sam.
09
juil.
2011
Mifantoka tsy fidiny any Addis-Abeba indray ny sain’ny Gasy mbola tsy kivy amin’ity sehatra iraisam-pirenena ity. Manantena ny hahita izay fehin-kevitra ho fampiharana ilay tondrozotra, ny mpanao politika be finoana. Raha ny fandehan’ny antontantaratasin’i Madagasikara dia tsy Gasy tsy akory no hiaro ny heviny eo anatrehan’ilay filan-kevi-pilaminan’ny fivondronam-be Afrikana fa ireo Mozambikana roalahy nanao ny fanelanelanana teto hatrizay. Ny filoha Mozambikana taloha Chissano sy ilay solotenany teto amintsika Simao no nanazava teo anatreha’ity vondrona Afrikana ity hatry ny omaly ny vokatry ny fanelanelanana nataon-dry zareo teto Madagasikara. Mifangarongaro sy mbola ao anatin’ny misitery tanteraka ny raharahan’i Madagasikara satria raha ny tokony ho izy dia hamoaka fanam-pahankevitra ity fivoriana ity ho amin’ny hampiharana izay dina nifanarahan’ny mpifanandrina ara-politika.
Ny olana anefa dia tsy nisy io fifanarahana io hatramin’izao, ary izay no maha-sarotra ny raharaha, ary ireto mpanelanelan’ny vondrona SADC ireto dia hiaro ny ezaka nataony sy ny iraka nampanaovina azy. Ny tondrozotra vita rangotra no tsangambato voatsangany teto ary tsy manana hevitra afa-tsy io ry zareo, ary fantany tsara koa fa “mandeha ila” io tondrozotra io,
Taratasin-dRavalomanana
Porofon’izany dia nisy ny taratasy lava dia lasa nosoniavin’ny filoha taloha Ravalomamana izay mitsikera amin’ny lafiny maro ny fomba nanaovan’ny Dr Simao ny fanelanelanana teo. Manizingizina moa ny tenany fa tokony ho ny fanampahankevitry ny fivorian’ny filohampirenena teo anivon’ny SADC tany Sandton ihany no hangartahana ny hanaovany ny sonia. Mbola resaka fifandresen- dahatra amin’izay taratasy hosoniavina sy hampiarina eto Madagasikara izany ny resaka any amin’ny vondrona Afrikana hatramin’izao, ary mbola hanahirana ny hino fa hitondra antsika any amin’ny fifanarahana ifaneken’ny rehetra izany.
Ony RAMBELO