mer.

06

juil.

2011

Voalavo voky an-tsompitra

Zana-borona mpanidina ny akanga, ary zana-borona mpanompo ny akoho. Koa aza anaovana fitia ngadongadona ny fitanatanana ny firenena, fandrao tonga ho voatondro iray monja no hifampivoadiana sy hifamonoana. Tsy rehefa manidina sy hary elatra toy ny akanga tsy akory dia tsy handia an-tany intsony. Ary aza manantena mpanompo mahatoky sy bodo ka hianjaka sy ho sahy hiboridana imason’andevo. Efa nentina any amin’ny faritra mahafaty ny firenena tao anatin’ny fifanjevoana sy saritaka nandritra izay roa taona mahery izay, saingy hisy ho afaka ny hanava-tenya (na iza na iza) ho madio tanana sy tsy ho tompon’antoka tamin’izao manjo antsika izao ve?

Noho izany indrindra dia tokony tsy hisy na dia hevitra faran’izay bitika indrindra aza ka hotsinotsinoavina ho tsy manana ny lanjany. Ny mahagaga sy mahatalanjona indrindra dia ny fanomezan-tsiny sy ny fanakianana izay rehetra mba “mijoro” sy mba te-hanolotra vaha-olana. Hatramin’izao dia toa tsy misy olo-marina sy hinoan-teny intsony eto. Tsy misy hidrikina ho amin’ny fikarohana ny hampitsaharana ny fangirifiriana? Maniry hanidina toy ny akoho tsy nahandry ny andro Zoma ny Gasy ka lasa manendri-drivotra amin’ity fankatoavana iraisam-pirenena ity. Rehafa lany haika tamin’ny fivezivezena manaren-tany ny mpitarika antsika dia toa tsy misy sahy manome tsiny azy akory tamin’ny fotoana laniny sy ny vola “nariana” tamin’ny fiarovany ny heviny tetsy sy teroa. Tsy maharototra ny mpianakavy akory ny fanambarany indray fa ny vahoaka Gasy no mila fankatoavana fa tsy ny tenany. Tena mandeha amin’ny “tokony ho izy” tokoa izany resaka izany raha novalian’ny mpiandraiki-draharaha Amerikana teto amintsika ka nanambarany fa ny fitondrana Amerikana dia tsy nanafay ny vahoaka Gasy velively nandritra izay fotoana lava izay fa mbola teo hatrany ny fanampiany io vahoaka io. Dia ny fitseran’ny olona sisa mba antom-pisian’ny Gasy? Moa tsy efa saika nitangoronan’io sehatra iraisam-pirenena io ity firenena ity talohakelin’ireny savoritaka teto ireny? Saingy tsy mety ho azon’ny mpanao politika avahana mihitsy hatramin’izao ny tombiony ho azy sy ny an’ny firenena. Ka efa nosarahin’ny mpitarika ny tetezamita amin’ny vahoaka Gasy ary ve ny tenany? Tsy ilainy amin’ny antoka (fototra) mbola maha-eo azy ilay vahoaka nolazaina fa mpanaohana azy? Hafa ny mitarika dia hafa koa ny vahoaka? Ilain’ny vahoaka mba hataony inona eo amin’ny fiainany andavan’andro moa izany fankatoavan’ny sehatra iraisam-pirenena izany? Tsy vahoaka Gasy efa manompo ve izao no hita sy tazana maneran-tany? Gisitra lava rehefa misy fandaharan’ny firenena vaventy azy, fatra-panaja ny hafa, mpakatoa an-jambany. Ekeny am-bolongany daholo izay atolotra azy: Na lalam-panorenana io, na dinika isan-karazany, na tondrozotra, na fanampiana sy sisan-tsakafo amam-pitafiana, na hevitra tsy mifanaraka akory amin’ny foto-pisainany, na didy tsy nierana taminy. Ekeny hatramin’ny fampiasana ny tenin’ny hafa raha hanoratra sy hiteny ny vetsovetsony. Fa rehefa ny Gasy mitovy aminy no manolo-kevitra dia akoraina sy ventesina ny tsininy. Atatatata etsy sy eroa fa hevitry ny mpila seza sy mpila tombony, ray aman-dreny miverin-tsaina, fiarahamonim-pirenena voatafin’ny politika, miaramila mpitolona manao fanamiana.Tsy mbola nisy voalavo hendry sy nahay nanorina ireo noravàny (mijereva “sary miaina” rehefa tsy mahatoky an’izany). Na ny fanambadiany aza dia tsy misy hifampitsinjovana sy hifandeferana. Moa vaovao amin’ny sofin’ny Gasy ny filazàna fa raha mitohy ny hazo dia ny voalavo no tonga voalohany any an-danitra? Koa hotondroina ho mpiangatra sy mpitanila ve ireo (mbola) sahy hamono ny voalavo mpandrava efa? Hotorahim-bato ve ireo mbola manana ny fisainana tsy miangatra sy tsy mitanila ka hamongotra ny mpanao tantely afa-drakotra? Sa tsy maintsy hifanarahana ny voalavo fa izy no mpiandry ny sompitra amin’izao andron’ny fararano izao? Izy no azo antoka indrindra tsy hangala-pihinana? Voalavo hafakely tokoa ny antsika Gasy raha izany!

Ony RAMBELO

 

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    fanalita (mercredi, 06 juillet 2011 09:38)

    miarahaba ny mpamaky!misaotra ny mpanoratra fa tena mazava ny tiany holazaina.ampiako kely fotsiny hoe :tsy misy paiso mamokatra paoma ary tsy misy katsaka mamokatra vary,fa io ny fototra no ahalalana ny hazo,raha fandrobana no nananao,tsy hisy hino mihitsy fa azo tamin'ny marina zay rehetra an-tananao,kanefa kosa tsy misy tsy diso ary izay tsy miady olom-bodo fa ny to fo mpamosavy,ka inona no tokony hiziriziriana irery?satria ve manana ny tafika?satria ve manana basy?satria mandeha 4x4 sy manana garde de corps de mitsambiki-mikimpy,manao tsinontsinona ny hafa?tsarovy fa ny adala no tsy ambakaina hono,Andriamanitra no atahorana,ary ny teny no tsy atao be,ny mamerina azy no sarotra.tongava saina isika fa tompon'andraikitra daholo amin'ny tsy fahombiazana,ireo mpitondra manao didiko fe lehibe,isika entina manaiky matoa tsy miteny,k'aza malahelo raha lanin'ny be volom-bava ny laoka,avy eo de hitsako tsy misy!de hitsako tsy misy!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra