Nandia fotoan-tsarotra ny mpiasan’ny orinasa afaka haba ny taona 2009. Nitohy tamin’ny fisintahan’ny AGOA izany, ka saika nikatona daholo ireo trano fiasana maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Nanomboka teo, dia nandia fotoan-tsarotra ireo mpiasa, indrindra fa ireo manofa trano. Tsy misy ny asa, nefa ny hofan-tranon’olona tsy maintsy aloa. Be no nandeha nivaro-tena, ary nisy ihany koa ny niverina nody tany ambanivolo.
Fa maro tamin’ireo tompon-trano kosa no nanararaotra ny tsy fahampian’ireo mpiasa, ka nanambara fa manao firaisana ara-nofo aminy in-telo, dia afaka ny hofan-trano iray volana. Mananika ny telo alina anefa ny efitra kely iray toy ny fisoko hipetrahan’ireny mpiasa ireny, mba tsy hialan’ny vola be loatra amin’izy ireo isaky ny faran’ny volana. Raha ny heno teny amin’ny faritra Tanjombato, dia nisy no niaiky izany, saingy niteraka olana tamin’ny vadin’ny tompon-trano indray izany, ka nandainga rangahy fa tsy nahaloa hofan-trano io vehivavy io, ka roahy any. Teo no niteraka ny fifanalàna baraka, ka niafara tamin’ny fifampitoriana mihitsy, satria tsy nanaiky mora foana ilay mpiasan’ny zone voavetaveta. Mbola krizy hafa koa ny toy izao e?
Nanangona Balita
IZANYNO TENA TSY MATAHOTODY E!! Sady mpanararaotra ny tsyfahampiny NAMANA, MENDRIKA HO FAHAIZINA...
"Mpanararao-paty"."Ny fahorian'ny sasany no hafalian'nysasany":izay no azo ilazana ny olona manao io toetra sy fanararaotana tsy mendrika io ka tokony ho faizina faran'izay mafy indrindra...
aleo ande lay revy
Ary raha lehilahy ilay mpanofa trano!?Tsy hitako izay fahadisoan'ny tompo-trano amin'izany rehefa tsy mahaloa hofa-trano ianao dia na miala na tsy maintsy mandoa izany en nature
tokony samy handinitena daholo ireo olona miteny rehetra reo fa tsy fidiny hoi azy reo ko anie ny tsy manambola e, fa kosa misy olona mitady vola ami hofa-trano , samy olona lehibe ireo hainy ny
ataony
Zay le fiovana notadiavina teny @ 13 mai ka. niova marina tokoa.
fa in zan firaisan?
toerana fanaovana copie zany ry zandry e!sa mitady ny hafa noho izay koa nareo ?
