jeu.

14

juil.

2011

Filan-kevi-pilaminan’ny Vondrona Afrikana: Ilay tany Sandton ihany no fantany

Namoaka ny fehi-kevitra, na koa tatitry ny fivoriana farany natao tao Addis-Abeba ny filan-kevi-pilaminan’ny Vondrona Afrikana, ary tamin’izany no nanambarany fa tsy manao ambany maso tsy hita ny raharahan’I Madagasikara ny Vondrona Afrikana, ary dia mamporisika indrindra ny sehatra iraisampirenena iray manontolo ity CPS ity mba hijery ampitoniana ny raharahantsika, ary handinika akaiky kokoa ny ilay tondrozotra nasiampanitsiana tany Sandon ny 11 jona 2011 teo. Nanamarika ny filankevi-pilaminan’ny Vondrona Afrikana fa efa nisy ny fivoriana momba ny raharahan’I Madagasikara ny 30 jona 2011, tany an-drenivohitr’I Guinée, ka tamin’izany no nanoritsoritana fa samy hafa ny tolo-kevitra sy ny hoe fanampahan-kevitra. Samy manana ny dingana, na koa ny tanjona tamin’izao famahanay krizin’ny Malagasy izao ny fanelanelanan’ny SADC, ny an’ny Troïka, ny fivoriana an-tampony, ary ny an’ny filan-kevi-pilaminana. Samy hafa, kanefa ny tanjona dia ny hahazoana miaina ao anatin’ny fitoniana ara-politika, hirosoana any amin’ny fiifdianana sy ny lamina araky ny lalampanorenana

Ny CPS dia mpanatanteraka sy mpitady ny fomba rehetra hampiharana ny fehi-kevitry ny fivorian’ireo filoham-pirenena ao amin’ny vondrona SADC (izay nomena andraikitra hamaha ny olana). Mila ny fanampian’ny sehatra iraisam-pirenena iray manontolo izany ny CPS amin’io andraikiny io, ka mahatonga indray ny GIC ho tsy maintsy handray ihany koa ny andraikitra tokony ho azy. Raha adika tsotsotra ny resaka dia vita tokoa ny fanelanelanana ary tsy misy dinika tokony hatao intsony, fa ny hirosoana ny fampanjariana hevitry ny filoham-pirenena nivory tany Sandton, izay lalana(tsy maintsy) izoran’ity CPS ity, ary mila ny hevitry ny GIC sy ny sehatra iraisam-pirenena izy amin’izany. Tampina tanteraka ny daomy ho an’ny fanelanelana (Chissano, Simao, Salomao), ary tonga eto an-tampon’ny tian-kano tsy tian-kano ny mpanao politikantsika (na ny mpihazona ny fahefana, na ny sesin-tany, na ny voafidy, na ny notendrena) Rehefa tsy ny hevitra tany Sandton no hampiharin’izy rehetra ireo dia mety ho tonga hatrany amin’ny fampiasana hery ara-tafika (sanatria) ny raharahantsika. Ho tonga eto ny demokrasian’ny zera baomba, tsy maintsy hiainantsika ny an-kivy ara-toekarena, tsy hisy hijery akory ny fifidianana kasaintsika atao. Dia iza no haniry ny hahatongavan’izany?

Ony RAMBELO

 

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    mampihomehy ny gasy (jeudi, 21 juillet 2011 07:54)

    Ny Malagasy tsy manao ady an-trano toy ny any Afrika, tsy hitako ny ilana izany CPS zany, nitolona ny gasy tam 2009, hiala am fangejana isankarazany, tontonsa izany ankehitriny na dia mijaly aza. ts mapaninona ny gasy ny mijaly reefa ts voageja ara-tsaina hoatran'ny tam RA8 izy, velona foana isika hatram 2 taona izao na tsy nis reconnaissance izany aza, koa inona ny hitomaniana amin'izay CPS sy afrikanina izany, fa manin raha tohizana am fifidianana dia samy vita

  • #2

    bakoly (dimanche, 22 janvier 2012 17:54)

    eny hoa marina izany e!¨!!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra