jeu
14
jui
2011
Tantara lavabe tsy hahitana ny ho fiafaràny no iainantsika eto amin’ny tanànan’ny Gasy. Miharitra ny mangidy hatrany aloha raha te-hahita ny mamy, araka ny ronono efa fanao an-tavy hatrizay ihany. Mifarimbona mitoto ny koba hatavy ny mpianakavy fa ehehehe tsy mbola mety ny atao satria ny ranon’ampango aza ity nanjary nisy voay. Nahodina ihany izay azo nahodina fa miha-miala tsikelikely eo ambony “pista” ny kil. Tsy afaka ny hanafatra mpikarakara vaovao avy any ivelany intsony satria efa mati-kambo amin’ilay “tsy mila an’izany ny aty e!”. Volabe sy fitaovana marobe no efa natao “rezerva” ao amin’ilay vaomera nomena ny fahaleovantena mba hikarakara ny fifidianana tena manara-penitra, tsy ahitana ny olakolana intsony eto amintsika eto, ka izany indrindra no tsy hanambatambazana an’ireny “vazaha” tsy haninotsihaninona ireny.
sam
09
jui
2011
Io fa mikitrakitrana irery ny vy! Io fa tsy hita intsony ny tetika hanariana dia ny “mpitolona”. Io ihany koa fa te-hibetroka sy hanangam-bovona kanefa matahotra ny vavan’ny akama sy ny mpiara-dia. Dia avela hikatso eto izany ny tantara? Avela hitokona eo izay te-hitokona? Misy ireo manantena tsy ho tratry ny aloka ka tratran’ny alok’akoho no niafaràny. Tsy nahita, ary mbola tsy mahita vaha-olana ara-politika isika kanefa tonga ihany koa ity ny korontana ara-toe-karena tsy azo nafenina intsony. Moa tsy vao omaly no naverimberina ho “rongony” maha-rendremana antsika mianakavy fa mandeha sy tsy azonkorontana ny fitantanan-draharaham-panjakana eto. Iza no tsy nieboebo teto fa manana tanjaka ny mpihazona fahefana fa voaloany antsakany sy andavany ny karaman’ny mpiasam-panjakana, vitany ny mandrava sy mamaha ny olana teo amin’ireo mpitokona rehetra tetsy sy teroa, vitany ny nisakana ny fihetsiketsehana sy ny fitakiana lavareny?
mer
06
jui
2011
Zana-borona mpanidina ny akanga, ary zana-borona mpanompo ny akoho. Koa aza anaovana fitia ngadongadona ny fitanatanana ny firenena, fandrao tonga ho voatondro iray monja no hifampivoadiana sy hifamonoana. Tsy rehefa manidina sy hary elatra toy ny akanga tsy akory dia tsy handia an-tany intsony. Ary aza manantena mpanompo mahatoky sy bodo ka hianjaka sy ho sahy hiboridana imason’andevo. Efa nentina any amin’ny faritra mahafaty ny firenena tao anatin’ny fifanjevoana sy saritaka nandritra izay roa taona mahery izay, saingy hisy ho afaka ny hanava-tenya (na iza na iza) ho madio tanana sy tsy ho tompon’antoka tamin’izao manjo antsika izao ve?
jeu
30
jun
2011
Tafitohim-bato nafenin’ahitra, ka latsa-dranomaso. Te-hanao dingan-dava kanefa potraka teo am-piaingana. Tsy ahatsindry tsihy amin’ny fanapahan-kevitra kanefa isak’izay mahatsiaro dia mitakemotra sy feno fisalasalàna. Tsy misy foto-dresaka mazava ny momba ny antom-pisian’ny “fitondrana avon’ny tetezamita” najoro teto Madagasikara nanomboka teny an-kianjan’ny olona ny 31 janoary 2009 ka hatramin’izao. Hijoro sy najoro ho mandra-pahoviana? Inona marina no adidy aman’andrikiny? Tsy ahitam-baliny afa-tsy ny hoe “ndeha hanova” sy handrodana ny didy jadona niampy fanamparam-pahefana sy ampihimambam-pihariana. Amin’ny fomba manao ahoana no ahavitàna an’izany? Moa tsy efa aty amin’ny roa taona sy efa-bolana aty aorina isika izao kanefa dia mbola miady sy mikaroka an’izay lalan-kizorana ihany?
mer
29
jun
2011
Mikaikaika fa tsy afaka mankaiza, efa natao io ka dia hiafiana e! ho an’ireo nafana fo indrindra ity fampaherezana ity : efa nampoizina anie fa tsy moramora izany fanovàna izany e ! Izao aloha dia tsy misy tsy minainaina amin’ny vidim-piainana avo dia avo. Niova tokoa! hoy ny mpananihany. Ilay fanovana karohana anefa, samy manana ny fiovàna nandrandrainy. Ny an’ny mpanao politika dia nanongana izy mba hiovan’ny fitondrana ho eo aminy, fa tsy nilaza kosa izy hoe ovaina ny fitondrana ny firenena rehefa eo izy!
lun
27
jun
2011
Gasy Malala a ! Izaho anie tsy niova fa mbola jiolahimboto, hatramin’izao anie dia mbola miteny maloto. Tsy nanam-piovana na dia efa lahiantitra ho 51 taona aza. Tsy mba nahita andro nihiratra ianareo ankohonako. Ankehitriny dia «ny rafilahy» no mibaiko amin’izay tokony hitondrako antsika mianakavy. Lany andro mifanadala sy mifanenjika, mifamingana ary mitady ny fomba rehetra hisehosehoana fotsiny aho, mahatsapa ho kivy tanteraka aho amin’ny manjo anao ry Gasy malala kanefa tsy manaiky ho resy dohika aho, tsy mihevitra ny hampandefitra ny «reharehako» . Tsy afaka eo ambavako ny teny maloto, teny feno fandrahonana, tenin’ny fieboeboana.Toa fantatro ihany fa ireo no fositra tsy mampiova ahy, kanefa tsy ahoako ny «tabataban-dry Zalahy». Mahamenatra satria toy ny fatàka resy lava, tsy manana hazondamosina, tsy mety ho afatrosa. Isan-kariva dia ozom-beran’ny sasany no mba mahamamo ahy. Gasy malala ô!
ven
24
jun
2011
Tsy mba nisy kamboty natsoina hoe: Ramanandray, ary tsy nisy ory natao ho Andrianomanana, fa ny adala kosa dia tsy maintsy ho very sy ilaozana. Satria raha mihira ny voron-tsara feo dia mba hanembonany ny havany, mitomany ny goaika raha miantso ny zanany sy ny namany, manova ny taonany ny kankafotra rehefa tsapany fa samy hafa ny taon-itsy sy ny taon’ito, mandihy amin’ny sidiny avo ny hitsikitsika hitiliany ny hazany; fa ny takatra kosa dia mandoka tena ho soa ho amin’ny tsy antony. Koa hevero fa ny adala dia mandoka tena. Ireny dia tahaka ny tsaramaso nambolen’ankizy vao vaky roa dia notsaingohan’ny akoho, vao nitrebona dia hanin’ny ondry, vao nisy ravina dia nitsahin’ny omby ; ary ataon’ny olona tahaka ny rano an-tanam-bazo, na dia mangetaheta aza izy tsy mba sotroiny. Tonga eto an-tampon’ny « tsy tia mainty» sy ny fitaka amin’ny fomba mihaja ny firenen’ny Gasy ankehitriny.
mer
22
jun
2011
Sanganehana avokoa ny rehetra raha nahare iny tafatafa nifanaovan’ny filohan’ny FAT sy ny mpanao gazety teny Fiadanana iny. « Toa hoe tsy mila fankatoavana iraisam-pirenena indray e !». «Tsy mbola ho faritana ny datin’ny fifidianana fa alamina aloha ny tsy nety hatrizay e!”. Fa inona ihany ity tiana hihaviana sy ny ho lalan-kizorana? Teo aloha nihazakazahana mihitsy ny fivoahana tany am-pitandranomasina. Saika voatety avokoa i Afrika iray manontolo. Nihaonana avokoa rehefa filoham-panjakana sy tompon’andraiki-panjakana maro nanerana ny kaontinanta Afrikanina. Hakiviana fatratra izany tsy tafahaona tamin-dRanona sy tamin’ny Anona ary nisy mihitsy aza ny fiampangana ny mpanohitra ho mpisabaoty. Ranomaso havozona izany tsy afaka nandray fitenenana teo imason’izao tontolo izao fa hoe nosakanan’ireo mpanohitra tsy mahalala afa-tsy ny hamotika an’i Gasikara sy tsy mitsinjo afa-tsy ny tombontsoany. Hatramin’izao ihany koa dia mbola fanontaniana ilam-baliny ilay fiaramanidina nahitana olana ara-teknika.
ven
17
jun
2011
Voailahy mena mivalana any Ikopa, tsy re fitsaika, tsy hita fihetsika. Latsaka an-jobo, tsy mihirina, ary latsaka an-drano tsy mivoy. Ka hono, ho’aho rey « Vahoaka » : Maty angaha I Zoky no tsy dia miseho, ary azon’inona izy no tsy miverina ? Moa tsy toy izao no havalin’ilay « vahoaka donto » ? « Ianao dia zaza tanora fanahy, ka tsy noheverinao angaha fa ny voay matoa tsy mihirina, raha latsaka an-jobo dia ao no mafana fandriany ? Ary izy no tsy mivoy raha latsaka an-drano dia ao ny tany filàny ny haniny. Ka hevero amin’izay fa tsy maty akory I Zokinao fa mbola mandranto ». Hay izany tena tsy maty ny voay raha dobo an-drano ?…
mer
18
mai
2011
Roa volana izao no nanendrena an’Atoa Yves Aimé Rakotoarison tao amin’ny fitondrana FAT. Tsy vitsy ny nanara-dia azy tamin’izany, toerana telo no setrin’izany tanjany ara-politka izany. Napetraka mazava tsara ny tanjona efatra antony nidirana tao amin’ny fitondrana ; fiverenan’Atoa Ravalomanana, fifidianana mangarahara, fitoniana ara-politika, fitondrana iaraha-mitantana. Maro ny fampanantenana natao tamin’ny mpanara-dia izay avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. Nomena toky ny mpanara-dia tamin’izany fa izay rehetra tapahina na amin’ny fanendrena olona hiara-miasa na amin’ny fanapahan-kevitra politika goavana dia hiaraha-manapaka izany. Ary tsy hatao anjorom-bala mihitsy ny mpanohana avy ao Tsiazotafo.
ven
13
mai
2011
Daty sady kianja ny « 13 mey”. Faha 39 taonan'ny Tantara tsy hay hadinoina ny andron’ny anio zoma 13 mey 2011. 13 taona in-3 izay hatramin'ny 13 mey 1972 (13 X 3=39). Nitondra tahotra ny 13 mey (ny kianja sy ny daty) ho an’izay mpitondra nifandimby. Fa amin'izao fotoana ankehitriny izao ny kianja dia misalotra endrika vaovao, mifefy vy tena hafa tsotra izao. Ary izao vao misy mpitondra manao anton-draharaha, fa ho kosehina sy verezina anarana amin'ny "fitiavana an-kosotra » ny 13 mey sy ny fahaleovantena
Inona no dikany sy heviny ?
jeu
12
mai
2011
Mitoloko mafy mihitsy ry Hanitra RANAIVO amin’iny hirany iny raha nivolana fa «ny heriko manontolo no hatambatro mba hampitsiky anao». Natambatra tokoa ny hery rehetra tao anaty tao mba hahatonga iny volana iny ho tsinjon’ny olona faly. Dia faly ny akama e ! Nihinana sy niara-nisotro tamin’ny henjana indrindra maneran-tany. Marina fa fivorian’ny mahantra sy faran’izay ory eran-tany no natao tany amin’ity firenena Tiorka ity, saingy tsy nahasakana ny hafaliana any anatin’ny akama sy ny mpomba azy izany e ! Tena vao mainka nisidina any amin’ny avo sy ny tsy hita noanoa ny resaka ankehitriny. mahazo tsara ny dingana sy ny fanazavana marobe natao azy ny firenena izay iresahana. Tena marim-pototra ny tolona ho amin’ny fanovàna natao teto amintsika ka mendrika ny hotohanan’ny sehatra iraisam-pirenena amin’izany izany. Tsy maninona loatra koa anie na dia aty amin’ny taona faha-telo aty vao « kaopy » ny olona e! Izao vao fantany fa tsy haitraitra ny antsika raha namotsotra ny fivoriana iraisam-pirenena roa tokony hifanesy teto amintsika. Tsy filingilingiana velively ny fihazonantsika ny hevitsika ka tsy nahoantsika na tapaka sy tsy nanjary intsony aza ny fifandraisana ara-barotra tamin’ny be kintana. Izao isika milamina tsara ! Hanao fifidianana fa efa tafidina eto an-tongotsika ny volana. Haleloia!
mar
10
mai
2011
Misy ny resaky ny Ntaolo taloha hoe : Akoholely nofaohin’ny papango, ka lasa ambony vao tra-pahoriana. Iza moa no tsy hiaiky ny fahamarinan’izay fiteny izany raha mahita ny « fisidinana » any amin’ny avo any, izay ataon’ny mpitondra mamim-bahoaka eto Madagasikara eto. Tsy ny amin’izao tetezamita izao ihany no resahana sy tondroina amin’izany fa izay rehetra niana-kendry ny hisidina dia nadaraboky ny « papango » rehefa teny ambony teny. Ka na tsy maty aza dia « mihinana ilay nolazaiko ». Tsy nisy nisidina (na iray aza) ka nahafaly ny mpitazana sy nitondra fahombiazana fa dia lasa any amin’ny rahona angamba ka tsy mahita intsony ny tokony hojerena, indrindra ireto Gasy mitsimpon’akotry ety amin’ny tany ety. Miverina indray ny tantara ary na tiantsika na tsy tiantsika dia tsy isika rehetra miaina izao zavatra iainan’ny firenena izao no mba afaka hisoroka ny loza tsy maintsy hiseho. Midanadana ho an’ny Gasy indray ny fifampiadaniana sy ny gidragidra noho ny hevitra tsy mitovy.
mar
03
mai
2011
Vola ô ! Hatraiza moa no fetran’ny herinao, ny tanjakao ? Ny olana rehetra manaiky anao ..manompo anao…andevonao ! Izay rehetra mijery ny resa-bola ho vaha-olan’ny fiainany dia samy hiaiky fa feno sy ampy ny filazan-dRatsimbazafy ny momba ity vola ity. Misy resa-bola daholo izao rehetra izao. Na fahoriana sy fahafatesana, na fifaliana hombam-piravoravoana, na sakafo isan’andro sy fianarana, na fiangonana sy fivavahana …na politika sy fitondram-panjakana. Manangona sonia hanongana an-dRanona ,hono, ry Ranona, na koa hoe mitokona ry Ranona satria tsy ampy ny vola nampanantenaina azy. Miandry ny vola any amin’ny fanjakana, hono, ny CENI, dia hiroso amin’ny fikarakarana ny fifidianana. Nomen-dRanona vola be, hono Ranona dia io izy misolelaka sy mandohalika aminy io.
lun
02
mai
2011
Mbola tsy ririnina loatra izao fa ny orana aza ity mbola manao ny ataony isan-kariva, na izany aza dia ilaina hatrany ny mirako-damba sy manao mafana rehefa any ampanaovana «mission» any. Nahavatra nilafika tany anaty «kalesan‘olona» niaraka tamin’ny bodofotsy firakotra mihitsy ny mpanao ratsy, tsy misaina afa-tsy ny hamono hahafaty rehefa misy zava-kendreny. Io kalesa io dia tsara ny manamarika fa ilay nandehanana nanao «week end pascal» ihany fa tsy zavatra hafa tsy akory, ary any anaty toby miaramila any no toeram-piantsonany, fa tsy teny amin’ny fasan’ny karàna, na koa eny Ambodivona. Fa tafiditra tao ilay nirakotra ny bodofotsy sy nampiasa ny lava-piringa…
jeu
28
avr
2011
Ny eny anaty fefy dia miantsoantso isan’andro vaky izao « avereno dadanay ». Iza tokoa moa izany no tompon’ny fahefana ka tokony hamerina izany Dada very any an-tany lavitra any izany ? Tsy mazava loatra ny antonantony mahatonga iny rangahy iny ho tsy maintsy antsoiny vao hahalala hody. Ny mpitondra manana ny hery sy ny fahefana eto dia efa nivazavaza fa aleo ho avy hifanatrehana, fa marobe ny tokony hanontaniana azy, miandry azy ny fonja e ! Tsy ho afa-bela iny raha mitetateta sy miana-kendry miditra eo ! Rehefa tena tapa-kevitra ny ho avy tokoa izy, ilay indray andro iry, dia niseho indray ny fanakanana sy ny toetran-dRainitetaka. Tonga hatrany ampitan-dranomasina tany indray ry Zandrikely sy ny tropiny ary nalaindaina ny hiresaka amin’ilay Dada milafika any an-tranon’olona any. Tsy mbola fantatra koa hatramin’izao ny anton’io fitsoahana an-dRabaina io. Ny antony tena lehibe indrindra dia azo vinaniana ihany, fa noho ny tahotra ny hivazavazany sy horiatany ny « fehikibo » noho ny ditra tsy voahevitra natao teto. Aleo tokoa miala ilany toy izay tratra farany eo. Dia raikitra indray ny tati-bolana amin’ireto vazaha mainty manodidina antsika ireto ka mirohotra mandeha any daholo indray ny saina sy ny hevitra.
ven
22
avr
2011
Adiny iray sy sasany izy no niresaka sy nifampidinika tao. Nandritra ny resakareo ve dia tsy nisy mihitsy ny hevitra avy tamin’ilay olona nanasa (na niantso) na dia ho fehezan-teny tokana monja aza ? Filoham-panjakana sy lehiben‘ny andripanjakana no niresaka tao ? Io kifonofono io hatrany no mahavoa antsika ! Tsy te-hilaza izay tena marina sa inona no olana ? Tsy hain’ny mpikirakira ny sera eny anivon’ny fiadidiana ny tetezamita ve sanatria ny hanavaka ny fitsidihana amin’ny fomba fifanajana eo amin’ny samy filoha mpitondra fanjakana sy ny hoe dinik’asa nifandimbiasan’ny mpifanandrina politka Gasy no natao ? Dia lasa tany Maputo Mozambika indray avy eo ? Angaha moa efa nisy programa an’izany talohan’ny niaingàna teto ? Tsy maninona mihitsy, na ho tetezina daholo aza ny firenena rehetra ao anatin’ny vondrona SADC, raha ny tombotsoan’ny Gasy tokoa no tadiavina, sady ny filoha avo dia efa nanaiky teo imason’ny rehetra fa ataony izany ho fanamporofoiny ny fitiavan-tanindrazana ao aminy. Saingy indrisy, fa tsy ho an’ny Gasy ny hevitra narovana fa ho amin’ny fankatoavana ny « hala-pihinana » nandrombahana ny fahefam-panjakana. Fikarohana fatratra ny haneken’ny mpanelanelana fa « marina » sy tsy manan-tsiny ny mpitarika ny fitondrana avo teo amin’ny fandrodanany ny fanjakana voafidim-bahoaka teto...
jeu
14
avr
2011
Miakatra ny vidin’ny solika, tsy mbola miditra mianatra ny mpianatra eny amin’ny Anjerimanontolo, mihanaka ny andiam-balala any amin’ny faritra maro eto amin’ny Nosy, tsy voafehy ny sondro-bidin’ny zavatra ilain’ny mponina an-davan’andro, tsy mbola nisy fanampahan-kevitra politika mazava ho amin’izay hisian’ny fitoniana, variana mandray vahiny isan-karazany ary mampidera fahaizana ny mpiketrika ny diplaomasian’ny fahefana avo, nakatona ny fanjonoana any an-dranomasina any amin’ny faritra atsimo any, noho ny fihanaky ny pozina. Vonjivonjena toy ny tsinain-kena izay rehetra toe-javatra miseho. Tsy mazava intsony ny lalana homban’ny firenena…Fa misy ny zavatra vita (ihany) azafady: Satria efa nahatontosa ny fanambaram-panany daholo ireo mpikambana vaovao sy ireo taloha tao amin’ny governemanta. Efa mety hanangasanga ny datin’ny fifidianana satria efa maromaro ny fikambanana iraisam-pirenena mpampirisika amin’izany. Na izany na tsy izany dia toa tsy misy fiatraikany akory izay maha fotoanan’ny fararano ho fiakaran’ny vokatra sy ny taom-baovao Gasy. Tsy misy faly be manao ahoana fa fitaintainana no betsaka satria mirehitra ny tanàna....
jeu
07
avr
2011
Tsy maintsy hifidy ny Gasy rehefa hirosoana ny amboletra. Tsy maintsy handrotsaka ny vatony koa izy na tiany na tsy tiany izay hatolotra azy. Tsy maintsy hanefa ny adidiny rehefa mahazo ny tambitamby sy ny tolotolotra fanao mandritra ny fampielezan- kevitra. Manomboka mandeha indray izao ny fanentanana ny olompirenena handray andraikitra manoloana ny fifidianana tsy maintsy ho tanterahina. Nampatsiahivin’izay mahay mandahatra rehetra fa tokony ho vitaina amin’ity taona ity daholo indray ny fifidianana tsy vita tao anatin’izay roa taona izay. Araho maso dieny izao ny fandrafetan’ireo mitonona ho « mahaleotena » ny lisitry ny mpifidy, fa any no fototry ny olana, hoy ny fanentanana sasany. Amin’ny saina tsy miangatra dia azo inoana ve ny hampiray ireo hevitra nifanipaka momba io fifidianana io, nandritra izay fotoana lavabe nifandirana teto izay ? Iza indray no sahy hanome antoka fa rehefa voafidy ireo mpanao politika te-haka fitondrana amin’ny fifidianana peta-toko, dia hilamina sy tsy hisy ny korontana politika eto ? Iza no hanome toky fa hilamindamina ny lafiny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny ankapobeny ? Hivaha, na amin’ny ampahany ihany aza, ny olana ara-tsosialy efa nikiky sy nahazo vahana hatrizay?............
mer
06
avr
2011
Resaky ny kôfa tao amin’ilay « Krutambul » ny hoe : « mifanajà, fa izany no tena zava-dehibe ! ». Tsy misy antony tokony hanajàny ny hafa raha tsy mahay mahazo ny tenany ny olona iray. Tsy hevitra filozofika be mankaiza izany, fa tena « ezaka » bitika indrindra handavorariana ny fiaraha-monina. Efa nandritra ny taona roa nifanesy isika izao no tsy afaka nifanaja tamin’ny hevitra nifandrohitana teto. Nampiasaina daholo ny tetika rehetra mba hahatongavana any amin’ny fitoniana politika fa tsy nahitam-pahombiazana, satria « ialahy isany » mpanao politika dia tsy mahay manaja tena, tsy mahay mifanaja, tsy mihevitra ny fifanarahan’ialahy isany ho zava-dehibe. Koa inona moa no mba ho fanajana ny « hevitry ny fiaraha-monina », ny « hevi-bahoaka », ny « hevitry ny firaisamonim-pirenena », ny hevitry ny fivorivorina marobe, ny hevitry ny vondrona iraisam-pirenena? Mba manaja tena leitsy rehefa tsy hanaja ny hafa ihany a ! Ao anaty lapam-panjakana daholo indray izao ny mpanao politika Gasy rehetra (araka ny filazany) noho ny « fandrangotana » taratasy tsy fanta-pototra. Taratasy tsy manana lanjany eo amin’ny lalàna fototra nifanekena. Taratasy tsy manana olona nanaiky azy afa-tsy 402, miampy ny mpanaty ràn-kena, sy ny mpihogahoga. Tsy nasian’ny mpiara-monina lanjany akory, satria tsy heviny, na fanirina avy ao anatiny no nosroratan’ilay dokotera Mozambikana tao amin’ilay « ordonance » nitadiavana fanafody erak’ity vodi-mototra rehetra ity. Tonga tao amin’ny farmasia-n’ny Troîka indray fa tsy nasian-dry zareo resaka akory hoe : mitadiava fanafody « générique » any an-kafa, na koa manatòna dokotera hafa, na mpitsabo nentin-drazana, na « hevitra » hafa mihitsy e !.................
lun
04
avr
2011
Nila fanovana na fiovana isika, tonga amin’izany tokoa. Mila mametraka ny demokrasia isika, hoy ihany ny feo tany amin’ny taona 2009 tany, asa aloha raha tanteraka izany. Sarotra ve sa tsy hay ilay foto-kevitra notadiavina tao anatin’ny tolona navaivay ? Fa raha fanovana tokoa moa ilay nilaina, toy inona no tokony ho fisehony ? Inoana fa fiovana nankany amin’ny tsaratsara kokoa noho ny efa nisy. Ohatra hoe tsy nisy fanagadrana tsy amin’antony nanenjehana ny teo aloha. Tsy lasa tsy nanana asa ny ankamaroan’ny olona nanana izany. Tsy hidangana toy izao ny vidin’entana. Tsy hatahotra ny haneho hevitra sao izany fahalalahana izany no hampiditra ny antambo indray…
sam
02
avr
2011
Eo ihany aloha ny raharaham-pirenena. Sady tsy mandroso ho antenaina no tsy mihemotra mankaiza. Rehefa napetraka teo amin’ny mpanapa-kevitry ny Sadc ny resaka tao aorian’ny fihaonan’izy ireo tany Zambia dia ho hafahafa indray no ho tohiny satria tsy maintsy hoentina any amin’ny fivoriana tsy ara-potoan’ny vondrona afrikana ny raharahan’i Madagasikara. Rahoviana indray izany ? Mbola tsy hay e ! He izany izy hoe fivoriana tsy ho ara-potoana. Ny Gasy anefa ato mifampitoraka vato eny an-tsena ! Mifandramatra ny mpivarotra amoron-dalana sy ny politsy, ary misy manararaotra ny fisehoan-javatra fa tsy hoe mandeha amin’izao fotsiny ny tarehin-javatra toy itony. Ny minisitra vao notendrena dia misy ny manao be fihavy any anivon’ireny ministera isan-tokony ireny. Tsy te-hahalala izay vilany vaky fa tonga masiaka sy mivonon-ko tompony avy hatrany. Miala daholo ny taloha, hoy ny sasany. Aiza daholo ny fitaovana rehetra hoy ny hafa. Tsy mila mitamatama fa asa no atao fa tsy kabary. Dia lasa ny fisainana : Asa mankaiza moa izany ? Asa hanao inona, ary ahavitàn-javatra ihany koa ? Sa tratrevatreava tsy misy fotony ?............
jeu
31
mar
2011
Mahatalanjona ny mijery ny fihetsiky ny mpanao politika Gasy manoloana ny tantarany. Mijoro tsy fidiny satria tsy mahalala akory ny tany tokony hodiaviny sy hitsahiny. Mitsitaitaika toy ny tain’ny marary ny fahatongavan’ny mpitondra ao anatin’ilay fahefana avo eto Madagasikara, nanoloana ny tsangambaton’ny maherifon’ny firenena teo Ambohijatovo teo. Samy mitonona ho mpitondra » fanjakana » kanefa tsy voaavaka tsara ny maha-ofisialy sy ny « fianakans » manokana..Ankoatra an’izany, ny nataon’ny Filohabeny tany Moramanga tany, satria manala adidy tsy maintsy hatao ny tenany. Mijoro tsy fidiny toy ny hafa rehetra. Inona no ao an-dohany ? Inona no hevitry ny « fampirevena » ireo konkan’ny « ady » nandritra ny 64 taona ? Tsy hoe tsy misy vidiny sy lanjany akory ny ezaka nataon’ireny olona ireny teo amin’ny fikarohana ny fahaleovantenam-pirenena nandritra ny fotoana lava. Tsy izany velively mihitsy ! Fa mampivoitra inona sy mitondra amin’ny tanjona mankaiza ny fijoroan’ny sarivongana ahetsiky ny mpilalao azy manoloana ny tsangam-baton’ireo « nofaiziny » sy « novonoiny »?............
lun
28
mar
2011
Tsy nisy afa-tsy minisitra miisa efatra sisa, tamin’ireo nateraky ny lalana sy ny kianja, no tafajanona ao amin’ny governemanta Vital : ny minisitry ny fitsarana Razanamahasoa Christine, ny minisitry ny mponina Ramaroson Nadine, ny minisitry ny fanajariana ny tany Andrianainarivelo Hajo, ary ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny teknolojia avo lenta Andriamanjato Ny Hasina. Raha izany no jerena maimaika dia ireo izany no akanga sisa nanamboana tamin’ireo « minisitry ny arabe » tamin’ny taona 2009. Namoronana « zava-baovao, tena hafa tsotra izao » kosa ny mpitolona tao anaty fefy nandritra ny roa taona ka sady lasa minisim-panjakana, no sady hisahana mivantana ny fifandraisan’ny samy andri-pitondran’ny tetezamita ny depiote taloha Rakotoarisoa Yves Aimé… Inona no hateraky ny fanendrena ireto mpikambana vaovao ireto ?...
sam
26
mar
2011
Raharaha hafakely no iainan’ny Gasy isaky izay misy fahatsiarovana sy fanamarihana ny tantarany. Efa taona marobe no niverimberina teto ny fanamarihana andro manan-daza isan-karazany fa tsy mba nisy na iray aza tamin’ireny fahatsiarovana ireny no mba nitondra firaisan-kina sy tena nampitambatra antsika mianakavy. Aleo tsy hiverenana mihitsy ny am-polo taonany lasa fa ny tato anatin’ny roa taona farany no tena niharihary loatra ny revin’Ikotosolelaka. Tao anatin’izay roa taona izay dia tsy mbola nisy fankalazana fetim-pirenena malagasy isaky 26 Jona, ka tsy nampifanolana sy mba nifaliana an-halalahana. Tsy nisy fahatsiarovana ny 29 Martsa 1947 mba tena nampitambatra ny Malagasy. Tsy tsaroantsika ve fa nisy ny baomba varimasaka napoakan-dr’Ikotopoaka tany anaty dabapako ? Tsy navelan’ny andiam-bahoaka hanatritra voninkazo am-pilaminana ihany koa r’Ikotompahefana mpitondra, fa voaelingelina hatrany. Tonga dia voasambotra sy niditra am-ponja tokoa ilay Ikotomafanavay niana-kendry nametraka voninkazo nanindry sy nandrava ny an’ireo manam-pahefana. Dia ho tonga indray ity ny 29 martsa 2011, dia indreo r’ikotosolelaka mianakavy fa mbola tsy misy hetsika iombonana fa vao mainka mifanapoaka taim-bava...
jeu
24
mar
2011
Jereo aloha ny filazan’ny rakibolana nosoratan-dRajemisa Raolison momba ity teny hoe : « lozotra » ity : Enti-milaza zavatra ratsy nahandro, tsy tsara masaka kanefa tsy azo averina andrahoina intsony. Io no hamaritany ny teny. Fa inona marina moa no nahatonga ny firenena ho lozotra am-pitoerana toy izao ? Satria peta-toko ny hetsika nanentanana ny andiam-bahoaka ho fanilihana ny jadona sy ny ampihimamba nisy nandritra ny taona fito nifanesy. Sady tsy afaka ilay jadona, no mbola tsy misy ny fanalalahana mifanohitra amin’ilay hoe: ampihimamba mba niainana hatramin’izao. Ketrehina im-polo kely ny fanamasahana izay ho lalan-ko diavina fa zary mivoaka maraina sy tsy lasan-davitra toy ny akoho isika mianakavy. Firosoana amin’ny fifidianana indray ankehitriny no hevitra atao be am-bavava tato ho ato. Kanefa na ny fomba hanatontosana azy aza dia mbola tefy maika sy peta-toko toy ny teo aloha ihany ? Tsy maintsy hajoro ihany koa ny governemanta hitantana io fifidianana io ato ho ato na dia tsapa aza ety am-pikenokenonana azy fa « hanara-davahana » ny teo aloha ihany. Manonofy atoandro izay hanana fanantenana fa « tono vomanga vory vahoaka » ve hahitàna sakafo masaka sy hahasalama e ? Koropa-dava tsy misy farany kanefa mionona amin’ny tefy maika fotsiny ny mpanao politika Gasy............
mar
22
mar
2011
Andro iraisam-pirenena ho an’ny rano e ! Fa ny antsika dia tsy andro iray ihany fa efa nanakoako izany ary nabotsina ho herinanadron’ny rano. Ary mba mitondra inona ho an’ny firenena moa itony andro iraisampirenena hankalazaina isaky ny mihetsika itony ? Tsy maninona koa anie na atao ho herintaonan’ny rano aza e ! Sady mahafinaritra ilay resaka hifanentanana hoe : « sasao ny tananao ». Marina io, ary zava-dehibe ny fahadiovana sady hiakinan-javatra maro. Inona tokoa moa no lanjan’izany rano izany eo amin’ny fiainan’ny mponina amin’ny andavan’andro ? Tsy haingo io na haitraitra, ary tsy manavaka na iza na iza fa ilain’ny rehetra. Mahavita dia lavitr’ezaka manodidina ny 6 kilaometara ny mpantsaka rano vao mba mahazo rano ho fisotro sy ho fisasanana hanaovana ny kenokeona andavan’ando raha ny tontolo iainan’ny Gasy amin’izao fotoana izao. Tena mandeha lavitra ny tanàna izany ry Ravaomaria e ! Mandany fotoana ela satria io 6 km io dia adiny iray (raha haingana indrindra) no hanaovana azy. Dia inona moa no fahadiovana azo amin’izany ? Aiza no hisy rano hariam-potsiny amin’ ity tanana ho sasana madio ity ?...
sam
19
mar
2011
Ny anganon’ny Gasy dia handraisana lesona hatrany ka tsy maintsy hiverimberenana ny fitantarana azy mba tsy ho levon’ny fandrosoana izay miriotra sy tsy hay tohaina : Vary lena loatra ny kary sy ny alika araky ny fitantaran’ny Gasy avy any Vakinakaratra azy, koa indray andro dia nifanaraka izy roalahy ireo fa hisodika rofia, havadika ho harena sy mba hihinanan-kanina. Rehefa tena eo am-perin’asa dia mampiseho fahaizana amin’ny safidy hifanajana hatrany izy ireo noho ny fihavanana tsy tiana ho rava, ka hoy ny kary : « O, rahavako a ! Inoana no hataon’ialahy : hikapa sa hisodika ? ». Dia nisafidy ny hikapa ny alika ary tsy nitandro hasasarana nanao izay hahavitana asa betsaka. Nandrasana kosa ny fihetsiky ny kary ka toa nihamikamina fotsiny fa tsy mbola nisodika akory ireto rofia efa nidaboka. Nolaviny ny fisodihana ka nangataka andro indray izy fa ny mandrary sy ny hanady no tena angadiny fa tsy ho vitany ny hisodika. Tsy nanana ahiahy ny alika ka nanezaka mafy ho amin’ny dingana manaraka ka vitany antsakany sy an-davany indray ny fandrariana, ka rehefa nataony tamin-kitsi-po dia nahavita lamba jabo tsara tarehy izy..............
lun
14
mar
2011
Amboary ny saina fa latsaka anaty lainga marivo tototra ho hehezin’ny akoho tokan’anaka ny firenen’ny Gasy. Tsy rehefa te-hanao politika akory dia hanan-jo handainga sy hanao lainga masina amin’ny valalabemandry. Nametra-pialàna ny Praiminisitry ny fitondrana avo sy ny mpikambana anatin’ny governemantany iray manontolo. Tsy ilay Praiminisitra no nivolana an’izany fa ilay mpanendry azy. Hoy ity Praiminisitra ity taloha kelin’iny rangotra nataon’ny mpanao politikan’ny Gasy iny : « Rehefa hitan’ny mpanendry fa tokony alàna ny tenako dia miala avy hatrany aho, ary aoka ho fantarareo fa efa navoitran’ny fivoriana maromaro fa izy mpanendry no mijanona fa ny tenako no mandeha ». Anjaranao ny mijery mazava an’izany resaka izany. Inona no nahadodona ny mpitarika ny fahefana avon’ny tetezamita hilaza fa nametra-pialàna ny Praiminisitra ? Satria ve ekeny amin’ny fomba matotra ilay « ravi-taratasin’ny SADC » ? Ary nahoana ny Praiminisitry ny fitondrana avo no « nitsoaka an-daharana » mialohan’ny fotoana ? Tapitra ve ny fotoanan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ka tapa-kevitra hiditra amin’ilay « tetezamitan’ny sehatra iraisam-pirenena » ny tenany ? Tsia ! tsia ! tsia !..........
sam
12
mar
2011
Amboary ny saina fa latsaka anaty lainga marivo tototra ho hehezin’ny akoho tokan’anaka ny firenen’ny Gasy. Tsy rehefa te-hanao politika akory dia hanan-jo handainga sy hanao lainga masina amin’ny valalabemandry. Nametra-pialàna ny Praiminisitry ny fitondrana avo sy ny mpikambana anatin’ny governemantany iray manontolo. Tsy ilay Praiminisitra no nivolana an’izany fa ilay mpanendry azy. Hoy ity Praiminisitra ity taloha kelin’iny rangotra nataon’ny mpanao politikan’ny Gasy iny : « Rehefa hitan’ny mpanendry fa tokony alàna ny tenako dia miala avy hatrany aho, ary aoka ho fantarareo fa efa navoitran’ny fivoriana maromaro fa izy mpanendry no mijanona fa ny tenako no mandeha ». Anjaranao ny mijery mazava an’izany resaka izany. Inona no nahadodona ny mpitarika ny fahefana avon’ny tetezamita hilaza fa nametra-pialàna ny Praiminisitra ? Satria ve ekeny amin’ny fomba matotra ilay « ravi-taratasin’ny SADC » ? Ary nahoana ny Praiminisitry ny fitondrana avo no « nitsoaka an-daharana » mialohan’ny fotoana ? Tapitra ve ny fotoanan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ka tapa-kevitra hiditra amin’ilay « tetezamitan’ny sehatra iraisam-pirenena » ny tenany ? Tsia ! tsia ! tsia !...
ven
11
mar
2011
Tsy nahandry ny andro maraina mihitsy ny sasany fa dodona amin’ny « fanampahan-keviny » ho an’ny firenena Malagasy (hono). Inona tokoa moa no maharatsy izany ? Inona no hisalasalana amin’izany? Rango-pohy sa inona ity natao? Tsy izany no zavaddehibe fa izay alehany any alehany ! Midika inona tokoa moa ny hevitr’izay andininy miisa 44 ao anatin’ity « ravin-taratasy » ity? Vakio tsara kosa ohatra ny andininy faha-23 azafady: « Tsy misy na iray aza mpanao politika izay nanao sonia, na tsia ity taratasy, ka afaka ny hitsivalam-pandry eo amin’ny fampiharana izany taratasy izany mandritra ny fotoan’ny tetezamita ». Manoatra izany ity noho ilay voalazan’ny Boky Masina? Izay voasoratra dia voasortra? .........
jeu
10
mar
2011
Nodian’iny olona iny niraikiraiky dia voany ihany tamin’ny farany e! Nampiasainy daholo ny voambolana isan-karazany dia fanina ny ankamaroan’ny Gasy (ilay mpanao politika miseho ho mahiratra io). Nampiresahany ilay mpihazona ny raharaha ifanaovana amin’ny vahiny teny Anosy teny ka nanjary nalefa-piteny fa aleo halamina ny tetezana dia mody sy miverina eto i Ramose, aiza kosa no hisy Gasy tsy hahazo hiverina eto an-tanindrazany izany ? Fa tsy vao tamin’ny androatokom-bolana lasa ve ity minisitra eny Anosy ity no nivolana fa tongava eto iny Ramose iny raha lehilahy? Niova ny resany satria nandalo sy niresadresaka taminy tao iny olona iny e ! Avy eo dia noseran’iny olona iny koa ny teny Mahazoarivo teny ka vitany soa aman-tsara ny « nampiesona » azy. Vitany ny nilaza an-kolaka fa tsy maintsy handao ity toera-mahazatra azy nandritra ny herintaona mahery ity mpanaofa tranon’i Mahazoarivo ity. Politika ve hisy ohatra ny nataon’iny olona iny ? Vitany ny namolavola lalan-kizoran’ny Gasy, ary voavolavolany amin’ny antsipirihiny ny tokony hatao amin’izany. Marina fa mbola misy pitsopitsony madinidinika mbola miandry ity mpampianatra mahay ity kanefa ny sarotra noho izao aza vitany e! Moa tsy nandritra ny roa taona aza tsy nahita lalan-kivoahana ny mpitondra sy ny mpihazona ny fahefana teto ? Fa hain’iny olona iny no nandambolambo ny mpanao politika Gasy ka tojo ilay rango-pohy ihany izy ireo……
mer
09
mar
2011
Ny ady politika dia mitarika amin’ny heloka politika hatrany ho an’ny mpifanandrina. Ny heloka aterak’izany dia dinika politika ihany no hifanarahana eo amin’ny mpifanadrina. Io mazàna no tsy
mazava amin’ny mpanohana sy ny mpanara-dia; ny mpitarika pôlitika kosa dia matahotra handray andraikitra satria tsy mahatanty ilay horakoraky ny mpomba azy. Matahotra ny ho voatora-bato.
Mila dinganina ilay toe-tsaina “aleo halan’andriana toy izay halam-bahoaka”. Mila saintsainina ny mety hateraky ny ady pôlitika. Ilaina ny fanohanan’ny vahoaka tsy mandady harona , kanefa tsy ny
tian’ny vahoaka matetika no hitondra ny rariny sy ny mahasoa azy kokoa. Ny fanarahana ambokony sy ny fanehoan-kevitra aterak’izany dia mankany amin’ny gaboraraka sy fanomezana hasina ny
Répôblikan’ny “mandeha ho azy”........
mar
08
mar
2011
Angamenavava, hoy ny tenin-drazana ka aleo samy mitsilotsilo ny alehany. F’angaha moa ianao irery no milanja ny mangidy eto amin’ny firenena? Aza mitarai-tana-miepaka fa ny sitrapon-dRalakamisy koa no nilingilingiany hanambady ny Ambaniandro. Raha sendra ny tsy nampoizina ve moa tsy ho hiantràna ihany fa havan’ory? Saingy tsy izany anie no manjo anao e! Moa mba nasianao vidiny ny ezaky ny hafa? Nasianao lanjany ny fananana iombonanana tamin’ireny haitraitra natao ireny? Moa mba nosaininao fa mety ho nanandanja teto amin’ny firenena ny dingana vitan’ny “vahoaka” te-hiasa mafy sy hiasa tsara? Nahoana no novelenao teto ny kolon-tsain’ny tanora tsy te-hahalala ny hevitry ny hafa? Aleo koa mba ho tantatraina anao ny nanjo hafa, dia mety ho azonao an-tsaina ihany fa tsy fitia te-handatsa ny an’ny hafa, raha mba mitaraina izy. Tsy ialohavan’ny “ry tanindrazanay malala ô”, ny fitarainany fa faniriana fotsiny ilay hoe: “He! Sambatra tokoa izahay!.............
lun
07
mar
2011
“Saika maty aho lehiroa, tamin’’ny andro faharoa! Tena mpamosavy lava loha no nanao kitoatoa”. Kilalaon’ankizy tamin’ny fotoan’andro taloha izany fa tsy rediredy na koa fitia te-hampiady rima fotsiny! Tsy mety amin’ny fomba fisaina sy ny tontolo politika maneran-tany ny herisetra hateraky ny fifanolanana ara-politika. Tsy maintsy ireo tsy manan-tsiny hatrany no mitondra faisana. Na inona na inona tsy fitovian-kevitra dia tsy politika ny fikendrena ny hamono hahafaty olona, indrindra ny “filoha avo mpitantantana ny tetezamitan’i Madagasikara” no lasibatra(?) Tsy politika ny fandoroana ny lapan’ny tanàna, tsy politika ny famonoana ny filoham-panjakana, tsy politika ny fandorana ny lapa teny Andafiavaratra sy ny teo Manjakamiadana, tsy politika ny fandorana ny RNM sy ny TVM, ary vao mainka tsy politika ny miafina ao anaty herisetra “B” rehefa te-haneho tanjaka sy hampiseho amin’ny rehetra fa mbola mpidinika sy mpitarika politika. Fa tonga ny “B” tena mipoaka rehefa ny politikan’ny herisetra no mitranga. Tsy voatery ho ny mpifanolana hatrany ny hanamboatra ny “B” mba hapoaka fa hevitry ny beloha io. Hevitry ny tsy manana halahatra, hevitry ny kanosa, hevitry ny leom-boanana............
ven
04
mar
2011
Nahitana hevitra « vaovao » sy hafa indray nivoaka teny Ambohitsorohitra teny raha nihaona sy noraisin’ny filohan’ny fitondrana Avo Rajoelina Andry ilay iraky ny mpanelanelan’ny Sadc, ny dokotera Simao Leonardo. Nivoitra tamin’ny fanambaràna fohy nataon’ity Dokotera Mozambikana ity, taorian’ny fihaonana, ny fahaizany ny diplaomasia sy ny fahafehezany tsara ny fanehoan-keviny. Niova ny fomba fiasa eo amin’ny mpanelanelana, araka ny filazany, ary tsy maintsy hisy ny fandraisana ny hevitra rehetra mba ho famahana ny olana, ary misy dingana tsy maintsy handalovany izany fikarohana ny hevitra samihafa (samy hafa) izany. Ny famorian-dRajoelina Andry ny mpanao politika Gasy indray dia nambarany fa anisan’ny dingana eo amin’ny samy Malagasy izany, ary ilaina ny toy izany ho firosoana tokoa amin’ny vahaolana maharitra. Niompana amin’ny fijerena sy ny fitodihana amin’izay ezaka vita no tena anton’ny fihaonana teo amin’ity tompon’andraikitry ny fanelanelanana ity sy ny filohan’ny fahefana avo Rajoelina Andry. Tsy azo hirotorotoana, hoy ny tenany, ny vaha-olana fa tsy maintsy ny teny ifanomezana sy ifanarahan’ny ankapoben’ny mpifanandrina no tena ilofosan’ny mpanelanelana................
jeu
03
mar
2011
mer
02
mar
2011
Raikitra indray ny don-tany sy kapo-tandroka politika mandritra izao kihon-dalana tsy maintsy hizoran’ny firenena izao. Tsy mora koa anefa ny maka toky amin’ny mpiray tanindrazana ny amin’izay lalan-jotra tiana handehanana. Tsy maintsy hampandriana ny adrisa, na dia fantatra mazava aza fa tsy mba fomban’izy ireny ny handry in-droa eo ambavahady. Mibirioka (indray) ny resaka ankehitriny ka lasa mirona any amin’ny hevitra sadasada ny ady hevitra. Ny atao hoe fiovàna noresahana hatrizay angaha moa lasa ady fifandrohitana amin’ny maha-tanora, na zaza, na antitra? Fa ady varotra amin’ireo fotsy volo amin’ny tany ve no atao hoe fampandrosoana firenena? Inona marina no hevitra fonosin’izany hoe hatanorana izany? Iza amin’ny olompirenena Gasy no manaiky fa tsara sy ahitam-pahombiazana ny hevitra avoakan’ny tanora ka tsy maintsy ho toavina fa anjarany izao? Ary tsy mety intsony ve ny an’ny antitra ka nilaozan’ny toetr’andro? Inona eo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena no tena ilaàna ny fahatanorana, na koa ny fahanterana?.........
mar
01
mar
2011
Raha toa ka mizotra soa aman-tsara ny dinika tian’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita tanterahina amin’ity herinandro ity, dia hipetraka indray ny fanontaniana mikasika ny tena tiany hotontosaina, mandritra ny tetezamita ho teraka eo. Tsara ihany mantsy ny manamarika toe-javatra vitsivitsy etoana, hahalalan’ny Malagasy tsirairay ny lalan-kizoran’ny tanindrazany. Na marimarina kokoa, ny zotra irin’ny mpitondra ankehitriny hizorana. Raha mahatsiaro ny tsirairay, izany hoe ireo ampy taona ka nasaina nandatsa-bato tamin’ny 17 novambra, tamin’iny taon-dasa iny, dia nankalazaina hatrany ny filazana fa « vaha olana amin’ny krizy ny fandaniana io lalàmpanorenan’ny Repoblika Fahefatra io. » Dia nankalazaina ihany koa, raha mbola tany anaty kibon’ny omby ny valiny, fa « fandresena goavana no azon’ny Malagasy » satria toy ny efa fantatry ny mpitondra ny fahefana avon’ny tetezamita fa « ho » lany izy io. Dia lany tokoa. « Teraka » tokoa, hoy izy, ny « Repoblika Fahefatra ». Saingy teraka tsy nisy ray, tsy nisy reny. Marina fa nisy ny namolavola azy, nanao izay handrafetana ny lahatsoratra maro dia maro ao anatiny, ary nampiely ny « vaovao mahasoa » teny rehetra teny. Saingy, toy ny zanak’i dada…, tsy misy ray. Tsy misy ray satria tsy mbola misy anie ny Filohan’ny Repoblika e ! Ilay mbola tokony hofidian’ny rehetra..............
lun
28
fév
2011
Rehefa tsy dia manana hevitra alahatra loatra ny olombelona dia tsy maintsy tonga any amin’ny « herisetra » ny fisainany. Ezahany hatrany ny mampitaha ny trangan-javatra tsy mitovy akory, mba hiarovany ny “hevi-dravina” hananany. Dia hapoakany amin’izay ny taim-bava tsy misy fifanajana, tsy voadinika, tsy matotra…Izay ilay herisetra tiana ho resahana. Mety hisy lanjany ve ny vaha-olana haroso mba ho ekena sy hankatoavin’ny besinimaro raha ho lazainao ety am-pihandohana fa tsinotsinona sy tsy misy vidiny akory ny sasany ka avelao any, aleo ho tsarain’ny tantara, ‘ndao ilaozana fa mandany andro? Efa mba nanazava ve ireny olombelona ireny ny amin’izay ezaka nataony mba nandresena lahatra ny “namany”? Sa ho vitan’ny tian-ko tsy tian-kano fotsiny? Iza no sahy hiteny fa noho izao antony toy izao sy toy izao no tsy maintsy hirosoana ,na koa hijanonana manoloana ny toe-javatra iray? …….
lun
28
fév
2011
Tsy mazava ny asa fanelanelanana hataon’ny dokotera Simao eto amintsika. Lasa manao ny asan’ny “mpitsara” ny olana no ataony tato ho ato, fa tsy manelanelana eo amin’ny mpifanandrina, na koa mitady ny vaha-olana marina mba tsy hampisy ny fimonomononana. Satria nahoana?
Adidiny ve no manondro mivantana ny iray na roa amin’ireo mpifanandrina ara-politika ka hilazàny fa ny ankolafy Ratsiraka sy zafy dia tsy vononaintsony handray anjara amin’ny tetezamita iraisana? Mety ve ny filazàny fa Ravalomanana tenany mihitsy no mpivadidibadi-dela tsy hahaitàna ny vaha-olana? Ary nahoana no tsy sahiny lazaina akory ny mety ho fifandraisan’ny “fanelanelanana” ataony sy ny famoriana ireo mpitarika politika izay kasain-dRajoelina Andry ho tanterahina?..............................
ven
25
fév
2011
Mba ataovy mazava ny resaka, na ampio jiro fa maizina sy tsy ahita-mitsinjo! Fefika eo amoro-pasika ve ny sambolay sa efa any an-dranomasim-be? Hampiakatra ireo mbola dobo? Sa hiala ny tora-pasika? Inona marina no hatao ho an’ity firenena Malagasy ity? Nojonoina daholo ny “karazana hazan-drano” rehetra fa tsy misy nahavoky ny “mpihogahoga” akory. Nampiasaina nifanesy na toto, na kankana fa tsy nahomby…Hariva ihany ny andro! Hovoriana indray ny mpanao politika rehetra (efa im-piry moa izay?) amin’ny Talata na Alarobia ho avy izao mba hidinika ny fomba hiatrehana ny fifidianana. Saino amin’ny fo tsy miangatra ny toe-draharaha: Raha efa eny an-dranomasina tokoa ny sambolay dia izay tapaky ny olombelona Gasy tamin’ny 17 novambra 2010, no lôjika indrindra sy tokony hotanterahin’ny “mpihazona ny fahefana”. Fa raha ny mifanohitra amin’izay (izany hoe fefika eo amorom-pasika) dia iantsoy vonjy, havan’ory ve hilaozana fotsiny? Aza menatra mitady tosika. “Omeo tanana kely, fa onkona ny herin’ny vatoaratra rahavako!”……………
jeu
24
fév
2011
Raha tiana ny hanova ny fomba fitondràna ny raharaha politika eto Madagasikara, dia aza haverina intsony ny hadisoan’ny mpitondra taloha. Matoa mihitsoka anaty krizy ny firenentsika dia miverina sy manahaka ny fomba “nahazatra” fotsiny ny mpitondra nifandimby. Tsy misy na dia kely aza ny “zava-baovao” nampanantenaina teny an-kianaja fa ny teo ihany no miverina sy averimberina.............
mar
22
fév
2011
Vanimpotoana hafa mihitsy no hiainanan’ny Gasy ankehitriny (*) satria hatramin’iny krizin’ny taona 2009 iny dia mbola tsy nivaha ihany ny olana ara-politika hatramin’izao. Maro ihany ireo mpitonra teo aloha no tsy tafaverina intsony eto an-tanindrazana satria toa nifandovàna fotsiny ny kolontsain’ny valifaty ara-politika. Tena tantara tokoa sisa ilay niverenan’i Deba tamin’ny taona 1996 ireny, fa hatramin’izao dia mbola any ampitan-dranomasina any hatrany ny tenany. Nanandrana niverina teto an-tanindrazana koa i Ramose tamin’ny taona 2011 fa herim-po very maina ny an’ireo mpomba azy tamin’izany fa tsy nisy hirika niverenany intsony e! Dia mahagaga fa tonga indray ity ny anjaran’i Zandrikely, ilay nampideradera ny fanovàna tamin’ny fotoan’andro; Fa manin-te-hody an-tanindrazana koa, hono, saingy indrisy fa tapi-dalan-kaleha toy ny sokina nanani-bato fa hitoetra any an-tanin’olona toa ireo mpitondra taloha nifandimby rehetra koa e! Mbola marobe ny nahatsiaro ny zava-bitan’ity Zandrikely ity ireo mpankafy sy mpanohana azy ankehitriny ka tsy nitsahatra ny nametsovetso fa tsara ny foto-drafitr’asa toy ny kianja sy ny hopitaly marobe vitany tamin’ny fotoana .nitondràny. Namaha ny olana ara-tsosialin’ny mponina koa izy tamin’ireny fotoana ireny satria vitany ny nitazona ny vidim-bary tamin’izany ho 1000Ar ny kilao. Mitelin-drora fotsiny ny mponina amin’ny ankapobeny ankehitriny fa toy ny anganon’ny Ntaolo ny resaka “mora” tamin’izany. Betsaka anie ny nahazo tombony tamin’ireny e! Vary mora, trano mora, izay rehetra natao dia tena mora avokoa. Manembona ireny fotoana nahafinaritra ireny ny mpanohana an’i Zandrikely ankehitriny ka tsy nitsahatra ny nametsovetso ny fotoana niarahana tena nahafinaritra...........
lun
21
fév
2011
Tsy tong aizy na dia nanantena izay tsy izy aza ireo tonga teny ivato,dia tsy hita na dia ny tendron’oron’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc aza tamin’yny sabotsy teo « Ny nanantena tsy misy no sarotra fa ny mamoy mora foana »,hoy ny fitenenana.Dia izay tokoa ,fa setroka mandatsa-dranomaso no nandroaka ireo mbola tavela faramparany teo,tany ho any amin’ny fito ora hariva.
Avadiho indray ny pejy,ny fiainana mizotra ihany na eo izy na tsy eo,moa va tsy Madagasikara ihany Madagasikara ! Na ho inona endriny na ho inona ny fiaimpiainan’ny vahoaka eo aminy,izay ataon’ny mpitondra ihany no hamaritra ny momba azy.hoviana teto amintsika moa no mba nojerena akory ny hevitry ny vahoaka,tamin’ny alalan’ny valim-pifidianana teto,nandritra ny dimampolo taona izay,Mainka fa izay mba fihetsika na fidinana an-dalambe nilazany ny hetahetany !Toy ny hoe :henoy izany ry hazon-damosiko »
Kanefa…matanjaka io hazon-damosina io,matoy mbola mijoro sy mitraka toy izo ny mponina ao aminy.Tsy mahatsiaro vizana na kotsa ; tsy mahatsiaro resy na kamboty satria mbola any hono hoe ilay filoha na ireo filoha ianteherany.Amin’ny inona moa io?Eo indrindra no ilàna ny fahamatoran’zay mitondra.Inoana feno fa tsy olona tsy manan-katao ireny olona marobe tonga teny Ivato ireny,toy ny tsy maha olonolom-poana .............................
ven
18
fév
2011
« Ho avy aho ! Ary tsy nihevitra ny hoe nanao ratsy tao an-tanindrazako ka tsy hisy hahasakana ahy amin’izany fodiako any na koa hampatahotra ahy. Efa ireto ny billets-n’ny fiaramanidina hiondranako any. Mahatsiaro tena ho tompon’antoka amin’izao fahantrana lalina manjo ny firenena Malagasy sy ny mponina ao aminy izao ny tenako. Ary raha iny sori-dalan’i Dr Simao iny, dia sahiko lazaina eto fa tsy an’ny SADC iny fa azy samy irery tany. Nandritra ny roa taona izao dia tsy nahitàna vaha-olana mahomby ny lafiny politika, indrindra ny fahasahiranana manjo ny vahoaka, koa tsy maintsy hisy ny fifandraisan-tanana ho fanarenana ny firenena ».
Ir e o n o f i la z a ny antonantony s y ny fototry NY « Tsy maintsy ny iverenany eto. Tsy nisala las ala ny F iloha taloha Ravalomanana nanmpatsiahy fa izy no filohan'ny Repoblika voafidim-bahoaka teto, ary ambonin'izay, filoha voafidy ara-demokratika no nivoahan'izany maha filoha azy izany.."Aoka ihany hoy ny tenany mba tsy hanana fironana ny tafika, sy ny miaramila fa hijery ny tombontsoa ambonin'ny firenena, ka hanataneraka ny adidy sy andraikitra takian'ny mpiray tanindrazana amin'izy ireo.
Tsy toraka bilao fa tena izy !
Hita vonona sy tapa_kevitra tokoa ity filoha ity raha niresaka tamin'ny mpanao gazety tatsy Afrika Atsimo tao, izay nalefa ho azo jerena mivantana tetsy amin'ny Carlton ka nahafan'ny mpanao gazety Gasy marobe nanatrika sy nanaraka akaiky izany.Karazan'ny valy bontana tamin'izay resaka sy fepetra noraisin'ny mpihazona fahefana izany.Nanizingizina ny filoha Ravalomanana fa tsy nihevitra hamboly korontana io fahatongavany rahampitso io fa vonona izy iresaka sy hitady vaha olana miaimga amin'ny teny ierana sy ifanajan'ny mpiray tanindrazana.
lun
14
fév
2011
ity no antoka hanomezana ilay fanomezana fankatoavana avy amin’ireo sehatra iraisam-pirenena a ! ». Izany no fomba hifandresen-dahatra amin’ity resaka mandany jiro mampihodikodina am-pitoerana ireto mpanao politika Gasy ireto. Tsy dia azo antoka loatra izay mety haterak’ilay taratasy fa tetika an-dalana no betsaka. Izay manao sonia dia ho tafiditra ao anatin’ny fitondrana sy ny fitantanana ny tetezamita. Mahatsapa izany fitsambikina-mikimpy ataony izany ve ny mpanao politikantsika? Fantany tsara ve ny zavatra resahany? Izay vokatry ny soniany ve mba hahatonga azy ho tompon’antoka? Aiza ho aiza izay ho aro riaka tsy hahadobo antsika mianakavy amin’ity resaka ity? Sao maika tsy faingana ka ho kenda vao dony aho Ranaotra!................
jeu
10
fév
2011
Tsy ilay filaofana maraina akory ny « kitoza » resahana eto. Tsy ireny velively, fa karazan’olona tsy azo ariana eny an-dalana. Tsy maintsy raisina sy hampiakarina ao anaty fiara satria “namana”. Ary rehefa ao anaty fiara izy ireny dia be resaka, mampiresaka ny mpamily (izay voararan’ny lalàna). Tsy mitsahatra ny mitantara izay fotoana nahafaly, na nahasorena azy tany ambadimbadika tany. Indraindray dia efa feno ny fiara kanefa ny “kitoza” tsy maintsy “hajaina”, ary dia mahasorena ny mpanampy ny mpamily izy ireny. Tsy mba mandoa saran-dalana, fa mbola omena vola (avy any amin’ilay mpanampy ny mpamily) indray aza izy ireny rehefa hiala sy tonga amin’ny toerana sy ny tanjona iriany. Mandrebireby ny mpandeha rehetra irao anaty fiara ny “kitoza” noho ny resany tsy mitsahatra, ary toa azy irery ny fiara. Lasa “masi-mandidy” kanefa tonga farany, rehefa hiala dia alàna amin’ny toerana tiany ialàna (tsy amin’ny fiantsonana velively!). Fa mba fantatrao moa fa misy, ary hisy ny “kitoza-politika”? Efa nahazo toky izy ireo fa hampiakarina anaty ny fiara satria anisan’ny “akaman’ny mpamily”...........
mar
08
fév
2011
« Ekenay antsakany sy andavany », hoy ny maro an’isa ao amin’ny fitondrana avo ao. « Ekena ihany fa misy ny tokony hamboarina », hoy indray ny hafa. Fa mazava be mihitsy ny valin-tenin’ny ankolafy telo ambiny : « tsy azo raisina velively io ». Mijaly mihitsy io tondro zotra natolotry ny manam-pahaizana amin’ny fitsaboana iry. Ny dokotera Leonardo Simao io, iraky ny Sadc, ary nisolo tena ny fianakaviambe iraisam-pirenena tonga teto amintsika, « hamaha ny krizy », hono. Na marimarina kokoa hanampy antsika amin’ny fivoahana amin’ny kizo efa tena lalina amin’izao fotoana izao. Asa na tsy nahay nijery ny aretina ny dokotera, na tsy nijery mihitsy ka fanafody tsy mifanaraka amin’ny toetry ny aretina mihitsy no natolony ! Aiza ve ka efa marary izao i Madagasikara, nomena fanafany ny mpitarika ny tolona isan-tsokajiny hamafana ny fanaviana fara faharatsiny, ka no dia misy ihany ny tsy handray ? « Hihàfana ny hafanana » hoy ny maro an’isa ao amin’ny fitondrana avo ao. « Tsy hanavy intsony saingy hiteraka aretina hafa indray io », hoy indray ny hafa. Fa mazava kosa ny valin-tenin’ny ankolafy telo : « manolo-bato mafana io lehilahy io. » Mijaly mihitsy io sori-dalana natolotry ny mpitsabo Leonardo Simao io. Satria nitondra ny tenin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena izy. Na marimarina kokoa nanampy ny fitondrana avon’ny tetezamita hivoahany- izy mpitondra- amin’ny fikatsoany samy irery ao. Dia nahalasa saina ihany ny tenin’ilay minisitra teo aloha – tao amin’ny Fat e- izay nitarika ny tolon’ny mpitaky ny ara-dalàna talohan’izay. Tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray eto an-drenivohitra, ny zoma farany teo, izy no nanambara ny toy izao : « Izy no nahatonga ny aretina, any aminy ny fanafody ». Ny filohan’ny fahefana avo indray no tiany horesahina eto. I Andry Rajoelina, hoy izy, no tompon’antoka amin’ny fahavoazan’i Madagasikara, noho izany, « any aminy ny fanafody. » Koa inon aindray no andrasana e ? Tsy ‘ndao alaina any aminy dia afafiny ny vahoaka. Angamba amin’izay fotoana izay, tsy ilaina intsony ilay vahiny dokotera iny, fa ho sitran-tsy miody isika.
sam
05
fév
2011
Asa raha toa ka efa mahalala sy mahazo ny tena tian’ilay sori-dalana natolotry ny Dr Simao Leonardo, iraky ny Sadc, avokoa ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Sori-dalana eritreretiny hitondrana ny « tena » tetezamita tokony hampiharina eto amin’ny tanindrazana. Raha ny marina, dia sori-dalana manana anjara asa maro izy ity. Voalohany, ary izay no tena mahamaika aloha, hatreto, dia ny hamahana ny olana misy. Inona àry ilay olana ? Tsy misy afa-tsy ny tsy fifanarahan-tsain’ireto milaza ho Malagasy mpanao politika ireto. Ny hilaza marin-drano ny mahatonga « ilay » olana, hanano sarotra ihany satria vao mainka hampivaky ny efa mitresaka indray. Ankoatra ny fisian’ny ankolafy efatra be izao, mbola etsy andaniny koa ny vondron’olona na antokon’olona nisaraka tamin’ny namany ka niezaka ny handeha irery. Asa… te hanana ny anjarany manokana angaha ! Ao ihany koa ireo mitonona ho mikambana amin’iz atsy na izaroa kanefa maneno irery ery am-toerany ery...................
ven
04
fév
2011
Nivoaka ny sori-dalana avy amin-dry zareo ao amin’ny SADC, solontenan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Taratasy nosoniavin’ny dokotera Simao Leonardo. Mahavariana ihany ny mijery ny votoatin’ity sori-dalana ity. Volohany indrindra aloha, dia ny daty nahavitany : ny 20 janoary 2011. Kanefa dia ny talata 01 febroary vao naseho « vahoaka » ilay izy. Toy ny hoe, nandrasana aloha ny hahalalana ny filohan’ny Firaisana Afrikana vaovao voafidy tao anatin’ny fivoriambe natao tany Addis-Abeba vao nampahalalana ny vahoaka Malagasy ny lahatsoratra noraketiny. Araka ny vaovao, dia ny filohan’ny firenen’i Guinée Equatoriale, Théodoro Obiang Nguema, no nisolo toerana ny filohan’i Malawi, Bingu Wa Mutharika. Tafiditra anatin’ny vahohon’ny firenena vahiny izany izao ny kontinanta afrikana.............
mar
01
fév
2011
Tena maha r a r y i l a y voa l à ko s y hanaovana tamba-be! Fa nanana herimpo sy finiavana hatramin’ny farany iny olona iny, nampiseho teo imason’ny rehetra fa asa no nikirizany hiditra ny Kianjaben’i Mahamasina tamin’iny Alahady tolakandro teo iny. Tsy fantatra mazava izay tao an-dohan’ny tsirairay tamin’ilay fisehoan-javatra fa ny hany azo antoka dia samy te-hanaja ny asany daholo na iny olona iny teo andaniny, na ireo polisy teo ankilany. Ireo andian’ny mpitandro ny filaminana dia hita miavaka tsara tamin’ny fitafy nanaovan’izy ireo. Iny olona iny kosa dia nampiseho ilay karatra mahampanao gazety azy. Fa tsy nasian’ireto manam-pahefana “lanjany” loatra ilay karatra fa ny “aron’akanjo mangirana” no nilainy ho fanavahana raha tena mpanao gazety marina iny olona iny. Dia nampiakapeo tsikelikely iny olona iny fa tokony hiditra ny kianja izy satria asa no hotanterahiny eo. Ny polisy kosa etsy andanin’izay dia tsy mila resaka fanazavana lava fa rehefa tsy nanana ilay aron’akanjo mangirana dia “barakay”...........
lun
31
jan
2011
Ireo tsy mbola nahita ny fivoaran’ny sivilizasiona tandrefana no tondroina matetika ho “olon-dia”, ary tadidio sy alenteho an-tsaina fa tsy midika akory izany fa « tsinotsinona » izy ireny. Te hampianatra sy te-hametraka ny tiany hatao koa ny « olon-dia maoderina » amin’izao vanim-potoan’ny taona efa lasan-davitra amin’ny fandrosoana izao. Misy ny manao ny toetran’i Baroa, kanefa dia misandoka ho maoderina sy miaina amin’ny tany demokratika; fatra-panaja ny safidy ary teny ieran’ny mpiray monina ao aminy. Mikorontandrotana ny firenena Afrikana maro satria mieboebo ho mpitarika ny fanjakana any amin’izy ireo ireto andiana olon-dia maoderina ireto. Mamikitra eo amin’ny fitondrana efa ho ampolotaonany maro. Tsy refesi-mandidy. Tompon’ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra (tsy ho mandrkizay fa tsy maintsy rehefa hanaovna angaredona). Manao randratarika tamin’izay niseho tany Tonisia, ny any amin’ny tapany avaratr’i Afrika, toy ny any Egipta sy Algeria, raha mbola tsy misy mangirana ny ao Côte d’Ivoire sy aty Madagasikara. Ataon’ny loza voajanahary, noho ny tondra-drano, maivoka ny any Afrika Atsimo sy Mozambika, ary ahiana mafy ho tratran’izany loza izany koa isika Gasy.....................
sam
29
jan
2011
Tamin’ny taon-dasa no mba nitsitapitapy teto an-drenivohitra teto ilay resaka faha-400 taonan’Antananarivo. Tsy ho fantatry ny ampaha-arivon’ny mponina eto akory izany tantara izany, na abosesika isan’andro ao andohany aza fa ny kolontsaina sy ny zava-kanto ary ny tantaran‘ny tanàna iray no maha-teraka ny fandrosoana mbola ifandovàna eto. Efa “sary mangina” sisa izany Antananarivo izany. Rova efa “aloka” io tazantsika io. Andafiavaratra efa “vaingan-tsetroka” io mampalahelo kely hita marain-tsy hariva io. Lapan’ny tanàna “mpisompatra” ny tantara sy ny “fahafahana” no abahana ao ampivoan-tanàna ao.
Misy mpahay tantara ve eto Antananarivo eto mba antsoina manokana hijery izay tokony harovana, na koa handravàna ity tanàna ity, hifanaraka amin’izay tena maha-tanàna hifandovan’ny taranaka fara-mandimby azy? Misy andian’olona ve eto tsy mijery afa-tsy ny ambany orony, ka tsy ahoany raha manimba ”saina” ny heveriny ho fandrosoana. Tsy misy dikany sy lanjany ny fandrosoana raha hamotika ny tantara no tanjona hanaovana azy. Ny mandroso dia tsy midika ho fanarahana ny fisainan-dry Rajakombazaha.......
ven
28
jan
2011
Hevi-diso hatramin’ny voalohany
Nalentika (sy mbola milentika?) ao an-tsain’ny besinimaro, fa naorina tamin’ny alalan’ny halatra ny fananan-Ravalomanana Marc. Raha io resaka io no lazaina tsotra dia toa tsy nanana na inona na inona ity mpandraharaha ity talohan’ny naha-mendimendy azy hanao politika tamin’ny taona 1998, ka nanomanany ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo. Miverimberina hatrany fa volam-panjakana sy fananam-bahoaka no notavaniny sy nahafahany nampiroborobo ny aferany.
Satria RAVALOMANANA dia mpangalatra ny zava-panjakana sy ny an’ny vahoaka, dia tokony tsy hanan-jo hiaro ny fananany intsony fa tsy azy ireo fa “halatra”. Koa nahoana raha tena fanovàna tokoa no nokasaina hahazo vahana eto no nasaina nihinana halatra ny vahoaka tsy mahafantatra izay tetika politika tiana hatao? Naninona raha nampiseho fahasahiana nitory ny tsy rariny sy ny tsy ara-dalàna fanaon-dRavalomanana? Satria ny tanjona dia hanagana fanjakàna tan-dalàna sy tena demokratika, koa nahoana raha noraisina ho fananam-panjkana ireny harena halatra nataon-dRavalomanana rehetra ireny. Nahoana no navela hanjaka ny toe-tsaina mpanimba sy mpandroba? Hatramin’izao dia mbola tsy nisy na teny kely fotsiny ihany aza mba nivoaka ny molotry ny mpitari-tolona fa nanameloka ireny fandrobana niseho ireny ny tenany. Koa tsy nahagaga fa nony tonga teo amin’ny fitantanana ny firenena ny mpitarika ny tolon’ny fanovàna dia nitaza-potsiny (?) ny fandrobana mbola nitohy tamin’ireo fananan-dRavalomanana ireo. Very ny vary, ny omby, ny lafarinina, ny andramena, ny fiarakodia, sy ny maro tsy ho voatanisa. Raha firenena tan-dalàna no najoro teto dia mazava fa efa nohenjehina araka ny lalàna izay nahavita izany, saingy indrisy, ireo naneho hevitra nanohitra ny fanohizana ny politikan’ny “paiso an-kady” no namenoana ny fonja.
jeu
27
jan
2011
Tao anatin’ny onja-peo iray no nivahi-nianan’iny olona iny ny alin’ny Alatsinainy lasa teo, ary dia nipetraka tanteraka amin’ny
maha-mpitondra azy tokoa izy tamin’izany.Valalanina ihany ny mpihaino sendra naharaka ity fandaharana ity satria dia lasa olon-kafa mihitsy ve iny olona iny fa tsy toy ny fahiny intsony? Adinony
ny tombotsoan’ilay valala- bemifoha firesany hatrizay, tsy ilaina intsony tokoa angamba ny méditation? Ny “dera sy laza” ho a nao Andriamanitra Ray, nanome ahy vahoaka dondrona sy mora manompo no
hira ka nanakoako sy niverimberina tao.“Ianareo rehetra mahatsapa fa tsy tanteraka ilay fampanantenana vary mora 500 Ar ny kilao, dia manjaira t-shirt dia asio soratra hoe: aiza ny vary 500Ar ny
kilao, dia manaova fivoriana sy fitangoronana eny an’arabe”, io no teny naverimberin’iny olona iny tao amin’io onjam-peo io.........
mar
25
jan
2011
Tsy foana tsy akory ny zavatra rehetra efa nalamina hatrizay, fa anontaniana aloha hoe : Iza no ory sy mahantra eto amin’ny tanàna? Dia omena karatra manga ireny olona ireny mba ahafahany miantsena eny amin’ny “supermarché Mora”. Tsy maty na koa “vizana” ity fivarotana noforonina talohan’ny fitsapan-kevibahoaka ity, fa haka hery vaovao manomboka amin’io volana febroary ho avy io. Ireo resaka ireo no azo handikana ny fanazavana nomen’ ny tompon’andraikitra amin’ity ala-sahirana ho an’ny vahoaka tena mahantra sy ory ity. Aza manome tsiny isika rehetra raha “supermarché mora” no anoratana azy, fa tsy araky ny voasoratra eny amin’ny vatan-drindrina misy ilay famatsiana. Anisan’ny kabarin’ny mpitarika ny tetezamita tamin’ny fiandohan’ny taona teo mantsy ny hanangana supermarché manarapenitra sy avo lenta. Koa hivadika ho lamaody indray izany io fomba fiantso ny “tsena Gasy” hatrizay io, saingy avahana tsara ny mpiantsena ka hisongadina ny fizarana ho roa mazava, dia ny fara-hidiny mitondra karatra manga sy ireo tsy ho tehafindalitra mitondra “volabe” hameno harona...........
ven
21
jan
2011
Dia nijanona sy nitoetra andro vitsivitsy teto amintsika izay ireo iraky ny SADC, nirahina mba hanelanelana amin’ny fikatsaham-bahaolana maharitra sady mahomby ho an’ny Malagasy. Hatramin’izay andro vitsivitsy maromaro izay, dia nifandimby noraisin-dry Leonardo Simao sy ny ekipany ireo karazana ankolafy sy antoko politika. Nanomboka tany amin’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita izany, nandalo tamin’ireo ankolafy telo, ny HPM ka hatramin’ny antoko MDM sy ny maro hafa. Na samihafa aza ny faharetan’ny fihaonana dia nifantoka tamina zavatra vitsivitsy izany, dia ny fametrahana ny rafitry ny tetezamita iaraha-mitantana sy ny fikarakarana fifidianana eken’ny rehetra. Na dia mbola sarintsariny aza dia mitovy endrika sy anarana amin’ireo niaraha-nanaiky tany Maputo ihany ireo andrim-panjakana misy sy eritreretina hapetraka ankehitriny. Ny fidiran’ireo ankolafy sy antoko politika samihafa sisa. Nolalovan’ny resaka ihany koa ny famotsoran-keloka faobe sy ny famoahana ireo gadra politika.............
jeu
20
jan
2011
Maty ny olona, tsy voaaro ny fananany, ary very fanahy izy ka manjary manaotao foana. Inona no antony? Tsy mahefa ny tokony hataony ny mpihazona ny fahefana ara-politika. Tsy vao izao akory no nahery vaika ny fanafihan-jiolahy, tsy vao omaly no nisy olona tsy manan-tsiny lavon’ny balan’ny malaso mitambasy. Tsy zava-baovao ny dahalo sy fikambanan-dratsy mandrafitra tetika handrobàna fananan’olona. Efa nisy izany! Ary nahery vaika hatrany ny fisehony hatrizay. Iza no tsy hahatsiaro ny tany Keliberano? Ny nataon-dry Sombila? Ry Mahandry? Ry Kouakou? Ry Dorick? Misy faty hatrany ireny fa tsy toy ny “fika” fanaon-dry Rainivoanjo mbamin-dry Mc Gyver (jiolahy io fa tsy ilay olo-malazan’ny film). Dia hankalazain’ny zava-bitany amin’izao fotoana ny “bande des douze” (mitovy isa amin’ny mpianatr’ilay mpampianatra fahiny), izay tsy mitapitapy sy mielanelana fotoana maharitra toy ny taloha, fa saika isan’andro vaky. Tsy andro, tsy alina. Ny tany ve no ratsy? Sa ny olona no miha-lany vatsy? Very hasina ilay fiteny nahazatra hoe: araraoty ny andro azo hanaovan-tsoa, fa miharatsy izao fiainana izao. Tsy izany intsony izao no filozofian’ny fiaraha-monin’ny Gasy: “Araraoty izay mihanahana fa mibanaka sy mitamatama ny hery tokony hampitahotra ny fanaovan-dratsy”. Veloma hatreo ny toe-tsain’ny “tain’omby mivadika”.................
mer
19
jan
2011
Roa taona mahery izay no nilomanosantsika tao anatin’izao ranomasimben’ny krizy izao. Roa taona tsy mbola nivoaka na tafavoaka fa samy nanavotra ny tenany. Ireo izay tsy nanan-kivoahana na tsy nisy nanolo-tanana ary tsy nahay nilomano ireo ambara ho «isika» ireo. Dia rendrika tao anaty ranomasimbe tao. Etsy ankilany kosa nisy ireo izay nahay nilomano na nahay nanararaotra ny tolo-tanana nanoloana azy ka tafavoaka avy tao amin’ilay ranomasimbe. Tsy nasian’izy ireo sira akory ireo vahoaka marobe efa hanan’ny krizy sy tototry ny atsanga navelan’ny tondra-dranon’ny krizy. Tsy vitan’izay fa tsy nasehon’izy ireo ny vahoaka akory ireo tolo-tanana avy any ivelany. Ny tena loza dia toa vao mainka ampangasihasiana fa misy sambo lehibe iray entin’izy ireo hatrizay ka aty amin’ny taona 2011 vao nampahafantarina ny olon-drehetra fa afaka mitaingina izany ny rehetra.............
mar
18
jan
2011
Ndao daholo àry isika Gasy rehetra hiara-mirona ao anaty sambo vaventin’ny Fitondrana avon’ny tetezamita, satria efa taitra sy miarin-doha ny mpitarika fa tsy niesona sy natory intsony. Manoatra koa noho ilay tantara ao anaty Boky Masina izy ity, ka te-hihiaka mafy ny mpitarika hoe : Aiza ny finoanareo?, raha nitodika tamin’ireo mpimenomenona tao anaty sambolay Izy, satria onja mahery sy tafiotra anie izany ‘rey olona e ! Teny tokana dia nitsahatra sy niverina ny fitoniana. Fa tamin’iny Zanak’Andriamanitra no tonga hitady sy hamonjy ny very, no nahavita nampitony ny tontolo. Ny amin’izao vanimpotoana iainantsika izao kosa dia « hafakely » satria vao narotsaky ny 53%n’ny vahoaka tokony nifidy ny vatony ny 17 Novambra tamin’ny taon-dasa, dia nijanona ny tafiotra, ary niposaka ny masoandro, tony koa ny ranomasina. Ary mitodika amin’ireto « mazan-doha » ny mpitarika ny tetezamita ankehitriny : Inona no tianareo Gasy sy ny mpanao politika mila famonjena ao anaty rano ao ? Jabora tsy azo hatono, sa loson’akoho mitete menaka ? Na ilay «badrahodra » tsy manan-kialofana manamorona ny lakan-dranon’Andriantany aza, no asaintsika mikabary sy mamorona resaka mba hanambatambazana ny mpihaino azy, dia azo antoka fa hahavita fampanantenana marobe sy azo hiteleman- drora ihany koa izy. Saingy raha ireny olona « mpitrongy vao homana » ireny no miteny dia tsy maintsy ho voakiana avy hatrany hoe : adala sy hondrakondrafana. Fa raha mpitondra fanjakana no manao kabary feno fampanantenana, dia ireo rehetra mino izay lazainy indray no ho voatondro ho « adala ». Satria nahoana? Efa marobe ny tantara nodiavina sy nolalovana ka tsy maha-rototra intsony. Efa im-piry moa ny Gasy nandritra ny roa taona izao, no nampanantenaina fa hatsangana ny governemanta iraisana sy ho amin’ny fisokafana? Fa tsy izany ve no antony nanerena an’ilay Praiminisitra voalohan’ny FAT tao anatin’ny 72 ora?..................
lun
17
jan
2011
Na dia ny tolakandro aza vao nanomboka ny kifetifety mahazatra tany an-dapa tany iny omaly iny, dia mba niandriandry izay zava-baovao sy tena misongadina ny ankamaroan’ny « tsy manan-katao ». Ireo tsy manan-katao sy mandany andro amin’ny hazo tsy misy voany sisa no nanantena fahagagana amin-javatra efa fantatra mialoha toy ireny. Raha sakafo sy fety fiarahabana tratry ny « taona vaovao » no ataon’ireo « manankatao » sy tompon’andraikitra eto amin’ny firenentsika, dia mba anjaran’izay mijery fahitalavitra sy mihaino radio nanaraka an’izany kosa no mitelin-drora, na koa mitelin-kozatra amin’izay voalaza teo. Tsy mifantoka loatra amin’izay lazain’ny mpandaha-teny fa mba mitsikilokilo fitafy sy hetsika vaovao e ! Na fiteny vaovao koa ! Iza no tao ? Ary ny paozin-dRanona toa mampihomehy be ? Ary toa tsy tazana mihitsy ry zareo avy any Ananona? Izany no Gasy mijery ny mpitondra azy. Tsy mihevitra ny hanome lanja, na hanantena zavatra fa aleo hatrehena ny anio , fa ny rahampitso dia mbola any an-kibon’ny omby...............
ven
14
jan
2011
Anio no fotoana voalaza fa hifampiarahaban’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita amin’ireo manamboninahitra sivily sy miaramila ary ireo masoivohon’ireo firenena vahiny izay monina sy miasa eto amintsika (izay voaasa na izy ho avy aloha e). Fotoana rahateo hanomezam- boninahitra ny filoha mivady amin’izao fahatratrarana ny asaramanitra izao. Olona an’arivony no nasaina amin’izany. Raha araka ny fanadaharam-potoana efa any anatin’ny fanasana dia hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny fotoana ary amin’ny 2 ora ny fandraisana ireo vahiny nasaina. Toy ny isan-taona, sy araka ny fandaharam-potoanan’ny fety toy izao, tamin’ireo filoham-panjakana nifandimby teto Madagasikara, dia misy hatrany ny kabary isan-karazany hifanaovan’ny tompom-panasana sy ny solontenan’ireo vahiny nasaina. Aorian’izay dia misy hatrany ny fiarahamisakafo arahina lanonana sy korana..............
mer
12
jan
2011
Ho roa taona atsy ho atsy no nanandra-tena ho eo amin’ny fitondrana ny mpitondra ankehitriny rehefa avy nanongana ny fanjakana nijoro ara-dalàna sy voafidimbahoaka an-tapitrisany. Roa taona toa tsy misy zava-bita fa feno fampanantenana milay be rano fotsiny. Amin’ny fo tsy miangatra aloha dia tsy misy afa-tsy ny lapan’ny tanàna, izay notokanana vao haingana, no hany fampanantenana vitan’izao fitondrana izao. Fony vao hirotsaka hofidiana ben’ny tanànan’Antananarivo ny filoha ankehitriny no nanao io fampanantenana hanarenana indray io lapan’ny tanàna io. Rehefa lany tokoa izy dia napetraka ny vato fototra. Na tsy tonga teny an-toerana aza ny filoham-pirenena tamin’izany fotoana, izay efa ben’ny tanàna teo aloha, dia nampanonona vola nisinisy ihany izy ho fanampiana ny mpitantana ny tanànan’Antananarivo izay renivohitry Gasikara sady iray amin’ireo kaominina anjatony manerana ny Nosy tamin’io andraikitra io. Teo koa ireo fanampiana avy amin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena sy firenen-dehibe maro samihafa. Ary ny avy amin’ny vahoaka Malagasy afaka nanao izany.................
mer
12
jan
2011
Betsaka ny oham-pitenenana teo amintsika Gasy raha mahakasika sy resaka adala (resak’adala) no atao. Izany no porofo fa ny tany dia tsy nilaozan’adala, kanefa tsapa koa fa tsy azo nahilika sy navela tamin’izao ireny adala ireny fa notafian-damba, narahina am-bokony amin’ny sitra-pony na dia zary ho enta-mavesatry ny fiaraha-monina aza izany. Mitafy henatra ireo manana havana adala, ary tsy mety ho kivy amin’ny fitadiavana izay hevitra rehetra mba hitsaboana ny havany. Mitotototo etsy sy eroa, harahina daholo izay toro-hevitra rehetra mivoaka ny vavan’ny mpiray monina. Raha sendra izay adala matanjaka moa dia mihafy amin’ny daroka ataony, ny doro-trano sy ny fanimban-javatra mahazatra azy, ny teny ratsy sy ompa mivoaka ny vavany. Dia hiafiana satria adala! Ka hovonoina kosa àry ve? ..........
mer
05
jan
2011
Mafy dia mafy ny fidobodoboky ny resaka etsy sy eroa. Samy mihevitra ny mpitazana fa tena miroso amin’ny resaka matotra kokoa ny mpanao politika. Mahakivy ihany anefa rehefa tomorina tsara ny fototry ny fivoriana mateti-pihavy tato ho ato. Efa misy “vakiraoka” miampitampita any ho any fa tsy misy mametraka olana amin’ny fihazonana ny filohan’ny mpitondra avo hijanona eo amin’ny fitantanana ny tetezamita ny mpidinika. Efa voavinavina koa fa hisy lefitra telo ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, izay efa voatonona ihany koa fa hateraky ny marimaritra iraisana. Hisy fanitsiana sy fiovana ny vaomiera mpikarakara ny fifidianana, hitarina ny vondron’olona mpanao lalàna. Ary hajoro ihany koa ambonin’ireo ilay komity hisahana ny fampihavanam-pirenena. Dia mihaotraotra loha fotsiny ny Gasy eo anoloan’izany, inona tokoa moa izao no maha-samihafa (samy hafa) izany sy ilay dina nifanaovana tany Maputo? Sy ny teny Ivato? Ary ivereno tokoa hoe: inona no nahatonga ny tsena ho rava teny Vontovorona?.......
mar
04
jan
2011
Te-hahatoky izay nolazainao ihany ny rehetra r’iny olona iny, saingy ny ahiahy tokoa tsy ihavanana. Valaka niandry am-pahatoniana izay holazaina’iny olona iny. Niovaova hatrany tsinona ilay soratra teo amin’ny fahitalavitra fa nihemotra kely ilay resaka (na kabary), noho ny fanomanana sy ny lafiny teknika maro hafa. Inona indray re ny fitafy hipoitra eto e ? Adiny roa tatyaorian’nyfotoana nifanomezana tsinona vao nipoitra. Nieritreritra manko ny Gasy fa hamoaka fitafy hafa indray iny olona iny, saingy tsy ny fitafy koa no inona e ! Toy ny mahazatra ihany ny fisehoan’iny olona iny tamin’ity indray mitoraka ity. Taonan’ny fanamby sy ny fandrosoana ny taona 2011, hoy iny olona iny. Vao miresaka izany fanamby izany dia tsaroana ny resak’ilay teo alohan’iny olona iny: Efa resaka nataony izany tamin’ny fiandohan’ny taona 2009. Nitetika ny hanao fanamby kanjo zavatra hafa mihitsy no niseho, sa samy manana ny ataony hoe: fanamby? Toa tsy mba nanana olana loatra ny firenena notarihin’iny olona iny, raha ny firesany. Vita an-tsakany sy an-davany daholo tsinona ny fampihodinana ny raharaham-pitantana rehetra teto, na dia tsy nisy aza ny famantsiam-bola ivelany. Raha nihinana anana sy sosoa be ranony izany nandritra ny taona dia ho toy izany ihany no hiseho mandritra ny taona vaovao? Satria tsy nahafaty izany kah!
lun
03
jan
2011
Mampalahelo mihitsy ny manjo an’ireto Gasy te-hilingitra amin’ny fety kanefa tsy maharaka amin’ny fihetsiketsehana nataon’ny hafa. Izany tokoa no tonga amin’ilay resaka hoe mifikitra te-hitaingina Mercedes kanefa tsy manana afa-tsy kalesy atosi-tanana. Iza moa no tsy nahalala fa narentirenty tokoa ny dokam-barotra isan-karazany fa miala liana amin’ny sakafo daholo izay rehetra tonga amin’ireny lanonana maro samihafa ireny ? Mahazo mihinana izay tiana hanina, mahazo misotro izay tiana ho sotroina.
Fa ianao dia tsy mahatsapa izay hahafaty sy mety hitarika alahelo. Nafangaronao daholo na toaka, na divay, na vary, na menaka mifangaro, na ranom-boankazo, na inona na inona tazan’ny masonao dia narapakao daholo. Fa mihevitra ianao fa manana vavony vў? Sa ianao no tsy mety mihontsona amin’ny fifangaroana sy ny fisafotofotoana. Tsy gaga ihany aloha ny olana nahita anao tamin’ity lanonana ity satria kisendrasendra sy vintam-boka no nahatonga anao ho teo. Impiry koa moa ny Gasy no afaka hifaly fa dia nohararaotinao ny nanomezan’Ingahy Talé anao ny “fanasana” tamin’ity lanona ity , satria tsy afaka tampoka izy noho ny fotoana mifanindry tamin’ny lanonam-panjakana tsy maintsy natrehany.
lun
27
déc
2010
Nitohana tsy misy ohatr’izany ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra amin’izao andron’ny fety izao. Adiny maromaro mihitsy vao tafavoaka amin’ireo lalana mandalo tsena lehibe toy ny eny Analakely, Behoririka, Ambodin’Isotry, Mahamasina, Ambohimanarina sy ny maro hafa. Inona fa tsy Antananarivo renivohitra mihitsy. Lasa iny ny Noely, ho avy indray ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao. Ilay fitohanan’ny fifamoivoizana tsy mbola niala fa toa vao mainka aza nitombo. Na tiana na tsy tiana dia misy fiantraikany amin’ny fiharian-karenan’ny firenena izany « embouteillage » izany, na dia tsy tsapan’ny vahoaka madinika aza. Ny hafanana amin’io tsy hay lazaina intsony fa tena manevokevoka mafy ery. Soa fa nisy ireo tompon’andraikitry ny tanànan’Antananarivo sahy nanapa-kevitra nidina eny an-dalambe mba hamaha izany fitohanan’ny fifamoivoizana izany. Dia nirotsaka an-dalambe tokoa ireo polisy monisipaly ka nandamina ny fifamoivoizana na dia tsy tokony ho andraikiny aza izany. Raha ireo polisy nasionaly mantsy no andrasana dia hisokatra ny fasana, hoy ny fitenin-jatovo. Vokany, mba nilamindamin-dratsy ilay fitohanana tsy manam-paharoa. Ny indrokely fotsiny dia nampiasan-kery ireo vahoaka hana sy sasatry ny krizy mba te hilaoka tsara sy te hiakanjo mianjaika amin’ny andro fety ka namelatra izay entana madinika mba zakan’ny volany ahodina..............
jeu
23
déc
2010
Hatrizay ka hatramin’izao dia tsy mbola ankasitrahan’izao tontolo izao mihitsy ny fitondrana tetezamita misy eto amintsika. Takian’izao tontolo izao ny mba hiarahan’ny hery velona rehetra mitantana ny tetezamita tena izy ka hivoahantsika amin’izao krizy izao mankany amin’ny tena repoblika fahefatra. Dia izao iarahantsika mahita izao ny tohiny. Tsy misy afa-tsy ireo fanampiana amin’ny lafiny mahaolona sisa no hany mba azontsika fa tapaka avokoa izay karazam- panampiana sy famatsiam-bola mbamin’ny fampindramambola iankinan’ny ampahany betsaka amin’ny teti-bolam-panjakana. Koa raha mbola midrikina hatrany ireo mpanao politika Malagasy ireo dia vao mainka hihamafy ny krizy. Tamin’ity herinandro ity, nisy indray ilay zotran-dalana natolotry ry zareo Frantsay, mikasika ny governemanta iaraha-mitantana. Hasiana praiminisitra lefitra telo, hoy ny tolotra. Mazava fa tsy maintsy olona avy amin’ireo ankolafy efatra izany no hitantana ny governemanta. Tsara izay hevitra izay raha ho tontosa, saingy moa va tsy ny efa noresahana tany Maputo sy Addis-Abeba ihany va izany? Mba tsy hilazana fa ny tany ihany no horaisina, ka hibitahan’ny nanapa-kevitra tany an-toerana, dia aleo aloha mody io zotran-dalana io no horaisina e!...........
sam
18
déc
2010
I Momota dia mpanakanto tian’ny ankizy, ary raha zaza no tsy ho tia Momota dia malakisa ho tanora. Fa ny olana kely manjo ny zaza Gasy dia tsy ho marobe akory no hahatakatra sy ho afaka hilingitra hijery ny fampisehoan’i Momonta sy ny mpiaradia aminy. Tsy ry Momota velively no hoe: lasa mpanakanton’ny tsara fidiram-bola, fa ny fidiram-bolan’ny Ray aman-drenin’ny zaza Gasy no tsy hahafahany mampilanona ny zanany hijery Momota. Tsy maintsy mila fepetra maro takiana ny amin’ny lanonana toy itony. Mandoa vola ny ankizy, ary tsy maintsy arahina any am-pilanonana any, sao misy mizara vatomamy hafahafa na koa sanatria misy manodikodina any ka hitera-doza hafa indray. Mandoa vola koa izany ny lehibe, ary azo antoka fa ny lehibe indrindra indrindra no hankafy ny hetsika ataon-dry Momota. Ny ankamaroan’ny ankizy mantsy dia vetivety ihany dia mety ho resin-tory ka tsy haharitra ny fampisehoana. Dia alaivo sary an-tsaina fa misy koa ny mpanao ny fihetsiky ry Momonta, ka ny azy dia Momonta politika. Politikan’ny lanonana fandrebirebena sy fandrotsirotsiana zaza hatory............
jeu
16
déc
2010
Tsy misy miala eo fa samy tary amin’ny tanàna, hoy ny ankilany. Rehefa tsy mahatanty dia tsy maintsy miala sy mipitika erý hoy ny andaniny. Mifampila vaniny e! Dia mifanasa vangy any anaty haino aman-jery sy ny fampahalalam- baovao maro samy hafa any. Ny mpitarika ny ady (hevitra) toa tsy rototra firy akory fa ireto mpiborosy no tena manao angoa-tenda. Ary ny tena fara-fahoriana dia ny “ankizy“ voaporiporitry ny adin’ny lehibe. Tsy voalohany amin’ny fitantana ity renivohitra ity anie no misy fifamelezana (mivantana sy an-kolaka) eo amin’ny mpitantana sy ny fanjakana foibe e! Angaha ririnin-dasa tsy tsaroana ny vola tokony ho azon-dRamose tamin’ny ministeran’ilay nitondra trakitera teny Anosibe fahiny? Gidragidra izany rey olona a! Filam-baniny tsy nisy toy izany. Ary mbola tadidintsika koa ny nataon-dRamose tamin’i Zandrikely hoe: “hampidino ny tongotr’ialahy” raha nihaona teny Ambohitsorohitra teny izy mianaka. Fa niitatra iny! Ka resaka “zôridira” aza nifamalian’ny ekipan’I Zandrikely tamin’ny ekipan’ny lehiben’ny Faritra. Dia io miverina io ny tantara: Resaka tranon-tSinoa no niatombohan’ny ady fahefana eo amin’Ingahy Minisitra sy ny PDS. Dia ahoana io?.......
mer
15
déc
2010
Niainga avy teny Anatirova ny dian’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita mivady izay naka ny endriky ny Mpanjaka fahiny teo amin’ny fitafy sy ireo mpiambina azy akaiky naka ny endriky ny Tandapa mbamin’ireo mpiaramiasa aminy akaiky notronin’ireo zatovolahy marobe niendrika andia-tafika fahiny fony « ny arivolahy tsy maty indray andro » niaraka tamin’ireo tovolahy naneho ny fitafy avy amin’ireo foko 17 hafa izay nialohavan’ireo mpandihy lahy sy vavy ny sabotsy maraina lasa teo, nandritra ny lanonana goavana roa sosona dia ny fanolorana ho an’ny vahoakan’Antananarivo ny lapan’ny tanana vaovao sy ny fanamarihana ny fanombohan’ny repoblika fahefatra. Moa va tsy toy ny tamin’ny andron’ny faha-Mpanjaka ? Izany ka tena kindriandriana. Nitohy tamin’ny kilanjalanja nandritra ilay fampisehoana maimaimpoana tetsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina izany ny tolakandro. Nampatsiahy tamin’ny andron’ireo Mpanjaka fahiny tokoa. Tsy misy afaka manazava izany, fa ireo mpampahalala vaovao malagasy maro dia samy nanindrahindra fa tafapetraka ny repoblika fahefatra ary naka ny endriky ny Andriana sy Mpanjaka fahiny ireo mpitondra Malagasy. Tsy nisy niteny aloha hatramin’izao ireo nitonona ho taranak’Andriana sy taranaka Mpanjaka izay nidradradradra sy nanaratsy ary tsy nanaiky ny famindran’ny fitondran-dRavalomanana Marc ireo razana Mpanjaka fahiny avy teny Anatirova ho eny amin’ny rovan’Ambohimanga ?.......
mar
14
déc
2010
Hivazavaza ny vato mandondona rehefa tsy hiteny (na hiaiky heloka) sy manan’aina eto amin’ity tany ity. Maina sy makiana ny tany, ho karakaina sy ho levona ny tontolo, satria tsy mba misy mihevitra azy ho tompon’antoka amin’izay mety ho adidiny ny mpiara-belona. Very sy tsy misy tompon’antoka amin’izay fihetsika nataony ireo manan’aina. Koa aza gaga raha mitaraina ny tany. Mitaraina ireo te-hifototra amin’ny maha-harena ny tany sy ny tontolony. Marary ny tany, mandeha mizotra mankany amin’ny fahafatesana? Tsy mirindra intsony ny tontolo. Lasa any amin’ny tsy azo antenaina intsony ve ny ranon’orana? Sa tsy hisy intsony izany mandritra ny fotoam-pahavaratra? Tsy efan’olon-tokana na vondron’olona vitsivitsy ny fiarovana ny tontolo iainan’ny manan’aina; ary izany indrindra no hitodihan’ny mpiaro ny tontolo iainana amin’izay rehetra mbola mahatsiaro saina amin’ny ezaka ho an’ny mpiara-belona. Kanefa ve raha andian’olona sy vondron’olona samy hafa no mpanimba ny tany dia tsy maintsy ho rava ny tany? Eny! Izany no voatondro amin’ny ohabolan’ny razana fa: ny fandoto iray tandroka tsy hahaleo ny fandio iray siny..................
mar
14
déc
2010
Repoblika no nateraka, fa toa olona miendrika andriamanjaka no tazana nitarika ny filaharana avy eny Manjakamiadana sy nitsontsorika an’Andohalo ary nizotra nankeny Analakely. Nony tonga teo Analakely dia niova indray ny fitafy, ary dia niverina amin’ny maha olon-tsotra azy ramatoa, fa ingahirainy kosa nihazona ilay akanjo nasalotra azy ihany. Samy sanganehana sy sakodiavatra ireo maro tsy maharaka loatra ny tantara. Maro ny nanontany tena hoe “tsy efa nalevin’ny mpitondra nifandimby teto nanomboka tamin’ny fanjanahan- tany va ny “fitondran’andriamanjaka” ? Tsy efa “fitondrana Repoblikana” va no nisy teto fony niverina ny fahaleovantena tamin’ny 1960 ? Inona no hevitra miafina ambadika tiana horaketin’ireny fihetsika ivelany ireny ? “Fanamarihana ny faha-400 taonan’Antananarivo”, hoy ry kinga saina sasany. Saingy marihina fa teo am-pitsidihana vao nazavain’ilay “manam-pahaizana avolenta” eo amin’ny tantara nitari-dàlana ireto “vahininy” ny “tantara” efa hainy tsianjery. Raha nijanona teo ny tantara niseho tamin’ny sabotsy, mety ho tsy dia nahataitra loatra. Saingy notohizana tamin’ny fomba somary nahavalalanina ihany ilay andron’ny sabotsy farany teo. Nikabary teny Mahamasina ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita, ka teo amin’ny Vatomasina izy no nanao izany. “Nanoso-tena va re razazalahy ?” hoy ny fanontanian’ny maro. Nisy mihitsy aza moa no natahotra ka nanampy ny hoe “Tsy azo anaovantao foana anie eo e!” Valiny: “Izy no mitondra ny tany sy ny fanjakana.” Hentitra sady tsotra..........
ven
10
déc
2010
Tsy ny mpamonjy akory no ho teraka mialoha ny fotoan’ny Krismasy na ny Noely mahazatra antsika isan-taona, fa ny anjelikelin’i Madagasikara no teraka ho antsika Gasy anio, ao an-tanànan’ny “Fitiavana-Tanindrazana-Fandrosoana”. Tsy Magy reraky ny fiandrasan’ondry miisa telo no hiankohoka sy hanome voninahitra izao fahaterahana indray izao, fa olona manan-kaja amim-boninahitra mihoatra ny 6000. Tsy manampaharoa ny lanonana ho tanterahina satria eo amin’ilay kianjan’ny fitolomana no nijanona sy niato ny fanarahan-dia ny kintana manan-drambo. Be kintana marobe no hiaro ny anjelikelin’i Madagasikara sy ny zava-noforoniny, noho ny feo niely fa misy demony lavarambo tsy matahotra ny hatahorako, mikasa ny hamindra ny afobe any amin’ny farihy mirehitr’afo, ho eto amin’ity kianja manan-tantara ity. Hafaliana sy toto-rebika ny fisehon’ity fahaterahana vaovao anio ity: Miainga eny amin’ny Lapan’ny Deba taloha no hamakiana ampahibemaso ny kopia nahaterahana, izay efa nolazain’ny mpikarakara sy ny mpampivelona fa” velona tsy azon-doza” ilaikely. “Lahy ialahy“, hoy ny horakoraka tsy nifandrenesana eran’ny tanànan’ ny Arivolahy. Vetivety dia niampita eran’ny tontolo rehetra satria ny “ranomasina tokoa no valamparihin’ny fampitambarana” antsika Gasy eto amin’ity tany nomen-Janahary antsika ity. Izay rehetra tsy ho faly amin’izao dia tena mpamosavy mpamorika ny mpianakavy sy sain-kanina ka tsy mety hiara-hikorana amin’ny betsaka efa mihoatra ny antsasa-manilan’ny “nasaina hivolana ny heviny”. Dia hidina haka ny endriky ny maha-zava-bita azy ny anjelikely vaovao ka hoentina eny am-pamoloana, sy eny amin’ny kianjam-pamoronana “ronono an-tavy”
ven
10
déc
2010
Dia vaka ny saina ary reraka ny aina niezaka nanakatra izay tena tian’ireo mpitondra atao amin’ity Gasikara mamintsika ity. Tsy hay intsony izay tena marina ary sarotra ny maminavina ny ho avy. Izany tokoa ve no atao hoe politika? Mahafanina, mahavalalanina, mahaketraka ary tena mahakivy tokoa. Mbetika izao no voalaza avy eo miova indray. Dradradradraina fa izao no atao. Tampotampoka eo anefa, tsitapitapitr’izay akory dia miova an’izao. Fa tsy efa nodradradradraina hatry ny ela ve fa tsy hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena mihitsy Ingahy Andry Rajoelina fa hamita ny tetezamita fotsiny ka hampita ity firenena ity avy ato anatin’izao krizy izao ho any amin’ny Repoblika Fahefatra e? Tsy tahotra tsy henatra anefa izy raha nivahiny teo amin’ny France Télévisions fa tsy mbola nandray fanapahan-kevitra hentitra akory izy mahakasika izany fa raha te hirotsaka izy dia tsy tokony hisy hahasakana azy akory. Marina izany, tsy hisy hahasakana azy intsony tokoa, fa na ilay lalaàm-panorenana vaovao izay nambarany fa nanehoan’ny vahoaka ny safidiny ange ka efa nametra fa afaka mirotsaka hofidiana ho filoha ireo tanora mihoatra ny 35 taona e ! Raha tsy diso aho dia efa tafahoatra an’izany ny filohan’ny FAT amin’izay vavinandro hanaovana ny fifidianana (na amin’ny taona 2011, mainka raha hivadika any amin’ny taona 2012)...............
jeu
09
déc
2010
Raha asa fanompoana no atao dia andao hiaraka eny atsimom- patana, mitaky zavatra hafa izao ny mponina, dia mila mifangaro miara-mihosina. Fa raha tonga ny fety aza milasilasy fa revo ihany koa ny Gasy, na mivaralila sy mitonila aza ny tongotra an’ila. Ny taralila dia konka sy rovitra ka lasa mandrivotra sy feno sasiny tsy mahavoaka feo. Mitady fanovàna be mantsy izao ny tantana ”. Hafahafa izany resaka izany fa ataovy toy ny mitsingoloka “friperie” e! Samy revo sy mitady izay tadiaviny, samy miaro ny paosiny tsy ho tratry ny mpangalatra, ary indrindra samy miady varotra amin’izay tandrifin’ny volany. Aza mivaky loha amin’izay omby maty any fa ny henany hanina ? Oadray! f ’angaha moa misy hizara hena indray amin’izao akaiky fety sy eo ambavahadin’ny “Repoblikan’ny fitiavana” izao? Marina fa efa eny an-tananan’ny saka ny hena, marina fa “ny fitiavana” no mibaiko ny hetsika rehetra ataon’ny mpitarika ireo “lanonam-piravoravoana”, marina ihany koa fa na tsy manana hatokona aza ny ankamaroan’ny olona dia tsy hahasakana azy tsy hilanonana izany. Hankatoa ny zava-bitany. Mitehaka sy mifaly no adidin’ny mpankatoa. Dera sy laza ho an’ny mpamorona. Inona tokoa no tokony hobanjinin’ny mpiara- belona amin’izao vanimpotoana hiainantsika izao? Mizara roa sy miavaka tsara ny fihetsiky ny Gasy.........
mar
07
déc
2010
Samy mijery izay mety sy tandrifin’ny lohany fosiny sisa ny ankamaroantsika mianakavy. Na ny ety an-tanan-dehibe ety, na ireo any ambanivohitra rehetra any dia samy revo amin’ny tombony kely ho azy, na koa sahiran-tsaina ny amin’izay harapaka sy hiadiana amin’ny fahantrana. Ny mpanao politika ihany koa dia tsy misy fitsipika tena mazava hifampifehezana fa samy manao angoa-tenda amin’izay sendra azy. Ny mpahay toe-karena dia samy maka ny zorony hahitany ny fahaizany manindry ny mpifaninana aminy. Ny manampahaizana sy manampahalalana dia minia mangina ny ankamaroany satria samy mahatsapa fa toa tsy mikaonty intsony ny fahaizana sy izay fahalalana kely hananana eo anatrehan’ny bontolo tsy misy hevitra fototra harovana. Iza ankehitriny no sahy hanantena fitoniana sy hino fa hiroso marina amin’ny fetifetin’ny krismasy (na noely) homban’ny faran’ny taona tena am-pifaliana isika............
lun
06
déc
2010
Solontenan’ny matanjaka eto amin’ny tanàna iny olona iny. Nahafinaritra sy mba nampitsiry (indray) ilay hambo malagasy ny mahita ny endriky ny trano sy ny haingokaingony rehetra tao amin’ilay efitra nanaovan’iny olona iny ny fanambaràny. Teny malagasy madiorano ilay soratra tao aoriany, ary miezaka ho «naman’ny rehetra» nanatrika teo koa raha ny fomba fihetsik’iny olona iny. Inoana marimarina fa niteny tamin’ny tenin-drazantsika iny olona iny raha nahazo fotoana elaela nifampikasokasohana tamintsika teto izy. Vao haingana loatra mantsy no nahatongavany sy nandraisany ny asa aman-draharahany eto amintsika. Ka isika ve no tokony hianatra ny fomba amam-panon’iny olona iny sy ny fihetsiny ? Sa mila hampianarintsika mianakavy izy fa tsy mahafantatra tsara akory izay zava-boalazany sy novakiany tamin’iny fanambarana nataony iny ? Tsy nisalasala iny olona iny nilaza fa mihemotra ny fahalalahan’ny asa fanaovan- gazety eto amintsika, mampiahiahy sy mampatahotra ny fivoaran’ny toe-draharaha politika sy ara-tsosialin’ny Malagasy, tsy voahaja amin’ny farafaharatsiny sy ny tokony ho izy ny zon’olombelona, izany toe-karena izany moa dia toa tsy mba nasiany tsipi-teny akory satria isika dia mbola voasazin’ny firenen’iny olona iny......
ven
03
déc
2010
Ny fo tokoa ve azo hanaovana fanehoan-kevitra politika? Ary iza no mijaly sy mahita loza amin’ity fihetseham-po tafahoatra ity? Ireny miseho eny amin’ny lapam-panjakana teny Tsimbazaza ireny ve no endriky ny fanaovana politika eto amintsika? Tsy mety ho tonga any amin’ny vontoatin-dresaka mihitsy. Samy miteny izay ao anaty ny fony ao fotsiny. Nampihomehy sy mampanongo tena ny fisehoan-javatra raha dinika mahakasika ny famontsorn-keloka no atao, kanefa nivadika ho fankahalàna sy fanehoan-kevitra mamingavinga ny isam-batan’olona no mahazo laka. Teti-bolam-piasan’ny mpitondra mandritra ny taona 2011 ho avy no nitadiavam-pankatoavana amin-dry zareo mpanao politika mitonon-tena ho maro an’isa ireto, kanefa resaka tombotsoa sy karama ho azy anie no mahavaky ny lohan’izy rehetra e!............
ven
03
déc
2010
Dia ireny niaraha-nahita sy niaraha-nandre ireny fa lany ny eny tamin’ny latsa-bato nandaniana ny lalampanorenana vaovao hitondrana ny tany sy ny fanjakana amin’ny repoblika fahefatra, izay midika fa dia lany ary azo ampiasaina izany io lalam-panorenana vaovao io. Na dia tsy mbola ofisialyaza ny fanambarana nataon’ny komity mahaleotena mikarakara ny fifidianana (CENI) dia hita ho midangana be tokoa ny elanelan’isan-jato teo amin’ny eny sy ny tsia. Nahatratra 50 teo ho eo izany. Tafakatra 52% mahery ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy tamin’iny 17 novambra lasa teo iny. Tsy nokitihina ary tsy nasiana resaka kosa ny isan-jaton’ireo olona tsy tonga nifidy. Raha araka ny vaovao farany dia ho amin’ny sabotsy 4 desambra izao no hamoahan’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana (HCC) ny vokatra ofisialy. Vetivety kosa kouh. Tena nihazakazaka tokoa. Hihazakazaka ho aiza anefa?........
jeu
02
déc
2010
Miverina any amin’ny taona 1980 isika, na tianao na tsy tianao. Tsy maintsy manaiky ianao na te-ho mafy loha sy mafy saina aza. Manaraka ny onjan’ny fiaraha-monina feno ahiahy sy ao anaty tebiteby. Mety tsy te-hiaina izany intsony ianao ka te-hahatoky ny fahefana mpitondra antsika, kanefa atao ahoana fa matanjaka ny fahefam-pitondrana eto Madagasikara, saingy be ny goragora sy ny tandrametaka. Tamin’ny andron’ny sosialisma no tena naha-tompon-daka ny firenentsika tamin’ireny tsaho ireny. Fa izao fotoana iainantsika izao dia efa aty amin’ny fanatontoloana ho an’ny politikan’izao tontolo izao, manaja ny fifaninana malalaka eo amin’ny toe-karena, mikoriana toy ny rano vaky ny fampahalalam-baovao sy ny fampitàna izany any amin’izay tokony hiantefany. Fa ny Gasy dia miaina anaty TSAHO sy FAFY LAINGA tsy azo ialàna mihitsy................
mar
30
nov
2010
(Natokako ho fanajana ny fomba fanoratr ’i Elie RAJAONARISON) « Tsy izaho no tia ady, tsy tiako ny olo-miady, halako ny fandresena nateraky ny ady; Tsy mandamin-javatra loatra ny faharesena no ho ny ady… Saingy tsy maintsy miady aho, ary hiady hatrany satria ady ny fiainana. Tsy izaho ihany koa no namorona ny ady, tsy faniriako ny hamoron’ady, fa nasesika aho mba hiady, noterena aho hiady satria notefena ho mpiady ho an’ny fiainako, noho ny fitiavako ny mpiara-belona amiko, ary indrindra ho an’ny tanindrazako sy ny fireneko ». Mba firy amin’ny Gasy mpiray tanindrazana amiko no miaina anatin’ny ady mahamay toa ahy ? Inoako fa ISIKA rehetra. Isika mianakavy…satria misy ny ady noforonina, ady nambolena mba hampalemy ny hafa, mba ahafahana mihiaka fandresena sy hiravoravoan’ny ampahan’ny tia mifaly eo ambony ady. Ady sy tolona mamaky tratra, ady sy ezaka tiana hampanjariana fifehezana, ady natao hangejana ny marefo? Tsia! Tsy izany ilay “adim-piainako” fa ady hevitra ho amin’ny fahafahako.......
lun
29
nov
2010
Nankalazaina omaly ny andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy. Na dia lazaina sy eritreretina ho tsy fahita eto amintsika aza io seho io, tena manjaka tanteraka kosa tokoa saingy tsy afa-miteny ny iharany. Na tsy sahy, na tsy mahay, na tsy omena sehatra anehoany izany. Izay no antom-pisian’io andro io. Mora ny miteny fa tsy misy ny herisetra. Mora ihany koa ny milaza ny hiala ka tsy “hanao intsony”. Saingy eto amintsika moa, tsy azo irotorotoana, tsy mahazatra izany. Ny moramora ihany no naha ela velona ka no ovaina vetivety eo?! Ka izany indrindra angamba no nahatonga ny mpitantana ny tetezamita Fat hanangana sy nikarakara ny “tsena mora”? Indroa isan-kerinandro rahateo ihany no ahitana azy, na dia entana ilaina isan’andro aza no amidy ao....
mer
24
nov
2010
Ireo mpikotaba vao maraina no voatana, ka handry fehizay izany ny tanàna? Ary tsy mijanona eo ny tohin’ny tantara fa tsy maintsy hohalehibeazina ny fonja fa mety ho ny antsasaky ny mponina Gasy sy ny ampahany betsaka amin’ireo tandroka aron’ny vozona no alefa honina any. Dia malalaka izany ny lalan’iny olona iny e! Nampiasainy ny herin’ny basy sy ny fampiasana ny “didin’ny besandry”. Fa hahafoana ny hevitra tokony mbola ho tadiavina ve ny lalan-tsarotra tian’iny olona iny hizorana? Safidiny azy samirery sa misy mpamporisika sy mpandroboka azy hiroso hatrany iny olona iny? Moa azon’iny olona iny hianteherana tokoa ve ny soratra sy ny isan’ny olona mpifidy tamin’ilay fandatsaham-bato farany teo? Mahagaga ihany mantsy fa tsy maintsy mizotra amin’ny fampiasana hery hatrany ireo “mpomba azy” eo amin’ny fampanginana ny vondron’olona mba manana ny fombany sy ny heviny. Iny olona iny dia nihetsika sy nanetsika ny fironan-kevitra teto mba hampanjakana ny tena demokrasia marina eto amintsika. Koa afa-po amin’izay mba eritreriny tokoa ary ve iny olona iny ankehitriny? Ary demokrasia manao ahoana tokoa moa no tian’iny olona iny hampiainana ity Gasy izay lazainy sy averimberiny fa tiany sy ankamamiany?..........
lun
22
nov
2010
Midika ho « tanjaka» ve ny fampiharana ny didy amandalàna hifanaraka fotsiny amin’izay mahasoa kokoa ny ampahan’olona eto amin’ny firenena ? Tsy maintsy nandraisana fepetra ny « fanonganampanjakana » teny Ivato, ary vokatry ny fifampidinihina(?) dia nitolo-batana ny andiana miaramila « namahatra » tao amin’ilay toby. Nahemotra ho amin’ny fotoana tsy mbola voatondro ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly, satria anaty orana isika izao. Marina izany ! Fa ilay amboletra teo aloha dia hevitra toa inona loatra re no nanosika ny fanampahan-kevitra? Ireo sehon-javatra roa ireo dia toa mbola azo hilazana hatrany fa tsy tena mijery ny hirosoana any amin’ny fitoniana sy ny tsy hiverimberenan’ny krizy ny mpitondra eto amintsika eto. Tena fanapahan-kevitra nivoaka marina teny amin’ny Foiben’ny fibaikona teny Andohalo ve no nisamborana ireo “namahatra” teny Ivato? Tsy maintsy tamin-kery ihany ve no hamahana ny olana? Noezahina nohamarinina mafy tamin’ny fampahalalam-baovao fa tsy nisy aina nafoy, na koa naratra.Tsy resaka ara-miaramila fotsiny no niseho teny fa nisy hevitra arapolitika ihany koa, ary izany indrindra no nanasokajiana azy ho “fanonganana fanjakana”.........
sam
20
nov
2010
Tsy mahalala izay hitondrana azy, fa manaraka fotsiny izay fa tondroin’ny mpitarika azy ny Gasy. Mizarazara ho sokajy marobe ny olompirenena amin’izao vita fitsapan-kevi-bahoaka izao. Tsy nifanarahana velively ho anisan’ny famahana ny krizy ny nakàna ny hevitry ny vahoaka tany ifotony. Nanjary nanome vahana ny fisalasalana indray mantsyny fomba natao nandritra ilay fotoana malaza.Kara-pokontany fampiasa amin’ny fombafomba ara-tsosialin’ny mponina no nanjary nahazo hery tampoka ho ara-dalàna hanamarinana fa tsy very zo ny olona iray. Izay fiafaran’ny hetsiky ny <andia-miaramila> indray dia tsy ho levona vetivety na hodonainana <baomba mampifitsaka>mahery vaika aza. Tsy resaka hery sy fampisehoan- kery no tokony handraisana ny fihetsika toy ireny fa tokony ho noraisina ho fitakiana tena ”politika” mihitsy. Ireto miaramila sy tafika malagasy ireto mantsy tao anatin’izay dimampolo taona nisiany izay dia nampiasan’ny mpanao politika nitondra nifandimby teto ho fitaovana politika hatrany. Ary tsy vitsy ihany koa ny “mpitolona manao fanamiana” no nandray anjara mavitrika amin’ny ady hevitra politika. Moa hahagaga ny mpanaraka ny fivoarana ara-politika eto ve raha midrikina sy manao fitakiana politika ny miaramila, ny mpitolona sendikaly, ny mpiasa madinika tsotra, ny mpanao asa soa isan-karazany? Tsy maintsy lamina politika ihany no ahafahana miala amin’ny olan’ny firenena......
mer
17
nov
2010
Ireny niseho omaly ireny no nandrasantsika efa hatry ny elabe izay, ireny no nifandrebirebena teto, ireny no demokrasiantsika, ireny no mpanara-maso vahiny mba nanara-maso antsika, toa parlemantera efa misotro ronono ireto izy ? Ireny mba nitangorongorona teny amin’ny birao fandantsahambato ireny no Gasy manana adidy amin’ny firenena. Ireny lasa nandeha nanjono, sy nanao fitsangatsangana nanararaotra ny fotoana tsy niasana ireny no mpitsoaka ny adidiny? Ireny mbola niasa sy nilofo amin’ny fitadiavana ireny no tsemboka vao homana. Ireny nisehoseho télé, sy nampiresaka ny mpampahalala vaovao ireny, no mpanao politika mpitarika ny vahoaka sy mpampatsiahy azy ireo ny adidy tandrify ny rehetra. Raha vaha-olana no nandrandrain’ny be finoana sy ny be fitiavana dia tsy ho izany velively no nateraky ny fakana ny hevi-bahoaka omaly iny. Vao mainka niharihary indray fa hafa hatrany ny firain’ny vavan’ny mpitondra, ary hafa koa ny fihetsiky ny mponina amin’ny ankapobeny. Tsy ahafahana mitondra fanjakana velively ny vokatry ny latsa-bato nataontsika mianakavy. Tsy maintsy mbola hivazavaza ireo marobe, natao ho tsinontsinona ny heviny noho ny tsy famelàna azy mba hilaza ny vetsovetsony.
mar
16
nov
2010
“Tiako raha ianao, satriko ho toa anao…ny namako rehetra. Tsotra nefa madio fo sy fanahy. Toetran’ny olona maro no tiako ho toy ny anao. Mahay mifalifaly sy mahay mandefitra.” Marina ny vetsovetsonao. Namanao aho k’ah! Satrinao aho hambakaina sy ho taingenam-bozona, satrinao tokoa ho toa ahy “bemanaiky” sy hivory hanotrona antsika ny “Bemanaiky” namako. Tena “ENY” eo anatrehan’ny mpanatrika sy ny “vitsy” te-hanara-maso no ataontsika. Nambaranao eran’ny tanàna fa tsy misy toa anao eto. Ianao ihany, ianao hatrany, ianao no tena mahalala izay mahasoa ahy. Misaotra, mankasitraka ny fitiavanao. Matahotra ihany anefa aho indraindray. Tsaroako fa efa nisy “sonia” nataonao talohakely izay, ary nangatahinao hohajaina sy tsy ho azo hivadihana , saingy ankehitriny ianao dia tsy tehitodika amin’iny intsony........
lun
15
nov
2010
Mpanao politika manao ahoana no afaka hanao politika ao anaty firenena mikorontandrotana? Tsy mazava ny didy amandalàna hitondrana ny tany sy ny firenena ka manjary mifangaro ny fahafahana sy ny tetika hizorana any amin’ny fifehezana sy ny fanarahan-dalàna. Ny fampiharana ny lalàna, na dia ny madinika indrindra aza, dia tsy maintsy hifanatrehana sy ifanarahan’ny mpampihatra lalàna sy ny hampiharana azy. Hoy ny kabarin’Andriana fahiny: “Izay mangalatra, hono, gadraina, ary izay mamono olona kosa vonoina”; dia mankatoa izany kabary sy didy izany no adidin’ny Ambanilanitra satria fantany fa fahavalom- piaraha-monina ny mandika io, ary hankatoaviny koa ny fahefana ananan’ny mpitarika sy ny mpitondra satria resy lahatra amin’ny fitantanana izy ireo. Fa efa aty amin’ny taona arivo fahatelo ny Repoblikan’ny Gasy dia mbola tsy manana didy aman-dalàna tena ahafahany mifehy sy manaja ny fiarahamonina iainany ihany. Anaty korontana sy fifandrohitam-pahefana tsy hita hiafaràna.............
jeu
11
nov
2010
hazoan’ny rehetra sy ny « tsy mandady harona » tombony ho azy, dia tokony hifanotronana ny fanantanterahana azy. F’angaha moa rehefa mahantra sy sahirana ny firenena na ny vahoaka dia tsy maintsy hivaro-tena, na hofitahina sy hampisotroina rononon’alika(*)kosa? Tsy misy manery ny fitondrana ankehitriny hiroso amin’io lalan-jotrany io anie e ! Sitrapon-dRalakamisy ny azy? Tsy amin’ilay mahazatra fa “ivelany” hafahafa. Tadidio fa efa fikan’antitra anie ny an-dry Profesora tamin’io manao sisik’ila amin’ny famatsiam-bola sy fiaraha-miasa amin’ny tompom-bola tsy hay sy tsy fantatra io e! Taiza moa ny firenena efa nanaovan’ilay Sosiety an-dry Kelimaso SONAGOL tetik’asa talohan’izao nahatongavany eto izao? Tany Guinée! Tany amin’ilay tany mikorontana ara-politika toy ny nanjo antsika noho ny fifandrohitam-pahefana. Ary tsy iny ihany fa efa nisy firenena Afrikana ihany koa nanamparan’ilay WISCO (mpitrandraka ny vý ao Soalala) ny fahaizany koa anie e!........
mar
09
nov
2010
Indray andro, hono, tamin’ny mbola tany ambadik’i Manareza ny fiainan’ny Gasy, dia nisy olona Avobe, teo amin’ny fiaraha-monina. Sady lavabe nanaka-danitra ity lehilahy ity, no nigagàna mihitsy ny fahakingàna nananany, ary mba fantatrao moa fa indray mandingana fotsiny no nandinganany ny teny Ambohitrarahaba sy ny teny Ambohidrapeto izay toerana nihaviany sy nonenany? Raha nahandro sakafo izy dia tany anaty ala tany atsinanana tany. Ary teny an-tanànany ihany izy no mihinana io sakafony io. Jereo ao ny dian-tongony raha mbola tsy nahita, fa ny « resabe » tsinona manjary manameloka ny fitantaran-dry Nenibe. Efa nahavita “barazy” na toha-drano goavana ny lehilahy tamin’ny fotoan’androny, satria izy no namorona ilay foto-drafitr’asa goavana nanajariana sy namoronana ny farihin’Itasy. Tany Itasy tany no nisotro rano ny ombiny tamin’izany. Rasoalao kosa, hono, dia Vazimbavavy avy any Ankaratra any ka io no novadian-dRapeto, ary niteraka zazavavy roa izy ireo, dia Rasoavolandrainy sy Rangorimanga. Tao Ambohimiangara sy Ikasigé any Mandridrano, ary tao Ambatomanjaka sy Ambohibý, any Mamolakazo no nisy ny fonenan’izy mivady ihany koa. Mbola ao an-tampotananàn’Ambohimiangara ny vilany vý nampiasain’I Rasoalao, sy ny fahitr’ombiny, ary ny fatoran- janak’ombiny..............
sam
06
nov
2010
Hitodika amin’ilay fotoana etsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena hotanterahina anio indray ny resaky ny mpanantena mana hirotsaka. Tsy mazava io hetsika io na inona na inona hanazavàna azy. Iza no mamory sy te-hiresaka amin’ny “vahoakan’Antananarivo”? Ilay mpitari-tolona malaza ho nanao ny hetsika mivolon-daoranjy? Sa ilay mibodo ny fahefana ankehitriny? Dia iza no hamaly ny antsony? Ireo mpankasitraka ny bodongerona sy ny fiherarehana ho vonon-ko tompony? Fa atao inona resaka amin’ny “vahoaka”? Fa angaha tsy mpitondra manana ny fahefana? Tsy vita any anaty lapa ve izany resaka izany dia hialoavana “hiram-pirenena” toy ny mahazatra ny fanaovana azy? Tsy azo nampitaina amin’ny alalan’ny didy sy lalàna koa? Sa isika ity ve miverina any amin’ny taon-jato faha-17 ? Omaly dia tsipahina an-kitsirano ny fambolena hetsika ataon’ny mpitondra mandritra ny fotoana fanantanterahana ny fampielezan-kevitra satria mampifangaro ny fahefana sy ny lalana hizoran’ny antoko. Androany dia manjary mety sy azo atao daholo na hitsotra na hivokona. Izany ilay fanamparana fahefana sy fampiasana ny tombony ara-pitantanana ho amin’ny tombotsoan’ny tena manokana, na ho amin’ny antokon’ny tena........
jeu
04
nov
2010
“Izahay dia tsy mivonona hiala sy handingana ny Vondron’ny tany miteny Frantsay”. Tsara izany, hoy ny mpanatrika sy ny mpaka fafiny amin’ny fanindrahindrana vahiny. Tsy noterena na novozonana ny Gasy hiditra amin’ny fikambanana sy sehatra iraisam-pirenena. Fa mihevitra ho mahasolo tena sy afaka miresaka amin’ny sehatra iraisam-pirenena angaha moa ilay niteny irý teny tetsy aloha irý. Ireny fihetsika ireny angamba no antsoina amin’ny tenindrazana hoe: Ny valala tsy azo raha tsy handriana ilika. Raha vao misy fitangorongoran’ny vahiny avy any ivelany any dia io fa mendy isika manasokajy ireny olona ireny ho “ilay sehatra iraisam-pirenena”. Dia mivazavaza eo, miseho ho mpampianatra ny hafa, dedaka milaza fa safidin’ny malagasy izao dingana ataon’ny mpitarika antsika izao. Tsy ilaina ilay “sehatra vahiny” fa tia mibaikobaiko, sy mitsabatsabaka amin’ny raharahan’ny Gasy;...............
lun
01
nov
2010
Andro sisa no isaina dia ho avy ny fotoan-dehibe hifanomezan’ny Mpitondra Avo sy ny vahoaka izay tarihiny. Io ilay andron’ny fandatsaham-bato hanorenana ny Repoblika fahaefatra. Na ho ENY na ho TSIA no vokatra ho azo eo dia efa hiomana amin’izay hiseho ny mpitazana rehetra. Fa mialoha ny hisehoan’ilay fotoan-dehibe dia tsy maintsy vinaniana ihany ny mety hitranga e ! Aza mandrimandry manana aretina. Tsy maintsy atrehina izay hitranga. Tonga indray mantsy ry Dimbaka avy any Nazareta, ry mpikaroka sola vantony tsy fidiny, ry te-hiala voly etsy amin’ny kianjan’ny kilalao sy fialam-boly, ry mpiarananofa trano taloha tsy mitsahatra ny mandoto rano, ry maloto lamba notinafy mitaky ny savony hidiovana, be dia be tsy àry ho tanisaina e ! Efa midona isan-kariva ity ny oram-baratra. Miakatra ny ranon-dolana eran’ny tatatr’Antananarivo. Any amin’ny faritra dia asa fahavaratra ka ny maraina ihany e! Na ny fahasarotana ateraky ny toetr’andro ihany aza dia ampy hampisavoritaka eto. Mainka moa fa miaraka mihiaka ny hanemorana “ilay aferandaomy” daholo izay rehetra miteny. Tsy lafiny ara-politika sy arapoto- kevitra fotsiny no olana fa resaka teknika tsotsotra ihany koa. Mahakasika ny lisitra sy kara-pifidianana, kara-panondro, vato tokana, sns…
mer
27
oct
2010
Ny antoandro fitery ronono dia ilaozan’ny omby miahaka, fa na mafy toy ny inona aza ny fahoriana dia henatra ho an’ny Gasy ny hitery alika. Mbý an-koditra tokoa ity ny fahoriana, ary hizotra ho any amin’ny tery alika isika e ! Tsy misy ronono (ilay avy amin’ny omby) tokony hatao an-tavy intsony. Hiroso amin’ny fitaka ny mampandry adrisa, ary hiesona hatrany ny tsy mandady harona. Mbola hifandrombahana ny fahefam-panjakana na dia mihevitra ho matanjaka aza ny mpanatontosa ny fitsapana ny hevitry ny vahoaka. Miforona etsy sy eroa ny hevitra te-hitarika ny tetezamita vaovao hafa. Maniry ohatra ny anana ny hevitra mivoy ny fanemorana ilay “aferan-daomy”. Hivarotra rano indray anie isika e! Ny programa toy itony dia hain’ny mpitondra sy ny teknisiana marobe ny mandresy lahatra ny mpihaino azy fa hahazoantsika tombony toy izao na toy itsy ny fanatanterahana azy........
mer
27
oct
2010
Mpiray tanindrazana amin-dry Maradona iny olona iny, mpanao baolina kitra koa izy iny saingy nanokan-tena kokoa amin’ny fitiavana ny mpiara-belona. Tsy mahalavi- tany ny fitiavany sy ny fahatsora-pony ho an’ny mpiara-monina ka tonga taty amintsika iny olona iny. Tany amorontsiraka tany taloha elabe, ary dia erý amin’ny toerana fanariam-pakon’Antananarivo erý izy no namahatra sy manao ny asa soa efa nataony nandritra ny 40 taona teo ho eo izao. Nasongadiny hatrany fa tiany sy namany daholo ny mahatsiaro sy manampy azy ireo. Tsy nahagaga raha notoloran’ny mpitondra ankehitriny mari-boninahitra ambony eto amin’ny firenentsika iny olona iny......
lun
25
oct
2010
Milamina isika ! Sa voatery tsy maintsy halamina ? Filaminana mamitaka izany satria dia nisy grenady mipoaka anie e! Misy hetsika ara-sosialy niteraka fisamboran’olona tany ho any. Mandry andriran’antsy koa ny mpiara-belona, mitaitaindava amin’ny hafitsoky ny dahalo sy ny mpanao herisetra. Tsy mifidy io fa tratra daholo na dia efa ny faraidiny aza. Misy vahaolana amin’ny fahantrana hitangoronana etsy sy eroa. Te- mba ho “mahantra” avokoa ny olona! Sa efa tena mahantra fa be resaka sy be hambo fotsiny? Rehefa mahantra dia mahantra fa tsy misy mahantra mihaja sy ambony kokoa izany e! Ny ady hevitra politika dia hafahafa ! Misy indray ny resaka vao mainka mampitaintaina. Ao ny manambara fa ilay any Afrika Atsimo ihany no filoham-pirenena. Ao indray no namory vahoaka tany atsinanana tany ka milaza fa ilay mpanofa trano tao Mahazoarivo talohan’ity be galona izao ity ihany no Praiminisitra. Izay no vokatry ny fandrombaka sy ny herisetra natomboka tamin’ny taon-dasa. Dia tsy te-hahalala izay mbola ho vokatr’izany ny mpitarika ny fahefana ankehitriny fa mizotra miadana mankany mankany hatrany. Na eo aza ny fananganana ireo andrimpanjakana sarintsariny anankiroa tamin’iny herinandro lasa iny dia tsy midika izany fa mihamahazo hery ilay fahefana avo......
sam
23
oct
2010
F’angaha moa ny “ basy tsy mipoaka” pejy kolontsaina, na miresaka kolontsaina? Tsia! Tsy izany mihitsy. Ka tokony hanana firaisan-kiana amin’ny fitakian’ny mpanakanto sy ny artista kosa ve? Eny! Satria mpanakanto marobe no nifandimby nindramina teto ny heviny, mpilalao sarimihetsika, mpandihy, mpiaro ny nentin-drazana, tenin’ny lalana sy ny sisa tsy ho voatanisa… Fa azo hadika ho politika daholo koa angaha ny fitakiana mitranga mandritra izao fotoana hafakely izao? Arakaraka ny fijerinao azy, ny fijeriny azy, ny fijerintsika azy, ny fijerinareo azy. Resaka politika tsy misy fetrany io; misy mahatanty, misy koa ny ataony ihany dia efa tsy zakan’ny lohany.........
jeu
21
oct
2010
Tsy te-hanao resaka mandeha mankany amin’ny fankahalàna olona ny ankabeazan’ny Gasy. Saingy tsy ho menatra koa anefa izy ireo raha tsy te-hanantena intsony amin’ny mety ho filaminanana. Sendra mpitondra manetsi-tadiny ve sa tojo vahoaka tsy te-hivaky loha? Iray ihany ireo, fa ny antony nahatonga izany dia ny fampanantenana poak’aty, tonga ho azy ny tsy fitokisana, ny ahiahy. Aza omena tsiny ny hafa raha kivy, mametraka fepetra, tsy te-hiroso intsony ho any amin’ny zotra an-jambany. Tena tsy maintsy hafoy ny tetezamita avo. Mitombo an-dalana ny olana. Mihena ny hery entina hiatrika izany olana izany. Tsy ho vitan’olona tsy manana teti-panorona hiatrehana izany intsony ny olan’i Madagasikara. Mihambo ho tsy tia vary mohaka, ny mpitondra avo ankehitriny. Tsy fantatra mazava ny teti- paronona entiny. Tsy sahy mba manao ezaka am-panetren-tena milaza fa tsy mahita fahombiazana. Kizo ny lalana izorana, kitsapatsapa. Narodana ny fitondran-dRamose satria samy te-hanadio ny tantara politikany ny mpitondra teo aloha (rehetra?). Niaro ny tombotsoany sy ny hambony ny mpitarika “ny tolona”, dia niara-nirohotra nitady ny tombony tamin’izany ny tsirairay isam-batan’olona. Dia io tombony ho an’ny isam-batan’olona io no tena mampikatso ny raharaha politika malagasy. Tiantsika mianakavy io miaro tombotsoa manokana io, na kely na lehibe, arakaraka ny toerana ijoroana........
mar
19
oct
2010
Mbola ilain’i Madagasikara ve ny olona tso-po, madio sy marina? Tsy voavidim-bola sy voninahitra ary harena? Olona tsy mijery afa-tsy ny tombotsoan’ny besinimaro, ka hanindrahindra ny fihavanana sy ny fifampitokisana eo amin’ny samy mpiray tanindrazana. Ilaina ve ireo madio tanana amin’ny fitantanandraharaham- panjakana? Tsy misy ilàna izany intsony angamba! Mahazo faka loatra ny avonavon-kevitra sy ny herin’ny vola. Tsy misy ny fitsinjovana ny ho avy iraisan’ny rehetra. Tsy any amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana ihany, fa na dia ny isantokan- trano sy ny isam-baravarana mihitsy aza. Mifamono tsikelikely isika, mifandramatra, tsy mifampitsitsy, tsy mifandefitra. Izany fihavanana izany aloha dia aleveno any amin’ny faramangitsokitsoka any fa mandrebireby sy tsy misy hitavanana. Ny vola sy ny voninahitra izao no mety tsara amintsika mianankavy........
sam
16
oct
2010
Efa nihomankomana handray ny fivorian’ny “mpiteny Frantsay” isika ohatr’izao, raha mba nisaina kely sy nanindry fo. Any Soisa izao ny olona no hiresadresaka sy hidinika. Isika aloha dia any ambadik’i Sahondra e! Naleontsika niady an-kanina sy nampiasa sandry amin’ny tsy antony toy izay mba hijery ny tombony ho an’ny “iray trano”. Toa sanatria fanambadiam-boalavo no atao eto ka tsy misy fifehezana sy fifanajana, samy mikepoka izay azony. Tsy ny teny Frantsay akory no inona ka hahatonga ny fotodresaka, fa samy mahafantatra ny rehetra (mbola te-ho Gasy) fa tenim-panjanahana io. Ny teny malagasy no tenim-pirenena, araka ny andininy faha- 4 ao amin’ilay volavolan-dalam-panorenana. Ary ny teny Frantsay sy ny teny Gasy no teny ofisialy, tsy vao izao izany fa efa hatramin’ireo lalampanorenana teo aloha. Ny hoe: tenim-pirenena dia teny ampiasain’ny olom-pirenena eto amin’ny tanin’ny Repoblika, ary ny hoe teny ofisialy dia teny ampiasaina eo amin’ny fitantanan- draharaham-panjakana. Fa efa nahita taratasim-panjakana amin’ny teny gasy ranoiray ve ianao? Ohatra hoe: didy navoakan’ny tribonaly ? Fifanarahana ifanaovana amin’ny fanjakana? Moa tsaroanao ve fa ny fikaonan-doham-pirenena farany teo dia tamin’ny teny Frantsay no nanaovana ny fehin-teny. Dia toy izany koa ilay volavolan-dalam-panorenana. Teny Frantsay no navadika ho teny Gasy.......
jeu
14
oct
2010
Lohataona ity ny andro. Ny mpindrana angady amin’izao vanim-potoana izao dia maniraka ny tompony hiasa. Fa tsy ny angady rehetra koa akory dia ho azo hiasàna e ! Misy ny sasany na dia hiadiana kankana etsy ambody lava-piringa etsy aza dia tsy mahaovoka firy. “Andiam-bahoaka” nifanitsa-kitro no tonga terý amin’ny lapam-panjakana terý fa hampiasa ny angadiny ,hono, mandritra izao vanim-potoana ilàna mpiasa marobe izao. Koa raha samy hanakaràma ihany tokoa ve r’Ingahiroa tsy aleo hatomboka ny asa fa fahavoriana tsy misy toa izao. Mbola tsy ampy isa ireto “andiam-bahoaka” marobe nindrana angady mondro ireto, satria mbola misy angady miisa enina any amin’ny tompony any. Io moa tsy dia mahagaga loatra satria toetra nataon’ny tompon’angady efa hatry ny ela. Dia manontany tena kosa ny mpitazana hoe: inona no atao? Hitan-damba sy hijerijery sa hanampy ireto mpiasa marobe ireto? Ianao aza anie ka mpindrana fotsiny fa tsy tompony e! Ary miasa aman’olona ianao ka hanana hevitra ho tohanana mankaiza? Hitady ketsa hafa hatsatoka? Ny manonofy sisa no azonao mpitan-damba ety ivelany hatao. Indrindra moa ka ho tonga ny fotoam-pinjinjàna any aoriana any (raha hisy vokatra), ka hanantena fa hisy fizarana ho an’ireny madinika ireny, sy mba hiara-komana amin’izay ao anaty vilany nongo ao. Indrisy ry Gasy havako fa hahantra ianao! Na ny hofan-tsarety nitaomanjezika tamin’ny taon-dasa aza anie ka mbola tsy voaefantsika e! Hitsin-dalalana fotsiny no nataontsika tamin’izany ka naharatsy endrika antsika tamin’ny mpiara-monina. Koa na inona na inona vokatra mety ho azontsika dia tsy maintsy ny tompon-tsarety ihany no afaka hanome ny fankatoavana ho antsika raha tena vokatra azo hanina tokoa ity novolena ity. Ka iza àry no be fitaka eto? Ny tompon’angady sa ireo nanaiky hiasa amin’ny angady mondro? Sa ny mpitan-damba? Sa ireo mbola miandry ny angady lava lela? Sa ireo hiandry an-dry Pôly sy Razaka?........
mar
12
oct
2010
Tsy azo kianina intsony angamba ity baolina kitra Gasy ity ? Hadàlana raha zavatra toy ireny no ahitàna tsininy indray. Ireny mihitsy no fahaizan’ny rehetra e! Tsara ireny vokatra ireny. Ireny koa no vitan’ny hoza-pe. Ireny no kianja manara-penitra mba ananan’ny tanàn-dehibe. Ireny ilay kianja tsy azo hampiasaina afa-tsy ho an’ny fanatanjahan-tena ihany. Iny no mpanazatra nafarana tany ivelany sy nokaramaina volabe. Ireny no matihanina Gasy, Ireny no zavatra nokarakarain’ny mpikarakara. Ireny no mpijery baolina mahafatifaty, mahay maneho ny fihetseham-pony. Ireny koa ny mpilalao Etiopiana tsy ho resintsika intsony mandrakizay doria, satria hainy ny nilalao amin’ny kianaja manara-penitra toy io antsika io. Ho very fotoana izay hanadany rora sy mondron-kery amin-javatra mahabe hambo-po toy ireny. Tsara fa tohizo! Ny ataontsika mianakavy mihitsy no mahafinaritra sy mahavelombolo daholo. Tsy azo kianina fa samy milofo amin’izay tandrifiny. Mahadiavolana ny saintsika ny miaina ao anaty eritreritra “ho manara-penitra sy avo lenta”. Tsy misy toa antsika eto amin’ny faritra misy antsika. Isika no masi-mandidy amin’izay tiantsika hatao, tiantsika ny miaina amin’ny “hafakelintsika”......
sam
09
oct
2010
Tsy fotoan’ny fitokonana izao satria fotoana tsy hahafahana mamaly ny fitakiana isankarazany. Dia misy misiotsioka any ambadika any: Fa fotoan’ny fitsapan-kevi-bahoaka kosa ary ve izao ? Sa sady tsy fotoan’ny fitokonana no tsy fotoan’ny fitsapan-kevi-bahoaka? Fa fotoana inona izao? Fotoana hafa r’Ingahiroa a! Fotoana mahamay. Mahamay satria niniana nampangotrahana amin’ny tsy antony. Niniana tsy novahana ny olana ara-politika, natao tefy maika ny famahana olana, ny resaka bontolo sy didy boraingona no notaritina handehanana any amin’ny fitoniana? Iza no sahy hilaza fa teny ieranan’ny ankapoben’ny mponina ny hanaovana izatsy na izaroa? Hametraka andrim-panjakana toy izao sy izao? Hitsapatsapa sy hitokotokona? Safidintsika mianakavy ny hiaina korontandrontana e!...
jeu
07
oct
2010
Aiza ilay lalampanorenana e? Efa tafapaka any amin’ny isambatan’olona hifidy ve? Amin’ny tenin-drazantsika ve? Raha misy olom-pirenena mpifidy miisa enina ohatra eto Madagasikara, dia azo antoka fa ny roa amin’ireo ihany no efa namerimberina izany fanontaniana marobe izany. Azo heverina ve ny antony mety ilàna ny vontoantin’izay voalaza sy voasoratra ao anaty lalampanorenana? Raha olom-pirenena mahalala ny tantarampireneny dia tsy hisalasalàna fa ilainy izany, fa raha ny zava-misy ho an’ny firenena malagasy ankehitriny dia fandanian’andro ny hivaky loha amin’izay voalazan’ny lalàna isan-karazany. Fa nahoana e? Satria tsy ny lalàna no zava-dehibe. Tsy misy ilàna izany, fa ny fifanajàna no tsy ampy, tsy misy fifimpitokisana miteraka ny fihavanana, tsy misy fanajàna ny tombontsoan’ny mpiara-belona. Tsy mila soratana sy hifanaovana dina ny fitsipika ara-moralin’ny fanaovana politika. Atao inona moa lalampanorenana, lazaina fa hifampifehezana, kanefa efa misy saina (na moralité) mivonona ny tsy hanaraka izany? ......
mar
05
oct
2010
Hanondrana kely indray ny basy tsy mipoaka? Tsia! Tsy manondrana fa miteny sy milaza ny tokony ho lôjika. Na ny mpanohana ny ENY, na ny mpanohana ny TSIA amin’izao fitsapan- kevi-bahoaka izao dia samy mankasitraka ny fijoroan’ny fahefana avon’ny tetezamita ankehitriny, ary mino sy manantena fa izao fitondrana izao no hitondra an’ i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy hivoaka ity kizo tsy hita fara ity. Ny mahasamihafa ireto mpanohana ny FAT ireto ny dia ny fandavana ilay volavolan-dalam-panorenana, na koa ny fanekena azy. Ny mpanao ny ENY dia vonona hiroso an-jambany any amin’ilay fanovàna sy ilay Repoblika faha-efatra. Ny mpanao ny TSIA indray dia ireo mbola te hijanona amin’izao tetezamita avo izao. Nitarika ny Komity mpanohana ny Eny tamin’ny fotoampanokafana teny amin’ny Kianja Mitafo Mahamasina, ny mpanolo- tsaina manokan’ny Filohan’ny tetezamita avo. Izy ihany koa no efa nivolana teny Ivato fa tsy nilaina sy tsy tonga teny amin’ny fikaonan-doham-pirenena ny volavolan-dalam-panorenan’ny Filoha Avo. Dia mazava izany fa” IZY” no hampanao sy hitarika ny mpanohana ny fahefana avo ho amin’ny fandaniana ny ENY.........
lun
04
oct
2010
Efa midina hatrany amin’ny Distrika marobe any amin’ny faritra any, ny komity tarihan’iny olona iny. Vonona hiatrika ny andraikiny ho amin’ny fanantanterahana ny fifidianana hifanesy eto amintsika ry zareo araka ny fanambaràny. Tsy nisalasala ihany koa iny olona iny naneho ampahibemaso ny pitsopitsony amin’ny fitaovana eo ampelatanan’izy ireo. Noresahany hatramin’ilay trano printy nanankinana ny fikarakarana ny bilétà tokana ihany koa. Nanantitrantitra moa iny olona iny fa tsy maintsy ho voapetraka mialohan’ny fanatanterahana ny fitsapan-kevi-bahoaka ny komity isan-tokony, ny fitaovana rehetra, toy ny solosaina mirakitra ny lisipifidianana, ary ny lalàna rehetra mifandraika amin’ny fanantanterahana ny fifidianana. Nambaran’iny olona iny ihany koa, fa mitohy tsy mitsahatra ny atrik’asan’izy ireo miaraka amin’ny rantsa-mangaikan’ny firenena vahiny toy ny Friedrich Ebert Schtiftung (Alémà) sy ny sampan’ny OIF (Frantsay).....
sam
02
oct
2010
Miova ny raharaha ankehitriny. Tsy misy famantarana intsony hoe: Aiza ho aiza tokoa isika mianakavy? Mitety onja mahery ! Samy mifikitra amin’ny familiana daholo, ary mihambo ho manana ny marina izay rehetra miteny. Ny zavatra tsapa aloha dia mivonona ho tompon’ny fanapahana ny mpihazona ny fahefana. Miseho hatrany anefa ny tsy fitoviana fijery amin’ny mpanao politika, ary mikorontana tanteraka ny fanehoan-kevitra. Fizarazarana no nateraky ny amboletra hitondràna ny fitsapan-kevi-bahoaka. Amboletra satria arakaraka ny hirosoana no vao mainka mihatery ny lalan-kivoahana. Fitadiavana vaha-olana ho amin’ny famahana krizy no eritreretin’ny malagasy amin’ny ankapobeny kanefa fanamafisana “ny tetezamita haingana sy maharitra” no ataon’ny mpitondra. Repoblika vaovao? Sa Repoblika ovaovaina? Sa Repoblika miovaova no hatsangantsika? Rehefa noravàntsika ny Repoblika miisa telo teo alohan’izao dia mbola misy ve olompirenena, na mpanao politika mihevitra fa tokony tsy hiova isika ka hihazona hatrany ny iray amin’ireo Repoblika telo taloha? TSIA avy hatrany no valiny. Ka ahoana àry ny tokony ho lalan-kizorana satria manontany ny mpiray tanindrazana ny mpitondra fa hekentsika ve ny hiova? Hizotra any amin’ny Repoblika vaovao ve isika? Hanaiky ny lalampanorenana vaovao? Tsy hisalasalana ihany koa ny valiny fa ho ENY.......
ven
01
oct
2010
Fomba fitenin-jatovo rehefa mahita ekipa iray manomboka vizana io io entina hisarihana ny sain’ny mpamaky io. Tsy nalazo akory ny ravina nihinanana, dia efa hanomboka hifandefona ivoho sahady ny mpanao politika tafara-dalana ao anaty tetezamita izao. Akaiky ny fifidianana, dia efa heno sahady fa andeha irery ny TGV fa tsy mila mpijapy masinina intsony. Ilaina manko ny fahazoana toerana maro manerana ny faritra 22, izay hiainga any amin’ny toeran’ny ben’ny tanana. Ireo antoko nilaza fa mikambana ao anatin’ny UDR dia efa voakopakin’ny fatsy avy aty amin’ny TGV, ka tsy maintsy mitady izay asiana ny tongotra sahady, sao rendrika ao. Midika izany, fa lasa ho mpifanandrina ara-politika, ary mety tsy hifandevi-maty mihitsy ireo antoko nanantena hialokaloka ao anatin’ny antokon’ingahy Andry Rajoelina. Hanomboka ny fifanakianana mivaivay, ary hifanala-baraka toy ny fahita hatramin’izay ireo. Tsy misy resaka mpiaramisaosy intsony mantsy eny ankianja, fa izay ahababo ny fon’ny mpifidy hifidy ny tena no maha-maika. Dia hoy ny mpitazana hoe karakarao fa mivoraka. Izy mianankavy aza miady an-trano, koa olona izy no mbola ho resy lahatra amin’izany fihetsiny izany ? Tsy atao mahagaga izany, satria ny fanonganana ny mpitondra teo aloha anie no niraisana fa tsy hiara-dalana hatrany amin’ny fifidianana e. Hatrany am-boalohany, dia efa hita, fa seza sy voninahitra no nahatonga ny ady saritaka teto, ary io mbola ho hamafisin’ny antoko, ho very seza io atsy ho atsy. Izay tsy zatra misedra safidim-bahoaka no tena mampalahelo, satria iza intsony no zatra hanome toerana anao lava eo, nefa aza ianao tsy misy olona mpanara-dia akory. Dia hoy izahay hoe karakarao fa mivoraka e.
jeu
30
sep
2010
Tonga aty indray ry zareo mpanelanelana ? Fa hanao inona aty ihany e? F’angaha ianareo r’Ingahiroa tsy efa nanazava taminy fa haintsika ny mandamina ny eto an-tanàna a! Resaky ny mandany jiro indray angamba izany fa azonay vinaniana eto ihany. Sa tena hanantanteraka ilay famaharany eto izany ny SADC ? Hiara-monina amintsika eto anie ,hono, ry ‘zalahy ireny e! Isika koa moa rehefa any ivelany any toa tsy mazava amin’ny olona loatra ny tena tiantsika hatao. Hiala ao amin’ilay vondrom-paritry ny SADC ihany ve isika sa don-tandroka fotsiny ireny resaka ireny? Tsy fantatry ny olona intsony izay tena politikan’ny fitondrana eto e! Hiroso amin’ny fifidianana sa mbola mila ho elanelanina? Ny hany azo antoka dia matoa tonga eto ny mpanelanelana, dia tsapany fa tsy mpitondra fanjakana ny mpihazona ny fahefana eto fa anisan’ny mpifanandrina politika mampikatso an’i Madagasikara sy ny mponina ao aminy. Sa diso indray izany?Tsy maintsy manapakevitra mazava fa tsy mety ny manao fitàna mitambotsitra e! Taiza teto ambonin’ny tany no hisy fifidianana sy fitsapan-kevibahoaka hifanindran-dalana amin’ny fanelanelanana noho ny krizy politika? Sa ny krizy midongizina, ny fitsapan-kevi-bahoaka tsy maintsy haroso, ary ny fifampidinihina ho tanterahina. Tena hanenjika bitro telo anie izany e? Hay moa mety izany k’ah! Milaza hoe: tsy hirotsaka ho fidiana, kanefa ny “fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana” aza azo tanterahina tsara r’Ingahirainy a!...........
mer
29
sep
2010
Mafimafy ihany ity herinandro ity. Seho maromaro ihany koa no hitranga, ka ity angamba no hahitana ny tena fahaiza-mitantan’ny Fat ! Nanokatra azy, nanomboka omaly, ny fitokonana isan-karazany : ny mpitsara, ny mpampianatra mpikaroka, ny mpandraharaha sy mpianatra eny Ambohitsaina. Misy ihany koa any Toliara any. Andrasana etsy andaniny ny fanapahan-kevitry ny mpiasam-panjakana ao amin’ny ministeran’ny Fitantanambola sy Tetibola, izay mitaky ny fankasitrahana nahazatra azy. Fa tsy adinoina ny fanomanana ny fampielezankevitra momba ny Lalàm-panorenana vaovao hitondra any amin’ny Repoblika Fahefatra. Hatreto, dia mbola manjavozavo ny fizotrany, satria ny valala mandady harona tsy mbola misy mahafantatra ny voarakitra ao anatiny ao. Toy ny varotra omby anaty ambiaty izy ity, ka sarotra omen-kevitra. Na izany aza, na ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny aza tsy mbola heno manambara ny fomba hitondrana ny raharaha. Inona no andraikitry ny Ceni ? Ny Ray aman-dreny Mijoro nandrafitra ny fanapahan-kevitry ny mpizaika ? Ary ny CCC nandrafitra ny Lalàm-panorenena tao anatin’ny fotoana fohy dia fohy, raha marimarina kokoa tsy ampy herinandro taorian’Ivato. Fa tsy azo atao ambany maso tsy hita kosa angamba ny hetsiky ny mpikirakira sy mpampahalala vaovao, ny faran’ny herinandro teo. Mitohy izany hetsika izany ankehitriny, ka mitaky fihaonana amin’ny tompon’ny fahefana isan’ambaratongany sy isan-tsokajiny handray azy, hahafahany manazava ny fanapahan-keviny : fampiatoana ny hevitra rehetra notinapaky ny vaomieran’ny Serasera teny Ivato, mikasika ny asan’izy ireo. Tsy nisy solontenany rahateo teny, nitondra ny hetahetany sy nanome fanazavana momba ny fanatanterahana ny asany. Ho hita amin’ny manaraka ny tohiny, satria… herinandro ihany no omen’ireto mpanao gazety ireto ny manam-pahefan’ny tetezamita.
mar
28
sep
2010
Lohantaona migaingaina, tsy laitra ny hafanana. Toy izany koa ny lalana hizorantsika mianakavy. Mamovoka be tsy hifankahitàna. Any ampovoan’ny tany karankaina anie! Tsy hifandrenesana satria samy may amin’ny mahamay azy. Samy te-hiala ity tany karankaina ity koa angamba? Fa mbola mety haharitra elabe angaha ny fihodikodinana ity “vovoka manjofo be“ ity? Tsia! Efa irý mangilatra erý aloha irý anie, hono, ny tanjona e! Nisy rano azo nodinganin-jazakely terý aloha terý; kanefa dia nanamboatra tetezana niampitàna teo ny mpitarika antsika. Alohan’ny hahatongavana any amin’ilay mangilatra be anefa dia mbola misy renirano tokony hiampitàna hoy ny hafa. Miaiky izao ny mpitondra malagasy fa ilaina ny fampijoroana fanjakàna tena manaraka ny lalàna velona. Efa natolotra ny filohan’ny FAT rahateo ny volavolan-dalàmpanorenana hitsapàna ny hevi-bahoaka ato ho ato. Raha ao anaty vovoka manjofo be toy izao dia efa noporofoin’ny tantara fa hiridana hankany amin’ny ”Eny“ ny valin-teny ho azo eo. Mahatoky tena ny mpikarakara satria azo vinaniana fa tsy maintsy ho toy izao ny fanontaniana hiseho: “Ekenareo ve ny hiala amin’ity vovoka manempotra ity, ka handehanantsika amin’irý mangilatra mahafinaritra irý?”. Dia olom-pirenena mandray andraikitra toy ny inona r’Ingahiroa no handà izany? Na vitsy, na marobe no hamaly ny fanontaniana dia tsy maintsy hohamarinin’ny “sheriff” izay vokatra hita eo............
dim
26
sep
2010
Nony injay nomena voninahitra, natao am-patram-bary indray! Fa inona marina no tadiavin’ny fitondrana amin’izao fotoana e? Nahazo fanasana avy amin’ny sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, hono, ny Fat, ary dia ny lehiben’ny diplaomasia, ny jeneraly Ramaroson Hypollite, no nisolo tena an’I Andry Rajoelina. Nahazo fotoana ahafahany miteny ny delegasiona malagasy. Kinanjo… naleony tsy nandray fitenenana. Fa dia nahoana loatra re e ? F’angaha moa tsy ny hanao pi-maso ireto fianakaviambe iraisam-pirenena ireto akory no tanjona, na dia tsy dia tena hanao izany aza no nolazaina fa anton-dia ? Nanambara mihitsy ny filoha mpitarika ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana, SEM Joseph Deiss, fa ny Malagasy no nangataka ny tsy handray fitenenana. Tapitra teo ny fitodihana taty amin’ity nosy mamintsika. Mahagaga ! Sa… satria tsy dia manan-kambara ny Fat raha ny momba an’i Madagasikara mikasika ny Tanjon’ny Taonarivo Fahatelo momba ny Fampandrosoana ? Tsy midika fandrosoana velively mantsy ny fanorenana hopitaly, ny fanorenana ao Antsonjombe, ny fananganana Akademia ara-panatanjahantena, ny fanavaozana ny Hotel de Ville, ary, atsy ho atsy, hono, ny fisokafan’ny tsenan’Anjomà ; manoloana ny fahantrana mianjady amin’ny vahoaka manontolo sy ny madinika tsy afa-mampiditra mpianatra, tsy afa-mamelona ny fianakaviany, tsy afa-mitsabo tena noho ny tsy fisian’ny fanampiana intsony...
sam
25
sep
2010
« Ao ny mivôvô, misy ny misarin-kisoa, irý ‘zao hiteny sinoa, tanànan’ny tsy fantatra hoe: ahoana?, ao no manaonao foana ». Dia tonga soa amantsara eto Ambohimahadizina ara-bakin-teny isika mianakavy. Nisintaka ny polisy fa tsy te-hidiran’andro amin’ny tsy antony. Ankehitriny vao tsapany fa hay ireto mpandamina ny fifamoivoizana ireto dia nanao ny “tsy asany “akory hatramin’izay taona maro nifandimby izay? Fa amin’izao fitondran’ny fahefana avo izao vao nirotsahan’ny fanahy masina izy ireo ka nahalala ny lalana mahitsy tokony nizorany. Dia navelan’ny CUA ho eo ampelatanan’ny mpandraharaha amin’izay ny fitantanana ny tsena eto an-drenivohitra. Dia iza koa no hisintaka sy hiala amin’ny fiketrehana ny hahatsara ity tanàna ity?.......
ven
24
sep
2010
“ Ny ankizy ,hono, tsy mahalala tsy misy, fa toy ny bilao teren’ny visy. Tsy misy mafy tsy ho laitry ny zoto, fa baikoin’ny kibo ka mitotototo. Rehefa tsy misy dia tena mangidy, satria ny eo an-tanana indray no amidy “. Samy manana ny olany sy ny antonantom-pitolomany andavanandro ny Malagasy tsirairay amin’izao fotoana izao; Samy voagejan’ny fahoriana eo am-baravarany. Any amin’ny rambony isika amin’ny filaharana ankapobeny mahakasika ny fahantrana. Fa ny Gasy tokoa ve no dondrona sy kamolahy tsy afaka mivoatra ara-pihariana e? Sa misy antony mangeja azy ao? Antony ara-kolontsaina? Antony ara-piaraha-monina? Antony ara-pinoana? Antony ara-politika? Angamba! Hatramin’izao dia ny mpanao politika no “Mpanjakan’i Madagasikara”, mpanjaka tsy manana vaha-olana lavidavitra fa ny eo ambany maso aza tsy hitany. Tia mangala-tahaka ny fototry ny fandrosoan’ny olona fotsiny, tsy manana tetika sy paika tena hampizotra ny fiainam-bahoaka. Fa inona moa ny asan’ny mpanao politika? Tsy hitady io toerana ahafahany mampandroso ny faritra misy azy io? Fa efa nahita ve ianao mpanao politika Gasy nahazo fahefana tany amin’ny faritra ivelan’ny renivohi-paritany teo aloha ohatra, ka sahy nanangan-javatra namorona fandrosoana ho an’ireo mponina ao aminy? Raha misy dia azo isaina amin’ny rantsan-tanana. Raha any amin’ny faritr’i Betsiboka izy no lany ho solombavam-bahoaka, dia eny Ivato izy no manangana tranobe, mividy fiara lafo vidy sns…
mer
22
sep
2010
Mbola maro ireo faritra na distrika sy kaominina ary fokontany lavitra andriana eto Madagasikara. Noho izany dia mbola manjaka any an-tanin’ny jamba ny toka-maso, sady mbola mandravarava any an-tanin’ny banga ny tokanify. Izay aloha hatramin’izao no azo amehezana ny zavamisy ataon’ireo mpanao politika. Maro amin’izy ireo mantsy no efa manao ny fomba mahazatra hatrizay, dia ilay propangandy alohan’ny fotoana. Miraradraraka ao anatin’ny kabary tsara lahatra na mody hevitra tonga tampoka vao teo ny fampanantenana marobe. Vaky vava noho izany ireo tambanivohitra tsy ampy solaitra ka mihoby sy mitehatehaka ary mihorakoraka mafy hoe : “izany ka tena izy, mety hahavita zavatra tsara ho antsika”. Atao ahoana tokoa moa no tsy hankasitraka izay olona vonona hanasoa ny fiainanao? Atao ahoana no tsy hisaotra izay olona mampanantena fa hanamboatra ho “synthétique” ny kianja filalaovan’ny tanora baolina sy hamita ilay lalana ratsy indrindra eto Madagasikara izay mirefy 120 km mahery? Atao ahoana no tsy hitehaka izay olona vonona hanorina hopitaly lehibe manara-penitra ho amin’ny fitsaboana ireo taranaka amanjafy? Inona no manakana antsika tsy handrotsa-bato ho azy rehefa ho avy ny fifidianana? Ny asa vita ihany anefa no hifampitsarana........
mar
21
sep
2010
Mitehaka mafy erý ny Gasy fa amin’ny teny vahiny no nanaovana ny famintinana ny resaka nandaniany rora nandritra ny dimy andro. Miandry izy satria Gasy, ny teny vahiny aloha no vita satria nilaina maika ilay « fehin-kevitra », ary nohazavaina tsara fa rehefa manoratra ireo manam-pahaizana sy mpanao ny famintinana dia ny teny vahiny no manavanana azy kokoa. « Mitomania ry taniko » : Iza amintsika Gasy petaka ireto no mahay milaza fihetseham-po amin’ny teny vahiny ? Iza no hangata-pitahiana amin’ny Mpamorona sy ny razantsika ka hivolana amin’ny tenin’i Sarkozy ? Inona no hevitra fonosin’ilay hoe : « avelao ho avy izay ho avy , avelao hitranga ny olana», fa tsy misy mitambitamby amin’ny sehatra iraisam-pirenena? Olona an’arivony no voatery nihafihafy eo amin’ny taniny sy ao an-tranony. Omena azy ny voninahitra ary tsy maintsy amin’ny tenin’izy ireo no hampahalalàna azy ny diniky ny Gasy. Mahagaga? Sa mandeha ho azy ny fijerintsika izany? Iza marina no tena mila vazaha sy mila ranondranony amin’ny vazaha e? Ka mila sehatra iraisam-pirenena sa tsia e? Maninona « izy » raha miandry ?........
lun
20
sep
2010
Hay ve ka azo hampiasàna hery ara-tafika ny olona nolazaina fa mitondra ny feon’ny vahoaka any amin’ny faritra any? Hay ve tokony hosamborina sy hampiharana ny lalàna velona ny olona mitarika ny namany hitaky izay nampanantenaina azy ? Hay ve mampitaintaina ny mitazana mpitandro filaminana manemitra ny tanàna? Hay ve azo hampihorohoroana mpivory marobe ny vovoka sy fati-na finday? Hay ve mbola misy vondron’olona tsy mandray anjara amin’ny lazaina fa fanorenana firenena ? Hay ve fantatry ny sehatra iraisam-pirenena fa misy izany « minisitra miadidy ny raharaham-bahiny » izany ? Hay ve tsy maintsy hatao tsangan-tanana ny fanapahan-kevitra mandritra ny fivoriana hitambaram-be? Hay ve tsy alefan’ny radiompirenena fa misy andian’olona tsy nety nivoaka ny tanàna nitobiany fa mila antoka amin’ny fahatonian-tsaina izy ireo? Hay ve misy tera-tany malagasy azon’ny mpaka an-keriny babo tany Niger tany? Hay ve tsy azo omena famotsoran-keloka ny olona nahavita nandatsaka ny ain’ny ny mpiray tanindrazana aminy? Hay ve mahazo miteny amin’ny anaran’ny tenany ny tera-tany malagasy tsy fantatra akory hoe mahasolo ny fikambanana tonotononiny fahatany fotsiny?.......
mer
15
sep
2010
Tsy azo dinganina fotsiny ny finiavana ananan’ireo rehetra manatontosa sy miketriketrika ity fihaonana mandritra ny dimy andro eny Ivato ity. Goavana ny fihetsiketsehana, goavana ny fikarakarana, ary tsy moramora io fa mila finiavana sy fanatontosana tena mendrika. Olona mpizaika manodidina sy tsy latsaka ny telo arivo anie no havondrona ao amin’ny toerana iray e! Fa ny maha-lasa ny saina dia izay mety ho vokany, izany avy hatrany no mby ao antsaina satria tsy manana zo hanao hadisoana intsony izao fitondrana manatanteraka ity fihaonana ity.......
mar
14
sep
2010
Tsy azo dinganina fotsiny ny finiavana ananan’ireo rehetra manantontosa ity fihaonana eny Ivato ity. Goavana ny fihetsiketsehana sy ny fikarakarana, ary tsy moramora io fa mila finiavana tena mendrika. Olona mpizaika tsy latsaky ny telo arivo anie no havondrona ao amin’ny toerana iray e! Fa ny mahalasa saina dia izay ny mety ho vokany. Mialangalana ny mpitondra fa tsy mikarakara mivantana ity fihaonana ity kanefa miharihary ihany ny toe-javatra misy. An-tapitrisa ny vola mikoriana ao, ary volam-panjakana no hilazantsika rehetra azy io. Tsy misy tsy nahamarika isika namoriana vahoaka sy mpanao gazety daholo rehefa tompon’andraikitr’izao fahefana misy izao. Miezaka mafy ny tendrony ambony amin’ny fahefana ankehitriny, manantontosa ny fitsidihamparintany. Fampanantenana marobe mahakasika ny fanorenana sy ny fanarenana no natao. Tsy mitsahatra ny fanenjehana ny mpitondra teo aloha, ary iniana aparitaka ny hevitra fa sambany sy izy irery ihany no mahay sy mahavita ny fanafodin’ity Madagasikara ity. Tiany porofoina amin’ireny fitsidihana ireny fa tsy mitsabaka amin’ny adilahy politika ifamorivoriana ny tenany.......
sam
11
sep
2010
“Raha mijanona eto aho, hampitombo isa ireo efa lavo ! ka very hevitra aho, Ray ô! Mba henoy ny vavakay”. Asa raha samy nivetsovetso izany angamba ireto nihaona mangingina? Nolazaina ho mangingina kanefa fanta-bahoaka ihany hoe tany Ivandry tany teo ambany fiadidian’Ingahy Pasitera. Samy tsy te-hijanona eo amin’ny toerana misy azy anie e! Samy tehanao dingana ho firosoana ho any amin’ny tonitony kokoa? Fa misy antony lehibe ao manakana ny tsy hisian’ny vaha-olana marina. Vao niainga ity tetezamita ity dia nitetika ny hanao hevitra savoan-danitra sy saro-takarina. Be ny fihetsiketsehany tsy mifanaraka amin’ny “normale”. Kanefa izany “tsy normale” izany no tetehiny havadika amin’ny “tery kiho am-pandriana” mba hanompoana sy hanekena ny heviny. Tereny ho antsoina hoe:”mpanohitra“ ireo rehetra tsy mitovy fijery aminy. Ny tena fototry ny gidra anefa dia tsy nahazo tso-drano tamin’ny ampahany betsaka tamin’ny malagasy izao hevitra entiny izao ka “latsa-bato an-tanana ry zareo” Maika ny fitondrana amin’izao tetezamita izao hikaroka izay heveriny ho fankatoavana iraisam-pirenena. Mody tsy resahana mihitsy io fahadodonana eo aminy io, fa averimberiny hatrany fa tsy ilaina ny sehatra iraisam-pirenena rehefa mifanaraka isika mianakavy......
mer
08
sep
2010
Tsy milamina ny tany, tsy misy fandriampahalemana, mandry tsy lavo loha ny mponina, na an-tanàn-dehibe na ambanivolo. Marisarisa ny fiaraha-monina, mifampiandriandry fotsiny no ataontsika eto fa tsy misy sahy tena milaza ny fahamarinana mbola ho karohina sy hifampidinihina etsy sy eroa. Tsy mety intsony ny dikan’ny hoe “marimaritra iraisana”. Tsy mety ny tsy mangatsika na tsy mafana. Hafahafa toy ilay nitsako savony ny fisehoan-javatra ankehitriny. Omaly dia andro iraisam-pirenena ho an’ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra. Hatao inona anefa izany? Very hasina ny fahaizana amam-pahalalàna fa ny sandry sy ny didiko fe lehibe no manjaka, ka toa mandeha ho azy io tsy fandriampahalemana io. Tsy misy fifampifehezana ifanarahana sy tena mazava. Tsy hisy sahy hilaza mihitsy ve fa naman’ny tsy misy azo antenaina intsony amin’ny mpihazona fahefana tsy nahavita niaro ny vahoakany amin’ny asan-jiolahy nandritra izay fotoana lavabe izay? Tsy nahita vaha-olana amin’ny fifandrohitan’ny samy malagasy tsy mitovy hevitra, tsy mahavita mampihavana fa te-hamotika ny fahavalony ara-politika fotsiny, tsy ampy hery handaminana ny olana ara-tsosialin’ny mponina, tsy misy ny “aro riaka” hifanampiana amin’ny fanabeazana na dia efa antomotra aza ny fidiran’ny mpianatra, tsy manana tetik’asa hiatrehana ny fotoam-pahavaratra ho avy.......
mer
08
sep
2010
Vahotra ny lela, mangidy ny rora, tsy hita izay voambolana ilazàna ny fahabangana. Tsy izy akory no malagasy voalohany nalaza nohetraketrahan’ny FAHAFATESANA ka hahatonga inona sy hanova inona amin’ny fomba fanaontsika eto, tsy izy ilay nirehareha, tsy izy ilay nitady voninahitra. Fa MATY izy, ka tsy maintsy MISAONA ISIKA. Ny basy tsy mipoaka dia dindon’ny fisiany, ary izy no anisan’ny namporisika tamin’ny fomba fanoratra teto. « Rehefa tsy vitanay ny chanson à texte, dia ataovy texte au chanson leitsy zandry a ! Aza miforitra, tifiro kanefa aza vonoina fa namana mbola ilaina ny mpanao politika ». Izay ilay hery tany aminy, koa tsy maintsy hisaona isika. Ny somambisambin’ny takariva tany amin’ny Firaisana Sovietika taloha no nahatonga ny embona ka tsy maintsy hiverinany aty an-tanindrazana, ary nampanantenainy fa hirongo vinany izy. Sao dia ataon’ialahy hoe: mpihanika hazo leitsy aho ? Tsia leitsy!......
sam
04
sep
2010
Rotsirotsiana sy taizaina mba tsy hitroatra ary hanaiky izay rehetra miseho sy tian’ny mpitondra haseho ny vahoaka malagasy amin’ny ankapobeny. Ry zareo koa moa malaza amin’ny «ôbarajia, abarajà». Koa ilaina ny fahanginana sao mivadika zavatra hafa eo ny fampisehoana. Ny fomba hampanginana ny bevava dia tambazana zavatra sy fitaovana tsy nananany hatrizay sy nofisiny hatry ny ela. Ireo malefa-pihetsika dia arahana ambokony ny sitra-pony ka alefa tsikelikely ao anatiny ny tambitamby ara-tsaina sy ny fanasana loha. Ho an’ireo vahoaka marobe mitanatana vava tsy mahita izay harapany dia verezindia amin’ny fampanantenana fa hanakaiky sy hanatona azy ireo ny fampandrosoana izay hatao ao anaty fotoana faran’izay fohy indrindra. Moa tsy manontany tena va ianao fa mangataka enimbolana vaovao indray ny mpitondra avo ? Asa iza moa no hangatahany an’izany ? dia iza koa no hanome azy io enim-bolana io ? F’angaha tsy hifarana amin’ny 31 desambra indray? Aza mivaky loha amin’izany fa mandeha amin’izao fotsiny io, ary izay tiany ihany io. Efa mandeha tsikelikely ny asa, ary afa-nenina ny mpihazona ny fahefana. Efa indroa koa izao no nahenoana fa afa-nenina izy. Rehefa tonga ny fahataperan’io “mandat” vaovao azony maimaim-poana io dia inoana fa ho afa-nenina fanintelony izy. Ho an’ny fijery maimaika ireo lazaina ireo fa tsy izany akory no tena anton’ity fampahanginana ity. Aoka izay ny resabe! Aza be menomenona intsony !........
ven
03
sep
2010
Rehefa tena tapaka tarangana ny fifampidinihana hikatsaham-bahaolana dia samy nandeha samy naka ho azy ireo antoko politika sy movansa eto amintsika. Samy nizotra ho any amin’izay heveriny fa mety izy rehetra amin’izao fotoana. Ireo mpanao politika am-polony maro mivondrona ao anatin’ny ESCOPOL sy UDR Fanovana ary ireo mankasitraka izao fitondrana izao dia nanohy ny diany hatrany ho any amin’ny fitantanana mandeha ila an’izao tetezamita izao. Tsy miraharaha izay tsy afaka na tsy handray anjara amin’ny fitondrana ny firenena ho any amin’ny repoblika fahefatra fa dia roso hatrany dia ho azy ireo. Eo am-pitsinjarana ireo seza ao anatin’ireo rafitry ny tetezamita izy ireo ankehitriny. Miady hevitra amin’ny ho isan’ireo handrafitra ny filan-kevitra ambony ho an’ny tetezamita (CST) sy ny kongresin’ny tetezamita (CT) ary eo anivon’ny governemanta iraisana izy ireo. Samy efa maminavina sahady izay seza hitoerany mandritra izao tetezamita vaovao izao ireo mpanao politika, ary samy efa mihevitra ny vola ho azony amin’izany. Ho azy ireo dia tsy misy afa-tsy ny firosoana amin’ny tetezamita iraisana, araka ny nambaran’izy ireo hankany amin’ny fifidianana hitondra any amin’ny repoblika fahefatra ihany no vahaolana amin’izao krizy izao.........
jeu
02
sep
2010
Lany fotoana lavabe ny mpanao politika malagasy dia manjary ny vahoaka tsy mandady harona no miharitra ny mafy. Inona marina moa no antony nahatonga ny savorovoro tsy mety ho tony e? Raha io no nitadiavana valiny hatry ny ela dia efa mba samy nizotra nankany amin’ny fitoniana kokoa isika mianakavy. Efa mba samy nifantoka tamin’ny fihariana sy ny fitadiavana, efa mba samy niandrandra ilay maraina vaovao tsy mety ho tonga sy mba tokony iainana. Fa miverin-dalana hatrany ny ady hevitra satria tsy ilay olana ho vahana no hifamorivoriana hatrizay io, fa zavatra hafa mihitsy. Tsy ny fototry ny aretina no hitadiavana fanafody, fa te-hiaina ny peta-toko hatrany isika mianakavy ka fandotoana tsy haharenesana hirifiry no karohan’ny maro fa tsy ny famongorana ny aretina. Ny politika Gasy hatramin’izao dia efa mifototra amin’ny fanompoana olona fa tsy resaka foto-kevitra sy fototra hitantanana fanjakana. Tsy mitarika na inona amin’ny fomban’ny mpanao politika ireo rehetra ireo, ary voaporofo izany nandritra ny fotoana lavabe niainantsika. Ny olana terena iainantsika dia fankafizana tsangan’olona amin’ny alalan’ny aleiloia, fankahalana olona amin’ny homboy homboy......
mer
01
sep
2010
Raha ny haino amanjery no jerena dia lazaina fa krizy politika no misy eto amintsika. Raha ny fehinkevitra mivoaka avy amin’ny sehatra etsy sy eroa, na politika io na ireo izay lazaina fa fiarahamonim-pirenena dia toa hoe raha omena sehatra sy seza ny ankamaroan’ireo mpanao politika na milaza azy ho mpanao politika dia hivaha ny olana. Izany tokoa ve no zava-misy ? Raha mijery ny fiainana andavanandron’ny vahoaka dia tsy izany velively no krizy iainany ary angamba tsy ho ireo voalaza ireo no vahaolana ho azy. Inona ireo krizy ? Tsy misy intsony ny fandriampahalemana. Vaky trano atsy, vono olona ary, ary mazàna dia voalaza fa ireo mpitandro filaminana no manao izany na ao ambadik’ireny amin’ny fampanofana basy Mahantra tanteraka ny vahoaka. An’ hetsiny ny very asa, tsy latsadanja amin’izany ireo tsy mahaloa hofan-trano, asa firy sisa ny ankizy hamonjy sekoly afaka herinandro vitsivitsy. Ny any sisa azony atao ? Mitazana ireo fiara raitra eran’ny tanana, zendana mahita ireo izay nanankarena tampoka manontany ny ory, mitangorona eny amin’ireo mpivarotra gazety satria tsymahavidy intsony.......
mar
31
aoû
2010
Tsy teny vaovao akory, fa voambolana sy fomba fitenin’ny mpitondra avo ankehitriny io. Asa moa raha hainy tsara ny dikan-teny, na atao ho eny anelanelan’ny resaka tiana hatavy fotsiny. Tsy ny fitsingolohan- dresaka koa no inona fa foto-tevitra sy ady hevitra no tena mahatsikaiky ankehitriny. Fisehoanjavatra tsy manaraka ny tokony ho izy sy ny mahazatra no tondroina ho mahatsikaiky. Tsy misy azo atao fa dia hihomehezana fotsiny satria tsy mahatsapa tena, manaotao foana…ary mampalahelo no hiafaràny. Ny raharahantsika eto dia nanomboka tany amin’ny fivoahana amin’ny fenitra manara-dalàna araky lalam-panorenana, dia nisafotofoto hatrany ary tsy mety ho tafaverina amin’io sehatra tena mifanaraka amin’ny lalàna io mandrak’ity ny anio. Moa tsy mahatsikaiky ve ny filazàna mialoha fa misy olompirenena mitonona ho raiaman-drenin’ity Malagasy ity, manana sy namolavola lalampanorenana heveriny fa tsara noho ny an’ny hafa rehetra ? Moa tsy ny fitondrana tarihan’io olona io no nanangana ilay komity fakàn-kevitra momba ny lalampanorenana ? Angaha tsy fantany fa tokony ho naterina tany Tsimbazaza misy ny foiben’io komity io ny volavola rehetra ?......
lun
30
aoû
2010
Mivadibadi-dela sy tsy hita fototra mihitsy ny fanapahan-kevitra eto amin’ny firenena malagasy. Ahodinkodina sy terena hizotra amin’ny lalan-diso ny fironan-kevitra sy ny ady hevitra atao eto. Ao no mandrangaranga fifidianana madio sy mangarahara, ao no mampiseho fahavononana amin’ny famoriana ny mpanao politika rehetra fa nahazo ny tso-dranon’ny sehatra iraisam-pirenena, ao ihany koa ireo tsy manan-kalahatra fa manara-davahana fotsiny, ary ny tena atambo dia misy ihany koa ny mpamafy lainga sy zatra ny andro ririnina amin’ny fanelezana tsaho : Mpampihorohoro ara‑tsaina, manao ramahatahora. Tsy azo dinganina izay rehetra vita tany amin’ny dinika santatra notontosaina tany amin’ireo distrika 119, manerana ny nosy. Hoentina any amin’ny kaonferansy nasionaly ho karakarain’ny « firaisa-monina sivily » amin’ny fotoana mbola tsy fantatra izany. Dia mitoetra eto ihany ny krizy satria misy laingalainga sy fampiesonana eo anelanelan’izany rehetra izany. Raha vao misy vondrona politika manaiky fa hahemotry ny CNOSC ny daty tapaka nandritra ny dinan’Ivato, dia efa fampiesonana izany........
sam
28
aoû
2010
Tsy maintsy misy tody ny zavatra atao satria efa ifanaovana io e ! Iza no tsy nahatsiaro fa lasa nivoaka ny efitrano fivoriana Ilaikely iny rehefa nifandrohitana mandra-maraina ny resaka ho filoha mpitantana ny tetezamita? Nosokirina tany anaty fiara, narahana tany amin’ny hôtely nivantanany fa tsy nahazoandresaka afa-tsy ny hoe: “ndeha hody izahay”. Anjaran’ny hafa indray izao: Eo imason’ny sehatra iraisam-pirenena io, hitampoko, hitam-pirenena fa “lasa ry zareo”. Tsy tany Afrika kosa fa teny Vontovorona, teto an-tanàna. Efa nampoizina izany, ary tsy gaga ny mpanara-baovao satria niniana noravàna ny tsena. Na ilay fihetsika tany Afrika, na ilay teny Vontovorona dia paik’ady politika tsy hita izay maharatsy azy. Fa ny an’ny sasany dia iniana haseho ilay hagaigena imasom-bahoaka. Iniana avilana ny resaka. Io mbola hitantsika mifikitra amin’ny “tsy azy” io ilay notolorana ny “vatomamy” tany Afrika, rehefa avy nanao dongin-jaza maroroka. Izy ihany anefa no nanary tena sy nanary ny vatomamy teny an-tanany ka nanongan-tena tsy........
ven
27
aoû
2010
« Samy manao izay maha-diavolana ny sainy e! Samy manao izay mahafalifaly ny fony ny ogna aby ô ! », hoy ny tononkirana mpanakanto malaza iray. Izany tokoa no hiainantsika ankehitriny. Zary lasa tanàna tsy misy mpifehy mantsy i Gasikara, ka samy manao izay tiany. Tsy voafetra intsony ireo mpivarotra amoron-dalana fa henika azy ny moron’arabe rehetra eto an-drenivohitra. Omen-tsiny ve izy ireo, raha toa ka mpiasana « zone franche » teo aloha fa niato tamin’ny asany noho ny krizy? Tsotra dia tsotra izany no vahaolana hanalana azy ireo eny dia ny famoronana asa vaovao indray, fa tsy resaka sandry na basy na grenady mandatsadranomaso akory. Samy manao izay saim-pantany ihany koa ireo mpamily fiara fitateram-bahoaka sy fiara karetsaka. Sahin’izy ireo ny mandray na manala mpandeha eny amin’ny toerana voarara ho amin’izany. Tsy misy tahotra mpitandro ny filaminana intsony izany, satria efa raharaha nifanarahana ihany ny azy roa tonta, ka raha tratra anio mandoa vola rahampitso, na manome mialoha dia atao maso be tsy mahita e ! Tsy antoandro be Nanahary, tsy alina mangina fa mirongatra tsy misy toy izany ny asan-jiolahy sy asa-dahalo. Hahenoana sy hahitana vaky trano, halatra, sinto-mahery, fanafihana mitam-piadiana saika isan’alina vaky izao. Tsy afa-manoatra ireo mpitandro ny filaminana, satria mitovy ny fitaovam-piadiana ampiasaina, kanefa ireo jiolahy tsy mihambahamba mamono izay sahy manakana ny lalan’izy ireo. Fa ireo mpanao politika ihany koa ange mba samy manao izay tiany e! Samy miezaka maneho ny heviny etsy sy eroa. Mitatatata sy midradradradra fa ny anay ihany no tena marina fa ny an-dry zareo hafa dia lainga sy fitaka tsy hahatafavoaka antsika amin’izao krizy izao. Ny mpinamana anio aza lasa mifanipaka toa valala an‑karona indray rahampitso. Fanina tanteraka ny vahoaka tsy an-kanavaka. Santionany ihany ireo fa mbola maro ny any ambadika any. Mila vahaolana maika izany rehetra izany
jeu
26
aoû
2010
Nanomboka teny amin’ny Episcopat Antanimena, Le Hintsy Ambohimanambola, Ambasadin’i Senegaly, niondrana tany Afrika, notohizana teny Ambohidahy, Ampefiloha, Ivato, izao dia tonga eny Vontovorona. Vonto dinika fotsiny fa poak’aty ny vokatra. Ny olona mpikarakara sy ireo karakaraina no miovaova fa ny tena atao dia miresadresaka, mihinana tsakitsaky, mifanebaka, dia mifandray tanana sy mifanoroka, nisehoseho télé, mihevi-tena ho zavatra amin’ny fandaharan-dresaka, manoritsoritra daty sy endriky ny fitondrana tiana hajoro. Halevina ny repoblika fahatelo e ! vita teo ny Maputo e ! Hiroso amin’ny fifidianana e! Mampiesona, miesona, kanjo…May volon-tratra tampoka! Mikorontana tanteraka ny fomba hanatanterahana ny fihaonana etsy sy eroa, niverina daholo ny resaka taloha sy efa navalon’ny finoana rehetra. Nipoitra ireo nikarakara ny fihaonana taloha toa niniana tsy nojerena tamin’ireny teny ifampieràna sy ny dinika santatra ireny. Efa nanginangina ny ray amandreny, kanefa nahazo hery hafahafa satria mifangaro tamin’ilay “firaisamonina sivily”.........
mer
25
aoû
2010
Na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy hisy zava-baovao hatrany amin’ity herinandro vaovao ity. Nisantatra izany sahady, omaly ny fitsarana ilay raharaha 7 febroary 2009 tetsy amin’ny tribonalin’Anosy. Efa hatramin’ny faran’ny herinandro lasa iny no efa re siosio sy fantatra fa hafampana ny eny Anosy. Dia ireny niaraha-nahita ireny ny toe-draharaha nisy teny. Isan’ireo hiandrasana fanapahan-kevitra avy any ambony koa, avy amin’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita ny fanendrena ireo ho praiminisitra sy ho filohan’ny kongresin’ny tetezamita ary ho filohan’ny filan-kevitra ambonin’ny tetezamita amin’ny alalan’ireo anarana am-polony natolotr’ireo fikambanana ara-politika isan-tsokajiny avy. Any amin’Ingahy Andry Rajoelina indray izany ny baolina ankehitriny. Iza no ho praiminisitra ? Ingahy Raharinaivo Andrianantoandro ihany ve no ho filohan’ny kongresy ary iza no hifaninanana amin’Ingahy Lahiniriko Jean ho eo amin’ny toeran’ny filohan’ny CST ? Ilam-baliny maika avokoa izany, satria araka ny efa nambaran’ireo mpanao politika niara-nanao sonia ilay fifanarahana teny Ivato dia roso ny dia na hanohana na tsia ny iraisam-pirenena.........
mar
24
aoû
2010
Las’zao raha tsy mibolisatra. Samy manana ny tanjany arapolitika daholo amin’izay izany ireo vondron-kery isan-karazany eto amin’ny firenena ? Tsy nijanona tamin’ireo fitsinjaràna nahazatra, nandritra ny herintaona mahery kely, fa hafa mihitsy. Tanjaka sy hery tsy lanjaina amin’ny fahavoriana olona, na refesina amin’ny tanjaka ara-poto-kevitra sy zava-bita ho amin’ny fampandrosoana, na koa hery ara-tafika sy fanohanan’izatsy na izaroa. Fa hery hafakely ! Hery noho ny taim-bava sy ny fivorivoriana toy ny fanaon’ilay biby tsy tononina anarana. Mipoitra daholo na kely na lehibe, na antitra na tanora, na mpanavao, na zatra asa, na ireo tonga tsy nantsoina, na ireo mpisolatsolana. Mandeha tsara ny asa any anelakelan-trano sy eny amin’ny lalantsara rehetra, mikoriana tsy manam-pahataperana ny vola, ny fampanantenana isan-karazany. Mitranga amin’izay ny anarana marobe. Manomboka any amin’ny anarana tokony ho Praiminisitra ka hatrany amin’ny ho sefom-pokontany(?). Amanjatony sy amin’arivony no anarana mifamoivoy amin’izany.........
lun
23
aoû
2010
Fihetsika nanaitra ny mpanara-baovao ny fametrahampialan’ny Ministry ny fifandaisan-davitra sy ny teknolojia vaovao, Rahaingoson Iharizaka. Nanaitra satria toe-javatra tsy fahita matetika eto Madagasikara izany hoe ministra na tompon’andraikitra ambony mpitondra fanjakana, na olom-boafidy sahy mametra-pialana izany, indrindra fa noho ny tsy fitoviam-pijery amin’ny fomba hitantanana ny firenena. Fihetsika fahita sy fandre any amin’ireo firenena mandala ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna ny toy ireny. Ary tsy mahagaga raha mandroso ireny firenena tahafintsika ireny, satria andraikitra raisina noho ny fitiavan-tanindrazana ny toy izany. Ny nahagaga ny mpanara-baovao sasany fotsiny dia ny hoe : nahoana no nanaiky niditra tao anatin’io governemanta io izy, raha tsy nahatanty ny toe-javatra toy ireny ?.........
sam
21
aoû
2010
Mihazakazaka tsara ny ampondra na dia biby malaindaina fihetsika aza. Fa inona hono no antony rey olona ? Asian’ilay mpitaingina azy karaoty ts’inona eo anoloany e ! Dia mamono tena (ara-bakiteny) ery ny ampondra, hadinony ny namany satria efa eo anoloany ny sakafo tiany sy ankafiziny. Faly ny mpijery ny course satria manome antoka amin’ny fandresena ny ampondra. Ilay mpitaingina anie no mahazo voninahitra sy hibata ny amboara fa tsy ilay ampondra e! Sao diso hevitra ary ity ianao mibitabitaka tsy amin’antony ity. Tsy mila hazavaina ny sarin-teny! Tsy ny mpanao politika malagasy tsy akory no ndeha hikorosy sy hihevi-tena ho ampondra. Hanomboka ny fizarana toerana ho amin’ny fampandrosoana ny firenena. An-jatony anie ny seza sy tombontsoa ho zaraina e! Hidanadana indray ny any Tsimbazaza any, ny etsy Anosikely, sns... Ho tanterahana avy hatrany izay voarakitra ao anatin’ilay ”Dinan’Ivato”, tsy misy sakana tsy hahatanterahana izany rehefa ny “karaoty” no atao masaka ao an-doha. Tsikaritra ho toy ny nanome vahana ihany mantsy ny fanambaràna nataon’ireo nivory tany Windhock, namporisika ny fitadiavana ny fifampidinihan’ny samy malagasy, mampanantena famantsiana vola raha mifanaraka tsara amin’ny fototry ny fampanjakana ny “inclusif” sy ny “consesuel”, mbola nampiany teny hafa indray anie e!...........
ven
20
aoû
2010
Niova endrika indray ny fifanandrinana politika misy eto amintsika. Niova ho adin’ny fifanarahan’ny Maputo sy ny tovan’ny Addis Abeba amin’ilay fifanarahana politika nosoniavin’ireo mpanao politika niisa 80 teo ho eo na ny « accords politique minima » indray izany ankehitriny. Ny fizotry ny ady : Raha atao indray mitopy maso dia hita avy hatrany ny fahasamihafan’ireo fifanarahana roa ireo. Ilay voalohany dia natao tany ivelany ka teo ambany fiahian’ireo mpanelanelana iraisam-pirenena ary nosoniavin’ireo filohana ankolafin-kery politika efatra misy eto amintsika, dia ny fivondronan’ireo antoko politika miisa an-jatony mahery ka mitovy firehan-kevitra. Ny faharoa kosa dia ireo antoko politika niisa 80 mahery no nanao sonia azy teto an‑tanindrazana ka ireo avy eo anivon’ny fitondrana misy, izay iray amin’ireo ankolafin-kery politika tany Maputo ihany no nitarika azy. Mazava ho azy fa tsy manan-kery araky ny lalana, izany hoe tsy mahaova sy tsy mahafafa ary tsy mahafoana iry voalohany akory ity farany, koa noho izany dia tsy mbola ankatoavin’izao tontolo izao. Ny fepetra faran’izay bitika takian’izao tontolo izao sy isika Malagasy aza tsy voahaja akory, dia ny fifanarahan’ny rehetra tsy an-kanavaka, satria tsy tazana nanao sonia tao ireo antoko politika am‑polony maro mivondrona ao anatin’iezo ankolafy telo hafa miampy ireo antoko politika hafa toy ny Monima, MDM ary ny Tambatra, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo.....
jeu
19
aoû
2010
Maika tsy faingana ohatry ny boka hanambady! Zara aza mba misy mikitika dia pelika éry hanara-dia. Tsy mazava intsony ny zavatra azo atao sy tsy azo atao. Efa nivadika ho lalàna tsy maintsy hampiharina ve ilay zavatra nosoniavina, ‘rey olona a? Samy gaga ihany ny mpiray tanindrazana amin’ilay fanapahan-kevitra raisina maimaika isak’izay mahatsiaro ity. Foanana ny atsy, dia hatsangana indray ny hafa, hanontaniana ny hevitry ny manan-tsaina, dia terena ho tanterahana ihany koa anefa ny bontolo sy ny andrakandrana. Vorivoriana indray ny ankilany, kanefa ahilika tsy azo aseho masoandro ny andaniny. Nantsoina fanintelony indray izao ny Malagasy tsivakivolo, nandritra izao tetezamita avo izao, mba hamonjy ny birao fandatsaham-bato. Voaporofo izany izao fa fitadiavana datim-pifidianana fotsiny no tena anton’ny fanaovan’ny mpanao politika ny dinan’izy ireo teny Ivato. Ka ilay izy kosa anie tonga dia manan-kery avy hatrany raha vantany vao vita sonia e! Lasa tsy tsaroana tokoa izany ny daty teo aloha satria efa nofoanana indray. Fa inona no hofidiana na koa handatsaham- bato e?........
mer
18
aoû
2010
Manantena fivoahana malaky amin’izao krizy lavareny izao ny maro eto amin’ny tanàna. Vita rahateo ny sonia maro dia maro teny Ivato, niarahan’ny mpanao politika ary nofaranan’ny filohan’ny tetezamita mihitsy. Koa inona indray moa no nirina ka tsy ho tontosa amin’izany ? Nanao ny ainy tsy ho zavatra ireto nanao sonia, nanambatra ny hevitra sy ny hery tsy mitovy ho iray tamin’ny alalan’ny taratasy niarahana ka nametrahana ny mari-pamantarana ny tsirairay, tsy misy fangarony. Koa inona moa izany ny toetra iray hampifamatotra ao ? Betsaka ! Maro tsy ho voatanisa, fa ity iray ity kosa no hosinganina. « Ireo nanao sonia ny fifanarahana politika, tamin’ny zoma lasa teo, dia voaterin’ny zava-nekeny. Noho izany, tsy azony atao ny midina an-dalambe raha toa ka misy toejavatra tsy mifanaraka amin’ny heviny na ny eritrereriny. Tsy azony atao ny manainga ny vahoaka hitokona satria mety hanohintohina ny filaminam-bahoaka. » Hay moa nisy izany tao! Mahaiza mifaly kosa indray izany ireo antoko sy mpanao politika tsy teny Ivato, tsy niaraka tamin’ny be sy ny maro. Tsy ny antoko politika ihany na ny mpanao politika, fa ao ihany koa ireo hery samihafa toy ny sendikà, vondrona mpiasa, sns. Mifalia satria ianareo sisa izany no azo andrandraina hanaitra ny mpitondra amin’ny fitantanana tsy mendrika na ny fitondrana tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy........
mar
17
aoû
2010
ny fifandirana eto amintsika ity filazàna fa famahana ny miolana ity. Mitombo an-dalana toy ny dian’Andriana ny andraikitra takiana tsy maintsy tanterahan’ny tsirairay. Tsy sanatria hanao toriteny tsy akory, fa toa efa voasoritra ho amin’izay voalazan’ny Apostoly Matio angamba izy ity : « Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho faty, ary ny ray hanolotra ny zanany, ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy ». Iniana tsy tohizana io andinin-teny io fa dia samy hisaina ny rehetra. Sanatriavina ho tena hihatra mivantana amin’ny vahoaka malagasy ve izany ? Toa lalaovina sy hisandohana daholo ity na fizokiana, na fahefana, na fiandrianana, na fanapahana sy fitsarana, na fitantanan’ny ray aman-dreny niteraka… Hifampisandosandoka eto isika mianakavy dia hifampila vaniny sy hiseho mahavita daholo ?.......
lun
16
aoû
2010
Hita sy tsapa nandritra ireny lalao tany ivelany toy ny lalaon’ny nosy ho an’ny tanora latsaky ny 17 taona taty amin’ny faritry ny oseana Indiana farany teo izay natao tany La Réunion, fa mahay sy manan-talenta ny tanora mlagasy eo amin’ny sehatry ny fanatanjahan-tena ary hita fa manana ny ho aviny mamiratra tokoa. Na ny mpilalao izany na koa ireo mpiandraikitra sy ny mpanomana ny lafiny ara tekinika sy moraly dia samy nampiseho ny fahaizany daholo. Rariny sy hitsiny raha voalohany isika mitaha amin’ireo nosy rahavavy ireo satria raha ny halehiben’ny nosintsika sy ny isan’ny mponina dia manantombo lavitra isika Malagasy.......
sam
14
aoû
2010
Rehefa mandeha mafy be dia midofotra, na koa tafavoaka ny lalana tokony hizorana. Hifamonjena sy avotana fa latsaka an’ady. Karohana erak’ity vodi-saingona rehetra ity sao mbola azo avotana ihany ny aina. Havan’ny tena moa no tra-doza ka tsy afaka handatsa ireo manana fo lonaka fa mampitraka sy mankahery. Fa ny zava-doza dia tsy vitsy ireo mbola manao “hosana” sy mamporisika fa tsy olana loatra izay miseho. Nisy tsy maty voalavo an-kibo no mpamosavy nahatonga ny loza. Aleo tohizana ihany, ary rehefa nifampidinihana sy nifanotofana naharitra teo, dia ilay mpamily teo ihany no azo antoka kokoa fa tsy maintsy hapetraka eo ambony familiana, izy ihany no “ilay mahavita” sy tsy azon-tsiny: “Tohizo ny lalantsika”, “lasa izao! ‘zao dia ‘zao “ araka ny hiakiakan’ny teo aloha ihany. Dia roso ity tsa mipody koa? Tsy nohamarinina ny taratasy azo hitondrana ny fiara, tsy nisy nisaina kely akory mba nanamarina raha manan-kery ny fahazoan- dalana mamily, tsy nojerena akory ny solika raha mbola ampy sy hahatongavana any amin’ny tanjona. Tsy nasiana topi-maso akory ”ireo andian’olona” mbola ery ivelan’ny fiara. Ireny andian’olona ireny moa ilay notondroina ho mpanelingelina fotsiny. Toy izany no kisary mety handikana ny manjo an’i Madagasikara sy ny mponina ao aminy. Mifanjevo ny tontolo politika malagasy, samy mitonona ho mpamaha olana daholo. Samy maranitra sy kinga saina ka tonga amin’ny fitenin’ny razana hoe: mpirahalahy mizara henan’ondry, ka samy miady fo ho an’ny any an-tranony.....
ven
13
aoû
2010
Nifarana indray iny ireo dingana lehibe sy goavana nolalovana, na koa nampandalovana ny krizy Malagasy, dia ny fihaonan’ireo mpitondra FAT sy ireo mpanao politika avy amina antoko politika miisa 80 mahery ary ny fihaonan’ireo antoko politika sy ny fiombonamben’ny firaisamonimpîrenena (CNOSC). Samy nanana ny navoakany izy ireo avy, fa ny azo hamehezana azy dia tsy nitovy ny hevitra nivoaka sy notinapaka. Niara-nifanaiky sy niara-nanao sonia fifanarahana mikasika ny ho firafitry ny fitondrana tetezamita vaovao sy ireo datim-pifidianana maro samihafa ny teny Ivato. Namatsapatsaka sy nanazava ary mbola nanamafy hatrany kosa ny fiombonan’ireo fiaraha-monina sivily teny amin’ny Astauria Antanimena fa tsy misy afa-tsy ny fifanantonan’ireo mpanao politika rehetra tsy an-kanavaka mba hivoahan’ny fifanarahana matotra sy hiraisan’ny maro. Etsy ankilany, mbola miziriziry amin’ny fanatanterahana izay notinapaka sy nosoniavina tany Maputo sy Addis Abeba hatrany ny eo anivon’ny movansa Madagasikara, ary milaza ny tsy hihemotra mihitsy na dia nisinisy ihany aza ireo namadika palitao ka nijabaka namonjy ny fivorian’ireo mpanao politika teny Ambohidahy sy teny Ivato.......
jeu
12
aoû
2010
Tsy misy voambolana azo hilazàna ny zavatra atao eto afa-tsy ny hoe : kosometa. Tsy misy ezaka ho amin’ny fanatsaràna fa mitafy bemiray sy mikombona anaty tsikoko matevina ny rehetra. Mitrena mafy ny tompom-pahefana fa miroso amin’ny famahana ny olana politika malagasy, kanefa dia iaraha-mahita fa malaina hanangana firenena vanona sy tan-dalàna ary tena matanjaka ara-poto-kevitra. Tsy mivonona hanangana ny arofanina sy ny lalàna ifampifehezana ny rehetra fa mbola te-hiaina ny baranahiny sy ny hevi-diso hatrany. Ho rebirebena amin’ny resaka fifidianana indray ny olom-pirenena. Azo inoana ve anefa fa hisy fifidianana mizotra am-pilaminana sy mety hanan-danja imason’ny samy malagasy, ary koa ho eken’ny sehatra iraisam-pirenena raha mbola izao zotra izao ihany no handehanana?........
mer
11
aoû
2010
« Adalan’ny tena ka tafian-damba fa adalan’olona ka akoraina », hoy ny Ntaolo taloha, izay fahendrena nentina nilazana fa na inona na inona manjo ny havanao na namanao dia anao izay, hihafiana, fa raha an’olona dia tsy raharahiana sady haratsiana. Dia gaga isika hoe inona indray no hidiran’izany etoana ? Hiresaka ny asa fanaovan-gazety sy ny manodidina azy miampy ny tontolon’ny fanaovana politika isika. Na izany aza dia hiezaka ny tsy hitonona anaran’olona na orinasa na sererasera f’aleo ny tantara no hitsara. Zavatra roa toa mitovy nefa toa mifanohitra no hanehoana izany. Marihina dieny ety am-piandohana aloha fa nianatra ary mahafehy tsara ny asany ireo mpanao gazety ireo, na farafaharatsiny ny antsasa-manilan’izy ireo. Mazava ho azy fa mahafehy tsara ny lalana mifehy sy ny etika mbamin’ny deontolojia momba izany izy ireo. Mahavariana sy mahavalalanina anefa ny nahita sy nandre ary namaky fa toa tsy diso mihitsy ireo mpanao gazety avy tamina gazety an-tsoratra iray na dia nihoatra ny fefy sy ny nety tokony ho nataony aza izy ireo tamina lahatsoratra iray. Toa ilay mpitory indray no notsongolohina sy narahina maso akaiky ary nanaramana mpitsongo dia ka fantatra hatrany anaty vilany ka hatramin’ny isan’ny dingana vitany isan’andro isan’alina........
mar
10
aoû
2010
‘Ndao amin’izay !, araka ny hira fanevan’ny faha-50 taona niverenan’ny fahaleovantena tokoa izy ity. ‘Ndao fotsiny aloha fa tsy ho hita eo ihany ve ny ho tohiny. Rehefa mitantana ny jamba dia any an-kady no hiafaràna, ary raha ny bemarenina no iresahana dia ny ataony ihany no ataony. Midika inona ho an’ity firenena ity tokoa ny fanondroana daty hanatanterahana ny lalao politika? Fa inona no taranja ilalaovana?, Aiza ny kianja? Ary iza no mpitsara tsy miangatra?…Raha mbola any ankibon’ny omby ireo dia aza milalao aloha fa ataovy tsara any amin’ny ” Espace” isan-karazany ny fanazaran-tena, ary ny any an-dapa sy ny tandapa rehetra dia ampitovio tsara aloha ny tetik’ady rehetra. Masaho tsara ny dinika, ny teny ieràna, ny kaoferansa! Mikoropaka indray ny mpanao politika malagasy. Tsy sanatria maminavina ratsy tsy akory fa tsikaritra ho maika loatra indray ny rehetra ka tsy mahatsinjo ny mety haterak’ity ronono mandroatra tampoka ity. Hiaraka hivorivory sy ho terena hivoaka amin’ny kizo nataony ireto mpanao politika ireto fa izany, hono, no fanavotana ireo vahoaka malagasy. Ireo vahoaka ireo no ho tereny hanao “mpitsara” ny lalao ataony.......
sam
07
aoû
2010
Tsy tantara mitohy intsony no hanasokajiana ny fihaonan’ireo mpanao politika nivorivory, fa fanembonana ny lasa sy hanimanina ny tongolon’i Egipta sisa. Tsy vaovao amin’ny sofina ny mandre fa ilaina ny dinika hamahana olana, kanefa mbola tsy mandingana ny tokonana akory ny sasany dia efa mihiaka ny « ny anay, ny anay ihany ». Ny hafa kosa dia mivazavaza fa raha ao ry Anona dia hitsoaka an-daharana izahay. Dia ho rava maina izany ny zavatra nilofosan’ireo vonon-kisedra ny olana mianjady amin’ny sarambaben’olona? Tamin’ny andron’i Ramose dia efa nitsiry ny hevitra fa hatao ny fivorian’ny mpanao politika rehetra mba handaminana ny tena fanaovana azy marina eto amin’ny firenena. Mbola tsy nisy krizy akory tamin’izany fa mba te handamina fotsiny, hono, ny mpitondra tamin’izany e! Dia ahoana no inoana fa anaty fifanjevoana toy izao no hisy zavatra ifanarahana? Olondehibe 4 mirahalahy fotsiny aza, miampy ny sehatra iraisampirenena, tsy nahavita namaha ny olana koa mainka fa 55 ampitomboina 3? Olona an-jatony indray anie izany e! Hazakazaka ambany farafara angamba no hiafaran’izy ity ka izay matanjaka sy manana ny hery ihany no tompon’ny teny farany. Ka tsy aleo ve rey olona miverina any an’ala? Repoblikan’ny mpanotrika akondro e!.........
ven
06
aoû
2010
Hialànay tsiny amin'ireo mpanaraka tsy tapaka ny vaovao eto amin'ny Basyvava.com fa nofoanan’ny bologany Moov, isan’ny mahery eto amin’ny tanàna, ny adiresy ifandraisana amin’ny bologan’ny Basyvava.com (sy gazety iray mpiseho isan'andro), nanomboka omaly. Tapaka hatreo izany ny fifandraisany amin’ny mpanjifany, amin’izao andron’ny serasera azo eo no eo izao. Tapaka ihany koa ny fampahalalam-baovao entina hampandrosoana ny firenena amin’ny ankapobeny. Nazava ny fanazavan’ny tompon’andraikitra : « tsy maintsy natao izao, ary noho ny antony tsy miankina aminay. » Mahagaga ihany ! Na izany aza, isaorana manokana ny bologany Moov noho izay fandraisany andraikitra izay. Ho ela velona ny fampahalalam-baovao sy ny fahafahana miteny. Saingy mampahatsiahy ny nahazo ny gazety La Pravda, fony tamin’ny andron’ny Repoblika sosialista sovietika, izoa zava-mitranga eto amintsika izao.
ven
06
aoû
2010
Zary lasa tanànan’ny trafika sy afera i Madagasikara malala ankehitriny. Nanomboka ny krizin’ny taona 2009 izany. Ireny niaraha-nahita ireny ny trafikan’ireo entana norobaina nandritra ilay « alatsinainy mainty » iny. Namidy mora ny finday, « ordinateur portable », firavaka isan-karazany, kojakojan-dakozia sy ny maro hafa. Tsy nisy an-kanenjika fa dia nalalaka izany. Zovy koa no tsy nahatadidy ilay fandrobana sy famarotana an-tsokosoko ireo vary sy menaka an’ny orinasa Tiko, izay nisy tsy mbola voahodina sy tsy tokony hanina akory aza. Niakatra avoavo ny mari-pananan’ny afera. Tonga hatrany amin’ny hazo sarobidy izany. Anarana vitsivitsy no voatonona sy notononina ho mpanao aferana « bois de rose » ka tratra. Tsy ireo ihany anefa fa maro ireo mponina any ambanivohitra lavitra any miampy ireo mpitandro ny filaminana isan-tsokajiny no mahalala tsara anarana maro hafa, saingy tsy afa-manoatra e !..........
jeu
05
aoû
2010
Sahiran-tsaina mafy ireo mpanaraka ity antoko ity, fa indrindra ireo izay nitolona hatramin’ny nisian’ny krizy efa ho 19 volana izao. Samy manana ny heviny hoenti-mamaha ny krizy misy ireo mpitarika roa ao amin’ny antoko TIM ireo. Raha nanaovana fanadihadiana anefa izy ireo dia samy nilaza fa samy mikatsaka ny tombotsoam- pirenena avokoa. Ny an-daniny manaraka ireo vondrona politika izay ahitana mpikambana miisa 55, ny an-kilany kosa dia mitazona hatrany ny foto-keviny hatramin’izay, ary mijanona ao amin’ny ankolafy telo hatrany. “Afaka maneho hevitra avokoa izay te haneho hevitra rehetra, fa kosa rehefa tsy hevitra nifampierana sy nifampidinihana tamin’ny mpikambana ao amin’ny antoko dia anisany azo sokajiana fa hevitry ny tena manokana”. Io no nambaran’ny mpikambana iray ao anatin’ny antoko TIM, raha nanontaniana ny heviny mahakasika ny filazana fa mizara roa ny ny mpitarika ny antoko, nohamafisiny tamin’izany ary fa tsy mizara roa velively ny antoko fa kosa ny hevitra hoentina hamahana ny krizy misy eto amin’ny firenena no tsy mitovy. Raha ny zava misy izay hitan’ny be sy ny maro anefa no jerena dia “tsy miady tsy miady izy ireo kanefa ny kobay an-kelika ihany” ny an’ireto farany. Velom-panahiana arak’izany ireo vahoaka izay manaraka ity antoko ity, indrindra ireo izay nomena toky hatrizay nisian’ny krizy izay. Nilaza mihintsy moa ireto farany fa mampisalasala be ihany ny mahita mpitarika vahoaka tsy mitovy hevitra, ary tsy mitovy tanjona, marihana fa ny tarik’Atoa Raharinaivo dia niditra ho anisan’ireo ao anatin’ny vondrona politika, ny tariky Fetison kosa indray dia mijanona hatrany amin’ny resaka Maputo sy Addis-Abeba, toy ny tamin’ny voalohany ihany.....
mer
04
aoû
2010
Izay atao rehetra ity toa ananan-doza avokoa. Sahobakaka mihani-drindrina, ka ny eritreritra no betsaka fa ny hoza-pe no tsy maharaka. Voadingana ny andro vitsivitsy nisantarana ny dinika natao tetsy sy teroa… Ka nitsabaka sa nisabàka tamin’iny dinika iny ny fitondrana ankehitriny ? Resy lahatra ve ny mpikarakara sy ny mpandray anjara rehetra ? Azon’izy ireo antoka ve fa nilaina amin’ny fitohizan’ny famahana ny olana misy eto iny fanehoan-kevitra iny ? Raha mijery tsy miangatra ny mpi tondra f i renena ankehitriny dia hahatsapa fa tsy hahafahana mizotra amin’izay hiheverany azy ho any amin’ny fifidianana sy ny Repoblika vaovao ny vokatry ny fakan-kevitra natao. Ray aman-dreny sa olom-pirenena ?......
mar
03
aoû
2010
Miverimberina tato ho ato ny filazana hoe “ tia tanindrazana aho, tia ny fireneko, ary tia ny vahoaka monina ao aminy”. Dia manontany tena hoe: aiza izany fitiavan-tanindrazana izany? Fa maninona no tsy porofoina, fa toa lasan-ko vavany fotsiny. Tsy ny mpitondra amin’izao, tsy ny mpanohitra fa samy mampiasa io teny io avokoa rehefa miteny na aiza na aiza toerana alehany. Toa zary fanafenana ny hadalàna anefa izy ity rehefa natao ny fandinihana. Dia manontany tena ny vahoaka hoe: aiza izany fitiavan-tanindrazana dradradradraina isan’andro izany? Toa mbola ny omaly tsy miova ny fiainan’ny vahoaka vokatry ny fitiavan-tena eo amin’ireo mpitondra, maro samihafa. Rehefa natao aloha ny tombatombana dia toa lasa “tandra vadin-koditra” eo amin’ireo mpanao politika isan-tokony mihitsy ity mamitaka sy mandainga amin’ny vahoaka ity. Ampiasaina io fiteny io mba hangalana ny fon’ny vahoaka, fa tsy misy asa sy fihetsika vita mifanaraka amin’izany. Ireo vahoaka moa dia efa maro no voafitaka, satria sodokan’ny kabary tsara lahatra, na izany aza misy koa ireo efa tonga saina, ka zary manenina vokatry ny natao......
lun
02
aoû
2010
« Fa inona marina no tena mitranga ao ambonimbony ao e ? », hoy ny fanamarihan’ny olona tato ho ato raha nahatsikaritra ireo volabe voalaza fa tsy hita nanjavonany, na tsy fantatra izay nampiasa sy nampiasana azy. An’arivony tapitrisa maro no very an-javony fotsiny nandritra ny fiandohan’ity taona diavintsika ity ka hatramin’izao. Volabe mitentina 7,5 miliara iraimbilanja no nisy nanodikondina tao amin’ny fiadidian’ny fahefana avon’ny tetezamita. Voaroaka noho izany ny tale mpitantana ara-bola (DAF) sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky. Taty aoriana kely indray dia nahatsikaritra ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita fa tsy nividianana fiara mba hampiasain’ireo olom-panjakana ambony toy ny minisitra sy tale isan-tsokajiny akory ireo vola an’arivony lavitrisa. Raha natotaly dia fiara 40 eo ho eo no voalazan’ny tatitra ara-bola fa nandaniam-bola. Hatramin’izay ka hatramin’izao anefa dia tsy nisy na dia endrika fiara iray akory nivezivezy ka nitondra minisitra na tale isan-karazany. Ireo fiara nafaran’ny fitondrana teo aloha saika handraisana ny fivoriamben’ny afrikanina teo no mbola ampiasain’ireo olom-panjakana isan-tsokajiny avy.....
sam
31
jui
2010
« Manome tosika ho an’ny dinika hifanaovan’ny samy Malagasy ny tenako, ary maniry ny handraisan’ny rehetra anjara amin’izany. Entiko any amin’ny fivorian’ny SADC izay rehetra vokatry ny fihaonana natao teto, ka ho hita eo ny fanapahankevitra momba an’i Madagasikara ». Midika ve io teny nataon’ilay mpanelanelana vahiny io fa manome tso-drano ny dinika santatra izy? Tsapany ve fa tsy mandray anjara daholo tokoa ny hery politika eto amintsika ? Samy afaka mandika izay azony handikàna izany, fa ny tsy azo lavina dia fiandrandràna ny sehatra iraisam-pirenena ihany no tena antony hanaovana ity dinika samy malagasy ity. Inona no antony hilazan’i Zandrikely fa manaiky izay tapaka mandritra ny dinika izy? Maninona no Ingahy iny no nanambaràny izany fa tsy ny malagasy rehetra? Manonofy antoandro izay mihevitra fa tena fivoahana amin’ny krizy no fototry ny dinika atao. Paik’ady io. Paik’ady hanangolena ny mpanelanelana sy ny sehatra iraisam- pirenena mba hanamafisana ny fahefana efa ananan’ny mpitondra ankehitriny.........
ven
30
jui
2010
Tsy momba ny atsy sy ny aroa, tsy mitongilana, tsy manana antoko na olona tohanana…Teny Malagasy afaka manazava ny « neutre » na ny « neutralité » izany. Azo ambara ho mazava tsara ireo teny gasy ireo, izay midika ho fisian’ny zavatra roa samihafa dia ilay « atsy » sy « aroa » ka eo afovoany no misy ilay olona na zavatra na teny ambara, ka tsy mikasoka sy tsy mifandray tendro amin’ireo mihitsy. Izay indrindra no tadiavin-dRamalagasy ankehitriny. Efa leon’ireo mpanao politika « atsy » sy « aroa » ireo ny Malagasy ka mila olom-baovao izay antenain’izy ireo fa tsy homba na iza na iza. Toa tsy misy mihitsy anefa izany ary toa tsy hisy mihitsy angamba. Fiteny malaza koa ireo rehetra ireo tato ho ato mikasika an’ireo fijoroan’ireo « ray aman-dreny » sy « fiarahamonim- pirenena » ary ireo olon-tsotra izay milaza azy ho tsy momba ny atsy sy ny aroa. Sarotra ny manaporofo izany, indrindra ka raha endrik’olona efa fantatra hatrizay teto amin’ny tontolon’ny politika Malagasy na tontolon’ny raharaham- pirenena no ao anatin’izy ireny. Mahiratra ange ny Malagasy ka mahita sy mahatsikaritra izany e !...........
jeu
29
jui
2010
Lasa resaky ny «be fanantenana» sy ny “tsy mahatoky maty, raha tsy avy mandevina” ny zava-misy ara-politika iainan’ny Malagasy hatramin’izao. Aoka tsy hanantena poak’aty ireo be fanantenana amin’ity dinika atao mitsitokotoko etsy sy eroa ity. Alefaso lavitra ny saina mba hisian’ny arofanina tsy hianjeràna avy eny ambony eny, fa loza no hitranga raha tsy mitandrina. Hiandry ny tapatapaky ny volana aogositra indray izany vao ho fantatra ny hanaovan’ny OLONA antsika ? Sanatria toa faty entin’alina… Ny vaha-olana dia ho an’ny samy gasy koa nahoana ianareo no mialangalana ? Ary ny ezaka tianareo hatao mba hamahana olana dia efa voahilika teny am-piandohana. Ny an-tanam-botsotra, ny nantenain-tsy azo. Miroso hatrany ny di-doha hanao ny dinika, tsy misy teny ieràna. Ny mifankatia tsy mifamarafara, ady no hiafaràny. Dradradradraina fa dinika samy malagasy no atao. Koa maninona no misy malagasy mihiaka ny tsy fandraisany anjara?......
mer
28
jui
2010
« Teny zato, kabary arivo, fa ny marina iray ihany », hoy ny fahendren’ny razantsika. Fa oha-pitenenana fandre matetika koa ny hoe : « fandanian’andro toa kabary ambony vavahady » sy ny hoe « safo siaka mampandry adrisa », na koa ny hoe « matoritoria fa hanaterako hena ». Mandalo ao an-tsaina avokoa ireo oha-pitenenana mitory ny fahendrena Malagasy ireo raha nanaraka ny resaka nataon’ingahy Andry Rajoelina tamin’ny fahitalavitra ny harivan’ny alahady teo. « Toa vitany an-kabary avokoa ny fahasahiranana lalovan’ny firenena nandritra izay enina ambin’ny folo volana izay, noho ny krizy politika, ary kabary ihany dia mahavaha ny olana niseho teto », hoy ny mpanara-baovao. « Tetezamita tsy miandany no hatao » izao, araka ny nambarany, rehefa avy nanome endrika tetezamita roa hafa ankoatran’io izy. Lesona izany rey olona ! Tahaka ny hoe efa nisy tetezamita niandany voatery tsy maintsy najoro teto Madagasikara hatramin’izay niverenan’ny fahaleovantena izay. Nambarany mantsy fa « …ny Malagasy ihany no afaka mamaha ny olan’ny Malagasy sy mahalala ny tantarany ». Dia teraka ny fanontaniana any an-tsaina any satria anisan’ireo Malagasy tena mahay ny tantaran’i Madagasikara ny filohan’ny fahefana avon’ny Tetezamita, ary nanambara fa « ny Malagasy mahalala ny tantarany »......
mar
27
jui
2010
Lany andro eo am-pitadiavaa ny « tsy misy » ny ankamaroantsika Malagasy ankehitriny raha mbola mihevitra fa tsy maintsy ho vahana izao olana politika eto Madagasikara izao. Hay moa, rey olona, efa miasa tsara sy mahita tombony ny mpitondra manana ny fahefana amin’izao fotoana izao? Hadalàna ny an’ireo rehetra mihevitra fa tsy mampandroso ny olana diavin’ny firenena. Tsy maninona raha mijanona sy milona amin’izao krizy politika izao isika satria izao ihany tokoa no tena mampandroso, sady hahavitàna ezaka maro isankarazany amin’ny fitsinjovana ny mpiara-belona. Araka ny efa navoitra teto hatramin’izay dia tokony hitarina lavareny izao fitondrana izao mba hanefàny an-tsakany sy an-davany ny tetik’asa marobe. Tokony ho ravàna daholo ny adi-hevitra tsy hihinanankanina, ravàna ny antoko politika sy ny fikambanana mitonona fa hanatsara ny fiainam-bahoaka. Tsy mila handaniana mondron- kery izay fifidianana. Tadidintsika tsara fa tsy fanekena ny vokatry ny fifidianana hatrany no nitarika ny fanonganana fanjakàna teto amintsika nandritra ireo fihetseham-bahoaka rehetra nisy teto. Ny tokony hifanarahana sy hifandovàna eto dia ny fakàna ny fahefana eny am-dalam-be ihany. Rehefa mahavorivory “vahoaka” dia mitaritarika azy ireo hanao fanimban-javatra sy handika lalàna tsotra izao. Ampanantenaina “ronono an-tavy” amin’izany ireo marivo salosana, tsipahina sy hatao z’inona ny vondrona iraisam-pirenena.......
lun
26
jui
2010
Nivondrona hono ny mpanao politika ! Sady nanaitra no tsy nahagaga ihany, satria tsy iza ny ankabeazan’ireo olona mandrafitra ny mpikambana ao anatiny fa dia ny nanohana ny hetsika 2009 ihany ary mpanohana mahafatra-po ny FAT anisan’ny nampikatso ny dinika rehetra natao teto sy tany ivelany, ankoatra ny TIM ( ?). Saingy efa ho rendrika ve ny firenena, tsy ahitam-panafana noho ny afitsoky ny mpanao politika ihany, ka dia indro izy ireo indray no indro manolotanana hanavotra azy tampoka. Dia ho inona indray no hevi-baovao hoentin’izy ireo ? Soa aloha fa tonga saina izy ireo, saingy tsy efa “ilay hira hoe tara na ambadik’I Sahondra”, hoy ny tenin-jatovo ve ?. Ny ahiana fotsiny dia ity: fitondrana FAT efa ela no tokony nikoha noho ny nahiny toa ampango tra-maraina, ka inona no tanjona kendrena amin’izany, ny mpanelanelana avy amin’ny SADC rahateo eto an-tanindrazana ankehitriny. Ka ny hamondron-kery hamikirana amin’izay mety ho fanavotana ankamehana ireo nitondra ny firenena amin’izao toerany izao ve ? Asa lahy, fa ny hanongotsongoina ny maty dia tahotra ny hanirim-belona ! Ravony
sam
24
jui
2010
Hoy Ramaroson izay ilay mpihira malaza io : «Horakoraka anjaran’ankanga, kalokalo fanaom-boromanga, asakasakareo tsy hitranga!». Dia tadidy koa ilay teny nalaza hoe : « Midimidira ny akanganay, tsy hita hatry ny ela ka tonga indray ». Nahoana moa no tsy ho tsaroana ny fahendren’ny teo aloha rehefa sendra ny trangan-javatra toa miverimberina loatra ity firenena malagasy ity ? Ka ho avy àry ve ianareo hanatrika sy haneho hevitra amin’ity dinika santatra ity e? Ny olona avy any ampitandranomasina, efa saika nafoy amin’ity fanelanelanana ity indray, no tonga tamin’ny ora tsy nampoizina. Fa mahay zavatra Andriamanitra: i Litakely mihitsy no be siasia sy matimaty amin-draha tiany, tahaka ny kalalao nilomano amin-dronono. Mandom-baravarana indray mantsy ny safidy sy ny tetika tokony hararaotina mba handresena lahatra ny mpiray donak’afo fa tsy maintsy mandefitra kely: mba mihorirana re raha tsy te-ho sahirana e! Iza moa no afaka hanambara fa hoe: tena sambatra sy mahita tombony amin’izao manjo ny firenena malagasy izao? Raha tsy te-hanenina ny mpanao politika rehetra mbola manampanahy dia tokony hanilika avy hatrany izay olona (inoana fa vitsy an’isa) mbola te-hitazona ny firenena ao anatin’izao krizy izao. Raha i Zandrikely no tia an’izao dia aleo izy hiala fa tsy lasa izany e!......
ven
23
jui
2010
Mahalala na mahafantatra olona ambony. Efa hatramin’ny andron’ny fanjanahantany no nisian’izany fomba fiteny izany. Nahafantatra ireo governora, indrindra fa ireo lehibena mpanjanaka fahiny. Zava-droa loha hatreo ka hatramin’izao no tena misongadina ao ambadik’izany. Ny voalohany dia ny fanaovana ho biby fampitahorana ireo olona ambony fantatra ary ny faharoa kosa dia ny fanaovana azy ireo ho mpanelanelana amina raharaha iray, izany hoe aferafera e! Mazava ho azy fa resaka kolikoly no tena mibahana ao anatin’ireo. Fahalalana olona ambony, tamin’ny fotoan’andron’ny fanjanahantany no nahasamborana an’ireo Malagasy tia tanindazana niady sy nikaroka ilay tena fahafahana ho an’ny Madagasikara voazanaka......
jeu
22
jui
2010
Asa indray izay zava-miseho any Kampala Ouganda any! Raikitra indray mantsy ny fivoriana fanao isan-taona fanaon’ny Firaisam-be Afrikana. Ny mety hampiavaka azy ity dia ny mety ho fahafaham-barakan’ity tanindrazantsika ity any. Niainga namonjy an’i Kampala ny “solon-tenam-panjakana” malagasy miasa sy monina ao Etiopia ao, ary izy no hisolo tena ny fahefana avo mitondra an’I Madagasikara ankehitriny. Ramose koa dia voaasa hanatrika io fivoriana io, efa nandao an’i Afrika Atsimo izy ankehitriny. Ny anjaran’ny mpiandry tanàna eto an-toerana dia ny maka an-tsaina izay mety ho zavamiseho any. Tsy voalohany anie no nisy fifandrohitana politika nitarika henatra teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena e. Fa isika tsy mety fay! Vaha-olana samy malagasy ihany, hono, no tena azo antoka sy mety hivoahana amin’ny kizo manjo antsika... Kanefa dia andiana-malagasy roa samy hafa firehana no hifanasa vangy any an-tanin’olona any. Menatra aho ry fireneko! Amin’ny fomba ahoana no haneken’izao fivoriam-be Afrikana izao fa Rakoto, na Rabe no hahasolo tena marina ny vahoaka malagasy? Tsy afa-bela amin’ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy isika na hihodin-kavia na hihodin-kavanana.....
mer
21
jui
2010
« Raikitra ve sa tsia ? Raikitra ! », hoy ny tonon-kirana mpanakanto malaza iray. Toa nanaraka an’io ankehitriny ny fiainantsika andavanandro. Mipetraka ho azy ny fanontaniana. Betsaka ary toa mihamitombo isan’andro mantsy ireo zavatra tokony hatao kanefa tsy mbola tanteraka, sy ireo fanontaniana manitikitika ny sain’ny maro. Ho raikitra ve sa tsia ny dinika santatra sy dinika nasionaly ary ny fihaonambem-pirenena? Ilay tena izy no tiana resahina etoana fa tsy sarintsariny entina hanakonana ny tsy mety sy hikarohana ny fankatoavana iraisampirenena. Miezaka mikarakara mafy ireo tomponandraikitra nanankinana izany. Tsy mikely soroka ihany koa anefa ireo fiarahamonim-pirenena sy ireo mitonona ho tsy momba ny atsy sy tsy miandany amin’izaroa. Samy manana ny fanambarany ihany koa etsy andaniny ireo tokony handray anjara amin’izany. Ao ireo efa nilaza ny fahavononany handray anjara. Ao ihany koa anefa ireo mbola mila vaniny aloha na mametraka fepetra mialoha ny hiatrehana izany. Ho raikitra ve sa tsia ireo fifidianana isan-karazany? Efa imbetsaka no nanambaran’ny mpitondra ankehitriny ireo fifidianana hatao sy ny datin’izany. Mandrak’ankehitriny anefa dia tsy mbola nisy na dia didim-panjakana iray niantsoana mpifidy hanefa izany adidy masina izany. Toa mihemotra lava izany. Misy manakana ve sa..? Ho raikitra ve sa tsia ny famoahana ireo gadra politika sy famerenana an-tanindrazana ireo olom-panjakana teo aloha izay lasa nanao sesitany? Lalana iray hahatongavana amin’ny fampihavanam-pirenena izany. Ilaina tokoa izy io, satria raha tsy mihavana tsy hisy hanjary intsony eto amin’ity nosy malalantsika ity. Tsy hionona amin’izao mantsy ireo efa naongana fa tsy maintsy mbola hiverina hanongana. Tsy hipetra-potsiny ihany koa ireo efa niharan’ny tsy nety toy ny fanagadrana fa tsy maintsy hitady hirika hamelezana izay namely azy. Tsy ho tanteraka mihitsy izany ilay vavaka hoe : “mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay nanao ratsy taminay”.
mar
20
jui
2010
Te-hampihatra ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny mpitondra manana ny fahefana ankehitriny, saingy sarotra ny fampiharana izay firain’ny vavany rehefa tonga eny amin’ny tokony hizorany ny fanapahan-kevitra. Izay rehetra atao tokoa tsinona toa hananan-doza avokoa, ny rehetra nofaritana mialoha toa mihemo-dava tsy hita fiafaràna, izay mba tetik’asa vinavinaina tsy misy tanteraka fa very an-javony. Ilay fanantenana tamin’ny fankatoavan’ireo sehatra iraisam-pirenena dia mbola any an-kibon’ny omby. Ny nambolena tsy naniry e ! Ny nasosoka maty maso ! Ny nantenain-kanirina no nampivandravandra. Mitogaigy sy midongizina fotsiny re ! Miraviravy tanana daholo, na kely na lehibe…Kanefa tsy misy miala izany eo ry akama, fa samy tary amin’ny tanàna e ! Raha ny ozona sy ny ompa tokoa no mampadio sy mety hahombiazan’ireo manao azy dia efa lasa lavitra isika sy ity tetezamita mitsingevana ity. Nolazaina daholo izay ratsy rehetra mety ho nataon’ilay teo aloha : mpanompo sampy e! niompy saka mainty sy osilahy maintibe, hono, ts’inona k’ah ! Mpanao varo-maizina sy mpangorona ny harem-pirenena e ! sns......
lun
19
jui
2010
Hatairana sy hagagana ny an’ny vahoaka Malagasy marobe raha nahita indray iny vaovao lehibe mikasika ny nahatratrarana ireny bolabolan-kazo sarobidy (bois de rose) tany amin’ny sampan’asam-pandrafetana (menuiserie) tany amin’ny sampan’ny orinasa Tiko any Sambaina ny talata lasa teo. Ankoatra ireo bolabolana hazo sarobidy dia nisy ihany koa ireo sary sokitra efa vita sy vararan-kely maro tratra tao. Talanjona ny rehetra sady velom-panontaniana hoe : f ’angaha moa nandrafitra sa nanao sary sokitra ny orinasa Tiko teto amintsika tao anatin’izay telopolo taona mahery nijoroany izay ? Nisy sampan-draharaha ho an’ny fandrafetana taiza tao amin’ny Tiko SA hatrizay ? Nisy mihitsy aza ireo olona no tezitra mafy sady nahavita niloa-bolana hoe : « sao dia mihevitra ny Malagasy ho kentrina aza izy ireo, ka tsy hahay hanavaka ny setroka sy ny tomany ? ». .....
sam
17
jui
2010
Ny an’ny fitondrana teo aloha no hadalàna miaro tsinjaka tamin’ilay resaka hoe : « amboary ny lalana ». F’angaha tokoa moa ny lalana mahavoky sy azo nohanina? Tsy misy vaha-olana politika tena azo hampiharina hatramin’izao fa ny fihitarany amin’ny sehatra ara-toe-karena sy ny sosialy no tena loza. Izao dia nampiakarin’ireo mpandraharaha mpanao fitaterana ny saran-dalana zotra nasionaly. Anarany no mba nisy lalana marobe an-kilometatra vita fa dia tsy maintsy hangetaheta ambony lalana e! Misosa amin’ny godorao fa main’ny vidin’ny solika ny tahirim-bola kely mba ananan’ireo tsy maintsy hivezivezy noho ny asa aman-draharaha. Raha handeha hitsangatsangana izany dia efa nofy sisa e! Miandry izay hataon’ireo mitonona ho mpitondra fanjakana indray izany mba hanao <magie> ho an’ny mpiara-belona. Ireo mpandraharaha mpanao fitaterana ireo mantsy dia tsy mahafantatra izay mahasoa ny vahoaka fa manao fanararaotana fotsiny, ary indrindra dia hetsehin’ny mpanao politika, hono, vao mba tonga saina. Tsy mahalala fatiantoka izany ny mpandraharaha fa tsy maintsy misy dinika politika io? Iza no mpitatitra sahy hamaky bantsilana ny fakàna ékolazy eny amin’ny arabem-pirenena rehetra eny? Ny fita-bitro ataon’ireo karàna amin’ny fivarotana piesy faosika? Ny kolikoly avo lenta fanaon’ireo mpitaky hetram-panjakana? Ny gaboraraka amin’ny fanomezana taratasy fitrandrahana?......
jeu
15
jui
2010
Tratry ny don-tandroky ny vondron’ny parlemantera maromaro avy any ampitan-dranomasina any ny mpitarika ny fahefana ankehitriny dia mifarimbona manao adim-borontsiloza. Ao ny manadio tena, ao ny manilika andraikitra, ao ny miala ilany sy mody fanina fotsiny, ao koa ireo mampiasa voambolana sy karazana didy aman-dalàna isan-karazany. Fihetsika tsy ahitana ny tena vaha-olana no atao fa fanodinkodinan-dresaka. Ny mahagaga ihany koa dia mihambo tsy tia vary mohaka ny mpitondra, kanefa dia mahalany sosoa be rano efa masiso herinandro. Natao litania ny filazana fa tsy misy ilàna ny sehatra iraisam-pirenena ny raharaha politika eto, kanefa dia io hita miharihary io fa tsy afaka misaraka amin’izao tontolo izao isika. Raha ny teratany malagasy no mba mihiakiaka ny tsy fisian’ny fahalalahana sy ny fanagadrana tsy hita fototra, dia natao ho toy ny rano natondraka teo amin’ny lamosin-gana fotsiny ireny. Ny gadra politika dia izay rehetra nofonjaina noho ny fihetsika, na noho teny navoakany ka manohintohina ny fahefana mijoro. Raha misy ny migadra noho izany dia ireny no takian’ireto parlemanteran’ny ACP ireto mba havoaka tsy misy fepetra, mba ahafahana manohy am-pilaminana ny dinika hikarohana ny tena vaha-olana. Fa na mpanao gazety io, na mpandraharaha, na mpiasa tena, na mpivarotra, na mpanao politika, na mpiasam-panjakana , na miaramila, na mpianatra, na mpitondra fivavahana, na iza na iza… rehefa nanao ny mifanohitra amin’ny lalàna dia tokony hizaka ny vokatry ny nataony, ary noho izany tokoa no nisian’ny fonja mba hanitsiana ny diany eo amin’ny mpiara-belona......
mer
14
jui
2010
Nifandimby nandalo teto amintsika ny iraka manokan’ny SADC sy ireo parlemantera avy amin’ny vondrona eropeanina sy ny vondron’ny afrika sy karaiba ary pasifika (ACP). Samy nanambara izy ireo fa vonona hanampy antsika amin’ny fivoahana amin’izao krizy izao. Nifandimby nihaona tamin’ireo mpitondra fanjakana, mpanao politika, movansa, fiaraha-monim-pirenena ary ireo gadra politika izy ireo nandritra ny diany avy. Tamin’izany no nahatsapan’izy ireo fa samy naneho fahavononana hiala amin’ny krizy izy rehetra ireo. Ho an’ireo parlemantera eropeanina sy ACP aza moa dia nanizingizina fa tsy maintsy avoaka aloha ireo gadra politika raha te hiorina amin’ny fikatsaham-bahaolana isika. Nanaiky am-bava izany ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita. Laharam-pahamehana tokoa ve izany famoahana gadra politika izany? Ho an’ireo vahiny mpanelanelana sy ireo vonon-kanampy antsika aloha dia tena laharampahamehana izy io. Ilaina mantsy ny famoahana azy ireo izay karazana fifamelan-keloka ihany, mialoha ny fifanatrehana sy fifanarahana amin’izay ho tohin’ny tetezamita. Lohalaharana ihany koa izany ho an’ireo gadra politika izay manantena ny hahazo fahafahana sy hihaona indray amin’ireo fianakaviana sy namana ary hiriaria ety ivelan’ny fonja toy ny olon-drehetra. Anisan’ny fitakian’ireo mpanao politika sy mpiara-mitolona avy ao anatin’ny ankolafy Madagasikara ihany koa izany famoahana gadra politika izany, izay napetrak’izy ireo ho laharam-pahamehana.......
mar
13
jui
2010
Vita tamin’ny fomba milamina ilay fanadinana nandraisan’ireo katita kely anjara omaly. Fanadinana voalohany teo amin’ny fiainan’izy ireo iny ka manandanja aminy sy ny ray aman-drenin’izy ireo avy. “Ankizy ankehitrio, mpanangana ny ho avy”…Dia tohizan’ny mpanala azy hoe : « mpanimba dabilio, mpangalatra goavy». Misy olona afaka hampiasa ny lanjan’ny CEPE nananany eo amin’ny fitadiavany asa mba hivelomany ? Nisy olom-pirenena tena afaka naneho hevitra sy afaka niaro ny fomba fisainany ve ireo rehetra nahavita ny dimy taona voalohany teo amin’ny fianarany ? Izay tonga eo amin’ny fitondrana dia manao letrezana amin’ny fanovàna isan-karazany. Lasa sadasada ny taranaka ka hita miharihary fa poak’aty ny fahalalana tovozin’izy ireo. Sady tsy mahafehy mazava izay takiana aminy, no tsy manana izay mba fototra hijoroana fa dia manara-drenirano sy manarak’efa ny ankamaroany. Raha ny tolona nitranga teto amintsika tamin’ny taona 72 dia fangatahana ny hanabeazana ny zaza malagasy mba samy hanana ny anjara masoandrony no natao teto. Notakiana daholo izao hevi-baovao rehetra izao: fanagasiana e! fanabeazana ho an’ny rehetra e! sekoly isam-paritra e!.. Jardin d’enfant e! expression française e! tsy mahazo miteny amin’ny teny gasy hatrany an-tokontany ny mpianatra, fa dia io hita miharihary io fa iza moa ny zaza malagasy mahafehy tsara ny teny vahiny izay terena hiresahany?...
sam
10
jui
2010
Hiverina isika, hiverina any amin’ny taonan’ny révolisiona. Révolisionan’ny volon-daoranjy tokoa moa ireny nataontsika ireny? Tsy misy resaka betsaka io, fa rehefa izay dia izay : izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato ahy. Aza gaga raha hiverina hohenontsika indray ireo teny nampalaza ny revolisiona sosialista efa nampiasaina sy nampiharina teto. Tsy tsaroanao ve ny hoe : filoha hajaina? tobim-pamatsiana? Mpanohariana ? Fiaraha-monina vaovao hanjakàn’ny rariny sy ny hitsiny ? Tsy maty voalavo an-kibo? Fahavalom-bahoaka ? Ny orinasa rehetra nifarana tamin’ny vani-teny MA? Rehefa tsy mpiara-mitolona dia nahilika e! Natao natanjaka tsara ny mandatehezana tamin’izany. Misy zavatra sy hevitra narovana mafy tao anatin’ io manda io. Na izay saosy, na sosialisma, na koa tolom-piavotana. Dia adikao tsirairay amin’ny zava-misy sy iainana ankehitriny ireo fa ho takatrao avy hatrany fa hiaina ny taona valopolo indray isika. Ho tezitra sy hanafay antsika ny vondron’ny firenena tandrefana, ny mpamatsy vola dia hametraka ny fepetra henjana tsy ho azo iainana. Ho tonga hatramin’ny tsy fahampian’ny vary hohanin’ny Malagasy io fa araho tsara........
ven
09
jui
2010
Io àry fa miedinedina indray ny tompo-pahefana fa fitsidihana amin’ny maha-mpitondra fanjakàna azy no nitsidihan’ny solotenan’ny Sadc azy ireo. Tsy misy resaka MAP (Maputo, Addis- Abeba, Prétoria) izany intsony izao fa hafa mihitsy ny zavatra iainan’ny firenena malagasy. Dia aiza ilay hambo ? Isika anie efa natsahatra sy nahanton’ireny olona ireny hoe tsy mpikambana ao amin’io fikambana io intsony e ! F’angaha tsy azo nahilika izy ireo ? Dia io koa fa nahazo aina ireto ankolafy ivelan’ny fitondrana… tonga indray ny mpanelanelana ary misy ny hirika hiverenana an-databatra boribory. Narangaranga fa misy ny fifanarahana efa vita. Vao tombanana ety ivelany dia tsinjotsinjo fa mbola hifaninjitra ny andaniny sy ny ankilany. Samy mandrirotra ny lambany e ! Ny mpitondra malagasy dia hafakely tokoa, ary tsy mihevitra ny tenany ho tena mpitondra marina. Mbola manohy ny tolona izy ireo. Tolona mba haneken’ny rehetra azy. Taiza teto ambonin’ny tany no hisy “FANJAKANA” hanao ultimatum? Manao fitakiana? Mangataka etsy sy eroa? Manao ny asan’ny fandraharahana ara-toekarena? Misy anton-javatra tena mampisalasala sy tsy azo antoka tokoa manjo ny malagasy ankehitriny.......
jeu
08
jui
2010
Rehefa tsy eo ny ray mpikolokolo, dia maditra ny ankizy. Tsy misy mpifehy, fa samy manao izay saim-patany, na dia efa noraràna sy nobedesina mba tsy hanao fomba tsy mifanaraka amin’ny toe-tsain’ny ray niteraka. Maditra ny zanak’i Dada, indrindra fa ireo nateraka tao anatin’ny antoko Tiako I Madagasikara. Miboreoka etsy ary mikivilavila eroa. Isan’io ny nanesorana ny mpitondra tenin’ny antoko TIM, Raharinaivo Andrianatoandro. Voalaza fa naningana nanao fanambarana tsy nisy fieràna teo anivon’ny antoko no anton’izao fandakana azy tao anatin’ny antoko izao. Tsy vao izao no nisy izany, fa efa niarahana nahita ireny nataon-dry Vy Vato Rakotovao sy ny namany nandadilady tany amin’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina ireny. Izay namadika palitao fony Ravalomanana mbola teto tsy lazaina intsony. Soa fa mbola nisy ireo antoko hafa mamelo-maso ny movansy Ravalomanana, fa raha tsy izany, dia efa nalevina im-pito mandifotr’olona ity antoko ity. Ireo mpikambana tao anaty movansy aza dia ireny nangataka seza toa an-dry Alain Andrimiseza ireny, ary efa nisy nisintaka toa an-dry Tonton Ambroise, saingy tsy nahafoy ny fitazomana ny ara-dalana, ka tsy nahazo ny seza tao anatin’izao fitondrana tetezamita izao......
mer
07
jui
2010
Dia tena ho ny sandan’ny vola dolara niakatra tokoa ve no antonym mampiakatra ny vidin’ny solika eto amintsika, sa misy antony hafa hafenimpenina ao ambonimbony ao ? F’angaha moa tsy vita sy tsy hain’ireo mpivazavaza mpanao dridran’Ingilo milaza ho mahavita tena sy tsy mila vahiny ireo ny manondrotra ny sandam-bola Malagasy ? Zava-droa loha no andrasan’ny mpanara-baovao taorian’ny niakaran’ny vidintsolika tamin’ny faran’ny herinandro nivalona iny. Voalohany, ny f iant rai - kan’izany fiakaran’ny solika izany eo amin’ny fiainana andavanandro. Aleo di a tsorina fa tsy maintsy hisy akony eo amin’ny vidin’entana ankapobeny izany, indrindra ireo entana tsy maintsy andoavana sarandàlana vao tonga eny amin’ny mpanjifa. Hatramin’izao aloha dia mbola tsy nampakatra ny saran-dàlana ireo fitaterambahoaka eto an-drenivohitra sy ny manodidina, kanefa raha ny tahan’ny fisondrotan’ny litatry ny gazoaly (300 Ar isaky ny litatra) no jerena, dia azo vinavinaina ho tsy maintsy hisondrotra ny saram-pitaterana ato ho ato......
mar
06
jui
2010
Mety ho ririnin-dasa tsy tsaroana tokoa angaha fa dia tena tsy laitra ny hatsiaka. Fa ny fifandrohitana politika dia mafana. Mila hampivoraka raha kelikely saina. Politika daholo tokoa moa izao iainana sy hampiainana ny Malagasy izao. Ny lafiny toe-karena aloha dia nampiteny ny moana ny sondro-bidy teo amin’ny solika, tsy maintsy hiitatra any amin’ny lafiny sosialy io. Dia hafanafana amin’izay ny ady hevitra etsy sy eroa. Mikoropaka indray ny mpitondra fa hampivory ny mpaninjara solika mba hitadiavana ny tokony ho vidiny marina. Ka ilay volantsika mihitsy anie no mihen-danja e! Raha mbola toe-karena marefo sy tsy maintsy miantehitra amin’ny fanafarana entana any ivelany, dia aza mihevitra fa ho voafehinao mpitondra ny fiakaran’io vidim-piainana io. Nofy ririnina izany ‘rey olona!.....
lun
05
jui
2010
Vita iny ny fankalazàna ny fety. Miverina daholo ny sorisory, sorisory nandreraka anao, ny tebiteby, ny ahiahy tsy hihavanana rehetra. Raikitra indray ny fifanilihana andraikitra e! Efa lazaina fa tsy any ambony any, ho’aho ny laona! Inona ihany no antony hinteronteronana eny amin’ny avo eny e? Mijere ambany dia zahao ifotony ny olana. May ny trano, ny fiangonana, ny saina aman’eritraritra, ny volon-tratra…f’angaha izany vita mora e! Andrasana ho may vao harenina avy eo? Tsy ny fiarovana ve no tokony hamafisina e? Ny mokon-doha dia hanamafisana ny dingana vita fa tsy tokony hanagedrahana ny hafa. Aza avela hatory ny ady hevitra! Tereo ho masaka ny voalobo- jaza! Aza manaiky hanaraka ny hevitra mampitarazoka sy mandrebireby fotsiny! Fa ianareo ve te-hijanona ela amin’izao adi-tsaina mandreraka izao e? Miitatra any amin’ny kaominina ity ny krizy politika eto amin’ny tany sy fanjakana; dia miverina ny film e! Tsaroana tsara ilay namindràn’i Zandrikely ilay lamba miloko sainam-pirenena teny ambalahany, nafindrany tamin’ilay “ramatoa mahery fo” iny. Ny fanjakana foibe tamin’izany efa nanendry an’i “Mahery vaika”. Dia nikorontana ny fitantanana ilay CUA. I zandrikely, hono, tamin’ireny voafidim-bahoaka ka mahafantatra tsara ny tian’ny vahoaka rehetra-na ireo tsy nifidy azy aza. Fantany izany dia nafindrany ny fitantanana ny tanàna......
sam
03
jui
2010
Tsy azo atao intsony ny maneho hevitra malalaka, indr indra fa andalambe eto Madagasikara. Ambara ho mihoa-pefy sy manakorontana ny olona manao izany. Voadika tanteraka ny andian-dalàna ao amin’ny lalàmpanorenana manambara fa azon’ny olom-pirenena tsirairay ny maneho izany hevitra izany. Misy vay maharary ao, matoa mitaraina ny olona, ka mirotsaka an-dalambe, na manao fitokonana amin’ny toeram-piasany, na toerana voafaritra. Tany mandala ny demokrasia no ilazana ny firenena mamela malalaka ny vahoaka ao aminy haneho izany fitakiana izany. Isan’ny f i tondrana nambara ho jadona ny fanjakan’ny amiraly Ratsiraka sy Ravalomanana, saingy afaka naneho hevitra an-dalambe ny vahoaka, ary nampion gana azy izany.....
ven
02
jui
2010
Araka ny fandaharan-dalao napetraky ny mpikarakara dia niato kely omaly sy anio ny « mondial 2010 » atao atsy Afrika Atsimo. Nisento tokana ireo tsy tia baolina kitra, fa mba afaka hiaina milamina kely aloha mandrapaha. Velom-panantenana kely ireo vadin’ny mpiondana kitra, satria mba afaka mitodika kely amin’ny fiainampitiavana ao an‑tokantrano indray izy mivady. Rehefa niaritra ny hirifirin’ny tsy fifanorohana sy tsy fanaovana devoara tao anatin’izay 19 andro izay dia mba hitsiry kely ny fanantenan-dramatoa fa tsy ho voabetroka izy raha mba manipy tsimoramora ny tanany ka hanafosafo an’ilay vady malalany. Etsy andaniny, ho afaka ihany koa ny fanaintainan-dreny amin’ny ditran-janaka sy valy bontana tsy mety hianatra sy hamerin-desona fa variana manaraka ireo lalao, saika isan’andro vaky izao.......
jeu
01
jui
2010
Ity vakianao ity no « basy tsy mipoaka faha-zato ». Zato sahady sa izay vao mba zato? Fa maninona tokoa no hoe: BASY TSY MIPOAKA? Tsy basy-na ariary fito akory, tsy <izay be no basy> koa, tsy basy atifitr’havana, tsy basin’anglisy, tsy basim-borona, tsy basin’i Zimbo, tsy basin’ny Capsat, tsy basin’ny FIGN, tsy basin’ny dahalo sy ny tontakely, tsy basy rano,Tsy basy fampitahorana sy fampihorohoroana, fa basin-tsaina, basin’ny eritreritra, basin’ny fampandrosoana, basy tsy mifidy saranga, na fihaviana, na firazanana, na mpitondra, na mpanankanto, na mpanao fanatanjahan-tena, na mpanao politika, na mpandraharaha, na tantsaha, na tandrenivohitra, na ambany tanàna, na avara-pianarana, na gasy, na vazaha, na mainty, na fotsy, na mavo, na mena. Ny sori-bilana tompoko, no mipoaka, ny tain-tsofina no mivoaka, fa ny basin-tsaina tsy hipoaka velively. Mahitsy, mivantana, mampiasa ny fitenin’ny rehetra, tsy be filirony. Izay ilay famakinao teto nandritra izay “zato“ izay. Gidragidra sy fandrahonana ary teny ratsy isan-karazany no nampiziogaina ity “basy tsy mipoaka” ity. Fanesoana, tsikera mivaivay, miampy fanozonana mihitsy aza indraindray.....
mer
30
jun
2010
Vita ny fety. Tapitra ny lanonana. Inona no hitranga ? Hiverina indray ny krizy rehefa nisinda kely andro vitsy monja. Ilay hadino sy nisinda tao an-tsaina vetivety noho ny fety sy ny seho maimaim-poana isan-karazany tetsy sy teroa. Nifety tokoa ny vahoaka. Mazava ho azy fa rehefa vita ny fety dia hihazakazaka indray ny fiainana. Aiza no hahita vola hamidy sakafo arapaka ? Aiza no hahita vola hatao vidin-jiro sy hofan-trano ary « écolage » an’ny ankizy ? Izay mba hamidy aingitraingitra moa dia efa natelin’ny taona 2008, fony mbola nisy asa ara-dalana. Rehefa niato kely sy tsy re firy ihany koa nandritra ny fety dia hiverina indray ny adilahy politika. Na dia niezaka niantsoantso sy niseho ihany mantsy ireo ankolafy telo, izay tena mpanohitra ny fitondrana misy ankehitriny dia takon’ny zavamaneno sy ny seho marevaka tetsy sy teroa izy ireo sy ny feony.....
mar
29
jun
2010
Ny ao Ambohidahy ao no azo lazaina fa anisan’ny tompo-marika amin’ireo andrim-panjakana mbola azon’ity Fahefaha Avo mitondra an’i Madagasikara hitampikirana hatramin’izao. ‘Ndeha hatodika any ny saina satria nisy lanonana nampatsiahy tantara teny Mahamasina teny nandritra ny fetimpirenena. Tato ho ato dia tsy nandrenesam-peo ry zareo ao. Sa moa tsy mba manana raharaha hatao ry zareo ireo raha tsy misy manontany azy ireo ny heviny? Sa mpilaza voka-pifidianana ihany no andraikiny? Sa mpanatrika lanonana fotsiny sisa izy ireo?
Tamin’ny tapatapaky ny volana martsa, taona 2009 dia ry zareo tao Ambohidahy no tompon’ny lanonana natao teny Mahamasina, izay nametrahana ilay mpandray ny fahefana nolavin-dry Bebaoty. Manao ny asan’ny filohan’ny Repoblika io olona io mandritra ny 15 volana. Tapitra izao ilay fe-potoana. Dia ahoana? Nambarany tamin’izany fa tsy afaka misaraka ny Filohan’ny FAT sy ny Praiminisitra. Ary telo ihany ny andrim-panjakana arak’ilay didy hitsivolan’ny Bebaoty.......
ven
25
jun
2010
Maresaka sy malaza aoka izany ny fiantsoana ny vahoaka ho avy hijery sy hilanona anatin’ny fankalazanany fetim-pirenena, miaraka amin’ireto mpanankanto vahiny. Nafaran’ny Fat manokana izy ireny, hanetsika ny toerana maro natokana amin’izany. Araka ny vaovao voaray,dia somary nahasorena ny mpanankanto Malagasy ihany ity fihetsika ity. Nahoana tokoa moa, rehefa te hametraka ny hampom-pirenena ihany, no tsy ny ny an’ny tena no asandratra fa ny an’ny hafa, izay tsy fantatry vahoaka asaina hiatrika azy akory, nohandaniana vola tsy tokotsy forohana toy izao ? Sao tonga amin’ilay fitenenana hoe : « Valalan’amboa ka ny tompony aza tsy tia azy » ? Soa ihany fa tsy ny vahoaka velively no mandoa ny hareny. Ankoatra izay, ilay hira faneva ihany koa dia tsy sahaza loatra ny fankalazana ny fiverenan’ny fiandrianam-pirenena loatra. Rehefa tsy misy ny fitiavan-tena, dia manjaka ny fitiavantanindrazana sy ny manodidina. Saingy ny hira tsy miantso izany fihetsika izany, « hahena » fotsiny ihany, hoy izy. Farany, lafin-javatra tsara loatra: vonona ny mpitondra sy ny mpanao politika « hanolotra‘zay tsara indrindra hanondratana avo ity Nosymamintsika ity. » Izany hoe, hatramin’izay variana tamin’ny fitatazana ny soa fa tsy nisy ny fanolorana avy amin’ny tena. Soa izany ! Tsara izany ! Izany ka hambom-pom-pirenena !
mer
23
jun
2010
Fety lehibe roa samy hafa no mitranga sy iainantsika eto Madagasikara ankehitriny, izay mahafaka kely ny fanaintainana ateraky ny krizy mbola mitambesatra ao am-po sy ao an-tsaina. Tsy inona ireo fa ny fankalazana ny fetin’ny fahadimampolo taona niverenan’ny Fahaleovantenan’ny Madagasikara sy ny « mondial » na ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany, sokajy baolina kitra, atao atsy Afrika Atsimo. Na dia tsy mivantana aza dia be mpanaraka ary maro mpankafy ny « mondial », toy ireo firenena rehetra maneran-tany. Ao anatin’ny safidy manadala isan’andro ny vahoaka tsirairay ankehitriny. « Mondial » sa « podium » ? ...
mar
22
jun
2010
Tsy laitra intsony ny aretina manjo antsika Malagasy eto fa dia mahazo faka tanteraka. Areti-mifindra tsy ahitana fanafana, aretina mikiky, aretina efa nitaiza hatry ny ela fa izao vao tenahita sy tsy takona afenina. Miakatra hatrany ny hafanana sy ny tosi-dra, ka tsy laitra tohinina fa kizitim-belona tsy azo ifampiresahana. Tadiavina daholo izao rehetra tsy ho takatry ny saina izao. Sorena avokoa na ny marary na ny mpiandry marary na ny dokotera, na ny mpimasy, na ny mpaminany, na ny mpitondra fivavahana isan-tsokajiny. Variana mifanome lamosina isika mianakavy, mifampiahiahy, mifanilika. Fa inona marina moa ilay aretina ? dia taiza no nahazoana azy? sao mba aretina nilaina? sa kabarin-janahary ka tsy azo valiana ? famaizana ve ? sao mba aretin’ny mpanentsinkeloka? Manazava ny sain’ny besinimaro fa tsy hisy raharaha hanjary eto raha samy hanao be marenina.....
lun
21
jun
2010
Handia herinandro vaovao indray isika Malagasy manomboka androany. Raha atao jery todika ny herinadrolasa teo dia novinavinaina ho fantatra ny andro hanaovana fikaonan-doham-pirenena. Ohatrany mbola ao anatin’ny vinavina ihany aloha hatramin’izao izany satria ny vola nantenaina hamitana azy aza mbola tsy an-tanana kamangingina kely indray aloha iny. Ny fanatanterahana izany dia tsy mbola amin’iny herinandro iny raha ny vinavina satria efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazanany faha dimampolo taonan’ny nahazoana fahaleovan-tena isika Malagasy. Mifanontany tena ihany ny rehetra satria ny fandaharam-potoana amin’izao fotoana izao dia tsy misy taoanatin’izay noeritreretina hatrizay. Hita amin’izany mantsyny fanafarana ireo artista maro avy any ivelany. Misy aza moa ireo niteny hoe sao dia mba nahavita ilay fikaonandoham-pirenena ny vola nanafarana ireo artista kalaza maro dia maro ireo. Misy indray nilaza mihitsy hoe somary amiliviliana ny saim-bahoaka ihany izao fampisehoana mitranga etsy sy eroa izao, amin’izay ny rehetra na dia tsy manana asa, sy mitaintaina amin’ny fitadiavana haninaisan’andro, dia any no manala vokona........
sam
19
jun
2010
Ho tonga eto Madagasikara indray ilay mpanelanelana avy amin’ny GIC. Hijery akaiky ny tena fipetraky ny toe-draharaha politika eto izy. Raiso an-kafaliana izy e! Omeo fanasàna amin’ny lanonam-panjakana rehetra hatao eto mandritra izao fetim-pirenenaizao. Aza menatra mandroaka na koa mifanazava aminy mivantana raha misy ny “tsy laitra”. Anaovy vavabe isan-karazany raha mbola misisika hampihaona ny ankolafy isan-karazany. Aza manaiky mihitsy fa manjary mifanadala fotsiny. Lazao azy fa vitanay malagasy ny mandamina ny aferanay, ary efa fety izao no atao eto, fa tsy resaka mandany jiro. Manaova mafy loha tsy laitra e! Manaova toa an’ingahy Raymond Domenech mpanazatrany ekipa Frantsay. Hafaliana tsy roa aman-tany ny tany Irland tany tao aorian’nyfaharesen’ny ekipa frantsay teo anoloan’ny Meksikana, faly ry zareo satria nangidy taminy ilay nahatonga an’i Frantsa ho lasatany Afrika Atsimo, tamin’ny kisendrasendran’i Thierry Henry ka nitarika ny faharesena ho azy ireo. Fa inona koa no hifandraisan’izany amin’ny tontolo politika eto Madagasikara e? Arahofotsiny aloha! ......
ven
18
jun
2010
Ny asa vita no hifampitsarana! Ny fanjakana niongana ihany koa dia mbola azo hitsarana ireo zoky ray amandreny mpanao politika eto amintsika. Mbola maro izy ireono velona, ary saika nahitana azy avokoa ny fitondrana nifandimby teto. Antoko vitsy sisa no mbola velona tao anatin’ny 30 taona teo. Ny antoko Monima, Akfm, PSD, MFM, ary ny Arema. Ireo no antoko zokiny indrindra mbola miseho sehatra amin’izao fotoana izao. Tsy hiadian-kevitra ny filazana fa manana olom-boafidy ve ireo, na mba firy no isan’ny mpikambana ao aminy. Ny tsy azo lavina kosa, dia saika niteraka tanalahy maro be ireo, ary miovaova manaraka ny toe-trandro politika ny mpikambana ao aminy. Olona niaina tao anatin’ireo no manongam-panjakana lava eto isaky ny misy fitondrana mijoro. Tsy sanatria kosa hilaza hoe ireo antoko ireo no manao izany toetra ratsy izany, fa ireo mpikambana tao aminy ka nisintaka, ary nanangana antoko hafa vaovao. Dia isika no mandinika e. Niainga tany amin’ny repoblika voalohany, ka hatramin’izao tetezamita izao, dia misy olona hita tarehy foana isaky ny fitondrana mijoro. Raha vao aongan’ny mpitondra niara-dalana taminy ireny olona ireny, dia miketrika ny fanonganam-panjakana indray no ataony. Tsy dia manana anton’asa firy ireny olona ireny, fa ny filalaovana politika notena angadiny. Efa zokiny ihany ireny olona ireny ankehitriny, saingy mbola mitana kosa amin’ny fidongiana seza. Mbola maro no miara-dalana amin’izao tetezamita izao ireny olona ireny, ary afaka mitsara azy isika rehetra. Ny tiana ambara, dia azo tsaraina avokoa ireny olona ireny tamin’ny asa izay mba vitany. Eny efa olom-boafidy matetika ireo zoky ray aman-dreny mpanao politika ireo, nefa na ny faritra naha-lany azy aza tsy misy asa mivaingana. Koa ho gaga ve isika raha nanjaka hatrany ity resaka fanonganam-panjakana ity isaky ny 10 taona raha ela indrindra? Mby aiza ny toeran’ny mpanao politika zandriny aty afara, fa toa baikon’ireo goaika antitra hatrany izy ireo, ka zary mivarina any anaty hantsana ny firenena? Aoka kosa anefa ho faritana, fa misy ireo zokybe teo amin’ity fanaovana politika ity no tena nametraka ny politika ny ho amin’ny fandrosoana hanasoavana ny mpiara-belona. Izay tokoa ny hoe fandoto iray tandrokatsy mahaleo ny fandio iray siny an.
jeu
17
jun
2010
Tsy ny endrika hitondrana ny fankalazana ny fetim-pirenena malagasy no hitodihan’ny ady hevitra ankehitriny, fa ny vontoatin’ny fety mihitsy no tsy fantatra fototra. Na iza na iza hanazava dia tsy hitondra fiaraha-mientana ilay hoe 50 taona niverenan’ny fahaleovantena. Samy manana ny fomba handikany izany ny olom-pirenena, ary ny mpitarika politika amin’izao fotoana dia tsy manana fototra mazava tena hijoroana sy hifotorana, mba ahafahana miara-manentana ny tena lanjan’ilay hoe : fahaleovantena. Lasa ilay endrika ivelany fotsiny no manjary ifanomezanatsiny. Atsangano ny sainam-pirenena e ! Asio fiatoana kelyny adilahy politika e!, Avelao hifety ny malagasy e!Eny ary e! ‘Ndeha hifanentana isika mianakavy, fa ny sainampirenena tokoa no atao endrika mba hanehoana ny tena fahaleovantenantsika. Nandritra izay fotoana lavabe izay ve dia tsy ho tsapa ny dikan’iny saina malagasy iny? Amin’ny fotoana toainona izy iny no tena mampiray ny tera-tany miara-miaina eto?.......
mer
16
jun
2010
Tsy hianatra hanisa toy ireo mpianatra any amin’ny garabolatsy akory, fa mba mahalasa saina ihany ity fomba fanisantsika ny Repobika nisy teto ity. Hiroso any amin’ny Repoblika faha-efatra, hono isika ‘ty e! Fa rehefa inona no miova ny Repoblika e? Sa rehefa tiana hovàna dia hovàna? Hiroso amin’ny dimampolo taona vaovao hafa indray isika izao dia ho refesina amin’izany ve ity resaka fanovàna ity sa akory? Hatramin’ilay Repoblikan’ny taona 1958 ka hatramin’izao, dia tsy nisy niova na ny sainam-pirenena, na ny hiram-pirenena. Tsymbola niala tao amin’ny filamatry ny repoblika ihany koa ny teny hoe: « tanindrazana sy fahafahana ». Fa efa nisolosolo kosa nyfanampin’ireo: Fandrosoana, tolom-piavotana, fahamarinana…,ary efa nandalovantsika ihany koa ny Repoblika Malagasy, Repoblika Demokratika Malagasy, ary ny Repoblikan’i Madagasikara.....
mar
15
jun
2010
Ho avy eto amintsika hono ireo mpanakanto vahiny malaza eran-tany. Hiara-hifety amin’ny Malagasy, satria andro iray toa zato izany hoe feno 50 taona ny nahazoantsika ny fahaleovantena izany. Mila zaraina amin’ny hafa ny hafaliana rehefa tojo toy izao, ary izay angaha no isan’ny hanafarana mpanakanto vahiny malaza eran-tany? Tsy mbola voafaritra aloha hatreto ny “artiste” mety ho avy fa ny resaka mandeha amin’ny haino aman-jery no mitarika ny saina hamakafaka toy izao. Fa angaha tsy manana mpanakanto malaza afaka hanome hafaliana ny vahoaka isika no dia hanafatra vahiny hanafana ny fetim-pirenentsika? Tsy ho avy maimaim-poana ireo, fa karamaina volabe. Dia mba lasa ny saina hilaza hoe, hay ve sahintsika ny manobaka vola tsy toko tsy forohana ho an’ny hafa, saingy tsy sahy manobaka volabe ho an’ny mpanakanto Malagasy kosa isika hatramin’izay, ka hatramin’izao. Nankaiza ry Saotra sy Dera izay natao fitaovana teny an-kianja ny hirany no tsy mba saindaina vola be amin’izao fotoana izao? Ny tsapa mantsy dia tsy mety mandefa iny lalana iny intsony ny ankamaroan’ny haino aman-jery, satria toa faneva teny an-kianja, ka mety hanahirana amin’ny mpihaino? Tsy ho gaga isika raha mbola maro no mafy ady amin’ny artista gasy, satria ny vola fanome ny vahiny sy ny tera-tany tsy mitovy. Sa rehefa voatsipitsipy amin’ny vaza-mihetsika izy ireo, dia efa ampy izay, satria tsy mitovy izany hoe vazaha sy gasy izany?
sam
12
jun
2010
Ireny ny olona rehefa manao zavatra ! Mivanàka, mitazana sy mitanatana vava fotsiny ny Gasy eo am-pijerena ny fandrosoan’ny olona. Vitany ny nandray ny fiadiana ny ho tompon-daka eran-tany ho an’ny baolina kitra. Ary tsy nitsanga-menatra izy. Tadidio fa firenena anisan’ireo ROAPOLO matanjaka indrindra eto amin’izao tontolo izao i Afrika Atsimo. Averimberina hatrany fa tsy nifanalavitra tamin’i Madagasikara ny fandrosoana nananany raha ny efapolo taona talohan’izao no handrefesana azy. Ny antsika fivoriana iraisan’ny Afrika fotsiny aza, nifandrimbonana ny tsy hahatanteraka azy. Indrisy ry fireneko! Tsy nisy ady an-trano mahatsiravina akory teto, na fanavakavaham-bolo-koditra niseho masondro, na fipoahana baomba nokleary, na loza voajanahary naharava firenena iray manontolo.TSY NISY IZANY. Fa mbola eto ihany isika e! Maniry ny fandrosoan’ny olona hatramin’izao......
ven
11
jun
2010
Manalasala toa vozon’akoho ny fizotran’ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny. « Afoy toa hena, tsakoina nefa toa taolana ». Ireo nolazaina fa fanapahan-kevitra « lehibe », noraisin’ingahy Andry Rajoelina hirosoana amin’ny « fanovana » nofaritany nandritra ny hetsika an-dalambe tamin’ny taon-dasa, tsy misy hita soritra na dia ny fanombohan’izany akory aza. Ny nitranga-nihemotra toa lelon-jaza aza matetika no tsikaritry ny mpanara-baovao tamin’ireny karazana fanapahan-kevitra noraisiny ireny. Mbola niala nenina, niandry ary nanakisaka mihitsy ireo fe-potoana nomeny hiverenana amin’ny ara-dalàna sy ny manara-penitra (retour à l’ordre constitutionnel) ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ary nanolotra soso-kevitra niombonan’izy rehetra ny « hametrahanafitondrana tetezamita iarahan’ny ankolafin-kery efatra mitantana »hahatongavana amin’izany fiverenana amin’ny ara-dalàna sy ankatoavin’izao tontolo izao izany.....
jeu
10
jun
2010
Taloha dia misy olona mitady tavoahangy ho vidiana any anelakelan-trano rehetra any. Niova izany ankehitriny, hita amin’ny filazàna an-gazety na soratra mibaribary etsy sy eroa fa “mividy vy”. Dia tonga eto tokoa ny mpividy vy, ary nanome vodiondrim-barotra amin’ny antsasany avy hatrany (tamin’ny alalan’ny taratasim-bola?). Dia hihinana vidim-by izany isika manomboka izao. Misokatra sy manga ny lanitr’i Gasikara fa azo atao daholo izao ny tetik’asa goavana rehetra. Ny vola tsinona efa misy. Ary aza miseho ho Katôlika alohan’ny Papa eo koa fa ny <Solontenany> eto amintsika aza efa nanolotra ny taratasy ahafahany miasa sy monina eto....
mer
09
jun
2010
Inoana fa tsy vitsy ireo nanontany tena ny takarivan’ny sabotsy teo hoe : « Inona ity lanonam-panjakana alefa mivantana amin’ny TVM avy eny amin’ny Kianjan’Andohalo ity ? ». Gaga ny rehetra ! Efa nisy fanentanana ny olona ve fa hatomboka tamin’io daty io ny fankalazàna ny fiverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara ? Naseho teo daholo, na hira faneva, na ny sary famantarana…na ny teny entina hankalazàna izao fetifety izao. Iza avy no nanatrika? Ireny izany no raiamandrenin’ny malagasy ?, ireny no solontenan’ny tanora sy ankizy hodimbin’ity firenena ity? Ireny no solotenam-panjakana afaka hihambo fa mpitarika izao fankalazàna izao? .......
lun
07
jun
2010
Mahatoky tena ny fitondrana tetezamita, fa higorisogorisamankany mankany amin’ny Repoblika fahefatra, hono, iMadagasikara. Feno dia feno ny fanantenana manoloana ireotranga isan-karazany. Marobe tokoa ny tolo-kevitra ho amin’nyfamolavolana ny lalampanorenana vaovao. Ny tetik’asa goavanaefa nandraisana « avansa » moa dia io iaraha-mahita iofa misononoka manaraka iny lalana iny. Izay rehetra mpanaovavabe sy mpanakiana ary tsy miray feo amin’izany dia mipirinasy mamato-tena any amin’izay iafenany any.Vitsy an’isa sy tsy manana ny mpomba azy tokoa ve izanyny Ankolafy Madagasikara ity e ? Tsy manan-kevitra maharesylahatra azo hatolotra sy mba hodinihina ? Tsy mba manana nysori-dalana hotanterahina? Mandrebireby ny mpiray tanindrazanafotsiny kosa raha tsy misy valiny ireo rehetra ireo e!..........
ven
04
jun
2010
Difotry ny fahantrana ny firenena, noho ny adilahy politika. Miaiky izany avokoa izao tontolo izao. Manomboka taitra tamin’ny torimasony ireo milaza fa ray aman-dreny eto amin’ny tanàna. Tsy hidirantsika lalina ny hoe taiza izy ireo hatramin’izay, no navela ho rotindrotiky ny fahantrana ny firenena sy ny vahoaka ao aminy vao taitra......
jeu
03
jun
2010
Sahady ? Volana faha-enina tokoa ny taona 2010. Hilanonasy hifety isika e ! Fety anaty kizo mahafinaritra ? Hankalazainany andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana, ka “karavanona” lavabe miala eto analamanga hatrany bongolava nohifaliana sy ho fanamarihana izany. Ny volana jona ihany koa diavolana ho an’ny tenin-drazantsika. Dia hiakanjokanjo malabarysy hitafitafy lamba eo. Fifaliana izany k’ah! Eo ihany koa ny iray volana ho an’ny ankizy, dia samy hijery akaiky ny momba ireotaranaka ireo izany ny rehetra e!..Hisy ihany koa ny fikaonandohaara-politika mialoha ny fetim-pirenena izay hiravoravoana eto na inona na inona faha-samihafan-kevitra. Ary mandritra ity volana jona ity dia raikitra koa ny fodiana alina amin’ity fiadiana ny ho tompon-daka eran-tany eo amin’ny baolina kitra.....
dim
30
mai
2010
Arahaba tratry ny Fetin’ny Reny, Ny Fankalazana ny Fetin’ny Reny ho antsika Malagasy anio, dia natao anamafisana indray fa ny famonjena antsika dia avy amin’i Jehovah, Mpanao ny Lanitra sy ny Tany (Salamo 121: 2). Ary dia isaorana anie, Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, izay antoky ny filaminana sy ny fiadanana, fototry ny fifankatiavana sy ny firaisan-kina. Koa androany Alahady 30 mey 2010, hankalazantsika ny Fetin’ny Reny izao ary, dia raisiko ho fifaliana sy voninahitra ny miarahaba ny Reny malagasy rehetra tsy an-kanavaka, nahatratra ity andro anio ity. Ny reny malagasy rehetra, hoy aho, izany hoe ny vehivavy malagasy rehetra, ny reny amin’izao fotoana izao, sy ireo izay mbola ho reny rahatrizay, satria isika no loharano nipoiran’ity firenena malalantsika ity, dia ny Firenena malagasy, ary mbola hipoiran’ireo taranaka fara-mandimby amin’ny ho avy. Isika ilay voalaza fa “kitapo nifonosana”.......
ven
28
mai
2010
Maika ny famahana ny olana! Mikorontana ambony ambany ny fiainam-pirenena, ary tsy misy afa-miala amin’izany ny mpanao politika rehetra. Tranga nahamena trano nitranga teny Ambohitsaina farany teo, ary nampitombo ny laza ratsy hoan’i Madagasikara teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Voatery hanohy ny dinika atsy Prétoria ny ankolafy efatra eto amintsika. Mety hisy hery hafa hanampy azy ireo, izay tsy mbola voafaritra hatreto ny amin’izany. PrétoriaII no handikana io, ary tsy azo lavina fa misy andian’olona na mpanao politika io na fikambanana, tsy mankasitraka ny hisian’io dinika io, satria mety haha-very seza azy ireny......
jeu
27
mai
2010
Na miala aza tsy olana, fa ny tsy teo no manenina. Zava-misy hianantsika amin’izao vanin’andron’ny tetezamita ankehitriny izao io. Herintaona sy tapany izay isikano niaina tao anaty krizy, ary niainana tao anatin’ny tetezamitatarihan’ny filohany Andry Rajoelina. Herintaonanisian’ny fiovana maro tamin’ireo olona nandrafitra nyGoverenemanta tetezamita, ary nifandimbiasana tokoany toerana nandritra izay fotoana izay.......
mer
26
mai
2010
Nankalazaina tsotsotra tamin’ny fomba mahazatra ny fetin’ny fidinan’ny Fanahy Masina. Tsotra ahoana koa e? F’angaha moa tsy fety lehibe amin’ny fiitaran’ny fivavahana Kristiana izy iny? Tso-drano ho an’ireo Apostoly anie ny firotsahan’ny Fanahy Masina tamin’izy ireo e…Ireo no dimbin’ilay “Lava volo sy be volom-bava” nihiaka ny “Mifankatiava f’azamiady”. Fa ny antsika teto Madagasikara dia hafa sy mahatalanjona e! Fifanomezan-tsiny tsy misy farany. Hatsahatra, hono, ny teny mandratra sy mandrangitra e! Marina izany satria rehefa tsy misy hevitra halahatra intsony dia voatery mampiasa totohondry sy sandry e!....
lun
24
mai
2010
Asa na fifaninandrifian-javatra na iniana hatao fa hita sy mibaribary, raha ampitahaina tamin’ireo Praiministra nifandimby hatramin’izay, dia ny fitantanan’ingahy Vital Camille Albert no azo ambara fa anisany be indrindra ny famoretana sy fanaovana ramatahora ny mpanao gazety.....
sam
22
mai
2010
Nofongarin’ny Sioux ny famakin’ny ady, tsy manaiky intsony ny tsy hisian’ny fanenjehana azy sy ny fanosehana azy ireo hamely sivily. Nantsoiny araka izany ny Vahoaka, miaraka amin’ny hetsiky ny Mpitondra Fivavahana, hanatevin-daharana azy ireo, manoloana ny fasan’ny mahery fon’ny firenena, akaiky ny fiantsoan’ny zotra 194, eny Avaratr’Ambohitsaina. Maro dia maro ny vahoaka namaly ny antso, ary nihatrana avy hatrany ny FIGN tarihan’ny Lietnà Kolonely Raymond Randrianjafy, hiaro ireto vahoaka vonona dia vonona mitaky ny ametrahana ny ara-dalàna.
Namaly bontana ny Apaches. Avy hatrany ny sefony, ny jeneraly Zafera, dia nandaka ireo seza nomanina hanaovana fanompoam-pivavahana hangataham-pitahiana ho an’IMadagasikara, hialany amin’ny krizy politika efa nitarazokaloatra. Taitra ihany ny shériff eto amin’ny tanàna, ny kolonely Richard Ravalomanana. Nanaraka azy avy ato aoriana ny Emmo-Reg, malaza amin’ny fampandrian-tany. Nirefotra nybasy, nipoaka ny grenady mandatsa-dranomaso. Nisy mihitsy aza moa ny « lance roquettes » nentina teny an-toerana.....
jeu
20
mai
2010
Mety ho azo eritreretina ve atsy ho atsy fa maika éry, hono, ianao mpamaky ny lahatsoratra toy itony hamaky ny gazetinao, kanefa dia nanjahatra fa toerana malalaka sy fotsifotsy notazanao teo satria noraràna tsy ho azo soratana izay tokony hosoratana? Na koa sendra ny daroka sy ny vono ny mpanoratraka naka aina tsy fidiny any amin’ny hôpitaly? Mety halaheloianao mpamaky, kanefa koa mety hisy ny ho faly sy hitsinjakafa nikombom-bava ihany ry mpitatatata tsy misy farany. Aleotokoa visavisaina ny ratsy mba hiavian’ny soa. Lasa lavitra mankotato ho ato ny herisetra manjo ny mpampahalala vaovao ka diatonga indray ilay firaisankina goragora sy vonjy tavan’andro......
mer
19
mai
2010
Fanontaniana manitikitika ny mpanara-baovao ankehitriny ny mikasika izay mety ho fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena. Hatramin’izao mantsy, raha ny fahitana azy, dia nitsefotra toa vanjalenan-drano ilay fanambarana nataon’i Andry Rajoelina nilazany fa « tsy hilatsaka hofidina ho filohan’ny Repoblika », amin’ny fifidianana nandraisa ny fanapahan-kevitra samirery ho tanterahina amin’ny26 novambra 2010, aorian’ny fitsapan-kevi-bahoaka kasainy hataoamin’ny 12 aogositra ho avy izao sy ny fifidianana solombavambahoaka amin’ny faramparan’ny volana septambra. Nitsefotra toa vanja lena iny fanambarana iny, satria tsy nahatratra ny tanjona nokendrena taminy. Mbola tsy niova tamin’ny heviny ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ary mbola nanamafy fa mbola « fanapahan-kevitr’olon-tokana (Andry Rajoelina) ireo » fa tsy hiombonany amin’ny ankolafin-kery politika efatra. Mbola maniry ny hisian’ny dinika ary manohana hatrany ny fanohizana ireo adihevitra hikatsaham-bahaolana iraisan’ny ankolafy politika rehetra izay efa natomboka, volana maro lasa izay, ireo vondrona iraisam-pirenena samihafa ireo.....
mar
18
mai
2010
Nilaza ny fanambaran-dry zareo frantsay, tsy ampy adiny iray tao aorian’ny kabarin’ny filohan’ny Fat, tamin’ny alarobia teo, fa miaina anaty filaminana sy ny demokrasia tanteraka i Madagasikara, dia tonga nanohitra izany kosa ny zava-niseho tetsy amin’ny 67 hektara, tao amin’ny onjampeo Fréquence Plus. Vono, fandrahonana, poabasy ary fisamborana, mariky ny demokrasia, ho an’ny frantsay. Asa raha izany koa no dikany, amin-dry zareo ao amin’ny Fat ?Araka ny fanazavana sy ny fanadihadiana natao teny an-toerana, dia fandaharana toy ny sabotsy no nataon’ny onjampeo. Nahitana ny ankolafy efatra naneho ny heviny ny fandaharana « Tamberim-baovao » ka i Andriantenaina Pierre, na « Pierre Kely » no nandray fitenenana tamin’ny anaran’ny fitondrana amin’izao fotoana izao. Nosamborina ny vahin’ny fandaharana telo, fa i « Pierre Kely » kosa afamaina....
lun
17
mai
2010
Notsarain’ i Andry Rajoelina ireo mpitondra ny firenena malagasy sy ny fomba nitantanan’izy ireo ny firenena nandritra ny 50 taona niverenan’ny fahaleovan-tena, ary nanehoany ny fahitany azy, nandritra ilay fanambarana nataon’i AndryRajoelina ny alarobia hariva teo. « 50 taona niharetana sy niadiana nefa tsy nahazoana fandresena ; 50 taonan’ny haratsiam-panahy sy ny fihatsaram-belatsihy ; nyfitiavan-tena ; ny fahadisoampanantenana; ny fitantanana tsy nahomby ; ny lainga sy ny famitahana ».....
sam
15
mai
2010
Raha tena mitady vaha-olana amin’izao kizo izao ny mpitarika ny tetezamita ankehitriny dia tokony tsy hijery ny tenany. F’angaha moa ny firotsahany na tsia amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena no olana teto nandritra izay herintaona maheryizay? F’angaha moa ny fanononana datim-pifidianana no antsoina hoe feuilles de route? F’angaha moa ny fanoloran’ny masoivoho vaovao an’i Tiorkia, honina sy hiasa eto Antananarivony tatatasy fanendrena azy tamin’ny Praiminisitra lefitra misahana ny raharaham-bahiny, no atao hoe fankatoavan’ ny fianakaviam-be iraisam-pirenena izao tetezamita izao? ....
mar
11
mai
2010
Mifanontany tena ny mpiara-monina : ahoana ihany izy ity ? Toa niakatra mangingina tao indray ny vidin’ny gazoaly ? Toa anarany no mba miakatra ny vary fa tsy hita akory izay fiantraikany eny amin’ny tsena? Mba hisy mangirana ihany ve sa mbola anaty tonelina e? Raikitra indray ity ny fiakarana tenyamin’ny tribonaly noho ilay gidra teny Antaninarenina tamin’nytaon-dasa. Tsy maintsy migadra indray izany ireo tratra farany? Tsy maintsy meloka izay niandry tanàna tamin’iny andro iny ve ? Olo-marobe mitady fahafahana ve dia ataonao vono-moka fotsiny eo? Ao anaty fisavoritahana ara-politika mahamay no hanaovana fitsarana goavana toa maimaika ihany(?).....
lun
10
mai
2010
Efa vonona ny kitay sy ireo bozaka rehetra hodorana fa ny pitik’afo sisa andrasana. An-taonany no efa nanangona kitay ny ankolafy Ravalomanana mba handoroana ny tranoben’ny FAT. Nahafeno kamiao sy trano izany,saingy tsy mbola nirehitra hatramin’izao. Nisy ihany ireo niezaka nandrehitra izany, kanefa tsy nampidonaka akory. Indraindray aza mba mifanojo ihany ny kitay sy ny afo, fa raha vao tonga ny mpanondraka rano dia maty izany. Soa fa tsy mbola levona, fa hay ampombo ireto kitay nangonina ka tsy nety maty fa misoko mangina eo antokontanibe ihany, dia ireo vahoaka izay efa sasatra sy hana ary jembin’ny krizy sy ny olana maro samihafa. Mizaka ny tsy eran’ny aina ihany fa tsy mahavita miteny sy maharehitratena.....
sam
08
mai
2010
An-taonany maro no efa nahalalantsika ilay ohabolandrazana hoe : « mitaintaina toy ny sahobakaka ambodiriana », kanefa ankehitriny vao tena fantatry ny Malagasy ny tena heviny. Ny riana dia ampahana rano avy amin’ny renirano izay manaraka ny vato lehibe iray. Mamoaka feo miraondraona mampatahotra izy io, ka izay no mahatonga ny sahobakaka, izay karazana sahona lehibe tsy ho tamana eo mihitsy, satria mitaintaina hatrany sao dia hitera-doza ho azy izany.Toy izany ny fiainan-tsika Malagasy ankehitriny. Makany toeran’ny sahobakaka ny vahoaka amin’izany ary ireo zavatra miraondraona sy mampatahotra maro samihafa eo amin’ny fiainana kosa no zary lasa riana mampitaintaina fatratra ......
ven
07
mai
2010
Vyvato Rakotovao, Ando Parson, Jaona Ralison, Haja.
Ireo no tena mpiara-miasa akaiky tamin'Atoa Fetison Rakoto Andrianiriana. Anaram-bositra nomen'ny mpitolona azy ireto ny hoe : be palitao, tsikaritra tokoa fa dia nirentirenty foana ry zalahy ireto na dia tolona teny ankalamanjana aza no natao. Gaga ny mpanara-baovao fa dia tonga teny Iavoloha nandondom-baravarana tamin'i Andry Rajoelina ireto telo voalohany ny amin'izay ho mpikambana vaovao ao anatin'ny Governemanta hajoron'ny Fat. Fa inona no mitranga e? tena mamy be tokoa angamba izany toerana ministra izany fa dia sahy mitsipa-doha laka-nitana mihitsy! Raha mbola ny ady hevitra amin'izay hiaraha-mitantana ny tetezamita no ataon'ireo lehiben'ny ankolafy efatra, ireo zanak'i Dada kosa nisolantsolana teny Iavoloha, Ingahy Vyvato Rakotovao dia vao haingana no nahaton'ny tanora Tim tsy ho sekretera jeneraliny intsony, i Ando Parson indray vao avy tany Pretoria tamin'ny listry ny ankolafy Ravalomanana farany teo. Koa mipetraka ny fanontaniana hoe Iza marina no naniraka azy ireo tany? sa tena namadika palitao sahady ireto be palitao ?
jeu
06
mai
2010
Planina, tetik’ady, vinan-kevitra, sori-dalana, sata... Misyisan-karazany mihitsy ny karatra efa naseho sy noeritreretinahamahana ny kizon-dramalagasy, fa tsy nisy na iray aza mbanahomby sy nifanarahan’ny rehetra eto an-toerana. Izany sehatrairaisam-pirenena izany moa dia any an-kibon’ny omby, tsymisy mpankato, tsy misy mpiantra, tsy misy mba mitsetra akoryfa dia ataon’ny olona fihomehezana fotsiny. Dia havoaka indrayizao ny joker farany, ary tena tsy misy afa-tsy io sisa no azohitampikirana : « gouvernement du salut public ». Dia hanao ahoana ny tohiny? ........
sam
24
avr
2010
Tsy misy politika mandeha amin’ny fo izany mihitsy fa hadalàna ny an’ireo misaina fa hahomby amin’ny fitantanan-draharaham- panjakana ka ny fo no ampitenenina fa tsy ny saina. Rehefa tsy zakan’ny loha ny adihevitra dia mandeha ho azy ny bontolo amin’ny tsy antony. Fa inona marina moa no olana eto e? Sao mba varivarian’ny lavitra àry ka ny eo ambany maso avy no tsy tazana.....
jeu
22
avr
2010
Tsy velon-kantenaina, tsy maty hafoy ilay fihaonana any Afrika Atsimo. Asa raha ilay izy mitodi-doha mianatsimo na ahoana, fa kely finoana hatrany ny malagasy rehefa ny zavatra no tanterahina any atsimon-trano. Samy mifanilakilaka sy mifanome tsiny eto isika mianakavy fa tsy misy hevitra iraisana mihitsy hatramin’izao. Dia mampatsiahy ilay tenin’ny Kardinaly nodimandry iny manao hoe:” Izay mahasoa re no ataovinao Andriamanitra ô!” .....
mar
20
avr
2010
Tanteraka soa aman-tsara eto Antananarivo (Madagasikara) ny fanodinana ilay tantara lavareny sy tsy hita fiafaràny. Mpandray anjara marobe avy amin’ny lafivalon’izao tontolo izao no mpandray anjara ao anatin’izany. Ary ireo fitaovana avy any ampitan-dranomasina mikasika ny fanatontosana izany tantara izany dia nobataina nankaty amintsika satria ny mpilalao fototra dia eto ANTANANARIVO daholo ny ankabeazany......
sam
17
avr
2010
Fanina ny ankabeazan’ny ireo tsy mahafehy ny tenin’ny vahiny fa mionona fotsiny amin’ny tenin-drazany, amin’ny afitsoky ny mpanao politika mpampiasa izao teny tsy hay takarina rehetra izao. ” Feuilles de route”, hono, e! Inona indray re izany ry lanitra ô ? Fa nihiratra ihany ny maso ary takatra ihany ilay heviteny, rehefa nanahirana nandritra ny fotoana maro. Hay va re ka « sori-dalana » no dikany e ! ka inona izany fa tsy paik’ady entina ho tanterahina mandritra ny fotoam-piasana? Aleo ary asehoko anao ilay « Taratasy spéciale » hoy Rajao Marie François Hugues mpilalao sarimihetsika izay, raha sendra ny zandary teny ampamiliana fiarakodia izy. Dia malalaka ny lalana rehefa mazava ilay sori-dalana e ! ........
jeu
15
avr
2010
Ho antsika tsy nanovo fianarana tany amin’ny Akademia miaramila Malagasy dia tsy hahafantatra velively izay taranja rehetra nianarana tany. Jery ivelany ihany no ndeha hatao, ary fantampantatra ihany tsinona fa henjana ny fianarana any. Tsy an-jaza, ary tsy ho vitan’ny kely aina sy kely saina. Mila haavo henjana amin’ny lafiny rehetra ny fiatrehana ny fianarana satria dia ho “tandroka aron’ny vozona”, ho “manda aron’ny tanàna”, ho “aro riaka farany amin’ny fiarovana ny fanjakana repoblikana”, “hiaro ny vahoaka sy ny fananany”, ary “ho an’ny tanindrazana” ireo rehetra nanam-bintana nivoaka tamin’io sekoly ambony eto amintsika io. Ary na ireo rahalahy Afrikana aza moa dia tsy vitsy no manovo fahalalana ao. Dia indreo ry zareo Bebaoty fa mampihatra ny fahalalàna maro nianarany. Hampianatra izay tsy ampy traikefa sy tsy ampy fahalalana firy amin’ity fitondràna sy ny fitantanana ny raharaham- panjakana. Politika izany e! Tompon’antoka sy mahafantatra tsara ny ati-vilany, ary niaro sy nametraka fa mila fiarovana ny fanjakana tena mahefa. Niara-nivory tamin’ilay filoha ambonin’ny tafika nandritra ny adi-pamantaran’andro maro. Dinika tsy azon’ny rehetra natrehana satria dia hikaroham-baha-olana mahomby sy maharitra. Gaga anefa ny maro fa “sori-dalana” sy ny “fitaovana enti-miatrika” ny fitantanana ny raharaham-panjakana no nanaovana fanambaràna ho ren’ny ambanilanitra. Ny vahoaka indray no hiangaviana ho tony? Raha voalamina tsara ve ny andraikitry ny mpiaro ny vahoaka sy ny fananany tsy ho tony izy e? Bibilava sinambotr’ankizy anie ireo e! ary sanatria toa faty entin’alina…Dia mananga-tsampona indray ny sasany fa hatsaharo ny fidinana an-dalam-be ataon’ny mpanao politika sy ny mpanara-dia azy. Ka tena hanao matso sy fihetsika miara-mirindra ve ny miaramila e? Sa dia hisalovana ny anjaran’ny hafa? Mbola hanohy hanao politika sy hitondra fanjakana? Mitombo an-dalana toy ny dian’Andriana ny fotoana lany. Aza atao hitan’ny hafa ho’aho ny kilema fa manjary mandany andro amin’ny resaka tsy hihinanan- kanina ireo zatra tapa-kibo isan’andro. Ony RAMBELO
mar
13
avr
2010
Miala an’Ankatso dia Ambohidempona, nanezakezaka nanaraka iny lalana iny ka tonga teto an-tampon’Itsimahalalakely sy Isamireraka…dia eto aloha maka saina, maka hery, maka fanahy, maka tahaka, maka vinany, mankany mankany e ! Ho any ambadik’Imanareza sy hiverina any amin’ilay niandohana indray izany ? Ahilika amin’ny mpanao gazety indray ankehitriny ny fototr’ireny resaka tsy hita fototra ireny ka hilazana fa tsy mahay ny asany sy tsy mahafehy ny zava-boalazany izy ireo. Fa mbola tsy nisy angamba nimenomenona teto, rehefa tsara petrapetraka ny mpanao gazety, rehefa fitahina fa hanao an’izao sy izao ny mpanao politika kanefa tsy tanteraka akory izay voalazany sy nambarany, na koa navela ho toy ny vato natsindry ahazana izy ireo. Tsy afaka hanao faminavinana sy hanao tara-kevitra intsony ny mpanao fandalinana ankehitriny, satria dia ampotomoty ny fiovanjavatra ka sarotra ny fironan-kevitra vaovao. Fivoriana etsy sy eroa no ataon’ireo “bebaoty” amin’ny fandaminana ny raharaha mahatonga ny fizaran-kevitra, ary dia tonga ho azy ny fihaonana teo amin-dry zareo sy ny filoha avon’ity tetezamita ity…Manao fitsidiham-paritra ry ”tonton Sôla” sy ny ekipany ka mitaky tsy ankiato ny fanatanterahana ny fihaonan-bem-pirenena hizorana avy hatrany any amin’ny fitoniana sy ny fifidianana mangarahara, toa miray hevitra amin-dry “Ka miviombio” sy ry “Debakely” ry zareo amin’izany. …Dia nihaona mangingina ihany koa ny “mpinamana taloha” izay samy miaro ny ankolafy tiany arovana. Tanisaina eto daholo ireny ka inoana fa ny fisehoan-javatra sy ny fanehoan-kevitra rehetra eto dia hikatsahana hatrany ny vahaolana ivoahana amin’ny kizo ankehitriny. Mifankatiava ihany raha mbola velon’aina, hoy ry Rabemanantsoa, ary inona moa no hifandrafirafiana, hoy ry Tseheno…Ka efa vonona daholo ve anefa ny mpandray anjara sa mbola misy andrasana ? Miandry mpanao majika isika rehetra e ! Fantatra tsara fa mahatazona olona hihaino azy daholo izay maneho hevitra ankehitriny, ary dia samy manantena ny mpanatrika fa hahavita “raha” izay mivolana aminy eo. Inoana fa efa hitanao ireny mpanao fahaizan-javatra eny amoron-dalana ireny. Na dia efa fantatry ny rehetra aza fa “fika” efa miverimberina no ataony dia mahavory olona hatrany izy ireny, ary dia mahazo vola ihany koa satria dia io mihitsy no foto-pivelomany. Misy amin’izy ireo tsy manohy ilay fampisehoana raha tsy vita ny fanatazam-bola. Dia mba mahaiza ianareo mpanao politika malagasy mba hahay ny “Abaraji..ôbarajà” hampirevy ny spekta e! sa tokony ho ravàna fa famorian’olona tsy nahazoana alalana no ataonareo? Avereno ary ny volanay fa hay ianareo “Aotra” ! Ony RAMBELO
sam
10
avr
2010
Misavoritaka ny fanapahan-kevitra raisina etsy sy eroa, tsy fantatra intsony izay laoniny! Ganagana misasa loha? Ankizy afa-patorana? Totozy tsy misy Saka hatahorana? Tsy misy fefy ka afaka migoraobaka daholo? Samy manao izay mahafalifaly ny sainy? Samy mandeha samy mitady? Sady tsy mahay no tsy menatra, mila doka sy tehaka arahin’hoby? Sa miandry ny akoralava vao ho tonga saina? Rako-pantsy tanteraka izay mba maneho hevitra ka velona ny fifampiandrasana kendrintohina. Tsy misy na iray aza fanapahan- kevitra tena mifototra amin’ny lalàna manan-kery eto amin’ny tany sy fanjakana. Mety ho marina tokoa fa ifandimbiasana ny toerana politika sy ny fitantanan-draharaha eto amin’ny firenena ka dia novàna ihany koa ireo mpitsara eny anivon’ny conseil d’état. Hafahafa toy ny vazaha misalaka izany satria ao anaty ady hevitra matetika no hanatanterahana ny fanovana sy fanolosoloana olona no vaha-olana atematemaka.Samy mahatsiaro isika fa zavatra nanahirana ny fanalàna ilay Praiminisitra niara-nitolona teny an-kianja, ilay minisitra teny Anosy tsy nahalala akory ny fanalàna azy fa sendra reny teo amin’ny fahitalavitra fotsiny ihany, ankehitriny dia io fa miverina indray izany fombafomba izany mikasika ilay minisitra eny Ampahibe. Nahoana tokoa moa ity minisitra nesorina ity no mikaroka vaha-olona any ivelan’ny fanjakàna? Miara-mivorivory amin’ny olona tsy manam-pahefana akory? Sarotra taminy ve no nitondra izay hevitra hitany teo anivon’ilay fanjakana nanendry azy? Ary ny fihetsika sy ny fanambaràny fa misy ny gaboraraka dia manamarina sy manome rariny ilay hetsika kilezolezo efa nandritra ny herintaona ngarangidina…! Tsy mazava ny fanapahana, ary voafehy tokoa ve ny raharaham- panjakana? Tsy misy mba iraisana sy itovian-kevitra? ”On conserve les acquits” io tokoa ve no hery manetsika ny FAT ankehitriny? Tsy mahagaga anie izany raha miala izay tsy < Jacky > e! Ka mbola ao ihany ve ra-jacky? Ilay tokony ho izy? Mbola ao ilay Saka nampitsoaka ny totozy? Mbola misy olobe mahafehy sy atahoran-jaza? Dia mahagaga ihany raha mbola hisy ny fifampidinihina amin’ny vondron’olona tsy mahafehy ny mpiray donak’afo aminy toy izany .Vao miatomboka ny resaka e ! Ony RAMBELO
mer
07
avr
2010
Faly sy ravoravo ny Malagasy rehetra fa nifanaraka ihany ho amin’izay hitondrana ny firenentsika ireo mpanao politika malagasy. Tafatsangana ny governemanta iraisana ka tsy misy nidongy an-kanina intsony ireo be vava sy tsy mijery afa-tsy ny ho any am-biliany. Teny ieràna avokoa no nifanarahana amin’ny fanendrena ireo tompon’andraikim-panjakana rehetra hatrany an-tampony ka hatraty amin’ny manakaiky ny vahoaka. Hatrany avaratry ny nosy hatrany amin’ny tendrony atsimo indrindra dia niara-nientana fa hiroso amin’ny répoblika vaovao isika. Hiroso amin’ny fakàna ny hevitry ny vahoaka malagasy ny fitondrampanjakana ka tsy nisy voahilika intsony. Vahoaka marobe no tonga nihoby ireo mpanao politika sesin-tany, niaraka niverina teto an-tanindrazana, ary notsenain’ny mpitondra avo teto an-toerana sy ireo mpanao politika marobe. Fifampiarahabana tsy maty fo aman’aina no nipololotra teny ambavan’ny maro. Tsikaritra koa ireo mpanao politika nahiboka tany am-ponja nandritra ny krizy, ireo mpitondra fivavahana, ireo masoivoho vahiny monina sy miasa eto amintsika, ireo rehetra very asa dia velom-bolo sy manam-panantenana indray amin’ny ho aviny. Nahatalanjona sy nampihetsi-po ny fieraha-mientana nataon’ireo vahoka marobe nanonitra ireo rehetra norobainy nandritra ny krizy : Tao ireo nanolotra ny heripony ka nanarina indray ny radiom-pirenena sy ny televiziona malagasy, naverina tamin’ny tompony daholo ireo zavatra simba nandritra izay herintaona izay. Ny Malagasy teto an-toerana dia miara-mientana ho amin’ny fampandrosoana sy ny fitiavana ny fireneny. Tena ady hevitra no niseho teny amin’ny andrim-panjakana isan’isany. Hay, rey olona, mbola ilay maraina vaovao nampanantenaina hatrizay ity iainana ity. Mbola mifampiandry kibay ny mponina sy ny mpitandro filaminana, mbola tsy nisy zavatra niraisana fa nifandrirotra etsy sy eroa ny mpanao politika malagasy, tsy mbola hita sy voafaritra ihany ny lalan-kevitra hivoahana amin’ny krizy, mbola misy ireo mpanao fitakiana etsy sy eroa, mbola tsy nahazo fankatoavana any ivelany ihany ilay fanjakana avo, mbola tsy nahazo famatsiam-bola, ary mbola nikatona ihany ny orin’asa afaka haba, mbola nitrongy vao homana ny olona…Toa satry hiaina ilay aligna ihany k’ah. Tena nofy ririnina re ! Ony RAMBELO
lun
05
avr
2010
Tsy hiady izany ny malagasy fa dia ho lany andro izay mitetika hanao izany eto. Ny azo antoka dia ho tezitra amin’ny mpitondra sy ireo mpanohana an-jambany izy.Tsy andrakandrana ny mitondra firenena ary ilàna fahamatorana. Rehefa mikabary sy mandaha-teny ny mpanao politika dia nofinofy sy resaka saro-takarina no resahany. Ampiasaina daholo ny vavabe isankarazany mitondra any amin’ny fifankahalàna sy fifandranitana, ny fampitahorana famonjana sy fisamborana,,,Ireny rehetra ireny dia resaka savoan-danitra sy dinika ambony vavahady fotsiny fa tsy mitsinjo ny tena zava-misy marina. Raha fanjakana tsy mahatsinjo lavitra dia ho sasa-poana amin’ny fampandehanan-draharaha. Ho lany andro mamaha ny olana izay sendra ny masony fotsiny. Fanjakana zatra manilika ny tsy fahombiazana amin’olon-kafa. Hanomboka indray ny fisamborana sy ny fanagadrana ato ho ato noho izy ireo lazaina fa mpanakorontana, mpanimbazimba ny hasin’ny fitiavan- tanindrazana nananan’ireo zoky ray aman-dreny taloha, nanelingelina ny fizotran’ny lanonam-panjakana…ary indrindra mpampihorohoro amin’ny fikasana hanapoaka baomba mba handratrana sy hahafatesana olona maro. Atanjaho ny saina hiatrehana izany. Vahoaka efa trotraka sy vizana koa ve moa hanana hery hiatrehana an’izany e ? Ny fitadiavana isan’andro aza efa mampitrosona azy amin’ny tany. Mandindona ny mety ho fanapahan-kevitry ny firaisambe Eropeana izay mivory any Espana. Mba misy ezaka ve avy amin’ny fanjakana ny amin’izay mety hiseho? Sa dia dony aho ranaotra rehefa kendan’ny natao ? Hivadika hôrera ny vahoaka rehefa leo ny fangejana lava sy ny fampitahorana tsy misy farany, tsy mahita izay ho haniny isan’andro, tsy milamin-tsaina noho ny tsy filaminana, leo ianjadian’ny loza voajanahary mahery vaika. Ny nambolena tsinona tsy naniry, ny nasosoka maty maso, ny kely teo an-tanana voasotasota. Tsy misy mafy tsy nianjera rehefa hivadihan’ny vahoaka e ! Ony RAMBELO
sam
03
avr
2010
Tonga nanao fitsidihana teto amintsika ny iraky ny fitondrana Frantsay, ary nihaona mivantana tamin’ny filohan’izao fanjakana tetezamita izao. Ireto olona tonga taty amintsika ireto dia olona manam-pahaizana mpikarakara ny zana-tany Frantsay hatramin’izay. Midika ve izany fa mbola raisin’ny frantsay ho toy ny zana-taniny ity Madagasikara ity?Tsy vaovao loatra ny zavatra nambaran’izy ireo fa dia ny famporisihina ireo ankolafy rehetra hanatanteraka ny fifidianana haingana sy ao anatin’ny fotoana fohy, ary hanjakan’ny fahatoniana, mba ho hankatoavin’izao tontolo izao. Fa tsy efa izany ve no nodradrain’ny rehetra hatramin’izao fa vaha-olana ho an’ity firenena ity e? Manana antoka sy adidy ary tsy azon’iza na iza lavina ,fa ny Frantsay dia ao ambadiky ny mety ho famahana ny olana ara-politika eto amintsika eto. Ny mpanao politika malagasy dia samy revo amin’ny fifanomezan-tsiny hatrany fa tsy mijery izay tena tetik’ireo firenena vahiny. Nahatsapa ny Frantsay fa voasongona ny fihazonany ny laharana voalohany amin’ny fiaraha-misa amin’i Madagasikara nandritra ny fitondrana teo aloha ,ka dia miezaka mafy izy ankehitriny haka izay toerana izay. Tsy afa-bela amin’ny maha-mpikambana azy ao anatin’ilay fivondronam-be Eropeana anefa izy ka tsy maintsy manaraka izay hevitra tinapak’io firaisam-be io? Matoa misy resaka toe-karena dia ny handrombaka izay mba fananantsika eto izany no masaka an-tsain’ireo vahiny ireo. Moa ary ve tsy hadalana sy azo hambara avy hatrany ho fahadisoana ny manaraka ny baikon’ny any ivelany? Izany no mahatonga ilay fifanavahana amin’ireo mpanao politika malagasy ka hahatsinjovana avy ety ivelany ety ,fa hery hafa mihitsy ankoatra ilay ambara matetika ho fitiavana ny tanindrazana, no mibaiko azy ireo. Frantsay aho frantsay! Mbola hifanena amin’ny mpaka kitay, satria mahery mandrapaka sahala amin’ny voay, latsaka ambany izay mamon-divay, avela hanao fa ho main’ny sakay. Adaladala ka tsy mety ho fay! Olon-dehibe efa mananika ny 50 taona ka mbola ho fehezina amin’ny nonon-dreny ihany. Amerikana aho amerikana! Mihevitra ny tenany ho zandarin’izao tontolo izao ka tsy mifidy kibay hivelesana ireo heveriny ho mpitrifana sy tsy laitra anarina. Avelao koa hanao fa mbola higika amin’ity fandraofana tsy hita fetra ataony…Malagasy aho Malagasy ! Tsy mahay maka lesona amin’ny tantara fa toy ny saribakoly. Aza maka fanapahan-kevitra iraisana ihany fa ho faty sy hiesona eto daholo vao ho tratra ny nenina tsy hay hotantaraina amin’ny taranaka fara mandimby. Ary rehefa tsy manana hatolotra dia mifandiniha fa lany ny paiso ao an-kady e!