mar.

28

juin

2011

Manana ny fotoany ?

Navondrombondron’iny olona iny tao ambadimbadika tao ny ezaka rehetra ka tonga tao an-tranony ihany ny «vahininy». Tena nahavelombolo ireto miara-miasa sy mpiara-mitondra aminy ny ezaka vitany ka toa nahazo hery tampoka izany iny olona iny, ary sahy nilaza ampahibemaso fa efa miroso amin’ny fankatoavana izao fahefana mitondra izao ny sehatra iraisampirenena. Tsara tokoa izany ny ezaka vitan’iny olona iny satria izay rehetra teo alohany dia sahirana sy nivadi-boamaso fotsiny teo. Ny iraikalahy talohabe iny dia voatery nametra-pialana tamin’ny asa nampiandraiketina azy, satria maozatra be ny tolona natao tao. I Begalona indray dia voatery noesorina mihitsy fa nanao dingana tany amin’ny taratasin-drangotra ny mpitarika politika rehetra teto. Dia iny taratasy iny no nahatonga iny lona iny nahavita izao dingana lehibe izao. Fa ny mahalasa ny saina dia tsotra: Raha tsy nisy iny fetim-pirenena iny ve dia azo antoka fa nisy an’iny vokatra azon’iny olona iny tokoa?

Raha tsy nisy ny fetin’ny foloalindahy sy ny vahoaka ve dia ho tonga niara-nanotrona izao fahefana mitondra antsika izao ireny “vahiny” ireny? Mety amin’ny fisehoan-javatra daholo izany, ary tsy misy tokony hahakivy ireo kely finoana eo amin’ity sehatra iraisam-pirenena ity. Tena manana ny fotoana mahatsara sy mahamety azy ny sehatra iraisam-pirenena, ary iny fotoana iny izany no nampisehoana mivantana ny ezaka nataon’iny olona iny. Koa tsy mahagaga raha nitodika tany amin’iny olona iny avokoa ny fijerin’ny rehetra ary te-hidera azy sy hametraka ny tenany ho manana ny traik’efa feno teo amin’ny asa nampiandraiketina azy. Raha iny olona iny izany no teo hatrizay elabe izay dia mety efa lasa lavitra kokoa isika? Mety efa nilamina sy nifety tsy tamin’ahiahy? Ela fikenona tamin-javatra tsy nisy lanjany loatra izany ny teo alohan’iny olona iny raha ny marimarina kokoa? Ho an’izany tsy mino sy tsy mahatoky ny tenany dia mety mbola hanome tsiny iny olona iny indray ka hiteny sy hanapempo fa kisendrasendra fotsiny ny fotoana nahatongavan’ireto “vahiny” ireto teny amin’iny fotoan-dehibe iny. Tsy moramora anie ny nikaroka an’iny fisehoana antsehatra iny e! Ny ho tohiny kosa anefa dia tsy maintsy any amin’niny olona iny ihany no iantefan’ny fijerin’ny rehetra. Hanao ahoana ny ho tohiny? Ho azon’izao fitondrana izao hianteherana amin’ireo ho fanampahan-keviny ve ny fihetsiky ny “vahininy”? sao mantsy ho toy ilay tamin’ny 9 martsa 2011 teny Ivato tamin’ny fotoan’ny rango-pohy ihany no nataon’izy ireo, ary anisan’ny nanamarina izany ny resak’i Vazahabe fa ho famporisihina an’izao fitondrana izao mba hanatanteraka ny fifanarahana ho amin’ny fivoahana amin’nykrizy ihany ireny fihetsika ireny. Raha izany tokoa no izy dia mety ho ny vahoaka Gasy no nojeren’ireto “vahiny” fa tsy ny “mpihazona ny fahefana”. Dia inona izany fa mety ho diso fanantena zavatra indray ve iny olona iny? Aza misy anie izany!

Dadan’i Ranto

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra