mar.
12
juil.
2011
Tsy azo hiodivirana ny hisian’ny referandaoma eto, hoy i Pasitera Mailhol. Ny antony, dia ny tondrozotra izay ho atao sonia eo, dia tsy maintsy hampidirina ao anaty lalampanorenana, ary io no mamoaka didy hitsivolana mba hampanan-kery izay tondrozotra izany. Tafahitsoka lalina ny mpitondra ankehitriny, satria na ny daty hanaovana ny fifidianana aza tsy sahy faritany intsony. Eo ampelan-tanan’ny sehatra iraisam-pirenena tanteraka ny ho avin’i Madagasikara, ary izy ireo no mametraka izay lalankizorantsika. Na manambara aza i Andry Rajoelina fa tsy mitamby fankatoavana, dia sahy mandray andraikitra amin’izay tanjona heveriny hatao, satria roa taona mahery ato afara, mbola mitady lalan-kivoahana amin’ny krizy hatrany.
Raha ny faminanian’ity Pasitera ity, dia tsy ho lany intsony izay filoha nitondra teo aloha, ka mikasa mbola hilatsaka. Noho izany, dia inona no hanakana andRavalomanana tsy hody eto. Miankina amintsika ny hampikorontana na tsia ny fiverenany. Raha hody an-tanindrazana ny filoha Ravalomanana, ka tsy mis y miaramila manakorontana ireo mpomba ity filoha teo aloha ity, dia hilamina ny tany. Raha mifanohitra amin’izay kosa, dia tafalatsaka ao anatin’ny ady an-trano isika. Tsarovy hoy izy ny nodian’ny filoha Ratsiraka tamin’ny taona 1996, fa tsy nisy nanakorontana ny hery velona, dia tsy nisy ady antrano teto. Raha mikasika ity referandaoma ity, dia tokony ho vitaina amin’ity taona ity io, ary io no hametraka ny lalana amin’izay fifidianana rehetra hatao eto, mba hifaranan’izao krizy izao.
Pilo kely
Grave ity krizy ity!
marina loatra ny voalazanao ra pasy.
ianao izao no sisa antenaina mba hamaha ity olana be amin'ity firenena ity, satria ny olona manampinoana toa anao no mba azo handraindraina amin'izany.
