sam.
02
juil.
2011
Rija mpanefoefo. Izay indray no hiantsoan’ny maro ity lehilahy ity, fa tsy Rija maskita intsony. Nahavitàny trano misy rihana roa sy nahavidy fiara iray 405 ny fiketrehana maskita izay nataony nandritra ny 20 taona. Hena fahefany no niantombohany nivarotra tetsy 67 ha ar y niakat ra teny Ambohijatovo avy eo. Ariary folo sy roapolo no vidin’ny maskitany raha ariary zato kosa ny an’ny hafa.Nifandrombahana ny maskita nataony, satria tsara ny saosy sy ny sakay fangarony. Nihanitombo hatrany kosa ny hena namidiny, ka nahatratra hatrany amin’ny 10 kilao isan’andro.Tsy mba olona mafy ady no mihinana eo aminy, fa olona ambony avokoa. Nahazo fifanarahana hanao maskita tetsy amin’ny nosy Maorisy izy, ary dia tany no nahazoany volabe nahafahany nanao trano.Saika in-telo isan-taona izy no mankany, ary maharitra eo amin’ny iray volana ny diany indray mandeha. Nitombo ny fifanarahana hitany tato afara, ka niampita tany Frantsa indray izy, ary dia nifandrombahan’ny vahiny ny maskita nataony. Somary nampihomehy aza ny filazany, fa nahazaka sipa vahiny izy, noho ny fihinanan’io vehivavy io maskita isan-kariva teo aminy.Etsy Ivato no misy ny tranony amin’izao fotoana, ary nivadika asa hafa izy, fa tsy manao maskita intsony, na dia nahatafita azy aza izany. Ny antony, dia te-hiova asa hafa izy, fa leon’ny manatono hena, ary mahavelona tsara azy mianakavy ny asa ataony amin’izao, satria nanokatra trano fisakafoanana goavana eto an-drenivohitra i Rija mpanefoefo amin’isika miresaka izao.
Nanangona Raleva zokiny
Ny ahy izany ilay toe-tsaina hoe hiavotra eo amin'ny fiainana diatena mahafinaritra tokoa fa saingy kosa moa ve fantany hoe firy firy ireo olona mijaly nohon'ny fitadiavanay io harena io?GAga angamba
ianareo raha mamaky ity ,ary mety hilaza amiko hoe be fialonana,manan-jo ianareo fa aleo mba aneho ny hevitro koa aho.Firifiry hoy aho no olona mizaka ny vokatry ny fitadiavany harena satri, firifiry
ny setroka mamofona havoakan'ny isaky ny mananatono masikita izy ary ampitomboy 20taona ka anjaranao no manao kajikajy, aiza ho aiza ny fanarahan'ny mpanara-maso ny tontolo iainana amin'izany?Moa ve
ara-pahasalamana tokoa ny zavatra hataony? Antsika no mandinika
