mar.
05
juil.
2011
Ho filohan’i Magadasikara amin’ny fomba «mahagaga» iny olona iny amin’ny fotoana efa voatondro hatry ny ela. Dia hainy sy halaminy tsara ny fisehoan-javatra rehetra hifanitsy amin’io faminaniana voarainy io. Hisy rà mandriaka e! Hisy mpitondra efa nanao sesi-tany ny tenany hitondra ao aorian’izao tetezamitan-dRajoelina izao e! Dia ho tonga ho azy ny fotoana mahagaga tsy maintsy hitondran’iny olona iny, rehefa mifanjevonjevo eto ny tany sy ny firenena ary ireo mpitondra mifanesy. Somary mifangaro amin’ny fanazavan’iny olona iny ny famakafakana ny toe-draharaha politika sy ny faminaniana ka tsy hay intsony na anisan’ireo mpitady ny vaha-olana marina ho an’ny firenena ny tenany, na hanao izay hahatanteraka ny faminaniana fotsiny ihany.
Resaka finoana moa izy ity ka tsy hita loatra izay hifanomezan-tsiny amin’izany, satria sambatra,hono izay mino e! Fa misy manaitra (tokoa) ny fanehoan-kevitra farany nasehon’iny olona iny, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Ilaina ny firosoana amin’ny fififdianana, hoy ny fanazavany saingy tsy maintsy ho fitsapan-kevi-bahoaka no atao mba hampanan-kery ilay tondrozotra izay efa hita miharihary fa tsy maintsy hosoniavina ato ho ato. Dia nanamarika iny olona iny fa ny heviny sy ny famakafakana hataony dia zay tsy resahan’ny rehetra ihany no hambarany. Tena hafakely tokoa izany iny olona iny? Mahavariana ny mieritreritra raha hihaino ny tolo-keviny ny mpanao politika amin’izao fombany izao. Firy amin’ny mpanao politikantsika tokoa moa no hisaina sy hieritreritra fa tokony hoentina hitsapanay hevi-bahoaka ny tondrozotra hosoniavina? Nilaza iny olona iny fa tsy maintsy avadika ho lalàna manan-kery ny taratasy toa ireny vao tokony hampiharina sy hananganan-javatra eto amin’ny firenena. Nahoana kosa anefa no tsy nokianin’iny olona iny ny fananganana ny governemanta tamin’ny alalan’ilay taratasy? Efa nisy ve fotodalàna mazava nanangana izany? Ka ilay governemanta natsangana tamin’ilay taratasy tsy manankery araky ny lalàna izany no hampanao fitsapan-kevi-bahoaka mba hanomezan-danja azy? Ho tonga hatraiza ny fanehoan-kevitra tsy mitsahatra hataon’iny olona iny toy izany? Hatramin’ny oviana no hinoana izay zavatra lazainy? Ny ankabeazan’ny olompirenena antsy dia mikaroka fatratra ny hitsaharan’izao krizy izao fa ny an’iny olona iny dia tsy fantatra mazava izay tiany ho lazaina. Moa rehefa tonga eo amin’ny fitondrana sy ny fitantanana ny firenena ny tenany amin’ny 2013 dia hitsahatra ny adilahy politika eto? Dia amin’ny fomba ahoana ? Maninoa tokoa raha asehon’iny olona iny mivantana sy mahitsy ny lazain’ny «tondrozotran‘ny faminaniana» dia hohita eo raha azo tanterahina na tsia? Efa heno anie ny fanambarany teo aloha, fa tsy maintsy (tokony) haverina amin’ny miaramila ny fahefana mba hilaminana e! Fa mamoatsam-pona hatrany ny resak’iny olona iny, ka heverina ho toy ny tsy misy mihaino, ary tsy misy mandray ho zava-dehibe izay lazainy. Dia izany tokoa ve no hahatonga ny faminaniana tsy maintsy ho tanteraka eto amin’ity firenena ity r’iny olona iny?
Dadan’i Ranto