mar.
12
juil.
2011
Namory sy nandrahatra ny fijeriny ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny, teo anolohan’ny mpanao gazety, teny amin’ny foiben-toeran’ny Tiako i Madagasikara teny Ampandrana ny ankolafy Ravalomanana omaly alatsinainy 11 Jolay 2011. Nambara tamin’izany fa mbola mafy sy vita fato-maty ny tolona iaraha-manana eo amin’ny ankolafy telo, izay hifandrombonana amin’ireo roa hafa dia ny mpanaradia ny Amiraly Ratsiraka sy ny Profesora Zafy. Tetika sy fitsarana miendrika politika tanteraka ny eto amintsika, ka tsy misy antony mazava akory namerenana indray ity fitsarana ny fifamonoana teny Ambohitsorohitra tamin’ny 7 febroary 2009 ity. Noho izany indrindra dia kianin’ny ankolafy Ravalomanana ny tsy famelàna ny fandinihina ny fijoroan’ireo vavolombelona tamin’iny raharaha iny, ary indrindra ny maha-tsy azo antoka intsony ny fitsarana eto amintsika noho ny fitongilanana. Ny fitsarana toy ireny dia natao hanapempoana fotsiny ireo mpomba an-dRavalomamana, sy hisakanana amin’ny fomba rehetra tsy hodiany eto an-tanindrazana.
Toy izany koa ny mahakasika ny fikasan’ny mpihazona ny fahefana ankehitriny ny amin’ny hirosoana hatrany amin’ny fifidianana kanefa tsy lavorary akory ny faran’izay bitika indrindra ho amin’ny fanatontosana izany. Nanamafy moa Manandafy RAKOTONIRINA, fa tsara kokoa ny hisian’ny fanelanelanana ataon’ny FFKM miampy ny firaisamonim-pirenena toy ny CNOSC mba hampandroso hatrany ny fototra tena demokratika sy hisorohana ny savoritaka tsy hifankahitana noho ity fifidianana teren-ko masaka ity. Nahitsy dia nahitsy no nanazavan’ny mpandrahatra Ravatomanga Rolland, fa rava ilay tondrozotra notohanan’ny Dr Simao sy Salomao satria tsy manaja akory ny fototra nandrafetana ilay fehi-kevitry ny fivorian’ny filoham-panjakana tany Sandton ny 11 sy 12 jona farany teo. Mbola handrasana noho izany, araka ny fanazavany ihany, ny fanampahan-kevitry ny filankevim-pilaminan’ny firaisambe Afrikana izay hivory ny 14 jolay 2011 izao.
Ony RAMBELO