mar.

12

juil.

2011

Matahotra SMS ?

Hafatra fohy fandefa an-telefonina no nahakoditra an’iny olona iny, ka nahatonga ny tenany sy ny mpitandro ny filaminna eo ambany fiadidiny handray andrikitra avy hatrany. Izany fanadihadiana nataon’izy ireo izany dia nahatonga ny olona roa voakasikasika ho tsy maintsy mialokaloka eny Ambaniatsinanana. Tena tsy mifaditrovana sy tsy matahotra an’Anandriamanitra mihitsy ireny olona “kidaladala” mampitahotra an-telefaona ireny, ary rariny dia rariny ny an’iny olona iny raha mailo avy hatrany ny tenany fa aina ity hoy Rainimanonja. Fa mino tokoa ve isika fa ny olona miafina any ambadik’ireny antso tsy miseho sy ireny hafatra “mampihorohoro” ireny dia tena olona matanjaka sy sahy no mpamolavola azy?

Raha olona tena hahavita hamono hahafaty ve dia handany andro hilaza mialoha sy hanao fandrebirebena? Iny olona iny indray ve no hatoro voanjo hadiana ka tsy hahalala ny loza (sanatria) mety hanjo azy? Fa ny manahirana amin’ny toe-draharaha toy itony dia ny manjo ny olom-pirenena tsy mba manana mpiaro sy tsy manana fahefana, na koa tsy hanambola sy fotoana hitsingolohana ny antso sy ny SMS mampivarahontsana saika isan’andro vaky. Tsy efa ren’iny olona iny ve fa nisy nisara-bady mihitsy noho io SMS tsy hita fototra io? Tsy mbola fantany fa maro ny mpanao gazety mizaka ny tsy eran’ny aina isaky ny vodirindrina rehefa mahazo fandrahonana amin’ny alalan’ireny finday ireny? Tsy mbola reny siosio ve fa hain’ny mpandroba sy ny mpanao an-keriny amin’ny antsipirihiny ny manaraka ny “hazany” noho io telefaona io ihany? Angaha moa manavao antsika ireny fanakanana any amin’ny lalampirenena ireny? Tsy noho ny finday no tena mampiroborobo an’ireny? Iza no tsy efa niaina tanaty fangirifiriana noho ny fangatahana volabe tamin’ny alalan’ireny hafatra antelefaona ireny? Efa samy nahita ny mafaitra tamin’izany daholo na kely na lehibe teto amintsika teto e! Efa samy nikaikaika noho ny “gaboraraka” amin’ity loza ateraky ny fivarotana “puce” ity daholo ny rehetra saingy afaka ny handoa-danitra ho aiza moa? Iza anefa izao no tompomarika amin’ny tokony hifehezana an’ireny? Moa tsy ny fanjakana amin’ny alalan’ny fampiharana ilay “code de la communication” (tena izy)? Satria efa mihorohoro ny «laibany» dia tsy maintsy henjehina amin’izay ny mpanararaotra ny goragora anao teto? Ny mpanao ratsy dia tsy maintsy manararaotra ny hirika faran’izay bitika indrindra amin’ny antandrevaka ataon’ny tompom-pahefana ; ary azo antoka fa tsy manavao an’ily olona iny izany e ! Baomba mbola tsy mpoaka aza anie efa hitan’izy iny e ! Finday «foza orana» sy puce vidiana ariary zato dia milamina ny «afera», ka asakasak’iny olona iny raha mbola hatahotra an’izay mpampihorohoro kely endaka any ny tenany. Aoka ho fantatr’iny olona iny sy ny tompon’andraikitra maro eto amintsika eto, fa ny antony lehibe tsy mampahomby ny politikan’ny fandriampahalemana eto amitsika eto, dia ity «tetika an-dalana» sy «lasa ny alika vao manangom-bato» ity. Ny fitaovana ampiasaintsika hiarovana ny vahoaka sy ny fananany mihitsy no tsy mifanentana amin’ny tokony ho izy e ! Raha handrava fihetsiketsehana dia donainana amin’ny baomba lakrimazena sy hampitahorina basy ny mpihetsiketsika. Fa raha hanenjika dahalo mitaingina 4X4 any amin’ny dezaka any dia bisikileta no hampiasan’ny mpitandro ny filaminana. Koa iza marina moa r’iny olona iny no tokony hatokisan’ny “vahoaka“ amin’izany? Ianareo rehetra aza ity matahotra sy mihorohoro amin’ny SMS (Soratra Mampitahotra Sefo), ka inona no ataon’ny badrahodra? Hamafiso hatrany ho’aho ny hiditrano fa sao mahita loza! Dia aza mampiasa finday intsony dia milamina ny saina. Sa ts’izany r’iny olona iny?

Dadan’i Ranto

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra