jeu.
14
juil.
2011
Tantara lavabe tsy hahitana ny ho fiafaràny no iainantsika eto amin’ny tanànan’ny Gasy. Miharitra ny mangidy hatrany aloha raha te-hahita ny mamy, araka ny ronono efa fanao an-tavy hatrizay ihany. Mifarimbona mitoto ny koba hatavy ny mpianakavy fa ehehehe tsy mbola mety ny atao satria ny ranon’ampango aza ity nanjary nisy voay. Nahodina ihany izay azo nahodina fa miha-miala tsikelikely eo ambony “pista” ny kil. Tsy afaka ny hanafatra mpikarakara vaovao avy any ivelany intsony satria efa mati-kambo amin’ilay “tsy mila an’izany ny aty e!”. Volabe sy fitaovana marobe no efa natao “rezerva” ao amin’ilay vaomera nomena ny fahaleovantena mba hikarakara ny fifidianana tena manara-penitra, tsy ahitana ny olakolana intsony eto amintsika eto, ka izany indrindra no tsy hanambatambazana an’ireny “vazaha” tsy haninotsihaninona ireny.
Aleo r’Ingahiroa ny Gasy mba hampiseho ny fahaizany amin’izay tiany hitondrana ny taniny a! Raha izany tokoa moa nefa haninona? Fa ny hatahorana dia ny fandatsana sy ny esoeso tsy maintsy ho lanjaina indray atsy ho atsy. Na ry totoa Krisy, na ny DJ ‘lain, na i Lebera ilay repoblikana, na ry tonton Zène, eny hatramin’i Dada Toandro dia samy nanovokovoka daholo fa misy raha tsy milamina mihitsy eto amin’ny tanàna. Ireo rehetra ireo dia anisan’ireo mpianakavy efa leom-boanana ka tsy hanaiky intsony ny “sakoroka party”, kanefa dia mahatsapa fa misy fifangaroana ny fisehoanjavatra eto amintsika ka mila halamina kely indray mandeha. Ny olana ho an’izy rehetra anefa dia samy manana ny maha-maika sy ny mampetipety azy kokoa eo amin’ny fomba nahazatra azy hatrizay. Tsy ny hevitra intsony no ampiadiana sy hikarohana ny vaha-olana ho antsika, na ho azy rehetra ireo fa samy te-hihiaka ny fihavanana daholo saingy matahotra sy mahana tamin’ny “lasany” ka tsy mahatokitoky namana intsony. Ny landy mohaka dia misavoritaka an-toerana fotsiny, ary amin’ny fotoana ilana azy indrindra vao tsapa fa hay tsy azo ampiasaina intsony. Nandritra ny 28 volana dia efa nodradradradraina teto fa vitan’izao tetezamitantsika izao ny hiampita ery an-dafin-drano ery. Hatramin’izao anefa dia samy mihaiky ny mpianakavy fa tsy tafita akory isika fa lany andro nihodikodina ampitoerana sy sanatria nandavaka lavaka ilevenana fotsiny. Ny mpitarika dia manondro miankavanana, ny taritina dia midongizina sy tsy mamindra akory fa ny vavabe no ataony an-kitapo. Mba azontsika an-tsaina ve ny dikan’ny hoe: tsy maintsy hatao ny fifidianana fa io no “METY” hahazoantsika ny fankatoavana iraisam-pirenena? Hay tena ilaintsika tokoa ilay faneken’ny vahiny izay rehetra atao eto? Noho izany indrinra dia hiandry ny faran’ny volana jolay(?) vao ho fantatra ny daty, ny karazan’ny fifidianan atao. Ohatra ny te-hiteny ve hoe: “rehefa mandray vola i Dada vao mahazo mieritreritra ny hividy vary sy laoka?”. I Dada anefa dia efa hitam-poko hitam-pirenena fa tsy an’asa fa mivelona amin’ny hataka lava izao. Hozan-dovian’olona no mba lelafina, halatra (tsindraindray) no hieboeboana. Toy ny lakolosin’I Mompera e! Izay tonga lany, izay tonga lany! Fomba manao ahoana loatra no mahatonga ny mpanenona hampiasa landy efa mohaka? Iza no hahatsapa (sy hino) fa hahavaha ny olana tokoa ao anatin’ny fotoana vitsy ny mpihazona ny fahefana? Toy ny vao omaly ve ny roa taona sy tapany? Eo amin’ny tokonan’ny fikorontanana indray isika raha mbola miadaladala tsy hihaino ireo “kivy ampitoerana”. Tsy misy idiran’ny hevitry ny mpanagedraka mihitsy ny toy izany fa lalana efa nosafidiana ny hitady ny “tsy misy”. Hadinontsika ny rediredy fa rehefa manana lalampanorenana ny Gasy dia mivaha ny olana? Rehefa mitsangana ny andri-pitondrana toy izao sy izao dia mandeha io? Rehefa voarangotra ity taratasy ity dia vita kabary? Izao indray dia averimberina fa rehefa vita ny fifidianana dia azo ny fankatoavana. Dia rahoviana vao ho tonga amin’ilay hoe: “tena tsy vita intsony ity, fa ampio katsaka dada a!”
Ony RAMBELO