mar.

05

juil.

2011

Trakta niely : Marary Ravalo ?

Io indray ilay habobo! Fahasorenana ny an’ny olona izay nahita ireto trakta vitsy niely tamin’ny faritra vitsy teto an-drenivohitra ny faran’ny herinandro teo nilaza fa marary Ravalomanana. Andalan-teny vitsy no voalaza tamin’izany, izay milaza fa tsy afaka hitodi-doha eto hono ity Filoha teo aloha ity, raha misy fanaovan-tsonia hatao ihany eto, satria ao anatin’ny tsy fahasalamany izy, ka atahorana tsy afaka hanohy izany any ivelany raha sanatria ka tody eto. Izay namaky ity trakta ity, dia sorena avy hatrany, ka nisy ny nandrovitra, ary tao kosa no nanambara fa fomba fiady hanakorontanana saim-bahoaka indray ny toy izao. Ny vaovao heno anefa dia salama tsara ity filoha teo aloha ity, ary vonona hitodi-doha eto antanindrazana. Porofon’izany ny nanaovany antso tamin’ny vahoaka tao Antsirabe raha niditra mivantana tamin’ny antso an-tarobia tany izy. Efa fandre matetika ny vaovao tsy marim-pototra inian’ny sasany aely toy izao, satria na ny amiraly Ratsiraka aza efa nisy nanambara sy nanaparitaka trakta mihitsy fa namoy ny ainy. Fomba fiady hoy ny hafa ny toy izao, satria na ny rindrina eto amintsika aza, dia saika ahitana soratsoratra fanaratsiana ny andaniny sy ny ankilany avokoa. Efa tsy maha-taitra ny maro intsony ny toy izao.

Tangena

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra