mer.

06

juil.

2011

Fihaonana teo amin’i Dr Simao sy Vital : Nisy hevi-dratsy sy tetika hamono ?

Nialoha ny nandaozany an’i Madagasikara dia nihaona sy niresaka nandritra ny adimpamantaran’andro roa tamin’ny Praiminisitry ny fahafena avo Vital, ilay dokotera iraky ny sekretera mpanatanteraky ny Sadc, Simao. Resaka momba ny fodian-dRavalomanana eto an-tanindrazana no fototry ny dinika tao satria nanterahn’ireo lohandohan’ny mpitarika sy mpibaiko ny foloalindahy. Rehefa nanao fanambarana ny Dr Simao mikasika indrindra izay dinika nifanaovana dia nilaza ny tenany fa tsy mivonona ny hiantoka miaramila hiaro an-dRavalomanana izany ny SADC, ary tsy misy antony hitsabahany (Sadc) amin’ny didy sy ny fampiharana ny voalazan’ny fitsarana malagasy ny amin’izay mahameloka andRavalomanana.

Tena fantatry ny SADC tokoa izany fa meloka sy tokony hanefa sazy ity filoha taloha ity, raha io fanambaran’ny Dr Simao io? Koa inona àry no mbola hanadaniany (Sadc) andro miresaka sy mampihaona amin’olona “meloka” ny mpitarika ny fahefana avo eto Madagasikara? Tsy porofo ve izany fa lany andro niresaka tamin’olona tokony hisazy (na fahrafaharatsiny tokony hotsaraina) ny mpitondra “mpanaradalàna” sy mendrika hotohanan’ny sehatra iraisam-pirenena? Sarotra ny hanombana ny fahamarinan’ny fanambarana nataon’ity dokotera Mozambikana ity. Ny azo hinoana kokoa dia ny fitaterany ny marina tamin’ny Praiminisitry ny fahefana avo fa tsy azo tohaina intsony ny fampodiana an-dRavalomanana,noho ny hevitra tapaky ny filoha tany Sandton, koa ahona no ataonareo? Io resaka io no nandaniana ny “adiny roa” fa tsy ny resaka hitsarana na tsia an-dRavalomanana. Ahoana no ataon’ny foloalindahy gasy? Inona no hevitra ialàna amin’ny fitangoronan’olona sy ny fihetsiketsehana? Ahoana no fomba sy tetika hialàna amin’izany rehetra izany? Azo atao ve ny hampangina andRavalomama amin’ny fomba rehetra? Mbola tsy mandry ny tetika hatramin’izao, saingy tsy politika intsony fa tetika stratezika sy ara-tafika mihitsy.

Ony RAMBELO

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra