jeu.
30
juin
2011
Ravalomanana sy ny ekipany aloha hatreto no tena lasibatra ara-pitsarana momba ny raharaha 7 febroary. Vono olona feno habibiana, satria nandriaka ny ra tamin’iny sabotsy mangidy iny. Vono olona tsy tonga ho azy, fa efa nomanina, raha izay no azo andikàna azy, izay tsy ho faritana eto hoe iza no tena nampamono, fa ny tsy azo lavina, dia nisy olona mpanao politika goavana tao ambadik’ireny. Feno mistery hoy ny hafa, saingy vakiana fotsiny kosa hoy ny mpitazana. Ny antony, dia tsy misy tolona mahomby, raha tsy misy ra mandriaka, satria leom-boan’anana tamin’ny tranga momba ny raharaha 10 aogositra 1991 ny maro. Ny fitsarana no tompon’ny teny farany, ary ny voampanga tamin’iny vono moka iny, dia nanambara fa ny fitsarana iraisampirenena no angatahana hanao ny fanadihadiana momba io tifitra variraraka teny Ambohitsorohitra iny. Mipongatra indray ny tribonaly momba iny amin’izao. Inona no antony ? Satria ve akaiky indray ny fanaovantsonia tokony hatao eto hivoahana amin’izao krizy izao, ka mora ny manameloka izay tiana ho traingoana ? Minoa anefa isika fa izay tompon’ny ketrika tamin’ireny raharaha ireny, na iza io na iza, dia tsy ho afa-bela eo anatrehan’ny faty olona mikararàna ireny.
B.V