mar
18
oct
2011
Hitondra an’i Madagasikara amin’ny fomba mahagaga iny olona iny, rehefa ho tanteraka ny tenin’ny faminaniana nolazaina taminy. Raha vao misy ny fiovana amin’ny fandehan’ny toe-draharaham-pirenena dia mahagaga tokoa fa ifanotofan’ny mpampahalala vaovao hanontaniana ny hevitr’iny olona iny. Izany toe-javatra izany dia toa manome lanja sy ahafahan’iny olona iny mivalampatra tsara amin’ny mety ho tohin’ny faminaniany. Ny zavatra rehetra misy sy iainan’ny firenena hatramin’izao, sy izay mbola ho avy, dia efa fantatr’iny olona iny mialoha daholo araka ny filazany, izay nomarihiny hatrany eo ampanazavan-dresaka fa samy hafa ny faminaniana sy ny famakafakana. Tena mipetrapetraka araka izay fomba filazany daholo ny zava-misy iainantsika eto. Misy ny milaza fa mahay mamaky tsara ny zotran’ny fiovana ara-politika tokoa iny olona iny. Ao koa anefa ny mpanatsatso no milaza fa mirediredy sy mpampihorohoro vahoaka fotsiny izy iny. Voatondro ho mpaminany sandoka, mpamitaka sy mpanao doka ho an’ny fikambanany fotsiny iny, hoy ny hafa. Hita taratra tokoa fa na eny an-dalana, na eny am-pivorivorinana rehetra eny dia mitodika any amin’iny olona iny hatrany resaka raha vao misy toe-javatra mifanakaiky amin’io taona 2013 io.
Dia ahoana tokoa izany no hahombiazan’iny olona iny rehefa
tena anjarany tokoa no hitantana ny firenena? Aleloia! Nahoana moa no tsy manaiky ny vaha-olana atolotr’iny olona iny ny mpitondra nifandimby? Sa iny olona iny mihitsy no tena tsy manaiky ny tena fisehoan-javatra marina ka te-hamilivily ny zavatra harosony mba hifanojo amin’ilay faminaniany ? Rehefa voasonia indray ny tondrozotra ho amin’ny fivoahana anaty krizy dia naneho ny heviny indray iny olona iny ka mbola nohamafisiny hatrany fa tsy maintsy sy tokony hatao izay hampanjary iny tondrozotra iny haka endrika manaraka ny lampanorenana farafaharatsiny. Efa hita miharihary izany izao fa mbola any amin’ny volana oktobra na novambra 2012 any vao hisy ny fifidianana eto amintsika raha toa tsy misy olana be sy fifandroritana firy ny fampiharana ny tondrozotran’ny sehatra iraisam-pirenena, hoy hatrany iny olona iny. Tsotra ny firesak’iny olona iny, raha nanazava, fa tsy manome tombony ho an’ny tolon’ny taona 2009 notarihin-dRajoelina velively iny tondrozotra
iny fa manome vahana sy tombony ho an’ny ankolafy telo mpanohitra azy hatrizay. Nanazava moa ny tenany fa tsy hanana ny tanjaka hoentina hiara-miasa amin’ireto ankolafy telo ireto mihitsy ny fahefana avon’ny tetezamita, noho izany dia efa tsinjon’iny olona iny fa tsy hanana ny tanjany hahafahana miampita marina amin’ny repoblika vaovao ny tetezamita nateraky ny tondrozotra. Raha izao olana mianjady amin’ny firenena izao no dinihina dia mbola ho ela vao ho tonga ilay taona hahatanterahan’ilay faminanian’iny olona iny. Ela loatra e! Maninona moa iny olona iny no tsy tonga dia maka andraikitra mba hamahana izao olan’ny firenena izao (na dia tsy ho amin’ny fanarahana ny faminaniana aza)? Tsy aleo ny asa mivantana no hatrehana toy izay manamboatra fotsiny ny lalana hizoran’ny faminaniana? Asa fa izay fanafody rehetra tokony hahasitrana dia tsy manam-pidiny intsony anie ny olom-pirenena e! Tsy andriny intsony ny hahatongavan’ny fiainambaovao sy ny filaminana. Sa tsy maintsy ho apokaliptika hatrany ny ho avy hiainanana eto, ry iny olona iny a? Mangidy koa anie raha mangidy ny manjo ny firenena e, koa nahoana moa raha tondroina avy hatrany izay tena sakana tsy hilaminana eto? Sa raha vao milamina sy mandeha araka ny tokony ho izy ny tetezamita (na ilay nifanarahana, na ilay mandeha ila, na hafa mihitsy) dia tsy mety ny apokalypsy 2013? Dieny izao dia ovao indray ny daty e!
Dadan’i Ranto.
ovaina ahoana indray y daty? nareo de mahita ho lazaina mihitsyyyyy
inona moa ilay mahatonga antsika tsy sahy manonona anaran'olona fa atao an'izay iny olony iny izay foana e? satria mantsy izao raha olona tsy eto antoerana ka mba te hanara-baovao dia tsy voatery mahafantatra avy hatrany hoe iza io olona resahana io.
Nga tsy azo tononina ny anaran'iny olona iny? sa misy olana ? raha ny fijeriko azy dia nanome vahaolana foana ilay olona resahinareo fa mazava ho azy fa lazaina fa mirediredy sy mpaminany sandoka! Dia rehefa tena hita ve marina ny zavatra arosony dia ilaza indray isika fa hoe tsy nandray andraikitra izy?
"rubrik" ao am 'gazety io, fa tsy hoe tsy tiana tononina ny anaran'olona. Zay mihitsy no style nitondran'ny mpamorona ny Basy vava azy.
aona moa efa nivadika 2013 ndray fa tsy 2012 tsony.sa zahay ve no diso fandre
avy eo dray 2014
Kafitera mahay môl re izany e
tsy mahagaga ahy iny olona iny ,fa iny olona iny no atao hoe paminany sandoka ,OLONA @ izay milaza koa hoe :rahefa manao rakitra ianareo dia ataovy billet fa manahirana ny mikaoty vola madinika ;sady tsy manaiky izy raha tsy mandoa ny apaha folo karenany ny panaraka azy iny olona lazinao iny noho tena fatsoralahy eto @ny firenena
Même si le pouvoir actuel qui dirige Madagascar a eu la reconnaissance de tel ou de tel pays, Madagascar ne se relèvera jamais de la pauvreté, de la persécution, du pillage, et de la décadence. Aucun
être humain, aucun pouvoir d'Andriana qui prône le "fiverenan'ny Fanjakana Andriana", ni un leader religieuse qui prédit qu'il sera "Président" en 2013 ne saura rétablir Madagascar si le peuple se
prosterne sur cette doctrine interdite (le christianisme). Il y aura un grand événement qui va venir, comme au temps de Moshé mais ce n'est ni la HAT, ni ces politiciens, ni le FFKM, FJKM, ni
MAILHOL, ni le Catholicisme qui nous rétablira pour qu enfin le peuple malagasy soit dans la paix, CECI EST SUR ET CERTAIN, ET CETTE PROPHETIE EST JUSTE ET SON ACCOMPLISSEMENT EST CERTAIN.
A lui seul, dont j’ignore le nom, j’adresse mes louanges et mes remerciements pour cette révélation, de m’avoir donner le discernement pour le secret d’Imanoal et la femme vierge. Il m’a fait
comprendre que la connaissance qu’Il donne évolue pour celui qui observe sa torah, qui marche selon la voie d'Abraham et qui trouve grâce devant Lui, il donne cela au moment qu’Il choisit.
« Plusieurs seront purifiés, blanchis et épurés ; les reshaim feront le mal et aucun des reshaim ne comprendra, mais ceux qui auront de l'intelligence comprendront. » Version hébraïque (Dan 12
:10)
"Il révèle sa parole à Jacob, Ses torah et ses ordonnances à Israal.
Il n'a pas agi de même pour toutes les nations, Et elles ne connaissent point ses ordonnances." Psaumes147 :19-20
A.D.R
tena MPANDAIGA INY OLONAINY
Pastera kou ou!!
ok!
