jeu.

30

juin

2011

Fivoriana ataon’ny SADC : Resaka mandany jiro

Handamina sa hanakorontana? Io hat rany ny fanontaniana ataon’ny maro, momba ity fampiantsoana mpanao politika gasy ity, na eto an-toerana izany na any ivelany, izay ataon’ny SADC. Hatramin’izao anefa, dia mbola resaka mandany jiro hatrany ny vokatr’izay dinika izay. Be izay fepetra efa napetraky ny vondron’ny mpanelanelana raha ny momba ny famahana ny krizy eto Madagasikara no asian-dresaka. Napetraka ny sazy ho an’ireo olona 109 izay mpitondra tao anatin’ity tetezamita ity, saingy...

toa mbola afaka mivezivezy manerana ny firenena maro ny sasany. Nivoaka ny fanambarana momba ny fampodiana an-dRavalo sy ireo mpanao politika, izay voalaza fa tsy misy fepetra, nefa toa tsy misy fampiharana izany. Mbola ny fakana ny hevitry ny hery samihafa indray no ataon’ny iraky ny SADC eto hatramin’izao, nefa ny krizy miha-lalina hatrany. Ekena fa tsy mora ny manao zavatra, saingy andrasana ho faty ve ny vahoaka 20 tapitrisa, vao hisy andraikitra goavana ho raisina? Hisy ny fanaovan-tsonia momba ny tondrozotra ataon’ny vahiny mpanelanelana ny 17 ka hatramin’ny 20 Jolay ho avy izao eto Antananarivo, ary miomana fatratra amin’izay hivoaka eo ny rehetra. Miandry fa Gasy, ary eo no teraka ny resaka manidina hoe handamina antsika sa hanakorontana ireto SADC ireto e? Hatramin’izao mantsy toa manaiky lembenana amin’izay rebireby ataon’ny mpanao politika izy ireo, ka tsy hitan’ny vahoaka intsony izay asiany ny tongony.

Ingama

 

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra