lun.
04
juil.
2011
Ny fiaraha-mitaiza sy fiaraha-mikolokolo ny fitiavana hono no tena mampaharitra azy. Samy manana ny fomba fikolokoloana izany. Ny hitovian-kevitra ho an’ny rehetra fotsiny dia mila mitady paikady avy ataon’ny tsirairay hikolkoloana sy hitaizana izany fitiavan’olon-droa izany. Hafa raha samy hafa ity vokatry ny fanadihadiana nataona mpikaroka Amerikanina iray. Notsoriny tao anatin’ny fanadihadiany fa ilaina tokoa ny ady eo amin’ny olon-droa na eo amin’ny mpivady. Ny irariany aza dia tena ady mafy tokoa izany, toy ny fifanasana vangy fa tsy miafara amin’ny fifampikasihan-tanana fotsiny. Rehefa samy afa-po na samy tsy manan-kolazaina intsony dia ilaina ny fifanantonan’ny mpifankatia na dia hifampiresaka fotsiny aza. Tsy voatery ho eo no eo izany fa na afaka ora vitsivitsy na andro vitsivitsy aty aoriana. Samy miezaka ho tony ny mpifakatia mandritra ny resaka. Ka na milamina na tsia dia tsaratsara kokoa raha faranana amin’ny firaisana ara-nofo izany. Mety ho sty vokatry ny fo izany eo am-piandohana fa rehefa tena tafaroboka ao anatiny ny mpifankatia na mpivady dia samy hanadino ilay ady hatry ny aninkeheo. Andramo fa mety hahasoa anao.
Zaka Fils
ie! efa mba nandalovana izy io, fa andramo e!sady mampitombo ny fitiavana no lasa lavitra nohon'ny 7ème ciel ny mpifankatia indrindra mpivady no resahina, fa tandremo tokoa mifamono na tapaka ny tady eo amin'ilay hoe miady iny an! sao manome zara ho an'ny hafa
diso mlay be mits ar noho n otran t@ voloany,
