mar
26
jui
2011
Misy antenaina amin’izay sonia hataon’ny mpanao politika ve? Toa tsia avy hatrany no valiny, satria toa tsy matotra amin’izay rango-pohy na rango-dava nataony ireto mpanao politikanareo ireto. Akaiky ny hidirantsika amin’ny volana Aogositra izay hamaranana ilay tondrozotra avy amin’ny SADC, ary hamaranana ny krizy eto amintsika. Alohan’izany anefa, dia efa tsinjo, fa hiverina indray ny fandavana izay ho vita eo, toy ny tany Maputo sy Addis Abeba tamin’ny taona 2009 iny. Raha ireo fanehoankevitra ataon’ireo milomano ao anatin’ny fahafinaretana amin’izao tetezamita izao, toy ny filazana fa tsy mahazo mody Ravalomanana, sy ny fikasana hanao fifidianana samirery, dia mbola lavitry ny afo ny kitay!
Toa tsikaritr’ireto mpikambana maro amin’ny FAT ireto, fa tsy sahy mandray andraikitra amin’ny fampidirana tafika eto ny sehatra iraisam-pirenena, ka izay no hilalaovan’izy ireo ny aimpirenena toy izao. Ny vahoaka eto an-toerana etsy ankilany, efa lanaky ny fahantrana, ka variana mikaroka ny hohanina isan’andro, ka tsy maharaka izay tian’ny mpitondra hatao. Ankilany efa be ihany koa ireo nalefa nialokaloka any am-ponja, ho an’izay miana-kendry, ka aleon’ny olona miandry ny rariny. Ny mpanao politika izay efa tondroin’ny olona molotra, toa zarany aza miaina ao anatin’izao krizy izao, mba ahafahany mivelona sy manangona harena. Hany ka na ilay sonia ataony aza, toa tsy fantany ny dikany. Porofon’izany ny fandikana ireo efa nekeny tamin’ny sonia teo anatrehan’ny firenena maro eran-tany ireny Mbola mino ve ianao, fa hisy raharahara ho vanona eto amin’io volana Aogositra hanaovana ny famaranana ny tondrozotra io?
Imasomahita
miarahaba indray e!tena mba mahatonga saina ihany anie ireto misora-tena ho mpitondra antsika ireto rey olona e!ny sonia efa vita lavina,fa ny rango-pohy itompoana teny fantatra fa ankatoavin'ny
rehetra,aiza re no misy mpampianatra mahay mba afaka manazava amin'izy ireo ny maha samihafa ny rango-pohy sy ny sonia e,ary koa ny maha saro-pady izany sonia izany miohatra amin'ny rango-pohy?
asa izy ireo ve mba mijery ny tombontsoam-pirenena ihany sa imolotra fotsiny no ihirahiràna izany?
na ny filamatra aza najary nisy hoe fitiavana kanefa mba araka izany ve ny ataon'izy ireo?toa fankahalàna be fahatany fotsiny no handraràna ireo sesitany fa tsy de misy antony tena mari-pototra sy
mitombina loatra,raha misy tsy nety nataony,nahoana raha avela hody izy hifanatrika sy hifampiresaka?sa hoe rehefa nodisoan'ny fitsarana anjoanjo de efa diso foana izay?kely finoana ny ivoahana @ zao
krizy zao ny maro raha izay ny toe-tsaina hitondrana ny resaka.mahereza ry mpiray tanindrazana kanefa ny rariny aza enti-mihohoka e!
Na vita aza moa io sonia io, inona ny fiovana eo : "Les riches s'enrichissent, les pauvres s'appovrissent".
ka izay hoy aho anie ilay hoe tokony hanontaniana an'i Andry Rajoelina, izay mibodo ny fitondràna amin'izao, hoe : "hatraiza no tokony hianatra ny ankizy malagasy raha te hitondra ny firenena any
aoriana any? sa rehefa manam-bola izy na hatraiza na hatraiza fari-pahaizany dia tena afaka mitondra ny firenena?"
Te hanontany koa aho hoe: "afaka mandeha tsy misy ny ilany ve ny fahaizana sy ny fahendrena?" nefa amin'ny saina tsy miangatra mazava fa tsy misy hanany izany ka tsy ho voavaliny ny
fanontaniana.
Raha mba hitany izao hafatra izao dia tiako lazaina azy hoe: Ny taona fotsiny no mahasamihafa anao sy Ravalomanana fony izy teo amin'ny fitondrana. Samy tsy manana ny fahendrena sy ny fahaizana
hitondra firenena ianareo roa tonta ka tsy mahagaga izao toerana misy ny firenena sy ny vahoaka izao. Olona toa anareo no atao hoe "badolahy". Miampy tsiny iray ny an-dRajoelina satria tsy
olom-boafidy.
za koa dia aotran ny mihombotsaina @ireo olona sasany ihany ny hoe hivoaka @ny crise @izay isika.satria raha natao io sonia io dia tsimaintsy hisy ny fanovana ireo pitatana ao @ny tetezamita .ary eo de hisy indray ny ady seza .raha ny hevitro manokana dia izao :tonga dehiroso @ny fifidianana hifaneken ny rehetra .fa kosa raha hiditra rajoelina dia tokony miala @ny fitondrana .koa responsable de la transition no apetraka fa tsy mitondra titre prsd izy koa tsy maninona na tsy ravana aza ny gvrnmt fa tokony araha maso tsara ny fanomanana ny fifidianana
tena marina fa sady tsy mahazo teny anglisy sy teny frantsay ny panao politika eto amotsika . sa manao fanahinina andrebirebena ny malagasy fotsiny?raha tena tsy fahaizana deia asaovy manao cours de français sy anglais aloha vao midedaka hanao politika ahhhah!
