sam.

16

juil.

2011

Ry « Bekrizy »

Natsangana indray ny cellule de crise ao amin’ireny olona ireny fa tonga ny krizin-dry zareo. Dia mahagaga tokoa fa hay izany dia mbola tsy niantraika tamin’ireny olona ireny ny krizy Gasy raha tsy vao izao? Rehefa tratran’ny « aloka » ny akamany dia mitambatra toy ny vy izy rehetra ireny. Ny tena nahavaka ny saina dia ny filazan’iny olona mpitarika ny fivorian’ireto bekrizy ireto iny hoe: “Samy nifanendrinendry teto aby izahay rehetra ireto”, dia miara-mitehaka izy iray trano fa marina izany, ary nankasitrahany tokoa ilay tendritendry. Fa ny tena fototry ny resak’ireny olona ireny dia ny nahasamborana ny namany ka nanjary nampitombo isa indray ny mpanjifa ny vary tsy vidiana.

Nanangambovona amin’izay izy rehetra ka samy nilaza fa misy lalàna tokony hampiharina, misy dingana tsy maintsy lalovana ny momba ity fisamborana sy fanagadrana olom-boatendry ity. Tsy mety mihitsy ny fanaovana sambo-dokotra toy ireny fa manjary toy izao sy toy izao e! Tsy mety ny fanamparampahefana sy ny hakako bika tsy tiako tarehy e! Tsy rariny ny fanagadrana avy hatrany e! Tsy laitra nampanginina ny ngonongonona teo amin’ireny olona ireny fa dia ny tora-po no betsaka. Tsy miaro ny mpangalatra izahay, hoy ireny olona ireny raha nisy tokoa ny heloka, saingy ny namanay dia tokony ho nieràna taminay vao nosamborina sy nogadraina avy hatrany. Tena ao anaty fotoana mety hanaovan’ireny olona ireny ny fitakiany tokoa ve iny fisehoanjavatra ny? Tena tsy misy biloka tokony hahitsy tokoa ve izany resaka izany? Ny tena mahavoa sy mahalesoka amin’ny fihevitra avoakan’ireny olona ireny dia ny fiheveran-tena ho zavatra, ny fitompoana teny fantatra, ary indrindra ny fisainana ho manana ny marina hatrany eo amin’izay zavatra lazainy. Naninona kosa moa ireny olona ireny no tsy mba nanaitra ny sain’ny besinimaro, na koa ny mpitondra toa azy rehefa nisy voasambotra noho ny hevitra nolazainy teto? Nahoana no ninia nangina ireny olona ireny rehefa nisy ny nivazavaza ny tsy rariny tamin’ny fandrombana ny harem-pirenena? Nahoana no tsy nahitàna fanakianana nivoaka tamin’ireny olona ireny rehefa voagadra mandrapahafatiny hanao asa an-terivozona ilay olom-boafidy sady filoham-pirenena teto? Nahoana ireny olona ireny no tsy nahitan-teny na indraim-bava fotsiny aza raha migadra ihany koa ny miaramila mpanolo- tsainan’ny filohan’ny repoblika? Nahoana no tsy nasiana vidiny sy tsy nananganana cellule de crise ny fionganan’ny ben’ny tanàna marobe sy mpanolotsain’ny tanàna teto amintsika teto? Nahoana no tsy hafa tsy hita ho tanisaina. Fa tsy fanaovana vain-drahalahy tsy marary ve ny an’ireny olona ireny e! Ka rehefa ny toa azy no miteny dia voahangy raraka, fa rehefa ny an’ny hafa dia voatay miridana? Tena mivazavaza anaty krizy ry Bekrizy!

Dadan’i Ranto

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra