lun.
04
juil.
2011
Be izay sonia vita teto izay, fa tsy mbola nivaha ny krizy! Mitohy etsy an-kilany ny dinika samy hafa, nefa ny lalan-kivoahana amin’ny kizo mbola ny omaly tsy miova. Tsy kilalao na an-kandasitra no atao, fa fandraisana fepetra. Efa manameloka antsika izao tontolo izao, toy ny tsy fanajana ny zon’olombelona, raha tsy hiteny afa-tsy ny Amerikana. Ny vondrona Eropeanina efa saika miteny foana, ary tsy mankasitraka izao fitondrana mijoro izao. Ny SADC efa namaritra ny lalankizoran’ity firenena ity, ka ny fanaovan-tsonia atsy ho atsy, izay hiafara amin’ny sazy henjana ho an’izay minia mandika izany.
Na tsy misy feo re-tsaika aza, dia be no mihevitra fa tsy maintsy hisy tafika vahiny hiditra eto. Isan’io ny fiarovana ny ain’ireo filoha roalahy Ratsiraka sy Ravalomanana, raha hitodi-doha eto hanao sonia izay sori-dalana hivoaka eo. Tsy vitsy no miantso ny hidiran’ny tafika misatromanga eto, mba hiaro ny vahoaka amin’ny fametrahana ny ara-dalàna. Tsy vitan’ny vava anefa izany, fa misy politika avo lenta tsy maintsy arahina. Ny GIC etsy an-kilany,dia efa mametraka ny politika amin’ny tokony hisian’ny fandriampahalemana eto amin’ny tanàna, izay manomboka re indray io anaran’ny vondron’ny mpanelanelana iraisam-pirenena io.
Ady an-trano
Ny firenena hanjakan’ny jadona sy ny ady an-trano no hidiran’ny tafika vahiny.Isan’io ny any Libye sy ny tany Iraka. Hiarahantsika mahita ny tranga niseho tany amin’ireny firenena nidiran’ny tafika vahiny ireny. Efa nisy teto ny ady an-trano, fa tsy naharitra, satria efa nifandona teny Analakely ny mpomba ny TGV sy ny mpomba ny TIM. Nalaky voasoroka ireny. Ny fidiran’ny tafika vahiny amin’ny firenena iray, dia manome vahana io ady an-trano io, satria ireo osa nahatsiaro voan’ny tsindry hazo lena, dia hanangambovona amin’izay, satria efa misy mpiaro. Inona no hiandrasantsika an’izany? Ny tsara indrindra dia ny hisian’ny fifamelana hanjakan’ny fampihavanam-pirenena, ary ho afaka handray anjara avokoa ny hery rehetra, dia hilamina ny tany. Tsy mila fidiran’ny hery vahiny io, fa isika samy isika dia hahavaha izany. Sa ahoana?
Tsy hoe "mi-souz" ny miaramila gasy aho raha sanatria fa ... lol huhuhu
sanatriavina e!
