mar.
12
juil.
2011
Tsy mampino, simba ny zaza malagasy ! Mbola zaza raha izay no hilazana ireto ankizy manao andiany eo amin’ny telo na efatra eo izay mitady lehilahy be vola, na vazaha, mba hanaovany rendrarendra. Raha ny heno, dia mpianatra amin’ny sekoly sy miankina goavana eto an-drenivohitra izy ireo, ary eo amin’ny fito vavy eo ho eo. Miaraka andiany telo, ny iray, ary efatra kosa ny faha-roa. Ny zokiny indrindra amin’ireo, dia eo amin’ny 15 taona, ary tombanana ho 13 taona kosa ny zandriny indrindra. Mbola «dôr» ny entana, ka tsy mandeha raha tsy vola be hoy ity lehibe indrindra amin’izy ireo, izay miaraka amin’ny bex sy masikita, ary zipo fohy kely hatreny ampoto-pe. Ny nono amin’izay aderadera kely ery amin’izato akanjo ambony foitra, ary tsy mahatsiaro ho mangatsiaka an. Ny finday amin’io, tsy mitsahatra ny tsy maneno, ary misy vehivavy efa tokony ho 18 taona kosa, no mitazona ny kitapo sy ny akanjon’izy ireo. Izay fiara milay mandalo, avy hatrany dia hidiran’izy ireo, ary manetroka tanteraka ny setron-tsigara. Tsy mijanona mandra-maraina kosa ireto nkizy ireto, fa amin’ny 11 ora alina dia efa samy mamonjy fodiana avokoa.
Nanaitra ny mpivaro-tena teny an-toerana ny fahitana azy ireo, satria mety hanimba fihinanana ho an’iretsy efa galy fantsy ny fahitana ireto andiany vaovao ireto ny zoma alina lasa teo, ka nisy mihitsy no nila vaniny tamin’izy ireo, mba hialany teny an-toerana. Ny lehilahy efa mamomamo koa etsy ankilany, dia nanararaotra nanafosafo ireto ankizy tsy mahalala ny hanjo azy ireto. Raha ny fantatra dia dimy alina ariary hono no miaraka indray mandeha, ary tsy matory hono izy ireo, fa mbola bedin’ny ray amandreniny. Raha ny fahitana azy, dia mbola misy fitaovam-pianarana toy ny kahie sy stylo tany amin’ny sasany tamin’izy ireo. Nitangorona avy hatrany ny lehilahy nahita azy ireto manoloana ny trano fandihizana malaza iray, saingy izay jeren’izy ireo, fa tsy dia mahavita ny reviny, dia nahiliny avy hatrany.
Voafitaka ny ray man-dreny
Tao anat in’ny hamamoan’izy ireo no nahalalàna, fa nilaza any an-tokan-tranondray aman-dreniny izy ireo fa hamonjy fetin’ny mpiaramianatra aminy. Indrisy anefa fa lalan-kafa no nizorany, ary may ny hahazo vola haingana, ka ny fivarotan-tena no lalana nizorany. Raha ny tomban’ny maro, dia mety efa ho fanaon’izy ireo ny toy izao, satria dia misy lehilahy manana fiara maro efa mahafantatra ny sasany amin’izy ireo. Voafitaka tanteraka ny ray aman-dreny, ary tsapa fa rendrarendra no tena mahaliana ny ankizy amin’izao. Ny fitafian’izy ireo efa raitra raha ny hita tamin’io fotoana io, ary azo ambara fa zanak’olona manan-katao, saingy ny ankizy ankehitrio mihitsy no tia handrankandrana e. Sa izay no heverin’ny sasany fa ahafaka ny ala-sakany ? Tandremo ihany fa ny nenina anie handatsa ao afara e.
Imasomahita
Avelao hanao dia mahita!...
mbola tsy sendra ny afrikann's izy fa refa sendra tsy tia mvoka alina intsony e...
Ka izao eh,aza miditra ny fiainan'ny olona ny zanakao atao izay mahatonga lafatra azy
d rovina ndray ry zareo o mvoka zao
rehefa tia manao moa izy , inona no olana
