ven.
21
déc.
2012
Ho an’ireo mpanonofinofy, hery saro-pantarina mambabo anao, fahatsapana fahasambarana tanteraka indray mandeha mitranga izany. Raharahan’ny fo rano fotsiny, zavatra tsy azo takarina fa tsapa fotsiny. Ny tena fitiavana dia tsy ilay teraky ny indray mpi-maso (“coup de foudre”) na dia izay ekena aza fa ny hatsaran-tarehy matetika no manosika ny olona roa hifampijery am-boalohany. Mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra Ny fon’olombelona dia manana fahaiza-mitsara tsy mety diso momba ny fitiavana. Ny fanadihadiana natao tamina tanora 1079 manodidina ny 18 ka hatramin’ny 24 taona dia nilaza fa efa nandia tantaram-pitiavana fito izy ireo hatramin’izay. Nilaza ny ankamaroany fa fahatsapana ho matimaty tamin’olona, fihetseham-po mandalo sy nanjavona no hitan’izy ireo. Nilaza anefa I Ray Short tao amin’ny bokiny “Sex, Love and Infactuation” hoe : “Ny fahatsapana ho matimaty amin’ny olona dia mamitaka ny lahy sy ny vavy tsy mitandrina hiditra amin’ny fanambadiana tsizarizary”. Ny fahatsapana ho matimaty amin’olona dia fitiavana sandoka. Tsy araka ny zavatra tena izy io ary tsy mifantoka afa-tsy amin’ny tena. Ireo olona matimaty amin’olona dia milaza hoe: Tena mahatsiaro tena ho zavatra mihitsy aho rehefa miaraka aminy. Tsy mahita tory aho. Tsy hitako intsony izay ilazana izao fahatsapan-javatra mahafinaritra izao. Marina fa mety hahatsapa fihetseham-pom-pitiavana sy fifanintonana mafy ny lehilahy sy vehivavy iray kanefa tokony ho voalanjalanjan’ny fisainana sy ny fanajana lalina ihany izany. Koa inona marina ity fitiavana ity ? Mitiava dia ho hitanao ny valiny.
mar.
18
déc.
2012
Taorian’ny fanadihadiana nataon’ireo manampahaizana dia fantatra fa tsy mety afa-po ara-pananahana ny vehivavy. Salanisa maro no nomen’izy ireo tamin’izany. Ny 25%-n’ny vehivavy ohatra dia voalaza fa tsy mbola nahita izany fahetsahana (orgasme) izany hatramin’izay nanaovany. Ny 57% kosa tsy mba hetsaka rehefa manaovao olona miaraka aminy. 30% kosa ireo tsy mbola hetsaka noho ny fifampitsofohan’ny taovam-pananahana ary 52% ireo mamorona fihetsika miseho ho hetsaka fotsiny. Midika ve izany fa tsy tia miray ara-nofo ny vehivavy? Tsotra sady mazava ny valiny, matoa ny vehivavy tsy nahatratra ny tanjona izay tsy inona fa ny fahetsahana dia satria tsy dia amirona any amin’ny resaka aranofo loatra izy. Mety ho tsy tia mihitsy aza. Io tsy fahetsahana io anefa no lazain’ny olona fa antony tena tsy hitiavan’ny vehivavy ny tontolon’ny aranofo satria hoe tsy mahita ny tsirony??? Tsy izay anefa no tena izy fa ny vehivavy tsy hetsaka anie ka voalaza ho mitady irika hiraisana ara-nofo sy tsy mety afa-po mihitsy e! Tsy ny vehivavy rehetra anefa no toy izay satria misy ireo tsy te hierika ilay bandy intsony izy raha vao tsy misy “orgasme”. Koa inona ary no atao mba hahatonga izay “oragsme” izay? Tsara aloha ny mahafantatra eto heo iza no mitarika, ny lahy sa ny vavy? Amin’ny ankapobeny mantsy dia ny lahy ihany no misekoseko ka mandreraka ny vavy na tsy hahafahany maneho izay any anatiny any. Raha toa kosa anefa kla mahatsapa ny lehilahy fa tong matetika ny an’ilay sipa dia mila fandraisana fepetra izany satria mety ho ilay lehilahy mihitsy no tsy ao tsara na tsy mahay mampirevy. Mila fantarina io tsy fahafaham-pon’ny vehivavy io ry zalahy fa mety hanimba zavatra mantsy io!
lun.
03
déc.
2012
Inona no atao mba hahatonga ny bandy hanapa-kevitra tsy hiova ary hilaza sy hihevitra hoe “efa ito mihitsy ny vehivavy mety amiko”; ahoana no atao mba hananan’ny lehilahy faniriana hiraikitra amin’ny tena? Maro ny vehivavy no mametraka ireo fanontaniana ireo. Rah any valin-teny mazava mahavaly izay, dia tsy misy afa-tsy ny fahafantarana ny zavatra tsy tokony atao manoloana ny lehilahy ihany. Ahoana ary izany? Tsara aloha ny mahafantatra fa tsy tokony volena fihetseham-po hafa amin’ny bandy. Tsy tokony hanao fihetsika na fiteny mamaritra fa ianao no tena tsara aminy. Indrindra moa fa ny miteny oe” tsy hahita tsara noho izaho ianao” na koa hoe “tsy efa hitanao ve fa mety miaraka tsara isika?”.
lun.
26
nov.
2012
Mafana ny andro. Fotoana mampihanjakanjaka ny vanto-bavy sy ry madamakely tsy manaiky ho gisitra. Ireny karazam-boninkazo ireny no mandravaka ny sisin-dalana ka mahalasa saina ny sasany mametsovetso ny tononkalon’ilay mpanoratra malaza hoe “ mba izaho aza no lalovan’ireny marain-tsy hariva… “. Mirentirenty amin’ny zipokely ny ankamaroan’ny sipa. Haingo io ka maninona ?!! hoy ny sasany, rehefa sendra ny mason’ny bandy mitopy matetika mijery ilay “lamba tsy ampy refy” zara fa mahatakona ny ravim-pitombenana sy ny foto-pe iny, sady miandry mahazo ihany sao sanatria ka mitongilana ratsy fipetraka ny anao vavy ka hitsikian’ny vintana “mahita sivy”, na koa mahita irika hitsikilovana “ny lokon’ny lanitra” hampakatra ny fafinaretan’ny maso! “Ny maso mijery rahateo tsy mitondra mody, hoe fitenenana. Saingy lasam-binany ihany anefa ka mampiasa atidoha hamaliana ilay fanontaniana hoe : “rahoviana no mba ho hitako ny làlana mankany…”
mer.
21
nov.
2012
Ilaina ny fitondra-tena manoloana ny lehilahy raha tena tiana izany apetraky ny lehilahy amin’ny toerany izany. Misy fomba azo atao hananana izany. Tsara apetraka aloha voalohany fa tokony atao mitovy ny fomba fitondra lehilahy amin’ny toerana iray, na olona mifankazatra na tsia. Tsara hatrany raha maneho hatsaram-panahy indrindra amin’ireo bandy nôfanôfa. Henoina izay mba resaky ny bandy degany amin’ny tena. Mety tsy ho tiana ny zavatra hambarany fa ezahana izay hampirindra ny resaka, tsy manilika azy mihitsy fa miala moramora tsikelikely amim-panajana. Ny karazan’olona hita ety ivelany ho nôfa sy fôpla mantsy matetika dia mitsara sy mitsapa ny halalin’ny toe-tsain’ny vehivavy fotsiny ihany. Misy amin’izy ireny aza no tena karamain’ny olona sasany mihitsy hitsapana toetran’olona iray. Tsy hisy teknika ahafahana mahazo ny karazan-dehilahy izay tena nofinofisinao kosa aloha e! ny teknika ankapobeny mandaitra amin’ny bandy rehetra kosa dia misy azo hampiharina mivantana mihitsy.
mar.
20
nov.
2012
Maro ny efa tratr’ity resaka iray ity. Mazàna ny olona iray rehefa misy mijery na mandinika dia mahatsiaro tena avy hatrany ary mahatsapa fa tena misy amin’ireo olona maro manodidina azy no mijery sy mandinika azy. Mety ho vokatry ny fikononkononana natao nialohan’ny nivoahana ny trano no mahatonga izany, satria tafavoaka tsara ilay zesta tiana havoaka e ! Na izany aza tsy maintsy misy ny mpifaninanana satria maro anie ny vehivavy no mba te ho jerena e ! Ny ankamaroan’ny vehivavy mantsy dia tena tia hitangoronan’ny bandy. Ny mampalahelo fotsiny dia indraindray tsy mifanaraka amin’ny zavatra hitan’ilay olona amin’iny fotoana voalohany iny no tena izy.
ven.
16
nov.
2012
Matetika, rehefa manoloana toe-draharaha tsy dia mifanaraka amin’ny saina na tsy mifanandrify amin’ny tokony ho izy ny olona iray dia manana fahazarana entin’ny fihetseham-po izany foana. Mba tsy hikasihan’ io fihetseham-po diso toerana io ny fisainana sy ny fitondra-tena, dia tsara aloha ny mahay mihazona ny hatezerana . zavatra ilaina voalohany ny fisintahana kely. Maro ny olona no avy hatrany dia mandray fepetra sy manatanteraka izany eo no ho eo izay tsy naka fotoana handinihana ny tokony atao akory. Mazana dia miteraka olana eo amin’ny fifandraisana izany ary isan’ny fototra voalohany tsy mampilamina, indrindra fa eo amin’ny resaka fiarahan’olon-droa n any fifankatiavana.
jeu.
15
nov.
2012
Ny fahatokisan-tena dia tsy voajanahary mihitsy. Maro ireo manana betsaka azy toy ny efa hatrany an-kibon-dreniny, saingy tsy vitsy ihany koa ireo sahirana amin’ny tsy fananany fahatokisan-tena? Fa amin’ny inona marina moa no tena ilaina io toetra iray io e ? Ary ahoana no fomba hamahana ny olana amin’izay tsy fahatokisan-tena izay?
Amin’ny ankapobeny aloha dia manjary mihotsaka sy manambany ny tenany n any heviny ny olona iray tsy manana fahatokisan-tena, ary mazàna aza tsy mihevitra mihitsy fa hitan’ny olona ny toetra miavaka ananany. Ny tsy fisian’ny fahatokisan-tena ao aminy no manakana azy tsotra izao tsy handray fanapahan-kevitra sy tsy hiroso amin’izay atao. Tsy mahatoky mihitsy amin’izay atao ka manjary tsy manana risi-po hamerina ny tsy nahomby. Mamotsotra vintana tonga eo aminy matetika ihany koa e! matetika dia manjary manorona sy mamboly toetra tsy azy akory. Tsy mahasahy miatrika mason’olona, tsy mahazaka vava avoakan’olona ary toa manjary maratra fo lalandava amin’izay zavatra rehetra miseho eo amin’ny fiainana. Tsy mba mahay mijery lafitsaran-javatra mihitys koa ny olona tsy mahatoky tena fa ny lafiratsiny hatrany no avy hatrany dia hitany, izay tena manakana azy tsy hivoatra mihitsy.
mar.
13
nov.
2012
Fa maninona ny vehivavy maty vady no antsoina hoe mananon-tena e ? Inona no tena famaritana io teny iray io? Hehy sy vanitika avy hatrany aloha no miainga raha vao mandeha ireo fanontaniana ireo. Amin’ny ankapobeny aloha dia ny vehivavy tokan-tena nefa efa zatra nisy tohana sy andry niankianana no antsoina hoe mananon-tena. Ny “Nenikely mananon-tena” izany dia tanora tovovavy tokan-tena . Araka izay fanonona azy izay dia misy teny roa ao anatiny mananona sy tena, izany hoe mananona ny tenany e! Maninona ary? Milalao… vovoka irery angamba? Fa misy ifandraisany ve ny mananon-tena sy ny fananahana ? tena izany mihitsy ka ! mifandray tsara ny fananahana sy ny fananovan-tenan’ny tovovavy na vehivavy iray. Misy akony lehibe sy goavana any amin’ny faniriany ara-nofo ny maha-mananon-tena azy, ary dia iny no manosika azy hitady sy hikaroka bandy vaovao. Ny fomba fisehony fotsiny no mety ho samihafa, miankina amin’ny toe-piainana misy an’ilay olona.
lun.
12
nov.
2012
Ny mpifankatia tia karokaroka sy tia mivelatra eo amin’ny sehatry ny ara-nofo dia mazàna tia miala eo ambony fandriana, mandeha mitady toeran-kafa, hisidintsidinana, indrindra fa any amin’ny toerana tsy dia mahazatra loatra. Ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny tany ivelany vao haingana no nahafantarana fa any anaty dosy no toerana tena manavanana ny ankamaroan’ny olona amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo aorian’ny eny ambony fandriana. Ny 82%-ny mpifankatia dia saika mirona any amin’io toerana io avokoa. Raha eny amin’ny toerana voarara kosa dia fantatra fa any anaty fiara no tena tian’ny olona raha voavinavina ho any amin’ny 80% any ny tahan’izany.
dim.
11
nov.
2012
Raha ambara fa tsy mahasambatra ny vola, dia fantatra izao fa mba misy akony sy manana ny anjara toerany izy eo amin’ny sehatry ny ara-nofo ary indrindra eo amin’ny filàna. Ny fanadihadiana nataon’ireo mpikaroka tany ivelany tany ihany no nahafahana nanamarika fa arakaraky ny hitomboan’ny karaman’ny olona iray no mampitombo ny filàny ara-nofo. Filàna ara-nofo izay tena henjana ary mila hipoaka manenika ny vatana mihitsy no aterany raha ny fanamarihana. Any amin’ny retsi-panentana no tena kasihin’ny rivotry ny vola e!
Mazava izany ary tsy azo lavina fa vakiana fotsiny toy ny vay an-kandrina hoy ny fomba fitenenana izay. Ireo pata sy kala be ihany no mahavita manambatra olona maro hiaraka aminy, ary mahavita miray ara-nofo amina olona maro samihafa ihany koa ao anatin’ny iray andro. Inona no anton’izany? satria mandry ny sainy amin’ny resaka fitadiavana… tsy ory amin’ny otrikaina maro samihafa ilain’ny vatany… miakatra ho azy ny filàna… vokatry ny akon’ny otrikaina manenika ny vatany aloha voalohany, fa noho ny akon’ny jery, izay nandefa ny fisainany hanaitra ny retsi-panentany hitroatra ihany koa manaraka izany.
ven.
09
nov.
2012
Misy tsara noho ny safosafoina ve ? Tsy misy mahafinaritra noho ny safosafo e? Eritreritry ny sasany fotsiny ihany io! Maro no azo ampilaharina amin’ny safosafo mba hanairana ny vatana sy hahazoana fahafinaretana tsy anenenana. Araka ny fikarohana nataon’ireo any ivelany dia manaitra kokoa noho ny safosafon’olon-tiana hono ny ritsoky ny mozika. Olona iray amin’ny telo no fantatra fa mankafy izany ary misafidy ny mozika ho solon’ny safosafo atao aminy. Izany hoe, misioka na mihira ve izany ny olon-tiany dia taitra Ikoto, na mando I Bozy? Asa aloha e! Ny 40%-n’ny olona efa mirotsaka eo amin’ny sehatry ny ara-nofo no fantatra fa nilaza sy nanamafy fa ny mozika henoina mandritra ny fanaovana firaisana ara-nofo dia misy akony enjana sy goavana kokoa raha ampitahaina sy oharina amin’ny kitika sy safosafo ataon’ny olona miaraka aminy mandritra io fotoana fihetsahana io ihany. Ny fikarohana neuroscientifiques koa no manamafy fa miteraka haingam-panahy sy mikitika ny retsika fanairana amin’ny vatana toy ny sakafo sy ny fanafody ihany koa ny mozika.
jeu.
08
nov.
2012
Mampitombo ny taham-piveloman’ny lehilahy tokoa ve ny famosirana azy ? Fanontaniana mipetraka matetika eny am-bavan’ny lehilahy izany rehefa tafaresaka ny samy bandy. Tsara apetraka aloha fa tsy mitovy velively ny vosirana sy ny didim-poitra a! Vosirina milaza fa misy zavatra esorina mihitsy ao amin’ny taovam-pananahana ao. Dia nipetraka ny fanadihadiana sy ny famakafakan-dry zalahy manam-pahaizana fa mety tena mitombina ny filazana fa mahalava andro iainan’ny bandy hono ny famosirana azy. Ny ankamaroan’ny bandy novosirina hono dia saika mahatana ny ainy hatrany amin’ny 70 taona raha toa ka manodidina ny 56 taona ihany no fetran’ireo tsy mivositra.
mer.
07
nov.
2012
Henjakenjana, mahavery jery ! izany no ilazan’ny bandy ny sipa bebe hozatra na somary bokombokony. Tsy mahate-hitazana maharitra hoy ry zalahy fa toa mampihodina ny loha tsy hibanjina ela mihitsy. Na izany aza, mahafinaritra ny bandy ny miaraka amin’ireny sipa manozatra ireny, ka dia mitady fika hahatazonana ela na ny fihenjanana na ny ranon’aina. Tsy mora no mahavita izany an! Mila miketrika sy mikonokonona tsara mba tsy ho sady afa-baraka no tapa-komana eo. Amin’ny ankapobeny mantsy dia tsy mampilendalenda ny bandy mihitsy ny sipa be hozatra, tsy maintsy velomina araka izany ny filàna, hahafahana manandrana ny tena maha-henjana azy e!
mar.
06
nov.
2012
Mampivelatra ny fiainam-pananahan’ny vehivavy ny fahalalahan-tsainy eo amin’ny firaisana ara-nofo. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ny manam-pahaizana ara-pananahana no nahafantarana fa afaka manome fahafaham-po kokoa ny vadiny ny vehivavy tsy sarotiny amin’izay resaka firaisana ara-nofo ataon’ny manodidina azy sy ifampizarana, na io namany na olona iray hananany fitokisana. Tsy misy ankinafinafina amin’izay fa ifampidinihana eo avokoa na ny momba ny fiainan-tokan-trano. Manan-jo hiresaka momba izay faniriany hahahetsaka azy , ny faritra manaitra ka angatahany hosafosafoina na orokoroina eo amin’ny vatany noho izany ny vehivavy mba hahetsaka azy, fa tsy sanatria ka heverina ho toy ny vatan’akondro ka ho maty lafika eo.
lun.
05
nov.
2012
Ny lehilahy no tsy havanana, sy tsy mahay mampihetsaka fa tsy misy vehivavy mangatsiaka izany. « Frigidité » na tsy fahatairan’ny vehivavy eo ampanaovana firaisana ara-nofo no azo ilazana izany tsotsotra. Antony maro no voalazan’ny manam-pahaizana fa mahatonga ny vehivavy tsy mahita fafiny rehefa miray ara-nofo. Misy ireo vehivavy mandre fanaintainana mandritra ny firaisana ara-nofo, ka tsy mahazo fahafinaretana, satria lasa mifantoka any amin’ilay mangirifiry anatiny iny ny sainy ka tsy tonga amin’lay mangorintsina mahafinaritra mialoha ny hampitosaka ny rano manafana ny any anaty valahany sy ny lalan-jaza iny mihitsy. Manam-paniriana ny hahazo fafiny ihany izy fa tsy hain’ny vatany ny mitady izay amoahany izany ka mila mifampiresaka amin’ny vadiny izy hahafantarana ny vaha-olana. Eo no liana ilay “préliminaire” hitadiavana ny faritra manaitra azy amin’ny alalan’ny safsafo sy orokoroka mba hahatonga ny fivaviany ho mando sy toy ny miketoketoka iny rehefa mikainkonkainkona manery ny filahiana mandritra ny firaisana ara-nofo. Rehefa tsy mahatonga toy izanyny vehivavy dia manjary “maty lafika” eo fotsiny, hoy ny sexologue, fa na inona na inona atao dia tsy misy vokany tsara aminy satria tsy mety hahatonga ny azy izy.
mer.
31
oct.
2012
Ny 33%-n’ny lehilahy ihany no fantatra fa nilaza ho afa-po tanteraka amin’ny fiarahana ara-nofo notanterahany. Araka izany dia any ho any amin’ny 63% any izany no tsy afa-po sy tsy nahazo fafiny akory tamin’ny nataony. Ny ankamaroany anefa dia manolo-tena an-tsitrapo hiray amin’ny vadiny na ny olon-tiany ihany ary miezaka manaraka ny zotram-piainana misy azy na dia tsy mahatsiaro ho sambatra sy finaritra akory aza. Araka izay indrindra dia misy tokoa izany ireo mody manao sarintsariny mahazo fafiny na miseho azy ho afa-po tamin’ny nataony. Na io vadinao ao an-trano io aza anie ka mety tsy ho afa-po tamin’ny nataonareo akory fa mosy nanao sarintsariny teo fotsiny e! Na izany aza dia tsara ny mahafantatra fa io tys fahafaham-po io no mitarika sy manosika ilay olona hitady firaisana ara-nofo matetika sy lavareny. Izany hoe raha mitady foana izany ileiry na ikalakely, tsy voatery ho nahazo fafiny fa mety ho tsy fahafaham-po ihany koa.
mar.
30
oct.
2012
Raha vao mangataka ny hanao firaisana ara-nofo matetitetika ny lehilahy, dia sokajian’ny vehivavy ho “tendan-kanina ka tsy manan-tsaina afa-tsy ny hiray ara-nofo amin’izay vehivavy sendra azy hatrany. Io ilay hoe voalavo taitra ka ny hitady lavaka hitsofohana hatrany no masaka ao an-tsainy sy mahamay azy. Fandavana avy hatrany anefa no asetrin’ny vehivavy izany matetika raha tsy hoe mba mitady dona kely koa izy hanalany ny hamohamony.
Voalazan’ny mpandinika anefa fa tsy ilay biby “maditra” lanjainy iny ihany no maha-lahy ny lahy. Manaitra ny lehilahy kokoa ny hitan’ny masony noho ny safosafo sy orokoroka, na dia mila izany aza izy. Ary tsy io « tataka » io ihany koa anefa no tsiriritiny amin’ny vehivavy. Fa izay tazan’ny masony ety ivelany aloha no mahatonga azy ho taitra, na bika io na tarehy, indrindra fa ny fitombenana somary dofodofora na ny nono mivoiboitra iriany ihondankondanana. Mifandrohy mifamatotra ao anatiny, araka ny voalazan’ny mpandinika ihany, ny fitiavana ny fihetseham-po ary ny faniriana ara-nofo tiany hotanterahina.
lun.
29
oct.
2012
ven.
26
oct.
2012
Tsy araka ny fiheveran'ny maro azy fa, na dia tsy maneho mivantana ny zava-miafina ao an-tsainy momba ny firaisana ara-nofo sy izay faniriana lalina ao am-po mahahetsaka azy aza, dia be fitsiriritana anaty kokoa ny vehivavy eo amin'io lafiny io. Ny fanadihadiana tany ivelny tany dia maneho fa ny 96% n'ny vehivavy dia baikoin'izany hetaheta sy faniriana hiray ara-nofo izany hahazoany fafiny ao anatin'ny kisendrasendram-pitia sady ahitany tombon-tsoa ara-pitaovana matetika.
Tsy sipa mangidihidy na miandry mahazo no anaskajiana azy ireo fa misy koa ny lehilahy masia-drambo, tsy handalovana sady ny "fanenitra raha teo tsy manindrona hafa tsy ny felan-draozy kanto sendra azy".
jeu.
25
oct.
2012
Very tanteraka ny filàko ary saika tsy niverina intsony teo am-pahitàna ny vadiko nampinono ny zanako. Tsy fantatro izay nanjo ahy fa tamin’ny zanako dimy volana vao nitranga io toetra hafahafa io. Tsy fantatro n any saiko no voadona na ilay nonom-badiko no nilozotra fa dia tapaka nanomboka teo ny filendalendako azy ary tsy vitan’izany fa na iza na iza vehivavy hitako ia naharikoriko ahy avokoa. Mety ho diso tia tena loaatra angamba aho, satria mba isan’ny ankafiziko koa ny minononono azy io rehefa mirevy izahay roa. Niezaka ny mba ho taitra ao ary nanao izay ho afany tamin’ny famerenana ny filàko ny vadiko saingy tsy nisy valiny izany. Natao avokoa na fijerena film X na firesahana ny ara-nofo sy ny maro hafa fa tena tsy nety e! Hatramin’izao dia mbola tsy niverina ny filàko sy ny faniriako te hiray ara-nofo, efa ho roa volana izay. Tsy hitako izay atao ka mba miangavy fanampiana aminareo aho.
mer.
24
oct.
2012
Hatramin’ny folo taona nanambadiany ny vadiny, dia mbola tsy nahatsiaro ho hetsaka i Liva, 36 taona. Manana filàna aho hoy izy fa tsy mahatsiaro
fahafinaretana rehefa mandeha ny safosafo ary tsy mbola nahatsapa izany hoe hetsaka izany. Izaho ve no tsy mahalala ny
fahetsahana sa mety hisy izany ? Mitombina avokoa ny ahiahin’I Liva raha ny nambaran’ny sexologue. Mety hisy mihitsy izany ary efa mateti-pitranga
mihitsy amina tokantrano maro eto amintsika. Izay indrindra anie no hilazana fa mila mihetsiketsika ny mpivady mba hahafahana miroborobo amin’ny ara-nofo
haharaka ny tena zava-misy marina ao amin’io tontolo io e! Sarotra anefa izany, saingy rehefa miara-mihetsika ny roa tonta dia mandeha ho azy
izany.
lun.
22
oct.
2012
Mandritra ny fiarahan’olon-droa dia mikatsaka ny tsara kokoa hatrany ny mpifankatia. Izay hahatonga lafatra ny fiarahana no tanjona ka haha-tamàna hiray ara-nofo amin’ny olon-tiana. Efa notaterina teto fa mba tsy hahamonamonaina be loatra amin’ny fiarahana dia tsara kokoa araha asiana preliminaries aloha ny atao ho fampidirana ny tena revy. Ao anatin’io prélimionaires io no hiasan’ny tanana sy ny lela… misosa manerana ny vatana. Misy ny faritra mora andairan-kitika sy safo amin’ny vatana raha vao mandalo fotsiny ny tanana na ny lela......
dim.
21
oct.
2012
Manana akony betsaka amin’ny fisorohana ny cancer ny « curcuma » na tamotamo. mazàna dia vovoka curcuma no hita eny an-tsena. Manala poizina izy, misoroka ny fihitaran’ny ratra syu ny aretina ihany koa, misoroka ny fivainganan’ny rà. Azo hisorohana tsara ny rhumatisme ihany koa ary ahafahana miady amin’ny fitomboan’ny cholesterol.
Misoroka ny asidra ao amin’ny vavony ao ihany koa izay mahatonga ny ambava-fo hilelalela lalandava. Ahafahana misoroka ny aretin’aty. Voalaza fa manampy betsaka ny vatana amin’ny fiarovana ny aty ny curcuma na tamotamo. Mazàna dia rizareo indianina no mampiasa azy amin’ny sakafo, ary mazava ho azy fa eny amin’ny tranombarotra karana no tena ahitàna azy. Mitovitovy amin’ny carry ihany izy ity amin’ny ankapobeny.
Nangonin’i Tim’s
mer.
17
oct.
2012
Latsa-dranomaso mihitsy aho
Tamin’iny andro iny
Fa tena naharary mafy
Kanefa, naleoko dia nihafy
Ho fahasambaranao malala
Izaho nivoajamala
Tsy hitanao akory
Ny rotsa-dranomaso
Nandrakotra ny tavako
Fa ny anao ihany
no nahamaika anao
nasisika amboletra
o, o, tonga ...
tonga hoy ianao
ilay ora niandrasana
ka ilay fitiavako
ho anjaran’ny fasana
narary mafy mihitsy iny fotoana iny
ary tsy ho adinoko mandrakizay
ilay isika...
niray toerana fa tsy nifankahita
ianao moa tsy nitodika tery am-pita
tsy nahatsinjo akory ity maso nipitra
oh! Lalina iny fa tsy anganoangano
nahita anao nisoratra tetsy Soarano
... Firaisana voalohany ... tena narary!
MAHEFA
29/10/09
mar.
26
juil.
2011
Hafahafa indray ity zavaniseho ity. Tamin’ny volana septambra 2009 no niseho ny tantara, araka ny nitateran’ny gazety “la voix du nord” azy. Sady mahatsikaiky sy mahasadaikatra no sady tsy mampino. Nikorapaka nitady ny findainy izay noheveriny ho very ity ramatoa iray avy niara-natory tamin’ny sipany tao an-tranony nony nifoha ny ampitso maraina. Teo am-pitadiavana ny findainy hatrany ambany fandriana sy tamin’ireo toerana samihafa noheveriny ho nametrahany azy eran’ny efitrano natorian’izy ireo anefa no injay reny naneno sy nihovitrovitra ilay finday notadiaviny, nandritra ny minitra maromaro. Hatairana ny azy fa hay tany anatin’ny fivaviany (ny lalan-jaza) no nisitrika ilay findainy!
jeu.
21
juil.
2011
Tahaka ny fandre amin’ireo fifaninana arapanatanjahan-tena, na fihinana sakafo, dia mba misy ihany koa ireo olona nahamont sana ny haben’ny taovam-pananahana raha oharina amin’izay heverina ho antonony eo amin’ny toe-batan’olombelona. Izany lehilahy antsoina hoe Jonah Falcon izany no milanja filahiana lava indrindra eran-tany. Mirefy 34,29 cm ny halavan’ny filahiany. Izy izany no nahamontsana ny «record» farany satria araka ny nandrefesan’ny Dr Robert L. Dickenson dia nirefy 34 cm ary 15,88 cm ny refin’ny manodidina (circonférence)ny filahiana lava sy lehibe indrindra eran-tany tamin’ny fiandohan’ny taon-jato faha-20. Ny filahiana kely indrindra indray dia tsy nirefy afa-tsy 0,99 mm. Ny «clitoris» lehibe indrindra indray, araka ny voalazan’i W. Francis Benedict, tao amin’ilay boky “anatomie sexuelle », dia nirefy 30,5 cm. Ny lalan-jaza indray dia ilay vehivavy any Ecosse, antsoina hoe Anna Swan, indray no voalaza fa manana ny lehibe indrindra satria dia nirefy 48 cm ny lohan’ilay zaza ngezabe naterany tsy nila fandidiana.
mar.
19
juil.
2011
Lasa «excitée» lava ilay vehivavy taorian’ny lozampifamoivoizana nahazo azy. Mitady ny hanao firaisana ara-nofo foana izy ary tsy mety afa-po mihitsy ka tena tsy araky ny vadiny mihitsy ny fitadiavany hiala hidihidy. 39 taona ramatoa Joleen Baughman ary efa mananjanaka roa izy no tratry ny lozam-pifamoivoizana, satria dia nifandona tamina fiarabe ny fiara nitondra azy. Voatery naiditra hopitaly herinandro maromaro izy satria faritra maro tamin’ny vatany no tapaka vokatr’izany lozam-pifamoivoizana izany. Enimbolana taty aoriana dia niseho amin’izay ny vokatr’ilay loza nanjo azy. Fihetsika kely fotsiny dia efa mahahetsaka azy tanteraka ka hitadiavany hanao firaisana ara-nofo amin’ny vadiny.
sam.
16
juil.
2011
Asa raha fantatrao fa misy ifandraisany tanteraka amin’ny filan’ny vatana hanao firaisana ara-nofo ny toetry ny andro. Voalaza fa miakatra be ny retsim-panentana momba izany amin’ny maraina eo anelanelan’ny amin’ny fito ka hatramin’ny sivy ora maraina. Ny lehilahy no mazoto ho amin’ny firaisana ara-nofo amin’iny maraina iny, vitsy kosa ny vehivavy liana amin’izany. Raha ny filazan’ireo mpiangaly fanatanjahantena indray dia voalaza fa ny hariva amin’ny dimy ka hatramin’ny fito no tena ao amin’ny heriny ny vatana. Eo no fotoana tsara hampiharana ireny karazana teknika fanaovana firaisana ara-nofo rehetra ireny, dia ny «Kamasutra» izany. Mitovy ihany koa ny fatran’ny filan’ny lahy sy ny vavy eo, raha ny filazan’ny mpikaroka ihany. Ankoatra ireo dia fantatra fa andro vitsy mialoha ny fotoana maha-lonaka azy no tena miakatra ny filan’ny vehivavy hanao firaisana ara-nofo...
jeu.
14
juil.
2011
Manao firaisana ara-nofo. Samy mahay an’izany daholo angamba ny mpivady rehetra. Saingy misy ireo velompanontaniana hoe inona no tena tsara ary rehefa manao ahoana ny olona no antsoina hoe tena mahay miangaly io zavatra iray loha io ? Mety ho samy manana ny tsarany ihany koa anefa ny momba izay. Ho an’ny manam-pahaizana dia voalaza fa ny olona mahay mitondra ny vadiny ho any amin’ny tena fankafizana sy fahazoana fahafinaretana faratampony no lazaina hoe tena mahay
mar.
12
juil.
2011
Ahoana no ahafantarana amin’ny fihetsiny fa tia anao ilay vehivavy rehefa mihaona ianareo, ary dia afaka hiresaka aminy tsy amin’ahiahy ianao? Voalazan’ingahy Joseph Messinger, psychologue, fa hoe «jerena fotsiny ny fihetsiky ny tanany, ny ranjony, ny lohaliny na ny molony dia ho fantatrao izany, satria na dia tsy fanahy iniany aza dia maneho avy hatrany ny fihetseham-pony ny fihetsik’ireo rantsam-batana sy faritra eo amin’ny vehivavy ireo. Mety ho fihetsika mandeha ho azy ilay izy kanefa mifono zava-dalina tsy voatana fa mivoaka ho azy ka ahazoana mamantatra ny fihetseham-pon’ny vehivavy o amin’ny fitiavana...
sam.
09
juil.
2011
Tamin’ireo voka-pikarohana samihafa efa nivoaka tany ivelany tany no nahafantarana fa mahatanora sy mety hahaela velona ny manao firaisana ara-nofo, no sady ahazoana misoroka karazan’aretina maro, toy ny aretina vokatry ny fahatapahan’ny lalan-drà (maladies cardiovasculaires) sy ny homamiadana. Tsy ny hiteraka ihany na ny hitady fahafinaretana sy haka tsirony fotsiny ihany noho izany no tanjona rehefa miray ara-nofo fa ahazoana mitaiza vatana sy mikoja ny fahasalamana ihany koa izy.
Voamarin’ny fikarohana maro
jeu.
07
juil.
2011
Nanapa-kevitra ny haka sary «manaitaitra» (sexy) apetraka ao anaty kalendary namidy tany amin’io firenena io tamin’ity taona 2011 ity ireo vehivavy parlemantera efatra voafidy ho mpikambana ao amin’ny antenimiera Tchèque. Izany antsoina hoe Lenka Andrysova, Marketa Reedova, Kater ina Klasnova et Kristina Koci izany no anaran’izy efa-bavy solombavambahoaka sahy nihanjakanjaka nampidera izay ahazoany maneho ny «maha-vehivavy» azy amin’ny lafiny rehetra nafinafeniny tany mba hoenti-mampilendalenda na mampitsiriritra izay faritra tsy ferana rehetra ao aminy raha toa ka olo-mendrika sy maotina tsy misy toa azy no nahafantarana na niheveran’ny mponina any an-toerana izany hoe parlemantera izany hatramin’izay.
mer.
06
juil.
2011
Manana izay handikany azy koa ny mpandinika mikasika ireny voambolana hoentin’ny tovolahy na tovovavy misary zoro ireny. Ny «pi-maso», araka ny andikan’izy ireo azy dia hoe :fomba ampiasain’ny vehivavy iray tsy manam-bady hoentiny mampahafantatra izay lehilahy tiany fa tena metimety amin’ilay vehivavy ny miaraka amin’ilay lehilahy. Ny zava-misy mpiseho anefa dia ny lehilahy mazàna no manao pi-maso rehefa «hikaoty sipa», ka sady angarihan’ny vehivavy no rabirabiany ho voan’ny areti-maso rehefa tsy «miady amin’ny piesiny». Fa voalazan’ny mpandinika anefa fa fomba fanao ampianarina ny vehivavy dieny mbola kely mihitsy io manao pi-maso ny lehilahy tiany io any an-dafy any. Noho ny kolontsaina sy ny henatra ny fiaraha-monina dia tsy afaka maneho ny fitiavany mivantana toy ny lehilahy mantsy ny vehivavy. Maro amin’izy ireny aza no tsy sahy mijery mivantana na manatrimaso lehilahy akory noho ny henatra, satria ny mason’ny lehilahy, hono rehefa mifanena amin’ny vehivavy dia ilay tratram-behivavy nofosan’ny nono iny no tonga dia banjininy, ka tsy laitrany. Fa ny tsirin’ain’ny lahy koa dia lazain’ireto mpandinika ireto ho ilay tsimok’aretina mahatonga ny aretin’ny firaisana ara-nofo antsoina hoe «bevohoka»! Mahatsikaiky e?!
lun.
04
juil.
2011
Ny fiaraha-mitaiza sy fiaraha-mikolokolo ny fitiavana hono no tena mampaharitra azy. Samy manana ny fomba fikolokoloana izany. Ny hitovian-kevitra ho an’ny rehetra fotsiny dia mila mitady paikady avy ataon’ny tsirairay hikolkoloana sy hitaizana izany fitiavan’olon-droa izany. Hafa raha samy hafa ity vokatry ny fanadihadiana nataona mpikaroka Amerikanina iray. Notsoriny tao anatin’ny fanadihadiany fa ilaina tokoa ny ady eo amin’ny olon-droa na eo amin’ny mpivady. Ny irariany aza dia tena ady mafy tokoa izany, toy ny fifanasana vangy fa tsy miafara amin’ny fifampikasihan-tanana fotsiny. Rehefa samy afa-po na samy tsy manan-kolazaina intsony dia ilaina ny fifanantonan’ny mpifankatia na dia hifampiresaka fotsiny aza. Tsy voatery ho eo no eo izany fa na afaka ora vitsivitsy na andro vitsivitsy aty aoriana. Samy miezaka ho tony ny mpifakatia mandritra ny resaka. Ka na milamina na tsia dia tsaratsara kokoa raha faranana amin’ny firaisana ara-nofo izany. Mety ho sty vokatry ny fo izany eo am-piandohana fa rehefa tena tafaroboka ao anatiny ny mpifankatia na mpivady dia samy hanadino ilay ady hatry ny aninkeheo. Andramo fa mety hahasoa anao.
Zaka Fils
sam.
02
juil.
2011
Voalazan’ireo nanao fandihadiana fa tsy dia tia tena loatra ny lehilahy eo amin’io resaka firaisana ara-nofo io tsy araka ny fiheveran’ny vehivavy. Mahatsiaro ho afapo ny lehilahy rehefa nahavita nampahazo tsirony ny vadiny na ny olon-tiany rehefa miray aminy. Mahatsiaro sambatra kosa ny ankamaroan’ny vehivavy raha nahomby na tonga any amin’ny fahafinaretana ara-nofo niriany. Izany hoe manomboka any amin’ilay mangirifiry mahafinaritra, somary mangorintsina any anatiny iny hatramin’ny fotoana nahahetsaka azy tanteraka, indrindra rehefa tsapany fa tena tia sy maneho fitiavana feno azy ny lahy mandritra ny firaisana ara-nofo.
jeu.
30
juin
2011
Tsy voatery hahatratra ny lanitra fahafito hihanoka hasambarana hono vao mahazo tsirony amin’ny firaisana ara-nofo. Mahita tsirony kokoa hono rehefa mahay mitsikombakomba ny mpifankatia ao anaty lamba ao satria mampifanatona kokoa azy ny fanaovana firaisana ara-nofo. Betsaka ny azon’ny mpivady ifampizarana fa tsy ny fanaovana firaisana ara-nofo fotsiny ihany. Mety manaitaitra ohatra ny mifampijery samy mitanjaka, ho an’izay tsy saro-kenatra. Toy izany koa ny mifanafosafo fotsiny na ilay mifampibitsibitsika miresaka momba ny taovam-pananahana sy mitantara izay iaraha-manao rehefa avy eo.
mar.
28
juin
2011
Na dia tsy maro sy mahalam-piseho aza, dia misy ny vehivavy tratran’ity tarehinjavatra ity. Mangidihidy, angorintsin-dava, “excitée” tsy mahatombina mihitsy isan’andro na dia tsy te hanao-firaisana ara-nofo aza. Mijaly mihitsy ny vehivavy tratran’izany fikorontanana ara-pananahana izany. Tsy dia nahasarika ny sain’ny manam-pahaizana mpandinika loatra izany hatramin’izay, saingy efa manomboka ny asa fikarohana iadiana momba io soratr’aretina io. Raha ny tsy fisian’ny faniriana hanao firaisana aranofo eo amin’ny vehivavy, na ny vehivavy tsy mahatonga ny azy sy tsy mahita fahafinaretana amin’ny firaisana ara-nofo ka mahatonga fisaraham-panambadiana no niompanan’ny fikarohana hatramin’izay, dia mikely aina mitady ny fanafodin’izany ny mpitsabo ankehitriny.
sam.
25
juin
2011
Mampiasa saina ny lehilahy matetika ny habe na halavan’ny filahiany, indrindra ireo ampideraderan’ny namany ny halava na ny haben’ny azy. Mahavelon’ahiahy ny lehilahy ny hoe sao dia kely na fohy loatra ny filahiany ka toy ireny “mandona kankana” ireny fotsiny rehefa miray amin’ny olon-tiany na ny vadiny, satria tsy azony an-tsaina ny refin’ny fivaviana sy ny lalan-jaza hitsofohany mandritra ny firaisana ara-nofo...
jeu.
23
juin
2011
Mety hampitaintaina ny tovovavy na ny tovolahy, ary ametrahany fanontaniana maro manitikitika azy hoe ahoana izany manao firaisana ara-nofo voalohany izany? Ao ireo menatra na matahotra ny hitanjaka ka ho hitan’olon-kafa izay nafeniny tany anaty lambakeliny any. Ao kosa anefa ireo tonga dia sahy! Any Frantsa any, raha ny fanadihadiana natao dia efa manomboka lefy ny hevidiso miely hoe mbola kely loatra dia efa manao firaisana ara-nofo ny zatovolahy sy vavy. Manodidina ny 17 taona sy tapany eo ny tanora vao miroso amin’izany any an-toerana. Ny zava-dehibe anefa ho an’ireo manampahaizana momba ny fahasalamana ara-pananahana dia...
mar.
21
juin
2011
Tsy afa-misaraka amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona ny firaisana ara-nofo. Voa-janahary ny faniriana amin’io lafiny io, ary tena filana ilain’ny fivelarana arabatana sy ara-tsaina toy ny filàna sakafo ihany koa izy. Tandremana ihany anefa fa misy ireo tsy mahalala onona ka rehefa tafahoatra loatra mety ahitan-doza. Tamin’ny fanadihadiana natao tany an-dafy tany dia fantatra fa ny hamalifaly sy hanome fahafaham-po ny vadiny amin’ny firiaisana aranofo no anisan’ny antony aneken’ny ankamaroan’ny vehivavy « hamelatra » amin’ny vadiny na ny olon-tiany
sam.
18
juin
2011
Manana anjara toerana hanafahafinaretana ara-nofo ny hoditra. Mifono hoditra tokoa mantsy ny vatan’olombelona ka ny fifampikasohan’ny hoditra,amin’ny alalan’ny safosafo sy ny leladelaka, ny fifampitositosiana,sns no tena manaitaitra ny faniriana hiray aranofo,ary mampangorintsina ny vatana hahatongavana any amin’ny lanitra fahafito.
jeu.
19
mai
2011
Mbola maro ny mpivady miaina ny fanabeazan’aizana voajanahary na « contraception naturelle » eny fa na dia amin’izao andro efa mazava izao aza. Ny tena tsara dia miresaka malalaka amin’ny mpitsabo ny momba azy io satria tsy voatery handaitra avokoa ireo fombafomba, ny « accident » madinika mety hisy foana, hany ka mety mampikorontana ny mpivady. Na izany na tsia ireto no karazana tetika fantatra fa azo atao sy arahina an-tsakany sy an-davany...
sam.
14
mai
2011
Ny film X na horonan-tsary mamoafady no raiben’ny horonantsarimihetsika maneran-tany. Ry “frères Lumière”, mpamokatra sarimihetsika kalaza fahiny no namoaka “film X” voalohany raha aratantara. Tamin’izay fotoana izay dia ireo mpivaro-tena miaraka amin’izay nividy azy no nalaina an-tsary tao anaty efitrano mihidy sady maizimaizina ary tao anatin’io trano maizimaizina io ihany no nandefasana izany avy teo. Nivoatra teny ihany izany ka lasa nisy feony raha moana hatrany am-piandohana. Niitatra rahateo ny firenena...
jeu.
12
mai
2011
Adin-tsaina, alikaola, harerahana, ny adidy maha ray aman-dreny, ny hatavezana… Tsy ireo ihany fa misy endrika hafa mampihena ny hetsaka eo amin’ny mpivady na eo amin’ny mpifankatia. Inona no hatao?
Adin-tsaina
Fotoanany izao, hoy ianao? Na ny tsy fananana asa fotsiny aza dia efa tsy itadiavana hetsaka. Olana ara-bola, asa mafy loatra, aretina na olana eo amin’ny fianakviana…
Inona no hatao?
Mila mitady ny fomb a hialna amin’ireo adin-tsain aireo. Tsy tokony atao ho mavesatra ka tsy hahalalana intsony ny olon-tiana izany. Misy ny manao fanatanjahan-tena. Eo ihany koa anefa ireo fihetsika fisefoana isan-karazany… NA izany aza, aza adinoina ny manatona mpitsabo.
mar.
10
mai
2011
Mbola betsaka isika no tsy mahalala an’izany atao hoe : « masturbation »? Tsy fampianaran-dratsy akory fa fampahafantarana fotsiny. Ny “masturbation” dia fakana fahafinaretana ara-nofo amin’ny alalan’ny fikitihana na fisafoana na filalaovana ireo toerana sy fitaovana ara-pananahana. Io teny io dia avy amin’ny fiteny frantsay hoe : “manusturpation” araka ny voasoratra tao amin’ny toko faha-12 ao amin’ny bokin’ny Essais hoe : “Apologie de Raimond Sebond”. Ny “manusturpation” dia fitambaran’ny teny hoe : “manus” midika hoe main na tanana sy ny hoe : “stupratio” midika hoe : “action de souiller”.
Ho an’ny lehilahy dia ny fikitihana na filalaovana amin’ny alalan’ny tanana sy ranon-javatra malamalama toy ny an’ny fivavian’ny vehivavy no fomba tsotra sy voalaza fa be mpanao. Manampy tosika izany fotsiny ny fikitihana izay faritra mahatonga fahafinaretana toy ny nono, ny lavaka any aoriana, ny fe sy ny maro hafa.
sam.
07
mai
2011
Manao izay hahatonga ny an’ny vehivavy, izay no mety ho tanjona apetraka amina
firaisana ara-nofo. Mety ho ao anatin’ny mason-tsivana apetraky ny vehivavy ihany koa izay eo amin’ny fitiavana. Samy manana ny fomba ankafizany ihany koa anefa ny vehivavy tsirairay, saingy ireto misy fomba vitsivitsy mety hanampy hanatraran iry tanjona ambony iry, dia ny hahasambatra ny vehivavy anatin’ny firaisana ara-nofo...
ven.
06
mai
2011
Ahitan-javatra fatratra loatra eto amin’ity tany fandalovana ity. Nisy artista amerikanina indray koa izao voalaza fa nanamboatra fromazy tamin’ny nonon’olombelona ! Hafa raha samy artista i Miriam Simun. Nanapa-kevitra ity vehivavy ity fa hanamboatra fromazy amin’ny alalan’ny nonon-dreny ary hanao fampirantiana mahakasika izany. Azony an-tsaina soa aman-tsara fa hiteraka resa-be maneran-tany ity fanapahan-kevitra noraisiny ity, saingy nanazava mihitsy izy fa faniriany sy hetahetany hatramin’ny ela ny hamokatra zavatra hafakely, tsy mbola misy manana. Efa nahita vehivavy telo vonona hanome ny nonony maimaim-poana izy hatramin’ny niketrehany io tetikasa io. Marihina kosa anefa fa mandalo fikarakarana aloha ny rononon’olombelona mialoha ny hamolavolana azy ho fromazy.
mer.
04
mai
2011
Adiny firy ny faharetan’ny firaisana ara-nofo ? Tokony hahatonga im-piry raha iray alina manontolo? Ary ny “preliminaries”, tokony haharitra adiny firy ? Betsaka ireo olona mety hametraka izany fanontaniana izany. Miresaka tarehimarika sy fahaiza-manao isan-karazany rahateo izao vanim-potoana izao mikasika ny fiainam-pitiavana. Teraka tao anatin’izany tantara rehetra izany ny “slow sex” tamin’ny taona 2002, izay navoakan’ilay Italianina Alberto Vitale. Ho an’ity mpanoratra mpikaroka ity dia tsotra ihany ny lakilen’ny fahasambaran’ny firaisana ara-nofo, dia ny milamina sy ny maka mora. Inona anefa no tena dikan’izany eo amin’ny fampiharana ?
mar.
03
mai
2011
Tsy honohono na resabe fa tena azo atao. Afaka iainana tsara mantsy raha ny filazan’ny mpikaroka ny “orgasme” maromaro indray miaraka mandritra ny firaisana ara-nofo iray. Ireto indray ireo torohevitra momba izany.
Izay fahazoana miaina “orgasme” maromaro izay no iavahan’ny vehivavy amin’ny lehilahy. Ny an’ireto farany mantsy dia ny indray mandeha tsy miverina ihany, raha mifanohitra amin’izany ny an’ny vehivavy. Lakile iray mampisokatra ny lalana ho amin’izany ny fahafantarana ireo faritra rehetra manaitaitra ao amin’ny vatan’ny vehivavy. Ny fahaizana mikitika azy ireny mifanesinesy no lalana iray ahazoan’ny vehivavy miaina azy
sam.
30
avril
2011
Iray amin’ireo fihetsika ankafizin-dry zareo taranak’i Adama ny « fellation », na ilay fitsetsafana taovam-pananahana. Misy antony ao. Tiany hono izy io satria
mbola hafa kokoa ny « pénétration» ny fihetseham-pony amin’iny. Mbola toerana be hozatra kokoa noho ny fivaviana ny vava. Hafa kokoa ny fiasan’ilay lela manitikitika noho ny fivaviana mijanona
fotsiny amin’izao, raha ny fanadihadiana natao. Tiany ihany koa io satria mampiseho ny fahatanjahany tsara sy ny fahamboniany noho ny vehivavy. Manandanja ho azy ireo izany hoe ilay fitaovana
natao hisakafoana, hitsikiana, hitenenana no manaiky hihinana ny taovam-
pananahany ary tena zava-dehibe ho azy ireo ny fahazoana miaina an’izany.
jeu.
28
avril
2011
Fantatra miavaka tsara ny lahy sy ny vavy eny an-dalam-be eny. Ara-pitiavana kosa anefa dia vitsy no mahalala ny mampiavaka azy ireo. Toy izao ny azo resahana momba izany. Araka ny fanadihadiana iray natao dia voalaza fa tsy dia tia tena, araka ny hiheveran’ny maro azy ny lehilahy eo amin’ny fitiavana sy ny firaisana ara-nofo. Faly izy rehefa mahatsapa fahafinaretana vokatry ny nataony ny vehivavy miaraka aminy. Ho an’ny vehivavy indray dia mahafaly azy ny firaisana ara-nofo rehefa izy tenany mihitsy no nahazo fahafinaretana. Miankina amin’ny fihetseham-pon’ilay lehilahy miaraka aminy ihany koa anefa izany. Rehefa tsapany fa tia azy ilay lehilahy dia efa mahasambatra azy izany, na tsy niaina “orgasme” aza izy. Manokatra varavarana ho amin’ny fitiavana ny firaisana ara-nofo ho an’ny lehilahy. Mora latsa-pitia amina vehivavy namalifaly azy ara-piraisana ara-nofo izy. Mifanohitra amin’izay ny an’ny vehivavy. Mila fitiavana sy tambitamby izy aloha vao latsa-pitia. Manomboka amin’ny ara-batana ny fitiavana eo amin’ny lehilahy vao miditra amin’ny ara-po. Ny an’ny vehivavy indray dia fo aloha vao vatana. Momba izay ara-batana izay indrindra dia fantatra ihany koa fa tompon-dakan’ny fiarahana haingana sy maimaika ny lehilahy. Mila fotoana elaela kosa ny vehivavy vao afaka hahatsapa fahafinaretana. Misy aza no tsy afaka ny ho sambatra mandritra ny fanaovana firaisana ara-nofo.
ven.
22
avril
2011
Matetika dia ny halehiben’io filahiana io hatrany no ambentin-dresaka eo amin’ny samy lehilahy. Ahoana kosa ny amin’ny fivaviana ? Fantaro ary fa mahatratra 8sm eo ny halalin’ny fivaviana amin’ny refy antonony ankapobeny. Mety hiha-lalina kely izy rehefa tonga amin’ny “excitation”, saingy tsy hisy hahatratra 12 sm na izany aza. Mety ho betsaka ireo diso hevitra fa any amin’ny atilalina any no misy ny tena zavatra, manaitaitra. Diso izany. Ny fahaizana mikitika azy ihany no fanalahidin’ny fahataitairany fa tsy ny fanatrarana ny atilaliny. Momba ny sakany indray dia mety ho eo anelanelan’ny 0sm ka hatramin’ny 10sm eo. 0sm rehefa tsy mihetsika ary 10sm rehefa miteraka. Mihenjana toy ny fingotra ny fivaviana araka izany, izay no mahatonga azy ho afaka maneritery ny taovam-pananahan’ny lehilahy mandritra ny firaisana ara-nofo. Izay rahateo no mahatonga azy roa ireo ho afa-miaraka hatrany, na toy inona halehibe na hakelin’ny filahiana.
mer.
20
avril
2011
Ireo « positions » tena ankafiziny; Tohina fanadihadiana natao tamina tranon-kalam-pifandraisana iray no nahitana ireo karazana « positions » dimy tena tian’ny lehilahy. Nitana ny laharana voalohany tamin’ireo ny « levrette », na ny lehilahy avy ao aoriana. Voalazan’ity fanadihadiana ity mantsy fa anisan’ireo zavatra tena tian’ny lehilahy izany hoe mampiseho ny tanjany sy ny heriny izany, indrindra amina firaisana ara-nofo. Manampy betsaka azy amin’izany ity « position » ity. Ao amin’ny laharana faharoa ao indray ny « fellation », na ny vehivavy mitsentsitra. Hatramin’izao, raha ny vokatr’ity fanadihadiana ity hatrany, dia tsy misy maharesy ny “fellation” eo amin’ny paika rehetra hitazonana lehilahy. Tsy ahafoizany io “position” iray io, noho izany, ilana traikefa sy fahaiza-manao tsara ny fanaovana azy.
lun.
18
avril
2011
Mora afa-po kokoa ny lehilahy raha ampitahaina amin’ny vehivavy. Izany no anisan’ny navoitran’ny fanadihadiana aostraliana iray, nivoaka vao tsy ela. Ny isan’ny firaisana ara-nofo no tena manan-danja ho an’ny lehilahy. Ny vehivavy kosa dia mila kalitao, izany hoe na vitsy aza fa tsara dia izay no ilainy. Vehivavy sy lehilahy miisa 6 500 no nanaovana ity fanadihadiana ity. Hita tamin’izany fa manantena firaisana aranofo maromaro an’isa hatrany ny 54%-n’ny lehilahy. Ny mifanohitra amin’izay kosa, izany hoe, tsy dia firaisana ara-nofo marobe no ilain’ny 42%-n’ny vehivavy. Mora mitsoaka ny vehivavy niaina firaisana ara-nofo tsy misy kalitao. Tsy manara-penitra ? Ireo lehilahy mbola tanora, eo anelanelan’ny 16 ka hatramin’ny 24 taona kosa no hita ho tena tsy miraika firy ary tsy mitaky an’izay firaisana ara-nofo marobe izay. Manomboka eo amin’ny faha-30 taonany eo ny lehilahy no voalaza ho mila maromaro matetitetika. Eo ihany koa anefa mazana no maha-maro an’isa ny adidy sy ny andraikitra tsy maintsy iantsorohana ao anatin’ny fiainam-pianakaviana, ankoatra ny asa.
sam.
16
avril
2011
Filahiana vita amin’ny hazo anankitelo no mipetraka eo ambony karipetra fandraisana. Afaka misafidy amin’ireo ny mpitsidika tonga. Ao amin’ny tranon’i Mak Erot any Indonésie any no ahitana izany.Tsy fantatra mazava aloha izay tena niafaran’i Mak Erot,na efa maty na mbola velona any ihany. Saingy fanta-daza eran-tany kosa ny anarany, noho izy nanana hery miafina afaka manalehibe filahiana. Any atsimo atsinanan’i Java any no misy ny tranon’i Mak Erot, ao an-tanànan’i Caringin. I Haji Baban, tovolahy iray manao fitafiana silamo no mandray azo, izay mitonona ho zafikelin’i Mak Erot ary namindrany ny fahaizany sy ny talentany momba izay fahaizana manalehibe filahiana izay
jeu.
14
avril
2011
Toe-javatra mety hitranga eo amin’ny fiainan’ny lehilahy indraindray ilay hoe tsy mahavelona. Ny 76%-n’ny Frantsay no voalaza fa tratr’izay avokoa amin’ny ankapobeny. Ny vaovao tsara ao anatin’izany dia fantatra fa azo atao tsara ny misoroka azy io, araka ireto torohevitra aroso manaraka ireto. Voaresaka voalohany ny tosi-dra. Anisan’ny mahatonga io tranga io mantsy ny fiakarany, koa tsara raha ezahana tazonina ho latsaky ny 13/8,5 izay tosi-dra izay. Manampy betsaka amin’izany ny tsy fihinanana sira be loatra, toraka izany koa ny menaka sy ny siramamy. Ilaina kosa ny fahazotoana mihinana voankazo sy legioma matetika...
mar.
12
avril
2011
Mampametra-panontaniana ny mpivady maro ny fanaovana firaisana ara-nofo mandritra ny fadim-bolana. Toy izao no azo resahana manodidina izany. Azo atao sa tsia ? Ho an’ny mpikaroka dia tsy mbola nisy mihitsy aloha hatreto ny fandrarana ny mpivady tsy hanao firaisana ara-nofo, mandritra ny fotoana fahatongavan’ny fadim-bolan’ny vehivavy. Mety haharikoriko fotsiny izany ho an’ny hafa, nefa rehefa tena mila moa, inona ny olana, hoy ihany ny mpikaroka.
Lazainy aza fa mandritra iny fotoana iny no tena mampiakatra ny filan’ny vehivavy hanao firaisana ara-nofo. Voalaza mantsy fa manampy betsaka amin’ny fanamandoana ny fivaviana ny fisian’ny ra mandritra iny fotoana iny. Fantatra ihany koa anefa, ankoatra izay, fa manafaingana kokoa ny fifindran’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo ny fisian’izay ra izay, ka tsara ny mitandrina, mampiasa fimailo amin’iny fotoana iny. Sady manakana ny ra tsy hitankosona amin’ny filahiana rahateo. Antitranterina ihany anefa fa samy manana ny fitiavany sy ny fahazarany ny olombelona tsirairay. Misy ireo mety hankafy ny firaisana ara-nofo mandritra ny fadim-bolana. Misy ireo rikoriko. Ao ihany koa ireo finoana isan-karazany izay mandrara ny fanaovana izany. Sora-jandiana io ka samy manana ny tiany !
sam.
09
avril
2011
Mety ho betsaka ireo olona nanao firaisana ara-nofo tsy nandalo « préliminaires », na ireo safosafo sy orokoroka mialoha ny tena zavatra. Ho an’i Gérard Leleu, manampahaizana manokana amin’ny fiainana ara-pananahana, dia tsy tokony hametraka olana eo amin’ny tsy fahazoana fahafinaretana loatra izany. Toa izao ireo torohevitra atolony manodidina izany. Entaniny hanao « masturbation » ny olona manao izay firaisana ara-nofo tsy misy « préliminaires » izay. Voalazany mantsy fa manampy betsaka amin’ny fanaitairana ny taovam-pananahana ny « masturbation », sady manafaingana ny fahamandoany. Manaraka izay dia tokony hanala ny sorisorintsaina rehetra ihany koa fa dia afantoka amin’ny fiarahana fotsiny ny saina sy ny vatana manontolo...
jeu.
07
avril
2011
Tsy misy ny olona tonga lafatra raha mbola eto an-tany. Na izany aza anefa dia misy ihany ireo olona izay tsy azo antenaina amin’ny resaka fitiavana. Ireo lehilahy no tena tiana holazaina eto. Ireto misy karazana famantarana vitsivitsy mety hanampy ny andriambavilanitra hahazoany mamantatra ireo lehilahy tsy tokony hiarahana ary mendrika ny handosirana mihitsy, satria mety hamarina any an-kady. Ny fikarohan’ny manam-pahaizana no milaza izany fa tsy hoe foronin’ny gazety tsy akory...
mer.
06
avril
2011
Tsy voatery ho ety an-tanety ihany ny toerana azo hanaovana firaisana ara-nofo. Indraindray koa mba any anaty rano. Raha ao an-trano ohatra no hanandrana hiaina izany dia eo ny trano fidiovana, azo antoka tsara. Ny « baignoire » no tiana horesahana eto. Milamindamina tsara, tsy misy manakotaba ny lafy tsarany. Mety ho olana kely kosa ny fahaterena, ka dia tsy maintsy ny « position » mipetraka ihany no azo atao. Mahazo tombony manokana amin’izay fiarahana anaty rano izay ny mponina any amorontsiraka. Samy mampiakatra tsara ny filana ho amin’izany avokoa na ny hatsembotsembohana, na ny hatsaran’ny andro, na ny feon’ny onja midoboka. Tandremo kosa anefa tsy ho lasa lavitra loatra, sao hatelin’ny ranomasina miaraka indray...
lun.
04
avril
2011
« Antitra ny tena vao be ny tanora », hoy ny fomba fitenintsika izay. Araka ny fanadihadiana iray dia voalaza fa mahatsapa ny tenany ho antitra ny vehivavy manomboka eo amin’ny faha-29 taonany eo, raha any amin’ny faha-58 taonany kosa ny lehilahy. Manomboka mieritreritra izany fahanterana izany ny ankamaroan’ny vehivavy rehefa mipoitra ny volo fotsiny. Eo amin’ny lehilahy kosa dia ny fahatongavan’ny olana mahakasika ny fiainany ara-pananahana no tondro zotra iray mety hahatsapany ny fahanterany. Ankoatra ireo ihany anefa dia milaza ny tenany ho antitra ny 10 %-n’ny vehivavy rehefa tsy malandilandy intsony ny hodiny, ny 50 % rehefa avy niteraka sy nampinono, ny 3 % rehefa mandray ny andraikiny amin’ny maha-renim-pianakaviana azy.Ny ankamaroan’ny lehilahy indray, araka ny voalaza teo ihany, dia mahatsiaro tena ho antitra rehefa tsy afaka miasa be loatra intsony any am-pandriana, ny 22 % rehefa tsy mahazaka mozika mandeha mafy be intsony. Izay izany no tonga amin’ilay hoe samy manana ny antitrany io.
sam.
02
avril
2011
Fomba fitenin’ny olona maro indraindray ny hoe tsy mahita lavaka. Fa ahoana marina tokoa moa ny mahakasika izay lavaka izay ? Eo amin’ny fiainana ara-pananahana no tiana horesahana eto. Ny « pénétration » no fototry ny firaisana ara-nofo, na ny fiarahan’ny lahy sy ny vavy eo amin’ny ara-nofo. Io no dingana manaraka ny “préliminaires”, na ireo safosafo sy orokoroka fanaon’ny mpifankatia ndeha hiaraka handry. “Pénétration vaginale” no resahana rehefa ny fivaviana no voakasika mandritra ny “penetration”. “Pénétration anale” kosa rehefa ny lavaka fivoahan’ny maloto no voakasika. “Sodomie” ihany koa no teny mahalaza azy. An-k avi t s iana ihany vao miresaka ny hoe “penetration buccale”, izany hoe mandeha any amin’ny vava, saingy mazana dia “fellation” no ahafantaran’ny maro izany. Ny tsara ho fantatra ihany koa anefa dia tsy voatery ho ny filahiana hatrany no miasa rehefa miresaka “penetration”. Mety ho tanana io, mety ho lela, mety koa ho fitaovana hafa izay antsoin’ny vazaha hoe “sex toys”..........
jeu.
31
mars
2011
« Préliminaires », na ireo karazana fihetsiketsehana fanao mialoha ny tena firaisana ara-nofo. Betsaka ny lehilahy tsy dia miraharaha azy io, nefa tena ilain’ny vehivavy ny fiainana azy. Satria tsy mitovy ny « excitation » eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Zavatra kely jeren’ny masony fotsiny dia efa mampiakatra izany eo amin’ny lehilahy. Mila fotoana maharitraritra sy fihetsika maro hafa kosa ny vehivavy. Zava-dehibe ho an’ny vehivavy anefa ny “excitation” eo amin’ny fiainany ara-pananahana. Mampalefaka tsara sy mahamando ny fivaviany ary miankina amin’izay ny fahazoany fahafinaretana. Raha ny tena filamatra dia voalaza fa eo amin’ny 10mn eo no tokony ho faharetan’ny « préliminaires » raha fohy indrindra, haha-« exciter » ny vehivavy...
jeu.
31
mars
2011
« Préliminaires », na ireo karazana fihetsiketsehana fanao mialoha ny tena firaisana ara-nofo. Betsaka ny lehilahy tsy dia miraharaha azy io, nefa tena ilain’ny vehivavy ny fiainana azy. Satria … Tsy mitovy ny « excitation » eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Zavatra kely jeren’ny masony fotsiny dia efa mampiakatra izany eo amin’ny lehilahy. Mila fotoana maharitraritra sy fihetsika maro hafa kosa ny vehivavy. Zava-dehibe ho an’ny vehivavy anefa ny “excitation” eo amin’ny fiainany ara-pananahana. Mampalefaka tsara sy mahamando ny fivaviany ary miankina amin’izay ny fahazoany fahafinaretana. Raha ny tena filamatra dia voalaza fa eo amin’ny 10mn eo no tokony ho faharetan’ny « préliminaires » raha fohy indrindra, haha-« exciter » ny vehivavy. Ny safosafo aloha no fantatra fa tena mandaitra amin’io « préliminaires » io. Mila atao misimisy sy amin’ny faritra tena mila azy. Manampy ny safosafo ao ny teny mamy isan-karazany. Manana kisarisarin- tsaina bebe kokoa noho ny lehilahy mantsy ny vehivavy. Izay no mahatonga ny ankamaroan’ny vehivavy hankafy ny tantara an-tsoratra miresaka vetaveta noho ireo lehilahy mankafy izany mivantana amin’ny horonantsary jeren’ny masony. Maha- “exciter” ny vehivavy, ohatra, ny firesahana aminy ny zavatra hatao azy sy ny tiana hatao, saingy tsy maimaika koa milaza izany. Raha ampiharina ireo rehetra ireo dia tsotra. Ataovy aloha izay ahazoana aina, ahafahana mampiasa ny lela sy ny tanana miaraka. Ataovy malefaka tsara ny safosafo, indrindra raha mbola maina ny fivaviana. Mety hiteraka fanaintainana indray izany raha diso mafy loatra. Na izany koa aza tsy hoe mifantoka eo amin’ny faritry ny taovampananahana fotsiny fa tsy tokony hadinoina ny faritra hafa manaitaitra toy ny nono, ny fe, ny hatoka …
lun.
28
mars
2011
sam.
26
mars
2011
Anisan’ireo zavatra sarotra eo amin’ny fiainan-draolombelona ny mampifandrindra ny asany amin’ny fiainam-panambadiany. Indraindray dia vidiana lafo mihitsy io ary misy fiantraikany ratsy amin’ny fiainam-pitiavana. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Care.com tamina fianakaviana amerikana miisa 600 ary dia hita fa vizana tsy manao firaisana ara-nofo araka ny tokony ho izy intsony ny 60%-n’ny mpivady. Soren-dava sy kizitina, na tratry ny rarin-tsaina kokoa ireo mpivady mbola kely anaka, izany hoe ireo manan-janaka tsy mbola mandeha any an-tsekoly. Mbola manahirana kokoa ny fikarakarana ny ankizy amin’io fotoana io....
jeu.
24
mars
2011
Iza no manana filahiana lehibe indrindra ? Efa ela no nipetraka izany fanontaniana izany. Afaka tarafina kosa ankehitriny ny fanadihadiana momba izany, amin’ny alalan’ny fijerena ny sarintanin’izao tontolo izao. Ry zareo ao amin’ny ivontoerana Target Map indray no namoaka izany voka-pikarohana izany, izay nohavaozina tamin’ny faran’ny herinandro teo. Hita ary fa ny Congolais no tena ikoizana indrindra amin’ireo fananana filahiana lehibe indrindra io. Eo amin’ny 17,93 sm eo ny refin’ny filahian’ny lehilahy any amin’ny ank apobeny. Manarak a azy akaiky ao ihany koa ny Equatoriens. Mirefy 17,7 sm kosa ny an-dry zareo ireto. Any amin’ny laharana fahatelo no misy ny Ghanéens miaraka amin’ny refina filahiana 17,31 sm. Mahakasika an-dry zareo Eoropeanina indray dia voalaza fa ry zareo Frantsay sy Belges no tompon-daka, tafakatra any amin’ny 14,88 sm ka hatramin’ny 16,10 sm any ho any. Any amin’ny laharana faramparany any kosa no misy ny firenena aziatika, izay tsy manana refy afa-tsy 9,66 sm ka hatramin’ny 11,67 sm.
mar.
22
mars
2011
Matetika ny ankamaroan’ny lehilahy dia lasa saina sy manahy momba ny habe na hakelin’ny filahiany. Tsy tokony hipetraka anefa izay, satria maro ireo karazana « positions » azo atao, arakaraka ny haben’ny filahiana. Tsara aloha raha tsiahivina fa mirefy 8 sm eo ny fivaviana amin’ny ankapobeny. Any amin’ny 4 sm avy eo amin’ny varavarana no misy ny « point G ». Ny tanjona ho an’ny lehilahy dia ny mahay manome lanja izay taovam-pananahany izay fa tsy voatery hoe hijery ny hakeliny na ny halehibeny.
Ho an’ny tsy ampy refy Ny lehilahy manana filahiana 8 ka hatramin’ny 13 sm eo am-pihenjanana no tiana ambara eto. Ireo karazana “positions” mampifampikasoka ny vatana roa no tena mety ho an’ny toy izany. Tsy mila mahery setra. Milamindamina fotsiny ihany dia efa ampy hiainana ny fahafinaretana faratampony. Azon’izy ireo andramana ny “face à face”, izany hoe mandry mitsilany ny vehivavy, mandohalika manoloana azy ny lehilahy. Akarin-dramatoa ambony soroky ramose ny tongony, hahalasa lalina ny fiarahana. Mety ihany koa ny “positions à accessoires”, izany hoe rehefa mipetraka fotsiny ny vehivavy, na aiza io na aiza dia mety amin-drangahy. Farany dia misy ny “andromaque”, izany hoe ny vehivavy mitaingina eo ambonin’ny lehilahy, toy ireny ambony soavaly ireny............
mar.
22
mars
2011
I Italia indray izany ankehitriny no voahosotra ho tompon-daka amin’ny fananana saosisy lava indrindra eran-tany, raha Roumanie no nitazona izany toerana izany teo aloha. Mpanamboatra « charcuterie » iray ikoizana ao Penne, tanàna iray afovoan’i Italia, no nanamboatra ity saosisy lava indrindra eran-tany ity, nampian’ny namany sivy mirahalahy. Nahatratra 600 metatra ny halavan’ilay saosisy ary nanamarina izany mihitsy ny « agence Ansa ».
Nangalana vadin-tany mihitsy ihany koa, ankoatra izany, nanamarina io halavana io. Rehefa vita moa ny fandrefesana dia namidy, nozaraina ho 6 000 ilay saosisy 600 metatra. Nanaovana asa soa nanohanana fikambanana iray mpanao asa soa any Italia ihany ny vola azo tamin’io.
Rehefa nanontaniana ny antony nanamboarany izany saosisy lavabe izany i Alberto Della Pelle, ilay “charcutier”, dia nilaza fa te handrombaka ny tompon-daka eran-tany amin’io lafiny io izy. Antony iray izay. Antony manaraka dia ny ahazoana manangona vola ho fanampiana ny olona mahantra karakarain’ity fikambanana mpanao asa soa ity. Hatreto aloha dia tsy mbola nanoratra ny anarany ho ao anatin’ny boky mirakitra ireo zava-bita tsara indrindra ny mpikarakara. Atsy ho atsy angamba.
sam.
19
mars
2011
Ny fomba fanafosafoana vehivavy no natolotra teto tamin’ny gazety nivoaka farany, ny alakamisy lasa teo. Amin’ity anio ity indray dia ny fanafosafoana lehilahy indray no ampahafantarina antsika. Raha hanafosafo ny lohan’ny lehilahy ary dia atao toy ireny hanakorontana ny volony ireny no fomba fanaovana azy. Alefa moramora any anaty volony ny felatanana, toy ny fanafosafoana zazakely. Hidina amin’ny tanany sy ny heliny indray rehefa vita izany. Atehika tsara eo ambony sorony ny tanana roa. Asosa mora midina manaraka ny sandriny roa. Ingaina moramora amin’izay ny tanany, ka horohana ao ambany heliny. Afaka manaikitraikitra kely ihany eny anelanelany eny. Raha hanafosafo ny tratra kosa dia toy izao indray ny fomba. Ny volo no avela hanafosafo ho an’ny vehivavy lava volo. Ny faritra manodidina ny loha-nono kosa no safosafoina amin’ny tanana. Rehefa tsapa ho “excité” tsara izy vao ampiasaina ny lela sy ny tsentsitra isan-karazany..............
jeu.
17
mars
2011
Fihetsika manan-danja, tsy azo atao tsinontsinona eo amin’ny fiainam-pitiavana ny safosafo. Ilana fahaizana araka izany ny fanaovana azy fa tsy hoe ataotao fahatany amin’izao. Toy izao ny torolalana momba ireo safosafo atao amin’ny faritry ny vatana, miankina amin’ny toerana misy azy tsirairay.
Raha ny tarehy no safosafoina dia ny ankihiben-tanana sy ny fanondro no ampiasaina. Eo amin’ny takolaka sy ny saoka ary eo amin’ny manodidina ny maso no tena mila safosafo. Raha eo amin’ny molotra indray dia tsy tokony ho maimaika hampiditra ny lela. Tsentsafina moramora ny faritra ambony sy ambany amin’ny molotra, atao mifandimby. Ny manodidina ny molotra aloha no tokony horohana, izay safosafo atao amin’ny vava ihany koa. Izay vao manoroka maharitra.
Faritra anisan’ny manaitaitra ao amin’ny vatan’ny vehivavy koa ny sofina. Bitsibitsika sy oroka no ampifangaroina atao eo am-potony, hampiakarany ny filana. Ny faritra ety ivelany amin’ny sofina no voalaza ho tena manaitaitra noho ny faritra ao anatiny...
lun.
14
mars
2011
Samy manana ny fombany ny olombelona tsirairay rehefa any am-pandriana. Ao ireo mikiakiaka. Ao ny tsy andrenesam-peo. Misy ihany koa ireo tena diso mitabataba loatra, ren’ny manodidina. Ity farany ity no tena ilam-bahaolana. Tsy dia hoe izay tianao atao irery koa no tsy maintsy tanterahana, fa eo dia eo indrindra ihany koa ny tian’ny vadinao. Inona no mahafinaritra azy ? Tsara ny mamantatra an’izany. Raha ny filazan’ny mpikaroka mantsy dia samy ratsy na ny mihiakiaka mafy be loatra, na ny mijanona fotsiny amin’izao tsy mahaloa-peo. Ny fahaizana mandanjalanja an’izay no tena filamatra. Misy koa ireo olona sasany, na lehilahy io, na vehivavy, ny manao sinema ka mody mamoaka feo nefa tsy mahatsapa na inona na inona akory ny vatany ary izay ilay mamitaka. Tokony ho ny baiko ampitain’ny vatana ho any amin’ny saina mahakasika ny fahazoana fahafinaretana no iainana fa tsy hamoromporona fiarahana hafa eo fotsiny. Rehefa tena tonga amin’ny fahafinaretana ny vatana dia amin’iny no ivoahan’ilay hiaka, izay tokony ho anao irery, tsy itovizanao amin’ny hafa. Iny ihany koa no voalaza ho anisan’ny tsy ahafoizan’ny vadinao anao. Misy kosa anefa ireo sentosento kely eny anelanelany eny. Famporisihana indray iny, hifanoroana ny amin’ny fomba tiana sy tsy ankasitrahana. Fiainana manokan’ny mpivady ny fiarahana any am-pandriana. Tsy tokony hamitapitahana na hilalaovana sarimihetsika. Ny fitiavana sy ny filana no tokony hibaiko dia mizotra ho azy ny zavatra rehetra. Monica
ven.
11
mars
2011
Maro ihany izay filazana etsy sy eroa izay fa hoe mpampiana-dratsy ny haino aman-jery, ary anisan'ny voatonoton'INY OLONA INY iray tamin'ny fahitalavitra ny gazetintsika. Nambarany tamin'izany fa io gazety io mihintsy no mitarika ny tanora hifoka rongony, handroba, hanolana... Tsy dia mitombina anefa izany satria tsy resaka "sexe" no votoatin'ny lahatsoratra fa "sexualité" (zany hoe fitaizana ny fihainana ara-pananahana), ary milaza mihitsy ny gazety fa natokana ho an'ny zatovo sy ny olon-dehibe izay inoana fa afaka mandanjlanja io pejy manokana io...
mar.
08
mars
2011
Tokony haharitra adiny firy ny fanaovana firaisana ara-nofo ? Mety hahatonga im-piry ny olona iray ao anatin’ny alina iray ? Mila maharitra adiny firy ny fihetsiketsehana isan-karazany fanao mialoha ny tena firaisana ara-nofo ? Mety ho karazana fanontaniana ho tonga ao antsain’ny maro ireo ary mety hilany valiny ihany koa. Toy izao no azo resahana mikasika izany. Ho an’ny ankamaroan’ny olona mantsy dia ny tarehimarika sy ny antontanisa no tena mahamaika momba ny fiainana ara-pananahana. Mazana dia mahamatikambo ny lehilahy ny firesahana ireo zava-bitany manodidina izany.........
ven.
04
mars
2011
Araka ny fanadihadiana nivoaka tamin’ny site www. autoscout24.fr dia fantatra fa frantsay 2 amin’ny telo no nanambara fa efa nanao firaisana ara-nofo tao anaty fiarakodia, izany hoe 69% ho an’ny frantsay eo amin’ny laharana voalohany raha 56% monja ho an’ny allemands eo amin’ny laharana faharoa. Fanontaniana telo no napetraka tamin’izy ireo : karazana fiarakodia toy inona no mety sy tsara ho anao amin’izany, inona no fanomezana ho an’ny fetin’ny Saint Valentin tianao indrindra ary ny hoe efa nanao firaisana ara-nofo tao anaty fiarakodia ve ianao? Ho an’ny fanontaniana voalohany dia ny fiarakodia “coupé cabriole” no be mpisafidy indrindra izay nitana ny laharana voalohany. Ny fiarakodia 4x4 kosa no faharoa izay 1 amin’ny 10 no nisafidy azy ary 8% monja kosa no nisafidy ny fiara monospace. Ho an’ny fanontaniana faharoa kosa dia ny fanomezana fiarakodia no be mpisafidy indrindra. Manaraka azy avy eo ny peratra vita amin’ny diamondra ary fahatelo ny famataranandro raitra dia raitra. Tsatsara toerana amin’ny fanomezana koa anefa ny tononkalo nosoratan’ilay olon-tiany. Ho an’ny fanontaniana farany moa dia 69% n’ny frantsay no efa nanambara fa efa niray ara-nofo tao anaty fiarakodia ary 11% no maniry hanao izany. Zaka Fils
lun.
28
févr.
2011
Voalazan’ny fanadihadiana iray fa misy karazana asa mety hahasarika ho amin’ny fampirafesana avy hatrany. Asa voasokajy ho mampanonofinofy ny lehilahy sy ny vehivavy. Voalohany indrindra amin’ireo asa ireo ny an’ny « hôtesse de l’air” na ny an’ ireny vehivavy miandraikitra ny mpandeha eny ambony fiaramanidina ireny, eo amin’ny nofin-dehilahy. Ny lehilahy mpanao tao-trano na “achitecte” kosa no asa mampanonofinofy ny vehivavy. Ireny asam-behivavy mitaky fanaovana “uniforme”, toy ny aron’akanjo ireny no voalaza ho miteraka ny nofinofindehilahy. Ny antsasa-manilan’ny lehilahy no manonofy hiaraka amin’ny “hôtesse de l’air”, manaraka azy ao ny mpitsabo mpanampy (42,8%), ny mpitantsoratra (37,7%), ny mpitsabo (36,1%). Ny mifanohitra amin’izay indray dia fantatra fa ny 3,1% monjan’ny lehilahy no te hiaraka amin’ny vehivavy mpikirakira informatika, 1,6% amin’ny mpamily iarakretsaka. Tsy fantatra izay tena antony … Eo amin’ny tontolon’ny vehivavy indray dia ny karazana asa mampidi-bola be no tena mahasarika azy sy miteraka nofinofin-tsaina amindehilahy. Ny 40%-n’ny vehivavy no milaza ho voasariky ny lehilahy mpanao tao-trano, 37,4% amin’ny mpisolovava. Any amin’ny laharana fahatelo ny mpitsabo (37,1%). Tsy maharototra ny vehivavy kosa ny hiaraka amin’ny lehilahy mpijanona ao an-trano (3,2%) sy ny mpamboly (2,7%).
mer.
23
févr.
2011
Raha ny lalàna dia fangalaram-pitia ny fitiavana ivelan’ny tokantrano ary mety hitondra aretina ho an’ny vady ao an-trano. Misy anefa ireo tsy te hahalala izany ka minia mamboly fitiavana any an-kafa ihany. Toy izao ny fomba fialana amin’ny lehilahy manambady, raha sendra izany ianao vehivavy. Mialoha ny zavatra rehetra dia voalaza fa tsy dia ny vehivavy hatrany no meloka, lazaina ho maka vadin’olona amin’itony tranga itony. Ilay lehilahy manambady mihitsy no misarika, manao izay ahazoana ilay vehivavy. Atao avokoa izao karazana langolangon-dresaka isan-karazany izao, hatramin’ny fanaratsiana ny vady ao an-trano. Roboka ihany amin’ny farany ny vehivavy ka dia miafara amin’ny fiarahana izany matetika.
lun.
14
févr.
2011
Anisan’ireo sakafo azo atao fanomezana ary manana ny dikany ny sôkôla rehefa fetin’ny mpifankatia toy izao. Nandia vanim-potoana maro ny tantaran’ny sôkôla, eo amin’ny maha-sakafo manaitaitra ara-pilana azy. Efa elabe fahiny mihitsy no nanana ny lazany ho sakafo manaitaitra ny kakao. Nisy nitantara aza fa nihosotra vovo-ka kakao ny tompontany Indiana, hampatsirotsiro ny fiarahana, hono. Teny amin’ny an-kasarotana no nanosorany izany. Norarana kosa indray ny fihinanana sôkôla teny anivon’ireny toerana fitaizana zaza amin’ny f inoana k r i s t iana i reny tamin’ny taona 1624. Manampahaizana ara-pivavahana no nanao izany fandrarana izany, mba hisorohana ny fihetsika mety mamoafady ataon’ny ankizy any hono. Betsaka ireo kisarisary niangaliana tamin’ny taonjato faha-XVII izay nampiseho olona mpifankatia miara- misotro sôkôla mafana. Nisy ireo fikarohana nilaza fa mampafana ra ny sôkôla. Amin’izao fotoana izao moa dia ity “aphrodisiaque” ity indray no voizina. Voasokajy ho ao anatin’ireny ny sôkôla. Mazotoa homana !
jeu.
10
févr.
2011
Mpikaroka iray, teratany Frantsay, ikoizana eo amin’ny fifehezana ny resaka fananahana izany Gérard Leleu izany. Sady mpitsabo ihany koa izy, ankoatra izany. Nanoratra boky mandalina ny vehivavy hetsaka izy taona vitsy lasa izay, namaritany ny fombafomba rehetra fanaon’ny vehivavy momba izany. Raha ny fanazavany dia misy ny faritra tena anatin’ny taovam-pananahana, dia ny « cavité vaginale ». Io no itoeran’ny kintan’ny fahafinaretana rehetra, izay tena voarafitra hanaraka izay anjara asany izay. Ao mantsy no fanalahidin’ny hetsaka rehetra eo amin’ny vehivavy. Hita ao anatiny ao ny « point G », ny « points A, P sy ny C » izay samy miteraka fahafinaretana ho an’ny vatana avokoa rehefa voakitika. Hazavainy amin’ny pitsopitsony mihitsy ireo teboka karazany maro ireo sy ny mety ho fifandraisany amin’ny fiainana ara-pananahana. Taty amin’ny taona 1940 taty vao tena hitan’ny fanadihadiana natao ny asan’ny “point G” ao anatin’ny “cavité vaginale”. Mbola misalasala ny amin’ny fisiany anefa ny ankamaroan’ny mpitsabo manokana ny fahasalamana ara-pananahana ary misy mihitsy ireo tsy mino izany. Ireo vehivavy efa nahita sy nanandrana ny mihetsaka avy amin’ny alalan’ny fikitihana azy kosa anefa dia tsy miasa saina amin’izay fikarohana sy fanadihadiana rehetra any. Ho azy ireny dia tokana ny zavatra niainany, dia ny hetsaka amin’ny alalan’ny “point G”. Koa dia asakasany !
lun.
07
févr.
2011
Toy ny zavatra rehetra ihany dia mety hankaleo ihany koa ny fiarahan’ny mpivady ao. Mila miala kely amin’ny mahazatra ihany hisorohana izany. Toy ny hoe ovaovaina ny toerana hanaovana firaisana ara-nofo. Mila alefa lavitra ny saina indraindray … Hatramin’izao aloha dia mbola ny any anaty fiarakodia hatrany no hafa indrindra amin’ireo toerana tsy mahazatra ireo. Toraka izany ihany koa ny any anatin’ireny “ascenseur” ireny. Ho an’ireo olona monina any amoron-dranomasina dia manome toky tsara ny tora-pasika amin’ilay takariva mody masoandro iny. Ho an’ireo tia milomano indray dia azony atao tsara ny manao firaisana ara-nofo any anaty dobo filomanosana, na anaty rano tsotra azo ilomanosana. Mbola ao ny trano fijerena sarimihetsika, ilay anaty haizina, saingy any aoriana, tsy tokony hisy hahita. Voalazan’ireo efa be traikefa amin’izany fa ilay tahotra ny hisy hahatsikaritra izay indrindra no tena mampiakatra ny filana ao anatin’ny vatana, rehefa hoe hanova toerana miala amin’ny mahazatra. Akaiky ity ny fetin’ny mpifankatia, ankalazaina isaky ny 14 febroary. Fotoana hanapahana hevitra hialana amin’ny mahazatra. Koa mba andramo ihany, na dia amin’io fotsiny aza.
lun.
07
févr.
2011
Fahazoana fahafinaretana, fanalana rarin-tsaina … Anisan’ny tombony azo avy amin’ny fanaovana « masurbation » avokoa izany, raha ny filazan’ny mpikaroka. Lalana : ny fikitihana ny “clitoris”. Avy amin’ny teny latina no nihavian’ny hoe “masturbation”. Ho an’ny foto-pinoana sasany dia mety ho heloka ny fanaovana azy, noho izy maka fahafinaretana samirery, tsy misy vady. Ny 45%-n’ny vehivavy eran-tany no voalaza ho manao azy matetitetika. Mandray anjara lehibe ao anatin’izany ihany koa ny fomba nanabeazana ny ankizy tsirairay. Misy ireo fikarohana milaza fa mivelatra kokoa ny fiainana ara-pananahan’ny vehivavy manao “masturbation”. Fomba ahazoana mamantatra ny vatana sy ny faritra manaitra anefa izy io, raha ny voalaza ihany..........
sam.
05
févr.
2011
Tsy zava-baovao intsony kosa angamba izany : afaka manao firaisana ara-nofo soa aman-tsara ny mpivady, na mitondra vohoka aza ramatoa. Na izany aza anefa dia misy toe-javatra tokony hotandremana ihany ireto. Mila tandrovana fatratra ny fahadiovana na ho an’ny reny, na ho an’ny ray. Ahiana kokoa ho an’ny fifindrana sy ny fidiran’ny otrikaretina ny fotoana fitondrana vohoka, ka mila mitandrina. Matetika dia feran’ny mpitsabo ny isan’ny firaisana ara-nofo ataon’ny mpivady raha toa ka miandry kambana ilay reny. Ny fisorohana ny fahaterahana tsy tonga volana no voalaza ho antony. Raha ny filazan’ny manam-pahaizana manokana, ankoatra ireo, dia tsy tokony ho fady velively ny firaisana ara-nofo mandritra ny vohoka. Misy ireo mpivady mankafy izany, misy kosa ireo tsy tia. Misy fomba hafa azo iainana ny fananahana ihany koa, tsy voatery hoe misy “pénétration”. Vitsy ny renim-pianakaviana mahasahy manontany ny mpitsabo momba izay fiainana ara-pananahana mandritra ny fitondrana vohoka izay. Tsy tokony hisalasalana anefa izany. Ny mpitsabo irery ihany no mahafantatra ny toe-pahasalaman’ny reny sy ny zaza ao am-bohoka, afaka manampy tsara manoro hevitra ny amin’izany. Tonga amin’ilay hoe “aleo manontanontany foana toy izay manaotao foana”.
ven.
04
févr.
2011
Olona iza eto an-tany no tsy mba manonofy izany fitiavana tokana, maharitra izany ? Nefa raha sendra voafitaka indray mandeha ny olona dia matetika tsy mino intsony ny tena fitiavana … Misy tokoa ve ny tena fitiavana sa nofy fotsiny ihany ? Ny tantaram-pitiavana sy ny angano matetika no anton’izay nofinofim-pitiavana izay, indrindra fa ho an’ny andriambavilanitra. Raha tena toy ireny tokoa moa ny zavamisy marina eo amin’ny olondroa mifankatia ! Manimba ny fitiavana eo amin’ny fiarahan’olon- droa anefa izay fanonofisana be fahatany izay. Tsy tokony ampifangaroana ny zavatra rehetra. Ny filana no tonga avy hatrany ho an’ny olona roa mifampisarika fa tsy dia ny fitiavana loatra matetika. Rehefa tena mifankafantatra tohin’ny fifaneraserana matetika ny olon-droa vao afaka miresaka fitiavana. Mivoatra manaraka ny toetrandro ny fitiavana...............
lun.
31
janv.
2011
« Anulingus » no anarana fiantso azy amin’ny teny vahiny, saingy “pétale de rose” ihany koa na felan-draozy dia efa mahalaza azy tsara ihany koa. Inona indray izany ? Tsy inona izy io fa ny fikitikitihina amin’ny lela ny fitombenana amin’ny lafiny rehetra. Fitsentsefana ihany koa ny “périnée”, na ilay hozatra kely mitazona ny taovampananahana. Faritra anisan’ny tena mora mandray safosafo ary mampientana avy hatrany raha vao voakitika ireo. Ny ampahatelon’ny olona efa zatra manao azy ity no milaza fa afaka miaina “orgasme” izany hoe tonga amin’ny fahafinaretana faratampony avy amin’ny alalan’ny felan-draozy. Fihetsika mampiseho sy itrandrahana ireo faritra faran’ny marefo ao anatin’ny vatan’ny olombelona ny fampiharana ny felan-draozy. Mila madio ara-dalàna ny vatana manontolo rehefa hanao azy, araka izany. Tandremo ihany koa ireo aretina mety hifindra avy amin’ny alalan’ny firaisana ara-nofo. Misy ny fitaovana fiarovana antsoina hoe “digue dentaire”, izay toy ny fimailo fametraka ao ambava. Ramalina aza mifehy hazo tokana, ka tsy misy toy ny malina sy ny mitandrina ihany amin’io resaka iray io.
jeu.
27
janv.
2011
Efa maro karazana ihany izay fihetsika na « position » noresahana teto izay, mikasika ny fiarahan’ny mpivady. Fotoana indray anio hampahafantarana ny hoe « Hussarde », manaitaitra, tsotra, azon’ny mpivady hampiharina amin’ny toerana rehetra, indrindra fa eo ambony latabatra. Voalaza fa ny « Hussarde » no fihetsika tena manaitaitra indrindra raha ara-tsaina. Ramatoa no tena mor a « excitée », raha vao misaintsaina fotsiny ny hoe hiaraka amin-dRangahy eo ambony latabatra. Rangahy indray kosa mahatsapa ny tenany ho tena mafy be, sady matanjaka tsara. Mandry mitsilany tsara ny vehivavy eo ambony latabatra, misokatra tsara ihany koa amin’ny lafiny rehetra. Mora ny firaisana ara-nofo arak’izay ary tsy mananosarotra ny lehilahy velively. Bibibiby fihetsika ny “Hussarde”, saingy tena mampientana tsara ny “point G” kosa. Ny tena mahatsara ny “Hussarde” sy mahatonga ny anarany ihany koa dia noho izy tampotampoka, amin’ny tsy ampoizina. Azo atao mialoha, mandritra, aorian’ny fisakafoana. Tsy misy afaka manakana izany ary tena haingana toy ny tsy natao. Mbola betsaka ireo fomba hafa mety hahaliana antsika, saingy misy fotoanany ihany koa ny zavatra rehetra, araka ny oha-pitenenantsika mahazatra izay. Matetika dia fahatsiarovana maharitra ao an-tsaina no apetrak’izy ireny
mar.
25
janv.
2011
« Clitoris », na kitso, na tsaramaso. Io no tena taovan’ny fahafinaretana. Bokotra kely mety ho vitsy mpahalala, nefa miasa be eo amin’ny fananahana. Indro ampahafantarinay anio ny mombamomba azy. Eo amin’ny fihaonan’ny “petites lèvres” no misy ny kitso, ho an’ireo tsy mahafantatra. Rehefa safosafoina na kasikasihina izy dia mihitatra ka eo no ahitana ny toerany. Tsy hita manontolo ety ivelany ny kitso. Eo amin’ny 1sm eo ihany no hita, dia iny faritra mavokely miseho kely iny. Miova araka ny toebatan’ny vehivavy tsirairay ny haben’ny kitso, 2 ka hatramin’ny 4sm eo. Tsy misy ifandraisany amin’izay habeny izay velively anefa ny fahataitairany. Misy itovizany amin’ny filahiana ihany ny kitso, eo amin’ny fombafombany. Mitaramena izy ary mitombo ny hadiriny rehefa ampy tsara ny “excitation”. Faritra tena marefo ao amin’ny taovam-pananahana kosa anefa ny kitso ka tsy tokony hoe hiraparapana ny fikitihina azy. Fihetsika kely mahery setra fotsiny dia mety hampanaintaina azy. Aza kitihina mihitsy izy raha tsy ampy tsara ny hamandoan’ny taovam-pananahana manontolo. Ataovy betsaka ny safosafo sy ny orokoroka … hahamando azy. Tsy ny atin’ny “clitoris” ihany koa no kitihina fa eo amin’ny molony sy ny manodidina ivelany fotsiny ihany. Miteraka ny “orgasme” ho an’ny vehivavy ny fahaizana mikitika ny “clitoris”. Izay ilay antsoina hoe “orgasme clitoridien”
lun.
24
janv.
2011
Ny 30%-n’ny lehilahy Frantsay no voalaza ho tsy mahatazona ny ranon’aina fa diso tonga aloha loatra rehefa manao firaisana aranofo. Mety hitranga amin’ny lehilahy Malagasy ihany koa anefa izany. “Ejaculation précoce” indray kosa no anarana iantsoana izany amin’ny teny vahiny. Tsy aretina izy io fa fomban-javatra ihany. Amin’ny voalohany aloha tsy mahataitra ny tonga aloha loatra, saingy mety hampieritreritra ihany kosa izy rehefa tena miverimberina matetika. Tsy vitan’ny hoe tsy fahatomombanana ara-batana ny tonga aloha loatra fa manakorontana ny sain’ny lehilahy iharany ihany koa. Tsy tokony ho tezitra na sorena na hanome tsiny azy ny vehivavy miaraka aminy, satria mahatsiaro ny tenany ho tsy afa-po koa ilay lehilahy miaina izany..................
mar.
18
janv.
2011
“ N y m p h o m a n i e ”. Fikorontan’ny fiainana arapananahana mety hitranga amin’ny vehivavy. Gasian’ny maro fotsiny amin’ny hoe vehivavy misy foza, noho izy manana filana hanao firaisana ara-nofo be loatra, izay mety hanimba ny fiarahan’olonkafa. Ny momba izay indray no horesahantsika anio. Avy amin’ireo zazavavindrano tantarain’ny angano grika no nihavian’ny teny hoe “nymphomanie”. Ireo vehivavy mila manao firaisana ara-nofo isaky ny mihetsika izao, tsy manam-pahataperana no tratry ny “nymphomanie”. Tsy misy ifandraisany amin’ny fihetseham-po tia anefa izay filana izay. Mila firaisana aranofo dimy ka hatramin’ny folo isan’andro ny vehivavy miaina izany vao afa-po. Manahirana ny mpikaroka ihany ny momba ny “nymphomanie” satria tsy hita izay ifehezana azy. Misy ireo manazava fa fikorontanana ara-tsaina mihitsy no mahatonga azy, toy ireny mila alikaola na zava-mahadomelina ireny. Misy ihany kosa anefa ny fanazavana izay mampifandray azy amin’ny tsy fahatomombanana arabatana. Fanafody manokana no itsaboana ny vehivavy “nymphomane”. Torohevitra tsotra ihany no azo atao dia ny aza voany sy ny aza sendra azy.
lun.
17
janv.
2011
Tsy miafina izany ! Ny lehilahy no tena liana kokoa noho ny vehivavy amin’ny fiainana ara-pananahana, indrindra ny any am-pandriana any. Inona ary hono izato tena ankafiziny, inona ny nofinofiny, hatraiza ny tena fahefany … Fanontaniana misy valiny avokoa izany. Fanontaniana iray mibahan- toerana ary ny hoe fa maninona ny lehilahy no adalan’io resaka io ? Valiny. Efa toe-batany mihitsy izany, noho ny “testostérone” be loatra ao aminy. Io no fototry ny filan’ny lehilahy, izay mampiakatra ny hafanany sy ny faniriany ho amin’ny firaisana ara-nofo hatrany isaky ny mihetsika izao, noho ny an’ny vehivavy............
jeu.
13
janv.
2011
Oroka voalohany ! Samy nanana ny fomba niainany izany ny tsirairay. Mety ho tany amin’ny alim-pandihizana, nidobodoboka be ny fo, maimaina ny molotra sy ny tanana … Tsiambaratelo izany. Navoakan’ny fanadihadiana britanika iray fa saika mahatsiaro ny 90%-n’ny pitsopitson- javatra natao nandritra ny oroka voalohany avokoa ny ankamaroan’ny olona. Io aza no voalaza ho manan-danja kokoa ao an-tsaina noho ny nahaverezana ny maha-virjiny. Ho an’ny manam-pahaizana iray, izay nanoratra boky mikasika ny oroka dia ny vehivavy no tena mankafy kokoa ny oroka noho ny lehilahy, na diso fanantenana ihany aza izy indraindray amin’ny vokany. Zavatra hafa mihitsy matetika no kendren’ny lehilahy anatin’ny oroka, dia ny firaisana ara-nofo. Ho an’ity mpikaroka ity ihany dia somary mahery setra kokoa ny lehilahy rehefa manoroka noho ny vehivavy. Toy ireny te hampita zavatra mahery vaika any amin’ilay vehivavy horohany ireny izy. Mety haha-latsa-pitiavana avy hatrany ny vehivavy iray ihany koa anefa ny oroka. Ny ankamaroan’ny vehivavy izay fantatra fa betsaka no diso fanantenana amin’ny oroka voalohany.
mar.
11
janv.
2011
Ny nono ! Faritra tian’ny lehilahy io. Na kely io na lehibe, tsy misy iasany saina amin’izany fa tiany foana. Azo ampiasaina tsara hi-“exciter”- na ny lehilahy ny nono, hampiakarana ny filana eo amin’ny mpivady. Ahoana indray ny fomba fanaovana izany ? Maro karazana ny fomba azo atao. Iray amin’ireo ny fanatsambikinana azy. Fihetsika tsotra nefa tena mahomby … Manaova tati-nono fotsiny, na akanjo ambony manara-batana. Mitsambikimbikina eo ambony fandriana na eo ambony sezalava. Hahafaly azy izany fa andramo. Fomba iray azo atao ihany koa ny fanerena ny nono eo anoloan’ny fitaratra. Atehika amin’ny fitaratra ny nono, tsy anaty tati-nono fa amin’izao fotsiny. Na io fitaratry ny trano, na an’ny fiara, na fitaratra tsotra fitarafana. Ho hitanao eo ny vokany. Ao ihany koa ilay fametrahana lokomena eo anelanelan’ny nono roa. Ezahana takarina hosorana ilay lokomena ny molotra no asosa moramora miakatra ihany ny lokomena...............
sam.
08
janv.
2011
Tsy mitovy amin’ny fiainana maha-mpitovo intsony ny fiainan-tokantrano. Mila fitandremana noho izany ny fifandraisana eo amin’ny mpivady satria na eo aza ny fifampatokisana misy eo aminareo roa dia ao koa ireo mpandrav laka. Ireo misy lisitry ny karazam- behivavy tsy azo ampanaikaikezina ny vadinareo raha tsy hoe angaha vonona nizaka izay vokany ianareo. « Flatteuse » : Ilay handoka ny vadinao hoe mitovy amin’ny mpilalao sarimihetsika toa an-dry « Georges Clooney », kanefa vao omaly ianareo mivady no nifampiresaka fa mila mihena izy........
ven.
07
janv.
2011
Mety ho voatondro molotra ianao manambady lehilahy lehibe zokinao 20 taona. Tsy mora ny mitondra izany tokantrano izany ary mila fitaizana manokana. Fotsy ny volony, feno kentrona ny tarehiny, mibontsina ny kibony, mety tsy hitovy amin’ireo tovolahy tsara tarehy amin’ny boky sy fahitalavitra ny ramosenao. Nilaozan’ny taona efa ela tokoa ve ? Tsy maninona izany fa matoa nivady ianareo dia tao ny fitiavana. Fanolokoloana izay fitiavana izay no mila ananao vadiny mba hampateza ny fiarahanareo fa tsy hoe izy zokiolona ka be ny tanora dia hanenina. Tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka. Lahiantitra sy bodokely hoy ny fiarahamoninan “tsy mitovy taona amin’ny rainy ve iny”, “marina ianareo raha mba hanan-taranaka”, vava mipoaka izany. Raha tena fitiavana tsy olana izany, fa raha noho ny tombon- tsoa, mihevera tena. Mety handratra anao ny mason’ny manodidina sy ny mpandalo, hodio fanina izany. Aza mihevitra hoe heloka bevava ny fitiavanao azy. Ny fahasambaranareo miaraka no zavadehibe. Tsy voatery haharitra koa anie ny fiarahana amin’ny lehilahy tanora e !........
mer.
05
janv.
2011
Maro ireo olona manofy t sy faneho masoandro. Mahatsiaro tena ho safononoka tokoa na lahy na vavy eo am-panofisana kanefa rehefa tonga ny maraina dia maro ireo fanontaniana mipetraka satria mahatsiaro tena ho meloka na ho nahavanondoza ilay mpanonofy. Inona tokoa no tsy mety ? Mety ho tena namaivay ilay nofy fa izany tsy midika hoe mpankafy na tena tsy ampy fahafaham-po amin’ny resaka fananahana ny vehivavy na lehilahy iray. Mila mahay mampisaraka ny nofy amin’ny zava-misy anefa ny tsirairay. Manambara fahasalamana ara-tsaina tomombana ny fisian’ireny karazana nofy “X” ireny satria manampy ny olona hanala ny rarin-tsainy ary hiatrika ny tahotra sy izay rehetra mety ho fihibohana. Araka ny voalazan’ny manam-pahaizana dia tsy kisendrasendra ny fisian’io nofy io fa vokatry ny ny filàna izay diavina mandritra ny andro. Mety hiverina izany ireo fihetseham-po samihafa rehefa tonga ny alina ka manome fahafinaretana................
ven.
31
déc.
2010
teniteny atao mandritra ny firaisana ara-nofo. Mampiakatra ny filana ny fahaizana milalao azy amin’io fotoana io. Fihetsika iray ifampizaran’ny mpivady ihany koa ny resaka eo am-panaovana firaisana ara-nofo, raha ny filazan’ny mpikaroka. Misy ireo entin-kenatra ka tsy mahaloapeo. Betsaka anefa ny lehilahy te hampiaraka ny fihetsiny amin’ny teny ary misy tokoa ny sahy. Mila tandremana kosa ny teny avoaka, na izany aza. Mety handratra ny lehilahy sasany izany, na koa tsy hampifantoka azy intsony amin’ny zavatra ilofosany. Inona ary ny teny holazaina ? Tsy mila fehezanteny sarotra be. Ny “moramora, ampio, ambanimbany, ambonimbony …” dia efa mifono zavatra marobe, mampiakatra ny “excitation”-ny. Ao ihany koa ny “tiako ianao” rehefa tonga amin’ny fotoany, izay teny manambatra anareo roa ho iray. Misy indray ny teny somary mivantambantana. Iny kosa no famoahana ilay maha-biby ao anaty, ilay maherihery setra sy masiatsiaka. Saingy mila malina mampiasa azy. Samy manana ny tiany ny olona tsirairay mahakasika ny fiainana ara-pananahana. Nefa raha hampiakatra ny fahafinaretana ny teny kely ifampizarana, inona moa no hahasakana azy tsy holazaina ?
mar.
21
déc.
2010
Fanafody iray malaza ho mampihenjana tsara ny filahiana ny Viagra. Raha ny vokatry ny fikarohana amerikana iray natao dia fantatra fa mahasolo tsara ny vokatra ateraky ny Viagra eo amin’ny vatan’ny lehilahy ny “pasthèque” na ny voajabo. Tsy sangisangy izany ! Hitan’ireo mpikaroka tao Texas fa mitovy tanteraka amin’ny fiasan’ny Viagra ny asan’ny singa “citrulline” hita ao amin’ny voajabo. Voalaza fa mahatsara ny fihitaran’ny lalan-dra ny voajabo, izay manampy ny filahiana hihenjana araka ny tokony ho izy. Fanamarihana kely fotsiny. Tokony ho 1,5l amin’ny ranon’ny voajabo no sotroina vao mahafeno ny fepetra mahasolo ny Viagra azy. Momba ny mety ho vokadratsy indray kosa dia voalaza fa mampiakatra ny habetsahan’ny siramamy ao amin’ny ra ny voajabo raha hohanina be loatra no sady mampivalan- drano tafahoatra. Ahitana ny « citrulline » ihany koa amin’ny kaonkombra sy ny voatavo saingy kely fatra tsy sahala amin’ny hita ao anatin’ny voajabo.
sam.
18
déc.
2010
Ao anatin’ny fotoana hahatongavany any amin’ny fahafinaretana faratampony dia maro amin’ireo lehilahy no tsy miandry ny vadiny. Ho anao indrindra ramatoa, dia misy torohevitra vitsivitsy ireto mety hanampy anao, hitazonany ny ranon’ainy ho elaela, ifampiandrasanareo roa. Andramo ihany. Tsara aloha ny hampahafantarana azy ny tokony hataony. Mila mahandr y tantana satria tsara kokoa ny miaraka noho ny mandeha irery. Sady rehefa mahatonga ny lehilahy dia tsy hisy fihenjanana ho azo antenaina intsony eo, raha tsy miandry fotoana maharitraritra manaraka indray..........
jeu.
16
déc.
2010
Tsy ny lehilahy ihany no mamoaka ranon’aina ety ivelany rehefa mahatonga mandritra ny firaisana ara-nofo fa ny vehivavy ihany koa. Misy karazam-behivavy miaina izany, antsoin’ny vahiny hoe « femmes fontaines ». “Squirt” ihany koa no anarana iantsoana io ranon’aim-behivavy io amin’ny teny anglisy. Ny 39,5%-n’ny vehivavy no voalaza ho mamoaka “squirt” rehefa manao firaisana ara-nofo, saingy ao amin’ny “femme fontaine” no tena mitosaka. Tsy mbola vohazavan’ny siansa ny mahakasika izany hatramin’izao, saingy ekeny ny fisiany. Misy ireo milaza fa pipy iny rano mivoaka iny. Tsy voamarina kosa anefa izany, satria misy rano hafa avy any amin’ny tranon-jaza mihitsy mitosaka miaraka amin’ny pipy. Ao indray ireo milaza fa “cyprine” na rano manamando ny fivaviana no mivoaka amin’iny, mitosaka vokatry ny fikainkonan’ny hozatry ny fivaviana mandritra ny “orgasme”. Misy ihany kosa ireo manazava fa ny taova izay karazana “prostate” ao amin’ny vehivavy no mahatonga ny “squirt”, ka mitosaka ety ivelany rehefa tafakatra avo ny “excitation”. Mety hahatratra 50ml ny hadirin’ny “squirt” avoakan’ny vehivavy rehefa tena mitobaka. Lazain’ny mpikaroka ihany koa fa afaka mamoaka azy avokoa ny vehivavy rehetra. Manampy betsaka hampitosahana azy ny fanitarana faran’izay ela ny “preliminaries”, na ny fotoan’ny oroka sy ny safosafo mialoha ny tena firaisan’ny nofo.
mar.
14
déc.
2010
Tsy misy vehivavy mangatsiaka fa ny lehilahy no tsy havanana, hoy ny fomba fiteny. « Frigidité » na tsy fahatairan’ny vehivavy eo ampanaovana firaisana ara-nofo. Mifono zavatra maro karazana izany. Misy ireo vehivavy mahatsapa fanaintainana rehefa manao firaisana aranofo, ao ireo tsy mety mahazo fahafinaretana, misy ireo tsy mety mando … voasokajy ho ao anatin’ny hatsiakambehivavy avokoa ireo. Met y ho ara-batana no mahatonga izany, nefa mety ho ara- tsaina ihany koa, raha ny filazan’ny manam-pahaizana............