mar
26
jui
2011
Ny tsaho no matanjaka sa ny marina mihitsy no tsy tiana holazaina? Ny niaingan’ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita teto an-tanindrazana ho any ivelany any aloha dia efa nampametra-panontaniana. Niainga an-tsokosoko. Na dia anton-dia manokana aza manko tokony mba ho fantatry ny sarabambembahoaka ihany, indrindra fa ny mpandoa hetra. Fa inona no antony no tsy nambarambara taman-kavana? Nisy ny nilaza fa ho fitsimbinna ny fiainany manokana no antony. Saingy, misy ihany koa ny feo mandeha sy resaka an-tsoratra, any anaty gazety samihafa any, milaza antony hafa ihany.
Tsy salama ?
Anton’ny fahasalamana. Izay no voalaza. Fa dia naninona loatra? Noho ny tsy fahavitan’ny sonian’ilay tondrozotra (efa nasiam-panitsiana) angaha ! Mety koa noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana ara-politika angamba… Maro dia maro mantsy ny henjika isan-karazany, toy ny nahafaty ilay lehilahy mbola tanora voalaza fa saika hitifitra ny «cortège-ny» tamin’ny «flesy fingotra» angaha…
Naka aina
Io koa nisy nilaza fa anton’ny nialany ny tanindrazana mangingina. Naka aina ny filohan’ny Fat. Sao mavesatra loatra kosa àry ny asa napetraka eo an-tsorony, ny andraikitra «sarobidy» mety tsy ho zakany intsony? Izy rahateo mbola tanora ihany amin’ny asan’izany filohampanjakana izany, kanefa ny fingampingana maro endrika, tsy àry ho voatanisa, etsy andaniny. Niezaka izy, hoy izy, ny hanatanteraka ny fifidianana, na dia tsy vita sonia aza ny tondrozotra, vao ny rangopohy no ao (ilay tsy vita fanitsiana). Kanefa ny mpanenjika sy ny mpanao afera koa tsy miato amin’ny efa natomboka.
Niasa kosa e
Voaporofo kosa aloha fa nihaona tamin’ny filohan’ny OIF, Abdou Diouf, ny filohan’ny Fat, ka nahazoan’i Madagasikara fanampiana momba ny fikarakarana ny fifidanana tian-katao. Na izany aza, tsy nijanona ela, araka ny ambaran’ny gazety vahiny Madagascar Liberté, tamin’ny 23 jolay teo. Voalazany fa tamin’ny alahady 24 jolay teo no tokony nody i Andry Rajoelina, kanjo, asa na menatra satria tsy voaray tany Etazonia na antony hafa (indray), fa toa lasa any Maroc, hono. Dia niala sasatra tokoa ve?
Sady tsy tany no tsy tary
Ny fantatra aloha, araka ny vaovao avy amin’ny APF,dia tsy noraisin’i Etazonia mihitsy ny filohan’ny Fat, satria «mpanongam-panjakana». Ka raha mbola firenena amerikana koa, dia tsy afaka ny handray azy velively, satria tsy ankatoavi’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Toa hoe noraisiny ihany kosa aloha izy efa-mianaka (Rajoelina), fa ny mpiambina azy sy ny mpanara-dia no tsy nahazo fahazoan-dalana. Inona moa izany tsy naman’ny tsy noraisina ihany. Tao Frantsa koa aza, hono, loza no nanjo. Nahazo teny nahamay avy amin’ny chancelliere alemà ny filoha frantsay. «Tsy mendria ho an’i Frantsa mihitsy ny mandray olona fantatra fa niakatra teo amin’ny fitondrana tamin’ny fomba tsy dia ‘mendrika’ loatra koa» hoy Angela Merkel, nandritra ny fihaonan’ny Vondroan eropenaina mikasika ny fanampiana ara-bola azo atao amin’i Grèce. «Izy rahateo iharan’ny sazy iraisam-pirenena» hoy ihany ity ramatoa ity. Inona moa izany fa dia miandry ny fiverenany ny 30 jolay, hono hoe indray.
Raivobe
salama e!ny ahy indray ny fahitako azy de mety milefa ny fanadihadiana ataon'ireo CPI izy,na koa efa manomankomana ny fivahinianany any ho any rehefa rahatrizay aongan'ny vahoaka na ny miaramila indray.
ny nenina hoy aho tsy aloha hananatra fa aoriana handatsa sady aleo halan'andriana toy izay halam-bahoaka ary ihany koa ny ran'ny malagasy mananjiana ka efa mananontanina azy angaha ny fiverenan'ny nataony.
u[p
De avelao izy hijanona any ivelany any koa fa hifidy filoha vaovao amizay isika e!
Ko raha tsy ôtran'ilay 2kalahy taloha izy ko, lasa tany de nanjavona de le tôtô kely eto @ tanana mivovo be an! nanongana ve ny vahoaka sy ny miaramila tsy efa ela!!!aiza ary nareo zany!ny olona koa nge mahay mifandray @ zany olna resahana rehetra zany fa tsy ôtran-dry zala taloha mpanambany olna de barakay fôna de zao vao manenina tongotra aman-tanana e!zay marina le oe ny nenina tsy ao aloha hananatra fa ao aoriana handatsa e! ny aza voany iany e
Marina dia marina ny voalazanao ry
Marina ny voalazanao ry Za
Vive Andry Rajoelina!
io mpitondra iray io aloha dia misaina @ tsy hai intsony, fa za mpandoa hetra aloha mangina hatreto @ hetraketr izy ireo @ fandaniana ny volampanjakana anaovany ny revim bazaha, fa tsy hangina foana aloha e
