mer.

29

juin

2011

Mpanao hitsin-dalana

Mikaikaika fa tsy afaka mankaiza, efa natao io ka dia hiafiana e! ho an’ireo nafana fo indrindra ity fampaherezana ity : efa nampoizina anie fa tsy moramora izany fanovàna izany e ! Izao aloha dia tsy misy tsy minainaina amin’ny vidim-piainana avo dia avo. Niova tokoa! hoy ny mpananihany. Ilay fanovana karohana anefa, samy manana ny fiovàna nandrandrainy. Ny an’ny mpanao politika dia nanongana izy mba hiovan’ny fitondrana ho eo aminy, fa tsy nilaza kosa izy hoe ovaina ny fitondrana ny firenena rehefa eo izy!

Dia miantso anao daholo andriamatoa Rajoelina ny vahoaka nitolona teny an-kianja 13 mey. “Noana izahay fa vahao haingana ny krizy…” “henoy izany ry hazon-damosiko”, mbola ny fodian-dRavalo sy Ratsiraka no imasoana, sao tafiditra eto ireny raha varimbariana eo. “Hiafio aloha e!” izay koa ange ny voady tamin’ny andro nitolomana e! Izao anefa vao tena tsy mahatanty ireo mpanohana mahery fo satria efa mihatra aman’aina ity fahantrana. Misy anefa ny mamoaka fiara isaky ny misy modely vaovao any andafy any izay manakona ity fahantran’ny be sy ny maro. Tsy afaka hanampi-maso tsy hahita ireny ny vahiny mandalo eto Madagasikara, ary tsy ho voatampim-bava hilaza fa hay manankarena ny Malagasy. Tsy mahagaga raha taitaitra ny distrika any ambanivohitra rehefa misy vaovao ao aminy, tafavoaka an-gazety, indrindra fa fiainam-bahoaka no resahana. Dokafan’ireny mpitondra mpanao politika ireny mantsy ireo vahoaka rehefa tonga eny amin’ny lapan’ny solombavambahoaka eny ry zareo ary ambarany fa vahoaka manankarena sy milamina. Kanjo rehefa misy ny mampita vaovao an-gazety dia tratra eo ny laingany, dia hainao ny tohiny. Betsaka ny zavatra afenina ka mamitaka sy mamahan-dalitra ny mpitondra ambony. Ny tsara ho fantatr’ireny mpanao politika zatra lalan-dririnina ireny, dia efa fahavaratra foana izao ny tontolon’ny fifandraisana, izany hoe tsy misy lalana hanitsinitsiana fotsiny toy ny teo aloha fa mba misy zotra manarapenitra tsy maintsy arahana, raha tsy izany dia hitan’ny havany eo. Efa tsy maharaka ilay Simao sy Salomao intsony ny vahoaka fa ny fantany dia miasa sy afaka mivelona eto amin’ny taniny manankarena ny vahoaka. Fampanantenan’i Andry Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy rehetra io, saingy tsy diso paika fa nanao ankisisika. Dia io isika mihitsoka io e! ho aiza marina…ho any amin’ny fifidianana, rahoviana? Sa izao no atao hoe milamina sy miaina an-kalalahana?

Hery A

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    Zo (mercredi, 29 juin 2011 20:57)

    Mankasitraka amin'ny teny mahitsy sy mivantana tsy ankiholankolana.

  • #2

    fanalita (jeudi, 30 juin 2011 08:08)

    miandry isika e!na i dada,na ny fiovana nimatimatesana teny an-kianja.misaotra mampahatsiahy e!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra