jeu.
30
juin
2011
Tsy voatery hahatratra ny lanitra fahafito hihanoka hasambarana hono vao mahazo tsirony amin’ny firaisana ara-nofo. Mahita tsirony kokoa hono rehefa mahay mitsikombakomba ny mpifankatia ao anaty lamba ao satria mampifanatona kokoa azy ny fanaovana firaisana ara-nofo. Betsaka ny azon’ny mpivady ifampizarana fa tsy ny fanaovana firaisana ara-nofo fotsiny ihany. Mety manaitaitra ohatra ny mifampijery samy mitanjaka, ho an’izay tsy saro-kenatra. Toy izany koa ny mifanafosafo fotsiny na ilay mifampibitsibitsika miresaka momba ny taovam-pananahana sy mitantara izay iaraha-manao rehefa avy eo.
«Manaikitraikitra»
Betsaka ny tsy mahalala hoe ahoana izany vehivavy «hetsaka» na tonga any amin’ny «orgasme» izany. Maro anefa ny endrika ivelany hamantarana azy, toy ny vehivavy mikiakiaka na misefosefo mafy mihahaingana eo am-panaovana firaisana aranofo amin’ny vadiny. Misy koa ireo mandentika mora mihamafy ny hohony any amin’ny lamosim-badiny any, na koa midobodoboka mihahaingana ny fony. Ny any anaty fivaviana any kosa dia mikainkona na toy ireny manaikitraikitra ireny ny lalan-jaza (vagin). Voalazan’ny mpikaroka fa manaikitraikitra in-telo ka hatrany amin’ny intelo ambin’ny folo any hono ny lalanjaza rehefa hetsaka ny vehivavy ary mielanelana eo amin’ny fito ampahafolon-tsegondra izany fanaikitraikiny izany. Mahita tsirony kokoa ny vehivavy raha mahatana tsara ny ranon’ainy ny lehilahy mandritra izany, satria mbola miridiridy mihenjana araka ny ilàn’ilay vehivavy azy ny filahiany. Raha tsy mahatana ny lahy mandritra izany dia rava ho azy ilay hasambarana miakatra tsikelikely eo amin’ny vavy iny. Tsy misy dikany loatra noho izany ny halehibe na halavan’ny filahiana raha izay hahahetsaka ny vehivavy no tanjona rehefa manao firaisana ara-nofo. Ny fahaizana manafosafo arahin-deladelaka ireo faritra tena manaitra ny vavy, toy ny «clitoris», «point G»… no mahatonga azy ho hetsaka. Voalazan’ireo
mpikaroka moa fa ny 10%-n’ny vehivavy no hetsaka raha safoina ny «point G» ao amin’ny fivaviany.