jeu.

07

juil.

2011

Fikasana hanao fifidianana : Mikoropadropaka ny foza

Aza mijabaka! Ataovy anatra ny nanaovana ny fitsapan-kevibahoaka farany teo, nefa toa voahitsakitsaka ankehitriny. Ireo dia vokatry ny fahamaikàna avokoa. Fanatsarana no tadiavina, ary izay no nanonganana ny mpitondra teo aloha, nefa toa mikoropadropaka sy mitorona toy ny foza orana isika eo amin’ny fanomanana izany fifidianana izany, ka mety hiteraka olana indray. Be izay resaka natsipy tetsy sy teroa izay, fa atao hono ny fifidianana. Nivoaka avokoa ny daty sy ny volana, ary nambara fa misy ny vola hoentimihetsika amin’izany. Inona akory anefa no vita teo, fa ny pli-vava fotsiny no betsaka

Nalefa ny resaka tany amin’ny sehatra iraisam-pirenena, saingy tsy mazoto izy ireo, raha tsy fifidianana handraisan’ny rehetra anjara, ary tsy ny FAT no manomana io latsabato io. Efa naneho ny heviny momba izany ny Parlemanta Eropeanina, ary tsy rototra ny firenena maro indrindra fa ny SADC. Mbola ny dinika aloha no maika, ary tsy latsa-danja amin’izany ny fampodiana ireo mpanao politika any ivelany, ka isan’io Ravalomanana Marc sy Ratsiraka Didier. Tsy vitan’ny tranga lela ny firosoana amin’izany fifidianana izany, satria tany milamina sy ao anatin’ny tanjany aza, mbola mila fanampiana avy any ivelany, koa i Madagasikara miaina ao anatin’ny krizy indray ve no hihambo ho mahavita samirery ny latsa-bato ao aminy? Raha nahay nanao izany anie ity FAT ity efa nataony tamin’ny taona 2009 io fifidianana ho filoham-pirenena io e. Ny tsapa, dia rehefa hisy fepetra ho raisin’ny sehatra iraisam-pirenena eto, dia ny fandemena ny sain’izao tontolo izao amin’ny fanomanana tsy ho ela ny fifidianana foana no bala entin’ny mpitondra miaro tena. Koa inona no andehanana hitadiavana fankatoavana any ivelany, raha tena vonona hanao ny fifidianana amin’ity taona ity isika, fa tsy tonga dia alefa ny daty hanaovana izany fifidianana izany? Ny CENI sy ny sefo distrika koa anie efa vonona, koa inona indray no andrasana e. Ny mpanao politika mpanara-drenirano eo efa vonona hanao propagandy, ary ny vahoaka efa vonona, koa arosoy fa izay lalany eo lalany e.

Tangena

 

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    fanalita (vendredi, 08 juillet 2011 10:17)

    miarahaba!io raha ny fahitana azy dia tahotra hanao fifidianana e,ireto ny antony:raha hanao fifidianana marina iza no hifidy?ny ankamaroan'ny olona tsisy rototra,ireny aza voafidim-bahoaka nahongana ko!raha hilatsaka hofidina,azo antoka ve fa ho lany?ny ankamaroan'ireo mpomba toa efa misalasala,ary raha lany indray mba tena hahatafarina ity firenena efa rotiky ny krizy ve?de iza no mba hankato satria ny maro no tsy manaiky hoe rizareo no hikarakara azy?sarotra e!de aleo zay no atao refrain sao mba lasa hira manja sy tian'ireo tsy tia ihany,tsisy afa-tsy zareo mantsy ka !samy mahita e!

  • #2

    Rigoler (samedi, 09 juillet 2011 11:04)

    Io nge na tsisy fifidianana mitsy aza mande fona e.Mitombo atrany ny fotona ipetrahan'ingahy filoha eo @toerany e.Dia mihalava atrany ny fotoana ijanonan'ny sasany any andafy any.Na mitsoka io na tsy mitsoka io, filoha rajoelina atrany no mahazo tombony @io.Raha mivaha ny olana, rajoelina no mahazo voninahitra. Raha tsy mivaha ny olana, Filoha Rajoelina atrany no eo @seza. De aleo miandry izay iafaràny eto tsika e!Aleo ny panohitra itabataba sy itsiriritra seza any ivelany any. Aleo tsy anao sonia any ry zareo sitrany ahay mitoy lavalava ny tetezamita. Veloma daolo e!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra