sam.

02

juil.

2011

Fahafinaretana ara-nofo : Samy hafa ny lahy sy ny vavy

Voalazan’ireo nanao fandihadiana fa tsy dia tia tena loatra ny lehilahy eo amin’io resaka firaisana ara-nofo io tsy araka ny fiheveran’ny vehivavy. Mahatsiaro ho afapo ny lehilahy rehefa nahavita nampahazo tsirony ny vadiny na ny olon-tiany rehefa miray aminy. Mahatsiaro sambatra kosa ny ankamaroan’ny vehivavy raha nahomby na tonga any amin’ny fahafinaretana ara-nofo niriany. Izany hoe manomboka any amin’ilay mangirifiry mahafinaritra, somary mangorintsina any anatiny iny hatramin’ny fotoana nahahetsaka azy tanteraka, indrindra rehefa tsapany fa tena tia sy maneho fitiavana feno azy ny lahy mandritra ny firaisana ara-nofo.

Manana izay maha-afakely azy ny vehivavy eo amin’ny resaka fitiavana. Mila tsapany fa raiki-pitia izy ka mitarika azy te-hiray amin’ny vadiny na ny olon-tiany. Ny lehilahy mantsy, araka ny voalazan’ireo mpandinika, dia tsy manome lanja firy ny fihetseham-po fa avy hatrany dia ny hiray aranofo hatrany no ao an-dohany rehefa ampirehetin’ny vavy na rangitiny amin’ny hajejojejoana arahin’angoty eo. Mifanohitra amin’izay kosa ny vehivavy. Mibahan-toerana loatra ny fihetseham-pony ka mila fotoana maharitraritra vao mahita sy afaka maka tsirony amin’ny firaisana ara-nofo.Tompon-dakan’ny «vita haingana» ny lehilahy, ary izay no mahatonga azy tsy mahatana ny ranon’ainy fa mandatsaka avy hatrany tsy mahandry ny vadiny «hahatonga» ny azy. Ny vehivavy kosa mila fotoana maharitraritra kely vao miainga moramora any ampara-lalina any ny fahafinaretany. «Maka mora» eo izy mandra-pahahetsaka tanteraka azy, na mety tsy hahatonga mihitsy aza, ka mila kenakenaina sy atao «tsara safosafo» ny faritra manaitra eo Tena samy hafa tanteraka ny lahy sy ny vavy eo amin’io lafiny io, kanefa mety mahita fahombiazana sy mampirindra kokoa ny tokan-trano raha mahay mampirindra ny faniriana sy ny fikatsaham-pahafinaretana eo am-pandriana ny mpivady na mpifankatia.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra