sam.
02
juil.
2011
Ny «Fifanampiana Malagasy» izay najoron’iny olona iny tamin’ny 3 mey 1950 no tena nahafantaran’ny rehetra azy, ary io ihany koa no fikambanana nandaniany ny herimpony sy ny fitiavany iray manontolo. Fa tena mahay nifanampy tokoa moa ity Malagasy ity raha ny hevitra novoizin’iny olona iny? Nambarany hatrany fa tokony hahazo ny famotsoran-keloka faobe ireo rehetra nitolona ka voaheloky ny fitsarana tamin’ny fitakiana ny fahaleovantenan’i Madagasikara tamin’ny taona 1947. Ny fahaleovantena madio tsy eo ambany fiahian’ny mpanajanaka no tena nilofosan’iny olona iny, saingy tsy nandà velively ny hasarobidin’ilay fahaleovantena natolotra antsika ny tenany satria dingana ihany hahazoana ny fahaleovantena madio tanteraka izany raha ny fanazavany.
Fa manana ny olana tsy mbola voavaha ny firenentsika hatramin’izao, ary izany olana izany no sary farany hitan’ny mason’iny olona iny. Madagasikara mbola miandry ny ho aviny any amin’ny sehatra iraisam-pirenena, Madagasikara mbola miady mafy ho amin’ny fahafahan’ny mponina ao aminy. Moa tsy ho antokon’ny ho an’ny fahaleovantenan’i Madagasikara no natsangan’iny olony iny sy ny mpiray foto-kevitra taminy nandritra ny kaongresy notontosain’izy ireo tany Toamasina tamin’ny taona 1958? Raha misy ny vehivavy sahy nirotsaka sy nandany ny fiainany manontolo teo amin’ny politika dia anisan’iny voalohany amin’izany zany iny olona iny raha ny teto amintsika. Tsy niahotra tamin’ny fandraisana ny toerana ara-politika teto amintsika raha ny tenany (efa minisitra,solombavam-bahoaka, loholona). Tsy mba anisan’ireonivadibadika tamin’ny foto-kevitra nijoroany raha iny olona iny satria hita taratra tamin’ny fanazavan-keviny hatrizay fa toa nandrimby sy nanohy ny tolon’ny MDRM ny antoko izay nandaniany ny fotoan’androny iray manontolo. .Nandalo sedra sy dingana maro teo amin’ny antokony ihany koa ny fipetraky ny fifandanjan-kery teo amin’ny sehatra iraisampirenena, izay nahafahan’iny olona iny nampivoitra hatrany ny maha-zava-dehibe ny herim-bahoaka ho amin’ny fanajana ny fahafahany sy ny fitiavany ny tanindrazany. Nanana ny maha-izy azy teo amin’ny sehatry asa fanaovan-gazety ihany koa iny olona iny, ary tamin’izany no nahatsapany nytena lanjan’izany fahafahana nimatimatesany izany. Amin’ny teny tokana dia “nasionalista“ hatany amin’ny tsinai-maintiny iny olona iny, ary sahy nijoro tsy amim-pihambahambana fa ny fahafahana sy ny fahaleovantena madio tsy mifangaro ihany no tena hampandroso ny Malagasy eto amin’ny taniny. Ankehitriny kosa dia namela antsika ho kamboty iny olona iny, ary misy fahabangana lehibe eo amin’ny sehatra politika ny fandaozany izany sehatra izany. Anisan’ireo “raiamandreny” tsy nitandro hasasarana teo amin’ny fikatsahana ny vaha-olana ho an’ny firenena iny olona iny; saingy firy tamintsika moa no mba nanaja ny heviny sy ny foto-pisainany? Firy tamintsika aty aoriana no nahatsapa ny fandavan-tena nananany? Moa hisy handimby amin’ny fanajana ny foto-keviny ve iny olona iny? Inona re no mba mety ho fanazavany ny fisehoan-javatra amin’izao iainantsika izao, izay mbola mitavandra ny herin’ny “vahiny” sy ny sehatra iraisam-pirenena hatrany e? Iny olona iny sy ny “tolony ho an’ny fahafahana” no nitsahatra fa ny antsika mbola lavitr’ezaka e! Mandria am-piadanan r’iny olona iny.
Dadan’i Ranto