jeu.
07
juil.
2011
Ampiasaina daholo izay mety hivadika ho vola. Mampalahelo ny mahita reny miteraka etsy sy eroa, nefa toa tsy misy zaza taizainy akory ireo naterany. Ny antony, dia ataony bizina ireny ankizy ireny. Ireto misy tranga vitsy izay ho tanisaina eto. Vehivavy iray monina eny Tsarafaritra, no niteraka telo. Samy hafa avokoa ny rainjanany, na tsy fantany akory hoe iza amin’ireo niaraka tamin’ny dadan’ireto ankizy. Ny tsikaritry ny fiarahamonina anefa, teraka telo andro izy, dia tsy hita ao aminy ny zanany. Ny taona 1994 no nahitana azy niteraka farany, ary ankehitriny ity vehivavy ity, dia manenina ny zavatra nataony. Tsy nanala zaza izy, fa namidiny tamin’ny vahiny ireto menaky ny ainy.
Vavy roa sy lahy iray. Ranomaso ny azy raha nahita ilay menaky ny ainy vaviaivo niaraka tamin’ireto tera-tany vahiny ny sabotsy teo tetsy amin’ny trano fisakafoana iray etsy Analakely, satria fantany tsara ireto vahiny namarotany an-janany. Zaza mahafatifaty kely sady madio mipentsopentsona amin’ny fiteny vahiny no hitany. Ireto vahiny izay manao fitsidihana eto no nahatsiaro ity ramatoa, ary tsy nampahalala azy ity zanany. Ilay zazakely kosa etsy ankilany, dia tsy mahalala ny tena marina. Ny zanany hafa hoy ny mpiray vodirindrina aminy, dia tsy fantany intsony na maty na velona, fa dia ny nenina sisa mitambolona ao an-tsainy. Mivarotra itony hanitra fanao amin’ny sakafo entina mandehandeha mitety toerana feno vazaha itony no asan’io reny mivaro-janaka io amin’izao fotoana, ary maro no mahafantatra azy tamin’izay nataony. Ny an’ny hafa kosa indray, dia miteraka, ary alefany mangataka na mangarom-paosy etsy sy eroa ireny ankizy ireny. Tsy gaga isika raha feno azy ny tsena lehibe eto an-drenivohitra, ary dia ny ray aman-dreniny no mitango ny vola azo rehefa hariva ny andro. Indro ny hevitry ny mpamaky momba ity olona mivaro-janaka ity.
Raleva zokiny
Vokatry ny fanognanampanjakana io, fa i mialy radomelina antsoina fa vitany ny mamaha io olana io Tompoko,
Volan'ny bolabola dia ampy hanaovana famoriana ireo olona ireo sy apetraka eny Andralanitra,
Hay marina Dadatoandry mialy i Pierre pedro
Aza adino fa tantara sy toe-javatra efa nisy io!.Dikany izay mpitondra nifandimby teo tsy misy afa-bela.Farany,(tsy vao izao ny gasy no mahatra;50 taona izay no lasa,mahatra ihany isika;inona no antony????????).
Ariary zato anie dia mahazo fimailo e, inona no hidiran'ny mpitondra @ zany fa lay reny no feno fitiavana-tena
