jeu.
30
juin
2011
Tafitohim-bato nafenin’ahitra, ka latsa-dranomaso. Te-hanao dingan-dava kanefa potraka teo am-piaingana. Tsy ahatsindry tsihy amin’ny fanapahan-kevitra kanefa isak’izay mahatsiaro dia mitakemotra sy feno fisalasalàna. Tsy misy foto-dresaka mazava ny momba ny antom-pisian’ny “fitondrana avon’ny tetezamita” najoro teto Madagasikara nanomboka teny an-kianjan’ny olona ny 31 janoary 2009 ka hatramin’izao. Hijoro sy najoro ho mandra-pahoviana? Inona marina no adidy aman’andrikiny? Tsy ahitam-baliny afa-tsy ny hoe “ndeha hanova” sy handrodana ny didy jadona niampy fanamparam-pahefana sy ampihimambam-pihariana. Amin’ny fomba manao ahoana no ahavitàna an’izany? Moa tsy efa aty amin’ny roa taona sy efa-bolana aty aorina isika izao kanefa dia mbola miady sy mikaroka an’izay lalan-kizorana ihany?
Ilaina ve ny hampatsihy fa efa in-6 niova ny tetezamitan-dRajoelina nandritra izay fototana lavabe izay? HAT teny an-dalam-be, avy eo nohamarinin’ny HCC, dia navadibadika tamin’ny dinan’i Maputo, najoro indray ny tetezamita avo mankany amin’ny repoblika IV, dia nihazohazo teo an-tokonana teo tamin’ny alalan’ilay lalampanorenana, naka hery tamin’ilay taratasy norangotina teny Ivato, dia izao miandry ny tenin’ny Sadc sy ny firaisam-be Afrikana izao. Mananmpy an’ireo dia efa in’efatra nanova Praiminisitra ihany koa: Monja Roindefo, Manorohanta, Mangalaza, Vital. Efa nanondro karazana fifidianana maromaro : Ben’ny tanàna e, solombavam-bahoaka e, filoham-pirenena e! Raha ho tonga ny Novambra 2011, dia ho feno herintaona ny lalampanorenana kanefa tsy nisy na dia andrim-panjakana iray aza voalazan’io lalàm-panorenana io hatramin’izao. Dia inona no ataontsika mianakavy eto? Tena mila “miala nenina” amin’ny tetezamita (amin’izao endriny izao) marina ve ny firenentsika vao ho afaka hamindra indray? Tena mitondra antsika mianakavy hirona ho any amin’ilay fanovàna marina ve ny lalan-tsarotry ny mpitondra? Iza no hinoan-teny eto amin’ny firenentsika? Ny sehatra iraisam-pirenena? Ny foloalindahy? Ny mpisehatra arapolitika? Ny firaisamonim-pirenena? Ny mpitondra fivavahana? Ny raiaman-dreny sy ny mpitantana ny fomban-drazana? Sa iza? Tsy mahagaga raha fanina sy mivadibadika toy ny lela may ny resaky ny mpitarika ny tetezamita avo satria na hanova ekipa, na hanolo piesy, na hanao didoha, ha hielatra, na hamely fantsy dia tsy misy fiovàna fa ny omaly ihany no mbola androany. Satria nahoana? Hiandry ny fiafaràn’ny volana jolay indray ny raharahantsika Gasy, kanefa efa henon’ny rehetra anie ny resaka fa “hiroso isika” e! Hiroso ho aiza? Tsy miandry ny tsy afaka hono e! Rahoviana tokoa vao ho afaka ny “anestezia” natsindrona ny olompirenena sy ny mpisehatra rehetra teto? Ny mpisehatra politika rehetra teto, hatramin’izay ka nomen’ny vahoaka ny fitokisany tamin’ny alalan’ny fifidianana, dia tratran’ny fanonganana sy ny fandravan’ny mpisetrasetra daholo. Fa nahoana moa ny Gasy no niandry 16 taona taty aorian’ny namoronana tamin’ny fomba atematemaka ny “revolisionan’ny tolom-piavotana” vao tonga saina fa nisy ny madilana teo amin’ny fitantanana? Nahoana koa no voatery narodana sy nopotehina ny “kely teo an-tanana” noho ny revolisionan’ny volon-daoranjy? Ireny rehetra ireny ve no mba revolision’ny Gasy? Ireny ve no hiakiakan’ny fiovàna? Tsy mahagaga raha mbola toy izao hatrany isika satria tsy mbola vonona ny hanao ny tena Revolisiona ny ny Gasy, tsy mbola tapa-kevitra ny amin’ny fananganany ny fireneny. Firy amin’ny mpankasitraka ny tetezamita avo no tena mino fa natao ho an’ny Gasy ny fampijoroana ity tetezamita ity hatramin’izao? Tsy nilàna ny hevitry ny sehatra iraisam-pirenena akory anie izany e!
Ony RAMBELO