jeu.
14
juil.
2011
Manao firaisana ara-nofo. Samy mahay an’izany daholo angamba ny mpivady rehetra. Saingy misy ireo velompanontaniana hoe inona no tena tsara ary rehefa manao ahoana ny olona no antsoina hoe tena mahay miangaly io zavatra iray loha io ? Mety ho samy manana ny tsarany ihany koa anefa ny momba izay. Ho an’ny manam-pahaizana dia voalaza fa ny olona mahay mitondra ny vadiny ho any amin’ny tena fankafizana sy fahazoana fahafinaretana faratampony no lazaina hoe tena mahay
. Any amin’ny tontolo tsy misy hamenarana, tsy voatery ho be mpahalala ary tena mifono fahasahiana lalina. Tsy misy ifandraisany amin’ny fahaizana mifehy ny teknika sy ny fombafombany ny tena fahaizana miray aranofo. Ny fifampikasohan’ny vatana roa izay mitselatra entanin’ny fitiavana sy ny filana no tena zava-dehibe. Mety ho olona mahay manao firaisana ara-nofo ny olona iray nefa tsy dia havanana loatra amin’ny fampiharana ireo teknika isan-karazany mifandraika amin’izany. Ny fahaizana mampita ny filana eo amin’ny lahy sy ny vavy no lakileny, izany hoe miezaka mampiseho amin’ilay ankilany fa toy ireny manao firaisana ara-nofo voalohany ireny ianareo roa. Ny vatana no ampitenenina fa tsy dia mila mieritreritra be loatra ny sento sy ny toloko ary ny fisefosefoana isan-tsokajiny. Endrika ivelany ihany fotsiny ireny, araka ny filazan’ny mpikaroka ihany. Ny olona iray mahafantatra ny tiany atao, ny tanjona tiany ahatongavana ary vonona hanome fahafinaretana ho an’ny vadiny no antsoina hoe olona mahay manao firaisana ara-nofo. Sori-dalana ihany ireo natolotra ireo fa dia anareo roa sisa no manohy ny tohiny.