mer.
29
juin
2011
Avadiho im-pito ny lela mialoha ny hitenenana. Aza manao tora-po sy resaka “fankahalana” fotsiny raha te-hisora-tena ho filohan’i Madagasikara. Tsy filoham- pirenena Rajoelina Andry fa filoham-panjakana, araka ny norangotin’ny olona 402 teny Ivato, ny 9 martsa 2011. Mbola iadian-kevitra ihany koa ny filazana fa efa miaina ny Repoblika vaovao fahefatra isika. Noho izany dia manahirana ny mamaritra ny famotsoran-keloka faobe ho andraikitry ny filohampanjakana, na koa ho adidin’ny parlemantera notendrena.. Ny heloka ara-politika dia mifarana sy miravona amin’ny fomba politika. Mety hitarika hadisoana sy ratra eo amin’ny fitsarana sy/na hitarika tsy fahatokisana ny fitsarana ny famadihana ny raharaha politika ho ady heloka tsotra, na ady heloka bevava. Ny ady (nifanaovana), izay mitarika “vono olona” dia mila fitsarana amin’ny fomba tony, tsy tokony hisy baiko avy amin’ny mpandresy na avy amin’ny resy. Tsy ilaina akory anefa ny fitsarana raha misy ny dinika sy fifanarahana ara-politika mamafa ny heloky ny andaniny sy ny ankilany (?). Toy ny tao Afrika Atsimo raha noravana ny fanavakavaham-bolonkoditra.
Mifona na/sy miala tsiny?
Ny 21 martsa 2009, dia teny sy kabary teo Mahamasina no nampibanaka ny fonja teny Tsiafahy, ary samy nahatadidy fa nogadraina tamin’ny fomba hafahafa teny amin’ny Resto Gasy ireo tafavoaka tamin’izany. Nentina tamin’ny fihetseham-po fotsiny, toy ny filazana indray fa tsy hahazo famotsoran-keloka velively ny “mpamono olona”. Fahefana avy aiza ry ilay filohampanjakana? Sa tany amin’ireo “vahoaka“ 402? Rehefa diso dia diso, fa tsy misy diso hohamarinina, ary rehefa mifona sy miala tsiny dia tsy adala akory ny Gasy. Izay minia ihany no tena adala indrindra.
Ony Rambelo
miarahaba antsika mpamaky!mampalahelo ilay fisainana raha fanandratan-tena no entina hireharehana eran'izao tontolo izao,zany ve tsy henatra e,hoe azo tamin-kerisetra ny fahefana de tsy avela raha tsy potika ve i madagasikara?
ary tsy renareo ve le hoe "arahabaina ry ambanilanitra,fa tratry ny asaramanitra"sa mbola voambolana fampiasa hatramin'izao zany ry ambanilanitra izany?toa tamin'ny faha-mpanjaka no tsaroako nitenenana izany fa tsy vanim-potoana toy izao intsony ko!!!
