mar.

05

juil.

2011

Raharaha 2009 : Mpandroba lasa martiora

Handeha tsy ho ela ny fitsarana ireo zava-nitranga tamin’ny taona 2009 teto Madagasikara. Tantara izay be no tsy azo adika vilana, satria ny marina tsy maintsy hipoitra. Isan’ny filazana fa marobe ireo maty teny Ambohitsorohitra, ka very faty hatramin’izao ny havany. Feo niparitaka tetsy sy teroa izany, ary mbola heno hatramin’izao. Ny tsy azo lavina kosa anefa, dia be ireo faty lasa masikita tamin’ny trano fivarotana maro teto amintsika, ka isan’io ilay tetsy Analakely. Faty maro be ireo tsy hay fantarina tamin’izany, ka nalevina faobe teny Anjanahary satria tsy nisy nahafantarana azy intsony izy ireo. Niainga tamin’izany ny resaka tato afara, ka ireo very havana na nifangaro tamin’ireo olona nandromba tranombarotra ka maty kila forehitra tao no hambaran’ny sasany fa tsy hita faty tetsy Ambohitsirohitra. Be no nahatsikaritra an’izany, satria tetehin’ny sasany ho lasa martiora ny mpandroba tamin’izany. Nefa aoka tsy hiady amam-paty e.

Tangena

 

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    fanalita (mercredi, 06 juillet 2011 09:16)

    miarahaba ny mpamaky!tahaka ahy manokana de tena gaga amin'ny zava misy,asa manao ahoana ny resaka fitsaràna eto amintsika fa toa tsy mahaleotena izany ny fahitako azy.ny antony? nahoana no tsy nisy na dia iray aza tamin'ireny aveux ireny mba noraisina sy novaliana farafaha ratsiny?nahoana ireo mpitondra teo aloha no tonga dia namoahana didy kanefa tsy fanadihadiana vita,tsy avocat niaro?rehefa atahorana fotsiny de melohina avy hatrany.mila fitsarana marina isika,fitsarana tsy mitanila,fitsarana mahaleotena,fitsarana masi-mandidy.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra