jeu

20

jan

2011

Komity olimpika Malagasy: Voafidy ho filoha i Siteny Andrianasoloniaiko

Ingahy Siteny Andrianasoloniaiko, filohan’ny federasiona Malagasy taranja judo no voafidin’ireo filohana federasiona hitantana ny komity olimpika Malagasy indray ato anatin’ity fepotoam- piasana izay hifarana amin’ny taona 2012 ity. Io no vokatry ny fivoriambe fifidianana fanavaozana ny komity mpitantana ny KOM tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny talata lasa teo. Nahazo vato 10 izy teo amin’ny fihodinana voalohany raha 9 kosa no azon’Ingahy Ramaroson Jean Michel, filohan’ny federasiona Malagasy taranja basket-ball. Niampy iray ny vato azon’ny filohan’ny FMJ raha tsy nihetsika kosa ny an’ny filohan’ny FMBB teo amin’ny fihodinana faharoa. Mazava ho azy fa i Ramaroson Jean Michel no lany ho filoha lefitra voalohany ary Ingahy Stéphane Rakotondrainibe, filohan’ny federasiona Malagasy taranja tenisy kosa no filoha lefitra faharoa. Ny filohan ’ ny federasion’ny ady totohondry, Rabelahy Jonah kosa no lany ho sekretera jeneraly. Ingahy Relaha Jean Claude, filohan’ny federasiona Malagasy taranja hazakazaka am-bisikileta no ho mpitahiry vola. Ireto avy kosa no lanyho mpanolo-tsaina : Rakotomalala Marcel (FM Rugby), Randriamandranto Roty ( FM Ta e kwondo) , Gérard Naturel (FM Petanque) a r y Raoul Patrice (FM Handisport). Zaka Fils

Lire la suite 0 commentaires

sam

06

nov

2010

Kitra – « Poule des As »: Nanao ny nataony indray ny mpitantana

Nanao ny nataony indray ireo mpitantana ny taranja baolina kitra nandritra ity dingana farany amin’ny fiadiana izay ho tompondakan’i Madagasikara na ny THB Champions League ity. Raha efa samy niomana ny hiatrika ny andro faharoa avokoa ireo ekipa efatra taorian’ny antsapaka natao teny amin’ny kianjaben’ny Mahamasina noho ny samy fitovian’ny isa vokatry ny ady sahala dia natsimbadiky ny FMF indray izany. Nanjary ny Japan indray no nifandona tamin’ny AS Adema ary ny CNaPS ho an’ny Akademia Ny Antsika. Antony, nanjary nisy indray ny fikaontina ny “goal average” raha nasiana “match d’appui” foana izany hatrizay toy ny nitranga tany Ambatondrazaka nandritra ny dingana voalohany sy tany Toamasina tamin’ny dingana faharoa......

Lire la suite 0 commentaires

sam

30

oct

2010

Kitra THB Champions league – Poule des As: Ady farany

Hanomboka ny alahady ho avy izao etsy amin’ny kianjan’Alarobia ny « poule des as » ho an’ny fiadiana izay ho tompondakan’i Madagasikara na ny THB Champions league. Ilay ady farany amin’ity fifaninanana nasionaly ity. Ekipa efatra no hiatrika izany dia ny AS Adema Analamanga, Ak a d emi a Ny An t s i k a Vakinankaratra, CNaPS Sports Itasy ary izay ekipa tafavoaka any Toamasina amin’ireo lalao telo naverina teo anivon’ny fihodinana faharoa. Koa satria tsy mbola fantatra izay tafavoaka amin’ny Japan Actuel’s FC sy ny AS Fortior ary ny 3FB Toliara dia tsy hisy afa-tsy lalao tokana aloha ny alahady ho avy izao dia ny fifandonan’ny AS Adema sy ny CNaPS Sports. Ady farany moa ny an’ny Levandana sy ny ekipan’ny Manjakaray anio tolakandro any amin’ny kianja monisipalin’ny Toamasina, satria samy efa nandresy ny ekipan’ny 3FB avokoa izy roa ireo. Hitohy ny 2 novambra sy 4 novambra ho avy izao izany ary ny alahady 7 novambra kosa no hamaranana izany, ka hahafantarana izay ho tompondaka taona 2010. Zaka Fils

Lire la suite 0 commentaires

mar

19

oct

2010

Kitra – TELMA Coupe de Mada: AS Adema sy Japan no ho lalao famaranana

Ny AS Adema sy Japan Actuel’s FC, samy avy eto Analamanga no tafita hiady ny lalao famaranana ho an’ny TELMA Coupe de Madagascar rehefa samy nahalavo ny mpifanandrina taminy avy nandritra ny lalao manasa-dalana notanterahina ny alahady tolakandro lasa teo. Tany amin’ny k ianj a Rabemanjara Mahajanga no nanilihan’ny AS Adema ny Akademia Ny Antsika tamin’isa tokana 1 no 0 tamin’ny alalan’ny baolina izay tafiditr’i Christian teo amin’ny minitra faha-48. Niezaka nanenjika ihany ny tompondakan’ny Vakinankaratra fa tsy niova intsony ny isa teny amin’ny solaitrabe, na dia efa nahatafiditra baolina roa aza izy ireo fa nolavin’ny mpitsara, satria « en position de hors jeu » ny iray ary nandona an’i Karl, mpiandry tsatokazon’ny AS Adema kosa ny faharoa.....

Lire la suite 0 commentaires

ven

08

oct

2010

Kitra – Barean’i Madagasikara: Mivondrona eny Carion

Ao anatin’ny fampivondronana ankehitriny ireo mpilalao sy mpanazatra mandraf i t ra ny ekipampirenena malagasy na ny Barean’i Madagasikara. Efa nanomboka ny alatsinainy antoandro lasa teo izany. Ao anatin’ny fanomanantena amin’ny fifandonana amindry zareo Etiopianina ny alahady tolakandro ho avy izao, dia ny lalao faharoa ao anatin’ny vondrona B ho an’ny fifanintsanana hiatrehana ny CAN 2012. Hatramin’izao aloha dia mbola mpilalao mpila ravinahitra telo aloha no tonga manatevina ireo mpilalao avy eto an-toerana dia i Nomenjanahary Lalaina (Bolida), Randriamparany Sedera ary Randrianarisoa Mamy Gervais izay samy milalao atsy amin’ny nosy La Réunion avokoa. Mbola andrasana ny fahatongavan’ireo mpilalao hafa ary andrasana ihany koa ny famoahana ireo anaran’ny mpilalao voatana hilalao amin’io. Any Carion no hamoahana izany anio maraina......

Lire la suite 0 commentaires

jeu

30

sep

2010

Kitra – « THB Champion’s League » Lalao famaranana kely: ny an’ny AS Adema sy Voromaherin’Alaotra

Lalao roa tamin’ireo lalao telo izay tsy maintsy naverina tao amin’ny vondrona F teo amin’ny AS Fortior Atsinanana, AS Adema Analamanga ary Voromaherin’Alaotra nandritra ny dingana voalohany ho an’ny THB Champions League no tontosa hatramin’izao. Tafavoaka voalohany tamin’izany aloha hatramin’izao ny AS Fortior avy any Atsinanana, satria efa nandresy indroa izy ireo. Samy taorian’ny “tors au but” avokoa mantsy no nanilihan’ny ASF ny Voromaherin’Alaotra tany Ambatondrazaka ny alakamisy lasa teo sy ny nandreseny ny AS Adema tany Toamasina ny talata lasa teo.......

Lire la suite 0 commentaires

jeu

26

aoû

2010

Barean’ny Madagasikara: Miomana ny ho resy sahady

5% monja no mba vintana handresentsika ny “super eagles” Nizerianina ny 5 na 6 septambra izao, mandritra ny lalao voalohany ho an’ny fifanintsanana isam-bondrona hiatrehana ny fiadiana izay ho tompondakan’ny Afrika taona 2012, ary 95% kosa no haharesy antsika, araka ny fanambaran’ny mpanazatra ny Barean’ny Madagasikara, J e an Paul R abi e r t any Mahajanga ny faran’ny herinandro lasa teo, taorian’ilay lalao ara-pi rahalahiana nataontsika nanoloana andry zareo Mahorais. Tsiahivina fa nirava ady sahala samy tsy nitoko isika tamin’izany.....

Lire la suite 0 commentaires

jeu

05

aoû

2010

7è CJSOI Nibata medaly volamena 9 isika

Niisa 8 ny medaly volamena azontsika hatramin’izao any amin’ny lalaon’ny tanora aty anivon’ny ranomasina Indiana andiany fahafito atao any La Réunion, miaraka amina medaly volafotsy 14 sy alimo 5 izany. Niampy medaly 14 be izao mantsy izany ny talata tontolo andro ka medaly volamena ny 4 amin’izany dia ny teo amin’ny taranja atletisma tamin’ny alalan’i Fleur Soa (3000m - 10’59’’63) sy Razafindrakoto Odile (400m - 57’’95) ary Manarison Jean Louis (400m - 49’’ 70) ary ny taranja handisport tamin’ny alalan’i Ary Francoise (vikin-dava).........

Lire la suite 1 commentaires

mar

20

jui

2010

Kitra – Barean’ny Madagasikara: Ny 03 septambra izao no lalao voalohany

Any Nigeria ny 03 septambra ho avy izao no ho lalao voalohany hatrehin’ny Barean’ny Madagasikara amin’ny fifanintsanana isambondrona hiatrehana ny fiadiana izay ho tompondakan’ny Afrika taona 2012. Mazava ho azy fa ny Super Eagles Nizerianina izay vao avy niatr ika ny mondial 2010 farany teo tatsy Afrika Atsimo no hifandona amintsika amin’izany. Sarotsarotra ihany ny ady ho an’ny Barea. Na izany aza dia nanambara ny hanao ezaka mafy Ingahy Jean Paul Rabier mpanazatra ny ekipam-pirenena Malagasy ka hitana sahala an-dry zareo Nizerianina amin’io mialoha ny hifandonana amin’ny Etiopianina sy Guineanina ao anatin’ny vondrona B misy antsika. Nanomboka omaly ny fampivondronana faharoa ireo mpilalao nantsoina hanatevin- daharana ny Barean’ny Madagasikara.....

Lire la suite 2 commentaires

lun

12

jui

2010

Kitra – Barean’ny Madagasikara: Nanatevina mpila ravinahitra i Jean Paul Rabier

Hiditra amin’ny fampivondronana faharoa ny barean’ny Madagasikara ny alatsinainy 12 jolay ka hatramin’ny alahady 19 jolay ho avy izao, ho fanomananana ireo fifanintsanana hiatrehana ny CAN 2012. Mpilalao 28 mirahalahy no nantsoin’i Jean Paul Rabier, mpanazatra, izay ahitana mpila ravinahitra miisa dimy avy atsy La Réunion, dia i Commune, Britton, Abdou, Nôjy ary Sedera. Nanamarika ity lisitry ny barea ity ihany koa ny tsy fahitana ny anaran’i Lanto, ilay irakiraka afovoan’ny Japan Actuel’s FC izay tsy dia mbola tafaverina amin’ny tanjany tokoa taorian’ny ratra nahazo azy. Ankoatra ireo dia hitsidika ny fifaninanana any Maorisy ny mpanazatra malagasy ka hitily ireo mpilalao Malagasy mila ravinahitra any ny 17 sy 18 jolay ho avy izao. Hihazo an’i Frantsa ihany koa izy ny 19 jolay ho avy izao, ary hanaraka akaiky ny fifaninanana rezionaly izay atao any SAVA ny volana aogositra ho avy izao.

Ireo mpilalao :

Anatole (CNaPS Sport), Kandy ( Japan) , Damien ( Japan) , Mamy Gervais (AJESAIA), Mickale (Tana FC), Urbain (Akademia), Ronald (Tana Fc), Harinosy Valery (AS Adema), Jasmin (ASCUM), Julien Eric ( Japan), Jean Tigana (Akademia), Edgard (ASCUM), Tovohery (ASCUM), Yvan (Japan), Amada Ibrahim (Ak ademia) , Fagnoner a (Japan), Carolus (Akademia), Ando (AJESAIA), Santatra (Tana Fc), Jean Fidèle (CNaPS), Ando (CNaPS) , Fenosoa (CNaPS), Mario (AS fortior), Commune (St Marienne), Britton (St Marienne), Abdou (Jeanne d’Arc), Nôjy (Jeanne d’Arc) ary Sedera (Petite île). Zaka Fils

Lire la suite 0 commentaires

sam

10

jui

2010

Kitra Analamanga – Andro fahasivy : Hiala sasatra ny AJESAIA

N o h o n y f i a l a n ’ n y Fivoarana FC an-daharana dia tsy maintsy hisy ekipa iray hiala sasatra amin’ny fiadiana izay ho tompon-dakan’ny ligin’Analamanga taranja baolina kitra sokajy diviziona voalohany. Ho an’ny andro fahasivy izay hotanterahina anio sy rahampitso eny amin’ny kianjaben’ny Mahamasina dia ny AJESAIA no hijanona kely aloha, satria tokony hifandona amin’ny Fivoarana FC izy ireo raha araka ny fandaharampotoana hatrizay. Hiatrika lalao avokoa kosa ireo ekipa 10 ambiny miatrika ity fifaninanana ity. Isan’ireo tena andrasan’ny maro ny fifandonan’ny AS Adema, laharana faharoa vonjimaika amin’ny COSFA, laharana fahadimy, izay hotaterahina ny alahady amin’ny 3 ora tolakandro ho avy izao. Hialoha io kosa dia hiezaka handresy na hanakana ny Japan Actuel’s FC ny ASSM toy ny nataon’izy ireo nanoloana ny AS Adema ny faran’ny herinandro lasa teo.....

Lire la suite 0 commentaires

ven

09

jui

2010

Basket-ball – CCCOI 2009: Ho avy tsy ho ela ireo mpifaninana

Anio amin’ny 12 ora 40’ no voalaza fa higadoan etsy amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ireo ekipa Mahorais dia ny jeunesse canon 2000, sokajy lehilahy sy ny BC M’Tsapere, sokajy vehivavy, araka ny vaovao farany navoakan’ny federasiona Malagasy taranja basket-ball. Ny sabotsy halina kosa no voalaza fa hahatongavan’ireo ekipa réunionnais lahy sy vavy, izay isan’ireo ho mpifanandrina atahorantsika Malagasy amin’ity fiadiana izay ho tompondakan’ny ranomasina Indiana isantarika ity. Etsy andaniny, dia efa ao anatin’ny fanazaran-tena tanteraka ny ekipan’ny COSFA lehilahy sy n y BBCM vehivavy izay hiaro ny voninahitry Madagasikara ny 13 ka hatramin’ny 17 jolay ho avy izao etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena mahamasina.......

Lire la suite 0 commentaires

mar

06

jui

2010

Rugby – CAR Trophy Four Nations: Lavo ny Makis de Madagascar

Resin’ny zimbaboeanina tamin’ny isa mazava 28 no 22 ny makis de madagascar tamin’ny lalao famaranana ho an’ny fifaninanana CAR Trophy Four Nations na ny fifanintsanana voalohany hiatrehana ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika ho an’ny taoany atsimo . Nisy fotoana kely ny makis no nahasongona ny isa azon’ny zimbaboe, saingy tsy naharitra izany fa ry zareo mpampiantrano hatrany no nitarika teo am-pialan-tsasatra hatramin’ny fihafaran’ny. Na izany aza dia niady tokoa ny lalao raha ny isa nisarahana fotsiny no jerena lalao. Samy tafita ho amin’ny dingana manaraka amin’ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika izany ny Makis raha tsy novain’ny CAR ho ny laharana voalohany ihany indray no afaka hanohy ny fifaninanana. Samy nanamontsana ireo mpifanandrina taminy mantsy ny ekipa roa tonta nandritra ny lalao manasa-dalana. Ry zareo zimbaboeanina nanamontsana ny zambianina tamin’ny isa mavesatra 86 no 16 ary ny makis ihany koa nahavita nanilika ny botsoanais tamin’ny isa mavesatra 36 no 26. Ho hitan’ny mpankafy tsy ho ela ny fizotr’ireo lalao roa natrehin’ny ekipam-pirenena rehefa tafaverina an-tanindrazana izy ireo anio.

Lire la suite 1 commentaires

sam

03

jui

2010

Rugby – Makis de Madagascar Hiatrika lalao famaranana anio

Anio any Harare Zimbabwe no hiatrika ny lalao famaranana amin’ilay fifaninanana “four nations” ny makis de Madagascar, ka ry zareo Zimbaboeanina no hifampitady amin’izy ireo. Ekipa efatra no nifaninanana tamin’izany ka lalao manasa-dalana avy hatrany no natao taorian’ny antsapaka amin’izay hifandona. Ry zareo zambianina no nifanmpitsapa tamintsika, ka resin’ny Makis tamin’ny isa mazava 36 no 16. “Essais” 5 no tongan’ireo mpilalaontsika dia i Rija, Biby, Jôda ary Côcô. Ry zareo zimbaboeanina kosa nanamontsana ny botswanais tamin’ny isa mavesatra 84 no 10. Ny zimbaboeanina izany no hihaona amintsika amin’ny lalao famaranana anio. Ho henjana ny adin’ireo maherifontsika, satria tsy misomonga mihitsy ny zimbaboeanina sady milalao ao amin’ny taniny ka maro mpanohana. Azo antoka anefa fa tsy maintsy hitady fandresena ny mpilalaon-dRazily rahampitso, izay saika mpilalao sangany sy zatra miaraka avokoa no any. Hialoha io lalao famaranana io kosa dis hisy ny lalao fiadian-toerana izay hifandonan’ny zambianina sy n y botswanais. Zaka Fils

Lire la suite 1 commentaires

jeu

01

jui

2010

Kitra maneran-tany - Fitsarana amin’ny alalan’ny vidéo

Hodinihan’ny FIFA amin’izay.

Mety hoeken’ny federasiona iraisam-pirenena taranja baolina kitra ihany ny fomba fitsarana amin’ny alalan’ny video. Noho ny fahitana ireo voka-dratsin’ny fitsarana tamin’ity mondial 2010 ity mantsy dia nambaran’ny filohan’ny FIFA, Joseph Sepp Blatter fa hodinihana any amin’ny fivoriamben’ny FIFA manaraka izay atao any Cardiff ny 21 sy 22 jolay izao ny fampiasana sy ny fanekena ny fitsarana amin’ny alalan’ny video. Niaiky mantsy ny komity mpitantana ny FIFA fa efa tafiditra tokoa ilay baolina nodakan’i Lampard nandritra ny fihaonan’ny anglisy sy allemands tamin’ny lalao ampahavalon-dalana ary tena “hors jeu” tokoa i Tevez tamin’ilay baolina voalohany matiny nanoloana ny meksikanina. Niala tsiny tamin’ny anglisy sy meksikanina mivantana moa Ingahy Blatter. Azo heverina hoy ihany ny filohan’ny FIFA ny hametrahana camera kely eo amin’ny tsatoby na tsivalamby mba ahitana mivantana ny fidonan’ny baolina sy ny fidirany na tsia any anaty harato. Mety ihany koa ny hametrahana “puce electronique” kely any anaty baolina. Tapa-kevitra sy niaiky ihany izany ny mpitantana ny federasiona iraisam-pirenena fa ilaina ny fitsarana amin’ny alalan’ny video na dia tsy nanaiky izany izy ireo hatrany am-piandohana.

Zaka Fils

Lire la suite 0 commentaires

lun

07

jun

2010

Rugby – Tompondaka ny Makis junior

Tsy mbola resy mihitsy ny Makis junior nandritra ity fifaninanana ity izay natao tatsy La Réunion. Ny ekipan’ny Nouvelle-Calédonie nolavon’ny ekipan’i Eric Sefo tamin’ny isa 24 no 17 nandritra ny lalao famaranana. Ankoatra an’ny La Réunion mpampiantrano dia nandray anjara ihany koa ny Maorisiana, ny Mahorais ary ny Nouvelle-Caledonien.

Teo amin’ny fifaninanana nokarakarain’ireo mpanao broderie ny alahady lasa teo tetsy amin’ny kianjan’ny Malacam kosa dia lavon’ny IRC tamin’ny isa mavesatra 24 no 13 ny US Ikopa. Lalao izay tsy niady firy akory tany amin’ny fizaram-potoana faharoa. Hita ho valaka mantsy ny mpilalaon’Ikopa raha nanovokovoka mafy nandritra ny fizaram-potoana voalohany.

Zaka Fils 

Lire la suite 0 commentaires

mar

18

mai

2010

Mitarika vonjimaika hatrany ny Japan Actuel’s FC

Fandresena indroa sahady izay no azon’ny ekipan’ny Japan Actuel’s FC avy eny Manjakaray tao anatin’ireo lalao roa ho an’ny andro roa ho an’ny fiadiana izay ho tompondakan’Analamanga. Rehefa avy nandresy ny AJESAIA tamin’ny isa 3no1 nandritra ny andro voalohanydia nampiondrika ny AS Adema tamin’ny isa 1no0 ny ekipan-dRaux Auguste ny alahady tolakandro lasa teo tetsy amin’ny kianjaben’nyMahamasina. Baolina izay tafiditr’i Boto Fagnorena teo amin’ny minitra faha-55. Samymbola tsy nitoko ny ekipa roa tonta nandritra ny fizarampotoana voalohany ......

Lire la suite 0 commentaires

mar

11

mai

2010

Ligy ALFA – Andro voalohany: Farany vonjimaika ny AJESAIA

Mitana ny laharana farany vonjimaika ny AJESAIA taorian’ny andro voalohany hiadiana izay ho tompondakan’ny ligin’Analamanga. Niondrika teo anatrehan’ny Japan Actuel’s FC tamin’ny isa 1 no 3 mantsy ny ekipan’Antaninkatsaka ny alahady tolakandro lasa teo tetsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina. Ity tompondakan’ny Madagasikara taona2009 ity ihany mantsy no resy tamin’ny elanelan’isa betsaka nandritra io androvoalohany io.....

Lire la suite 0 commentaires

lun

10

mai

2010

AS Adema: Niova hatramin’ny « Staff Administratif »

Na dia efa tara roa taona aza, noho ny toe-java-nisy teto amin’ny firenena niaraha nahita dia nahavita nanavao ny komity mpitantany ihany ny klioban’ny AS Adema. Ny filoha, Randriamialisoa Yves, izay DAF eo anivon’ny AS Adema sy ny filohalefit ra, Ramanamanjato Dodet ary ny mpi tambola, Ramdriamanantena Soloniaina ihany no mbola tafaverina eo amin’ny toerany avy tamin’ireo mpitantana teo aloha.

Lire la suite 0 commentaires

lun

10

mai

2010

Fitoriana ny FMF Nigebona indray ny K2HB

Tsy araka ny nanampoizana azy ny zava-nitranga teny amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy ny alakamisy lasa teo. Rehefa nahita rirany kely teny anivon’ny filakevi-panjakana mantsy ny komity hamerinany hasin’ny baolina kitra(K2HB) ka nitakian’ny filakevipanjakanany valin-teny avy any amin’ny komity mpitantanany federasiona Malagasy taranja baolina kitra mikasika ireo fanontaniana napetraky ny K2HB dia nametraka fitoriana teny amin’ny fitsarana ireto farany.....

Lire la suite 0 commentaires

jeu

22

avr

2010

Barea Madagasikara: Be karama noho ny Minisitra

Vita sonia omaly tetsy amin’ny biraon’ny ministeran’ny fanatanjahantena tetsy Ambohijatovo ireo antontantaratasy mametraka ny mpanazatra vaovaon’ny Barean’i Madagasikara, dia ilay teratany frantsay Jean Paul Rabier. Nialoha izao dia niara-nidinika tamin’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamitra sy ny minisitry ny fanatanjahantena, Ramamonjisoa Virapin ary ny filohan’ny federasiona malagasy taranja baolina kitra, Ahmad izy .....

Lire la suite 4 commentaires

mer

21

avr

2010

Baolina Kitra malagasy Nahazo mpanazatra avy any la Frantsa isika!!

Tontosa soa aman-tsara ny fifanarahana teo amin'ny federasiona sy ny minisitera andaniny ary ilay mpanazatra frantsay Jean Paul Rabier ankilany. Araka ny fifanarahana dia hitantana mandritra ny 2 taona ny ekipa nasionaly malagasy izy io . Ary ny tanjona dia ny hahatafita ny Barea any amin'ny lalao ny Afrika izay hatao any Gabon amin'ny 2012 ho avy io. Ny karamany dia 8000euro na 21 600 000 ar isam-bolana.......

Lire la suite 0 commentaires

mar

20

avr

2010

Rugby: Tsy mbola afa-bela indray i Dakar

Very vola ny ankamaroan’ireo mpiloka izay naka an’i Dakar tetsy amin’ny kianjan’ny Malacam ny alahady tolakandro lasa teo, satria tsy mbola afa-bela tamin’ny TAM indray mantsy ny FTM. Efa tany amin’ny minitra faran’ny lalao no nahazo hadisoana i Anosibe, ka notsarain’i Côcô milay izany ary dia tafidiny soa aman-tsara. Nitsimbadika ho 16 no 14 ny isa teny amin’ny solaitrabe, raha efa niomana ny hanao fety i Manjakaray izay efa nitarika an’isa 14 no 13.....

Lire la suite 0 commentaires

jeu

15

avr

2010

Volley-Ball Fiofanana miaraka amin’i Fayzal Bundhum

Lire la suite 0 commentaires

jeu

08

avr

2010

Baolina kitra: Didier no mety ho mpanazatra ny Barea?

Didier Six eo amin'ny ankavanana

Rehefa lany soa aman-tsara ingahy Ahamad dia nisy ny fihaonana teo aminy sy ingahy minisitra. Fihaonan'ny ray sy ny zanaka moa izy io koa dia nametraka lamina sy fangatahana vokatra ingahy minisitra mba ho fanatsarana ny baolina kitra malagasy. Zavatra telo lehibe no hita misongadina amin'izany : Mila mijery ny baolina kitra any anivon'ny faritra ny filoha am-perin'asa, mba hiakaran'ny hahavo tekinika n'ireo mpilalao avy any sy mba ho hita taratra ny fivoarany. Mila jerena sy arahi-maso ny fikarakarana ny tanin-ketsan'ny baolina kitra ka mila atomboka any amin'ny fototra izany dia ny fokontany sy ny sekoly.Izany hoe mila manao fifaninanana isan'ambarantonga ny federasiona ,mba hitiliana ireo tena ho avin'ny baolina kitra. Ary ny farany dia mila vokatra tsara ny eo anivon'ny ekipa nasionaly.Nefa hita sahady fa efa nilavo lefona isika eo amin'ny sehatra afrikanina latsaky ny 17 taona (Déclaré forfait pour la Coupe d'Afrique des Nations) noho ny fahatomoran'ny fotoana. Andrasana indray izany ny eo amin'ny sokajy zokiny amin'ny tompodakan'i Afrika 2012. Momba izay ekipa nasionaly izay ihany dia efa nanatsidika ingahy minisitra fa ho avy tsy ho ela ilay mpanazatra vahiny, fara fahatarany ny faran'ity volana avrily ity.Raha ny feo mandeha dia toa ilay mpilalao kalaza fahiny frantsay tamin'ny taona 80 Didier Six no mety hitondra ny Barea . Raha ny fijerin'ny rehetra anefa dia tsy ny mpanazatra no tsy mahay eto amintsika fa ny fomba fitantanana eo amin'ny ratsa mangaikan'ny baolina kitra mihitsy no mila fanamboarana, eo koa ny fidirana lalina amin'ny resaka kiantranoantrano, sy ny fidiran'ny politika eo amin'ny baolina kitra. Dia ho hitantsika eo ary ny tohiny sao manko lahy ho lasan-ko vavany toy ny isan'andro ihany e !

Lire la suite 0 commentaires

jeu

01

avr

2010

Federasiona malagasy taranja baolina kitra

Hifampitana i Ahmad sy Raoul Mikenonkenona mafy ny eo anivon’ny Federasiona Malagasy taranja baolina kitra, indrindra fa ny kaomisiona manokana misahana ny fifidianana amin’ny fikarakarana ny fanavaozana ny komity mpitantana azy. Any Fianaratsoa ny 3 mey ho avy izao moa no hanaovana azy io. Hanana solontena roa avy ny ligy 22 misy eto Madagasikara mba hanatrika izao fivoriambe ara-potoana ho an’ny fifidianana izao. Ny iray amin’ireo ihany anefa no hanana zo handrotsa-bato. Biletà tokana (bulletin unique) izay efa misy ny anarana sy sarin’ireo olona hofidiana no hampiasaina, ka asiana marika fotsiny izay safidian’ny mpifidy. Kandida no hifaninana ho eo amin’ny toeran’ny filoha, ahitana ny filoha amperin’asa, Ahmad, Benony Jacques izay efa filohan’ny FMF teo aloha ihany, Rabekoto Arizaka Raoul filohan’ny klioban’ny CNaPS, Ramiarinarivo Maminirina efa filohan’ny ligin’Analamanga, Rakotomalala Célin efa sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fanatanjahantena ary Amade Joseph. Miisa 41 be izao kosa ireo olona nirotsaka hofidiana handrafitra ny komity mpitantana, ahitana ireo nirotsaka ho filoha sasany toa an-dRakotomalala Célin, Amade Joseph, Ramiarinarivo Maminirina ary ireo efa tao anatin’ny komity mpitantana ahitana an’i Doda Andriamiasasoa, S o l o f o s o n Ma g l o i r e , El iezard, Rakotomanga A n d r i a m a h a n d r y , Andriamalazaony Aurélien, Razafindrakoto Bruno Charles ary koa ireo mpilalao fahiny toa an-dRado Rasoanaivo, Andrianasy Nivoson Mickael sy mpanao fanatanjahantena fahiny toa an-dRasolomalala Isidore. Ahitana mpanao politika mpikambana eo anivon’ny HAT ihany koa ao toa an-dRasolosoa Dolin, mpilalaon’ny Saint Michel fahiny. Toerana 10 sisa no hiadiana amin’izany, ankoatra ny filoha sy ny tale teknika nasionaly izay anjaran’ny komity mpitantana lany eo ny hametraka azy. Zaka Fils

Lire la suite 0 commentaires

jeu

25

mar

2010

Nametra-pialana ireo mpitantana

Taorian’ny tsy nahatafiakarana ho any amin’ny dingana manaraka sady ho fanatanterahana ny fifandimbiasampahefana dia nametra-pialana avokoa ireo mpitantana teo anivon’ny klioban’ny AS Adema, manomboka any amin’ny filohan’ny klioba ka hatramin’ny tompon’andraikitra ara-tserasera sy ny tompon’andraikitry ny fitaovana. Zavatra roa noho izany no antony dia ny alahelo sy ny hatezerana noho ny tsy nahatratratrarana ny tanjona dia ny hadingana ny fifanitsanana savaranonando izay zary lasa sakana tao anatin’ny telo taona misesy izay, sy ny fanomezana vahana ho an’ireo izay vonona handimby amin’ny fitantanana. Ny marimarina kokoa dia tokony ho efa tapitra tamin’ny taona 2009 ny taom-pitantanana, saingy noho ny olana ara-politika nampikatso ny firenena hatrany anivon’ny fanatanjahantena dia voatery tsy maintsy nitondra herintaona fanampiny ny staff administratife an’ny AS Adema. Midika izany fa tsy maintsy hiroso amin’ny fanavaozana ny rafi-pitantanana ny eo anivon’ity klioban’ny seranam-piaramanidina ity. Mandra-pahatongan’izany anefa dia mandray an-tanana manatanteraka ny “affaire courante” ny filoha teo aloha, Randriamialisoa Yves Marius. I zay komi ty mpi tantana tafapetraka aorian’ny fifidianana no afaka hanapa- kevitra ny mikasika ny mpanazatra sy ny mpilalao, araka ny fanirian’ireo mpankafy ity kloiba lohalaharana eto Madagasikara sy ny Ligin’Analamanga ity. Tsiahivina ihany fa voatanan’ny Lengthens FC avy any Zimbabwe ady sahala samy tsy nitoko ny AS Adema tamin’ny lalao miver ina tetsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina, rehefa avy niondrika tamin’ny isa 1 no 2 tany Zimbabwe. Tsy resy akory ny ekipan’ny Frank Rajaonarisamba fa raraka fotsiny. Zaka Fils

Lire la suite 0 commentaires

Gazety BasyVava

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra