jeu.
30
juin
2011
Sao mihevitra isika fa raha «mino» ny voalazan’ny Dr Simao ny amin’ny tsy fitsabahan’ny hery vahiny amin’ny raharahan-tokatranontsika, dia ho afaka handry ivohon’ny vato sy tsy hanana ahiahy. Mitratrevatreva ny fanambaràna sy ny fanamelohana ny fihetsiky ny governemanta mpifehy ny fahefana, avy amin’ny sehatra vahiny, toy ny parlemantera Eropeana, ny tatitry ny sekreteram-panjakana Amerikana, ny don-tandroky ny filoham-pirenen’ny Sadc. Mihamanakaiky ny resaka filan-kevi-pilaminana eo amin’ny vondrona Afrikana. Hiverina hiresaka indray ny GIC. Tsy manana ny antonantony amin’ny fiarovany ireo fanapahan-keviny ny governemantan’ny tetezamita sy ny mpitarika azy hatrizay, fa variana ny manakiana ny fanambarana ataon’ny sehatra iraisam-pirenena fotsiny hatrany.
Raha milaza ny tsy fanajana ny zon’olombelona ny Amerikana dia mailaka ery isika manakiana ny fomba mamohehatra ataon’izy ireo eo amin’ireo terataniny sy ny fihetsiny any amin’ireo firenenkafa. Tsaroana ny namoahana antontan-taratasy teny amin’ny haino aman-jery sy gazety ny momba ilay mpanelanelan’ny SADC Chi s s ano Joaquim, voatondro fa manao trafika-na zava-mahadomelina. Tsy ny hevitra tokony hanitsiana ny dia no imasoantsika fa ny fitsikerana avy hatrany ilay olona miteny sy ny firenena nihaviany. Toy ny firesahana fa andiana parlemantera tsy mahatapak’ahitra no mianakendry manome lesona antsika? Tafiditra tsara ao anatin’ny vovon’ny Sadc sy ny sehatra iraisam-pirenena ankehitriny ny firenentsika ka tsy afa-mikofoka intsony. Miandry ho darohana sisa. Miandry baiko. Miandry izay fanapahan-keviny. Tsy afa-mamaly, tsy afa-mitroatra. Raha amin’izao no mbola hiana-kendry ho bevava sy tsy hanaraka ny baikony dia moramora ho azy ireo ny mampiasa ny hery ara-tafika sy hery ara-politika rehetra azony baikona hanatanterahany ny sitrapony. Aoka hazava, miandry ny 31 jolay anie izany vao hisy “didy” na baiko vaovao hatao e! Ka raha miadaladala sy mamoa-tsampona eto dia ho bedy (indray).
Ony Rambelo