vola foana no lany, fa ny fahombiazana, dia ny olona vao miana-draharaha aza, mahay. Iza no afaka hitanisa fa nahavita nanova ny fiainambahoaka ho any amin’ny tsara ity fitondrana ity ? Izay nambolena tsy naniry, ary ny nasosoka, maty masony. Natao ny fikaonandoha isan-karazany nandritra izay 19 volana izay, fa ny atody lamokany aza manan-danja. Nikaroka loharanom-bola teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena fa ny sazy aza no vokatra azo. Nihebo ho hanampy antsika ny mpanefoefo Saodiniana, fa inona no teo ?........
mar
24
aoû
2010
« Tsy hisy hanaiky ny ametrahana izany tetezamita fanindroany (“Transition bis”) izany”. Io no teny nambaran’ingahy Andry Rajoelina tany Mahajanga, nandritra ilay resadresaka nifanaovany tamin’reo mpanao gazety mianadahy tany an-toerana, herinandro vitsivitsy lasa izay. Nohamafisin’ireo mpanao politika maromaro mpikambana ao amin’ny FAT, sy ireo mpanao politika mbola ety ivelany kanefa mitady irika hahazoan-toerana izany voalazan’ny filohaben’izy ireo izany, ary dia natao “fary mitety reny” eran’ny haino aman-jery ny tsy faneken’izy ireo ny hijoroan’ny tetezamita “vaovao”.........
lun
23
aoû
2010
Fantatra izao tao aorian’ny filan-kevitry ny minisitra farany teo, fa voatazona ihany ilay fanaovana ny fitsapa-kevi-bahoaka ny 17 Novambra 2010 ho avy izao. Ny manintona kely ny saina dia hoe: aiza izay lalàm-panorenana ho fidian’ny vahoaka, dia iza amin’ireny noraisin’ny tao amin’ny CCC ireny no ho raisina, ka ho volavolaina hitantanana ny repoblika faha efatra. Efa manomakomana ny fifidianana amin’izao ireo antoko politika maro izay mivondrona ao anatin’ny « espace de concertation des parties politiques ». Raha izao aloha no fandehany dia voahaja ireo fehin-kevitra sasany tao anatin’ilay fifanarahana izay nosoniavina teny Ivato, marihana mantsy fa anisany tafiditra tao anatin’io fifanarahana io ny hanaovana ny fitsapan-kevi-bahoaka ny 17 Novambra 2010, fa mbola ao koa ireo daty maro samihafa. Eny e ! mazava izany izao fa hanantanteraka io fifidianana io isika, saingy aiza izay lalàm-panorenana ho fidiana eo ! i Pasitera Mailhol aza dia nilaza fa « tsy mbola nisy lalàm-panorenana mifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka lany teto Madagasikara, fa hatramin’izay repoblika maro nifandimby izay dia mbola ny lalàm-panorenana mifanaraka amin’ny filan’ny mpitondra hatrany no lany ».......
lun
23
aoû
2010
Ela vao tonga saina !nahoana raha vao niantombokaireny krizy teto amin’nyfirenena ireny dia efa nitodidohatany amin’ny fitondranatetezamita ankehitriny, fa tsynavela ho rendrika ny sambo,vao milaza fa hanavotra nyvahoaka entiny ?Io no resabe nandehanandritra ity herinandro ity,tamin’ny nivadihan’ingahyRaharinaivo Andrianatoandrot ampok a , hi a ra -da l anaamin’izao fitondrana tetezamitaizao. Io dia vokatr’ilaysonia nataony teny Ivato.Nanohitra hatramin’ny faranyity FAT ity ny tenany, ary nidiranyam-ponja mihitsy izany.......
sam
21
aoû
2010
Mihaosa angaha ny hetsika ao amin’ny Magro Behoririka ao no tsy re firy ianareo tato ho ato ?
R.J.L : Resabe ety ivelany izany, amin’izao fotoana izao no tena ilàna ny firaisan-kina. Ny sabotsy 20 aogositra izao dia hisy hetsika sy filaharambe hataon’ny ankolafy telo. Hanainga amin’ny toerana samihafa eto Antananarivo. Hisy hiainga eo amin’ny Astauria Antanimena, eny amin’ny tetezana Behoririka, eny Ambohi jatovo, eny amin’ny ny e spl anade Analakely sy ireo toerana efa nahazatra tany amin’ny boriborintany ary hamonjy ny toeram-pivoriana etsy amin’ny Magro Behoririka. Ha s e h o n t s i k a f a mi s y Malagasy marobe tsy manaiky izao fitondrana mampahory ny vahoaka izao.......
ven
20
aoû
2010
Vita iny ny fanaovantsonia ilay fifanarahan’ireo antoko politika milaza azy ho nitambatra ho amin’ny tombot soa ambonin’ny firenena. Nahita marimaritra iraisana ihany ireo mpanao politika miisa 80 mahery eo ho eo. Tonga amin’ny tanjona iriany hatrizay ihany izany ireo mpanao politika Malagasy, dia ny fizarantseza. Raha atotaly mantsy dia manodidina ny 200 eo ho eo ny seza hozaraina araka ny voasoratra ao anatin’io fifanarahana io. Tsy maintsy ireo izay nanao sonia aloha no hitana andraikitra voalohany ao anatin’ny rafitra tetazamita vaovao hajoro ary tsy adino amin’izany ireo mpitondra ankehitriny........
ven<