mer.
06
juil.
2011
Manana izay handikany azy koa ny mpandinika mikasika ireny voambolana hoentin’ny tovolahy na tovovavy misary zoro ireny. Ny «pi-maso», araka ny andikan’izy ireo azy dia hoe :fomba ampiasain’ny vehivavy iray tsy manam-bady hoentiny mampahafantatra izay lehilahy tiany fa tena metimety amin’ilay vehivavy ny miaraka amin’ilay lehilahy. Ny zava-misy mpiseho anefa dia ny lehilahy mazàna no manao pi-maso rehefa «hikaoty sipa», ka sady angarihan’ny vehivavy no rabirabiany ho voan’ny areti-maso rehefa tsy «miady amin’ny piesiny». Fa voalazan’ny mpandinika anefa fa fomba fanao ampianarina ny vehivavy dieny mbola kely mihitsy io manao pi-maso ny lehilahy tiany io any an-dafy any. Noho ny kolontsaina sy ny henatra ny fiaraha-monina dia tsy afaka maneho ny fitiavany mivantana toy ny lehilahy mantsy ny vehivavy. Maro amin’izy ireny aza no tsy sahy mijery mivantana na manatrimaso lehilahy akory noho ny henatra, satria ny mason’ny lehilahy, hono rehefa mifanena amin’ny vehivavy dia ilay tratram-behivavy nofosan’ny nono iny no tonga dia banjininy, ka tsy laitrany. Fa ny tsirin’ain’ny lahy koa dia lazain’ireto mpandinika ireto ho ilay tsimok’aretina mahatonga ny aretin’ny firaisana ara-nofo antsoina hoe «bevohoka»! Mahatsikaiky e?!