lun.
04
juil.
2011
Manambana ho amin’ny fitokonana ny mpiasan’ny ladoany eto amintsika raha mihevitra ny tsy hampiseho miharihary ireo atidoha sy tompon’ny «fanodikodinandresaka» eto amin’ny firenena ny fitsarana. Mazava tsara ny pitsopitsony nataon-dry zareo ho fanatanterahana io fitokonana izay kasainy hanomboka ny 4 jolay ho avy izao io, ary efa any am-pelatanan’ny minisitry ny fahefana avo miadidy ny fitantanam-bola ny taratasy rehetra mahakasika izany. Fa inona tokoa anefa no antonanton’ny fitakiana? Avohay ho ren’ny rehetra sy hohitan’ny masony ny anaran’iny (ireny) olona iny (ireny), fa tsy ny mpitsikombakomba sy ny “madinika” ihany no feta amin’ity raharaha ity. Resaka andramena izany, tompoko, na ilay mahazatra
amin’ny teny malaza hoe : Bois de rose
Iny olona iny dia tsy voakasikasiky ny raharaha mihitsy fa rehefa tonga eo aminy ny famotorana dia toy ny etotry ny mpifana fotsiny, tsy misy arakaraka, mangina sy ohatra ny tsy nisy na inona na inona. Iny olona iny izany no tena lava-tanan’akanjo sy be hevitra eto amin’ny tanàna eto koa tsy mahagaga raha notondroin’ny mpiasan’ny ladoany ho mpambotry firenena. Isaky ny miresaka ny olompirenena indrindra tao anatin’izao tetezamita avo izao , dia tsy maintsy tonga any amin’ity resaka andramena ity hatrany. Misy tompon’andraikim-panjakana ambony mihitsy ao ambadik’io, hoy ny mpitazana sy ny mpahay toe-karena maro. Hatramin’izao anefa dia tsy mbola nisy na dia tokana monja aza sahy nilaza fa iny olona iny no mpanao azy ity, izay sahy mividy mpiasam-panjakana maro eo amin’ny fampandehanana ny bizina ataony. Toa nnanjary fandambolambolana resaka fotsiny no natao teto , na koa ezaka tsy misy fototra ijoroany marina satria any an-tanin’olona any vao hita sy tratra ny andramenan’ny Gasy. Nataon’ireo mpikambana ao amin’ny parlemantera notendrena hiasa eny Tsimbazaza maivoka mihitsy ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta raha niatrika azy ireo tamin’ity herinandro ity, saingy indrisy fa tsy misy anaran’iny olona iny nitsidika akory anie tao e! Tena milamindamina any ambadimbadika any fotsiny iny olona iny fa ny rehetra no mivaky loha amin’ny ataony. Taitra sy nampiaka-peo àry ny ao amin’ny ladoany, ary nanome 48 ora ny mpitondra sy ny fitsarana mba hilaza ny anaran’iny olona iny. Dia inona ny mety ho tohiny? Fantatray tsara, hoy ireto mpiasan’ny ladoany ireto fa hiteraka fatiantoka betsaka ho antsika (ny firenena iray manontolo) ny fiatoana eo amin’iny asa izay fanaon-dry zareo amin’ny andavan’andro, saingy tsy maintsy hirosoana izany raha minia manampi-tsofina ny mpitondra. Tsy ny anaran’iny olona iny ihany no tena takian’ireto mpiasa ireto fa ny tontolon’ny asan-dry zareo mihitsy, no mila fanatsarana sy fifampitokisana, satria tsy afaka miaina sy manao izany amin-kitsi-po mihitsy fa alokalofan’iny olona iny sy ny mpambotry firenena tahaka azy. Efa maro izay nanao fitokonana teto izay fa asa hanao ahoana ity indray mitoraka ity? Hampipoitra tokoa ny anaran’iny olona iny ve?
Andrasana ny ho tohiny.
Dadan’i Ranto