jeu.

07

juil.

2011

Dia nalefa aiza indray ?

Raha nisy olona tena tratry ny fanenjehana mafy nandritra ny fihetsiketsehana tamin’ny taona 2009 dia anisany iny olona iny. Nambara ho tompon’antoka tamin’ny fividianana ilay «haitraitran’ny Filoha» ny tenany, ary dia natao tamin’ny fomba maro isan-karazany ny laza masaka tetsy sy teroa fa «meloka» tamin’izany iny olona iny. Raha nosakanana tsy hiondrana ho any Afrika Atsimo iny olona iny ny 24 jona lasa teo dia tsy nivoa-pofona mihitsy ny vaovao raha tsy herinandro taty aoriana. Dia lasa saina ny mpitazana ka velompanontaniana hoe: “Ahoana ny tohin’ny tantaran’iny olona iny?”.

Nolazain’ny fampahalalam-baovao maro teto amintsika àry fa nanova endrika sy nanao ny fomba rehetra tsy ahalalana azy iny olona iny raha nihazo ny fiaingana teny amin’ny seranam-piaramanidina tany Nosibe tany. Raha dinihina tsara dia tsotra ny resaka: Efa nahatsapa izany iny olona iny fa mila miafinafina sy mitsoatsoaka ny tompom-pahefana? Rehefa notomorina akaiky anefa ny raharaha dia fantatra fa nanana .passeport. (manankery sy ara-dalàna) iny olona iny. Noho io antony io dia nampahafantarina an’iny olona iny indray fa voarara tsy hivoaka ny faritr’i Gasikara izy iny ka tokony hijery akaiky io fandraràna iny taty Antananarivo ny tenany. Izay tompom-pahefana rehetra nanontaniana ny momba ity resaka ity, dia tsy nahitana valin-teny mazava sy matotra. Manahirana ny elanelana nandritra ny herinandro nisakanana an’iny olona iny sy ny nandefasana(?) azy indray. Vao nipoaka ny vaovao teny amin’ny mpampahalala vaovao rehetra dia nambara fa “voasambotra” iny olona iny, avy eo indray dia namboarina ny filazana fa nosakanana tsy hivoaka ny firenena iny olona iny. Fa ny tena nahagaga sy nahatalanjona dia efa any ampitandranomasina indray iny olona iny mandritra izany fotoana rehetra izany, ary dia niantso mivantana ny teto an-toerana fa “any Ananonanona. any ny tenany. Dia inona marina izany ilay fahefana misy eto Madagasikara eto? Dia inona ihany koa ny baiko tena manaraka ny lalàna velona tokony hampiharina eto? Dia iza no hiantoka amin’izay fisehoan-javatra eto fa madio, sy tsy mifangaro politika daholo izay rehetra atao eto? Fanampahan-kevitra avy aiza marina no nahatonga ny “famotsorana” iny olona iny indray? Toe-javatra hita miharihary loatra ny tsy fifehezana ny fitantatan-draharaham-panjakana eto, ary samy milaza ho tompon’ny fanampahan-kevitra daholo, rehefa misy anefa ny “taolana” dia mody fanina indray ny ankamaroany. Raha “meloka” araka ny vazavaza teto hatrizay iny olona iny, dia nahoana no avela higalabolabona fotsiny any am-pitandranomasina any? Ary raha hevitra ara-politika fotsiny no “nanosora-potaka” azy dia aoka mba hazavaina amin’ny rehetra araka ny fotoany ny zava-drehetra e! Nahoana kosa no herinandro aty aorian’ny nanakana azy vao fantatra fa voasakana iny olona iny? Rehfa tomorina akaiky anefa dia “nalefa” indray. Ny toe-javatra toy izao ny mahatonga ny olompirenena tsy hahatoky ny fanampahan-kevitra ara-politika rehetra atao eto. Ao ireo sakanana tsy hiditra ny fireneny, ao ny sakanana tsy hivoka, ao ny gadraina, ao ny tsy omena fahalalahana hilaza ny heviny, ao ny tompopahefana mibodo fananan’olona, ao ny tsy manan-kalahatra kanefa midongy sehatra. Politika daholo izany, ary mila ny tena fiovàna tokoa. Dia mifarana eo indray izany ny resaka momba iny olona iny? Ssss manakaleo!

Dadan’i Ranto

 

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    fanalita (vendredi, 08 juillet 2011 10:03)

    miarahaba e!tena fanina mihitsy ny tena manaraka ny vaovao,inona no tena marina?efa tsy misy azo antoka sy tena mari-pototra intsony ny vaovao amin'izao fotoana,asa,inian'ny mpanao gazety ve?sa kosa fanakorontanana ataon'ny mpitondra?sa tsaho hitsapàna fanahy?mampalahelo raha toy izany no fiovana nandrandraintsika ho hita e!iza indray no hatokisana?gazety inona no hovakiana?inona no tena marina?

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra