ven.

01

juil.

2011

Ramasy Adolphe: «Ravao ny parlemantera rehefa tsy hifanaja»

“Andrim-panjakana tsy mbola vita sonia sy tsy mifanaja akory isika eto, koa aleo ravàna sy arodana avy hatrany”. Io no fanamarihin-dRamasy Adolphe raha niatrika ny CT tetsy Anosy ny praiminisitry ny fahefana avo sy ny minisiny. Natao an-tsoratra mialoha ny fanontaniana, dia niezaka nanao ny “enti-mody” ny minisitra tsirairay vao niatrika ireto parlemantera ireto, ary nony nilentika indray ny masoandro dia nilaza ny praiminisitra fa noho ny “fandriampahalemana” dia hirava ny “lanonana”, ka hovaliana an-taratasy tsirairay (indray) ireo fanontaniana.

Tsy matotra sy hafasafay

Namatrapatratra mihitsy moa ny parlemantera Ramasy Adolphe fa tsy misy fahamatorana sy fifanajana eo amin’ireto andrimpitondrana mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna ireto fa toa fandanian’andro sy fandrembirebena no betsaka. Lasa lavitra mihitsy ny resany raha nilaza fa andrim-pitondrana mbola tsy vita sonia akory ka inona moa no antom-pijoroany, fa tsy aleo dia ravàna avy hatrany? Samy nanao ny fanamarihana sy nanampy azy tamin’izany teny mahitsy nataony izany na Lecacheur Henri, na Tehindrazanarivelo Alain.

Tsy mandry ny tany?

Maika hody sy hamonjy ny fandria-mafana ny andrim-pitondrana mpanatanteraka ka nivolana fa tsy ampy ny fandriampahalemana, tsy maintsy horavàna ny fivoriana. Tsara anefa ny manamarika fa azo natao tsara, ohatra, ny nanomboka ny fivoriana dieny ny maraina fa tsy nandrasana ny tolakandro tamin’ny telo ora. Koa raha tsy mandry tokoa ny tany dia iza no hampandry fahalemana azy? Ny minisitra miadidy ny foloalindahy dia nitaraina fa tsy ampy ny miaramila sy zandary hiandraikitra izany, satria maro loatra ny parlemantera eto amintsika ka lasa “mpiambina” azy ny ankamaroan’izy ireo. Mampieritreritra! Dia ahoana ny vahoaka sy ny fananany?

Ony Rambelo

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra