sam.
09
juil.
2011
Io fa mikitrakitrana irery ny vy! Io fa tsy hita intsony ny tetika hanariana dia ny “mpitolona”. Io ihany koa fa te-hibetroka sy hanangam-bovona kanefa matahotra ny vavan’ny akama sy ny mpiara-dia. Dia avela hikatso eto izany ny tantara? Avela hitokona eo izay te-hitokona? Misy ireo manantena tsy ho tratry ny aloka ka tratran’ny alok’akoho no niafaràny. Tsy nahita, ary mbola tsy mahita vaha-olana ara-politika isika kanefa tonga ihany koa ity ny korontana ara-toe-karena tsy azo nafenina intsony. Moa tsy vao omaly no naverimberina ho “rongony” maha-rendremana antsika mianakavy fa mandeha sy tsy azonkorontana ny fitantanan-draharaham-panjakana eto. Iza no tsy nieboebo teto fa manana tanjaka ny mpihazona fahefana fa voaloany antsakany sy andavany ny karaman’ny mpiasam-panjakana, vitany ny mandrava sy mamaha ny olana teo amin’ireo mpitokona rehetra tetsy sy teroa, vitany ny nisakana ny fihetsiketsehana sy ny fitakiana lavareny?
Nalaminy daholo na ny tany an-dakazery, na ny tany amin’ny mpianatra sy ny mpampianatra, na ny mpitsabo, na ny mpitsara, na ny sehatra iraisam-pirenena aza anie dia efa nitehafana fa manaiky antsika e! Fa na tiana aza ny hirifatra sy hiazakazaka tsy hay tohaina dia manahirana ny mamindra rehefa tafiditry ny vatokely ny kiraro nanaovana. Sahirana, tsy afa-mamindra araka ny tokony ho izy, mandringa sy mikonaina, ary dia hijanona tanteraka amin’izay, ka na hisafidy ny hanala “ilay vatokely”, na hikiribiby dia ho vaofy sy hivoa-drà ny tongotra. Tsy maintsy hitafy henatra sy ho tratran’ny akoralava na dia hanamboatra saina ho mafy aza. Fa mety hampipoitra ilay “kinaoly” tsy sahy miseho masoandro tokoa ve ny fitokonan’ireo mpiasan’ny fadin-tseranana ankehitriny? Io no anisan’ny loza mitatatao amin’ny firenena ankoatra ny raharaha efa any ampelatanan’ny sehatra iraisam-pirenena mpibaiko antsika hatramin’izao. Tsy misy na tompon’andraikitra iray aza amin’izao fahefana mitondra antsika izao ka hanana fahasahiana hilaza ny marina mahakasika ilay (ireo) tompo-marika amin’ity fanondranana ny harem-pirenena ity. Ny tahotra sy ny fanompoana ilay kinaoly no tena sakana fa tsy ny tombotsoam-bahoaka. Fankamasinana zava-tsy hita fototra no natao teto, fireherehana diso fipetraka. Hamingana sy hampitsahatra ny setrasetran’i Goliata ny vatokely manelingelina azy, tsy maintsy hiseho avy any amin’ny zohy fiereny any ny kinaoly tsy manan-tsaina afa-tsy rangotra, tsy maintsy hivondrona ihany ireo tsy mataho-maso mena ka hametraka ny “paika” tsy hahafaty azy mialoha ny fihinanam-bela. Ny ahiana mafy dia mety ho any amin’ny tsy mivonto indray no hanaintaina, satria samy mafy loha amin’ny heviny, samy manana ny marina ho azy. Raha mikatso tanteraka ny asan’ny fadin-tseranana eto amintsika (sanatria) dia hanao randra-tarika any amin’ny fikatsona eo amin’ny fampihodinana ny fiainana an-davanandron’ny mponina, hitombo indray ny fikatonan’ny orinasa, sy ny olana ara-tsosialy marobe. Mbola betsaka ny olana hosedraina mikasika ny zava-miafin’ny tantara (ara-politika, ara-toekarena) maro nifandimby sy niainana teto, saingy ny kinaoly (ilay patron miafin’endrika) dia tsy ho azo ifampiraharahana noho ny fisainany be fanahiana amin’ireo mpifanerasera aminy. Ireo fatra-panaja ihany no mivono-ko fahavalo rehefa ho tonga ny tsotsori-mamba isarahana. Ny fatra-mpanompo ihany no ho lasa mpianady mahery tsy azo resena; Koa na iza na iza mbola mahita ny mangirana amin’izao fikatsoana eto amin’ny firenena izao dia tsy omen-tsiny, tsy omem-pondro fa tsy maintsy hahazo ny tsodranon’ny olompirenena efa vizan’ny lazon’ady. Voatondro iray sisa no manasaraka antsika amin’ny ady saritaka. Koa mbola tsy manana ny hery ho enti-miarina ihany ve ny olompirenena hatramin’izao?
(*)karazan’olona ihany saingy matahotra ho hitam-bahoaka, mena ny masony, lava be ny hohony, ary fangalarana.
Ony RAMBELO