mar.
12
juil.
2011
Ahoana no ahafantarana amin’ny fihetsiny fa tia anao ilay vehivavy rehefa mihaona ianareo, ary dia afaka hiresaka aminy tsy amin’ahiahy ianao? Voalazan’ingahy Joseph Messinger, psychologue, fa hoe «jerena fotsiny ny fihetsiky ny tanany, ny ranjony, ny lohaliny na ny molony dia ho fantatrao izany, satria na dia tsy fanahy iniany aza dia maneho avy hatrany ny fihetseham-pony ny fihetsik’ireo rantsam-batana sy faritra eo amin’ny vehivavy ireo. Mety ho fihetsika mandeha ho azy ilay izy kanefa mifono zava-dalina tsy voatana fa mivoaka ho azy ka ahazoana mamantatra ny fihetseham-pon’ny vehivavy o amin’ny fitiavana...
Manaiki-molotra
Raha manaikitra ny molony ambony, ny vehivavy, hoy ity manam-pahaizana ity, dia midika fa misy zavatra manahiran-tsaina na mampalahelo azy ka mahavery hevitra azy mihitsy. Raha ny molony ambany kosa no kaikeriny dia vehivavy maniry ho tiavina, satria fomba anehoany ny fitiavany ilay lehilahy izany, indrindra raha miahiahy izy fa mety tsy ho tian’ilay lehilahy nifanao fotoana taminy. Raha mametraka ny rantsan-tanany iray eo amin’ny molony indray ilay vehivavy, na koa manampim-bava amin’ireo rantsantanany mihitsy, dia midika ho tsy famelany an’ilay lehilahy hiresaka fitiavana aminy izany. Tsy tokony hotohizana intsony noho izany ny resaka.
Ny lohalika
Mahalaza zavatra betsaka koa ny fihetsiky ny lohaliky ny vehivavy rehefa mipetraka izy amin’ny fotoana ihaonany amin’ny lehilahy tiany. Azo andrefesana ny fahavononany hiaraka amin-dralehilahy izany. Raha somary miforitra ary mihemotra kely any ambany seza ny tongony, dia mazava ho azy fa tsy mitehatany ny faladiany sy ny voditongony ary mikainkona kely koa amin’izay fotoana izay ireo rantsan-tongony. Mitovy amin’ireny mpihazakazaka maka bahana hiainga ireny izy amin’izay fotoana izay, ka mbola miandry fiaingana. Mbola tsy vonona tsara izy noho izany, ary sarotsarotra ny hamaky lay ny resaka fitiavana aminy. Raha mipetraka tsara kosa ny faladiany ary miroso eo aloha ny ranjony dia midika fahavonona avy hatrany izany. Raha ampifanindriany moa ny feny na mihetsiketsika matetika manovaova izany fifanindrian’ny feny izany izy, dia izay no maneho fa miandry ny fotoana iantsampazany eny an-tratran-dralehilahy avy hatrany izy, indrindra fa rehefa lasa lavidavitra kokoa ny resaka nifanaovana.