jeu.
14
juil.
2011
Ankasomparana, Izay no azo ilazana ity vehivavy monina any Antsapandrano, satria tao anatin’ny sivy taona, dia tsy tafavoaka tamn’ny fiainany ity vehivavy ity. Ny f ianarana tsy vita hatramin’ny farany, ny varotra izay mba natao, banky ropitra tanteraka, ary na ilay fofombadiny aza tsy hitany intsony hatramin’izao. Vato kiboribory araka ny fomba fiteny no nahazo azy. Ny tena olana, dia marary izy amin’izao fotoana, ary efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly. Fa ankoatr’izay, dia nitsabo tena nanamboatra ny vitany ihany koa izy, ka tapa-bolana teo ho eo izao no nivoaka zavatra toy ny atody tao amin’ny fitombenany.
Raha ny nambaran’ilay olona nitsabo azy izay malaza etsy 67ha, dia I Noelah izany fa nataon’ny olona akaiky azy izao mosavy izao, mba haha-vato kiboribory azy amin’ny fiainany. Roa andro nitsaboana azy no nivoahan’io zavatra toy ny atody io, ary ny tao anatin’ity atody hafahafa ity kosa, dia ravin-javatra toy ny bozaka may. Nalefa mitsabo tena any amin’ny dokotera izy avy eo, ary voalazan’ity mpitsabo ity, fa tao anatin’izay fotoana ela izay, dia nifangaro voraka tao amin’io olona io avokoa ny aretina sy ny mosavy. Ny tsara indrindra dia ny mitsabo tena mamerina ny ainy eny anivon’ny dokotera hoy izy, satria mila araha-maso akaiky ny fahasalamany. Ny fanamboarana vintana, dia tsy mila ody, fa vavaka dia mety amin’izany hoy ity nikarakara azy ity. Nisy izany izao ny vehivavy nanatody, fa mba rahoviana kosa no ho tanteraka ilay fiteny taloha hoe « saka manatody e » ?
Nisy feo reko mikasika an'io Noelah 67ha izany, koa aiza ho aiza 67 ha no misy azy zafady
eo akaikin'ilay kabouné vaky
