sam.

09

juil.

2011

Mpanao mazia nitelina bibilava : Tsy tafavoaka tao an-kibony

Taitra ny maro nahita ireto mpanao hakingan-tanana tetsy anoloan’ny Gara Soarano ny talata atoandro teo, satria nitelina bibilava ity tovolahy iray, saingy tsy tafavoaka tao an-kibony. Nihiaka nandoa ny anao lahy, saingy niholakolaka teo, ka nifamonjen’ny mpitazana. Tsy nandaitra. Izay sisa farateniny, ary safotra teo izy. Ireo namany kosa niezaka nisokitra ny tao anaty tendany, ka afaka folo minitra vao nivoaka tao an-kibony ilay biby. Teratsemboka ny anao lahy avy eo, ary nangorona ny entankeliny, ka henatr’olona no nisarahana. Fa fitadiavam-bola fanaon’ireto mpanao hakingan-tanana ireto io asa io, ary ny afo sy ny filalaovana irony bibilava tsy dia lehibe loatra irony no tena ataony. Asa na misy hery miafina fanampiny io, na tsia fa dia io tsy tafavoaka io ny biby izay nateliny. Inona ihany koa no dikan’ilay teny hoe tsy nandaitra ? Asa fa ny azo ambara dia mazia namoan-tsampona ity tranga iray ity.

Raleva zokiny

 

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    JJay (jeudi, 29 septembre 2011 11:08)

    Asan'ny maizina ngamba !? kendan'ny bibilava nasesiky ny tanany zany izy kou,lol

  • #2

    Fanou (mardi, 17 avril 2012 13:07)

    Ny aza voany eh!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra