sam.
09
juil.
2011
Tamin’ireo voka-pikarohana samihafa efa nivoaka tany ivelany tany no nahafantarana fa mahatanora sy mety hahaela velona ny manao firaisana ara-nofo, no sady ahazoana misoroka karazan’aretina maro, toy ny aretina vokatry ny fahatapahan’ny lalan-drà (maladies cardiovasculaires) sy ny homamiadana. Tsy ny hiteraka ihany na ny hitady fahafinaretana sy haka tsirony fotsiny ihany noho izany no tanjona rehefa miray ara-nofo fa ahazoana mitaiza vatana sy mikoja ny fahasalamana ihany koa izy.
Voamarin’ny fikarohana maro
Eo amin’ny lafiny fitsaboana, ankoatry ny fitandremana sy ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana, dia voamarin’ilay mpikaroka, Atoa David Weeks, fa raha manao firaisana ara-nofo intelo isan-kerinandro, amin’ny fotoana tsy miovaova dia hihatanora 10 taona. Ireo fikarohana rehetra nataon’ny Dr Frédéric Saldmann koa dia nitondra fanazavana marimpototra kokoa momba ny fiainana ara-pananahana sy izay tombon-tsoa azo avy amin’ny firaisana ara-nofo. Voalazan’ity mpitsabo ity, fa ilay tsiranoka antsoina hoe «ocytocine» mitosaka any anatin’ny fivaviana, rehefa hetsaka sy mangorintsina anaty iny ny vehivavy eo am-panaovana firaisana ara-nofo, dia afaka miaro ilay vehivavy amin’ny homamiadan’ny nono. Toy izany koa eo amin’ny lehilahy. Ny fifantsitsitry ny ranon’aina mandritra ny firaisana aranofo, in-12 isam-bolana eo ho eo dia miaro azy tsy ho voan’ny homamiadan’ny «prostate». Na izany aza anefa dia tokony hi tandr ina tsara hany, indrindra amin’izao mampitombo ny karazan’aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo izao, ka tsy maintsy ampiasana ireo fiarovana toy ny kapaoty, sns mba ialàna amin’ny aretina IST.