lun.
27
juin
2011
Tsy tokony ianteherana amin-drahalahy ny fampodiana an-dRavalomanana eto an-tanindrazana, hoy ny mpitarika ny MFM ALDR Manandafy Rakotonirina, raha nitondra ny hafatra fohy ho an’ireo mpitaky ny fampodiana tsy misy fepetra ny filoha Ravalomanana, tamin’ny sabotsy lasa teo teny amin’ny kianjan’ny MAGRO Behoririka, izy. «Tsy ny Sadc no Antenaina hampody an’ity filoha taloha ity, fa ny vahoaka malagasy mihitsy no mila mamerina ny hetsika nataony tamin’ny 19 febroary 2011, izay nahavory olona tsy latsaky ny 2 hetsy teny Ivato raha nikasa hody teto Ravalomanana. Isika dia mila maka fanjakana, hahafahantsika mibaiko ny miaramila mba tsy hisy hahasakana ny fiverenany eto». Io no fototry ny fampodiana an-tanindrazana andRavalomanana raha ny hevitr’ity anisan’n mpitarika ny ankolafy Ravalomanana ity.
10 andro ihany
Mila manana folo andro amin’izany famoriana ny vahoaka marobe izany ny hetsika rehetra dia rava ho azy ny fitondrana ankehitriny, hoy hatrany ny fanamar ihana nataony. Tsy Ravalomanana velively no hisisika ny hody aty, ary tsy ny tenany ihany koa no mendy amin’ny hirotsaka ho fidiana ho filohampirenena, fa mila porofoina eo imason’izao tontolo izao fa misy vahoaka eto mikiakiaka ny famerenana azy eto an-tanindrazana ka hahafahany mirotsaka ho fidiana amin’ny fifidianana ho avy. Ny fihetsiky ny SADC hatramin’izao dia te-haka toky tokoa fa ilaina ho amin’ny famerenana ny tontolo politika milamina ity Ravalomanana ity, sady mila mahafantatra izy ireo fa mbola misy olona marobe, tsy eto Antananarivo ihany fa manerana an’i Madagasikara mihitsy, no mangataka izany, hoy ihany ny lehiben’ny «Mafana» nanohy ny fanazavany.
Miova ve ny hevitra ?
Tsy nisy resaka mikasika ny fiandrasana ny fanatanterahana ny sonia na tsia ny resaky ny mpitarika Manandafy Rakotonirina, fa ny ho fandravana ny fitondrana tarihin-dRajoelina indray izany izao no fototry ny hetsika sy ny hevitra rehetra? Noporofoin’ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanamarihana ny 26 jona tao amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka indray mantsy, raha iny hita omaly iny, fa mizara sy tsy mitovy mihitsy ny fijery ny raharaham-pirenena hatramin’izao. Vory lanona ny vahoaka teny an-kianja, ka iny e no santatry ny 10 andron’I Manandafy Rakotonirina?
Andrasana ny tohiny !
Ony Rambelo