mer.

29

juin

2011

Fifaninanana tsikonona Kiady 2011

Tao amin’ny EPP Analakely no nifampitaona. Fifaninanana tsikonona andiany voalohany no nankalazan’ny Skoty Kiady faritany Antananarivo, sampana Maitso, ny Asaramanitra. Tontosa ny sabotsy 25 jona teo, tao amin’ny tokontanin’ny EPP Analakely ny fanehoana nataon’ireo ankizy 12 hatramin’ny 16 taona ny fikarakarana sakafo any an-dasy. Sokajy zazalahy sy zazavavy ampolony no nandray anjara, izay nahitana olona valo avy. Tao aorian’ny fifaninana dia nisy ny fizarana fanomezana avy amin’ny Komity Lehibe, Foibe, Mpiandraikitra, Ray aman-dreny, Kiady tranainy ary ireo malala-tanana samihafa, fanomezana natao ampiasaina amin’ny Lasy.

Nanotrona sy nanome voninahitra ny Komity Lehibe Rikki sy Olga, ny Filoha Iombonana Baloo sy Lapata, ny mpikambana teo aloha Impala sy Koala ary ny Kiadin’Imadagasikara. Mirana Lalandava, no noraisina ho loha-hevitra sy teny filamatra tamin’ity indray mandeha ity; na dia teo aza ny olana toy ny fiovan’ny toerana tamin’ny ora farany, mirana sy ravo hatrany ireo nandray anjara. Raha voalaza fa tao amin’ny Foibe toerana Kiady Amparibe no tokony ho nanaovana ny hetsika dia tsy azo io toerana io izay toa lasa fanan’olon-tsotra ankehitriny fa tsy an’ny fikambanana ka anairana ny sain’ireo tompon’andarikitra. Ny Kiadin’I Madagasikara faritany Antananarivo dia misafidy hanohy ny lahasa skoty mitodika amin’ny kolontsaina sy soa toavina. Aorian’ny Tsikonona dia ho avy indray ny dinidinika amorom-patana atao ho an’ny Sampana Mena. Nahazo voalohany ny sokajy TANTELY avy ao amin’ny AINA CEG Soamanandrariny, notolorana konjan-dasy. Ny fito voalohany dia nahazo fanomezana lehibe, toy ny ny ambiny koa.

Bebert

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra